\v 3 Izany dia momban'ny Zanany lahy, izay teraka avy amin'ny taranak'i Davida araka ny nofo.
\v 4 Tamin'ny fitsanganana tamin'ny maty, dia voambara ho ilay zanaka maherin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fanahin'ny fahamasinana Izy_ dia Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 5 Tamin'ny alalany no nandraisantsika fahasoavana sy ny maha-apostoly amin'ny fankatoavana ny finoana eo amin'ny firenena rehetra, noho ny Anarany.
\v 6 Amin'ireo firenena ireo, ianareo ihany koa dia voaantso ho an'i Jesosy Kristy.
\v 7 Ity taratasy ity dia ho an'ireo rehetra ao Roma, izay malalan'Andriamanitra, izay voaantso ho olo-masina. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
\v 8 Voalohany, isaorako ny Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy noho ny aminareo rehetra, satria ny finoanareo dia efa nambara manerana izao tontolo izao.
\v 9 Fa Andriamanitra no vavolombeloko, izay tompoiko ao amin'ny fanahiko ao amin'ny filanzatsaran'ny Zanany, fa tsy mitsahatra miresaka anareo Aminy Aho.
\v 10 Mangataka foana Aho amin'ny vavaka ataoko ny mba ahombiazako amin'ny fomba rehetra araka ny sitrapon'Andriamanitra mba ho tonga aminareo.
\v 11 Fa izaho dia maniry ny ahita anareo, mba afahako manome fanomezam-panahy sasantsasany ho anareo, mba hampahery anareo.
\v 12 Izany, dia maniry Aho ny mba hifankaherezantsika eto anivontsika, amin'ny alalan'ny finoan'ny tsirairay avy, ny anareo sy ny ahy.
\v 13 Ankehitriny tsy tiako ianareo tsy ahafantatra, ry rahalahy, hoe matetika aho no manana fikasana hanatona anareo, (nefa Izaho dia voasakana mandrak'ankehitriny), mba hahazoana vokatra eo aminareo, toy ny efa nahazoako ny ambin'ireo Jentilisa ihany koa.
\v 14 Izaho dia mpitrosa amin'ireo Grika sy ireo vahiny, amin'ny hendry sy adala.
\v 15 Noho izany, amiko, dia vonona ihany koa aho hitory ny filazantsara ho anareo izay any Roma.
\v 16 Fa izaho dia tsy menatra amin'ny filazantsara, fa izany no herin'Andriamanitra ho famonjena ireo rehetra izay mino, ho an'ny Jiosy aloha ary ho an'ny Grika.
\v 17 Fa amin'izany no anehoana ny fahamarinan' Andriamanitra avy amin'ny finoana ho amin'ny finoana, araka izay voasoratra hoe: “Ny marina dia ho velona amin'ny finoana.”
\v 18 Fa ny fahatezeran'Andriamanitra dia naseho avy any an-danitra manohitra ny haratsiam-panahy sy ny tsy fahamarinan'ny olona, izay manakana ny fahamarinana amin'ny alalan'ny tsy fahamarinana.
\v 19 Izany dia satria izay fantatra momban'Andriamanitra dia hitan'izy ireo maso. Fa nohazavain'Andriamanitra izy ireo.
\v 20 Fa ireo endriny izay tsy hita maso, izay heriny tsy misy fetra sy maha-Andriamanitra Azy, dia hita nazava tsara, nanomboka tamin'ny famoronana izao tontolo izao, tamin'ireo zavatra izay noforonina. Noho izany dia tsy manana fialan-tsiny izy ireo.
\v 21 Izany dia satria, na dia efa nahafantatra ny momban'Andriamanitra aza izy ireo, dia tsy nanome voninahitra amin'ny maha Andriamanitra Azy, na koa nisaotra Azy. Fa kosa, lasa adala tao an-tsainy izy ireo, ary nihamaizina ny fo donton'izy ireo.
\v 22 Izy ireo dia nilaza azy ireo ho hendry, kanefa dia niha-lasa adala.
\v 23 Ny voninahitran'Andriamanitra tsy mety lo dia natakalon'izy ireo sarin'endrik'olombelona mety lo, vorona, biby manan-tongotra efatra, sy ireo zavatra mikisaka.
\v 24 Noho izany dia natolotr'Andriamanitra ho amin'ny filan'ny fon'izy ireo ho amin'ny fahalotoana izy ireo, mba ho afa-boninahitra eo amin'izy ireo ihany ny tenan'izy ireo.
\v 25 Izy ireo no nanakalo ny fahamarinan'Andriamanitra tamin'ny lainga, ary izay midera sy manompo ny zava-boary fa tsy ilay Nahary, izay deraina mandrakizay. Amena.
\v 32 Hain'izy ireo ny lalàn'Andriamanitra, fa ireo izay manao zavatra tahaka izany dia mendrika ny fahafatesana. Fa tsy ireo zavatra ireo ihany no ataony, fa manaiky ireo hafa izay manao ireny koa.
\v 1 Noho izany dia tsy manana fialan-tsiny ianao, ry olona, ianao izay mitsara, fa izay itsaranao ny hafa no anamelohanao ny tenenao. Fa ianao izay mitsara dia manao ireo ihany koa.
\v 2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina rehefa mianjera amin'ireo izay manao zavatra tahaka ireo izany.
\v 3 Fa hevero izao, ry olona, ianao izay mitsara ireo izay manao zavatra tahaka ireo na dia manao tahaka ireny koa aza ianao. Hitsoaka ny fitsaran'Andriamanitra va ianao?
\v 4 Sa hamaivaninao ny haren'ny hatsaram-panahiny, ny fandeferany, ary ny faharetany? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-panahiny dia natao hitarika anao amin'ny fibebahana?
\v 5 Fa izany dia ho amin'ny halehiben'ny hamafy sy tsy fibebahan'ny fonareo no anangonanareo fahatezarana ho an'ny tenanareo amin'ny andro fahatezerana, izany dia, ny andron'ny fanehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra.
\v 7 hanome araka ny faharetana, ny asa tsara mitady dera, voninahitra, ny tsy fahafatesana, fiainana mandrakizay Izy.
\v 8 Fa ho an'ireo izay mitady ho an'ny tenany, izay tsy mankatoa ny marina fa mankatoa ny tsy fahamarinana, dia ho avy ny fahatezerana sy ny ny fasikana.
\v 12 Fa izay rehetra nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana lalàna ihany koa, ary izay rehetra nanota niaraka tamin'ny fanajana ny lalàna dia ho tsaraina araka ny lalàna.
\v 13 Fa tsy ireo mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ireo izay mampihatra ny lalàna no nohamarinina.
\v 14 Fa ireo jentilisa, izay tsy manana ny lalàna, rehefa manao ny zavatra momban'ny lalàna araky ny voajanahary, dia izy ireo no lalàna ho an'ny tenany, na dia tsy manana ny lalàna aza izy ireo.
\v 15 Amin'izany no anehoan'izy ireo fa ny asa angatahan'ny lalàna dia voasoratra ao am-pon'izy ireo. Ny fieritreretan'izy ireo ihany koa dia vavolombelona ho azy ireo, ary ny fisainan'izy ireo manokana dia na manameloka na miaro azy ireo amin'ny tenan'izy ireo
\v 17 Fa raha toa ka Jiosy no hiantsoanao ny tenanao ary miankina amin'ny lalàna sy mirehareha ao amin' Andriamanitra,
\v 18 ary mahalala ny sitrapony sy mamantatra izay zavatra tsara indrindra satria nampianarina tamin'ny lalàna ianao;
\v 19 ary raha toa ka resy lahatra ianao fa ny tenanao dia mpitarika ny jamba, fahazavana ho an'ireo izay ao amin'ny aizina,
\v 20 mpanitsy ny adala, mpampianatra ny zazakely, ary anananao ao amin'ny lalàna ny endriky ny fahalalana sy ny marina, dia ahoana izany no fiantraikan'izany amin'ny fomba hiainanao ny fiainanao?
\v 21 Ary ianao izay mampianatra ireo sasany, tsy mampianatra ny tenanao va ianao? Ianao izay mitory manohitra ny halatra, mangalatra va ianao?
\v 22 Ianao izay miteny fa tsy tokony hijangajanga, mijangajanga va ianao? Ianao izay mankahala ny sampy, mandroba ireo tempoly va ianao?
\v 23 Ianao izay faly mirehareha ao amin'ny lalàna, manala-baraka an'Andriamanitra va ianao amin'io fandikanao ny lalàna io?
\v 25 Fa mahazo tombony amin'ny famorana tokoa ianareo raha toa ka mankatoa ny lalàna, fa raha mandika ny lalàna ianareo, dia tonga tsy voafora na dia efa voafora aza ianareo.
\v 26 Arak'izany, raha olona tsy voafora no mitandrina izay takian'ny lalàna, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy na dia tsy voafora aza?
\v 27 Ary tsy ho helohin'ilay iray izay tsy mifora ara-boajanahary va ianareo raha toa ka mitandrina ny lalàna izy? Izany dia satria manana ny lalàna voasoratra sy ny famoràna ianareo, nefa mbola mandika ny lalàna!
\v 28 Fa izy dia tsy jiosy amin'ny endrika ivelany fotsiny; na amin'ny famoràna izay miseho amin'ny endrika ivelan'ny nofo fotsiny.
\v 29 Fa izy dia jiosy ao anaty, ary ny famorana izay an'ny fo, ao amin'ny Fanahy, fa tsy ao amin'ny soratra. Ny fiderana ny olona tahaka izany dia tsy avy amin'ny olona fa avy amin'Andriamanitra.
\v 4 Tsy hisy mihitsy anie izany. Fa kosa, avelao ho hita fa marina Andriamanitra, na dia mpandainga aza ny olona tsirairay. Araka ny voasoratra hoe: “Ho aseho amin'ny teninareo fa olo-marina ianareo, ary aseho rehefa tonga amin'ny fitsarana ianareo.”
\v 5 Fa raha toa ny tsy fahamarinantsika no maneho ny fahamarinan'Andriamanitra, inona no azontsika hambara? Afaka milaza ve isika fa tsy marina Andriamanitra amin'ny famoahany ny hatezarany amintsika, sa tsy izany? (Mampiasa lahatenin' olombelona aho.)
\v 6 Tsy hisy mihintsy anie izany! Satria amin'ny fomba ahoana ary no hitsaran' Andriamanitra an'izao tontolo izao?
\v 7 Fa raha toa ny fahamarinan'Andriamanitra ka manome fiderana betsaka ho Azy amin'ny alalan'ny laingako, dia nahoana ary aho no mbola tsaraina ho mpanota?
\v 8 Fa nahoana no tsy miteny, araka ny tatitra diso izay lazaina fa tenenintsika, ary koa araky ny hamafisin'ny sasany fa notenenintsika hoe: “Avelao izahay hanao ratsy, mba hiavian'ny soa"? Rariny ny fitsarana atao amin'izy ireo.
\v 9 Koa inona ary? Manome rariny ny tenantsika ve isika? Tsy izany mihitsy. Fa isika dia efa nanameloka ny Jiosy sy ny Grika, izy rehetra, ho mpanota.
\v 19 Ankehitriny dia fantantsika fa na inona na inona lazain'ny lalàna, dia miantefa any amin'ireo izay ambany lalàna. Izany dia mba hahatonga ny vavan'ny tsirairay hangina, ary mba hahazo valiny avy amin'Andriamanitra izao tontolo izao.
\v 20 Izany dia satria tsy hisy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo imasony. Fa amin'ny alalan'ny lalàna no hiavian'ny fahalalana ny fahotana.
\v 21 Fa ankehitriny dia nampahafantarina ihany koa ny fahamarinan' Andriamanitra tsy amin'ny lalàna. Noporofoin'ny lalàna sy ireo mpaminany,
\v 22 fa izany, no fahamarinan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino. Satria tsy misy fanavahana.
\v 23 Fa nanota ny olon-drehetra ka tsy manana ny voninahitr'Andriamanitra,
\v 24 ary izy ireo dia hamarinina maimaimpoana amin' ny fahasoavany amin'ny alalan'ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
\v 25 Fa Andriamanitra nanome an'i Kristy Jesosy ho fanatitra amin'ny alalan'ny finoana ny ràny. Natolony ho porofon'ny fahamarinany Kristy, nohon'ny tsy fijereny ny ota tany aloha
\v 26 amin'ny faharetany. Nitranga izany rehetra izany ho fampisehoana ny fahamarinany amin'izao fotoana ankehitriny izao. Izany dia mba hafahany manaporofo fa marina ny tenany, ary mba hanehoana fa Izy dia manamarina ny rehetra noho ny finoana an'i Jesosy.
\v 9 Amin'ireo voafora ihany ve no hanononana izany tso-drano izany, sa amin'ireo tsy voafora koa? Fa hoy isika hoe: “Ny finoana dia nisain'i Abrahama ho fahamarinana.”
\v 10 Koa ahoana ary no nanisana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora, sa tamin'izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora fa tamin'izy mbola tsy voafora.
\v 11 Abrahama dia nandray ny famantaran'ny famoràna. Izany dia mariky ny fahamarinan'ny finoana izay efa nananany raha mbola tsy voafora izy. Ny valin'izany famantarana izany dia lasa rain'izay mino rehetra izy, na dia mbola tsy voafora aza izy ireo. Midika izany fa ny fahamarinana dia ho isaina ho azy ireo.
\v 12 Nidika koa izany fa Abrahama dia lasa rain'ny voafora tsy ho an'ireo izay voafora irery ihany fa ho an'ireo izay manaraka ny dian'ny finoan'i Abrahama raintsika ihany koa talohan'ny tsy mbola naha-voafora azy.
\v 13 Fa ny fampanantenana tamin'i Abrahama sy ireo taranany fa ho mpandova izao tontolo izao izy dia tsy avy amin'ny alalan'ny lalàna fa avy amin'ny alalan'ny fahamarinan'ny finoana.
\v 14 Fa raha ireo izay miaina amin'ny lalàna no mpandova, dia ho foana ny finoana, ary tsinotsinona ny fampanantenana.
\v 15 Satria ny didy dia mitondra amin'ny fahatezerana, fa any amin'izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
\v 16 Noho izany antony izany dia miseho amin'ny finoana izany, mba hipetrahan'ny fampanantenana amin'ny fahasoavana ary ho azo antoka amin'ireo taranak'i Abrahama rehetra_ tsy ho an'ireo izay ambanin'ny lalàna ihany, fa ho an'ireo izay mizara ny finoan'i Abrahama ihany koa. Raintsika rehetra izy,
\v 18 Na dia teo aza ireo zava-mitranga ivelany, dia natoky tanteraka an'Andriamanitra i Abrahama amin'ny ho avy. Ka tonga rain'ny firenena maro izy, araka izay efa voalaza hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.”
\v 12 Noho izany ary, toy ny nidiran'ny ota tamin'ny olona iray tamin'izao tontolo izao, dia toy izany koa no nidiran'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafatesana dia niely tamin'ny olona rehetra, satria samy nanota avokoa ny rehetra.
\v 13 Nandra-pisian'ny lalàna, dia teto amin'izao tontolo izao ny ota, fa tsy misy fanisan-keloka rehefa tsy misy lalàna.
\v 14 Nefa na izany aza, ny fahafatesana dia nanjaka nanomboka tamin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia teo amin'ireo izay tsy nanota tahaka ny tsy fankatoavan'i Adama aza, izay tandindon'Ilay ho avy.
\v 15 Nefa na izany aza, ny fanomezana dia tsy tahaka ny fahadisoana. Fa raha tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny iray no nahafaty ny maro, dia mihoatra lavitra no nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana avy amin'ny fahasoavan'Ilay olona iray, Jesosy Kristy, nomena be ho an'ny maro.
\v 16 Fa ny fanomezana dia tsy tahaka ny vokatra avy amin'ilay iray izay nanota. Fa amin'ny lafiny iray, tonga ny fitsarana ho fanamelohana nohon'ny fahadisoan'ny olona iray. Fa amin'ny lafiny iray hafa, ny fanomezana miafara amin'ny fanamarinana dia tonga taorian'ny fahadisoana maro.
\v 17 Fa raha, tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny iray, no hanjakan'ny fahafatesana amin'ny iray, dia mihoatra lavitra noho izany ny hanjakan'ireo izay mandray ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiainan'ilay iray, dia Jesosy Kristy.
\v 18 Noho izany ary, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny iray no nahatonga ny olona ho amin'ny fanamelohana, dia amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinan'ny iray ihany koa no hatongavan'ny fanamarinana ny fiainana ho an'ny olona rehetra.
\v 19 Fa satria avy amin'ny tsy fankatoavan'ny olona iray no nahatonga ny maro ho mpanota, dia amin'ny alalan'ny fankatoavan'ny iray ihany koa no hahatonga ny maro ho marina.
\v 20 Fa tonga tao amin'izany ny lalàna, mba ho lehibe ny fahadisoana. Nefa raha nialehibe ny fahotana, dia vao maika nialehibe ny fahasoavana.
\v 21 Nitranga izany mba, tahaka ny nanjakan'ny fahotana tamin'ny fahafatesana, dia toy izany koa no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana ho amin'ny fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 1 Inona ary no ho lazaintsika? Tokony hanohy amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana?
\v 2 Tsy hisy mihitsy anie izany. Isika izay maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba ahoana moa no mbola hiainantsika amin'izany ihany?
\v 3 Tsy fantatrareo ve fa ireo rehetra natao batisa tao amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa tao amin'ny fahafatesany?
\v 4 Koa, voalevina, niaraka taminy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika. Nitranga izany mba ho toy ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray, no andehanantsika amin'ny fiainam-baovao ihany koa.
\v 5 Fa raha mikambana Aminy amin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia hikambana amin'ny fitsanganany ihany koa.
\v 6 Fantantsika izany, fa ny tenantsika taloha dia nofantsihana niaraka taminy, mba hamotehana ny tenan'ny ota. Nitranga izany mba ho andevozin'ny ota intsony isika.
\v 7 Izy izay maty dia nambara fa marina sady afaka amin'ny fahotana.
\v 8 Fa raha maty niaraka tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona Aminy ihany koa.
\v 9 Isika dia mahafantatra fa nitsangana tamin'ny maty Kristy, ary tsy maty intsony Izy. Tsy manjaka Aminy intsony ny fahafatesana.
\v 10 Fa raha ny momba ny fahafatesana dia maty nohon'ny amin'ny fahotana Izy, maty indray mandeha ho an'ny rehetra Izy. Kanefa, ny fiainana izay hiainany dia iainany ho an'Andriamanitra.
\v 11 Dia tahaka izany, tsy maintsy mihevitra ny tenanareo ho efa maty amin'ny fahotana ihany koa ianareo, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
\v 12 Noho izany aza avela hanjaka ao amin'ny tenanareo mety maty ny ota mba hanarahanareo ny filàn-dratsy.
\v 13 Aza atolotra ho an'ny fahotana ny ratsam-batanareo, ho fitaovana ampiasaina amin'ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an'Andriamanitra ny tenanareo, toy ny nitsangana tamin'ny maty izay velona ankehitriny. Ary atolory ho an'Andriamanitra ny ratsam-batanareo mba ho fitaovana ampiasaina amin'ny fahamarinana.
\v 14 Aza avela hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
\v 15 Ka inona ary? Tokony hanota ve isika satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Tsy hisy mihitsy anie izany.
\v 16 Tsy fantatrareo ve fa ilay iray izay anoloranareo ny tenanareo ho mpanompo dia ilay iray izay ho hankatoavinareo, ilay hany tsy maintsy hankatoavinareo? Marina izany na mpanompon'ny fahotana izay mitarika any amin'ny fahafatesana ianareo, na mpanompon'ny fankatoavana izay mitarika any amin'ny fahamarinana.
\v 17 Fa isaorana Andriamanitra! Satria efa mpanompon'ny fahotana ianareo, kanefa nankatoa tao am-ponareo ny fomba fampianarana izay nomena anareo.
\v 18 Nafahana tamin'ny ota ianareo, ary natao mpanompon'ny fahamarinana.
\v 19 Miteny tahaka ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo. Satria vantany vao nanolotra ny ratsam-batanareo ho andevon'ny fahalotoana sy ny ratsy ianareo, dia tahaka izany koa izao, atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsam-batanareo.
\v 20 Fa fony ianareo andevon'ny ota, dia afaka tamin'ny fahamarinana.
\v 21 Amin'izao, inona ary no vokatra azonareo tamin'ireo zavatra izay mahamenatra anareo ankehitriny? Satria ny vokatr'ireny zavatra ireny dia ny fahafatesana.
\v 22 Fa ankehitriny rehefa nafahana tamin'ny ota ianareo ary tonga mpanompon'Andriamanitra, dia mijinja ny fahamasinana. Ny vokatra dia ny fiainana mandrakizay.
\v 23 Fa ny tambin'ny ota dia fahafatesana, fa ny fanomezan'Andriamanitra kosa dia ny fiainana mandrakizay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
\v 1 Sa tsy fantarareo, ry rahalahy (satria miresaka amin'ny olona mahay ny momba ny lalàna aho), fa ny lalàna dia mibaiko ny olona iray raha mbola velona koa izy?
\v 2 Fa ny vehivavy izay manambady dia voafatotry ny lalàna amin'ny vadiny raha mbola velona izy, fa raha maty ilay vadiny, dia afaka amin'ny lalàn'ny fanambadiana izy.
\v 3 Noho izany, raha mbola velona ny vadiny, raha toa ka miray amina lehilahy hafa izy, dia ho antsoina hoe mpijangajanga izy. Fa raha maty ilay vadiny, dia afaka amin'ny lalàna izy, ka tsy mpijangajanga izy raha toa ka miray amina lehilahy hafa.
\v 4 Noho izany, ry rahalahiko, dia natao maty tamin'ny lalàna ihany koa ianareo tamin'ny alalan'ny tenan'i Kristy. Natao izany mba hikambananareo amin'ny hafa, izany hoe, amin'Izy izay natsangana tamin'ny maty, mba hafahantsika mamokatra voa ho an'Andriamanitra.
\v 5 Fa tamintsika tao amin'ny nofo, ireo filàn'ny fahotana, izay nohetsehin'ny lalàna, dia niasa tao amin'ireo ratsantsika mba hamokatra voa ho an'ny fahafatesana.
\v 6 Fa ankehitriny dia nafahana tamin'ny lalàna isika. Maty tamin'ilay namatotra antsika isika. Izany dia mba hafahantsika manompo amin'ny havaozam-panahy, fa tsy amin'ny fahanteran'ny soratra.
\v 7 Inona ary no ho lazaintsika? Ny lalàna mihintsy ve no fahotana? Tsy hisy mihitsy anie izany. Kanefa, tsy ho nahalala ny fahotana mihitsy aho, raha tsy tamin'ny alalan'ny lalàna izany. Fa tsy ho nahalala ny fitsiriritana aho raha tsy niteny ny lalàna hoe: “Aza mitsiriritra.”
\v 13 Koa moa ve nivadika fahafatesana ho ahy izay tsara? Tsy hisy mihitsy anie izany. Fa ny ota, mba hafahany hiseho ho fahotana amin'ny alalan'izay tsara, dia nitondra fahafatesana tao amiko. Izany dia mba ho amin'ny alalan'ny didy, ny fahotana dia mety ho tonga tena fahotana tokoa.
\v 14 Fa fantatsika fa ara-panahy ny lalàna, fa izaho avy amin'ny nofo. Efa namidy ho ao ambanin'ny fanandevozan'ny ota aho.
\v 15 Fa ny zavatra ataoko, dia tsy tena azoko tsara. Satria izay tiako atao, dia tsy ataoko, ary izay halako, dia ataoko.
\v 16 Fa raha manao izay tsy tiako aho, dia miray hevitra amin'ny lalàna fa tsara ny lalàna.
\v 17 Fa ankehitriny dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay velona ato anatiko.
\v 18 Fa fantatro fa ato amiko, izay ato amin'ny nofoko, dia tsy misy zavatra tsara miaina. Fa ny faniriana ny tsara dia ato amiko, saingy tsy afa-manao izany aho.
\v 19 Fa ny tsara izay tiako dia tsy ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako, no ataoko.
\v 20 Ary raha manao izay tsy tiako atao aho, dia tsy izaho intsony no miasa izany, fa kosa ny fahotana izay miaina ato amiko.
\v 21 Ary, izaho dia nahita, ny fitsipika ato amiko fa te hanao izay tsara aho, saingy ny ratsy no ato amiko izao.
\v 22 Fa miravoravo ao amin'ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny fanahy maha olona.
\v 23 Kanefa mahita fitsipika iray hafa ao amin'ny momba ny tenako aho. Izany dia miady amin'izany fitsipika vaovao ao an-tsaiko izany. Mihazona ahy ho babon'ny fitsipiky ny fahotana izay ao amin'ny momba ny tenako izany.
\v 24 Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ity tenan'ny fahafatesana ity?
\v 25 Fa isaorana Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika! Noho izany, izaho tenako dia manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saiko. Na dia izany aza, dia manompo ny fitsipikin'ny fahotana amin'ny nofo aho.
\v 1 noho izany dia tsy misy fanamelohana intsony ankehitriny ho an'ireo izay ao amin'i Kristy Jesosy.
\v 2 Fa ny fitsipikin'ny Fanahin'ny fiainana ao amin'i Jesosy Kristy no nanafaka ahy tamin'ny fitsipikin'ny fahotana sy ny fahafatesana.
\v 3 Fa izay tsy afaka nataon'ny lalàna nohon'ny fahalemen'izany tamin'ny nofo, dia nataon' Andriamanitra. Nandefa ny Zanany lahy tokana Izy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mba ho fanatitra ho an'ny ota, ary nanameloka ny ota tao amin'ny nofo izy.
\v 4 Nataony izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra takian'ny lalàna, isika izay mandeha tsy araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
\v 5 Ireo izay miaina araka ny nofo dia mifantoka amin'ireo zavatry ny nofo, fa ireo izay velona araka ny Fanahy dia mifantoka amin'ireo zavatry ny Fanahy.
\v 6 Satria ny fisainana miorina amin'ny nofo dia fahafatesana, fa ny fisainana miorina amin'ny Fanahy kosa dia fiainana sy fiadanana.
\v 7 Ny fisainana miorina amin'ny nofo dia fandrafiana eo anatrehan' Andriamanitra, fa tsy mifanaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra izany, no sady tsy hainy akory ny manao izany.
\v 8 Ireo izay ao amin'ny nofo dia tsy afaka ny ho ankasitrahan'Andriamanitra.
\v 9 Kanefa, ianareo dia tsy ao amin'ny nofo fa ao amin'ny Fanahy, raha marina fa miaina ao aminareo ny Fanahin'Andriamanitra. Fa raha misy olona tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.
\v 10 Raha ao aminareo Kristy, dia maty nohon'ny fahotana ny vatana, fa ny fanahy dia velona nohon'ny fahamarinana.
\v 11 Raha ny Fanahin'Ilay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no velona ao aminareo, dia Izy izay nanangana an'i Kristy tamin'ny maty no hamome fiainana ihany koa ho an'ny tenanareo izay mety maty amin'ny alalan'ny Fanahiny, izay velona ao aminareo.
\v 15 Fa tsy nandray ny fanahin'ny fanandevozana indray ianareo ka hatahotra. Fa kosa, nandray ny Fanahin'ny fananganan-janaka ianareo, izay hiantsoantsoantsika hoe: “Aba, Ray ô!”
\v 16 Ny Fanahy mihitsy no vavolombelona amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
\v 17 Raha zanaka isika, dia mpandova ihany koa, mpandova an'Andriamanitra. Ary mpiray lova ao amin'i Kristy isika, raha tena mijaly miaraka Aminy tokoa isika dia omem-boninahitra miaraka Aminy koa.
\v 18 Fa ataoko fa ireo fijaliana amin'izao fotoana izao dia tsy mendrika ampitahaina amin'ilay voninahitra izay ho haseho amintsika.
\v 19 Fa ny voahary rehetra izay manantena fatratra dia miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra.
\v 20 Fa ny voahary dia natao ho zava-poana, tsy nohon'ny sitrapony manokana, fa noho Ilay nanao izany. Izany dia ao amin'ilay toky nomena
\v 21 fa ireo voahary mihitsy no ho esorina amin'ny fanandevozan'ny fahalòvana, ary hitondra any amin'ny fahafahana ny amin'ny voninahitry ny zanak'Andriamanitra izany.
\v 22 Fa fantatsika fa ny voahary rehetra dia miara-misento sy miara-miasa ao anatin'ny fanaintainana na ankehitriny aza.
\v 23 Tsy izany ihany, fa na ny tenantsika aza, izay manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy_ na ny tenantsika aza dia misento ao anatintsika, miandry ny fananganana antsika ho zanaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
\v 24 Fa tamin'izany toky izany no namonjena antsika. Fa izay atokisantsika fa hitranga dia mbola tsy hita, fa iza no miandry am-patokiana izay efa hitany?
\v 25 Fa raha matoky amin'izay mbola tsy hitantsika isika, dia miandry izany am-paharetana.
\v 26 Tahaka izany koa, ny Fanahy dia manampy ao amin'ny fahalementsika. Fa isika tsy mahalala izay vavaka tokony ataontsika, fa ny Fanahy mihitsy no mifona ho antsika amin'ny fisentoana tsy hay tenenina.
\v 27 Izy izay mandinika ny fo no mahafantatra ny hevitry ny Fanahy, satria Izy no mifona ho an'ny mpino araka ny sitrapon'Andriamanitra.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe “Miaraka ampiasainy ho amin'ny tsara avokoa ny zavatra rehetra,” dia ny dikan-teny sasany taloha manao hoe: “Ny zavatra rehetra dia miaraka miasa ho amin'ny tsara.” \f* ho an'ireo izay voantso araka ny fandaharany.
\v 29 Satria ireo izay fantany mialoha, dia notendreny mialoha ihany koa mba hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho lahimatoa eo anivon'ireo rahalahy maro izy.
\v 30 Ireo izay notendreny mialoha, dia nantsoiny ihany koa. Ireo izay nantsoiny, dia nohamarininy ihany koa. Ireo izay nohamarininy, dia nomeny voninahitra ihany koa.
\v 37 Ao anatin'izany zavatra rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy izahay amin'ny alalan'Ilay iray tia anay.
\v 38 Fa resy lahatra aho fa na ny fahafatesana, na ny fiainana, na ireo anjely, na ireo fanjakana, na ireo zavatra ankehitriny, na ireo zavatra ho avy, na ireo hery,
\v 39 na ny avo, na ny lalina, na zavaboary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
\v 1 Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho. Tsy mandainga aho, ary ny eritreritro no vavolombelona miaraka amiko ao amin'ny Fanahy Masina,
\v 2 fa ho ahy dia misy alahelo lehibe ary fahoriana tsy mitsahatra ato am-poko.
\v 3 Fa afaka naniry aho fa izaho tenako dia ho voaozona ka hiataka amin'i Kristy noho ny amin'ireo rahalahiko, ireo izay iray firazanana amiko araka ny nofo.
\v 4 Izy ireo dia Isiraelita. Izy ireo dia manana fananganana, ny voninahitra, ireo fankatoavana, ny fanomezan'ny lalàna, ny fiderana an'Andriamanitra, ary ireo fampanantenana.
\v 5 Ny azy ireo dia ireo razana izay nahatonga an'i Kristy ho tonga nofo, Izy izay Andriamanitra ambonin'ny rehetra. Ho deraina mandrakizay anie Izy. Amena.
\v 10 Tsy izany ihany, fa avy eo koa Rebeka hanan'anaka amin'ny lehilahy iray, Isaka raintsika_
\v 11 fa mbola tsy teraka akory ireo zaza ary mbola tsy nanao zavatra tsara na ratsy, mba ho toa ny tanjon'Andriamanitra araka ny fisafidianana, tsy noho ireo asa, fa noho Izy izay miantso_
\v 17 Fa ny Soratra Masina nanambara tamin'i Farao hoe: “Fa noho izany antony izany no nanandratako anao, mba hanehoako aminao ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako eran-tany.”
\v 21 Moa ny mpanefy vilany tsy manana zo amin'ny tanimanga ka ny vongana iray ihany no hanamboarana fitoerana amin'ny andro voatokana, ary fitoerana iray hafa amin'ny andavanandro?
\v 22 Ahoana raha Andriamanitra, izay te-ampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny fahefany, no niaritra tamim-paharetana ireo fitoeran'ny fahatezerana nomanina ho amin'ny fahasimbaina?
\v 23 Ahoana raha nataony izany mba hampahafantarany ny haren'ny voninahiny eo amin'ireo fitoeran'ny famindram-po, izay efa nomaniny mialoha ho amin'ny voninahitra?
\v 24 Ahoana raha nataony ho antsika koa izany, izay nantsoiny ihany koa, tsy ho eo amin'ny samy Jiosy ihany, fa ho eo amin'ny ireo Jentilisa ihany koa?
\v 27 Isaia niantso mafy ny amin'ny Isiraely hoe: “Raha tahaka ny fasika eny amin'ny ranomasina ny isan'ny zanak'Isiraely, dia ho voavonjy izay sisa ambiny,
\v 28 fa ny Tompo hitondra ny teniny eto an-tany, feno ary tsy ho ela.”
\v 29 Araka ny nolazain'Isaia mialoha hoe: “Raha ny Tompo tompon'ny maro no tsy namela taranaka ho antsika, dia ho tahaka an'i Sodoma isika, ary ho lasa tahaka an'i Gomora.”
\v 30 Inona ary no holazaintsika? Fa ireo Jentilisa, izay tsy nitady ny fahamarinana, no nahazo ny fahamarinana, izay fahamarinana avy tamin'ny finoana.
\v 31 Fa Isiraely, izay nitady ny lalàn'ny fahamarinana, dia tsy tonga tamin'izany.
\v 33 araka izay efa voasoratra hoe: “Jereo, ao Ziona no ametrahako ny vaton'ny fanafintohinana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna. Izay mino izany dia tsy ho menatra.”
\v 5 Fa Mosesy manoratra momban'ny fahamarinana izay avy amin'ny lalàna hoe: “Ny olona izay manao ny fahamarinan'ny lalàna dia hiaina amin'izany fahamarinana izany.”
\v 6 Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana dia milaza hoe: “Aza milaza izao ao am-po hoe: ‘Iza no hiakatra any an-danitra?’ (izany dia, mampidina an'i Kristy);
\v 7 ary aza miteny hoe: ‘Iza no hidina any amin'ny lalina?’” (izany dia, mampiakatra an'i Kristy amin'ny maty).
\v 8 Fa inona no ambaran'izany? “Eo akaikinao ny teny, ao am-bavanao ary ao am-ponao.” Izany no tenin'ny finoana, izay ambaranay.
\v 9 Fa raha amin'ny vavanao no anekenao an'i Jesosy ho Tompo, ary mino amin'ny fonao fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty Izy, dia ho vonjena ianao.
\v 10 Fa amin'ny fo no inoan'ny olona ny fahamarinana, ary amin'ny vava no anekeny ny famonjena.
\v 12 Fa tsy misy fahasamihafana eo amin'ny Jiosy sy Grika. Fa Tompo iray ihany no Tompon'ny rehetra, ary harem-pahasoavana ho an'izay rehetra miantso Azy Izy.
\v 13 Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no ho vonjena.
\v 1 Ary niteny aho, narian'Andriamanitra ve ny olony? Sanatria anie izany. Fa izaho ihany koa dia Isiraelita, taranak'i Abrahama, avy amin'ny fokon'i Benjamina.
\v 2 Andriamanitra dia tsy nanary ny olony, izay efa fantany teo aloha. Tsy fantatrareo ve izay voalazan'ny Soratra Masina momba an'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra namely an'Israely? hoe:
\f + \ft Fanamarihana: Ny antontan-taratasy sasany taloha dia mamaky hoe: “Kanefa raha avy amin'ireo asa izany, dia tsy fahasoavana intsony; fa raha izany dia tsy asa intsony ny asa.” \f*
\v 8 Izany dia araka ny efa voasoratra hoe: “Andriamanitra dia nanome azy ireo ny fanahin'ny fitavozavozana, maso mba tsy hahitan'izy ireo, ary sofina mba tsy handrenesan'izy ireo, mandrak'androany.”
\v 9 Ary hoy i Davida hoe: “Aoka ny latabany ho harato sy fandrika, ho vato mamingana sy valifaty ho azy ireo.
\v 11 Dia hoy aho hoe: “Moa ve tafintohina ireo mba ho lavo?” Sanatria anie izany. Fa kosa, avy amin'ny fahalavoan'izy ireo, no nahatongavan'ny famonjena teo amin'ireo jentilisa, mba hampialona azy ireo.
\v 12 Ary raha ny fahalavoan'izy ireo no haren'izao tontolo izao, ary raha ny fahaverezan'izy ireo no haren'ireo jentilisa, dia manao ahoana ny halehiben'ny fahatanterahan'izy ireo?
\v 15 Fa raha midika fampihavanana an'izao tontolo izao ny fandavana azy ireo, dia inona no handraisana azy ireo izany fa fiainana avy amin'ny fahafatesana?
\v 16 Raha voatokana ny vokatra voalohany, dia ny ampahany amin'ny kobam-bary koa. Raha voatokana ny fakany, dia toy izany ihany koa ireo rantsany.
\v 17 Fa raha notapahina ny rantsana sasany, ary raha ianao, sampana olivadia, no natambatra teo amin'izy ireo, ary raha nifampizara tamin'izy ireo ny faka-mamokatry ny hazo oliva ianao,
\v 18 aza mirehareha amin'ireo sampana. Fa raha mirehareha ianao, dia tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
\v 20 Marina izany. Nohon'ny tsy finoan'izy ireo dia notapahina hiala izy ireo, fa ianareo dia mijoro tsara nohon'ny finoanareo. Aza manao ny tenanareo ho ambony, fa matahora.
\v 21 Fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy ho avelany ihany koa ianao.
\v 22 Ary, Jereo, ny fahamoram-po sy ny fahasaro-pon'Andriamanitra. Etsy andaniny, ny fahasaro-po dia tonga amin'ireo jiosy izay lavo. Fa etsy ankilany kosa, ny hatsaram-panahin'Andriamanitra dia tonga aminareo, raha maharitra ao amin'ny hatsaram-panahiny ianareo. Fa raha tsy izany dia ho tapahina koa ianareo.
\v 23 Ary na ireny aza, raha tsy manohy amin'ny tsy finoany izy ireo, dia hatambatra. Fa Andriamanitra dia afaka mamerina manambatra azy ireo indray.
\v 24 Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva-dia ianareo, ka natambatra tamin'ny hazo oliva tsara, dia toy ny ahoana ny fohoaran'ny habetsak'ireo jiosy, izay sampana voajanahary, natambatra tamin'ny hazo olivan'izy ireo manokana?
\v 26 Noho izany dia ho vonjena avokoa ny Isiraely rehetra, araka ny voasoratra hoe: “Hivoaka avy any Ziona ny mpanafaka. Hanala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy,
\v 33 Endrey, ny halalin'ny ireo haren'ny fahendrena sy fahalalan'Andriamanitra! Tsy takatry ny saina ireo fitsarany, ary ireo lalany dia tsy hay refesina!
\v 1 Mangataka anareo aho noho izany, ry rahalahy, noho ireo famindram-pon'Andriamanitra, mba hanolotra ny vatanareo ho sorona velona, masina, eken' Andriamanitra. Izany no fanompoanareo araka ny tokony ho izy.
\v 2 Aza mitovy amin'izao tontolo izao, fa miovà amin'ny fanavaozana ny sainareo. Ataovy izao mba ho fantatrareo izany tsara, azo ekena, ary ny sitrapo lafatr'Andriamanitra.
\v 3 Fa ambarako, nohon'ny fahasoavana izay nomena ahy, ny tsy tokony hananan'ny rehetra izay eo aminareo eritreritra hanambony ny tenany mihoatra izay tokony ho eritreretiny. Fa kosa, tokony hieritreritra am-pahendrena izy ireo, tahaka ny nanomezan' Andriamanitra fatram-pinoana ny tsirairay avy.
\v 4 Fa manana rantsana maro amin'ny vatantsika isika, kanefa tsy mitovy avokoa ny asan'ireo rantsana ireo.
\v 5 Mitovy amin'izany, isika izay maro be dia vatana iray ihany ao amin'i Kristy, ary rantsana manokana amin'ny tsirairay.
\v 6 Manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika araka ny fahasoavana izay nomena antsika. Raha faminaniana no fanomezam-pahasoavan'ny iray, dia aoka atao araka ny haben'ny finoany.
\v 7 Raha fanompoana no fanomezam-pahasoavan'ny iray, dia aoka izy hanompo. Raha nisy iray nahazo fanomezam-pahasoavana hampianatra, aoka izy hampianatra.
\v 8 Raha fampaherezana no fanomezam-pahasoavan'ny iray, aoka izy hampahery. Raha mahanome no fanomezam-pahasoavan'ny iray, aoka izy hanao izany amim-pahalala-tanana. Raha hitarika no fanomezam-pahasoavan'ny iray, aoka izany ho vita am-pitandremana. Raha hampiseho fangoraham-po no fanomezam-pahasoavan'ny iray, aoka izany ho vita am-piravoravoana.
\v 19 Aza mamaly ratsy ny tenanareo, ry malala, fa omeo lalana ny fahatezerana Andriamanitra. Fa efa voasoratra hoe: ‘“Ahy ny vali-faty; Izaho no hamaly,’ hoy ny Tompo.”
\v 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo sakafo izy. Raha mangetaheta izy, omeo ho sotroina izy. Fa raha manao izany ianao, dia hanangona vain'afo eo amin'ny lohany.”
\v 1 Aoka fanahy rehetra hankatoa ireo manam-pahefana ambony, fa tsy misy fahefana raha tsy avy amin'Andriamanitra. Ary ireo manam-pahefana misy dia efa voatendrin'Andriamanitra.
\v 2 Noho izany izay manohitra izany fahefana izany dia manohitra ny didin'Andriamanitra; ary ireo izay manohitra izany dia hahazo fitsaràna amin'ny tenan'izy ireo.
\v 3 Satria ireo mpanapaka dia tsy fampitahorana ho an'ireo asa tsara, fa ho an'ireo asa ratsy. Maniry ny tsy hatahotra ny iray ao amin'ny fahefana ve ianareo? Manaova ny tsara, dia ho deraina amin'izany ianao.
\v 4 Fa izy dia mpanompon'Andriamanitra ho anareo amin'ny tsara. Fa raha manao ny ratsy ianareo, dia matahora, satria tsy mitondra ny sabatra tsy amin' ny antony izy. Fa izy dia mpanompon' Andriamanitra, mpamaly ny fahatezerana amin'ilay manao ny ratsy.
\v 5 Noho izany dia tokony hankatoa ianareo, tsy nohon' ny fahatezerana ihany, fa nohon'ny fieritreretana ihany koa.
\v 11 Noho izany, fantatrareo ny fotoana, fa efa fotoana hifohazanareo amin'ny torimaso sahady izao. Fa ankehitriny efa manakaiky noho izay ninoantsika tamin'ny voalohany ny fanavotana antsika.
\v 12 Mandroso ny alina, ary manakaiky ny andro. Noho izany andao hariana ireo asan'ny maizina, ary andao isika hitafy ny fiadian'ny fahazavana.
\v 13 Andao hizotra amin'ny lalana mahitsy, tahaka ny amin'ny andro, fa tsy toy ny amin'ireo firavoravoana tsy am-pahamendrehana na koa ny fahamamoana; ary andao tsy handeha amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy voafehy, ary tsy ho amin'ny fifanoherana na fialonana.
\v 14 Fa mitafia an'i Jesosy Kristy Tompo, ary aza manome hirika ho an'ny nofo, mba hanomezana fahafaham-po ny filàny.
\v 1 Raiso na izay rehetra malemy amin'ny finoana, aza mitsara momba ny tohan-kevitra.
\v 2 Ny olona iray dia manana finoana hihinana na inona na inona, fa ny iray hafa izay malemy dia tsy mihinana afa-tsy legioma.
\v 3 Aoka izay mihinana ny zava-drehetra tsy hanamavo izay tsy mihinana ny rehetra; ary izay tsy mihinana ny zava-drehetra kosa tsy hitsara izay hafa mihinana ny rehetra. Fa Andriamanitra efa nanaiky azy.
\v 4 Iza moa ianao, ianao izay mitsara ny mpanompon'olon-kafa? Eo anatrehan'ny tompony izy no mijoro na mianjera. Fa hatsangana izy, satria ny Tompo dia afaka manangana azy.
\v 5 Ny olona iray dia mihevitra fa misy ny andro tsara nohon'ny rehetra. Ny hafa kosa dia mihevitra fa mitovy ny andro rehetra. Avelao ny tsirairay ho resy lahatra araka ny sainy avy.
\v 6 Izay mandinika ny andro, dia mandinika izany ho an'ny Tompo; ary izay mihinana, dia mihinana ho an'ny Tompo, fa misaotra an'Andriamanitra izy. Izay tsy mihinana, dia mifady hanina ho an'ny Tompo, izy ihany koa dia misaotra an'Andriamanitra.
\v 7 Fa tsy misy miaina ho an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany.
\v 8 Fa raha miaina isika, dia miaina ho an'ny Tompo, ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo. Araka izany na velona isika na maty, dia an'ny Tompo.
\v 9 Fa ho amin'izany antony izany no nahafatesan'i Kristy ary nahavelomany indray, mba hahatonga Azy ho sady Tompon'ny maty no Tompon'ny velona.
\v 10 Fa ianao, nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary ianao, nahoana ianao no mankahala ny rahalahinao? Fa isika rehetra dia mbola hijoro ho tsaraina eo anatrehan'ny seza fitsaran'Andriamanitra.
\v 11 Fa efa voasoratra hoe: “Raha mbola velona koa Aho,” hoy ny Tompo, “dia hiforitra eo anatrehako ny lohalika rehetra, ary ny lela rehetra dia hidera an'Andriamanitra.”
\v 13 Ka, aoka isika tsy hifampitsara intsony, fa kosa hanapaka izao, mba tsy hisy hametraka vato mahatafintohina na fandrika ho an'ny rahalahiny.
\v 14 Mahafantatra aho ary resy lahatra ao amin'ny Tompo Jesosy, fa tsy misy tsy madio amin'ny tenany. Fa ho an'izay mandray na inona na inona ho tsy madio ihany, dia tsy madio izany ho azy.
\v 15 Satria raha malahelo nohon'ny amin'ny sakafo ny rahalahinao, dia tsy mandeha am-pitiavana intsony ianao. Aza simbaina nohon'ny amin'ny sakafonareo ireo izay namoizan'i Kristy ny ainy.
\v 16 Koa aza mamela izay heverinareo ho tsara ho aratsiana.
\v 17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy momba ny sakafo sy rano fisotro, fa momba ny fahamarinana, fiadanana, ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.
\v 18 Fa izay manompo an'i Kristy araka izany dia ankasitrahan'Andriamanitra sy eken'ny olona.
\v 19 Noho izany, aoka isika hanohy ireo zavatry ny fiadanana sy ireo zavatra izay manefy ny tsirairay avy.
\v 20 Aza simbaina nohon' ny amin'ny sakafo ny asan'Andriamantra. Madio tokoa ny zavatra rehetra, fa ratsy ho an'ny olona izay mihinana azy ary mahatonga azy ho tafintohina.
\v 21 Tsara ny tsy mihinan-kena, na misotro divay, na ny zavatra rehetra izay mety hanafintohina ny rahalahinao.
\v 22 Ny finoana anananao, tehirizo ao aminao sy Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay ekeny.
\v 23 Izay misalasala dia meloka raha mihinana, satria tsy tamin'ny finoana izany. Ary na inona na inona tsy avy amin'ny finoana dia fahotana.
\v 3 Fa na Kristy aza tsy nanao izay nahafinaritra ny tenany. Fa kosa, izany dia araka ny efa voasoratra hoe: “Ny faniratsiran'ireo izay maniratsira anao dia nianjera tamiko.”
\v 4 Fa na inona na inona voasoratra teo aloha dia voasoratra ho fampianarana antsika, mba amin'ny alalan'ny faharetana sy amin'ny alalan'ny fampaherezan'ny Soratra Masina no hananantsika toky.
\v 7 Noho izany mifandraisa, tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo ihany koa aza, ho fiderana an'Andriamanitra.
\v 8 Fa lazaiko fa Kristy dia efa tonga mpanompon'ny voafora ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra, mba hahafahana manamarina ireo fampanantenana izay nomena ireo ray,
\v 9 ary ho an'ireo Jentilisa mba hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra nohon'ny famindram-pony. Izany dia araka ny efa voasoratra hoe: “Noho izany dia hanome fiderana Anao eo amin'ireo Jentilisa Aho ary hihira fiderana ny anaranao.”
\v 13 Ary ny Andriamanitry ny fahatokisana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy fiadanana rehetra amin'ny finoana, mba ho feno fahatokisana ianareo, avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina.
\v 14 Ny tenako izao ihany koa dia resy lahatra ny momba anareo, ry rahalahy. Resy lahatra aho fa ianareo ihany koa dia feno fahatsarana, feno ny fahalalana rehetra. Resy lahatra aho fa ianareo ihany koa dia afaka mifananatra.
\v 15 Fa manoratra am-pahasahiana aminareo aho momba ireo zavatra sasany mba hampatsiahivana anareo indray, nohon'ny fanomezam-pahasoavana izay nomen'Andriamanitra ahy.
\v 16 Izany fanomezam-pahasoavana izany dia ny tokony mba hanompoako an'i Kristy Jesosy nalefa tany Jentilisa, mba hanolotra tahaka ny sorona ny filazantsaran'Andriamanitra. Tokony hataoko izany mba ho azo ekena ny fanatitr' ireo Jentilisa, voatokan'ny Fanahy Masina.
\v 17 Noho izany ny hafaliako dia ao amin'i Kristy Jesosy sy ireo zavatr'Andriamanitra.
\v 18 Fa tsy ho sahy hiresaka na inona na inona afa-tsy ireo zavatra vitan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fankatoavan'ireo Jentilisa aho. Ireo zavatra ireo dia vita tamin'ny teny sy asa,
\v 19 tamin'ny herin'ireo famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Izany dia mba avy any Jerosalema, sy lavidavitra tahaka an'Ilyrikioma, no hahafahako manataneraka ny filazantsaran'i Kristy.
\v 20 Amin'izany, ny faniriako dia ny hitory ny filazantsara, fa tsy any amin'izay ahafantarana an'i Kristy amin'ny anarana, mba tsy hanorenako eo amin'izay efa nanorenan'ny hafa.
\v 22 Noho izany ihany koa dia voasakana matetika tsy ho any aminareo aho.
\v 23 Fa ankehitriny, tsy manana toerana amin'ireo faritra ireo intsony Aho, ary taona maro no efa naniriako mafy ho any aminareo.
\v 24 Noho izany na oviana na oviana andehanako any Espana, dia manantena aho ny hahita anareo rehefa mandalo, ary haterinareo any amin'ny alehako, rehefa avy mankafy ny fiarahanareo vetivety Aho.
\v 25 Fa ankehitriny ho any Jerosalema Aho hanompo ireo mpino.
\v 26 Fa fifalian'i Makedonia sy Akaia ny hanao fandraisan'anjara ho an'ireo mahantra isan'ireo mpino izay any Jerosalema.
\v 27 Eny, fifaliana ho azy ireo izany, ary, mpitrosa aminy tokoa izy ireo. Fa raha ny Jentilisa no nizara tamin'ny zavatra masin'izy ireo, dia tokony hanompo azy ireo ihany koa izy ireo amin'ireo zavatra ara-materialy.
\v 28 Noho izany, rehefa notanterahako izao asa izao ary nanamafy fa voarain'izy ireo ny vokatra izay nangonina, dia ho any Espaina aho ary hitsidika anareo amin'ny lalako.
\v 29 Fantatro fa rehefa mankany aminareo aho dia hiditra amin'ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
\v 3 Manaova veloma an'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy,
\v 4 izay nahafoy ny ain'izy ireo ho an'ny aiko. Misaotra azy ireo aho, ary tsy izaho ihany, fa ireo fiangonana rehetran'ny Jentilisa ihany koa.
\v 5 Manaova veloma ny fiangonana izay ao amin'ny tranon'izy ireo. Manaova veloma any amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.
\v 17 Ankehitriny mamporisika anareo aho, ry rahalahy, mba hihevitra ny momba ireo izay mahatonga ny fizarazarana sy ny fanafintohinana. Izy ireo dia mihoatra lavitry ny fampianarana izay noraisinareo. Mialà lavitra azy ireo.
\v 18 Fa tsy manompon'i Kristy Tompontsika ny olona toy ireny, fa ny kibony manokana ihany. Amin'ny teny malefaka sy mandoka no amitahan'izy ireo ny fon'ny tsy manan-tsiny.
\v 19 Fa ny ohatrareo amin'ny fankatoavana dia tafita any amin'ny tsirairay. Noho izany, mifaly aho, ny aminareo, fa tiako mba ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hanan-tsiny amin'izay ratsy.
\v 20 Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo afaka fotoana fohy. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Tompontsika Jesosy Kristy.
\f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ity andininy ity. (Jereo ny Romana 16: 20). and 24: “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena.” \f*
\v 25 Ary ny voninahitra dia ho Azy izay mahavita mampijoro anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araky ny fanambarana ny misitery izay notazonina ho tsiambaratelo ela be tany aloha tany,
\v 26 kanefa nambara ankehitriny, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminaniana no nampahafantarina tamin'ny firenena rehetra, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ho fankatoavana ny finoana.
\v 27 Ho an'ilay Andriamanitra tokan'ny fahendrena, anie ny voninahitra mandrakizay, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. Amena.