forked from WA-Catalog/plt_tn
883 B
883 B
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy milaza amin'ireo Levita sy ny vahoaka ny amin'izay tokony ho lazain'izy ireo.
Ho voaozona anie ny lehilahy
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 27:16. DH: "Yaveh anie hanozona ny lehilahy"
mampiasa hery mba hahazoana ny rariny izay tokony ho an'ny vahiny ... mpitondratena
Mosesy miresaka ny rariny toy ny hoe zavatra izay afaka alain'ny olona matanjaka eny amin'ny olona osa izany. Ny fiteninao dia mety manana teny tokana izay midika hoe "mampiasa hery mba hangalana." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 24:17. DH: "mitondra ny vahiny ... mpitondratena amin'ny tsy rariny"
kamboty
Ireo dia zaza izay samy efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana mba hikarakara azy ireo.
mpitondratena
Ity dia midika hoe vehivavy izay efa maty ny vadiny ary tsy manana zanaka mba hikarakara azy amin'ny fahanterany.