\v 5 Fa raha misy aminareo mila fahendrena, aoka izy hangataka izany amin'Andriamanitra, ilay iray izay manome an-tsitrapo sy tsy mandatsa izay rehetra mangataka, ary omeny azy izany.
\v 6 Fa avelao izy hangataka amin'ny finoana, tsy misalasala amin'inona na inona. Fa izay misalasala dia tahaka ny onjan-dranomasina izay entin'ny rivotra sy mitopatopa.
\v 7 Fa izany olona izany dia tsy tokony hieritreritra ny handray na inona na inona avy amin'ny Tompo.
\v 8 Ny olona tahaka izany dia miroa saina, miovaova amin'ny lalany rehetra.
\v 9 Aoka ny rahalahy mahantra hanao ny fisandratany ho reharehany,
\v 10 fa ny olona manan-karena amin'ny fietreny, satria izy dia hilofika tahaka ny voninkazo-dia eny amin'ny ahitra.
\v 11 Fa ny masoandro dia miposaka amin'ny hafanana mahamay ary manamaina ny ahitra. Ny voninkazo dia mihintsana, ary ny hatsarany dia ho levona. Toy izany koa, ny olona manan-karena dia halazo eny amin'ny atsasaky ny diany.
\v 17 Ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra dia avy any ambony. Izany dia midina avy amin'ny Rain'ny fahazavana. Miaraka aminy dia tsy misy fiovana na aloka nohon'ny fiodinana.
\v 18 Andriamanitra dia nisafidy ny hanome fahaterahana antsika amin'ny tenin'ny fahamarinana, mba ho karazana voaloham-bokatr'ireo zavatra rehetra izay noforoniny isika.
\v 21 Koa esory ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana rehetra. Amim-panetre-tena dia raiso ny teny efa napetraka, izay afaka mamonjy ny fanahinareo.
\v 22 Aoka ho mpankatoa ny teny ianareo fa tsy mpihaino fotsiny ihany, ka mamitaka ny tenanareo.
\v 23 Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mpankatoa, dia tahaka ny olona izay mandinika ny tarehiny voajanahary anaty fitaratra izy.
\v 24 Mandinika ny tenany izy ka mandeha avy eo ary manadino avy hatrany ny momba azy.
\v 25 Fa ny olona izay mandinika tsara ny lalànan'ny fahafahana tonga lafatra, sy manohy manao izany, fa tsy hoe mpihaino fotsiny izay manadino, dia ho tahiana amin'ireo asany izany olona izany.
\v 26 Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mifehy ny lelany, dia mamitaka ny fony izy, ary tsy misy vidiny ny fivavahany.
\v 27 Ny fivavahana madio sy tsy misy pentina eo anoloan' Andriamanintsika sy ny Raintsika dia izao: hanampy ireo kamboty sy ireo mpitondratena amin'ny fahorian'izy ireo, ary miaro ny tena mba tsy hisy pentina avy amin'izao tontolo izao.
\v 5 Mihainoa, ry rahalahy malalako, tsy efa nofidian' Andriamanitra ve ny mahantran'izao tontolo izao mba hanankarena amin'ny finoana sy mba ho mpandova ny fanajakana izay nampanantenainy ireo izay tia Azy?
\v 6 Fa ianareo dia nanala baraka ny mahantra! Moa tsy ny mpanan-karena ve no mampahory anareo? Moa tsy ireo va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
\v 7 Moa tsy izy ireo va no nanaratsy ny anarana tsara izay anareo?
\v 8 Na izany aza, raha manatanteraka ny lalàn'ny mpanjaka ianareo, araky ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao," dia manao ny tsara ianareo.
\v 20 Tianareo ho fantatra ve, ry lehilahy adala, fa ny finonana tsy misy asa dia tsy misy ilaina azy?
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha sasany dia mamaky hoe: "Tianareo ho fantatra va, ry lehilahy adala, hoe nahoana ny finoana tsy misy asa no maty?" \f*
\v 23 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina taminy ho fahamarinana izany," ary izy nantsoina hoe sakaizan'Andriamanitra.
\v 1 Tsy olona maro no tokony ho lasa mpampianatra, ry rahalahiko. Fantantsika fa handray fitsarana mafy kokoa isika.
\v 2 Fa isika rehetra dia tafintohina amin'ny fomba maro. Raha misy tsy tafintohina amin'ireo teny, dia lehilahy matotra tanteraka izy, afaka mifehy na dia ny tenany iray manontolo aza.
\v 3 Ary raha asiantsika lamboridy eo ambavan'ireo soavaly mba hankatoavan'izy ireo antsika, dia afaka mitondra ny vatan'izy ireo iray manontolo ihany koa isika.
\v 4 Jereo ihany koa fa ireo sambo, na dia lehibe tokoa aza izy ireny ary entin'ny rivo-mahery, dia voavilin'ny familiana tena kely any amin'izay rehetra tian'ny mpanamory.
\v 5 Toy izany koa ny lela dia rantsana kely amin'ny vatana, kanefa izy dia mihambo zavatra betsaka. Jereo ihany koa ny hakelin'ny afo izay mandoro ala be.
\v 6 Ny lela ihany koa dia afo, tontolon'ny fahotana napetraka teo amin'ny ratsam-batantsika. Izany dia manisy pentipentina ny vatana iray manontolo ary mandoro ny lalam-piainana. Arehitrin'ny helo ny tenany.
\v 7 Fa ny karazam-bibidia rehetra, vorona, biby mandady, ary zava-boaharin-dranomasina dia folaka ary nofolahin'ny olombelona.
\v 8 Fa momban'ny lela, tsy misy olona mahavita mamolaka izany. Io dia ratsy tsy hay fehezina, feno poizina mahafaty.
\v 9 Amin'io no hiderantsika ny Tompo sy ny Ray, ary amin'io no hanozonantsika olona, izay natao nitovy tamin'Andriamanitra.
\v 10 Avy amin'izany vava izany ihany no hivoahan'ny fitahiana sy fanozonana. Ry rahalahiko, tsy tokony hitranga ireo zavatra ireo.
\v 11 Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy avy amin'ny fivoahany?
\v 12 Moa ny hazon'ny aviavy va, ry rahalahiko, mamoa oliva? Na ny voaloboka, mamoa aviavy? Ny rano masira koa dia tsy afaka hanome rano mamy.
\v 13 Iza no hendry sy mahalala eo anivonareo? Avelao izany olona izany hampiseho fiainana tsara amin'ny asany amin'ny fanetren-tenan'ny fahendrena.
\v 14 Fa raha manana fialonana mangidy ianareo ary fanirian-daza ao am-ponareo, dia aza mihambo na mandainga manohitra ny marina.
\v 15 Izany dia tsy fahendrena izay nidina avy any ambony. Fa kosa, avy amin'ny tany, ny tsy ara-panahy, ny demoniaka izany.
\v 16 Fa any amin'izay misy fialonana sy fanirian-daza, dia misy fifanjevona sy fanaovana ny ratsy rehetra.
\v 17 Fa ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, avy eo feno fiadanana, malemy fanahy, mihevitra ny hafa, feno famindram-po sy vokatra tsara, tsy malemy, ary tsotra.
\v 18 Ny vokatry ny fahamarinana dia voafafy am-piadanana eo anivon'ireo izay mampihavana.
\v 1 Avy aiza no niavian'ireo ady sy ireo fifandirana eo aminareo? Moa va ireo tsy avy amin'ny fanirianareo izay miady amin'ny mpikambana eo anivonareo?
\v 2 Maniry ianareo, nefa tsy manana. Mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy afaka ny ahazo. Miady sy mifanditra ianareo. Tsy manana ianareo satria tsy mangataka.
\v 3 Mangataka ianareo nefa tsy mahazo satria ratsy fangataka, mba hahafahanareo mampiasa izany ho amin'ny fanirianareo.
\v 4 Ianareo ry Mpijanganjanga! Moa tsy fantatrareo ve fa ny fisakaizana amin'izao tontolo izao dia fandrafiana manohitra an'Andriamanitra? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao dia manao ny tenany ho fahavalon'Andriamanitra.
\v 5 Sa ianareo va mieritreritra fa ny Soratra Masina dia miteny zava-poana hoe: "Ny Fanahy izay nataony niaina tao amintsika dia saro-piaro loatra"?
\v 6 Fa Andriamanitra manome fahasoavana bebe kokoa, noho izany dia hoy ny soratra masina hoe: "Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fa manome fahasoavana ny mpanetry tena"
\v 11 Aza mifanaratsy ianareo, ry rahalahy. Ny olona izay manaratsy ny rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manohitra ny lalàna ary mitsara ny lalàna. Raha mitsara ny lalàna ianareo, dia tsy mpankàto ny lalàna, fa mpitsara.
\v 12 Iray ihany no manome lalàna sy mitsara. Izy ilay iray afaka mamonjy sy mandringana. Iza moa ianao, izay mitsara ny namanao?
\v 2 Ny harenareo efa lo, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao.
\v 3 Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo dia efa harafesina. Ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo. Handoro ny nofonareo tahaka ny afo izany. Notehirizinareo ny harenareo ho amin'ny ireo andro farany.
\v 4 Indro, ny karaman'ireo mpiasa dia mitaraina _ny karama izay nohazoninareo tsy ho an'ireo izay nampamokatra ny sahanareo, ary ireo fitarainan'ny mpijinja dia efa tonga any an'tsofin'ny Tompon'ny maro.
\v 5 Niaina tamin'ny harena teto an-tany ianareo ary nanara-po tamin'ny tenanareo. Natavezinareo ny fonareo ho an'ny andro famonoana.
\v 6 Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo. Tsy nanohitra anareo izy.
\v 7 Koa mahareta, ry rahalahy, mandra-piavin'ny Tompo. indro, ny mpamboly miandry ny vokatra sarobidy avy amin'ny tany. Miandry amim-paharetana izany izy, mandra-pahazoan'izany ny voaloha sy ny fara-orana.
\v 8 Ianareo, ihany koa, mahàreta. Hatanjaho ny fonareo, satria efa akaiky ny fiavian'ny Tompo.
\v 9 Aza mifampitaraina, ry rahalahy, mba tsy ho tsaraina ianareo. Indro, ny mpitsara mijoro eo am-baravarana.
\v 10 Makà ohatra, ry rahalahy, avy amin'ny fijaliana sy faharetan'ireo mpaminany, ireo izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo.
\v 11 Indro, ataontsika toy ny sambatra ireo izay efa niharitra. Efa renareo ny fiaretan'i Joba, ary fantatrareo ny tanjon'ny Tompo, ny maha-feno fangorahana sy famindram-po Azy.
\v 12 Fa ambonin'ny rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra na amin'ny tany, na amin'ny fianianana hafa. Fa kosa, aoka ny teninareo hoe: "Eny" ho "Eny" ary ny "Tsia" ho "Tsia," mba tsy hiditra amin'ny fitsarana ianareo.
\v 19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampiverina azy,
\v 20 dia tokony ho fantatr'io olona io fa na iza na iza manala ny mpanota iray amin'ny lalan-diso dia hamonjy azy amin'ny fahafatesana, ary hanarona fahotana marobe.