\v 7 Sady nandesin'ireo mpianatsa roe lahy teo amin'i Jesosy gny ana-boriky la nataony teo agnabon'io gny sikin-drozy ka afaky nondra gnazy Jesosy. \v 8 Maro gny olo namelatsy gny sikiny tegny an-dala , sady gny sasany koa namelatsy rantsan-kazo zay nitapahiny bakegny an-tsaha. \v 9 Reo zay nandeha teo alohany voho nagnaraky Gnazy nikaikaiky hoe:" Hosana! Rengea lay raiky bakamin'ny agnaran'ny Tompo. \v 10 Rengea gny fanjaka ho gnan'i Davida raintsika! Hosana agny amin'ny abo mare!"