\v 2 ho an'ireo mpino sy ireo rahalahy mahatoky ao amin'ny Kristy izay any Kolosia. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.
\v 15 Ny Zanaka lahy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita maso. Izy ilay teraka voalohany tamin'ny fahariana.
\v 16 Fa tamin'ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra, ireo izay any an-danitra sy ireo izay ety ambonin'ny tany, ireo zavatra hita maso sy ireo tsy hita. Na ireo seza fiandrianana, na ireo fanapahana, na ireo fitondram-panjakana, na ireo manam-pahefana, ireo zavatra rehetra dia nohariana tamin'ny alalany sy ho azy.
\v 17 Izy no alohan'ny zavatra rehetra, ary ao aminy no haharetan'ny zavatra rehetra.
\s5
\v 18 Izy no lohan'ny vatana, sy ny fiangonana. Izy no fiandohana sy teraka voalohany avy eo anivon'ireo maty, ka izy no nanana toerana voalohany teo anivon'ireo zavatra rehetra.
\v 19 Satria sitrak'Andriamanitra ny tokony ny hiainan'ny fahatsarany rehetra ao aminy,
\v 20 ary mba hampihavana amin'ny alalan'ny Zanaka lahy amin'ny zava-drehetra amin'izy tenany. Andriamanitra dia nihavana tamin'ny alalan'ny ràn'ny hazo fijaliany. Andriamanitra no nampihavana ny zava-drehetra tamin'ny tenany, na ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany na ireo zavatra rehetra any an-danitra.
\s5
\v 21 Tamin'ny fotoana iray, ianareo ihany koa, dia vahiny tamin'Andriamanitra ary fahavalony tao an-tsainy sy tamin'ireo asa ratsy.
\v 22 Fa ankehitriny izy no nampihavana anareo tamin'ny vatany manontolo tamin'ny alalan'ny fahafatesana. Nataony izany mba hanaovana anareo ho masina, tsy hanam-pondro eo anatrehany, ary nanala baraka azy noho ny fanaratsiana,
\v 23 raha manohy amin'ny finoana ianareo, miorina sy mafy orina, dia aza mihataka amin'ny fanantenana mahatokin'ny filazantsara izay renareo. Ity no filazantsara izay nambara tamin'ny olona rehetra nohariana ambanin'ny lanitra. Ity no filazantsara izay, nahatonga ahy, Paoly, ho mpanompo.
\s5
\v 24 Ankehitriny aho dia faly amin'ny fijaliko ho anareo, ary izaho dia nameno ny nofoko izay tsy ampy amin'ireo fahorian'i Kristy noho ny vatany, dia ny fiangonana.
\v 25 Noho ny fiangonana no nahampanompo ahy, araka ny andraikitra avy amin'Andriamanitra izay nomeny ahy ho anareo, mba hahatanteraka ny tenin'Andriamanitra.
\v 26 Io no marina miafina izay nafenina nandritry ny taona maro sy ho an'ireo taranaka. Fa ankehitriny dia efa niseho izany tamin'ireo izay mino azy.
\v 27 Tamin'izy ireo no tian'Andriamanitra nampahafantarina ireo haren'ny voninahitr'ity fahamarinana miafina ity teo anivon'ny Jentilisa. Izany dia Kristy no ao aminao, ilay tokin'ny voninahitra ho avy.
\s5
\v 28 Dia izy ilay notorianay. Nananatra ny olona rehetra izahay, ary nampianatra ny olona rehetra tamin'ny fahendrena rehetra, mba hanolorantsika ny olona rehetra feno ao amin'i Kristy.
\v 29 Noho izany dia miasa mafy aho sy miezaka araka ny tanjany izay miasa ato amiko amin'ny hery.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Fa tiako ho fantatrareo ny halehiben'ny tolona nataoko ho anareo, ho an'ireo any Laodikia, sy ho an'ireo maro mbola tsy nahita ny tavako tamin'ny nofo.
\v 2 Miasa aho mba hampahery ny fon'izy ireo amin'ny fampiraisana azy ireo miaraka ao amin'ny fitiavana sy ny harena rehetra amin'ny fahalalana azo antoka, ho amin'ny fahalalana ny fahamarinana miafin'Andriamanitra, izany hoe, i Kristy.
\v 3 Ao aminy ny haren'ny fahendrena sy izay fahalalana rehetra no miafina.
\v 5 Na dia tsy miaraka aminareo ao amin'ny nofo aza aho, dia miaraka aminareo ao amin'ny fanahy. Faly aho mahita ny filaminanareo tsara sy ny tanjakin'ny finoanareo an'i Kristy.
\s5
\v 6 Raha nandray an'i Kristy Tompo ianareo, dia mandehana ao aminy.
\v 8 Mitandrema mba tsy hamela olona hisambotra anareo amin'ny alalan'ny filozofia na ny fitaka foana araky ny fanaon'ny olona, izay manaraka ny endrik'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i kristy.
\v 9 Fa ao Aminy no mitoetra ny fahatsaran'ny tenan'Andriamanitra rehetra.
\s5
\v 10 Feno ianareo ao Aminy. Izy no lohan'ny hery sy ny fahefana rehetra.
\v 11 Tao Aminy ihany koa ianareo no noforaina tamin'ny famorana izay tsy nataon'ny olombelona amin'ny fanesorana ny nofo amin'ny vatana, fa tamin'ny famoran'i Kristy.
\v 16 Koa, aza avela hisy hitsara anareo na amin'ny fihinana na amin'ny fisotroana, na amin'ny andro fety na amin'ny volana vaovao, na amin'ny andro Sabata.
\v 17 Izany no alok'ireo zavatra ho avy, fa ny tena izy dia i Kristy.
\s5
\v 18 Aza avela hisy na iza na iza izay mila ny fanetren-tena sy ny fideran'ny anjely hitsara anareo ka tsy hahazoanareo ny lokanareo. Ny olona toy izany dia miditra amin'ny zavatra hitany ary manjary mieboebo amin'ny fisainan'ny nofony.
\v 19 Tsy mihazona ny lohany izy. Izany dia avy amin'ny loha izay nomen'Andriamanitra ny vatana manontolo manerana ireo vanin-taolany sy ny hozany izay manome ka mihazona izany rehetra izany mitambatra; izany dia mitombo miaraka amin'ny fampitomboana nomen'Andriamanitra.
\s5
\v 20 Raha maty niaraka tamin'i Kristy ianareo tamin'ireo endrik'izao tontolo izao, nahoana ary ianareo no miaina toy ny voatery amin'ny tany:
\v 22 Izany zavatra rehetra izany dia ho an'ny fahalovana, araka ny torolalana sy ny fampianaran'olombelona.
\v 23 Ireny fitsipika ireny dia manana fahendren'ny fomba fivavahana, ny fanetren-tena izay nataon'ny tenany manokana ary ny fampahoriana ny vatana. Fa izy ireo dia tsy manan-danja amin'ny fanoherana ny fandeferana ny filan'ny nofo.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Koa raha Andriamanitra no nanangana anareo niaraka tamin'i Kristy, katsaho ireo zavatra any ambony, izay ipetrahan'i Kristy eo an-tanan- kavanan'Andriamanitra.
\v 2 Saino ireo zavatra any ambony, fa tsy ireo zavatra eto an-tany.
\v 3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo dia miafina miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
\v 9 Aza mifandainga, fa efa narianareo ny toetra taloha miaraka amin'ireo fampiharana izany,
\v 10 ary notafinareo ny toetra vaovao izay nohavaozina ao amin'ny fahalalana araka ny endrik'izay namorona izany.
\v 11 Ao amin'izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, barbariana, Skytiana, andevo, olon'afaka, fa i Kristy no rehetra, ary ao amin'ny rehetra.
\s5
\v 12 Koa, mitafia, araka ny maha-olom-boafidin'Andriamanitra, masina ary malala, famindram-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary faharetana.
\v 13 Mifampitondrà tsara. Mifamelà. Raha misy olona iray manana fitarainana momba ny olona hafa, mamelà toy izay namelan'ny Tompo anareo.
\v 15 Aoka ny fiadanan'i Kristy hanapaka ao amin'ny fonareo. Fa ho an'izany fiadanana izany no niantsoana anareo ho vatana iray. Ary misaora.
\v 16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Amin'ny fahendrena rehetra mifampianara ary mifananara amin'ireo salamo sy fihirana ary hira ara-panahy. Mihirà amin'ny fisaorana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
\v 17 Na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny na amin'ny asa, ataovy amin'ny anaran'ny Tompo Jesosy ny rehetra. Manomeza fisaorana ho an'Andriamanitra ilay Ray amin'ny alalany.
\s5
\v 18 Ry vehivavy, maneke ny vadinareo, fa izany no mety ao amin'ny Tompo.
\v 19 Ry lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza masiaka amin'izy ireo.
\v 20 Ry zanaka, mankatoava ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra, fa izany no ankasitrana ao amin'ny Tompo.
\v 21 Ry ray, aza manao izay mampalahelo ireo zanakareo, mba tsy ho kivy izy ireo.
\s5
\v 22 Ry andevo, mankatoava ny tomponareo araka ny nofo amin'ireo zavatra rehetra, tsy amin'ny asa eo imaso toy ny olona mpila sitraka, fa amin'ny fo tsotra. Matahora ny Tompo.
\v 23 Na inona na inona ataonareo, miasà avy amin'ny fanahinareo toy ny ho an'ny Tompo fa tsy ho an'ny olona.
\v 24 Fantatrareo fa ianareo dia handray ny valisoan'ny lova avy amin'ny Tompo. Izy no Tompo Kristy izay tompoinareo.
\v 25 Fa izay manao ny tsy fahamarinana dia handray ny sazy ho an'ny tsy fahamarinana izay nataony, ary tsy misy fizahan-tava.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ry tompo, omeo ireo andevo izay marina sy rariny. Fantatrareo fa ianareo ihany koa manana tompo iray any an-danitra.
\v 3 Miaraha mivavaka ho anay ihany koa, mba hanokafan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny, mba hilazana ny fahamarinana miafin'i Kristy. Nohon'ny amin'izany, dia voafatotra aho.
\v 4 Mivavaha mba ahafahako manazava izany, raha tokony hiteny aho.
\s5
\v 5 Mandehana amin'ny fahendrena any amin'ireo izay any ivelany, ary araraoty ny fotoana. Aoka ny teninareo hiaraka amin'ny fahasoavana hatrany.
\v 6 Aoka ireo ho vonton-tsira, mba hahafahanareo mahalala ny fomba tokony hamalianareo ny olona tsirairay.
\s5
\v 7 Raha ireo zavatra momba ahy, dia i Tykyko no hampahafantatra ireny aminareo. Izy dia rahalahy malala, mpanompo mahatoky, ary mpiara-manompo ao amin'ny Tompo.