\v 1 Ka ny mpitarika ny fianakavian-drajamben'ny fianakaviam-ben'i Gileada janak'i Makira(ijay janak'iManase), ijay laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, die avy ka nijaka teo alohakan'i Mosesy sy teo alohakan'ny mpitarika ijay lohan'ny fianakavian-drajamben'ny fokon'olon'Israely. \v 2 Hoy areo hoe: "Yaveh no nandidy anao, ry tomponay, mba hagnome anjara tany hôn'ny fokon'olon'Israely amin'ny filokana. Nididin'i Yaveh anao mba hagnome ny anjaran'i Zelofada rahalahinay hôn'ny janagne viave.