plt-x-tanala_num_text_reg/29/17.txt

1 line
592 B
Plaintext

\v 17 Amin'ny andro faharoen'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe ambin'ny folo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy efatre ambin'ny folo herintaogna, samby tsy manan-kilema anareo. \v 18 Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, namboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. \v 19 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo.