\v 1 Yaveh nijaka tamin'i Mosesy. Hoy ijy hoe: \v 2 " Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Voriano amin-dreo hoe: 'Laha misy lelahy na viave mitoka-tegna hôn'i Yaveh amin'ny voady manokagn'ny Nazirita, \v 3 die ôka hifady dovay na java-pisotro mahery ijy. Ôka tsy hisotro vinaingitra natao tamin'ny dovay na tamin'ny java-pisotro mahery ijy. Ôka tsy hisotro ranom-bôloboke ijy na hihinagna vôloboke tsara na vôloboke maigna.\v 4 Amin'ny andro abiaby ijay hitokagnane hôn'Ahe, die ôka tsy hihinagna na ino na ino ijay vita amin'ny vôloboke ijy, agnisan'ijay ny raha abiaby vita hatamin'ny vône ka hatamin'ny hodine.