\v 5 Dia hoy aho hoe: “Ianao no Yaveh, Andrimanitry ny lanitra, ilay Andriamanitra lehibe sady mahagaga, izay mitàna ny fanekena sy mihazona ny fitiavana ho an'ireo izay tia Azy ary mitandrina ireo didiny.
\v 6 Henoy ny fivavahako ka sokafy ny masonao, mba handrenesanao ny vavaky ny mpanomponao izay hivavahako eo anatrehanao andro aman'alina ho an'ny vahoakan'Israely mpanomponao ankehitriny. Miaiky ny fahotan'ny vahoakan'Israely, izay nanotanay taminao aho. Izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy nanota.
\v 8 Mba tsarovy re ny teny izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: “Raha tsy mahatoky ianareo, dia ho aparitako eny amin'ireo firenena,
\v 9 fa raha miverina amiko ianareo ary manaraka ny didiko ka manao izany, na dia niely tany ambanin'ny lanitra lavitra indrindra aza ny vahoakanao, dia hanangona azy ireo avy any Aho ka hitondra azy ireo any amin'ny toerana izay nofidiako hampitoerana ny anarako.’
\v 11 Yaveh ô, mitalaho aminao aho, henoy re ny vavaky ny mpanomponao sy ny vavak'ireo mpanomponao izay manaja ny anaranao fatratra. Ary ambino ny mpanomponao anio, ary hiantrao eo imason'io lehilahy io izy.” Fa nanompo ho mpitondra kapoaka teo amin'ny mpanjaka aho.
\v 2 Fa hoy ny mpanjaka tamiko hoe: “Nahoana ny endrikao no malahelo be? Toa tsy hita marary nefa ianao. Mety alahelo ao am-po izany.” Dia lasa natahotra mafy aho.
\v 3 Hoy aho tamin'ny mpanjaka hoe: “Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Nahoana ny endriko no tsy tokony halahelo? Ny tanàna, ny toeran'ny fasan-drazako, dia rava, ary ireo varavarany dia potiky ny afo.”
\v 4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko hoe: “Inona no tianao hataoko?” Koa nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lanitra aho.
\v 5 Namaly ny mpanjaka aho hoe: “Raha tsara amin'ny mpanjaka izany, ary raha nanao ny tsara teo imasonao ny mpanomponao, dia afaka hirahinao ho any Joda aho, any amin'ilay tanànan'ireo fasan-drazako, mba hahafahako mamerina manangana izany.”
\v 11 Noho izany dia tonga tany Jerosalema aho ary tany nandritra ny telo andro.
\v 12 Nifoha aho ny alina, izaho sy lehilahy vitsivitsy niaraka tamiko. Tsy nolazaiko tamin'iza na iza izay napetrak'Andriamanitra tao am-poko mba ho atao ho an'i Jerosalema. Tsy nisy biby niaraka tamiko, ankoatra ilay iray izay notaingenako.
\v 13 Nandeha nivoaka tamin'ny Vavahadin'ny Lohasaha aho ny alina, tandrifin'ny Loharanon'ny Amboahaolo sy ny Vavahadin-Jezika, ary nanara-maso an'ireo mandan'i Jerosalema, izay efa rava, ary ireo varavaran-kazo dia ravan'ny afo.
\v 14 Avy eo dia nankany amin'ny Vavahadin-Doharano sy ny Farihin'ny Mpanjaka aho. Tery loatra ho an'ilay biby izay notaingenako ny handeha amin'ilay toerana.
\v 15 Noho izany dia niakatra ny lohasahan-driaka aho ny alina ary nanara-maso ny manda, ary niverina sy niditra teo amin'ny Vavahadin'ny Lohasahan-driaka, ary niverina.
\v 16 Tsy fantatr'ireo mpanapaka izay nalehako na izay nataoko, ary tsy mbola nampilaza ireo Jiosy aho, na ireo mpisorona, na ireo manan-kaja, na ireo mpanapaka, na ireo sisa izay nanao ny asa.
\v 17 Hoy aho tamin'izy ireo hoe: “Hitanareo ny loza izay mahazo antsika, ny hitoeran'i Jerosalema ao anaty faharavana sy ny vavahadiny izay ravan'ny afo. Andao, andeha isika hamerina hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho ao anatin'ny fahafaham-baraka intsony isika.”
\v 18 Nolazaiko azy ireo fa teo amiko ny tanana tsaran'Andriamanitra sy ny momba ny tenin'ny mpanjaka izay nolazaina tamiko. Hoy izy ireo hoe: ‘“Aoka isika hisandratra ka hanorina.” Dia nohatanjahan'izy ireo ho an'ny asa tsara ny tanan'izy ireo.
\v 3 Namboarin'ireo zanaka lahin'i Hasena ny Vavahadin'ny Hazandrano. Nanao andry ho an'izany izy ireo, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany.
\v 4 Ary Meremota no nanamboatra ny faritra nanaraka izany. Izy dia zanaka lahin'i Oria zanaka lahin'i Hakoza. Taorian'izy ireo no nanamboatra i Mesolama. Izy dia zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'i Mesezabela. Taorian'izy ireo no nanamboatra i Zadoka. Izy dia zanaka lahin'i Bana.
\v 5 Taorian'izy ireo ny Tekoita no nanamboatra, fa tsy nanaiky hanao ny asa nampanaovin'ny mpanara-maso azy ny mpitarik'izy ireo.
\v 6 Joiada zanaka lahin'i Pasea sy Mesolama zanaka lahin'i Besodia no nanamboatra ny Vavahady Taloha. Nanao andry ho an'izany izy ireo, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany.
\v 7 Taorian'izy ireo i Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita, izay olon'i Gibeona sy Mizpa no nanao fanamboarana teo amin'ilay faritra nipetrahan'ny governoran'ny Faritany Tandrifin'ny Ony.
\v 8 Oziela zanaka lahin'i Haraia no teo akaikiny, iray amin'ireo mpanefy volamena, no nanamboatra, ary teo anilany i Hanania, izay mpanao ranomanitra. Naverin'izy ireo namboarina i Jerosalema hatrany amin'ny Rindrina Lehibe.
\v 9 Teo akaikin'izy ireo i Refaia zanaka lahin'i Hora no nanamboatra. Izy no mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Jerosalema.
\v 10 Taorian'izy ireo dia i Jedaia zanaka lahin'i Haromafa no nanamboatra ny teo akaikin'ny tranony. Taoriany dia Hatosy zanaka lahin'i Hasabnia no nanamboatra.
\v 11 Malkia zanaka lahin'i Harima sy Hasoba zanaka lahin'i Pahatamoaba dia nanamboatra faritra hafa manaraka ny Tilikambon'ny Fatana.
\v 12 Taorian'izy ireo dia i Saloma zanaka lahin'i Halohesy, izay mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Jerosalema, dia nanamboatra, niaraka tamin'ireo zanany vavy.
\v 13 Hanona sy ireo mponin'i Zanoa dia nanamboatra ny Vavahadin'ny Lohasaha. Naverin'izy ireo naorina izay ary napetrany ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. Nanamboatra mira arivo hakiho hatrany amin'ny Vavahadin-Jezika izy ireo.
\v 14 Malkia zanaka lahin'i Rekaba, mpanapaka ny distrikan'i Beti-Hakerema, no nanamboatra ny Vavahadin-Jezika. Izy no nanamboatra izany, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany.
\v 15 Saloma zanaka lahin'i Kola-Hoze, mpanapaka ny distrikan'i Mizpa, no namerina nanamboatra ny Vavahadin'ny Loharano. Izy no nanamboatra izany, ary nandrakotra izany sy nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. Izy ihany koa no namerina nanamboatra ny mandan'ny Farihin'i Siloa izay teo akaikin'ny zaridainan'ny mpanjaka, hatrany amin'ny tohatra midina mankany amin'ny tanànan'i Davida.
\v 16 Nehemia zanaka lahin'i Azboka, mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Beti-Zora, dia nanamboatra teo amin'ny toerana mandalo eo amin'ny fasan'i Davida, hatrany amin'ilay farihy nataon'olombelona, ka hatrany amin'ny tranon'ireo olona mahery.
\v 17 Taoriany dia ny Levita no nanamboatra, ao anatin'izany i Rehoma zanaka lahin'i Bany, ary nanaraka azy, Hasabia, ilay mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Keila, ho an'ny distrikany.
\v 18 Nanamboatra teo anilany ny mponin'izy ireo, tao anatin'izany i Bavay zanaka lahin'i Henadada, mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Keila.
\v 19 Taoriany, dia Ezera zanaka lahin'i Jesoa, mpanapaka tao Mizpa, no nanamboatra faritra hafa nanoloana ny fiakarana mankany amin'ny trano fitehirizana fitaovam-piadiana teo an-joron'ny manda.
\v 20 Teo anilany dia nanolo-tena nanamboatra faritra hafa i Baroka zanaka lahin'i Zabay, avy eo amin'ny zoron-drindrina hatrany amin'ny varavaran-tranon'i Eliasiba mpisoronabe.
\v 21 Nanamboatra faritra hafa teo akaikiny i Meremota zanaka lahin'i Oria zanak'i Hakoza, avy eo amin'ny varavaran-tranon'i Eliasiba ka hatrany amin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.
\v 22 Taoriany dia ireo mpisorona, lehilahy avy amin'ny faritra manodidina an'i Jerosalema, no nanamboatra.
\v 23 Taorian'izy ireo dia Benjamina sy Hasoba no nanamboatra nanandrify ny tranon'izy ireo manokana.
\v 24 Taoriany i Binoy zanaka lahin'i Henadada dia nanamboatra faritra hafa, avy eo amin'ny tranon'i Azaria hatrany amin'ny zoron'ny manda.
\v 25 Palala zanaka lahin'i Ozay dia nanamboatra ny manoloana ny zoron'ny manda sy ny tilikambo izay mitohy miakatra avy eo amin'ny trano avon'ny mpanjaka eo amin'ny tokotanin'ny mpiambina. Pedaia zanaka lahin'i Parosy no nanamboatra teo anilany.
\v 26 Ary ireo mpanompon'ny tempoly nipetraka tao Ofela dia nanamboatra hatreo amin'ny tandrifin'ny Vavahadin-dRano atsimon'ny tilikambo lehibe.
\v 27 Nanaraka azy dia nanamboatra faritra hafa ny Tekoita izay tandrifin'ny tilikambo lehibe hatrany amin'ny mandan'i Ofela.
\v 14 Dia nitazana aho, ary nitsangana, ka hoy aho tamin'ireo olona ambony, sy tamin'ireo mpanapaka, ary tamin'ny vahoaka sisa hoe: “Aza matahotra azy ireo. Tsarovy ny Tompo, izay lehibe sady mahagaga. Miadia ho an'ny fianakavianareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny vadinareo, ary ny ankohonanareo.”
\v 16 Koa nanomboka tamin'izany fotoana izany dia niasa ho an'ny fananganana ny manda fotsiny ny antsasak'ireo mpanompoko, ary ny antsasany nitazona lefona, ampinga, tsipìka, ary nanao akanjo fiarovana, raha nitsangana avy ao aorian'ireo vahoakan'i Joda rehetra kosa ireo mpitarika.
\v 17 Niambina ny fitoeran'izy ireo ihany koa ireo mpiasa izay nanangana ny manda sy nilanja ny enta-mavesatra. Niasa tamin'ny tanana iray avy ny olona rehetra, ary tamin'ny tanana ilany no nitànan'izy ireo ny fiadiany.
\v 18 Ny mpanangana rehetra dia nanao ny sabany teo anilany ary toy izany no niasany. Ilay iray izay nampaneno ny trompetra dia nijanona teo akaikiko.
\v 22 Hoy ihany koa aho tamin'ireo olona tamin'izany fotoana izany hoe: “Aoka ny olona rehetra sy ny mpanompony handany ny alina eo afovoan'i Jerosalema, mba ho mpiambina antsika mandritra ny alina izy ireo ary ho mpiasa amin'ny andro.”
\v 23 Koa na izaho, na ireo rahalahiko, na ireo mpanompoko, na ireo lehilahin'ny mpiambina izay nanaraka ahy, dia tsy mba nisy nisolo akanjo izahay, ary nitana fiadiana ny tsirairay taminay, na dia handeha haka rano aza.
\v 4 Nisy sasany ihany koa nanao hoe: “Efa nindrana vola handoavana ny hetran'ny mpanjaka tamin'ny sahanay sy ny tanim-boalobokay izahay.
\v 5 Nefa ny nofonay sy ny rànay dia mitovy tahaka ny an'ny rahalahinay ihany, ary ny zanakay dia mitovy amin'ny zanak'izy ireo. Voatery nivarotra ny zanaka lahinay sy zanaka vavinay ho andevo izahay. Ary ny sasany amin'ireo zanakay vavy dia efa nandevozina rahateo. Nefa tsy ao amin'ny herinay ny hanao izany satria efa olona hafa no tompon'ny ny sahanay sy ny tanim-boalobokay ankehitriny.”
\v 10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny mpanompoko dia efa mampisambotra vola sy vary azy ireo. Nefa isika dia tokony hampitsahatra ny fanasiana zana-bola amin'ireny fampindram-bola ireny.
\v 2 dia hoy i Sanbala sy Gasema tamiko, nanao hoe: “Andao, andeha isika hihaona any amin'ny lemak'i Ono any ho any.” Nefa nikendry ny hanisy ratsy ahy izy ireo.
\v 6 Voasoratra tao amin'izany hoe: “Voatatitra eo amin'ireo firenena izao, sady ambaran'i Gasema ihany koa, fa mitetika ny hikomy ianao sy ireo Jiosy, ka noho izany no anamboaranao ny manda indray. Araka ny lazain'ireto tatitra ireto, dia efa ho tonga mpanjakan'izy ireo ianao.
\v 8 Dia nandefa teny tany aminy aho manao hoe: “Tsy nisy zavatra tahaka izany nitranga araka ny lazainao, fa tao am-ponao ihany no namoronanao ireo.”
\v 9 Fa te-hampitahotra anay izy reo, nieritreritra hoe: “Hampiraviravy ny tanan'izy ireo amin'ny fanaovana asa izy ireo, ka tsy ho vita izany.” Nefa ankehitriny, ry Andriamanitra, mba atanjaho re ireto tanako.”
\v 11 Namaly aho hoe: “Lehilahy tahaka ahy ve no andeha handositra? Hiditra ao an-tempoly mba hahazoany manavotra ny ainy ve ny lehilahy tahaka ahy? Tsy hiditra aho!”
\v 12 Tonga saina aho fa tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa naminany nanohitra ahy izy.
\v 13 Nanakarama azy i Tobia sy Sanbala. Nanakarama azy izy ireo mba hampitahotra ahy, mba hanaovako izay lazainy ka hanota, mba hanomezan'izy ireo anarana ratsy ho ahy hanalan'izy ireo baraka ahy.
\v 3 Hoy aho tamin'izy ireo hoe: “Aza sokafana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-piakatry ny masoandro. Raha mbola miambina ireo mpiandry vavahady, dia afaka manidy ny varavarana sy manisy bara ianareo. Manendre mpiambina avy amin'ireo izay mipetraka any Jerosalema, ny sasany any amin'ny toeram-piambenan'izy ireo, ary ny sasany manoloana ireo tranony avy.”
\v 5 Andriamanitra dia nametraka tao am-poko ny hamoriana ireo manan-kaja, ireo manam-boninahitra, sy ireo vahoaka mba ho soratana anarana araka ny fianakavian'izy ireo. Hitako ilay bokin'ny tetiaran'ireo izay niverina voalohany ary hitako voasoratra tao ireto manaraka ireto.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho “avy amin'ny taranak'i Binoy sy Hodavia,” ny dikan-teny sasany amin'izao fotoana dia manao hoe: ny taranak'i Hodavia. \f*
\f + \ft Fanamarihana: Ny lahatsoratra Hebreo dia ahitana ny hoe: “akanjo fisoronana mpisorona telopolo,” saingy sarotra takarina izany. Ny ankamaroan'ireo dikan-teny amin'izao fotoana dia ahitana ny hoe: “akanjo fisoronana 530.” Na izany aza, ny sasany dia manome soso-kevitra ny hamaky hoe: “akanjo fisoronana telopolo sy mane volafotsy dimanjato.” \f*
\v 1 Niangona toy ny olona iray teny ankalamanjana teo anoloan'ny Vavahadin-Drano ny vahoaka rehetra. Izy ireo dia nangataka an'i Ezra mpisorona mba hitondra ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Yaveh an'Israely.
\v 2 Tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafito, dia nitondra ny lalàna teo anoloan'ny fiangonana i Ezra mpisorona, na lahy na vavy, ary ireo rehetra izay afaka nihaino sy nahatakatra.
\v 3 Niatrika ny kianja malalaka anoloan'ny Vavahadin-drano izy, ary namaky izany vao maraim-be hatramin'ny mitataovovona, nanoloana ireo lehilahy sy vehivavy, sy izay afaka mahatakatra, ary dia nihaino tsara ilay bokin'ny lalàna ireo olona rehetra.
\f + \ft Ny ankamaroan'ny dikan-teny amin'izao fotoana izao, anisan'izany ny ULB sy UDB, dia mandika toy izany mba hahafantarana fa Levita avokoa ireo olona voatonona ao amin'ity andininy ity. Na izany aza, ny dikan-teny sasany dia mandika toy izany mba hametrahana “ireo Levita" ao amin'ny lisitra araka ny niantsoana ny tsirairay voalohany. \f*
\v 8 Novakian'izy ireo tao amin'ny boky, ny Lalàn'Andriamanitra, nanazava izany tamin'ny fandikana sy fanomezana ny dikan'izany mba hahatakaran'ireo olona ny vakin-teny.
\v 10 Avy eo Nehemia niteny tamin'izy ireo hoe: “Mandehana amin'ny lalanareo, mihinàna matavy ary misotroa zava-pisotro mamy, ary alefaso amin'izay tsy nahaomana na inona na inona ny sasany amin'izany, fa ity andro ity dia masina amin'ny Tompontsika. Aza malahelo, fa ny fifalian'i Yaveh no herinao.”
\v 12 Ary nandeha tamin'ny lalany ny olona rehetra mba hihinana sy hisotro ary mba hizara sakafo sy hankalaza am-pifaliana lehibe satria takatr'izy ireo ny teny izay nampahafantarina azy ireo.
\v 13 Tamin'ny andro faharoa ireo mpitarika ny fianakavian'ireo razambe avy amin'ny olona rehetra, ireo mpisorona sy ireo Levita, dia tonga niaraka teo amin'i Ezra mpisorona mba handinika lalina ireo tenin'ireo lalàna.
\v 14 Hitan'izy ireo voasoratra tao amin'ny lalàna ny fomba nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy fa ny vahoakan'Israely dia tokony hipetraka anaty lay mandritra ny firavoravoana amin'ny volana fahafito.
\v 15 Izy ireo dia tokony hanao fanambarana eny amin'ny tanàna rehetra, sy ao Jerosalema, manao hoe: “Mandehana eny amin'ny tany havoana, ary mitondrà sampan'oliva sy hazon'olivadia, sy sampan-drotra, sampan-drofia sy sampan-kazo be, mba hanamboarana lay, araka ny voasoratra.”
\v 18 Isan'andro isan'andro ihany koa, nanomboka tamin'ny andro voalohany ka hatramin'ny farany, dia namaky ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra i Ezra. Nitandrina ny firavoravoana nandritra ny fito andro izy ireo ary ny andro fahavalo no fivoriana manetriketrika, mba ho fankatoavana ny lalàna.
\v 1 Ary tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io ihany dia nivory sy nifady hanina ny vahoakan'Israely, ary nitafy akanjo fisaonana izy ireo, ary nanosotra vovoka ny lohany.
\v 2 Nanasaraka ny tenany tamin'ireo vahiny rehetra ny taranak'i Israely. Nitsangana ary niaiky ny fahotan'izy ireo sy ireo ratsy nataon'ny razambeny izy ireo.
\v 3 Nitsangana teo amin'ny toerany izy ireo, ary tamin'ny ampahefatry ny andro dia namaky ny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Yaveh Andriamaniny izy ireo. Fa tamin'ny ampahefatry ny andro hafa dia niaiky ny helony sy niankohoka teo anatrehan'i Yaveh Andriamaniny izy ireo.
\v 6 Ianao no Yaveh. Ianao irery ihany. Ianao no nanao ny lanitra, ny lanitra avo indrindra, mbamin'ny miaramilany rehetra, sy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Nanome aina azy rehetra Ianao, ary ny miaramilan'ny lanitra manompo Anao.
\v 9 Nahita ny fahorian'ny razanay tany Egypta Ianao, ary nahare ny fitarainan'izy ireo teo amin'ny Ranomasina Mena.
\v 10 Nanome ireo famantarana sy fahagagana manohitra an'i Farao, sy ny mpanompony rehetra, ary ny olona rehetra tao amin'ny taniny Ianao, satria Ianao dia nahalala fa ireo Egyptiana dia nanao fihetsika an'avona tamin'izy ireo. Kanefa nanao anarana ho Anao Ianao izay mijoro mandrak'ankehitriny.
\v 11 Ary nanasaraka ny ranomasina teo anoloan'n'izy ireo Ianao, mba hahafahan'izy ireo mandeha afovoan'ny ranomasina amin'ny tany maina; ary nanipy ireo izay nanenjika azy ireo ho any amin'ny lalina, tahaka ny vato atsipy anaty rano lalina Ianao.
\v 12 Tamin'ny andrin-drahona no nitondranao azy ireo tamin'ny andro, ary andrin'afo kosa mandritra ny alina mba hitsilo ny lalana halehan'izy ireo.
\v 19 dia tsy nandao azy ireo tany an'efitra. Ny andrin-drahona mitarika azy ireo amin'ny lalana dia tsy mba nandao azy ireo nandritra ny andro, na ny andrin'afon'ny alina mba hanazava ny lalan-kalehan'izy ireo.
\v 20 Nomenao azy ireo ny Fanahinao tsara mba hampianatra azy ireo, ary tsy niaro ny mananao tsy ho eo amin'ny vavan'izy ireo Ianao, ary ny rano nomenao azy ireo nohon'ny hetahetany.
\v 21 Nandritra ny efapolo taona no namatsianao azy ireo tany an'efitra, ary tsy ory na inona na inona izy ireo. Ny akanjon'izy ireo dia tsy tonta ary ny faladian'izy ireo dia tsy nivonto.
\v 22 Nanome fanjakana sy vahoaka ho azy ireo Ianao, tamin'ny fanendrena azy ireo isaky ny vazan-tany. Ary naka ny tanin'i Siona mpanjakan'i Hesbona sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana ho fananana izy ireo.
\v 23 Nataonao maro isa tahaka ny kintan'ny lanitra ny zanak'izy ireo, ary nentinao tany amin'ny tany izay nolazainao ny razambeny mba handehanana sy alaina ho fananana izy ireo.
\v 24 Koa niditra ny vahoaka ary naka ny tany ho fananana ary Ianao nandresy ireo mponin'ny tany, dia ireo Kananita teo anatrehan'izy ireo. Nomenao ireo mba ho eo an-tanan'izy ireo, miaraka amin'ny mpanjakan'izy ireo sy ny vahoakan'ny tany, mba hahafahan'i Israely manao izay mahafinaritra azy eo amin'izy ire.
\v 25 Nambabo ireo tanàna mimanda sy ny tany mamokatra izy ireo, ary nambabo ireo trano feno zava-tsoa, famorian-drano efa voahady, ireo tanim-boaloboka sy tanin'oliva, ary hazo fihinam-boa maro. Ary nihinana sy afa-po sy niha-natavy ary nanao izay nahafaly azy izy ireo nohon'ny fahatsaranao lehibe.
\v 29 ary matetika Ianao no namonjy azy ireo nohon'ny famindram-ponao. Nampitandrina azy ireo ny amin'ny mba hiverenan'izy ireo amin'ny lalànao Ianao. Kanefa niavonavona sy tsy nihaino ny didinao izy ireo. Nanota nanohitra ny fitsipikao izay nanome aina ho an'izay nankatò azy izy ireo. Nanamafy ny hatony sy nampihemotra ny sorony ary nandà tsy hihaino izy ireo.
\v 30 Fa taona maro no nandeferanao sy nampitandremanao azy ireo tamin'ny alalan'ireo mpaminaninao. Kanefa tsy nihaino izy ireo. Koa dia natolotrao ho eo an-tanan'ireo mponina manodidina izy ireo.
\v 31 Kanefa nohon'ny halehiben'ny famindram-ponao dia tsy nandringana azy tanteraka Ianao, na nahafoy azy ireo, satria Ianao dia Andriamanitra be fahasoavana sy be indrafo.
\v 32 Ary noho izany, ry Andriamanitray—Ianao lehibe, mahery, ary mahatahotra izay nitandrina ny fanekenao sy ny fitiavanao tsy miovaova—aoka tsy ho kely Aminao izao zava-tsarotra rehetra izay nihatra taminay, tamin'ireo mpanjakanay, tamin'ireo andrian-dahinay, sy tamin'ireo mpisoronay, sy tamin'ireo mpaminaninay, sy tamin'ireo razambenay, ary tamin'ny vahoakanao rehetra hatramin'ny andron'ny mpanjakan'i Asyria ka mandrak'androany izao.
\v 33 Ianao dia marina tamin'izay rehetra nanjo anay, satria Ianao dia nitondra am-pahatokiana, kanefa izahay no nanao fihetsika naneho faharatsiana.
\v 34 Ireo mpanjakanay, ireo andrian-dahinay, ireo mpisoronay, ary ireo razambenay dia tsy nitandrina ny lalànao, na nitandrina ireo didy sy ireo lalàm-panekena izay nampitandremanao azy ireo.
\v 35 Na dia tamin'ny fanjakan'izy ireo manokana aza, raha nankafy ny soa lehibe nataonao taminy izy ireo, tamin'ny tany malalaka sy mamokatra izay nataonao teo anatrehan'izy ireo, dia tsy mba nanompo Anao izy ireo na niala tamin'ireo fomba ratsiny.
\v 36 Ankehitriny izahay dia andevo amin'ny tany nomenao ny razambenay mba hankafy ny vokatra sy ny fanomezana tsaran'izany, ary indro, andevo ao amin'izany izahay!
\v 37 Ny mpanan-karena nahazo tombony tamin'ny taninay dia mankany amin'ny mpanjaka izay napetrakao mba hanjaka eo aminay nohon'ny fahotanay. Izy ireo dia manapaka eo amin'ny tenanay sy ny biby fiompinay araka izay tiany. Anaty fahoriana lehibe izahay.
\v 28 Fa ny olona sisa, izay mpisorona, Levita, mpiandry vavahady, mpihira, mpanompon'ny tempoly, sy ny rehetra izay nanasaraka ny tenany tamin'ireo olona teo amin'ny tany manodidina sy nanokan-tena ho an'ny lalàn'Andriamanitra, anisan'izany ireo vadiny, ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy, ireo rehetra manam-pahalalana sy fahazavan-tsaina,
\v 29 niara-nitambatra tamin'ireo rahalahiny, ireo olona ambony izy ireo, ary namatotra ny tenany tamin'ny ozona sy ny fianianana ny handeha amin'ny lalàn'Andriamanitra, izay nomen'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra, ary mba handinika sy hankato ny didin'i Yaveh Tompontsika sy ny fitsipiny ary ireo lalàny rehetra.
\v 31 Nianiana ihany koa izahay fa raha mitondra entam-barotra na mety ho vary hamidy ireo mponin'ny tany amin'ny andro Sabata, dia tsy hividy amin'izy ireo amin'ny andro Sabata na amin'izay andro masina izahay. Isaky ny fito taona no hampakanay aina ny taninay, ary ho foananay ireo trosa rehetra izay nifanarahanay tamin'ireo Jiosy hafa.
\v 32 Ekenay ny fandidiana ny hanomezana ny ampahatelon-tsekely isan-taona ho an'ny fanompoana ny tranon'ny Andriamanitray,
\v 33 ho famatsiana ho an'ny mofon'ny fanatrehana, sy ho an'ny fanatitra hohanina tsy tapaka, ny fanatitra dorana amin'ny andro Sabata, ireo fetin'ny voaloham-bolana sy ireo andro firavoravoana voatondro, sy ho an'ireo fanatitra masina, sy ho an'ireo fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana ho an'ny Israely, mbamin'izay rehetra asa ho an'ny tranon'ny Andriamanitray.
\v 34 Nanao filokana ho an'ny fanatitra kitay ireo mpisorona, ireo Levita, sy ny vahoaka. Ireo filokana no hifidy ny amin'izay fianakavianay hitondra ny kitay ho ao an-tranon'ny Andriamanitray amin'ny fotoana voatondro isan-taona, mba ho dorana eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitray, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna.
\v 36 Araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, nianiana ny hitondra ny voalohan-terak'ireo zanakay lahy sy ireo omby sy ny ondry aman'osinay ao an-tranon'Andriamanitra sy ho eo amin'ireo mpisorona izay manompo ao izaha.
\v 37 Ho entinay ny voalohan-kobanay sy ny fanatitra hohanina, ary ny voan'ny hazo rehetra, sy ny divay vaovao ary ny diloilo izay entina eo amin'ireo mpisorona, ho any amin'ny efitra fitehirizan'ny tranon'ny Andriamanitray. Ho entinay eo amin'ireo Levita ireo ampahafolon'ny avy amin'ny taninay satria ireo Levita dia manangona ny ampahafolon-karena eo amin'ireo renivohitra rehetra izay hiasanay.
\v 38 Tsy maintsy misy mpisorona, taranak'i Arona miaraka amin'ireo Levita rehefa mandray ny ampahafolon-karena izy ireo. Ireo Levita dia tsy maintsy mitondra ny ampahafolo amin'ny ampahafolon-karena ho ao amin'ny tranon'ny Andriamanitray ho any amin'ny efitra fitehirizan'ny fandatsahan-drakitra.
\v 39 Ny olon'Israely sy ireo taranak'i Levy no mitondra ireo fandraisana anjara amin'ny vary, divay vaovao, ary diloilo any amin'ny efitra fitehirizana izay hitehirizana ny zavatra masina sy izay hanompoan'ny mpisorona, sy ireo mpiandry vavahady, ary hitoeran'ireo mpihira. Tsy ho ataonay antsirambina ny tranon'ny Andriamanitray.
\f + \ft Fanamarihana: raha tokony ho: “ireo izay manaraka azy", izay ao amin'ny dikan-teny Hebreo sy ny dikan-teny hafa taloha, ireo dikan-teny hafa taloha dia mivaky toy izao: “Ireo rahalahiny" \f*
\v 20 Ny Israely ambiny sy ireo mpisorona ary ireo Levita izay tao amin'ireo tanànan'i Joda rehetra. Ny tsirairay nitoetra tao amin'ny lovan-taniny avy.
\v 25 Raha ireo tanàna sy ireo sahan'izy ireo, ny sasany tamin'ny vahoakan'i Joda dia nitoetra tany Kiriata-Arba sy ireo tanànany, ary tany Dibona sy ireo tanànany, ary tany Jekabzela sy ireo tanànany,
\v 26 ary tany Jesoa, Molada, Beti-Paleta,
\v 27 Hazarasoala, ary Biry-seba sy ireo tanànany.
\v 28 Ny sasany tamin'ireo vahoakan'i Joda dia nitoetra tany Ziklagy, Mekona sy ireo tanànany,
\v 29 Enrimona, Zora, Jarmota,
\v 30 Zanoa, Adolama, sy ny tanàn'ireo, ary tany Lakisa sahany ary Azeka sy ireo tanànany. Ka dia nitoertra avy tany Beri-sheba ka hatrany amin'ny lohasahan'i Hinoma izy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny vaovao maro, anisan'izany ny ULB sy UDB, dia misy hoe “Meliko” ao amin'ny lahatsoratra Hebreo. Ny tena endrik'io anarana io dia hita ao amin'ny Neh. 12:2. \f*
\v 44 Tamin'izany andro izany dia nisy ireo lehilahy notendrena hisahana ny trano fitehirizan-drakitra, ireo voaloham-bokatra, ary ny ampahafolon-karena, mba hanangona ny anjara takian'ny lalàna ho an'ireo mpisorona sy ho an'ireo Levita ao amin'ireo. Ny tsirairay dia notendrena mba hiasa ireo saha akaikin'ny renivohitra. Satria nifaly tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita izay nijoro teo anoloan'izy ireo i Joda.
\v 45 Nanatanteraka ny asa ho an'ny Andriamanitr'izy ireo, sy ny asa fanadiovana izy ireo, nanao tahaka izany koa ireo mpihira sy ireo mpiandry vavahady, tamim-pitandremana ny didin'i Davida sy Solomona zanany lahy.
\v 46 Fa taloha ela be, tamin'ny andron'i Davida sy Asafa, dia nisy mpitarika ireo mpihira, ary nisy hira fiderana sy fanomezam-pisaorana ho an'Andriamanitra.
\v 47 Tamin'ny andron'i Zerobabela sy tamin'ny andron'i Nehemia, dia nanome ny anjara isan'andro ho an'ireo mpihira sy mpiandry vavahady ireo Israely rehetra. Natokan'izy ireo ny anjara izay ho an'ireo Levita, ary ireo Levita nanokana anjara ho an'ireo taranak'i Arona.
\v 1 Tamin'izany andro izany dia novakian'izy ireo teo an-tsofin'ny vahoaka ny Bokin'i Mosesy. Hita voasoratra tao amin'izany fa tsy misy Amonita na Moabita tokony hiditra ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra, mandrakizay.
\v 2 Izany dia satria tsy tonga teo amin'ny zanak'Israely niaraka tamin'ny mofo sy rano izy ireo, fa nanakarama an'i Balama mba hanozona ny Israely izy ireo. Na dia izany aza, navadiky ny Andriamanitsika ho fitahiana ny ozona.
\v 3 Raha vao nandre ny lalàna izy ireo, dia nosarahan'izy ireo tamin'Israely ny olona hafa firenena rehetra.
\v 12 Avy eo dia nitondra ny ampahafolom-bokatra, ny divay vaovao, ary ny diloilo ho an'ny efitrano fitehirizana ny Joda rehetra.
\v 13 Nanendry an'i Selemia mpisorona sy Zadoka mpanora-dalàna, ary tamin'ireo Levita, Pedaia, ho mpitam-bolan'ny trano fitehirizan'Andriamanitra aho. Teo anilan'izy ireo i Hanana zanaka lahin'i Zakora zanaka lahin'i Matania, fa izy ireo no voalaza ho mendri-pitokisana. Ny adidin'izy ireo dia ny mizara ireo vatsy ho an'ireo mpiara-miasa amin'izy ireo.
\v 24 Niteny tamin'ny fitenin'i Asdoda ny antsasaky ny taranak'izy ireo. Tsy nisy tamin'izy ireo nahay niteny ny fitenin'ny Joda, fa ny fitenin'ny iray amin'ireo olona hafa irery ihany.
\v 25 Nifanatrika tamin'izy ireo aho, ka nanozona azy ireo, ary namely ny sasany tamin'izy ireo sy nandrirotra ny volon'izy ireo. Nampianiana azy ireo tamin'Andriamanitra aho, nanao hoe: “Ianareo dia tsy tokony hanome ny zanaka vavinareo ho an'ireo zanaka lahin'izy ireny, na haka ny zanaka vavin'izy ireny ho an'ny zanaka lahinareo, na ho anareo.
\v 26 Moa tsy nanota tamin'ireo vehivavy ireo ve i Solomona mpanjakan'Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy tamin'ireo firenena maro, ka tian'ny Andriamaniny izy, ary Andriamanitra nanao azy ho mpanjaka nanerana ny Israely rehetra. Na dia izany aza, nampanotain'ireo vadiny hafa firenena izy.
\v 27 Moa ve tokony hihaino anao izahay ka hanao izany ratsy lehibe izany, ka mivadika amin'ny Andriamanitsika amin'ny fakàna vehivavy hafa firenena ho vady?”
\v 30 Toy izany no nandiovako azy ireny tamin'ny zava-drehetra hafa firenena, ka nametraka ireo adidin'ireo mpisorona sy ireo Levita, ny tsirairay ho samy amin'ny asany avy.
\v 31 Namatsy tamin'ny fotoana voatondro ny fanatitra kitay sy ireo voaloham-bokatra aho. Tsarovy amin'ny tsara aho, ry Andriamanitro.