bmm_eph_text_reg/04/14.txt

1 line
577 B
Plaintext

\v 14 Magnorigna antsika Kristy mbô tsy ho karaha ny zaza zay atopatopan'ny onja intsony atsika, ké tsy ho indôsiny rivotry ny fampianaragna sy ny hafitsiàn'iré ôlogno amin'ny tetika feno fitaka. \v 15 Fô atsika kosa, amin'ny filazagna ny fahamarignana amin'ny fitiavagna, de tôkony hitômbo amin'ny fomba jiaby akô amin'Izy zay lôha, izégny hoe, Kristy. \v 16 Kristy de manangagna ny tegna jiaby, ké nakambana sy atambatra tamin'ny isan'tonony izégny, ary kôfa miasa miaraka iré, de mahatônga ny vatagna hitômbo mbô hampiorigna ny tegnany amin'ny fitiavagna.