\v 2 Izany dia araka ny fantatr'Andriamanitra Ray mialoha, voatokan'ny Fanahy ho fankatoavana sy ho famafazana ny ràn'i Jesosy Kristy. Ho aminareo anie ny fahasoavana, ary hitombo anie ny fiadananareo.
\v 3 Ho tahiana anie Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompotsika. Tamin'ny famindram-pony, no nanomezany antsika fahaterahana vaovao ho an'ny fahatokisan'ny lova. Izany lova izany dia tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.
\v 4 Izany dia ho an'ny lova izay tsy ho faty, tsy ho simba, ary tsy ho levona. Izany dia voatokana ho anareo any an-danitra.
\v 5 Ianareo dia arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana, ho an'ny famonjena izay efa vonona ho ambara amin'ny fotoana farany.
\v 6 Tena ravoravo momba izany ianareo, na dia ilainareo aza ny hahatsiaro malahelo amin'ny olana maro samy hafa ankehitriny.
\v 7 Izany dia ho an'ny fanaporofoana ny finoanareo, izay sarobidy kokoa noho ny volamena izay simba, na dia nosedraina tamin'ny afo aza. Miseho izany mba ho hita ny vokatry ny finoanareo amin'ny fiderana, voninahitra, ary haja amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy.
\v 8 Tsy nahita Azy ianareo, nefa tia Azy. Tsy mahita azy ianareo ankehitriny, kanefa mino Azy ary tena faly amin'ny fifaliana tsy hay lazaina, mahafinaritra.
\v 9 Raisinareo ankehitriny ny vokatry ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.
\v 10 Ireo mpaminany dia nikaroka sy nanontany tsara ny momba izany famonjena izany, ny momba ny fahasoavana izay ho anareo.
\v 11 Izy ireo dia nitady ny hahafantatra ny momban'ny hoe iza sy oviana ny Fanahin'i Kristy ao amin'izy ireo no niteny tamin'izy ireo. Izany dia nitranga toy ny nolazainy azy ireo mialoha momba ireo fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
\v 12 Nambara tamin'izy ireo izany mba tsy hanompo ny tenany izy ireo, fa ianareo, rehefa niteny ireo zavatra izay voalaza taminareo ankehitriny izy ireo tamin'ny alalan'ireo izay nitory ny filazantsara taminareo tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina nalefa avy any an-danitra--zavatra izay tian'ireo anjely ho fantatra.
\v 18 Fantatrareo fa tsy avy tamin'ny volafotsy na volamena mety levona no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala izay nianaranareo tamin'ireo razanareo.
\v 19 Fa kosa, navotana tamin'ny rà sarobidin'i Kristy ianareo, izay toy ny zanak'ondry tsy misy kilema na tsiny.
\v 20 Voafidy talohan'ny nananganana an'izao tontolo izao Kristy, fa ankehitriny dia tamin'ireo fotoana farany no nanambaràna Azy taminareo.
\v 21 Amin'ny alalany no hinoanareo an'Andriamanitra, izay nanangana azy tamin'ny maty sy tamin'ireo nomeny voninahitra mba ho ao amin'Andriamanitra ny finoana sy fahatokianareo.
\v 4 Manatona azy ilay vato velona izay narian'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra ho manan-danja Aminy.
\v 5 Ianareo ihany koa dia tahaka ireo vato velona izay voaorina ho trano ara-panahy, mba ho mpisorona masina izay manolotra ny sorona ara-panahy eken'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
\v 6 Ny Soratra Masina dia ahitana izao: “Indro, Izaho mipetraka amin'ny Ziona vato fehizoro, voafidy sy manan-danja. Izay rehetra mino azy dia tsy ho menatra.”
\v 9 Fa ianao dia olom-boafidy, mpisoron'ny mpanjaka, firenena masina, olona ho an'ny fananan'Andriamanitra, mba ho afaka hanambara ny hatsaran'ireo asan'ilay iray izay niantso anao avy tao amin'ny haizina hankao amin'ny hazavany mahatalanjona ianao.
\v 10 Taloha ianao tsy olona, kanefa ankehitriny ianao dia olon'Andriamanitra. Tsy nandray famindram-po ianao, fa ankehitriny ianao nandray famindram-po.
\v 18 Ry mpanompo, meteza hanaiky ny tomponareo amin'ny fanajana rehetra. Aza manaiky ho mpanompon'ny tsara sy ho tompo tsara fanahy, fa ho an'ireo ratsy toetra ihany koa.
\v 19 Satria mendri-piderana izany raha misy miaritra fanaintainana rehefa mijaly amin'ny tsy rariny noho ny fanantenany an'Andriamanitra.
\v 20 Fa ohatrinona ny vola raha manota ianao ary miaritra mandritry ny fanasaziana anao avy eo? Fa raha nanao ny tsara ianao ary miaritra mandritry ny fanasaziana anao, dia mendri-piderana amin'Andriamanitra izany.
\v 21 Fa noho ity no niantsoana anao, satria Kristy ihany koa dia nijaly ho anao. Namela ohatra ho anao Izy mba hanarahana ireo lalany.
\v 24 Izy tenany dia nitondra ireo fahotantsika tao amin'ny tenany ho eo ambony hazo, mba tsy hanana anjara amin'ny fahotana intsony isika, ary mba hiaina ho an'ny fahamarinana. Tamin'ny alalan'ny ratrany no nahasitrana anareo.
\v 25 Nirenireny toy ny ondry very ianareo rehetra, fa ankehitriny ianareo niverina tamin'ny mpiandry ondry sy mpiambina ny fanahinareo.
\v 1 Amin'izany fomba izany, Ianareo vehivavy dia tokony hanaiky ny vadinareo. Ataovy izany na dia misy lehilahy maro aza tsy mankatoa ny teny, ary mety ho azo izy ireo na tsy misy aza ny teny, amin'ny alalan'ny fitondran-tenan'ny vadin'izy ireo.
\v 2 Fa izy ireo dia hahita ny fitondran-tena mendrikareo am-panajana.
\v 3 Aoka izany ho tanteraka tsy miaraka amin'ireo haingo ivelany: randram-bolo, firavaka volamena, na akanjo lamaody.
\v 4 Fa kosa, aoka izany ho tanteraka miaraka amin'izay ao am-pon'ny olona, sy ny hatsarana maharitran'ny fanahy tsara sy mangina, izay sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra.
\v 5 Fa ireo vehivavy masina taloha no nandravaka ny tenan'izy ireo toy izany. Nanana fahatokiana an'Andriamanitra izy ireo ary nanaiky ny vadiny avy.
\v 6 Toy izany fomba izany no nankatoavan'i Abrahama an'i Saraha sy niantsoany azy ho tompony. Ianareo dia zanany ankehitriny raha manao izay tsara sy tsy matahotra olana ianareo.
\v 7 Toy izany ihany, ianareo lehilahy dia tokony miaina miaraka amin'ny vadinareo araky ny fahazavan-tsaina, toy ny fanaka malemy kokoa, ny vehivavy. Tokony omenareo voninahitra izy ireo tahaka ny mpiara-mandova ny fanomezan'ny fiainana. Ataovy izany mba tsy ho voasakana ny vavakareo.
\v 8 Farany, ianareo rehetra, aoka hiray saina, hangoraka, hifankatia tahaka ny mpirahalahy, ho tso-po, ary hanetri-tena.
\v 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva ny mpanevateva. Mifanohitra amin'izay aza, mitahia hatrany, fa noho izany no niantsoana anareo, mba hahafahanareo mandova ny fitahiana.
\v 10 “Ilay iray izay te hankafy ny fiainana sy te hahita andro tsara dia tokony hanatsahatra ny lelany amin'ny ratsy sy ny molony amin'ny fitenenana fitaka.
\v 13 Iza ilay iray izay hamely anareo raha maniry ny hanao ny tsara ianareo?
\v 14 Nefa raha mijaly nohon'ny fahamarinana ianareo, dia sambatra. Aza matahotra izay hatahoran'izy ireo. Aza mangorohoro.
\v 15 Fa kosa, atokano toy ny masina ao am-ponareo ilay Tompo Kristy. Mivonona hatrany hamaly ny olona rehetra izay manontany anareo ny antony hatokinareo an'Andriamanitra. Ataovy amin'ny halemem-panahy sy fanajana izany.
\v 16 Manàna feon'ny fieritreretana madio mba ny olona izay manevateva ny fiainana tsaranareo ao amin'i Kristy dia mety menatra satria miteny manohitra anareo izy ireo toy ny hoe mpanao ratsy ianareo.
\v 17 Tsara kokoa, raha Andriamanitra no maniry, fa mijaly ianareo amin'ny fanaovana ny tsara nohon'ny fanaovana ny ratsy.
\v 18 Efa nijaly nohon'ny fahotana ihany koa i Kristy. Izy izay marina dia nijaly ho antsika, izay tsy marina, mba hitondrany antsika eo amin'Andriamanitra. Novonoina tamin'ny nofo Izy, fa novelomin'ny Fanahy.
\v 19 Tamin'ny alalan'ny Fanahy, dia nandeha izy ary nitory ho an'ireo fanahy izay any am-ponja ankehitriny.
\v 21 Izany no famantarana ny batisa izay mamonjy anareo ankehitriny_tsy toy ny fanadiovana ny loto amin'ny vatana, fa toy ny antson'ny feon'ny fieritreretana ho amin'Andriamanitra_tamin'ny alalan'ny fitsangan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.
\v 22 Kristy dia eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. Niakatra any an-danitra izy. Ireo anjely, ireo manam-pahefana, ary ny hery dia tsy maintsy manaiky Azy.
\v 1 Noho izany, satria nijaly tamin'ny nofo i Kristy, dia ataovy fiadian'ny tenanareo izany tanjona izany. Fa izay rehetra nijaly tamin'ny nofo dia nitsahatra tamin'ny fahotana.
\v 2 Vokatr'izany, ny olona toy izany, mandritra ny fotoana sisa hiainany, dia tsy hiaina ho an'ny fanirian'ny olona intsony, fa ho an'ny sitrapon'Andriamanitra.
\v 4 Heverin'izy ireo fa hafahafa satria tsy mikambana amin'izy ireo ao amin'izany fanaranam-po be izany ianareo, noho izany dia hiteny ratsy momba anareo izy ireo.
\v 5 Hamaly ny iray izay vonona hitsara ny velona sy ny maty izy ireo.
\v 6 Noho izany antony izany no nitoriana ny vaovao mahafaly tamin'ireo maty ihany koa, mba, na dia notsaraina tamin'ny nofo toy ny olona aza izy ireo, dia hiaina toa an'Andriamanitra ao amin'ny fanahy.
\v 7 Manakaiky ny faran'ny zavatra rehetra. Noho izany tongava saina, ary mahonona tena amin'ny eritreritrareo ho an'ny fitiavam-bavaka.
\v 8 Ambonin'ny zavatra rehetra, manàna fitiavana feno ho an'ny tsirairay avy, fa ny fitiavana mandrakotra fahotana maro.
\v 9 Mifampiantranoa tsy am-pitarainana.
\v 10 Fa ny tsirairay aminareo dia nandray fanomezam-pahasoavana, ampiasao hifanompoana izany. Manaova izany toy ny mpitan-draharahan'ny fanomezam-pahasoavana maro maimaimpoana an'Andriamanitra.
\v 11 Raha misy miteny, aoka izy hanao izany toy ny iray miteny ny tenin'Andriamanitra. Raha misy manompo, aoka izany ho avy amin'ny hery izay vatsian'Andriamanitra. Manaova ireo zavatra ireo mba homem-boninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy amin'ny fomba rehetra Andriamanitra. Aoka ho an'i Jesosy Kristy ny voninahitra sy hery mandrakizay doria. Amena.
\v 12 Ry malala, aza raisina ho hafahafa ny fitsapana amin'ny afo izay nitranga taminareo, toy ny hoe nisy zavatra hafahafa nitranga taminareo.
\v 13 Fa kosa, na dia betsaka aza ny hiainanareo ireo fijalian'i Kristy, mifalia, mba ho afaka hifaly ihany koa ianareo ary ho ravoravo amin'ny fanambarana ny voninahiny.
\v 14 Raha notevatevaina noho ny anaran'i Kristy ianareo, dia voatahy, satria ny Fanahin'ny voninahitra sy ny Fanahin'Andriamanitra dia mitoetra ao aminareo.
\v 15 Fa aoka tsy hisy na iza na iza aminareo hijaly toy ny mpamono olona, mpangalatra, mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'ny hafa.
\v 16 Fa raha misy mijaly fa Kristiana, aoka izy tsy ho menatra; fa kosa, aoka hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
\v 17 Fa fotoana izao hanombohana ny fitsarana miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Raha manomboka amintsika izany, inona no ho vokatra ho an'ireo izay tsy mankàto ny filazantsaran'Andriamanitra?
\v 2 Noho izany, mananatra anareo aho, ry loholona, andraso ny ondrin' Andriamanitra izay eo aminareo. Araho maso izy ireny, tsy amin'ny fahateriterena, fa amin'ny sitraponareo, araka ny sitrapon' Andriamanitra. Araho maso izy ireny, tsy amin'ny vola maloto, fa an-tsitrapo.
\v 3 Aza manjakazaka amin'ny olona izay tandremanareo. Fa kosa, aoka ho fitaratra ho an'ny ondry.
\v 5 Tahaka izany koa, ianareo tanora fanahy, maneke ny olon-dehibe. Ianareo rehetra, tafio fanetren-tena ny tenanareo ary mifanompoa. Fa Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fa manome fahasoavana ny mpanetry tena.