\v 11 Mba menatra, ianareo tantsaha, ary midradradradrà, ianareo ry mpamboly voaloboka, nohon'ny vary tritika sy ny vary hordea. Fa ny vokatry ny saha dia efa levona.
\v 1 Tsofy ny anjomara ao Ziona, ary ampanenoy ny fanairana any an-tendrombohitro masina! Aoka ny mponin'ny tany rehetra hangovitra amin'ny tahotra, fa ho tonga ny andron'i Yaveh; akaiky tokoa izany.
\v 3 Ny afo dia mandevona ny zavatra rehetra manoloana azy, ary ao ambadik'izany ny lelan'afo dia mirehitra. Ny tany dia tahaka ny saha Edena eo anoloan'izany, nefa ao ambadik'izany dia misy efitra foana. Tsy hisy na inona na inona handositra amin'izany tokoa.
\v 5 Mitsambikina miaraka amin'ny feo toy ny an'ireo sarety eny an-tampon'ny tendrombohitra izy ireo, tahaka ny feon'ny lelan'afo mirehitra izay mandevona ny mololo, tahaka ny tafika matanjaka vonona ho amin'ny ady izy ireo.
\v 10 Mihorohoro manoloana azy ireo ny tany, ary miozongozona ny lanitra, ny masoandro sy ny volana dia maizina, ary ny kintana dia mijanona mamiratra.
\v 11 Manandratra ny feony manoloana ny tafiny i Yaveh, satria ireo mpiadiny dia maro an'isa tokoa; satria mahery izy ireo, ireo izay hanatanteraka ny didiny. Fa lehibe sy mahatsiravina tokoa ny andron'i Yaveh. Iza no ho velona amin'izany?
\v 13 Viravirao ihany koa ny fonareo fa tsy ny fitafinareo ihany, ary miverena amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa mamindra fo sy miantra Izy, tsy mora tezitra ary be famindram-po, ary hiala amin'ny fampitondrana famaizana Izy.
\v 14 Iza no mahalala? Mety hiverina ve izy ary hanana fangoraham-po, ary hamela fitahiana aoriany, dia ny fanatitra voa sy fanatitra sotroina ho an'i Yaveh Andriamanitrareo?
\v 17 Aoka ireo mpisorona, mpanompon'i Yaveh hitomany eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara. Aoka izy ireo hilaza hoe: “Iantrao ny olonao, ry Yaveh, ary aza avela ho amin'ny fahafaham-baraka ny lovanao, ka hesoin'ireo firenena. Nahoana izy ireo no tokony hiteny amin'ireo firenena hoe: Aiza ny Andriamanin'izy ireo?’”
\v 20 Esoriko lavitra anareo ny mpanafika avy any avaratra, ary hitondra azy ireo ho eo amin'ny tany karakaina sy maina Aho. Ny loha-laharan'ny tafik'izy ireo dia handeha any amin'ny ranomasina atsinanana, ary vodi-laharany ho any amin'ny ranomasina andrefana. Hiakatra ny fofony, ary ny fofon-dratsiny hiakatra.” Efa nanao zavatra lehibe tokoa izy.
\v 23 Miravoa, ry vahoakan'i Ziona, ary mifalia ao amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa hanome fararanon'orana ary handatsaka orana ho anareo Izy, fararanon'orana sy ny fararanon-dohataona toy ny teo aloha.
\v 28 Ao aorian'izany dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho, ary ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy dia haminany. Ny anti-dahinareo dia hanonofy, ny zatovonareo dia hahita fahitana.
\v 32 Izay rehetra miantso ny anaran'i Yaveh dia ho voavonjy. Fa eny amin'ny tendrombohitr'i Ziona sy any Jerosalema no hisy ireo izay tafandositra, araka izay voalazan'i Yaveh, ary eo amin'ireo sisa velona, ireo izay nantsoin'i Yaveh.
\v 3 Nanao filokana ho an'ny oloko izy ireo, ary nivarotra ny zazalahy ho an'ny mpivaro-tena, ary nivarotra ny zazavavy ho an'ny divay mba ho sotroin'izy ireo.
\v 4 Ankehitriny, nahoana no tezitra Amiko ianareo, ry Tyro, Sidona ary ny faritr'i Filistia rehetra? Hamaly faty Ahy ve ianareo? Na dia hamaly faty Ahy aza ianareo, dia ho averiko eo amin'ny lohanareo avy hatrany ny sazinareo.
\v 5 Fa naka ny volafotsiko sy ny volamenako ianareo, ary hitondra ny harena sarobidy ao amin'ny tempolinareo Aho.
\v 6 Nivarotra ny olon'i Joda sy Jerosalema amin'ireo Grika ianareo, mba hanesorana azy ireo lavitry ny faritaniny.
\v 8 Hivarotra ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy, eo an-tanan'ny olon'i Joda Aho. Hivarotra azy ireo ho amin'i Sabeana izy ireo, any amin'ny firenena lavitra. Fa Yaveh no efa niteny.
\v 13 Apetraho ny antsy fijinjana, fa ny vokatra dia matoy. Miavia, potsipotsero ny voaloboka, fa feno ny famiazana. Mihoatra ny vata fitatazana, fa ny faharatsian'izy ireo dia goavana.”
\v 16 Hierona avy any Ziona Yaveh, ary hanandratra ny feony ao Jerosalema. Hiozongozona ny tany sy ny lanitra, nefa Yaveh dia ho fialofan'ny olony, ary fiarovana mafy ho an'ny olon'Israely.
\v 17 “Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina. Koa dia ho masina Jerosalema, ary tsy misy tafika hanao diabe eo aminy indray.