plt-x-tanala_num_text_reg/18/14.txt

1 line
626 B
Plaintext

\v 14 Ny raha abiaby vôtokagna ao Israely die ho lefinao aby. \v 15 Ny raha abiaby ijay manokatra ny troke, ny vôlohan-teraka abiaby ijay omen'olo an'i Yaveh, ny olo sy ny biby mikambagna, die ho lefinao aby. Na ijany aja, ôka ny olo hividy ny janaka lahy vôlohan-teraka abiaby indraike, ka ôka areo hividy indraike ny lahy vôlohan-terakin'ny biby maloto. \v 16 Ireo ijay vôvidin'ny olo indraike die ôka hamerigna hividy afaran'ny faha ray volagna. Avy teo die afaka mividy an'ajy ireo indraike ny olo, amin'ny vidiny sekely dimy, araka ny karajan-danjan'ny sekely fitoerana masina, ijay mitovy amin'ny zeraha rôpolo.