1.4 KiB
Ny iraka mahatoky dia tahaka ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny fotoam-pijinjana
Eto ny iraka mahatoky dia ampitahaina amin'ny hatsiaky ny oram-panala, satria samy mahafinaritra ireo.
hatsiaky ny oram-panala
Eny an-tampon-tendrombohitra ihany no milatsaka ny oram-panala, ary ny fijinjana dia miseho amin'ny toetr'andro mafana, noho izany dia mety ho sarinteny ilazana ny rano mangatsiatsiaka, mamelombelona avy amin'ny rian-drano madio. Raha tsy misy teny ilazana ny oram-panala ny fiteninao, dia hevero ny hoe "mangatsiatsiaka, mamelombelona, rano madio."
oram-panala
vongan-drano mandry milatsaka avy any an-danitra tahaka ny orana
mampiverina ny ain'ireo tompony
Midika izany fa mahatonga ny tompony, izay osa sy reraka, hatanjaka sy hitsahatra indray izy.
Rahona sy ny rivotra tsy misy orana izay mirehareha ... tsy nomeny
Ny ankamaroan'ny dikan-teny dia mandika ity sarinteny ity amin'ny endrika fampitahana mivantana ary manova ny firafitry ny andian-teny. Zava-dehibe ho an'ny Israelita ny orana satria kely tamin'izany ihany no nilatsaka, koa ny rahona tsy misy orana dia tsy nisy nilàna azy ary nitondra fahadisoam-panantenana ho an'ireo Israelita. DH: "Izay mizahozaho ... tsy manome dia tahaka ny rahona sy rivotra tsy misy orana" na "Izay mizahozaho ... tsy manome dia tsy misy ilàna azy ary fahadisoam-panantenana, tahaka ny rahona sy rivotra tsy misy orana"