\v 4 Tonga Jaona, nanao batisa tany an'efitra ary nitory ny batisan'ny fibebahana ho amin'ny famelan-keloka nohon'ny ota.
\v 5 Ny tanin'i Jodia rehetra sy ny mponina rehetra ao Jerosalema dia tonga nanatona azy. Nataony batisa tao amin'ny onin'i Jordana izy ireo, rehefa niaiky ny fahotany.
\v 6 Jaona dia nitafy lamba volon-drameva ary nanao fehikibo hoditra teo am-balahany, ary valala sy tantely remby no nohaniny.
\v 24 nanao hoe: “Inona no hifandraisanay aminao, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga hamotika anay va Ianao? Fantatro hoe iza Ianao. Ianao ilay Masin'Andriamanitra!”
\v 38 Hoy Izy hoe: “Andeha isika ho any amin'ny toeran-kafa, any ivelany ao amin'ireo tanàna manodidina, mba hafahako mitory teny any koa. Fa izany no antony nivoahako taty.”
\v 44 Hoy Izy taminy hoe: “Tandremo tsy hilaza na inona na inona amin'iza na amin'iza ianao, fa mandehana, asehoy amin'ny mpisorona ny tenanao, ary manaova fanatitra nohon'ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona ho azy ireo.”
\v 1 Rehefa niverina tao Kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy.
\v 2 Maro tokoa ny olona nitangorona teo hany ka tsy nisy toerana intsony, na dia ny teo am-baravarana aza, ary nanambara ny teny tamin'izy ireo Jesosy.
\v 8 Fa Jesosy nahafantatra avy hatrany tao amin'ny fanahiny ny zavatra noeritreretin'izy ireo. Ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
\v 9 Inona no moramora kokoa ny miteny amin'ilay lehilahy malemy hoe: ‘Voavela ny helokao' sa ny hoe: ‘Mitsangàna, batao ny fandrianao, dia mandehana'?
\v 10 Fa mba hahafantaranareo fa manana fahefana hamela heloka ety an-tany ny Zanak'Olona,” hoy Izy tamin'ilay malemy hoe:
\v 11 “Lazaiko aminao, mitsangàna, batao ny fandrianao, dia mandehana any an-tranonao.”
\v 15 Nisakafo tao an-tranon'i Levy Jesosy ary mpamory hetra sy olona mpanota maro no niara-nihinana taminy sy ireo mpianany, fa maro izy ireo no tao ary nanaraka Azy.
\v 17 Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Tsy ny salama no mila mpitsabo; fa izay marary irery ihany no mila izany. Tsy tonga hiantso ny olo-marina Aho, fa ny olona mpanota.”
\v 18 Ary nifady hanina ireo mpianatr'i Jaona sy ireo Fariseo. Lehilahy maromaro no nanatona Azy ka niteny taminy hoe: “Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatr'ireo Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?”
\v 19 Dia hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: “Afaka mifady hanina va ny mpanatrika ny fampakarana raha mbola eo ny mpampakatra? Raha mbola miaraka amin’izy ireo eo ny mpampakatra, dia tsy afaka mifady hanina izy ireo.
\v 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta, raha tsy izany dia ho rovitry ny divay ny hoditra ka samy ho very ny divay sy ny siny hoditra. Fa kosa, divay vaovao atao ao anaty siny hoditra vaovao.”
\v 25 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Mbola tsy novakianareo angaha izay nataon'i Davida rehefa tao anatin'ny tsy fahampiana sy hanoanana izy_ sy ireo lehilahy niaraka taminy_
\v 26 ahoana ny fomba nidirany tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron' i Abiatara mpisoronabe, ka nihinana ny mofon'ny fanatrehana, izay tsy ara-dalàna ho an'iza na iza ny mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany, ary mbola nanomezany maromaro ireo izay niaraka taminy aza?”
\v 27 Jesosy niteny hoe: “Ny Sabata dia natao ho an'ny zanak'olombelona, fa tsy ny zanak'olombelona no ho an'ny Sabata.
\v 28 Noho izany, ny Zanak'Olona no Tompo, na dia amin'ny Sabata aza.”
\v 4 Dia niteny tamin'ny olona Izy hoe: “Ara-dalàna va ny manao soa amin'ny andro Sabata sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina, sa ny mahafaty?” Nefa izy ireo tsy nahaloa-teny.
\v 5 Nijery azy ireo tamim-pahatezerana Jesosy, ary nalahelo Izy nohon'ny hamafin'ny fon'izy ireo, dia niteny tamin'ilay lehilahy Izy hoe: “Ahinjiro ny tananao.” Dia natsotran'ilay lehilahy ny tanany ka sitrana.
\v 7 Avy eo Jesosy, niaraka tamin'ireo mpianany, nankeny an-dranomasina, ary nisy vahoaka maro nanaraka avy any Galilia sy avy any Jodia
\v 8 ary avy any Jerosalema sy avy any Edoma ary hatrany amin'ny onin'i Jordana sy manodidina ny Tyra sy Sidona. Rehefa nahare momba ireo zavatra nataony izy ireo, dia nisy vahoaka maro nankeo aminy.
\v 9 Dia nampitady sambokely ny mpianany Jesosy ho Azy nohon'ny habetsaky ny olona teo, mba tsy hifanosehan'ny olona Izy.
\v 10 Noho Izy nanasitrana olona maro, dia nifandrombaka nanatona Azy ny olon-drehetra izay nanana aretina mba hikasika Azy.
\v 22 Ary ireo mpanora-dalàna izay nidina avy any Jerosalema dia nilaza fa: “Itoeran'i Belzeboba Izy", ka, “Amin’ny alalan’ny mpanapaky ny demonia no androahany ny demonia.”
\v 24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia ho rava izany.
\v 25 Ary raha misy tokan-trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany tokan-trano izany.
\v 26 Raha nitsangana nanohitra ny tenany Satana ary nisaraka, dia tsy haharitra, ka hifarana.
\v 27 Fa tsy misy afaka miditra ao amin'ny tranona lehilahy mahery iray ary mandroba ny fananany raha tsy mamatotra ilay mahery aloha, ary handroba ny tranony izy avy eo.
\v 28 Lazaiko marina aminareo, ho voavela avokoa ny heloky ny zanak'olombelona, na dia ireo teny ratsy rehetra izay avoakan'ny vavany aza,
\v 8 Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany tsara ka namokatra voa teo am-pitomboana ary nihamaro, ary ny sasany nitombo avo telopolo heny, ny sasany enimpolo, ary ny sasany zato.”
\v 9 Avy eo dia hoy Izy hoe: “Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino!”
\v 11 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Ho anareo no nanomezana ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra. Fa ho an'ireo izay any ivelany dia fanoharana avokoa,
\v 14 Ilay mpamboly izay mamafy ny voa dia ilay iray izay mamafy ny teny.
\v 15 Ireto no ilay niraraka teny an-dalana, izay namafazana ny teny, fa rehefa ren'izy ireo izany, dia tonga avy hatrany Satana ary hangalatra ny teny izay voafafy tamin'izy ireo.
\v 16 Ireto no ilay voafafy tamin'ny tany feno vatovato, izay, rehefa nandre ny teny, dia nandray izany avy hatrany tamim-pifaliana.
\v 17 Tsy misy fakany ao amin'izy izy ireo, fa maharitra fotoana fohy fotsiny. Dia tonga ny fahoriana na ny fanenjehana nohon'ny teny, ka avy hatrany dia lavo izy ireo.
\v 18 Ireo hafa no ilay voafafy tamin'ny tany feno tsilo. Ren'izy ireo ny teny,
\v 19 fa ny fanahian'izao tontolo izao, ny famitahan'ny harena, sy ny filàna ny zavatra hafa dia tafiditra ka mangeja ny teny, ka tsy mamoa vokatra izany.
\v 21 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: “Moa entinao ao ao an-trano va ny jiro mba ho atao ao ambany sobika, na ambanin'ny farafara? Entinao miditra izany dia hataonao ambonin'ny fitoeran-jiro.
\v 13 Ka dia navelany izy ireo; ary nivoaka ireo fanahy maloto ka dia niditra tao amin'ireo kisoa, ary avy dia nirifatra teny amin'ny hantsana ho any an-dranomasina ireo, ary kisoa teo amin'ny roa arivo teo no maty an-dranomasina.
\v 14 Nitsoaka nandositra ireo nampisakafo ny kisoa ary nitatitra ny zava-niseho tao an-tanàna sy tany ambanivohitra, ary olona maro no nivoaka hizaha ny zava-niseho.
\v 23 Nitalaho hatrany hatrany izy, nanao hoe: “Marary mafy efa ho faty ny zanako vavy. Mitalaho aminao aho, avia ary apetraho aminy ny tananao mba ho sitrana sy ho velona izy.”
\v 35 Raha mbola niteny Izy, dia tonga ny olona sasany avy tany amin'ny mpitarika ny synagoga, nanao hoe: “Efa maty ny zanakao. Nahoana no mbola manahirana ny mpampianatra ihany?”
\v 10 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Na oviana na oviana ianareo miditra amina trano iray, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
\v 11 Ary raha misy tanàna tsy mandray anareo na mihaino anareo, rehefa miala ao amin'izany toerana izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo.”
\v 25 Teo no ho eo dia niverina tany amin'ny mpanjaka izy, ka nangakataka, nanao hoe: “Tiako omenao ahy, izao dieny izao, eo ambony lovia ny lohan'i Jaona mpanao batisa.”
\v 26 Na dia nampalahelo mafy ny mpanjaka aza izany, dia tsy afaka nandà ny fangatahany izy nohon'ny fianianana nataony sy noho ireo vahininy nasaina tamin'ny fisakafoana.
\v 27 Noho izany dia nandidy miaramila iray avy tamin'ny mpiambina ny mpanjaka ary nandidy azy hitondra ny lohan'i Jaona ho eo aminy. Lasa ilay mpiambina ary nanapaka ny lohany tao an-tranomaizina.
\v 39 Dia nandidy ny olona rehetra mba hipetraka mitsitokotoko teo amin'ny ahi-maitso Izy.
\v 40 Dia nipetraka an-tokony izy ireo; an-tokony zato sy dimampolo.
\v 41 Naka ireo mofo dimy sy hazandrano roa Izy, niandrandra ny lanitra dia nisaotra ka nizarazara ny mofo ary nanolotra izany tamin'ireo mpianatra mba homena eo anolohan'ny olona. Nozarainy ihany koa ny hazandrano roa ho an'izy rehetra.
\v 42 Dia nihinana avokoa izy rehetra nandra-pahavoky azy ireo.
\v 43 Nalain'izy ireo ny sombitsombina mofo, izay nahafeno roambinifolo sobika mitafotafo, ary koa ny ambin'ireo hazandrano.
\v 44 Nisy dimy arivo ireo lehilahy nihinana ny mofo.
\v 53 Rehefa tafita izy ireo, dia tonga tao Genesareta ireo ka niantsona tao.
\v 54 Ary rehefa nidina avy tao amin'ny sambokely izy ireo, avy hatrany dia fantatry ny olona tao Izy,
\v 55 ka nihazakazaka nanerana ny faritra rehetra izy ireo ary nanomboka nitondra ny marary tamin'ny fandriany tany amin'izay rehetra ren'izy ireo misy Azy.
\v 56 Fa na taiza na taiza nalehany na an-tanàna, na tanàn-dehibe, na teny amin'ny vohitra kely, dia nepetrak'izy ireo teo amin'ny kianja ny marary. Niangavy Azy izy ireo mba hamela azy ireo hikasika ny rambon'akanjony, ary ireo maro izay nikasika Azy dia sitrana.
\v 3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra dia tsy mba mihinana raha tsy efa nanasa ny tanan'izy ireo, satria manaraka ny fombafomban'ireo loholona.)
\v 4 Ary rehefa miverina avy any an-tsena ireo Fariseo, dia tsy mihinana izy ireo raha tsy avy mandro, ary mitandrina fomba maro hafa fatratra izy ireo, tahaka ny fanasana ny kapoaka, sy ny famarana, sy fanaka varahina, ary ny fandriana izay ihinanan'izy ireo.)
\v 5 Ireo Fariseo sy ny mpanoradalana nanontany an'ny Jesosy hoe: “Nahoana ny mpianatrao no tsy mandeha araka ny fombafomban'ireo loholona, fa mihinana ny mofon'izy ireo amin'ny tanana tsy voasasa?”
\v 14 Ary niantso ny vahoaka indray Izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: “Mihainoa Ahy, ianareo rehetra, ka fantaro.
\v 15 Tsy misy zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona ka afaka mahaloto azy rehefa miditra ao aminy. Fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy.”
\v 18 Hoy Jesosy taminy: “Ianareo koa ve mbola tsy manana fahalalana? Tsy hitanareo ve fa izay rehetra miditra ao anatin'ny olona avy any ivelany dia tsy mahaloto azy,
\v 19 satria tsy afa-miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany ka mivoaka any amin'ny fivoahana?” Tamin'izany fanambarana izany dia nahatonga ny hanina rehetra ho madio i Jesosy.
\v 20 Hoy Izy: “Izay mivoaka avy ao amin'ny olona no mahaloto azy.
\v 21 Fa avy ao anatin'ny olona, avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-ratsy, ny fahavetavetana, ny halatra, ny famonoan'olona,
\v 22 ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny fiampangana lainga, ny avonavona, ny hadalana.
\v 24 Niala teo Izy ka lasa nandeha tany amin'ny faritry Tyro sy Sidona. Niditra tao an-trano iray Izy ary tsy tiany ho fantatr'iza na iza fa tao Izy, kanefa tsy afaka niery.
\v 25 Kanefa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy iray, izay nisy fanahy maloto iray ny zanany vavy kely, nandre ny aminy, tonga, ary niankohoka teo an-tongony.
\v 26 Ary Grika ilay vehivavy, Syro-foinika no niaviany. Niangavy Taminy izy mba hamoaka ny demonia hiala amin'ny zanany vavy.
\v 31 Ary Jesosy nivoaka indray niala ny faritry Tyro, dia namaky an'i Sidona hatrany amin'ny Ranomasin'ny Galilia ka niakatra ny faritry Dekapolisy.
\v 32 Ary nentin'izy ireo teo Aminy ny olona iray marenina sady sahirana raha miteny, ary nitalaho Taminy izy ireo mba hametrahany ny tanany aminy.
\v 33 Nitondra an-dralehilahy nitokana niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nametraka ny rantsan-tanany tao an-tsofiny Izy, ary raha avy nandrora, dia nikasika ny lelany.
\v 31 Nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly ny Zanak'Olona, ary ho lavin'ny loholona sy ireo lohan'ny mpisorona ary mpanora-dalàna, ary ho vonoina, ka hitsangana amin'ny maty afaka telo andro.
\v 32 Nolazainy mazava tsara izany. Avy eo nantsoin'i Petera mangingiina Jesosy ka nanomboka niteny mafy Azy.
\v 33 Nefa nitodika Jesosy dia nijery ireo mpianany ary avy eo niteny mafy an'i Petera ka nanao hoe: “Mialà lavitra Ahy, ry satana! Tsy mba misaina ny zavatr'Andriamanitra ianao, fa ny zavatr'olona.”
\v 34 Avy eo dia niantso ny vahoaka sy ny mpianany niaraka izy, ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Raha misy te-hanaraka Ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy, maka ny hazo fijaliany, ary manaraka Ahy.
\v 38 Na iza na iza menatra Ahy sy ny teniko eto amin'ity taranaka mijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy ihany koa ny Zanak'olona rehefa tonga ao amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjely masina Izy.”
\v 5 Petera namaly ka niteny tamin'i Jesosy hoe: “Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika, koa andeha hanao lay telo, ny iray ho Anao, ny iray ho an'i Mosesy, ary ny iray ho an'i Elia.”
\v 9 Raha nidina avy eny an-tendrombohitra izy ireo, dia nodidiany mafy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza ny zavatra hitan'izy ireo, raha tsy efa mitsangana amin'ny maty ny Zanak'Olona.
\v 12 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Efa tonga voalohany Elia hanarina ny zavatra rehetra. Ary nahoana no voasoratra fa ny Zanak'Olona dia hijaly mafy amin'ny zavatra maro ary hatao toy ny olona tsy misy dikany?
\v 13 Nefa lazaiko aminareo fa efa tonga Elia, ary nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka izay efa voalazan'ny Soratra Masina momba azy.”
\v 37 “Na iza na iza mandray ny zaza tahaka izao amin'ny anarako, dia mandray Ahy koa, ary raha ka misy mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy irery izy, fa Ilay naniraka Ahy koa.”
\v 40 Na iza na iza tsy manohitra antsika dia momba antsika.
\v 41 Na iza na iza manome anao rano eran'ny kaopy ho sotroina satria an'i Kristy ianao, dia lazaiko aminao marina tokoa, fa tsy ho very ny valim-pitiany.
\v 42 Fa na iza na iza manafintohina ny iray amin'ireo kely mino Ahy ireo, dia tsara ho azy ny anantonana vato lehibe fikosoham-bary mifatotra eo amin'ny vozony ary hazera any an-dranomasina.
\v 43 Raha ny tananao no mahatonga anao ho tafintohina, tapaho izany. Fa tsara aminao ny miditra kilemaina any amin'ny fiainana toy izay manana tanan-droa ary handeha any amin'ny helo, any amin'ny afo tsy mety vonoina.
\f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny fehezanteny ao amin'ny andininy faha 44 sy 46 hoe: “‘Izay tsy maty mihitsy ny kankan'izy ireo ary ny afo tsy ho faty mandrakizay.”’ \f*
\v 45 Raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izany. Tsara kokoa aminao ny miditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa ary hariana any amin'ny helo.
\v 47 Raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izany. Tsara aminao ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin'ny maso tokana toy izay maso roa ary hariana any amin'ny helo,
\v 48 any amin’ny toerana izay tsy mahafaty ny kankan'izy ireo, ary ny afo tsy mety vonoina.
\v 50 Tsara ny sira, fa raha ny sira no tonga matsatso, ahoana no ahafahanao mampasira azy indray? Asio sira ao aminareo, ary mihavàna amin'ny tsirairay avy.”
\v 14 Fa rehefa nahatsikaritra izany Jesosy, dia tezitra mafy Izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo, fa ny fanjakan'Andriamanitra dia an'ireo izay toa azy ireo.
\v 15 Lazaiko aminareo marina tokoa, na iza na iza tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra izany amin'izany velively.”
\v 23 Nijery ny manodidina Azy Jesosy ary niteny tamin'ireo mpianany hoe: “Tena sarotra ho an'ireo manana harena be ny miditra ny fanjakan' Andriamanitra!”
\v 24 Dia gaga tamin'ny teniny ireo mpianatra. Fa hoy indray Jesosy tamin'izy ireo hoe: “Anaka, sarotra ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
\v 25 Mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vody fanjaitra, noho ny hidiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.”
\v 29 Ary hoy Jesosy: “Lazaiko marina aminareo, tsy misy olona izay nandao ny tranony, na ny rahalahiny; na ny rahavaviny, na ny reniny, na ny rainy, na ny zanany, na ny taniny noho ny amiko, sy ny Filazantsara,
\v 30 ka tsy nahazo avo zato heny amin'izao taonjato ankehitriny izao: dia trano, rahalahy, rahavavy, reny, zanaka sy tany, miaraka amin'ny fanenjehana, ary amin'ny taonjato ho avy, dia ny fiainana mandrakizay.
\v 33 “Jereo, miakatra ho any Jerosalema isika izao, ary ny Zanak'Olona dia atolotra ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna. Ho helohin'izy ireo ho faty Izy ary hatolony amin'ny Jentilisa.
\v 34 Ireo dia haneso Azy, handrora Azy, hikapoka Azy, sy hahafaty Azy. Fa afaka telo andro dia hitsangana amin'ny maty Izy.”
\v 42 Nantsoin'i Jesosy ho eo aminy izy ireo ary niteny hoe: “Fantatrareo fa ireo izay heverina ho mpanapaky ny Jentilisa dia mampanompo azy ireo, ary ny lehibe mpifehy azy ireo dia manampatra fahefana amin'izy ireo.
\v 11 Avy eo Jesosy niditra tao Jerosalema ka nankao an-kianjan'ny tempoly ary nijerijery ny zavatra rehetra. Ary, efa niha-hariva ny andro, dia nizotra nankany Betania Izy sy ireo roambinifolo lahy.
\v 15 Nankany Jerosalema izy ireo, ary niditra tao an-kianjan'ny tempoly Izy ary nanomboka nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy rehetra tao. Nazerany ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivarotra voromailala.
\v 16 Tsy namela an'iza na iza hitondra zavatra izay azo amidy hiditra ny kianjan'ny tempoly Izy.
\v 17 Dia nampianatra azy ireo Izy ka nilaza hoe: “Tsy efa voasoratra va hoe: ‘Ny tranoko dia ho antsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenen-drehetra'? Nefa nataonareo ho zohy fieren'ny mpangalatra.”
\v 23 Lazaiko aminareo marina tokoa fa na iza na iza miteny amin'ity tendrombohitra ity hoe: ‘Mitsangàna ka mianjerà any an-dranomasina,’ ka raha tsy misy fisalasalana ao am-pony fa mino fa hitranga aminy izay nolazainy, dia toy izany no hataon'Andriamanitra.
\v 24 Noho izany Izaho milaza aminareo hoe: Izay rehetra hivavahanareo sy angatahinareo, minoa fa efa nandray izany ianareo, dia ho azonareo izany.
\v 25 Rehefa mijoro sy mivavaka ianareo, dia tsy maintsy mamela izay alahelo rehetra anananareo amin'iza na iza ianareo, mba ho avelan'ny Rainareo Izay any an-danitra ihany koa ny fahotanareo.
\f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny hoe (Jereo ao amin'ny Mat. 16:15) Mk. 11:26 “Fa raha tsy mamela heloka kosa ianareo, dia tsy hamela ny fahotanareo mihintsy koa ny Rainareo Izay any an-danitra.” \f*
\v 27 Dia niakatra ho any Jerosalema indray izy ireo. Ary raha nandehandeha tao an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia tonga nanatona Azy ny lohandohan'ny mpisorona, ny mpanoradalana, ary ireo loholona.
\v 31 Nifampidinika miaraka izy ireo sady nifamaly sy niteny hoe: “Raha mamaly isika hoe: ‘Avy any an-danitra,’ dia hiteny Izy hoe: ‘Fa nahoana ary no tsy nino azy ianareo?’
\v 32 Fa raha mamaly kosa isika hoe: ‘Avy amin'ny olona,’ ...” Natahotra ny olona izy ireo, satria resy lahatra ny olon-drehetra fa Jaona dia mpaminany tokoa.
\v 33 Avy eo namaly an'i Jesosy izy ireo ka nanao hoe: “Tsy hainay.” Dia hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: “Izaho ihany koa tsy hilaza aminareo hoe fahefana avy aiza no hanaovako ireny zavatra ireny.”
\v 2 Tamin'ny fotoana mety, dia naniraka mpanompo ho any amin'ilay mpamboly voaloboka izy mba haka amin'izy ireo ny sasany amin'ireo izay tokony ho anjarany amin'ny vokatr'ilay tanim-boaloboka.
\v 3 Fa nosamborin'izy ireo izy, nokapohiny, ary noroahiny tsy hitondra na inona na inona.
\v 4 Naniraka mpanompo hafa ho any amin'izy ireo indray izy, dia noratrain'izy ireo teo amin'ny lohany ary nalainy baraka.
\v 5 Dia mbola nandefa hafa ihany izy, ary novonoin'izy ireo io iray io. Nataon'izy ireo tahaka izany ireo maro hafa, nokapohiny ny sasany ary novonoiny ireo hafa.
\v 9 Koa, inona ary no ho ataon'ilay tompon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy ka handringana ireo mpamboly voaloboka ary hanome ny tanim-boaloboka ho an'ny hafa.
\v 14 Rehefa tonga izy ireo, dia hoy izy ireo taminy hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa tsy miraharaha ny hevitry ny olona Ianao, ary tsy maneho fiangarana eo amin'ny olona. Mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra Ianao. Ara-dalàna ve sa tsia ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoa hetra va izahay sa tsia?”
\v 15 Fa fantatr'i Jesosy ny fiatsarambelatsihin'izy ireo ka niteny azy ireo hoe: “Nahoana ianareo no mitsapa Ahy? Itondray denaria iray Aho mba hijereko izany.”
\v 16 Dia nitondran'izy ireo vola iray Jesosy. Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Endrik'iza ity sary sy soratra ity?” Hoy izy ireo hoe: “An'i Kaisara.”
\v 26 Fa mahakasika ny amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, tsy novakianareo va ny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalana momba ilay voaroy, ny niresahan'Andriamanitra taminy ka nilazany hoe: ‘Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'?
\v 27 Izy dia tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona. Somary diso hevitra ianareo.”
\v 32 Hoy ilay mpanora-dalàna hoe: “Tsara izany, ry Mpampianatra! Voalazanao marina fa Andriamanitra dia Iray, ary tsy misy afa-tsy Izy.
\v 33 Ary ny mitia azy amin'ny fo rehetra sy amin'ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny mitia ny namana tahaka ny tena, dia tsara lavitra mihoatra ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra.”
\v 40 Mandroba ny tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary manao vavaka lava be mba ho hitan'ny olona. Ireo lehilahy ireo dia handray fanamelohana lehibe kokoa.”
\v 41 Avy eo Jesosy nipetraka nifanandrify ny vatan-drakitra tao amin'ny faritry ny tempoly; nijery ireo olona rehetra izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra. Mpanankarena maro no nandatsaka vola be dia be tao.
\v 1 Ary raha niala tao an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia niteny taminy ny iray tamin'ireo mpianany hoe: “Mpampianatra ô, jereo ny hatsaran'ny vato sy ny hatsaran'ny rafitra!”
\v 2 Hoy izy taminy hoe: “Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato iray hifanongoa eo ka tsy ho ravana.”
\v 9 Mitandrema ianareo. Ho atolotr'izy ireo amin'ny Synedriona ianareo, ary ho kapohina ao amin'ny synagoga. Hitsangana manoloana ireo mpanapaka sy ireo mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona amin'izy ireo.
\v 10 Fa ny Filazantsara dia tsy maintsy ho toriana any amin'ny firenena rehetra aloha.
\v 11 Rehefa misambotra sy manolotra anareo izy ireo, dia aza manahy ny amin'izay tokony ho lazainareo. Fa amin'iny ora iny, dia homena anareo izay tokony ho teneninareo; tsy ianareo akory no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
\v 12 Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany. Ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahafaty azy ireo.
\v 13 Ho halan'ny olon-drehetra ianareo nohon'ny Anarako. Fa na iza na iza maharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany.
\v 14 Fa raha hitanareo mitsangana eo amin'ny tsy tokony hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky), dia aoka izay avy any Jodia rehetra handositra eny an-tendrombohitra,
\v 15 izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina ao an-trano na hamoaka zavatra avy ao amin'izany,
\v 16 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
\v 17 Lozan'ireo vehivavy bevohoka sy mampinono amin'izany andro izany!
\v 18 Mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina no hitrangan'izany.
\v 19 Fa hisy fahoriana be, izay tsy mbola nisy hatramin'ny voalohany, rehefa namorona izao tontolo izao Andriamanitra, ka mandrak'ankehitriny, tsia, ary mandrakizay tsy hisy intsony izany.
\v 20 Ary raha tsy hoe nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy nofo ho voavonjy. Fa nohon'ny olom-boafidy, izay nofinidiny, dia nafohezin'ny isan'izany andro izany.
\v 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary haneho famantarana sy fahagagana, mba hamitahana, na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao.
\v 34 Izany dia tahaka ny lehilahy iray handeha lavitra_nandao ny tranony izy ka ireo mpanompony no nataony niandraikitra ny tranony, samy amin'ny raharahany avy, ary nandidy ny mpiambina Izy mba tsy hatory.
\v 35 Koa miambena, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano; mety ho amin'ny hariva izany, na amin'ny sasak'alina, na maneno akoho, na maraina.
\v 36 Fa raha avy tampoka izy, dia aza avela hahita anareo matory izy.
\v 1 Ary roa andro mialohan'ny Paska sy ny Fankalazana ny fihinanana ny Mofo Tsy misy Masirasira tamin'izany. Nitady fomba hisamborana an'i Jesosy mangingina ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary hamono Azy avy eo.
\v 7 Ny mahantra dia eo aminareo mandrakariva, ary afaka hanao asa soa ho azy ireo foana ianareo na amin'ny fotoana inona na fotoana inona, fa Izaho kosa tsy hitoetra eo aminareo mandrakariva.
\v 8 Nanao izay azony atao izy: nanosotra ny tenako ho amin'ny fandevenana izy.
\v 9 Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao, dia ho lazaina ny nataon'ity vehivavy ity, mba ho fahatsiarovana azy.”
\v 16 Dia lasa ny mpianatra ary nihazo ny tanàna. Hitan'izy ireo araka izay efa nolazainy tamin'izy ireo ny zava-drehetra, dia nanomana ny sakafon'ny Paska izy ireo.
\v 17 Rehefa hariva ny andro, dia tonga niaraka tamin'ireo roa ambin'ny folo lahy Izy.
\v 18 Rehefa nipetraka teo an-databatra sy nihinana izy ireo, dia hoy Jesosy hoe: “Lazaiko marina aminareo, fa ny iray aminareo izay miara-mihinana amiko eto dia hamadika Ahy.”
\v 21 Fa ny Zanak'Olona dia handeha amin'ny lalana izay efa voalazan'ny Soratra Masina momba Azy. Fa loza kosa ho an'izany lehilahy izay mamadika ny Zanak'olona izany. Tsara ho azy kokoa aza raha tsy teraka izy.”
\v 41 Nanatona fanintelony Izy ka niteny azy ireo hoe: “Mbola matory sy maka aina foana va ianareo? Ampy izay! Efa tonga ny fotoana. Jereo! Ny Zanak'Olona novadihana hatolotra eo an-tanan'ny mpanota.
\v 60 Ary ny mpisoronabe nijoro teo amin'izy ireo dia nanontany an'i Jesosy hoe: “Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona izany hiampangan'ireto olona ireto Anao izany?”
\v 61 Fa nangina Izy sady tsy namaly na inona na inona. Dia mbola nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao hoe: “Ianao va no Kristy, Zanak'Ilay voatahy?”
\v 62 Dia hoy Jesosy hoe: “Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'Olona rehefa mipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy eny amin'ny rahon'ny lanitra.”
\v 72 Ary niaraka tamin'izany dia naneno fanindroany ny akoho. Avy eo dia nahatsiaro ny tenin'i Jesosy taminy Petera hoe: “Raha tsy mbola maneno fanindroany ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao,” Dia nalahelo mafy izy sady nitomany.
\v 21 Noteren'izy ireo ny mpandalo anankiray izay avy any an-tsaha mba hilanja ny hazofijalian'i Jesosy, lehilahy iray antsoina hoe Simona Kyreniana rain'i Aleksandra sy Rofosy.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo fandikana taloha tsara indrindra dia tsy manisy ny Marka 15: 28 hoe: “Dia tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‘Natao ho isan'ny mpanota Izy.’ (Ampitahao ny Lioka 22:35) \f*
\v 29 Ireo izay nandalo teo dia naniratsira Azy, nihifikifi-doha ary nanao hoe: “Aha! Ianao ilay afaka mandrava ny tempoly ary manorina izany ao anatin'ny telo andro,
\v 30 vonjeo ny tenanao ary midina avy eo amin'io hazofijaliana io!”
\v 36 Nisy olona iray nihazakazaka, namonto divay marikivy ny sipaonjy, ary nandraikitra izany tamin'ny volotara, dia nanome izany ho sotroiny. Ilay lehilahy nilaza hoe: “Aoka ho hitanay raha ho avy ampidina Azy eo Elia.”
\v 43 dia tonga teo Josefa avy any Arimatia. Mpikambana hajaina ao amin'ny Synedriona izy, izay niandry ny Fanjakan'Andriamanitra. Nanam-pasahiana izy nankany amin'i Pilato hangataka ny fatin'i Jesosy.
\v 44 Gaga Pilato hoe maty sahady Jesosy; dia nantsoiny ilay kapiteny ary nanontany azy izy raha maty Jesosy.
\v 45 Rehefa nahazo antoka tamin'ilay kapiteny izy fa maty Jesosy, dia nomeny an'i Josefa ny vatana mangatsiaka.
\v 46 Ary Josefa nividy hariry madinika. Nampidina an'i Jesosy teo amin'ny ny hazofijaliana izy, dia namono hariry madinika Azy, ary nametraka Azy tao amin'ny fasana izay nolavahana tao amin'ny vatolampy. Avy eo nanakodia vato teo amin'ny varavaram-pasana izy.
\v 47 Dia hitan'i Maria Magdalena sy Maria renin'i Josesy ny toerana nandevenana Azy.
\v 1 Rehefa tapitra ny andron'ny Sabata, dia nividy zava-manitra hosorana amin'ny fatin'i Jesosy i Maria Magdalena sy Maria renin'i Jakoba, ary Salome nividy hanitra mba handeha ary hanosotra ny fatin'i Jesosy.
\v 2 Vao maraim-be tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia nankeny amin'ny fasana izy ireo rehefa niposaka ny masoandro.
\v 8 Nivoaka izy ireo ka nihazakazaka niala ny fasana; nangovitra sy talanjona izy ireo. Tsy nilaza na inona na inona tamin'ny olona izy ireo satria tena natahotra mafy.
\f + \ft Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka 16:9-20 \f* Taorian'ireo zavatra ireo Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa tamin'izy ireo, raha nandeha ho any an-tanàna izy ireo.
\f + \ft Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka 16:9-20 \f* Rehefa avy niresaka tamin'izy ireo ny Tompo, dia nampiakarina ho any an-danitra Izy ary nipetraka eo an-tanana ankavanan' Andriamanitra.