\v 1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nanatanteraka ny teniny izay naloaky ny vavan'i Jeremia, ary nanentana ny fanahin'i Kyrosy i Yaveh. Nivoaka nanerana ny fanjakany manontolo ny feon'i Kyrosy. Izao no voasoratra sy voalaza:
\v 2 “Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia milaza hoe: Yaveh, Andriamanitry ny Lanitra, no nanome ahy ny fanjakana rehetra amin'ny tany, ary nanendry ahy hanorina trano any Jerosalema any Joda ho Azy.
\v 3 Na iza na iza avy amin'ny vahoakany (homba azy anie ny Andriamaniny) dia afaka miakatra any Jerosalema ary hanorina trano ho an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely, ilay Andriamanitra izay any Jerosalema.
\v 4 Ny olona izay anatin'ny fanjakana izay honenan'ireo sisa velona ao amin'izany tany izany dia tokony hanome azy ireo volafotsy sy volamena, fananana sy biby, ary koa fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema.”
\v 5 Avy eo nitsangana ireo lohan'ireo razamben'ireo fianakaviam-ben'i Joda sy Benjamina, ireo mpisorona sy Levita, ary ny rehetra izay nentanin'Andriamanitra ny fanahiny mba handeha sy hanorina ny tranony.
\v 6 Ireo nanodidina azy ireo dia nanohana ny asan'izy ireo tamin'ny zavatra volafotsy sy volamena, fananana, biby, zava-tsoa, ary fanati-tsitrapo.
\v 7 Navoakan'i Kyrosy mpanjaka ihany koa ireo zavatra tao an-tranon'i Yaveh izay nentin'i Nebokadnezara avy any Jerosalema ary napetrany tao amin'ny tranon'ireo andriamaniny manokana.
\v 70 Koa ireo mpisorona sy ireo Levita, ny vahoaka, ireo mpihiran'ny tempoly sy ireo mpiambina vavahady, ary ireo izay notendrena hanompo ny tempoly dia nonina tao amin'ireo tanànany. Ny olona rehetra tao Israely dia tao amin'ireo tanànany avokoa.
\v 6 Nanomboka nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh izy ireo ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito, na dia mbola tsy voaisy fototra aza ny tempoly. Koa dia nomen'izy ireo volafotsy avy ireo mpanao vato sy ireo mpanao tao-zavatra,
\v 7 ary nomen'izy ireo sakafo, zava-pisotro, sy menaka ny vahoakan'i Sidona sy Tyra, dia nitondra hazo sedera teny an-dranomasina avy any Libanona ka hatrany Jopa izy ireo, araka ny nanomezan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia alalana azy ireo.
\v 1 Ary ireo sasany tamin'ny fahavalon'i Joda sy Benjamina dia nandre fa ny vahoaka izay natao sesitany dia manorina tempoly ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ankehitriny.
\v 4 Koa nataon'ireo vahoakan'ny tany nalemy ny tanan'ireo Jodiana; nataon'izy ireo natahotra ny hanorina ireo Jodiana.
\v 5 Nolangolangoin'izy ireo ihany koa ny mpanolotsaina mba hahafoana ny tetik'izy ireo. Nandritry ny andron'i Kyrosy rehetra sy tamin'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia izy ireo no nanao izany.
\v 6 Ary tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Ahasoerosy dia nanoratra fiampangana an'ireo mponin'i Joda sy Jerosalema izy ireo.
\v 7 Nandritry ny andron'i Ahaseorosy no nanoratan' i Bislama, Mitredata, Tabela, ary ireo namany ho an'i Ahasoerosy. Nosoratana tamin'ny Aramaika ny taratasy ary nadika.
\v 9 Avy eo i Rehoma, Simsay, ary ireo naman'izy ireo, izay mpitsara sy manam-boninahitra hafa tao amin'ny governemanta, avy any Ereka, Babylona, ary Sosa avy any Elama dia nanoratra taratasy—
\v 12 Aoka ny mpanjaka hahafantatra fa ireo Jiosy izay avy tany aminao dia tonga hanohitra anay aty Jerosalema mba hanorina tanàna mpikomy. Izy ireo dia nanampina ny manda ary nanamboatra ny fototra.
\v 13 Ary aoka ny mpanjaka hahafantatra fa raha voaorina izany tanàna izany ary voatampina ny manda, dia tsy hanome haba sy hetra izy ireo, fa hanisy ratsy ireo mpanjaka.
\v 14 Tena izany tokoa satria nihinana tamin'ny siran'ny lapa izahay, ka tsy mety aminay ny hahita ny fahafaham-baraka hiseho amin'ny mpanjaka. Noho izany no hampahafantaranay ny mpanjaka
\v 15 mba hitady ny firaketana an-tsoratry ny rainao ary hanamarina fa tanàna mpikomy izay hanisy ratsy ny mpanjaka sy ireo faritany io. Nahatonga olana maro ho an'i mpanjaka sy ireo faritany izany. Foiben'ny fikomiana hatry ny ela izy io. Noho izany antony izany no naharava ilay tanàna.
\v 16 Mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha voaorina io tanàna sy manda io, dia tsy hisy na inona na inona ho tavela ho anao ao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony.
\v 17 Koa nandefa valinteny tany amin'i Rehoma sy Simsay ary ireo namany tao Samaria sy ireo ambiny izay tao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony ny mpanjaka hoe: “Fiadanana anie ho anareo.
\v 18 Ny taratasy izay nalefanareo ho ahy dia efa voadika ary novakiana tamiko.
\v 19 Ka nampanao fanadihadiana aho ary nahafantatra fa tamin'ny andro taloha dia efa nikomy nanohitra ireo mpanjaka izy ireo.
\v 20 Ireo mpanjaka mahery dia nanapaka teo amin'i Jerosalema ary nanana fahefana tamin'ny zavatra rehetra tao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony. Naloa tamin'izy ireo ny haba sy ireo hetra.
\v 21 Ankehitriny, manaova lalàna ho an'ireo lehilahy ireo mba hanajanona sy tsy hanorina io tanàna io izy ireo mandra-panaovako lalàna.
\v 22 Mitandrema mba tsy hanao tsirambina izany. Nahoana izany fandrahonana izany no avela hitombo ka ho fatiantoka fahaverezana maro ho an'ny tombontsoan'ny fanjakana?
\v 5 Fa ny mason'Andriamanitra dia teo amin'ireo loholona Jiosy ary tsy nanakana azy ireo ny fahavalon'izy ireo. Niandry taratasy ho lasa any amin'ny mpanjaka sy lalàna hiverina amin'izy ireo mahakasika izany izy ireo.
\v 8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa izahay dia nankany Joda ho any amin'ny tranon'Andriamanitra lehibe. Izany dia haorina amin'ireo vato vaventy sy hazo matevina apetraka amin'ireo manda. Efa atao tsara mihitsy ny asa ary mandroso tsara eo am-pelatanan'izy ireo.
\v 12 Na izany aza, rehefa nampatezitra an'ilay Andriamanitry ny lanitra ny razambenay, dia natolony teo am-pelatanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona izy ireo, izay nandrava io trano io ary naka ny olona ho sesitany tany Babylona.
\v 13 Kanefa, tamin'ny taona voalohany naha-mpanjakan'i Babylona an'i Kyrosy, dia namoaka didy hanamboarana ny tranon'Andriamanitra indray i Kyrosy.
\v 14 Naverin'i Kyrosy mpanjaka ihany koa ireo zavatra volamena sy volafotsy tao an-tranon'Andriamanitra izay nentin'i Nebokadnezara avy tao amin'ny tempoly tao Jerosalema ho any amin'ny tempoly tao Babylona. Ireo dia naveriny tamin'i Sesbazara, izay nataony ho governora.
\v 17 Ary raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ho zahana ao amin'ny trano firaketana ao Babylona raha misy didy hanamboarana ilay tranon'Andriamanitra ao Jerosalema avy tamin'i Kyrosy mpanjaka ao. Dia aoka ny mpanjaka handefa ny fanapaha-keviny aminay.
\v 3 “Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka, dia namoaka didy momban'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema i Kyrosy hoe: ‘Aoka hatsangana indray ny trano mba ho toeran'ny sorona, aoka hapetraka ny fototra iorenany, aoka ho enimpolo hakiho ny haavony, ary enimpolo hakiho ny sakany,
\v 7 Avelao ny asa amin'ity trano ity ho an'Andriamanitra irery ihany. Ny governora sy ireo loholona Jiosy no hanangana ity tranon'Andriamanitra ity amin'izany toerana izany.
\v 8 Mandidy ny tsy maintsy hanaovanareo izao ho an'ireo loholona Jiosy izay manangana izao tranon'Andriamanitra izao aho: Ny vola avy amin'ny hetran'ny mpanjaka avy any andafin'ny Ony no hampiasaina hanakaramana ireo lehilahy ireo mba tsy hanajanonan'izy ireo ny asany.
\v 9 Na inona na inona ilaina— zanak'omby, ondry lahy, na zanak'ondry ho an'ny fanatitra dorana ho an'ny Andriamanitry ny Lanitra, vary, sira, divay, na diloilo araka ny didin'ireo mpisorona ao Jerosalema— dia omeo azy ireo isan'andro tsy tapaka ireo zavatra ireo.
\v 10 Ataovy izany mba hitondran'izy ireo ny fanatitra ho an'ny Andriamanitry ny Lanitra ka hivavaka ho ahy, mpanjaka, sy ireo zanako.
\v 11 Ary mandidy aho fa na iza na iza mandika io lalàna io, dia tsy maintsy hanesorana andry iray eo amin'ny tranony ary tsy maintsy hahantona amin'izany izy. Ary tsy maintsy ho lasa fako mivangongo noho izany ny tranony.
\v 17 Nanolotra omby zato, ondry lahy zato, ary zanak'ondry efajato ho an'ny fanokanana ny tranon'Andriamanitra izy ireo. Osy lahy roa ambin'ny folo ihany koa no natolotra ho fanatitra nohon'ny ota ho an'Israely rehetra, iray isaky ny foko tany Israely.
\v 18 Nanendry ireo mpisorona sy Levita tamin'ny fizaràn'asa ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra ao Jerosalema ihany koa izy ireo, araka ny voasoratra tao amin'ny Bokin'i Mosesy.
\v 19 Ary ireo izay avy tany an-tsesitany dia nankalaza ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany.
\v 20 Ireo mpisorona sy ny Levita rehetra dia nanadio ny tenany ary namono ny soron'ny Paska ho an'ireo izay avy tany an-tsesitany rehetra, anisan'izany izy ireo.
\v 21 Ny vahoaka Israelita izay nihinana tamin'ny henan'ny Paska dia ireo izay niverina avy tany an-tsesitany sy nanasaraka ny tenany tamin'ny fahalotoan'ny vahoakan'ny tany ary nitady an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.
\v 22 Nankalaza tamin'ny fifaliana ny Firavoravoan'ny Mofo tsy misy masirasira nandritry ny fito andro izy ireo, satria i Yaveh dia efa nitondra fifaliana tamin'izy ireo ary nanova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria mba hampatanjaka ny tanan'izy ireo tamin'ny asan'ny tranony, dia ilay tranon'ny Andriamanitr'Israely.
\v 1 Ary taorian'izany, nandritry ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjakan'i Persia, dia niakatra avy tany Babylona i Ezra. Ireo razamben'i Ezra dia i Seraia, Azaria, Hilklay,
\v 13 Izaho dia mandidy fa ny olona rehetra avy any Israely ao amin'ny fanjakako miaraka amin'ireo mpisorona sy ireo Levitan'izy ireo izay maniry ny andeha ho any Jerosalema, dia afaka miaraka aminao.
\v 14 Izaho, mpanjaka, sy ireo mpanolotsaiko fito, dia maniraka anareo rehetra mba hanontany mahakasika an'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitra, izay eo an-tananao.
\v 15 Tsy maintsy entinareo ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotr'izy ireo an-kalalahana tamin'ny Andriamanitr'Israely, izay any Jerosalema ny fonenany.
\v 16 Omeo an-kalalahana ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay nomen'ny Babylona rehetra niaraka tamin'izay efa natolotry ny vahoaka sy ireo mpisorona an-kalalahana ho an'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema.
\v 17 Koa mividiana omby, ondry lahy sy zanak'ondry, ary fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina maro be. Atolory eo amin'ny alitara izay ao amin'ny tranon'ny Andriamanitrao any Jerosalema ireo.
\v 18 Ireo ambina volafotsy sy volamena dia anaovy izay hitanao fa tsara ho anao sy ireo rahalahinao, mba hampifaly ny Andriamanitrao.
\v 19 Apetraho eo anatrehany ho an'ny asa fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitrao any Jerosalema ireo zavatra izay nomena anao an-kalalahana.
\v 20 Izay zavatra hafa rehetra ilaina ho an'ny tranon'ny Andriamanitrao takianao, dia alaivo ao amin'ny fitehirizan-drakitro ny vidin'izany.
\v 21 Izaho, Artaksersesy Mpanjaka, dia manao didy ho an'ireo mpitahiry vola any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, fa ny zavatra rehetra izay angatahin'i Ezra aminao dia tokony homena manontolo, hatramin'ny talenta volafotsy zato, vary zato kora, divay zato bata, ary diloilo zato bata,
\v 22 ary koa sira tsy misy fetrany.
\v 23 Izay zavatra rehetra avy amin'ny didin'ny Andriamanitry ny Lanitra, dia ataovy miaraka amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tranony izany. Fa nahoana ny fahatezerany no ho tonga eo amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy?
\v 24 Ampahafantarinay azy ireo ny mahakasika anao izay tsy hitaky haba na hetra amin'ireo mpisorona rehetra, ireo Levita, ireo mpitendry zava-maneno, ireo mpiambina vavahady, na eo amin'ny vahoaka notendrena ho amin'ny asan'ny tempoly ary ireo mpanompon'ny tranon'izany Andriamanitra izany.
\v 25 Ry Ezra, amin'ny fahendrena izay efa nomen'Andriamanitra anao, dia manendre mpitsara sy olona lalin-tsaina hanompo ireo vahoaka rehetra any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, ary hanompo ny olona izay mahafantatra ny lalàn'Andriamanitrao. Mampianara ireo izay tsy mahalala ny lalàna ihany koa.
\v 26 Sazio ny olona izay tsy mankatoa tanteraka ny lalàn' Andriamanitra na ny lalàn'ny mpanjaka, na amin'ny alalan'ny fahafatesana, na fandroahana, fanagiazana ny fananan'izy ireo, na fanagadrana.
\v 27 Miderà an'i Yaveh, Andriamanitry ny razantsika, izay nametraka izany rehetra izany tao am-pon'ny mpanjaka mba hanomezam-boninahitra ny tranon'i Yaveh any Jerosalema,
\v 15 Nangoniko ireo mpandeha tao amin'ny lakan-drano izay mankany Ahava, ary nitoby hateloana teo izahay. Nanadihady ny vahoaka sy ireo mpisorona aho, nefa tsy nahita taranak'i Levy tao mihitsy.
\v 16 Dia nampiantso an'i Eliezera, Ariela, Semaia, Elnatana, Jariba, sy Elnatana sy Natana, Zakaria, ary Mesolama—izay mpitarika—ary an'i Joariba sy Elnatana—izay mpampianatra aho.
\v 17 Manaraka izany dia nirahiko ho any amin'Ido, mpitarika any Kasifia izy ireo. Nambarako azy ireo izay ho lazaina amin'Ido sy ireo havany, ireo mpanompon'ny tempoly mipetraka any Kasifia, dia ny, mba handefasana mpanompo ho an'ny tranon'Andriamanitra ho aty aminay.
\v 21 Dia nanambara fifadian-kanina tao amin'ny Lakan-drano Ahava aho mba hanetry ny tenanay eo anatrehan'Andriamanitra, mba hitady lala-mahitsy avy Aminy ho anay, ny zaza madinikay, ary ireo fanananay rehetra.
\v 22 Menatra ny hangataka tafika na mpitaingin-tsoavaly tamin'ny mpanjaka mba hiaro anay amin'ireo fahavalo teny an-dalàna aho, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay hoe: ‘Ny tanan'Andriamanitray dia eo amin'ny rehetra izay mitady Azy amin'ny tsara, fa ny heriny sy ny hatezerany dia eo amin'ny rehetra izay manadino Azy.’
\v 25 Nandanja volafotsy, volamena, ary zavatra sy fanatitra ho an'ny tranon'Andriamanitra izay natolotry ny mpanjaka, ireo mpanolo-tsainy sy manam-boninahiny, sy ireo izay natolotry ny Israely rehetra maimaim-poana ho azy ireo aho.
\v 26 Dia nandanja talenta volafotsy 650, talenta zavatra volafotsy zato, talenta volamena zato,
\v 28 Dia hoy aho tamin'izy ireo hoe: “Natokana ho an'i Yaveh ianareo, ary ireto zavatra ireto ihany koa, sy ny volafotsy ary ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Yaveh, Andriamanitry ny razambenareo.
\v 29 Ambeno ireo ary tandremo mandra-pandanjanareo izany eo anatrehan'ny manam-boninahitry ny fisoronana, Levita, ary ireo mpitarika ny fokon-drazan'Israely any Jerosalema ao amin'ireo efitry ny tranon' Andriamanitra.”
\v 30 Nanaiky ny volafotsy, volamena, sy ireo zavatra voalanja ireo mpisorona sy ireo Levita mba hitondrana izany any Jerosalema, ao an-tranon'ny Andriamanitray.
\v 35 Ireo olona izay niverina avy amin'ny fahababoana, ny olona voasesy tany, dia nanolotra fanatitra dorana ho an'ilay Andriamanitr'Israely: omby roa ambin'ny folo ho an'Israely rehetra, ondry lahy enina amby sivifolo, zanak'ondry fito amby fitopolo, ary osy lahy roa ambin'ny folo ho fanatitra nohon'ny fahotana. Fanatitra dorana ho an'i Yaveh ireo rehetra ireo.
\v 36 Dia nomen'izy ireo ho an'ireo manam-boninahitry ny mpanjaka ambony sy ireo governora tany amin'ny Faritra Andafin'ny Ony ny lalàn'ny mpanjaka, ary nanampy ny vahoaka sy ny tranon'Andriamanitra izy ireo.
\v 3 Rehefa nandre izany aho, dia nandrovitra ny fitafiako sy ny akanjo lavako ka nanongotra ny volon-dohako sy ny volom-bavako, ary nipetraka, torotoro.
\v 5 Fa tamin'ny fanatitra hariva dia niarina avy tamin'ny toeran'ny fahafaham-barakako tamin'ny fitafiako sy ny akanjo lavako rovitra aho, ka nandohalika ary namelatra ny tanako ho amin'i Yaveh Andriamanitro.
\v 6 Hoy aho hoe: “Andriamanitro o, menatra sy mangahiahy ny hanandratra ny tavako eo aminao aho, fa miakatra mihoatry ny lohanay ny helokay, ary ny fahamelohanay mihombo hatrany an-danitra.
\v 7 Nanomboka tamin'ny andron'ny razambenay mandrak'ankehitriny dia tao anaty fahamelohana lehibe izahay. Tao anatin'ny helokay izahay, ireo mpanjakanay, sy ireo mpisoronay no natolotra ho eo an-tanan'ireo mpanjakan'ity izao tontolo izao ity, ho eo amin'ny sabatra, ho eo amin'ny fahababoana, ho eo amin'ny babo sy ny tarehy mangahiahy, tahaka anay anio.
\v 8 Ankehitriny anefa tao anaty fotoana fohy, dia tonga taminay ny indrafo avy amin'i Yaveh Andriamanitray mba hamela sisa velona eo aminay ka hanome anay fifikirana eo amin'ny fitoerany masina. An'ny Andriamanitray ny manazava ny masonay sy manome fiatoana kely amin'ny fanandevozana anay.
\v 9 Fa andevo izahay, nefa tsy nanadino anay ny Andriamanitray fa nanitatra ny fanekena mahatoky taminay. Nanao izany teo imason'ny mpanjakan'i Persia Izy mba hanome hery vao ho anay, mba hafahanay manorina ny tranon'ny Andriamanitray indray ka hanangana ny faharavany. Nanao izany Izy mba hanomezany manda fiarovana ho anay ao Joda sy Jerosalema.
\v 10 Fa ankehitriny kosa, ry Andriamanitray, inona no azonay ambara aorian'izao? Nanadino ireo didinao izahay,
\v 11 dia ny didy izay nomenao ireo mpaminany mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: “Ity tany izay hidiranareo ho fanananareo ity dia tany maloto. Voaloton'ny olon'ity tany ity tamin'ny fahavetavetan'izy ireo izany. Nofenoin'izy ireo ny fahalotoan'izy ireo hatrany amin'ny ilany iray ka hatrany amin'ny hafa izany.
\v 12 Ankehitriny ary, aza omena ny zanak'izy ireo lahy ny zanakareo vavy; aza maka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakareo lahy, ary aza mitady fihavanana sy fanampiana amin'izy ireo, mba hatanjaka ianareo ary hihinana ny tsara avy amin'ny tany, ka hahatonga ny zanakareo ho tompon'izany amin'ny fotoana rehetra.”
\v 13 Kanefa taorian'ny zavatra rehetra izay nanjo anay nohon'ny asa ratsinay sy ny fahamelohanay lehibe—satria Ianao, Andriamanitray, dia nihazona izay mendrika ny helokay ka namela anay ho velona—
\v 14 tokony handika ireo didinao indray ve izahay ka hifanambady amin'ireo vahoaka vetaveta ireo? Tsy ho tezitra ve Ianao ka handringana anay mba tsy hisy ho tavela, tsy hisy anankiray ho tafandositra?
\v 15 Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, marina Ianao, fa vitsy izahay no sisa velona amin'izao anio izao. Indro! Indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahamelohanay, fa tsy misy afaka hijoro eo anatrehanao nohon'ny amin'izany.
\v 1 Raha mbola nivavaka sy niaiky heloka i Ezra, dia nitomany izy ary niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra. Lehilahy Israelita, zaza aman-behivavy maro be no nitangorona teo aminy, fa nitomany mafy dia mafy ireo olona.
\v 5 Koa nitsangana i Ezra ary nasainy nampanantena ireo manam-boninahitry ny fisoronana, ireo Levita, ary ny Israely rehetra mba hanao toy izany. Koa dia nanao fianianana manetriketrika izy rehetra.
\v 6 Avy eo nitsangana avy teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra i Ezra ary nandeha tao amin'ny efitr'i Johanana zanaka lahin'i Eliasiba. Tsy mba nihinana mofo na nisotro rano izy, satria nisaona ny hakelin'ny finoan'ireo izay efa tao amin'ny fahababoana izy.
\v 7 Koa nandefa teny tany Joda sy Jerosalema ho an'ireo olona niverina avy tany an-tsesitany izy ireo mba hivory ao Jerosalema.
\v 8 Izay rehetra tsy tonga tao anatin'ny telo andro araka ireo toromarika avy amin'ireo manam-pahefana sy loholona dia nesorina tamin'izy ireo ny fananan'izy ireo rehetra ary nalàna tsy ho ao amin'ny fikambanam-ben'ireo izay niverina avy any an-tsesitany.
\v 9 Koa nivory tao Jerosalema nandritry ny telo andro ny lehilahy avy any Joda sy Benjamina rehetra. Izany dia tamin'ny volana fahasivy ary tamin'ny andro faharoapolon'ny volana. Nijoro teo amin'ny kianja malalaka nanoloana ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ary nangovitra noho ilay teny sy ny orana.
\v 10 Nitsangana i Ezra mpisorona ary niteny hoe: “Efa namadika ianareo. Nanambady ireo vehivavy hafa firenena ianareo ary nampitombo ny helok'Israely.
\v 11 Fa ankehitriny dia miderà an'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambenareo, ary ataovy ny sitrapony. Misaraha amin'ny olona tompon-tany sy amin'ireo vehivavy hafa firenena.”