plt-x-tanala_num_text_reg/28/06.txt

1 line
677 B
Plaintext

\v 6 Ijay ny fagnatitra orôna mahajatre ijay nididina tao an-tampom-bohitre Sinay mba hamokatre hagnitre mamerovero, fagnatitra raike natao tamin'ny afo hôn'i Yaveh. \v 7 Ny fagnatitra nomina miaraka amin'ijay die tsy mentsy raike ampahefatry ny hina ny an'ny janak'ondry raike. Tsy mentsy ararakao eo amin'ny toerana masina ny fagnatitra nomin'ny java-pisotro mahery hôn'i Yaveh. \v 8 Ny janak'ondry hafa die tsy mentsy omenao miaraka amin'ny fagnatitra hohanina hafa amin'ny hariva hôtran'ny nomenao tamin'ny maraigna. Tsy mentsy magnome fagnatitra nomina miaraka amin'ijay mandy koa anao, fagnatitra natao tamin'ny afo, mba hamokatre hagnitre ankasitrahana hôn'i Yaveh.