plt-x-sihanaka_heb_text_reg/09/08.txt

1 line
528 B
Plaintext

Nabôgnan'ny Fanahy Masina fa ny lalana mankao amin'ny tôrana masina ndrindra de mbôla tsy nabôgna raha mbôla mitsangana ny tabernakely vôlôny. Zany de fagnoharana ho an'zao fotôna ankehitriny zao. Reo fagnomezana sy reo sorogna ze atolotra am'zao fotôna zao de samy tsy afaka hatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka raika. Mifantoka amin'ny sakafo sy ny zava-pisotro sy karazam-pomba fidiovana betsaka fotsiny reo. Reo daôly reo de fitsipika ho an'ny nofo avokoa ze namena mandra-pagnamboarana ny fandaminana vaovao.