\v 12 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volagna fahafito die tsy mentsy hisy fivoriana masina hankalajana an'i Yaveh. Tsy mahajo magnano ny raharaha mahajatre anareo amin'ijay andro ijay, ka tsy mentsy mitandrigna ny fifalifaliana hôn'Aje mandritra ny fito andro. \v 13 Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna anareo, sorogna natao tamin'ny afo hahatonga hagnitre mamerovero hôn'i Yaveh. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy telo ambin'ny folo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo. Ôka ho samby tsy manan-kilema io.