991 B
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Asafa manohy miteny ny fomba nametrahan'Andriamanitra ny Israely tany amin'ny taniny toy ny hoe Andriamanitra no lehilahy nanadio ny tany mba hambolena voaloboka. Raha ilaina ny mandika ny hevitry ny tantara mihoatra ny tantara fotsiny ihany, dia jereo izay nandikan'ny UDB izany.
Miverena
"Miverena aminay" na "Tongava ka vonjeo indray izahay"
ka hevero
"ary jereo"
ity voaloboka ity
Ny mpanoratra manohy mampitaha ny firenen'Israely amin'ny voaloboka.
Ity no faka izay novolen'ny tananao ankavanana,
Ny tanana ankavanana dia maneho ny fahefan'i Yaveh sy ny fandindiany. DH: "Ity no faka izay Ianao, Yaveh, no namboly azy"
tsiriry
ny ampahany amin'ny zava-maniry vaovao izay vao manomboka mitombo avy ao anaty tany. Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 80:9.
maty nohon'ny fibedesanao izy ireo
Ireo mety ho heviny dia 1) "ringana noho ny fandatsanao ny vahoakanao" na 2) "ho ringana anie ireo fahavalonao noho ny fibedesanao!"