\v 3 Fa nitsangana i Jona mba hitsoaka ny fanatrehan'i Yaveh ary nandeha tany Tarsisy. Nidina tany Jopa izy ary nahita sambo hiainga ho any Tarsisy. Koa dia naloany ny saran-dalana ary niakatra tao amin'ilay sambo niaraka tamin'izy ireo ho any Tarsisy izy, lavitry ny fanatrehan'Andriamanitra.
\v 4 Fa nandefasan'i Yaveh rivo-mahery teny amin'ny ranomasina ary dia lasa tafio-drivotra teny amin'ny ranomasina izany. Vetivety teo dia hita fa ho potika ilay sambo.
\v 5 Ary lasa natahotra mafy ireo tantsambo ka niantso mafy ny andriamaniny manokana. Natsipin'izy ireo tany an-dranomasina ny entana tao amin'ilay sambo mba hanamaivana izany. Fa Jona kosa nidina lalina tao amin'ilay sambo, ary nitsilany renoky ny torimaso tao.
\v 6 Ka nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary niteny taminy hoe: “Nahoana ianao no matory? Mitsangàna! Antsoy ny andriamanitrao! Mety mba hahita antsika ny andriamanitrao ka tsy ho faty isika.”
\v 8 Dia hoy izy ireo tamin'i Jona hoe: “Mba teneno anay re hoe iza no anton'izao loza mitranga amintsika izao. Inona no asanao, ary avy aiza ianao? Inona no firenenao, ary avy amin'ny vahoaka iza ianao?
\v 9 Hoy Jona tamin'izy ireo hoe: “Hebreo aho; ary matahotra an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.”
\v 10 Ary vao mainka niha-natahotra ireo lehilahy ka niteny tamin'i Jona hoe: “Fa inona ity nataonao?” Fa fantatr'ireo lehilahy fa nitsoaka ny fanatrehan'i Yaveh izy, satria nolazainy tamin'izy ireo.
\v 11 Ary hoy izy ireo tamin'i Jona hoe: “Inona no tokony ho ataonay aminao mba hampilamina ny ranomasina ho anay?” Satria niha-nanonja mafy dia mafy ny ranomasina.
\v 12 Hoy i Jona tamin'izy ireo hoe: “Raiso aho ary atsipazo any anaty ranomasina. Ary hilamina ho anareo ny ranomasina, satria fantatro fa noho izaho no mahatonga izao tafio-drivotra izao hitranga aminareo.”
\v 6 Nidina tany am-pototr'ireo tendrombohitra aho; dia nikatona tamiko mandrakizay ny tany sy ny hidiny. Kanefa mbola nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, ry Yaveh, Andriamanitro!
\v 3 Ary dia nitsangana Jona ka nankany Ninive tamin'ny fankatoavana ny tenin'i Yaveh. Ary Ninive dia tanàna lehibe tokoa, iray amin'ireo lalana hateloana.
\v 4 Nanomboka niditra ny tanàna i Jona ary taorian'ny lalana iray andro dia niantso mafy izy ary niteny hoe: “Horavana i Ninive ao anatin'ny efapolo andro.”
\v 8 Fa aoka ny biby sy ny olona hisarona lamba fisaonana ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin'Andriamanitra. Aoka ny tsirairay samy hiala amin'ny lalan-dratsiny sy amin'ny herisetra izay eo an-tanany.
\v 5 Dia nivoaka ny tanàna i Jona ary nipetraka teny amin'ny ilany antsinanan'ny tanàna. Tany no nanaovany fialofana ka nipetraka teo ambanin'ny alok'izany izy mba hahitany izay mety hanjo ny tanàna.
\v 6 Nanomana hazo Yaveh Andriamanitra ka nampaniry izany teo ambonin'i Jona hanalokaloka ny lohany mba hanamaivana ny fahoriany. Tena faly tokoa i Jona nohon'ny amin'ilay hazo.
\v 7 Saingy nanomana kankana Andriamanitra tamin'ny fiposahan'ny masoandro ny ampitso maraina. Namely ny hazo izany ka dia maina ilay hazo.
\v 8 Ary rehefa niposaka ny masoandro ny ampitso maraina, dia nanomana rivo-mahamay avy any antsinanana Andriamanitra. Ary koa, namely ny lohan'i Jona ny masoandro hany ka lany hery izy. Dia naniry ny hahafatesany i Jona. Hoy izy tamin'ny tenany hoe: “Aleoko maty toy izay ho velona.”
\v 9 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jona: “Mety ve izao fahatezeranao lehibe ny amin'ilay hazo izao?” Dia hoy i Jona hoe: “Mety ny fahatezerako, na ho amin'ny fahafatesana aza.”
\v 10 Hoy Yaveh hoe: “Nangoraka an'ilay hazo ianao, izay tsy niasanao, na nampanirianao. Naniry tao anatin'ny alina iray izany ary maty tao anatin'ny alina iray.
\v 11 Toy izany koa ny Amiko, tsy tokony hangoraka an'i Ninive, ilay tanàna lehibe, izay misy vahoaka mihoatra ny zato sy roa alina izay tsy mahalala ny fahasamihafana eo amin'ny tanana ankavanana sy ny tanana ankavian'izy ireo, sy ireo biby fiompy maro ihany koa ve Aho?”