\v 1 Ary Kora no janaka lahin'i Jizara janaka lahin'i Kehata janaka lahin'i Levy, miaraka amin'i Datana sy Abirama janaka lahin'i Eliaba, sy Ona janak'i Peleta, taranak'i Robena, die nampivory ny lelahy sarasaragne. \v 2 Nitsangagna hanohitra an'i Mosesy areo, ka niaraka tamin'ny lelahy hafa laha tamin'ny fokon'olon'Israely, mpitarika fengonana dimampolo sy rônjato ijay mpikambagna fanta-daja teo amin'ny fengonana.\v 3 Niara-niangogna areo mba hiady amin'i Mosesy sy Arona. Hoy areo tamin'aje: "Lasa lavitra lôtre anareo! Fa vôtokagna ny fengonana abiaby, ny kiraidraike amin-dreo, ka Yaveh die amin-dreo eo. Nagnino no manimba ny tegnanareo eo amin'ny ambin'ny fengonan'i Yaveh anareo?"