\v 17 Nalefan'i Mosesy mba hijaha ny tany Kanana areo. Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Midira laha tagne Negera ka magnaniha agne amin'ny tagnambogna. \v 18 Zahay ny tany mba hahitana hoe hôtran'iaja. Diniho ny mponigna mitoboka ao, na matanjaka na malemy, sady na kely na rahabe. \v 19 Jahay ny toetry ny tany itobohan-dreo. Tsara ve ijany sa ratsy? Tanàna ino ny ao? Hitan'ny toby ve areo, sa tanàna mimanda? \v 20 Jahay ny toetry ny tany, laha tsara hôn'ny fambolena na tsiare, ka laha misy hajo mitsiry ao na tsiare. Mahereja ka mitondrà santionane amin'ny vokatry ny tany." Ka ijay fotôgna ijay die fotôgnan'ny vôloham-bokatra masake.