plt-x-tanala_num_text_reg/28/26.txt

1 line
739 B
Plaintext
Raw Normal View History

2021-10-04 16:38:41 +00:00
\v 26 Amin'ny andron'ny vôloham-bokatra mandy koa, laha magnome fagnatitra hohanina vaovao hôn'i Yaveh amin'ny Herignandron'ny Fifalifaliana anao, die tsy mentsy miaraka amin'ny fengonana masina mba hagnome voninahitra an'i Yaveh anao, ka tsy mahajo magnano ny asa mahajatre anao amin'ijay andro ijay. \v 27 Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna mba hajahôna hagnitre mamerovero hôn'i Yaveh anao. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe, ondrilahy raike, ary janak'ondrilahy herintaogna fito anao. \v 28 Magnomeja mandy koa fagnatitra hohanina miaraka amin'io: die koba tsara toto mifangaro diloilo, koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy kiraidraike ka roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy raike.