plt-x-sihanaka_heb_text_reg/10/32.txt

1 line
616 B
Plaintext

\v 32 Fa tadidio reo andro talô, rafa nazavaina an'nareo ny fomba niaretanareo ny ady mafy tamin'ny fijalena. \v 33 Anareo de nalana baraka ampabemaso tamin'ny fagnaratsena, sy tamin'y fagnenjena, ary nareo de niaraka nizara tam'reo ze nandalo fijalena salan'zany. \v 34 Satria nareo de nagnana fangoram-po tam'reo ze nigadra, ary nareo de nagneky tamin-pifalena ny fangalana ny fanagnanareo. De nafantatra an'nareo fa ny tegnanareo de managna fanagnana tsara koko sy maharitra mandrakizay. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talô de tsy hahitana ny fehezanteny hoe: "Fa nareo de nagnana fangoram-po tamin'ny gadrako."]