\v 4 Jaona nankany amin'ireo fiangonana fito tany Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny, sy taloha, ary ho avy, sy avy amin'ireo fanahy fito izay eo anatrehan'ny seza fiandrianany,
\v 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, izay vavolombelona marina, lahimatoa amin'ny maty, ary lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'ilay tia antsika sy nanafaka antsika tamin'ireo fahotantsika tamin'ny ràny—
\v 6 Izy dia nanao antsika ho fanjakana, mpisorona ho an'Andriamaniny sy Rainy— ho Azy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay doria. Amena.
\v 8 “Izaho no Alfa sy Omega,” hoy ny Tompo Andriamanitra, “ilay ankehitriny, sy taloha, ary ho avy, dia ilay Tsitoha.”
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny hafa taloha dia mivaky toy izao: “Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy fiafarana,” hoy ny Tompo Andriamanitra. \f*
\v 9 Izaho, Jaona—rahalahinareo sy ilay iray izay nizara taminareo tao anatin'ny fijaliana sy fanjakana ary ny faharetana ao amin'i Jesosy Kristy— dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona ny mahakasika an'i Jesosy.
\v 10 Izaho dia notarihin'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Tompo. Nandre feo mahery tahaka ny trompetra teo ivohoko aho.
\v 8 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna hoe: “Ireto ny tenin'ilay iray izay voalohany ary farany, ilay iray izay efa maty nefa velona indray:
\v 9 “Fantatro ireo fahorianao sy ny fahantranao, nefa manan-karena ianao. Fantatro ny fitenenan-dratsy ho an'ireo izay miteny ny tenany fa Jiosy, kanefa tsy izy. Synagogan'i Satana izy ireo.
\v 10 Aza matahotra ny amin'izay efa hiaretanao. Indro! Ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo any amin'ny tranomaizina mba ho tsapaina ianareo, ary hijaly mandritry ny folo andro ianareo. Matokia mandra-pafahaty, ka homeko anareo ny satro-boninahitry ny fiainana.
\v 15 Toy izany ihany, misy sasany aminareo izay mitana mafy ny fampianaran'ireo Nikolaita.
\v 16 Mibebaha, noho izany! Fa raha tsy izany, dia ho tonga faingana any aminareo Aho, ary hifanandrina amin'izy ireo aho miaraka amin'ny sabatry ny vavako.
\v 18 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Tyatira hoe: ‘Ireto ny tenin'ny Zanak'Andriamanitra, izay manana maso toy ny lelafo ary tongotra toy ny varahina mangirana:
\v 19 “Fantatro izay vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao ary ny faharetanao. Fantatro fa izay vitanao farany dia betsaka noho izay vitanao voalohany.
\v 20 Kanefa izao no hanoherako anao: Leferinao ilay vehivavy Zezebela, izay miantso ny tenany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianarany dia mamitaka ireo mpanompoko izy mba hijangajanga sy hihinana sakafo atao sorona ho an'ny sampy.
\v 21 Nanome fotoana mba hibebahany Aho, kanefa tsy mety hibebaka ny amin'ny fijangajangany izy.
\v 22 Indro! Hataoko marary eo ampandriana izy, ary ireo izay mijangajanga miaraka aminy dia hampahoriako mafy, raha tsy mibebaka amin'ny asa ratsin'ilay vehivavy izy ireo.
\v 23 Ho vonoiko ho faty ireo zanany, ary ireo fiangonana rehetra dia hahalala fa Izaho ilay mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Homeko araka ny asanareo tsirairay avy ianareo.
\v 2 Mifohaza ary hatanjaho izay tavela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanteraka ireo asanao eo imason'Andriamanitro.
\v 3 Tadidio, noho izany, izay noraisinareo sy renareo. Ankatoavy izany, ary mibebaha. Fa raha tsy mifoha ianareo, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ary tsy ho fantatrareo ny ora hiaviako aminareo.
\v 4 Fa misy anaran'olona vitsivitsy any Sardisy izay tsy nandoto ny akanjon'izy ireo. Handeha hiaraka amiko izy ireo, miakanjo fotsy, satria mendrika.
\v 5 Ilay iray izay maharesy dia ho ampiakanjoana fotsy, ary tsy hamafa ny anarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana mihitsy Aho, ary hilaza ny anarany eo anatrehan'ny Raiko, sy eo anatrehan'ireo anjeliny.
\v 7 “Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia hoe: ‘Izao no tenin'ilay iray izay masina sy marina_ izy no mitazona ny fanalahidin'i Davida, izy no mamoha ary tsy misy na iza na iza manidy, izy no manidy ary tsy misy na iza na iza afaka mamoha.
\v 8 “Fantatro izay vitanareo. Indro, nametrahako varavarana mivoha eo anoloanareo izay tsy afaka hidin'iza na iza. Fantatro fa manana hery kely ianareo, ka nankàto ny teniko ary tsy nandà ny anarako.
\v 14 “Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia hoe: ‘Izao no tenin'ny Amena, ilay vavolombelona mahatoky sy marina, ilay mpanapaka ny zava-boaarin' Andriamanitra.
\v 15 “Fantatro izay nataonareo, ary tsy mangatsiaka na mafana ianareo. Maniry Aho mba ho mangatsiaka na mafana ianareo!
\v 17 Fa hoy ianareo hoe: ‘Manan-karena aho, nanana fitaovana maro, ka tsy mila na inona na inona.’ Saingy tsy fantatrareo fa ianareo no tena ory, mampahonena, mahantra, jamba ary mitanjaka.
\v 18 Henoy ny torohevitro: Mividiana volamena voadio tamin'ny afo amiko mba ho tonga mpanan-karena ianareo, ary akanjo fotsy manjopiaka mba ho afaka mampitafy ny tenanareo ianareo ka tsy hampiseho ny henatry ny fitanjahanareo, ary hanosotra ny masonareo mba hahiratanareo.
\v 20 Indro, mijoro eto amin'ny varavarana Aho ary mandondona. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia ho avy ao an-tranony Aho ka hihinana miaraka aminy, ary izy miaraka amiko.
\v 21 Ilay iray izay mandresy, hatolotro azy ny zo hipetraka miaraka amiko eo amin'ny seza fiandrianako, tahaka ny nandreseko koa ka nipetrahako niaraka tamin'ny Raiko teo amin'ny seza fiandrianany.
\v 3 Ilay iray izay nipetraka teo amboniny dia miendrika tahaka ny jaspa sy karneola. Nisy avana nanodidina ny seza fiandrianana. Ilay avana dia miendrika toy ny emeraoda.
\v 8 Ireo zava-manan'aina efatra dia samy manana elatra enina avy, feno maso ny ambony sy ny ambany. Andro sy alina izy ireo dia tsy mitsahatra miteny hoe: “Masina, masina, masina ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha izay nisy, sy misy, ary mbola ho avy.”
\v 11 “Mendrika ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny voninahitra sy ny laza ary ny hery. Fa Ianao no namorona ny zavatra rehetra, ary tamin'ny alalan'ny sitraponao, dia nisy izy ireo ary nohariana.”
\v 6 Nahita Zanak'ondry mitsangana eo anelanelan'ny seza fiandrianana sy ireo zava-manan'aina efatra ary eo anivon'ireo loholona aho. Toy ny hoe olona novonoina izy. Nanana tandroka fito sy maso fito izy; izy ireo no fanahy fiton'Andriamanitra nalefa nanerana ny tany.
\v 11 Avy eo aho dia nahita sy nandre feon'anjely maro nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo zava-manan'aina ary ireo loholona. Ny fitambaran'ny izy ireo dia aman'alina alina.
\v 13 Nandre ireo zavatra voaforona rehetra izay tany an-danitra sy teto an-tany ary an-dranomasina aho- ny zavatra rehetra tao anatin'ireo-niteny hoe: “Ho an'ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy ho an'ilay Zanak'ondry, anie ny dera, ny laza, ny voninahitra, ary ny fahefana handidy, mandrakizay doria.”
\v 1 Rehefa nanokatra ny iray tamin'ireo tombo-kase fito ny Zanak'ondry dia nijery aho, ary nandre ny iray tamin'ireo zava-manan'aina efatra tamin'ny feo toy ny kotroka aho niteny hoe: “Avia!
\v 4 Dia nisy soavaly hafa nivoaka- mirehitra mena. Ny mpitaingina izany no nomena alalana hanala ny fiadanana amin'ny tany, mba hifamono ny olony. Io mpitaingina io dia nomena sabatra lehibe.
\v 5 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahatelo ny Zanak'ondry, dia nandre ny zava-manan'aina fahatelo aho niteny hoe: “Avia!” Nahita soavaly mainty aho, ary ny mpitaingina izany dia nitàna mizàna teny an-tanany.
\v 6 Nandre tahaka ny feo tamin'ny zava-manan'aina efatra aho niteny hoe: “Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denaria iray, ary ny hordea in-telon'ny fatram-bary ho an'ny denaria iray. Fa aza manimba ny menaka sy ny divay.”
\v 7 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahaefatra ny Zanak'ondry, dia nandre ny feon'ny zava-manan'aina fahaefatra aho niteny hoe: “Avia!
\v 9 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahadimy ny Zanak'ondry, dia hitako tao ambany alitara ireo fanahin'ireo izay novonoina noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona izay notànan'izy ireo.
\v 10 Nihiaka tamin'ny feo mafy izy ireo hoe: “Mandra-pahoviana, ry Mpanapaka ambonin'ny rehetra, masina sy marina, no hitsaranao ireo izay miaina eto an-tany, sy hamalianao faty ny rànay?
\v 11 Dia nomena akanjolava ny tsirairay avy tamin'izy ireo, ary notenenina izy ireo fa tokony hiandry kelikely mandra-pahazoana ny isa fenon'ireo mpiara-manompon'izy ireo sy ireo rahalahy sy anabavin'izy ireo izay tokony hovonoina izy ireo, toy ny namonoana azy ireo.
\v 12 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahaenina ny Zanak'ondry, dia nijery aho ary nisy horohoron-tany lehibe. Lasa mainty toy ny lamba fisaonana ny masoandro, ary ny volana fenomanana dia lasa toy ny rà.
\v 13 Ireo kintana teny amin'ny lanitra dia nianjera tety an-tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta rehefa ahetsiky ny rivotra mahery.
\v 14 Ny lanitra dia nanjavona toy ny horonan-taratasy izay naorongorona. Ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nesorina teo amin'ny toerany.
\v 15 Avy eo ireo mpanjakan'ny tany sy ny olona manan-danja, sy ireo jeneraly, ny mpanan-karena, ny mahery, ary ny hafa rehetra, andevo sy afaka, niafina tao anatin'ireo lava-bato sy tamin'ireo vatolampin'ny tendrombohitra.
\v 11 Ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana sy manodidina ireo loholona sy ny zava-manan-aina efatra, ary izy ireo dia nampiankohoka ny tavan'izy ireo teo anoloan'ny seza fiandrianana. Nivavaka tamin'Andriamanitra izy ireo
\v 15 Noho izany antony izany, dia eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanira izy ireo, sy mivavaka aminy andro aman'alina ao amin'ny tempoliny. Ny iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny lainy amin'izy ireo.
\v 16 Tsy ho noana intsony izy ireo, na hangetaheta indray. Tsy hamely azy ny masoandro, na ny hafanana mandoro.
\v 17 Fa ny Zanak'ondry eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho mpiandry azy ireo sy hitari-dalana azy ireo any amin'ny loharanon'ny rano velona, ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo.”
\v 7 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely voalohany, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy tety an-tany izany mba ho may ny ampahatelon'izany, may ny ampahatelon'ny hazo, ary may avokoa ireo ahi-maitso.
\v 8 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely faharoa, ary nisy zavatra toy ny tendrombohitra lehibe nirehitr'afo natsipy tany an-dranomasina. Lasa rà ny ampahatelon'ny ranomasina,
\v 9 maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an-dranomasina, ary rava ny ampahatelon'ireo sambo.
\v 10 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely fahatelo, ary nisy kintana lehibe nilatsaka avy any an-danitra, mirehitra toy ny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ireo ony sy loharano.
\v 11 Zava-mangidy no anaran'ilay kintana. Lasa nangidy ny ampahatelon'ilay rano, ary olona maro no maty tamin'ilay rano izay lasa nangidy.
\v 12 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely faha-efatra, ary niova ny ampahatelon'ny masoandro, toy ny ampahatelon'ny volana sy ny ampahatelon'ireo kintana. Noho izany dia lasa mainty ny ampahatelon'ireo; tsy nisy hazavana ny ampahatelon'ny andro sy ny ampahatelon'ny alina.
\v 1 Nampaneno ny trompetrany ny anjely fahadimy. Nahita kintana avy any an-danitra aho izay nianjera teny amin'ny tany. Ilay kintana no nomena ny fanalahidin'ilay lavaka tsy hita noanoa.
\v 2 Nosokafany ilay lavaka tsy hita noanoa, ary niakatra ny setroka nivoaka tao amin'ny lavaka toy ny setroka avy amin'ny lafaoro lehibe. Nivadika maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon'ny setroka nivoaka tao an-davaka.
\v 4 Notenenina izy ireo tsy hanimba ny ahitra teto ambonin'ny tany na ireo zava-maniry maitso na hazo, fa ireo olona izay tsy manana tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handrin'izy ireo ihany.
\v 5 Tsy nahazo alalana ny hamono ireo olona ireo izy ireo, fa hampijaly azy ireo mandritra ny dimy volana ihany. Ny fanaintainan'izy ireo dia ho toy ny tsindron'ny maingoka rehefa mamely olona.
\v 6 Amin'ireo andro ireo dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita izany. Haniry ny ho faty mafy izy ireo, nefa handositra azy ireo ny fahafatesana.
\v 7 Toy ny soavaly nomanina tamin'ny ady ireo valala. Tamin'ny lohan'izy ireo dia nisy zavatra toy ny satro-boninahitra volamena, ary ny tavan'izy ireo dia toy ny tavan'olombelona.
\v 8 Nanana volo toy ny volom-behivavy izy ireo, ary ny nifin' izy ireo dia toy ny nifin'ny ireo liona.
\v 9 Nanana fiarovan-tratra toy ny fiarovan-tratra vy izy ireo, ary ny feon'ny elatr'izy ireo dia toy ny feon'ny kalesy sy soavaly maro mihazakazaka ho any amin'ny ady.
\v 10 Nanana rambo nisy fanindromana toy ny maingoka izy ireo; ao amin'ny rambon'izy ireo no misy ny hery hanimba ny olona mandritra ny dimy volana.
\v 11 Nanana mpanjaka izy ireo dia ilay anjelin'ilay lavaka tsy hita noanoa. Ny anarany tamin'ny teny Hebreo dia Abadona, ary ny anarany tamin'ny teny grika dia i Apolyona.
\v 17 Toy izany no fomba nahitako ireo soavaly tao amin'ny fahitako sy ireo izay nitaingina teo amin'izy ireo: Ireo fiarovan-tratran'izy ireo dia mirehitra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ireo liona ny lohan'ireo soavaly, ary ny nivoaka avy tao am-bavan'izy ireo dia afo, setroka, ary solifara.
\v 18 Ary ny ampahatelon'ireo olona dia matin'ireo loza telo: ny afo, ny setroka, ary ny solifara izay nivoaka avy tao am-bavan'izy ireo.
\v 19 Fa ny herin'ireo soavaly dia avy tao amin'ny vavan'izy ireo sy tamin'ny rambon'izy ireo - fa ny rambon'izy ireo dia toy ny bibilava, ary nanana loha izay afaka mandratra olona izy ireo.
\v 20 Ny ambin'ireo olombelona, ireo izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka tamin'asa izay vitan'izy ireo, na nijanona nanompo ireo demony sy sampy volamena, volafotsy, varahana, vato, ary hazo- ireo zavatra izay tsy hita maso, re, na mandeha.
\v 21 Izy ireo dia mbola tsy nibebaka tamin'ny asa famonoana, ny famosavian'izy ireo, ny fijangajangana na ireo asa fangalaran'izy ireo.
\c 10
\p
\v 1 Avy eo aho dia nahita anjely mahery hafa nidina avy any an-danitra. Tao anaty rahona izy, ary nisy avana teo ambonin'ny lohany. Ny tarehiny dia miendrika masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo.
\v 2 Mitazona horonan-taratasy kely mivelatra amin'ny tanany izy, ary mametraka ny tongony havanana amin'ny ranomasina sy ny tongony havia amin'ny tany.
\v 3 Avy eo izy dia nihiaka tamin'ny feo mafy tahaka ny fieron'ny liona. Rehefa nihiaka izy, dia nikotroka mafy tamin'ny feony ny kotroka fito.
\v 6 Izy nianiana tamin'ilay iray izay velona mandrakizay doria, izay namorona ny lanitra sy izay rehetra ao anatin'izany, ny tany sy izay rehetra ao anatin'izany, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao anatin'izany, ary ilay anjely niteny hoe: “Tsy hisy fiandrasana intsony.
\v 7 Fa amin'ny andro iray rehefa hampaneno ny trompetrany ny anjely fahafito, dia ho tanteraka ny misterin'Andriamanitra, tahaka ny nanambarany tamin'ireo mpaminany mpanompony.”
\v 8 Ilay feo izay reko avy any an-danitra niteny tamiko indray hoe: “Mandehana, alaivo ilay horonan-taratasy mivelatra izay eny an-tanan'ilay anjely mitsangana eo ambony ranomasina sy ambonin'ny tany.”
\v 9 Avy eo dia lasa nankany amin'ilay anjely aho ary niteny taminy mba hanome ahy ilay horonan-taratasy kely. Hoy izy tamiko: “Raiso ny horonan-taratasy ary hano izany. Hampangidy ny ao an-kibonao izany, fa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely izany.”
\v 10 Nalaiko tamin' ny tanan'ilay anjely ilay horonan-taratasy kely ary nohaniko izany. Mamy tahaka ny tantely tao am-bavako izany, fa taorinan'ny nihinanako azy, dia lasa nangidy ny tao an-kiboko.
\v 2 Fa aza refesina ny kianja eo ivelan'ny tempoly, fa nomena an'ireo Jentilisa izany. Hanitsaka ny tanàna masina mandritry ny roa amby efapolo volana izy ireo.
\v 4 Ireo vavolombelona ireo dia hazon'oliva roa sy ny fitoeran-jiro roa izay nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
\v 5 Raha misy olona misafidy handratra azy ireo, dia mivoaka afo ny vavan'izy ireo ka hihinana ireo fahavalon'izy ireo. Na iza na iza maniry ny handratra azy ireo dia tsy maintsy hovonoina amin'izany fomba izany.
\v 6 Ireo vavolombelona ireo dia manana fahefana hanidy ny lanitra mba tsy hilatsahan'ny orana mandritry ny andro haminanian'izy ireo. Manam-pahefana izy ireo hanova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karazana loza rehetra na oviana na oviana irian'izy ireo.
\v 7 Rehefa ho vita ny fijoroan'izy ireo vavolombelona, dia miakatra avy any anaty lavaka tsy hita noanoa ilay bibidia hiady hanohitra azy ireo. Handresy azy ireo Izy ary hamono azy ireo.
\v 8 Hiampatra eny amin'ny lalan'ny tanàn-dehibe ny fatin'izy ireo (izay antsoina ihany koa hoe Sodoma sy Egypta) izay namantsihana ny Tompon'izy ireo.
\v 9 Hijery ny fatin'izy ireo mandritra ny telo andro sy tapany ny olona, ny foko, fiteny, ary ny firenena rehetra. Tsy ho avelan'izy ireo apetraka ao am-pasana ireo
\v 11 Fa afaka telo andro sy tapany dia hiditra ao amin'izy ireo ny fofon'aina avy amin'Andriamanitra, ary hijoro amin'ny tongony izy ireo. Hilatsaka amin'ireo izay mahita azy ireo ny tahotra lehibe.
\v 12 Avy eo dia handre feo mahery avy any an-danitra izy ireo miteny azy ireo hoe: “Miakara eto!” Avy eo dia hiakatra ho any an-danitra ao anaty rahona izy ireo, raha mbola mijery tany ireo fahavalon'izy ireo.
\v 15 Avy eo dia nampaneno ny trompetrany ny anjely fahafito, ary nisy feo mafy niteny tany an-danitra nanao hoe: “Ho lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan'izao tontolo izao. Izy no hanjaka mandrakizay doria.”
\f + \ft Fanamarihana: Ny sasany amin'ireo dikan-teny taloha dia mivaky hoe: Ny mpanapaka ny rehetra, ilay ankehitriny sy taloha, ary ilay ho avy, fa ny dikan-teny amin'izao fotoana tsy toy izany. \f*
\v 18 Tezitra mafy ireo firenena, kanefa tonga ny fahatezeranao. Tonga ny fotoana hitsarana ny maty sy hamalianao soa ireo mpaminany mpanomponao, ireo izay mpino, sy ireo izay natahotra ny anaranao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Tonga ny fotoana handringananao ireo izay manimba ny tany.”
\v 1 Famantarana lehibe no hita tany an-danitra: vehivavy nitafy ny masoandro, ary ny volana teo ambanin' ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin'ny kintana roa ambin'ny folo no teo amin'ny lohany.
\v 2 Bevohoka izy, ary nihiaka mafy fa efa ho teraka, ao anatin'ny fihetsehan-jaza.
\v 3 Avy eo nisy famantarana hafa niseho tany an-danitra: Indro! Nisy dragona mena goavam-be izay nanana loha fito sy tandroka folo, ary nisy satro-boninahitra fito teo amin'ireo lohany.
\v 4 Ny rambony dia nifaoka ny ampahatelon'ny kintana tany an-danitra sady nanipy azy ireo teny amin'ny tany. Ilay dragona nijoro teo anoloan'ilay vehivavy izay efa ho teraka, ka rehefa teraka izy, dia afaka handrapaka ny zanany izy.
\v 5 Niteraka zazalahy izy, izay hanapaka ny firenena rehetra miaraka amin'ny tehim-by. Ny zanany dia nalaina an-keriny ho any amin'Andriamanitra sy ho eo amin'ny seza fiandrianany,
\v 6 ary ilay vehivavy dia nandositra nankany an'efitra, izay nisy toerana efa nomanin'Andriamanitra ho azy, koa dia ho voakarakara mandritry ny 1.260 andro izy.
\v 10 Avy eo nandre feo mafy avy any an-danitra aho: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanitsika ary ny fahefan'i Kristiny. Fa ny mpiampanga ny rahalahintsika dia natsipy tany ambany, ilay iray izay miampanga azy ireo andro aman'alina eo anatrehan'Andriamanitsika.
\v 11 Izy ireo dia naharesy azy tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy tamin'ny teny fijoron'izy ireo vavolombelona, fa tsy nankamamy ny fiainany intsony izy ireo na dia ho faty aza.
\v 12 Noho izany, mifalia, ianareo ry lanitra, sy izay rehetra monina ao aminy. Fa mitandrema ny amin'ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly dia nidina teny aminareo. Feno fahatezerana izy, satria fantany fa fotoana fohy sisa no hananany.
\v 13 Rehefa nahafantatra ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka zazalahy izy.
\v 14 Fa ilay vehivavy dia nomena elatra roan'ny voromahery lehibe, ka dia afaka nanidina nankany amin'ilay toerana nokarakaraina ho azy tany an'efitra. Io ilay toerana hitsinjovana azy, mandritry ny telo taona sy tapany— mba tsy ho hitan'ilay menarana.
\v 15 Namoaka rano toy ny renirano tamin'ny vavany ilay menarana, izay hifaoka an-dravehivavy.
\v 16 Fa ny tany nanampy an-dravehivavy. Nosokafan'ny tany ny vavany ary dia nateliny ny riaka izay navoakan'ny vavan'ilay dragona.
\v 17 Ary tezitra tamin-dravehivavy ilay dragona ka niala ary nitady ady tamin'ny ambin'ireo taranany, izay mankàto ny didin'Andriamanitra ary mitana ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy.
\v 18 Avy eo nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina ilay dragona.
\v 2 Ilay bibi-dia izay hitako dia tahaka ny leoparda. Ny tongony dia tahaka ny tongotra bera, ary ny vavany dia tahakan'ny vavan'ny liona. Ilay dragona nanome azy ny heriny, ny seza fiandrianany, ary ny fahefany lehibe hanapaka.
\v 3 Ny lohan'ilay bibi-dia anankiray dia toa efa maty, kanefa sitrana ilay ratra saika nahafaty azy. Ary gaga ny tany rehetra ka nanaraka ilay bibi-dia.
\v 6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra ilay bibi-dia: niteny ratsy ny anarany, ny toerana izay honenany ary ireo izay mipetraka ao an-danitra.
\v 7 Navela hiady tamin'ireo mpino ary handresy azy ireo ilay bibi-dia. Ary koa, ny fahefana dia nomena azy manerana ny foko, ny olona, ny fiteny, ary ny firenena rehetra.
\v 10 Raha misy nalaina babo, dia handeha amin'ny fahababona izy. Raha misy novonoina tamin'ny sabatra, amin'ny sabatra no hamonoana azy. Ity no antso ho an'ny faharetana ary finoana ho an'ireo izay masina.
\v 12 Nampihariny avokoa ny fahefana rehetra an'ilay bibi-dia voalohany eo anatrehany, ary ny tany sy ireo izay monina eo aminy dia asainy miankohoka eo amin'ilay bibi-dia voalohany— ilay iray izay sitrana tamin'ny ratra saika nahafaty azy.
\v 13 Nanao fahagagana maro lehibe izy. Nampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany teo anoloan'ny olona.
\v 14 Tamin'ny alalan'ny famantarana dia nomena alalana anao izany, namitaka an'ireo izay monina ambonin'ny tany izany. Niteny tamin'izy ireo izany mba hanambotra sary ho voninahitry ny bibi-dia izay voaratran'ny sabatra nefa velona.
\v 15 Navela asiana aina ny sarin'ny bibi-dia mba ahafahan'ilay sary miteny ary izay rehetra tsy manaiky miankohoka amin'ilay bibi-dia dia novonoina.
\v 16 Nanery ny tsirairay ihany koa izany, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, dia mandray ny marika eo amin'ny tanana ankavanana na oe amin'ny andrina.
\v 17 Tsy hisy olona mahazo mividy na mivarotra mandra-pahazony ny mariky ny bibi-dia, izany dia ny isan'ny fanehoana ny anarany.
\v 18 Izany dia mitaky fahendrena. Raha misy olona manan-tsaina, aoka izy hanisa ny isan'ny bibi-dia. Fa izany dia isan'ny olona. Izany isa izany dia 666.
\v 2 Nandre feo avy any an-danitra toy ny firohondrohon'ny rano maro sy kotroka mafy aho. Ny feo reko ihany koa dia toy ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
\v 4 Ireo dia olona izay tsy nandoto ny tenan'izy ireo tamim-behivavy, fa nihazona ny tenany madio ara-nofo izy ireo. Izany dia izay manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany. Izy ireny dia novidiana avy tamin'ny olombelona toy ny voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Zanak'ondry.
\v 7 Niantso tamin'ny feo mafy izy hoe: “Matahora an'Andriamanitra ary manomeza voninahitra Azy. Fa tonga ny oran'ny fitsarany. Mivavaha Aminy, ny iray izay nanao ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, ary ny loharano.”
\v 8 Nisy anjely hafa- ny anjely faharoa- nanaraka niteny hoe: “Nianjera, nianjera Babylona lehibe, izay nandresy lahatra ireo firenena rehetra mba hisotro ny divain'ny fitondran-tena malotony.”
\v 9 Nisy anjely hafa- anjely fahatelo- nanaraka azy ireo, niteny tamin'ny feo mafy hoe: “Raha misy mivavaka amin'ny ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny marika eo amin'ny handriny na eo amin'ny tanany,
\v 10 dia hisotro ny sasany amin'ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra ihany koa izy, divay tsy niharo izay narotsaka tao anatin'ny kapoaky ny hatezerany. Ny olona izay misotro izany dia ho ampijaliana amin'ny afo sy solifara eo anoloan'ireo anjely masin'Andriamanitra sy eo anoloan'ny Zanak'ondry.
\v 11 Ny setroka avy amin'ny fijalian'izy ireo dia miakatra mandrakizay doria, ary tsy manam-pitsaharana andro sy alina izy ireo- ireo mpanompon'ny bibidia sy ny sariny ireo, ary ny olon-drehetra izay mandray ny mariky ny anarany.
\v 15 Dia nisy anjely hafa nivoaka ny tempoly ary niantso tamin'ny feo mafy an'ilay mipetraka eo amin'ny rahona nanao hoe: “Raiso ny fijinjanao ka manomboa mijinja. Fa tonga ny fotoana hijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.”
\v 19 Nampandroso ny fijinjany tamin'ny tany ilay anjely ary nanangona ny vokatry ny voaloboky ny tany. Natsipiny tao anaty famiazam-boaloboka lehiben'ny fahatezeran'Andriamanitra izany.
\v 20 Ny famiazam-boaloboka dia nitsahina tany ivelan'ny tanàna, ary ny rà dia niraraka avy ao amin'izany ka tonga hatreny amin'ny haavon'ny lamboridin-tsoavaly, izay 1.600 stadio.
\v 1 Avy eo dia nahita famantarana hafa teny amin'ny lanitra aho, lehibe sy mahatalanjona: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loza fito, izay loza farany indrindra, fa amin'izy ireo no hahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.
\v 2 Nahita izay niseho tamin'ny ranomasina fitaratra nampiarahana tamin'ny afo aho. Nitsangana teo akaikin'ny ranomasina ireo izay nandresy an'ilay bibidia sy ny sariny, sy ny isa maneho ny anarany. Izy ireo dia nitazona harpa nomen'Andriamanitra azy ireo
\v 4 Iza no tsy hahatahotra Anao, ry Tompo, sy hanome voninahitra ny anaranao? Fa Ianao irery no masina. Ny firenena rehetra ho avy sy hivavaka eo anatrehanao satria ireo asanao marina dia efa nambara.”
\v 8 Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny heriny ny tempoly. Tsy misy na iza na iza afaka miditra ao mandra-pahatanteraky ny loza fiton'ireo anjely fito.
\v 2 Lasa ilay anjely voalohany ary nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny tany; ratra ratsy sy maharary no tonga tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia, ireo izay nankalaza ny sariny.
\v 3 Ilay anjely faharoa nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina. Lasa rà izany, toy ny ràn'olona maty, ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao an-dranomasina.
\v 4 Ilay anjely fahatelo nandraraka ny tao an-doviany tamin'ireo ony sy loharano, ary lasa rà ireo.
\v 10 Avy eo ilay anjely fahadimy nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia, ary nandrakotra ny fanjakany ny haizina. Nitsako ny lelany izy ireo nohon'ny fahoriana.
\v 11 Niteny ratsy ilay Andriamanitry ny lanitra izy ireo nohon'ny fahoriana sy ratran'izy ireo, ary mbola nandà ny hibebaka amin'izay vitan'izy ireo ihany izy ireo.
\v 12 Ilay anjely faha-enina nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ony lehibe, ilay Eofrata. Noritina izany mba hanomanana ny lalana ho an'ireo mpanjaka izay ho tonga avy any antsinanana.
\v 13 Nahita fanahy maloto telo aho izay niendrika sahona mivoaka avy any am-bavan'ny dragona, avy any am-bavan'ny biby-dia, ary avy amin'ny vavan'ny mpaminany sandoka.
\v 14 Fa fanahin'ny demonia manao famantarana mahagaga izy ireo. Nankany amin'ireo mpanjakan'izao tontolo izao izy ireo mba hanangona azy ireo miaraka ho an'ny adin'ny andro lehiben'Andriamanitra Avo indrindra.
\v 10 Izy ireo ihany koa dia mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, anankiray no misy, ary ny hafa dia mbola tsy tonga; rehefa tonga izy, dia fe-potoana kely ihany no hitoerany.
\v 16 Ireo tandroka folo izay hitanao-izy ireo sy ilay bibi-dia dia hankahala an'ilay mpijangajanga. Ho ataon'izy ireo lao sy mitanjaka izy, handrovitra ny nofony izy ireo, ary handoro azy tanteraka amin'ny afo.
\v 17 Fa Andriamanitra efa nametraka izany tao am-pon'izy ireo mba hanatanteraka ny fikasany amin'ny faneken'izy ireo hanome ny herin'izy ireo hitondrana ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.
\v 3 Fa ny firenena rehetra dia nisotro ny divain'ny fitondran-tena malotony. Ireo mpanjakan'ny tany dia nanao fitondran-tena maloto taminy. Ireo mpivarotra ny tany dia tonga mpanan-karena tamin'alalan'ny fomba fiainany amin'ny nofo.”
\v 4 Avy eo dia nandre feo hafa avy any an-danitra aho, miteny hoe: “Mialà aminy, ry oloko, mba tsy hizarany ny fahotany ao aminareo, ary mba tsy hahazonareo ireo lozany.
\v 7 Toy izy nanome voninahitra ny tenany sy niaina tamin'ny tsy fiafiana, omeo azy ny fampijaliana sy ny alahelo sahaza azy. Fa izy nilaza tao am-pony nanao hoe: ‘Nipetraka toy ny mpanjaka vavy aho. Tsy maty vady aho, ary tsy hisaona mandrakizay.’
\v 8 Noho izany dia ho avy amin'ny andro iray ireo areti-mandringany: ny fahafatesana, ny fisaonana, ary ny mosary. Hodoran'ny afo izy, fa ny Tompo Andriamanitra dia mahery, ary izy no mpitsara azy.”
\v 10 Hijoro lavitra izy ireo, hatahotra ny fijaliany, hiteny hoe: “Loza, loza ho an'ilay tanàna lehibe, Babylona, ilay tanàna mahery, fa amin'ny ora iray dia ho avy ny sazinareo.”
\v 14 Ny vokatra izay tinao tamin'ny herinao rehetra dia hiala aminao. ny entanao lafo vidy sy ireo namirapiratra dia nanjavona, ary tsy ho hita intsony mandrakizay.
\v 15 Ny mpivarotra ireo entana izay tonga mpanan-karena noho izy dia hiala aminy lavitra nohon'ny fatahorana ny fijaliany, hitomany sy hisaona mafy.
\v 22 Ilay feo nataon'ireo lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina, sy trompetra dia tsy ho re ao aminao intsony. Ireo mpanao asa-tanana isan-karazany dia tsy hita ao aminao intsony. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho re intsony eo aminao.
\v 23 Ny fahazavan'ny jiro, dia tsy hamirapiratra ao aminao intsony. Ireo feon'ny mpampakatra sy ampakarina dia tsy ho re ao aminao intsony, fa ny mpivarotrareo no andrian'ny tany, ary ireo firenena dia voafitaka tamin'ny famosavinareo.
\v 1 Taorian'ireo zavatra ireo dia nandre izay toy ny feo mafin'ny vahoaka maro isa tany an-danitra aho nanao hoe: “Aleloia. Ny famonjena, ny voninahitra, ary ny hery dia an'Andriamanitsika.
\v 2 Ireo fitsarany dia marina sy mahitsy, fa nitsara ny mpivaro-tena lehibe izay nanaratsy ny tany tamin'ny fijangajangany izy. Namaly faty ny ràn'ireo mpanompony, izay nalatsany izy.”
\v 3 Niteny fanindroany izy ireo hoe: “Aleloia! Ny setroka dia miakatra avy aminy mandrakizay doria.”
\v 5 Dia nisy feo nivoaka avy tao amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: “Derao Andriamanitsika, ianareo rehetra mpanompony, ianareo izay matahotra Azy, na ny tsy manan-danja na ny mahery.”
\v 6 Dia nandre izay toy ny feon'ny olona maro isa, toy ny firohondrohon'ny rano maro, sy toy ny fianjeran'ny kotroka mafy aho, nanao hoe: “Aleloia! Fa manjaka ny Tompo, Andriamanitra izay manapaka amin'ny rehetra.
\v 10 Niankohoka teo amin'ny tongony mba hanompo azy aho, fa hoy izy tamiko: “Aza manao izao! Izaho dia mpiara-manompo aminao sy ireo rahalahinao izay mitana ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy. Manompoa an'Andriamanitra, fa ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy dia ny fanahin'ny faminaniana.”
\v 11 Dia nahita ny lanitra nisokatra aho ary nijery ka nisy soavaly fotsy. Ilay mpitaingina izany dia nantsoina hoe mahatoky sy marina. Amin'ny fahamarinana no hitsarany sy hiadiany.
\v 12 Ireo masony dia toy ny lelan'afo afo, ary eo amin'ny lohany misy satro-boninahitra maro. Manana anarana voasoratra eo aminy izay tsy misy mahafantatra afa-tsy izy ihany izy.
\v 13 Miakanjo akanjo lava izay natsoboka tao amin'ny rà izy, ary ny anarany dia nantsoina hoe ny Tenin'Andriamanitra.
\v 14 Ireo tafiky ny lanitra dia nanaraka azy tamin'ny soavaly fotsy, miakanjo lamba rongony, fotsy sy madio.
\v 15 Avy ao amin'ny vavany no mivoaka ny sabatra maranitra izay amin'izany no hamelezany ireo firenena, ary hanapaka azy ireo amin'ny tehina vy izy. Manitsaka ao amin'ny famiazan'ny fahaviniran'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha izy.
\v 18 Avia ihinana ny nofon'ireo mpanjaka, ny nofon'ireo mpitari-tafika, ny nofon'ireo lehilahy mahery, ny nofon'ireo soavaly sy ireo mpitaingina izany, ary ny nofon'ny lehilahy rehetra, ny afaka sy ny andevo, ny tsy manan-danja sy ny mahery.”
\v 19 Nahita ny bibi-dia sy ireo mpanjakan'ny tany niaraka tamin'ny tafik'izy ireo aho. Niangona izy ireo mba hiady amin'ny iray izay nitaingina ny soavaly sy amin'ny tafiny.
\v 20 Voasambotra ilay bibi-dia ary niaraka taminy ny mpaminany sandoka izay nanao ireo famantarana teo anatrehany. Tamin'ireo famantarana ireo no namitahany ireo izay nandray ny mariky ny bibi-dia sy ireo izay nanompo ny sariny. Izy roa ireo dia natsipy velona tao anaty farihin'afo mirehitra solifara.
\v 21 Ny ambin'izy ireo dia novonoina tamin'ny sabatra izay nivoaka ny vavan'ny iray izay nitaingina ny soavaly. Ny vorona rehetra nihinana ny nofo mangatsiakan'izy ireo.
\v 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho. Nipetraka teo amboniny ireo izay nomena fahefana mitsara. Nahita ny fanahin'ireo izay notapahin-doha aho noho ny fijoroana vavolombelona mahakasika an'i Jesosy ary nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy niankohoka tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny izy ireo, ary izy ireo dia nandà ny handray ny mariky ny bibi-dia teo amin'ny handriny na teo amin'ny tanany. Tonga velona indray izy ireo, ary nanjaka niaraka tamin'i Kristy nandritran'ny arivo taona.
\v 5 Ny ambin'ireo maty dia tsy velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
\v 6 Sambatra ary masina izay olona manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany! Eo anatrehan'izany dia tsy manan-kery ny fahafatesana faharoa. Izy ireo dia ho mpisorona an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miaraka Aminy mandritran'ny arivo taona.
\v 7 Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana ao amin'ny tranomaiziny Satana.
\v 8 Hivoaka izy mba hamitaka ny firenena maro eny amin'ny vazan-tany efatra—Goga sy Magoga—mba hitondra azy ireo miaraka ho any amin'ny ady. Izy ireo dia ho betsaka tahaka ny fasiky ny ranomasina.
\v 10 Ny devoly, izay namitaka azy ireo, dia natsipy tao amin'ny farihy afo solifara, toerana izay hanipazana ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka. Ary ho ampijaliana andro aman'alina mandrakizay ary mandrakizay izy ireo.
\v 11 Ary nahita seza fiandrianana fotsy lehibe aho sy ilay nipetraka teo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra ny fanatrehany, kanefa tsy nisy toerana andehanan'izy ireo.
\v 12 Nahita ny maty aho—ny lehibe ary ny kely— nijoro teo anoloan'ny seza fiandrianana, ary novelarina ireo boky. Ary nisy boky anankiray novelarina—Ny Bokin'ny Fiainana. Ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin'ireo boky, araka ireo asany.
\v 13 Ny ranomasina namoaka ny maty izay tao anatiny. Ny fahafatesana sy ireo fiainan-tsy hita dia namoaka ny maty izay tao amin'izy ireo, ary ny maty dia notsaraina araka ny zavatra nataony.
\v 14 Ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita dia natsipy tao amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa— dia ny farihy afo.
\v 15 Raha nisy anarana tsy hita voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Fiainana, dia natsipy tao amin'ny farihy afo.
\v 8 Fa ireo osa, tsy manam-pinoana, maharikoriko, mpamono olona, mpijangajanga, mpanao ody, mpanompo sampy, sy mpandainga, dia any amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeran'izy ireo. Izany no fahafatesana faharoa.”
\v 15 Ilay iray izay niresaka tamiko dia nanana fandrefesana volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesana ny tanàna, ireo vavahadiny, ary ny rindriny.
\v 16 Miendrika efa-joro ilay tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin'ilay fandrefesana volotara izy, roa arivo stadio ny halavany (mitovy ny lavany, sakany, ary hahavony).
\v 17 Nandrefy ny rindrin'izany koa izy, 114 hakiho raha refin'ny olona (izay refin'ny anjely ihany koa).
\v 18 Vita tamin'ny jaspy ilay rindrina ary tamin'ny volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra madio.
\v 19 Ny fototr'ilay rindrina dia voaravaka tamin'ireo karazana vato sarobidy rehetra. Ny voalohany dia jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,
\v 20 ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faha iraika ambin'ny folo jacinta, ny faha roa ambin'ny folo ametysta.
\v 21 Ny vavahady roa ambin'ny folo dia vato soa roa ambin'ny folo; ny tsirairay amin'ireo vavahady dia vita tamin'ny vato soa iray. Ireo lalam-be teo an-tanàna dia volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra mangarahara.
\v 22 Tsy nahita tempoly tao amin'ny tanàna aho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanak'ondry no tempoliny.
\v 23 Ny tanàna dia tsy nila masoandro na volana mba hamirapiratra amin'izany satria ny voninahitr'Andriamanitra dia namirapiratra tamin'izany, ary ny Zanak'ondry no jiron'izany.
\v 26 Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan'ireo firenena ao amin'izany izy ireo,
\v 27 ary tsy hisy maloto hiditra ao amin'izany mihitsy. Tsy hisy na iza na iza hanao zavatra mahamenatra na mamitaka hiditra ao, fa ireo izay voasoratra anarana ao amin'ny Bokin'ny Zanak'ondrin'ny fiainana ihany.
\v 1 Ary nasehon'ilay anjely ahy ilay onin'ny ranon'ny fiainana, madio tahaka ny kristaly. Izany dia mikoriana avy any amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
\v 2 mamakivaky eo afovoan'ny lalan'ny tanàna. Ary ny andaniny roa amin'ny ony dia samy misy ilay hazon'ny fiainana, mamoa karazana voa roa ambin'ny folo, ary izany dia mamoa ny voany isam-bolana. Ny ravin'izany hazo izany dia natao hanasitrana ny firenena rehetra.
\v 3 Ka tsy hisy intsony ny voahozona. Ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry dia ho ao amin'ny tanàna, ary ireo mpanompony dia hanompo Azy.
\v 4 Hahita ny Endriny izy ireo, ary ny Anarany dia ho eo amin'ny handrin'izy ireo.
\v 5 Ka tsy hisy alina intsony; izy ireo dia tsy mila fahazavan'ny jiro na ny masoandro intsony satria ny Tompo Andriamanitra no hazava eo amin'izy ireo. Ary hanjaka mandrakizay doria izy ireo.
\v 6 Hoy ilay anjely tamiko: “Ireo teny ireo dia azo atokisana sy marina. Ny tompo, ilay Andriamanitr'ireo fanahin'ireo mpaminany, dia nandefa ny anjeliny mba hampiseho izay zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'ireo mpanompony.”
\v 16 Izaho, Jesosy, dia nandefa ny anjeliko mba hanambara aminareo ireo zavatra ho an'ireo fiangonana. Izaho no fakany sy taranak'i Davida, ilay kintana mamirapiratra maraina.”
\v 17 Ny Fanahy sy ny Ampakarina manao hoe: “Avia!” Aoka izay mandre hiteny hoe: “Avia!” Na iza na iza mangetaheta, aoka izy hanatona, ary na iza na iza maniry izany, aoka izy hahazo maimaim-poana ny ranon'ny fiainana.
\v 18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: “Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy loza ho azy izay voasoratra ao amin'ity boky ity.
\v 19 Raha misy manaisotra ny teny faminaniana amin'ity boky ity, Andriamanitra dia hanaisotra ny anjarany amin'ny hazon'ny fiainana sy ny tanàna masina izay voasoratra ao anatin'ity boky ity.”
\f + \ft Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha dia mivaky hoe: “Andriamanitra hanaisotra ny anjarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana ary ao amin'ny tanàna masina izay voasoratra ao amin'ity boky ity.” \f*