txy_jdg_text_udb/18/27.txt

1 line
597 B
Plaintext

\v 27Nalanigny vahoakin'i Dana ze nataon'i Mika, tafaranizay gny pisorony, dra avy tao Laisy ereo, tagny amigny vahoaky ze sy voaelingely vo sy mana ahiahy dra namono anereo tamigny sabasy ereo dra nagnoro gny tana. \v 28Sy nisy na iza na iza nagnavosy anereo akory lala lavisy an'i Sidona zay, dra sy nana fifandresa tamin'iza na iza ereo. Tagny amigny lohasaka ze agnilanigny Beti-rehoba zay. Nagnery nananga gny tana reo Danita dra nony tao. \v 29Namen'ereo gny agnara ho Dana gny tana, agnaran'i Dana razamben'ereo, gny raiky amireo zanadahin'Israely. Fa Laisy gny agnara nahazasy anigny tana.