\v 2 ho an'ireo mpino sy ireo rahalahy mahatoky ao amin'ny Kristy izay any Kolosia. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.
\v 15 Ny Zanaka lahy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita maso. Izy ilay teraka voalohany tamin'ny fahariana.
\v 16 Fa tamin'ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra, ireo izay any an-danitra sy ireo izay ety ambonin'ny tany, ireo zavatra hita maso sy ireo tsy hita. Na ireo seza fiandrianana, na ireo fanapahana, na ireo fitondram-panjakana, na ireo manam-pahefana, ireo zavatra rehetra dia nohariana tamin'ny alalany sy ho azy.
\v 17 Izy no alohan'ny zavatra rehetra, ary ao aminy no haharetan'ny zavatra rehetra.
\v 18 Izy no lohan'ny vatana, sy ny fiangonana. Izy no fiandohana sy teraka voalohany avy eo anivon'ireo maty, ka izy no nanana toerana voalohany teo anivon'ireo zavatra rehetra.
\v 19 Satria sitrak'Andriamanitra ny tokony ny hiainan'ny fahatsarany rehetra ao aminy,
\v 20 ary mba hampihavana amin'ny alalan'ny Zanaka lahy amin'ny zava-drehetra amin'izy tenany. Andriamanitra dia nihavana tamin'ny alalan'ny ràn'ny hazo fijaliany. Andriamanitra no nampihavana ny zava-drehetra tamin'ny tenany, na ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany na ireo zavatra rehetra any an-danitra.
\v 24 Ankehitriny aho dia faly amin'ny fijaliko ho anareo, ary izaho dia nameno ny nofoko izay tsy ampy amin'ireo fahorian'i Kristy noho ny vatany, dia ny fiangonana.
\v 25 Noho ny fiangonana no nahampanompo ahy, araka ny andraikitra avy amin'Andriamanitra izay nomeny ahy ho anareo, mba hahatanteraka ny tenin'Andriamanitra.
\v 26 Io no marina miafina izay nafenina nandritry ny taona maro sy ho an'ireo taranaka. Fa ankehitriny dia efa niseho izany tamin'ireo izay mino azy.
\v 27 Tamin'izy ireo no tian'Andriamanitra nampahafantarina ireo haren'ny voninahitr'ity fahamarinana miafina ity teo anivon'ny Jentilisa. Izany dia Kristy no ao aminao, ilay tokin'ny voninahitra ho avy.
\v 28 Dia izy ilay notorianay. Nananatra ny olona rehetra izahay, ary nampianatra ny olona rehetra tamin'ny fahendrena rehetra, mba hanolorantsika ny olona rehetra feno ao amin'i Kristy.
\v 29 Noho izany dia miasa mafy aho sy miezaka araka ny tanjany izay miasa ato amiko amin'ny hery.
\v 1 Fa tiako ho fantatrareo ny halehiben'ny tolona nataoko ho anareo, ho an'ireo any Laodikia, sy ho an'ireo maro mbola tsy nahita ny tavako tamin'ny nofo.
\v 2 Miasa aho mba hampahery ny fon'izy ireo amin'ny fampiraisana azy ireo miaraka ao amin'ny fitiavana sy ny harena rehetra amin'ny fahalalana azo antoka, ho amin'ny fahalalana ny fahamarinana miafin'Andriamanitra, izany hoe, i Kristy.
\v 3 Ao aminy ny haren'ny fahendrena sy izay fahalalana rehetra no miafina.
\v 5 Na dia tsy miaraka aminareo ao amin'ny nofo aza aho, dia miaraka aminareo ao amin'ny fanahy. Faly aho mahita ny filaminanareo tsara sy ny tanjakin'ny finoanareo an'i Kristy.
\v 8 Mitandrema mba tsy hamela olona hisambotra anareo amin'ny alalan'ny filozofia na ny fitaka foana araky ny fanaon'ny olona, izay manaraka ny endrik'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i kristy.
\v 9 Fa ao Aminy no mitoetra ny fahatsaran'ny tenan'Andriamanitra rehetra.
\v 10 Feno ianareo ao Aminy. Izy no lohan'ny hery sy ny fahefana rehetra.
\v 11 Tao Aminy ihany koa ianareo no noforaina tamin'ny famorana izay tsy nataon'ny olombelona amin'ny fanesorana ny nofo amin'ny vatana, fa tamin'ny famoran'i Kristy.
\v 16 Koa, aza avela hisy hitsara anareo na amin'ny fihinana na amin'ny fisotroana, na amin'ny andro fety na amin'ny volana vaovao, na amin'ny andro Sabata.
\v 17 Izany no alok'ireo zavatra ho avy, fa ny tena izy dia i Kristy.
\v 18 Aza avela hisy na iza na iza izay mila ny fanetren-tena sy ny fideran'ny anjely hitsara anareo ka tsy hahazoanareo ny lokanareo. Ny olona toy izany dia miditra amin'ny zavatra hitany ary manjary mieboebo amin'ny fisainan'ny nofony.
\v 19 Tsy mihazona ny lohany izy. Izany dia avy amin'ny loha izay nomen'Andriamanitra ny vatana manontolo manerana ireo vanin-taolany sy ny hozany izay manome ka mihazona izany rehetra izany mitambatra; izany dia mitombo miaraka amin'ny fampitomboana nomen'Andriamanitra.
\v 22 Izany zavatra rehetra izany dia ho an'ny fahalovana, araka ny torolalana sy ny fampianaran'olombelona.
\v 23 Ireny fitsipika ireny dia manana fahendren'ny fomba fivavahana, ny fanetren-tena izay nataon'ny tenany manokana ary ny fampahoriana ny vatana. Fa izy ireo dia tsy manan-danja amin'ny fanoherana ny fandeferana ny filan'ny nofo.
\v 9 Aza mifandainga, fa efa narianareo ny toetra taloha miaraka amin'ireo fampiharana izany,
\v 10 ary notafinareo ny toetra vaovao izay nohavaozina ao amin'ny fahalalana araka ny endrik'izay namorona izany.
\v 11 Ao amin'izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, barbariana, Skytiana, andevo, olon'afaka, fa i Kristy no rehetra, ary ao amin'ny rehetra.
\v 17 Na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny na amin'ny asa, ataovy amin'ny anaran'ny Tompo Jesosy ny rehetra. Manomeza fisaorana ho an'Andriamanitra ilay Ray amin'ny alalany.
\v 22 Ry andevo, mankatoava ny tomponareo araka ny nofo amin'ireo zavatra rehetra, tsy amin'ny asa eo imaso toy ny olona mpila sitraka, fa amin'ny fo tsotra. Matahora ny Tompo.
\v 23 Na inona na inona ataonareo, miasà avy amin'ny fanahinareo toy ny ho an'ny Tompo fa tsy ho an'ny olona.
\v 24 Fantatrareo fa ianareo dia handray ny valisoan'ny lova avy amin'ny Tompo. Izy no Tompo Kristy izay tompoinareo.
\v 25 Fa izay manao ny tsy fahamarinana dia handray ny sazy ho an'ny tsy fahamarinana izay nataony, ary tsy misy fizahan-tava.
\v 3 Miaraha mivavaka ho anay ihany koa, mba hanokafan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny, mba hilazana ny fahamarinana miafin'i Kristy. Nohon'ny amin'izany, dia voafatotra aho.
\v 4 Mivavaha mba ahafahako manazava izany, raha tokony hiteny aho.
\v 7 Raha ireo zavatra momba ahy, dia i Tykyko no hampahafantatra ireny aminareo. Izy dia rahalahy malala, mpanompo mahatoky, ary mpiara-manompo ao amin'ny Tompo.