\v 1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araka ny sitrapon'Andriamanitra, ho an'ireo olo-masin'Andriamanitra any Efesosy, izay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy.
\v 3 Deraina anie ny Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin'i Kristy tamin'ny fitahim-panahy rehetra avy any an-danitra ao amin'i Kristy.
\v 4 Andriamanitra nifidy antsika tao aminy hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika.
\v 5 Andriamanitra dia nisafidy antsika mialoha ho amin'ny fananganana ho zanaka tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka ny sitrapony.
\v 6 Ny fananganana antsika dia mitondra amin'ny fiderana ny fahasoavany be voninahitra izay nomeny antsika maimaimpoana tao amin'ilay Iray izay tiany.
\v 9 Nataon'Andriamanitra fantatra tamintsika ny zava-miafin'ny sitrapony, araka izay tiany, sy izay nasehony tao amin'i Kristy,
\v 10 niaraka tamin'ny fandaharana iray amin'ny fahafenoan'ny fotoana, hanangonana ny zavatra rehetra, ety an-tany sy any an-danitra, ho loha iray, na Kristy aza.
\v 11 Ao amin'i Kristy dia voatendry ho mpandova isika. Nofidiana mialoha araka fandaharan'ilay mampiasa ny zavatra rehetra araka ny tanjon'ny sitrapony isika.
\v 12 Andriamanitra nanendry antsika ho mpandova mba ho isika no manana fahatokiana voalohany ao amin'i Kristy, mba ho fiderana ny voninahiny isika.
\v 13 Tao amin'i Kristy, ianareo koa, rehefa naheno ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsaran'ny famonjena anareo, dia nino Azy ianareo ary voatomboka tamin'ilay Fanahy Masina nampanantenaina,
\v 14 izay antoka ho an'ny lovantsika mandra-pahazoantsika tanteraka izany, ho fiderana ny voninahiny.
\v 15 Noho izany antony izany, hatramin'ny nahenoako ny finoanareo ny Tompo Jesosy ary ny fitiavanareo ireo olo-masiny rehetra,
\v 16 dia tsy nitsahatra ny nisaotra an'Andriamanitra aho noho ny aminareo ary tsaroako am-bavaka ianareo.
\v 17 Mivavaka aho mba ny Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain'ny voninahitra, hanome anareo ny fanahin'ny fahendrena sy fanambarana amin'ny fahalalana Azy.
\v 18 Mivavaka aho mba hanazavana ny mason'ny fonareo, mba hahafantaranareo ny toky izay niantsoany anareo sy ny haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ireo olo-masin'Andriamanitra rehetra.
\v 19 Ao amin'ny fivavako dia mangataka aho mba hahafantaranareo ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ao amintsika izay mino, araka ny fiasan'ny heriny lehibe.
\v 21 Kristy dia napetrany ho ambonin'ny lalàna sy ny fahefana ary ny hery sy fitsarana, ary ny anarana rehetra izay misy. Hanapaka Kristy, tsy ho amin'izao vanim-potoana izao ihany, fa ho amin'ny vanim-potoana ho avy koa.
\v 22 Napetrak'Andriamanitra ho ao ambanin'ny tongotr'i Kristy avokoa ny zavatra rehetra ary natolony ho lohan'ny zavatra rehetra ao amin'ny fiangonana Izy.
\v 23 Ny fiangonana no vatany, ilay fahafenoin'Ilay mameno ny zavatra rehetra amin'ny endriny rehetra.
\v 1 Ary ny momba anareo, dia maty tao anatin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo ianareo.
\v 2 Tao amin'ireny fahadisoana ireny no niainanareo taloha araka ny fomban'izao tontolo izao. Niaina araka ny mpanapaka ireo fahefana eny amin'ny rivotra ianareo, ilay fanahy izay miasa ao amin'ireo zanaky ny tsy fankatoavana.
\v 3 Niaina teo amin'ireny olona ireny avokoa isika taloha, nanatanteraka ireo filan-dratsin'ny nofontsika, ary nanatanteraka ny fanirian'ny nofo sy ny saina. Efa voahary ho zanaky ny fahatezerana, toy ny zanak'olombelona sisa isika.
\v 8 Fa tamin'ny fahasoavana no namonjena anareo tamin'ny alalan'ny finoana, ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezan'Andriamanitra.
\v 9 Tsy avy amin'ny asa ny fahasoavana mba tsy hisy hirehareha.
\v 10 Fa asan'Andriamanitra isika, noforonina tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa izay fandaharan'Andriamanitra efa ela ho antsika, mba handehanantsika ao amin'ireo.
\v 14 Satria Izy no fihavanantsika. Izy no nahatonga ny roa ho iray. Tamin'ny nofony no nandrodanany ny rindrin'ny fanoherana izay nampizarazara antsika.
\v 15 Izany hoe, nofoanany ny lalàn'ny didy sy ny fitsipika mba hanaovany olom-baovao iray ao Aminy, sy mba hanaovana fampihavanana.
\v 16 Kristy dia mampihavana ny vahoaka roa tonta ho vatana iray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hazofijaliana, ka mamono ny fanoherana.
\v 17 Fa tonga Jesosy ary nitory fihavanana ho anareo izay lavitra ary fihavanana ho an'ireo izay akaiky.
\v 18 Fa amin'ny alalan'i Jesosy no hananantsika roa tonta fifandraisana amin'ny Fanahy iray mankany amin'ny Ray.
\v 1 Noho izany, izaho Paoly, dia gadran'i Kristy Jesosy ho anareo Jentilisa.
\v 2 Ataoko fa naheno ny fitantanana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo ianareo.
\v 3 Manoratra araka ny fanambarana nampahafantarina ahy aho. Izany no marina miafina momba izay nosoratako fohifohy taminareo.
\v 4 Rehefa mamaky izany ianareo, dia ho afaka ny hahazo ny fomba fahazoako izany marina miafina momban'i Kristy izany.
\v 5 Tamin'ireo taranaka hafa dia tsy natao fantatry ny zanak'olombelona izany marina izany. Fa ankehitriny kosa izany dia nambara tamin'ny alalan'ny Fanahy tamin'ireo Apostôly sy ireo mpaminaniny izay voatokana ho amin'ity asa ity.
\v 6 Izany marina miafina izany dia milaza fa ireo Jentilisa dia mpiara-mandova, sy mpiara-miombona amin'ny vatana, ary mizara ny fampanantenana ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny alalan'ny filazantsara izy ireo.
\v 8 Nomen'Andriamanitra ahy izany fanomezana izany, na dia izaho aza no farany kely indrindra amin'ireo olo-masin'Andriamanitra. Izany fanomezana izany dia ny mba hitoriako amin'ireo Jentilisa ny filazantsaran'ny haren'i Kristy saro-katsahina.
\v 9 Ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ho ahy dia ny hitondrako fanazavana amin'ny olon-drehetra ny fandaharan'Andriamanitra. Io fandaharana io dia nafenin'Andriamanitra, ilay nahary ny zavatra rehetra, nandritra ny taona maro taloha.
\v 10 Nampahafantarina tamin'ny fiangonana izany fandaharana izany mba hahatonga ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana any an-danitra hahalala ny toetra maron'ny fahendren'Andriamanitra.
\v 11 Nitranga araka ny fandaharana mandrakizay izay tanterany tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika izany.
\v 12 Fa ao amin'i Kristy no ananantsika fahasahiana sy lalana am-pahatokiana nohon'ny finoantsika Azy.
\v 13 Noho izany miangavy anareo aho mba tsy ho kivy nohon'ny fijaliako ho anareo, izay voninahitrareo.
\v 1 Noho izany, izaho, amin'ny maha gadra ho an'ny Tompo ahy, dia mamporisika anareo mba handeha am-pamendrehana amin'ny antso izay niantsoana anareo.
\v 2 Mamporisika anareo aho mba hanana fanetren-tena lehibe sy fahatsorana ary faharetana, mifandefitra amin'ny fitiavana.
\v 3 Manaova izay faran'ny herinareo mba hitahirizana ny firaisan'ny Fanahy amin'ny fatoran'ny fihavanana.
\v 4 Iray ihany ny vatana ary iray ihany ny Fanahy, tahaka ny niatsoana anareo tao amin'ny fanantenan'ny fiantsoana anareo iray ihany koa.
\v 5 Ary iray ihany ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
\v 6 ary iray ihany Andriamanitra sy ny Rain'ny rehetra, izay ambonin'ny zavatra rehetra ary amin'ny alalan'ny zavatra rehetra sy ao amin'ny zavatra rehetra.
\v 10 Izy Ilay nidina ihany ilay olona niakatra ambony tany an-danitra, mba afahany mameno ny zavatra rehetra.
\v 11 Kristy dia nanolotra ny sasany ho apostôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho pasitera sy mpampianatra.
\v 12 Nanome ireo asa ireo Izy mba hanampiana ireo vahoakany masina ho amin'ny asa fanompoana, amin'ny fanorenana ny vatan'i Kristy.
\v 13 Manohy manorina ny vatany Izy mandra-pahatrarantsika rehetra ny firaisam-pinoana sy ny fahalalana ny Zanak'Andriamanitra, ary mba hahatonga antsika ho matotra ka mba hahatratra ny haben'ny fahafenoan'i Kristy.
\v 14 Manorina antsika Kristy mba tsy ho toy ny zaza izay atopatopan'ny onja intsony isika, ary tsy ho entin'ny rivotry ny fampianarana sy ny hafetsen'ireo olona amin'ny tetika feno fitaka.
\v 15 Fa isika kosa, amin'ny filazana ny fahamarinana amin'ny fitiavana, dia tokony hitombo amin'ny fomba rehetra ao amin'Izy izay loha, izany hoe, Kristy.
\v 16 Kristy dia manangana ny tena rehetra, ary nakambana sy natambatra tamin'ny isan-tonony izany, ary rehefa miasa miaraka ireo, dia mahatonga ny vatana hitombo mba hampiorina ny tenany amin'ny fitiavana.
\v 20 Fa tsy izany no fomba nianaranareo ny momban'i Kristy.
\v 21 Inoako fa naheno ny momba Azy ianareo, ary nampianarina tao aminy, satria ny fahamarinana dia ao amin'i Jesosy.
\v 22 Nampianarina ianareo mba hanary ny fomba fiainanareo taloha, mba hanary ny toetra taloha. Ilay toetra taloha izay simba nohon'ny fitaky ny filany.
\v 23 Nampianarina ianareo mba hihavao ao amin'ny fanahin'ny sainareo,
\v 24 ary hitafy ilay olom-baovao izay nohariana araka ny endrik'Andriamanitra _ ao amin'ny tena fahamarinana sy fahamasinana.
\v 25 Noho izany, ialao ny lainga, ary aoka ny tsirairay aminareo hifampilaza ny marina amin'ny namany, satria samy isan'ny rantsan'ny rehetra isika.
\v 26 Mitezera fa aza manota. Aza avela ho tratrin'ny masoandro mody ny hatezeranao.
\v 27 Aza manome hirika ho an'ny devoly.
\v 28 Izay nangalatra dia tsy tokony hangalatra intsony. Tsy maintsy miasa izy, manao asa tsara amin'ny tanany, mba hananany zavatra ho zaraina ho an'ireo ao anatin'ny tsy fahampiana.
\v 29 Aza avela hisy teny maloto hivoaka avy amin'ny vavanareo. Mampiasà teny izay ilaina amin'ny fanorenana ny hafa, araka izay ilain'izy ireo, mba tena hanampy ireo izay mihaino anareo ny teninareo.
\v 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, fa avy aminy no nanaovana tombo-kase anareo ho amin'ny andron'ny fanavotana.
\v 31 Ialao ny lolom-po rehetra, haromontana, ny hatezerana, ny fifamaliana, ary ny fifampitenenan-dratsy, miaraka amin'ireo karazan'asa ratsy rehetra.
\v 32 Manàna fahalemem-panahy amin'ny tsirairay avy, fahatsoram-po, mifamelà heloka, toy ny namelan'Andriamanitra anareo tao amin'i Kristy.
\v 1 Noho izany aoka mba ho mpaka tahaka an' Andriamanitra, tahaka ny zanaka malala.
\v 2 Ary mandehana amin'ny fitiavana, araka ny nitiavan'i Kristy antsika ihany koa sy nanomezany ny tenany ho antsika, fanatitra manim-pofona sy sorona ho an'Andriamanitra.
\v 3 Fa tsy tokony hisy na dia resaka fijangajangana na karazana fahalotoana na tsy fahononan-tena aza eo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masin'Andriamanitra ireo.
\v 4 Aoka tsy hisy mamoafady, resaka adaladala, ary hanihany tafahoatra _ fa tsy mendrika ny rehetra amin'ireo. Fa kosa tokony hisy fankasitrahana.
\v 5 Fa afaka mahazo antoka ny amin'izao ianareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierina _ izany hoe, mpanompo sampy _ manana lova ao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra.
\v 6 Aoka tsy hisy hamitaka anareo amin'ny teny foana, satria noho ireo zavatra ireo dia tonga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana ny hatezeran'Andriamanitra.
\v 25 Ry lehilahy, tiavo ny vadinareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana sy nanomezany azy ny ainy.
\v 26 Nanolotra ny tenany ho an'ny fiangonana Kristy mba afahany manamasina azy, tamin'ny fanadiovana azy tamin'ny rano fanasana amin'ny teny,
\v 27 mba afahany mampiseho azy ho be voninahitra eo aminy, tsy misy pentina na kentrona na zavatra toy izany, fa masina sady tsy misy diso.
\v 28 Tahaka izany ihany koa ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadin'izy ireo avy tahaka ny tenan'izy ireo. Izy izay tia ny vadiny dia tia ny tenany ihany koa.
\v 29 Tsy mbola nisy nankahala ny tenany, fa mamahana sy mikarakara izany tsara, tahaka an'i Kristy mamahana ny fiangonana sy mikarakara azy ihany koa,
\v 5 Ry mpanompo, mankatoava ny tomponareo ety an-tany amin'ny haja ambony sy fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo.
\v 6 Mankatoava azy ireo tahaka ny hankatoavanareo an'i Kristy. Mankatoava tsy eo imason'ny tomponareo ihany mba hankasitrahan'izy ireo. Fa kosa, mankatoava tahaka ny mpanompon'i Kristy, izay manao ny sitrak'Andriamanitra amin'ny fonareo manontolo.
\v 7 Manompoa amin'ny fonareo manontolo, tahaka ny hoe manompo ny Tompo ianareo fa tsy olona,
\v 8 satria fantatsika fa na inona na inona asa tsara ataon'ny olona tsirairay, dia handray valim-pitia avy amin' ny Tompo izy, na andevo izy na olon'afaka.
\v 10 Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny tanjaky ny heriny.
\v 11 Itafio ny fiadian'Andriamanitra rehetra, mba afahanao mijoro manohitra ireo tetiky ny devoly.
\v 12 Fa ny adintsika dia tsy manohitra ny nofo sy ny rà. Fa kosa, manohitra ny fanjakana sy ny fahefana ara-panahy sy ireo mpanapaky ny fanjakan'ny fahamaizinan-dratsy, manohitra ireo fanahy ratsy any amin'ny fitoeran-danitra.
\v 13 Noho izany itafio ny fiadianan'Andriamanitra rehetra, mba afahanareo mijoro amin'izao andron'ny ratsy izao, ary rehefa vitanareo ny zavatra rehetra, dia hahatohitra ianareo.