\v 1 Taorian'ny nahafatesan'i Saoly, dia niverina avy any amin'ny fanafihana an'ireo Amalekita i Davida ary nijanona tao Ziklaga nandritra ny roa andro.
\v 2 Tamin'ny andro fahatelo, dia nisy lehilahy iray niaraka tamin'ny fitafiany rotidrotika sy loto teo amin'ny lohany no tonga avy tany amin'ny tobin'i Saoly. Rehefa tonga teo amin'i Davida izy dia niankohoka tamin'ny tany ary nanondrika ny tenany.
\v 10 Noho izany dia nanatona teo aminy aho ary namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy taorian'ny nahalavo azy. Avy eo dia nalaiko ny satro-boninahitra izay teo amin'ny lohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ary ireo nentiko eto aminao ireo, ry tompoko.”
\v 14 Hoy Davida taminy hoe: “Nahoana ianao no tsy natahotra namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh tamin'ny tananao ihany?”
\v 15 Niantso ny iray tamin'ireo tovolahy i Davida ary niteny hoe: “Mandehana ary vonoy izy.” Koa nandeha izany lehilahy izany ary namely azy, ka maty ilay Amalekita.
\v 16 Avy eo dia niteny tamin'ny fatin'ilay Amalekita i Davida hoe: “Eo amin'ny lohanao ny rànao satria ny vavanao ihany no vavolombelona nanohitra anao ary nanao hoe: ‘Namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh aho.’”
\v 21 Ry Tendrombohitr'i Gilboa, tsy hisy ando sy orana anie eo aminao, na saha manome voa ho fanatitra, satria teo ny fiarovan'ilay mahery no voaloto. Ny fiarovan'i Saoly dia tsy voahosotra amin'ny menaka intsony.
\v 2 Noho izany dia niakatra niaraka tamin'ireo vadiny roa i Davida, dia i Ahinoama avy any Jezirelita, sy Abigaila avy any Karmela, ilay mpitondratena navelan'i Nabala.
\v 3 Nitondra ireo olona izay niaraka taminy, izay samy nitondra ny fianakaviany avy, ho any amin'ireo tanànan'i Hebrona, izay nanomboka nonenan'izy ireo i Davida.
\v 7 Koa ankehitriny ary, aoka hatanjaka ny tananareo; manàna herim-po fa maty i Saoly tomponareo, ary ny fokon'i Joda nanosotra ahy ho mpanjaka eo amin'izy ireo.”
\v 16 Ny lehilahy tsirairay dia samy nisambotra ny mpifanandrina taminy tamin'ny lohany sy nanatsatoka ny sabany teo amin'ny andilan'ny mpifanandrina taminy, ary dia niara-lavo izy ireo. Koa dia nantsoina tamin'ny teny Hebreo hoe: “Helkata-hazorima" na “Sahan-tsabatra" izany toerana izany, izay any Gibeona.
\v 21 Dia hoy Abnera taminy hoe: “Mivilia any amin'ny ankavananao na ny ankavianao, ary misambora iray amin'ireo tovolahy ka alaivo ny fiadiany.” Fa tsy nivily Asahela.
\v 23 Fa tsy nanaiky ny hivily i Asahela, ary dia notrobaran'i Abnera ny antsin-defony ny vatany, ka nivoaka avy tao an-damosiny ilay lefona. Nikarapoka ary maty teo Asahela. Koa izay olona tonga teo amin'ilay toerana izay nampikarapoka sy nahafaty an'i Asahela, dia nijanona sy tsy nihetsika teo.
\v 24 Fa nenjehan'i Joaba sy Abisay i Abnera. Rehefa nilentika ny masoandro, dia tonga teo amin'ny havoan'i Ama, izay akaikin'i Gia eo amoron'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona izy ireo.
\v 26 Avy eo dia niantso an'i Joaba i Abnera ary niteny hoe: “Tsy maintsy handrapaka mandrakizay ve ny sabatra? Tsy fantatrao ve fa hangidy izany any amin'ny farany? Mandra-pahoviana ianao vao hiteny ny olonao mba hitsahatra tsy hanenjika ny rahalahiny izy ireo?
\v 29 Nanditra izany alina izany dia nandeha namakivaky an'i Arabà i Abnera sy ny olony. Niampita an'i Jordana izy ireo, nandeha nandritra ny ampitso maraina tontolo, ary dia tonga tao Mahanaima.
\v 30 Niverina avy nanenjika an'i Abnera i Joaba. Nanangona ny olony rehetra izy, ka i Asahela sy miaramila sivy ambin'ny folo avy amin'i Davida no tsy teo.
\v 31 Fa ireo olon'i Davida dia namono 360 lahy tamin'ny olon'i Benjamina izay niaraka tamin'i Abnera.
\v 32 Avy eo dia nalain'izy ireo i Asahela ary naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ireo olony nandeha ny alina tontolo, ary vao nangiran-dratsy izy ireo no tonga tao Hebrona.
\v 1 Ary nisy ady lava reny teo amin'ny ankohonan'i Saoly sy ny ankohonan'i Davida. Nihanahery hatrany i Davida, fa ny ankohonan'i Saoly kosa dia nihaosa hatrany.
\v 3 Ny zanany lahy faharoa, dia i Kileaba, naterak'i Abigaila, ilay mpitondratena navelan'i Nabala avy any Karmela. Ny fahatelo, dia i Absaloma, zanaka lahin'i Maka, zanaka vavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora.
\v 10 ny hamindra ny fanjakana avy amin'ny ankohonan'i Saoly sy hanorina ny seza fiandrianan'i Davida eo amin' Israely sy eo amin'ny Joda, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.”
\v 12 Avy eo dia nandefa mpitondra hafatra nankany amin'i Davida i Abnera mba hiresaka ho azy manao hoe: “An'iza ity tany ity? Manaova fanekena amiko, dia ho hitanao fa homba anao ny tanako, mba hitondra ny Israely rehetra ho eo aminao.”
\v 13 Namaly i Davida hoe: “Tsara izany, hanao fanekena aminao aho. Kanefa ny zavatra iray takiako aminao dia ny tsy ahitanao ny tavako raha tsy entinao aloha i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, rehefa tonga hijery ahy ianao.”
\v 19 Niresaka manokana tamin'ny olon'i Benjamina ihany koa i Abnera. Avy eo dia nandeha ihany koa Abnera mba hiresaka amin'i Davida ao Hebrona mba hanazava ny zavatra rehetra izay irian'Israely sy ny ankohonan'i Benjamina manontolo ho tanterahina.
\v 24 Avy eo dia tonga teo amin'ny mpanjaka i Joaba ka niteny hoe: “Inona no nataonao? Indro, i Abnera efa tonga teto aminao! Nahoana no nalefanao izy, ka lasa?
\v 25 Tsy fantatrao ve fa i Abnera zanak'i Nera dia tonga teto aminao mba hamitaka anao sy mba hahafantatra ireo tetikao ary hamantatra izay rehetra ataonao?”
\v 27 Raha niverina ho any Hebrona i Abnera, dia nentin'i Joaba nihataka kely teo afovoan'ny vavahady mba hiresaka aminy mangingina izy. Teo Joaba no nanindrona azy teo amin'ny kibo ka nahafaty azy. Tamin'izany fomba izany, no namalian'i Joaba ny ràn'i Asahela rahalahiny.
\v 28 Raha nandre ny momba izany Davida dia hoy izy hoe: “Izaho sy ny fanjakako dia tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan'i Yaveh mahakasika ny ràn'i Abnera zanak'i Nera.
\v 29 Aoka ny heloka ny amin'ny fahafatesan'i Abnera hilatsaka amin'ny lohan'i Joaba sy ny ankohonan-drainy rehetra. Tsy ho afaka amin'ny fianakavian'i Joaba anie ny olona izay mitsi-drà na ny areti-koditra na izay mandringa ka tsy maintsy mamindra amin'ny tehina na izay lavon-tsabatra na ireo tsy manan-ko-hanina.”
\v 34 Tsy nofatorana ny tananao. Tsy nasiana rojo vy ny tongotrao. Fa tahaka ny fahalavon'ny olona teo anoloan'ireo zanaky ny tsy fahamarinana, no nahalavo anao.” Ary mbola nitomany azy indray ny olona rehetra.
\v 35 Tonga nampisakafo an'i Davida ny olona rehetra raha mbola atoandro ny andro, fa Davida nianiana hoe: “Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra aza, raha manandrana mofo na zavatra hafa aho mialohan'ny hilentehan'ny masoandro.”
\v 38 Hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony hoe: “Tsy fantatrareo ve fa andriana sy olona lehibe no lavo any Israely androany?
\v 39 Fa osa aho ankehitriny, na dia mpanjaka voahosotra aza aho. Ireo lehilahy ireo, ireo zanaka lahin'i Zeroia, dia nahery setra loatra tamiko. Hamaly ny mpanao ratsy anie Yaveh amin'ny fanasaziana azy ny amin'ny faharatsiany, araka izay mendrika azy.”
\v 1 Rehefa ren'Isboseta, zanaka lahin'i Saoly, fa maty tany Hebrona i Abnera, dia lasa nalemy ny tanany, ary nikorontana Israely rehetra.
\v 2 Ary ny zanaka lahin'i Saoly dia nanana roa lahy izay kapitenin'ireo vondron'ireo miaramila. Ny anaran'ny iray dia Bana ary ilay iray hafa kosa dia i Rekaba, zanaka lahin'i Rimona ilay Berotita avy amin'ny vahoakan'i Benjamina (satria Berota ihany koa dia noraisina ho isan'i Benjamina,
\v 4 Ary Jonatana, zanaka lahin'i Saoly, dia nanana zanaka lahy izay malemy ny tongony. Dimy taona izy rehefa tonga tao Jezirela ny vaovao momban'i Saoly sy Jonatana. Nentin'ilay mpitaiza azy mba handositra izy. Kanefa raha nihazakazaka iny izy, dia nianjera ny zanak'i Jonatana ary lasa malemy. Mefiboseta no anarany.
\v 12 Avy eo Davida nanome baiko an'ireo tovolahy, ary namono azy ireo izy ireo ka nanapaka ny loha sy ny tongotr'izy ireo ary nanantona azy ireo teo akaikin'ny kamory tao Hebrona. Fa nalain'izy ireo ny lohan'Isboseta ary naleviny tao amin'ny fasan'i Abnera tao Hebrona izany.
\v 1 Avy eo ny fokon'Israely rehetra nankany amin'i Davida tany Hebrona ary nilaza hoe: “Indro, nofo sy taolanao izahay.
\v 2 Vao tsy ela akory, fony nanjaka teo amintsika i Saoly, dia ianao no nitarika ny tafika Israelita. Yaveh nilaza taminao hoe: ‘Hiandry an'Israely vahoakako ianao, ary ho lasa mpanapaka eo amin'Israely.’”
\v 4 Nanosotra an'i Davida ho mpanjaka teo amin'Israely izy ireo. Telopolo taona i Davida no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny efapolo taona izy.
\v 5 Tany Hebrona dia nanjaka teo amin'i Joda nandritra ny fito taona sy enim-bolana izy, ary tany Jerosalema dia nanjaka nandritra ny telo amby telopolo taona teo amin'Israely sy Joda rehetra izy.
\v 6 Nandeha nankany Jerosalema ny mpanjaka sy ireo olony mba hanohitra ireo Jebosita, ireo mponin'ilay tany. Hoy izy ireo tamin'i Davida hoe: “Tsy ho avy eto ianao raha tsy ny jamba sy ny mandringa no hampiverina anao. Tsy afaka ny ho tonga eto Davida.”
\v 8 Tamin'izany fotoana izany i Davida nilaza hoe: “Ireo izay manafika ny Jebosita dia tsy maintsy handalo amin'ny lalan-drano mba hihazo ny ‘mandringa sy ny jamba' izay fahavalon'i Davida.” Izany no ilazan'ny olona hoe: “Ny ‘jamba sy ny mandringa' dia tsy mahazo miditra ny lapa.”
\v 10 Koa tsy naniry ny hitondra ny fiaran'Andriamanitra niaraka taminy ho ao amin'ny tanànan'i Davida izy. Fa kosa, nampiriminy tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita izany.
\v 11 Nijanona tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita nandritra ny telo volana ny fiaran'i Yaveh. Noho izany dia notahian'i Yaveh izy sy ny ankohonany rehetra.
\v 12 Ary nolazaina tamin'i Davida Mpanjaka hoe: “Efa nitahy ny tranon'i Obed-edoma sy ny zavatra rehetra izay azy i Yaveh noho ilay fiaran'Andriamanitra.” Noho izany dia nandeha i Davida ary nitondra ilay fiaran'Andriamanitra niakatra avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamim-piravoravoana ho any amin'ny tanànan'i Davida.
\v 16 Ary rehefa tonga tao an-tanànan'i Davida ny fiaran'i Yaveh, dia nitazana teo am-baravarankely i Mikala, zanaka vavin'i Saoly. Nahita an'i Davida Mpanjaka nitsambikimbikina sy nandihy teo anatrehan'i Yaveh izy. Avy eo dia nanao tsinontsinona azy tao am-pony izy.
\v 18 Rehefa vitan'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Yaveh tompon'ny maro izy.
\v 19 Ka dia nizara mofo, teti-kena, ary mofomamy misy voaloboka tamin'ny vahoaka rehetra, ny Israely manontolo, tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy izy. Dia lasa ny olona rehetra; samy niverina tany an-tranony avy.
\v 20 Dia niverina mba hitso-drano ny ankohonany i Davida. Mikala, ilay zanaka vavin'i Saoly, dia nivoaka mba hitsena an'i Davida ary niteny hoe: “Endrey ny voninahitry ny mpanjakan'Israely ankehitriny, izay nanary ny lambany teo imason'ireo andevo vavy anisan'ireo mpanompony, tahaka ny iray amin'ireo mpiteny ratsy izay lany henatra manary ny lambany!”
\v 21 Davida namaly an'i Mikala hoe: “Nataoko teo anatrehan'i Yaveh izany, izay nifidy ahy ho ambonin'ny rainao sy ho ambonin'ny ankohonany rehetra, izay nanendry ahy ho mpitarika eo amin'ny vahoakan'i Yaveh, eo amin'Israely. Eo anatrehan'i Yaveh no hiravoravoako!
\v 22 Mbola tsy ho mendri-kaja noho izany aza aho, ary ho afa-baraka eo imasoko ihany aho. Kanefa amin'ny alalan'ireo andevo vavy izay noresahinao ireo, no hanomezam-boninahitra ahy.”
\v 2 dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany hoe: “Indro, mipetraka amin'ny trano sedera aho, fa ny fiaran'Andriamanitra kosa mijanona ao afovoan'ny lay.”
\v 6 Fa tsy nitoetra tao an-trano Aho hatramin'ny andro izay nitondrako ny vahoakan'Israely niakatra avy tao Egypta hatramin'izao andro ankehitriny izao; fa kosa, nifindrafindra lay Aho, dia ny tabernakely.
\v 18 Dia niditra Davida Mpanjaka ary nipetraka nanoloana an'i Yaveh ka nanao hoe: “Iza aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviako no nentinao ho amin'izao tanjona izao aho?
\v 22 Noho izany dia lehibe Ianao, ry Tompo Yaveh, satria tsy misy toa Anao, ary tsy misy Andriamanitra hafa ankoatra Anao, araka izay ren'ny sofinay ihany.
\v 23 Inona no firenena toa an'Israely vahoakanao, ilay firenena eto an-tany izay, nalehanao Andriamanitra sy novonjenao ho an'ny tenanao? Nataonao izao mba ho tonga vahoaka ho Anao izy ireo, mba hanao anarana ho an'ny tenanao, ary mba hanao asa lehibe sy mampatahotra ho an'ny taninao. Nandroaka ireo firenena sy ireo andriamanitr'izy ireo teo anoloan'ny vahoakanao, izay novonjenao avy tao Egypta Ianao.
\v 24 Napetrakao toy ny vahoakanao manokana mandrakizay Israely, ary Ianao, Yaveh, dia tonga Andriamanitr'izy ireo.
\v 25 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitra, enga anie ho apetraka mandrakizay ny fampanantenana izay nataonao mahakasika ny mpanomponao sy ny fianakaviany. Ataovy araka izay nolazainao.
\v 26 Ho lehibe mandrakizay anie ny anaranao, ka hilaza ny vahoaka hoe: ‘Yaveh tompon'ny maro no Andriamanitr'Israely,’ raha apetraka anatrehanao, ny tranoko, Davida mpanomponao.
\v 29 Koa ankehitriny ary, aoka hahafaly Anao ny hitahy ny tranon'ny mpanomponao, mba hitohy eo anoloanao mandrakizay izany. Satria Ianao, ry Tompo Yaveh, no niteny ireo zavatra ireo, ary tamin'ny tso-dranonao no nitahiana mandrakizay ny tranon'ny mpanomponao.”
\v 1 Taorian'izany dia nanafika ireo Filistina i Davida ka nandresy azy ireo. Noho izany dia nalain'i Davida tsy ho eo amin'ny fifehezan'ireo Filistina i Gata sy ireo zana-bohiny.
\v 4 Nambabo kalesy 1.700 sy miaramila an-tongotra roa alina avy taminy i Davida. Notraingon'i Davida avokoa ny kalesin-tsoavaly rehetra, fa nanokana izay tokony ho ampy ny kalesy zato tamin'izy ireo izy.
\v 5 Rehefa tonga hanampy an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba ny Syriana avy any Damaskosy, dia nahafaty lehilahy Syriana roa arivo sy roa alina i Davida.
\v 6 Avy eo i Davida nametraka miaramila tany Syria any Damaskosy, ary lasa mpanompony ka nandoa hetra taminy ny Syriana. Nampandresy an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany i Yaveh.
\v 9 Rehefa ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa nandresy ny tafik'i Hadadezera rehetra i Davida,
\v 10 dia nirahin'i Toy ho any amin'i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hitso-drano azy, satria Davida niady tamin'i Hadadezera ka nandresy azy, ary satria Hadadezera dia niady tamin'i Toy. Gorama dia nitondra zavatra vita tamin'ny volafotsy, volamena ary varahina niaraka taminy.
\v 3 Ka hoy ny mpanjaka hoe: “Tsy misy olona tavela izay azoko anehoana ny hatsaram-panahin'Andriamanitra ve avy ao amin'ny fianakavian'i Saoly?” Namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: “Jonatana dia mbola manan-janaka lahy, izay malemy tongotra.”
\v 4 Hoy ny mpanjaka taminy hoe: “Aiza izy?” Dia namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: “Indro, ao an-tranon'i Makira zanaka lahin'i Amiela any Lo-debara izy.”
\v 9 Avy eo ny mpanjaka dia nampiantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ary nanao taminy hoe: “Izay an'i Saoly sy ny fianakaviany rehetra dia nomeko ny zafin'ny tomponao.
\v 10 Ianao, ireo zanakao lahy, ary ireo mpanomponao dia tsy maintsy miasa ny tany ho azy ary tsy maintsy mijinja ny vokatra ianao mba hananan'ny zafin'ny tomponao hanina ho hanina. Fa i Mefiboseta, zafin'ny tomponao, dia tsy maintsy hihinana mandrakariva eo an-databatro.” Ary Ziba dia nanan-janaka lahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roapolo.
\v 12 “Raha ny amin'i Mefiboseta dia hihinana eto an-databatro izy, toy ny iray amin'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka.” Nanan-janaka lahy tanora antsoina hoe Mika i Mefiboseta. Ny rehetra izay nipetraka tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.
\v 2 Hoy i Davida hoe: “Hanao soa amin'i Hanona zanak'i Nahasy aho, tahaka ny nanaovan'ny rainy soa tamiko.” Koa dia nandefa ireo mpanompony hampahery an'i Hanona mahakasika ny rainy i Davida. Niditra tao amin'ny tanin'ny vahoakan'i Amona ireo mpanompony.
\v 3 Saingy hoy ireo mpitarika ny vahoakan'i Amona tamin'i Hanona tompon'izy ireo hoe: “Mihevitra tokoa ve ianao fa manome voninahitra ny rainao i Davida satria nandefa ireo mpanompony hampahery anao izy? Tsy efa nandefa ireo mpanompony taminao ve i Davida mba hijery ny tanàna, hitsikilo izany, mba handrava izany?”
\v 11 Hoy i Joaba hoe: “Raha mafy loatra ho ahy ireo Syriana, dia ianao, Abisay, no tsy maintsy manavotra ahy. Fa raha mafy loatra ho anareo ny tafik'i Amona, dia ho avy aho ary hanavotra anareo.
\v 12 Mahereza, ary andeha isika haneho ny tanjantsika ho an'ny vahoakantsika sy ireo tanànan'ny Andriamanitsika, satria i Yaveh dia hanao izay tsara ho an'ny tanjony.”
\v 8 Dia hoy i Davida tamin'i Oria hoe: “Midìna any amin'ny tranonao, ary sasao ny tongotrao.” Ka dia niala tao amin'ny lapan'ny mpanjaka i Oria, ary nandefa fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka taorian'ny nandehanany.
\v 11 Namaly an'i Davida i Oria hoe: “Ilay fiara, sy Israely ary Joda dia mijanona ao amin'ireo lay, ary Joaba tompoko sy tompon'ireo mpanompoko dia nitoby tany an-dohasaha. Ahoana ary no ahafahako mankany an-tranoko mba hihinana sy hisotro ary hatory hiaraka amin'ny vadiko? Raha mbola velona tokoa ianao, dia tsy hanao izany aho.”
\v 12 Ka hoy i Davida tamin'i Oria hoe: “Mijanòna eto aloha androany, fa rahampitso ianao havelako handeha.” Ka nijanona tao Jerosalema tamin'io andro io sy ny ampitso i Oria.
\v 13 Rehefa niantso azy i Davida, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy, ary nomamoin'i Davida izy. Ny hariva i Oria dia nivoaka mba hatory miaraka amin'ireo mpanompon'ny tompony eo am-pandriany; tsy nandeha nidina tany an-tranony izy.
\v 15 Davida nanoratra tao amin'ny taratasy nilaza hoe: “Apetraho eo anoloan'ny ady mafy indrindra i Oria, ary mialà eo aminy avy eo, mba mety ho voavely sy voavono izy.”
\v 19 dia nandidy ny mpitondra hafatra izy, nilaza hoe: “Rehefa voateninao amin'ny mpanjaka ny zavatra rehetra mahakasika ilay ady,
\v 20 ny mety hiseho dia hoe ho tezitra ny mpanjaka, ka hiteny aminao izy hoe: ‘Nahoana no nanakaiky loatra ny tanàna ianao no niady? Tsy fantatrao ve fa mety avy eny amin'ny manda izy ireo no hitifitra?
\v 21 Iza no namono an'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy iray ve no nandefa vato fikosoham-bary taminy avy eny amin'ny manda, izay nahafaty azy tany Tebeza? Nahoana ianao no teny amin'izay akaiky dia akaikin'ny manda no nandeha?’ Ary tsy maintsy hamaly ianao hoe: “Oria ilay Hetita mpanomponao ihany koa dia maty.”’
\v 4 Indray andro dia nisy mpitsidika tonga tao amin'ilay lehilahy manan-karena, fa tsy te-haka biby iray avy ao amin'ny andian'ondry aman'osiny sy ireo ombiny mba homena ho sakafo ho azy ilay lehilahy manan-karena. Fa nalainy kosa ny ondrivavy kelin'ilay lehilahy mahantra ary nandrahoany ho an'ny mpamangy azy izany.”
\v 5 Nirehitry ny hatezerana tamin'ilay lehilahy manan-karena i Davida, ka niteny an-katezerana tamin'i Natana hoe: “Raha mbola velona koa Yaveh, dia mendrika ny ho vonoina ho faty ny lehilahy izay nanao izany.
\v 8 Nanome anao ny tranon'ny tomponao Aho, ary ireo vadin'ny tomponao ho eo an-tsandrinao. Nomeko anao ihany koa ny ankohonan'Israely sy Joda. Fa raha mbola kely loatra izany, dia ho nanome anao zavatra maro hafa ho fanampiny aho.
\v 9 Koa nahoana ianao no nanao tsinontsinona ireo didin'i Yaveh, ary nanao izay ratsy teo imasony? Novonoinao tamin'ny sabatra i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny. Novonoinao tamin'ny sabatry ny tafik'i Amona izy.
\v 15 Avy eo dia niala i Natana ary nody tany an-trano. Namely ilay zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida i Yaveh, ka narary mafy izy.
\v 16 Avy eo dia nitalaho mafy tamin'Andriamanitra ho an'ilay zazalahy i Davida. Nifady hanina i Davida ary niditra tao ka nandry tamin'ny tany ny alina tontolo.
\v 17 Ireo loholon'ny tranony dia nijanona sy nitsangana teo anilany, mba hampiarina azy avy eo amin'ny tany, fa tsy nety niarina izy, ary tsy nety hisakafo niaraka tamin'izy ireo.
\v 18 Ary tamin'ny andro fahafito no nahafaty ilay zazalahy. Ireo mpanompon'i Davida dia natahotra ny hilaza taminy fa maty ilay zaza, fa hoy izy ireo hoe: “Indro, raha mbola velona ilay zaza dia niresaka taminy izahay, ary tsy nihaino ny feonay izy. Inona no mety ho hataony amin'ny tenany raha milaza aminy izahay fa maty ilay zazalahy?!”
\v 22 Dia namaly i Davida hoe: “Raha mbola velona ilay zaza dia nifady hanina sy nitomany aho. Hoy aho hoe: ‘Iza no mahalala na hamindra fo amiko Yaveh na tsia, ka mety ho velona ilay zaza?’
\v 23 Fa ankehitriny maty izy, koa nahoana aho no tokony hifady hanina? Afaka hamerina azy indray ve aho? Handeha ho any aminy aho, fa tsy hiverina amiko izy.”
\v 27 Noho izany dia nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Davida i Joaba ary niteny hoe: “Niady tamin'i Raba aho, ary nalaiko ny famatsian-dranon'ilay tanàna.
\v 28 Ankehitriny ary angony miaraka ireo ambin'ny tafikao ary mitobia hanohitra ny tanàna ary alaivo izany, satria raha alaiko ilay tanàna, dia hitondra ny anarako izany.”
\v 5 Dia hoy i Jonadaba taminy hoe: “Mandria eo amin'ny fandrianao ary modia marary. Rehefa tonga hijery anao ny rainao, dia anontanio izy hoe: ‘Afaka alefanao aty amiko ve i Tamara anabaviko azafady mba hanome zavatra ho haniko sy hahandro izany eto anoloako, ka mba ahafahako mahita izany sy mihinana izany avy amin'ny tanany?’”
\v 7 Dia nandefa teny ho an'i Tamara tao an-dapany i Davida, nanao hoe: “Mandehana any amin'ny tranon'i Amnona anadahinao izao ka manomàna sakafo ho azy.”
\v 9 Nalainy ny lasitra ka nomeny azy ny mofo, fa nandà tsy hihinana izy. Avy eo dia hoy i Amnona tamin'ireo hafa izay teo hoe: “Avohay any ivelany ny olona rehetra, ho lavitra ahy.” Ka nandeha niala teo aminy ny olona rehetra.
\v 10 Ary hoy i Amnona tamin'i Tamara hoe: “Ento ao amin'ny efitranoko ny sakafo mba hihinanako azy avy amin'ny tananao.” Dia nalain'i Tamara ny mofo izay efa nataony, ka nentiny tao amin'ny efitranon'i Amnona anadahiny.
\v 11 Rehefa nitondra ny sakafo teo aminy izy, dia nihazona azy izy ka niteny taminy hoe: “Avia, mandria miaraka amiko, ry anabaviko.”
\v 12 Namaly azy izy hoe: “Tsia, ry anadahiko, aza terena aho, fa tsy tokony atao eto Israely ny zavatra tahaka izany. Aza manao izany zavatra maharikoriko izany!
\v 13 Ahoana no hialako amin'ny fahamenarako? Ary ny aminao? Ho tahaka ny iray amin'ireo adala eto Israely ianao! Ankehitriny, mba miresaha amin'ny mpanjaka, fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.”
\v 26 Dia hoy i Absaloma hoe: “Raha tsy izany, avelao re i Amnona rahalahiko andeha hiaraka aminay.” Dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: “Fa nahoana i Amnona no tokony hiaraka aminareo?”
\v 32 Ary i Jonadaba zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, namaly ary nanao hoe: “Aoka ny tompoko tsy hino fa namono ny tovolahy rehetra izay zanaky ny mpanjaka izy ireo, satria i Amnona irery no maty. Absaloma efa nanomana izao nanomboka tamin'ny andro izay nanolanan'i Amnona an'i Tamara anabaviny.
\v 33 Noho izany aoka ny tompoko mpanjaka tsy handray izany tatitra izany am-po, ka hino fa ny zanaky ny mpanjaka rehetra no maty, satria Amnona irery ihany no maty.”
\v 36 Ary rehefa tapitra ny teniny, dia tonga ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka nanandratra ny feon'izy ireo ary nitomany. Ny mpanjaka sy ny mpanompony rehetra koa dia nitomany mafy.
\v 2 Noho izany dia nandefa teny ho any Tekoa i Joaba ary nitondra vehivavy hendry tany aminy. Hoy izy tamin-dravehivavy hoe: “Mba miangavy re ataovy ohatran'ny hoe misaona ianao ary mitafia akanjo fisaonana. Mba miangavy re aza hosorana diloilo ny tenanao, fa manaova toy ny vehivavy izay nisaona ny maty efa ela.
\v 3 Avy eo dia mandehana mankany amin'ny mpanjaka ary resaho aminy ny momba izay ho faritako.” Dia nolazain'i Joaba taminy ireo teny izay tokony ho lazainy amin'ny mpanjaka.
\v 7 Ankehitriny dia mitsangana manohitra ny mpanomponao ny fianakaviambe manontolo, ary hoy izy ireo hoe: ‘Atolory ilay lehilahy izay namely ny rahalahiny, mba hamonoanay azy ho faty, mba hanonitra ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny.’ Koa dia ho vonoin'izy ireo koa ny mpandova. Dia toy izany koa no hanesoran'izy ireo ny vain'afo mirehitra izay navelako, ary tsy hamela anarana na taranaka eto ambonin'ny tany ho an'ny vadiko izy ireo.”
\v 9 Dia namaly ny mpanjaka ilay vehivavin'i Tekoa hoe: “Ry mpanjaka, tompoko, aoka ho amiko sy ho amin'ny fianakavian-draiko ny heloka. Tsy manan-tsiny ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany.”
\v 11 Dia hoy izy hoe: “Mba miangavy re, aoka ny mpanjaka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitrao, ka tsy hamotika na iza na iza bebe kokoa ny mpamaly rà, mba tsy hamotehan'izy ireo ny zanako lahy.” Dia namaly ilay mpanjaka hoe: “Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hisy na dia singam-bolo iray amin'ny zanakao aza hihintsana amin'ny tany.”
\v 12 Dia hoy ravehivavy hoe: “Mba miangavy re avelao ny mpanomponao mba hilaza teny fanampiny amin'ny tompoko ilay mpanjaka.” Dia hoy izy hoe: “Mitenena.”
\v 13 Dia hoy ravehivavy hoe: “Koa nahoana ary ianao no mihevitra zavatra tahaka izany amin'ny vahoakan'Andriamanitra? Fa amin'ny fitenenana izany zavatra izany, dia toy ny olona izay meloka ny mpanjaka, satria tsy mbola nampody indray ny zanany lahy voaroaka ny mpanjaka.
\v 14 Fa tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary toy ny rano araraka amin'ny tany isika, izay tsy afaka raofina intsony. Fa Andriamanitra tsy haka ny aina; fa kosa, mahita lalana ho an'ireo izay voaroaka Izy mba ho averina indray.
\v 15 Koa ankehitriny ary, tonga hiresaka izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko aho, izany dia satria nampitahotra ahy ny vahoaka. Koa niteny tamin'ny tenany ny mpanomponao hoe: ‘Hiresaka amin'ny mpanjaka aho izao. Angamba hanatanteraka ny fangatahan'ny mpanompony ny mpanjaka.
\v 16 Satria hihaino ahy ny mpanjaka, mba hanolorana ny mpanompony ho afaka amin'ny tanan'ilay lehilahy izay hamotika ahy sy ny zanako lahy, ho afaka amin'ny lovan'Andriamanitra.’
\v 17 Avy eo dia nivavaka ny mpanomponao hoe: “Ry Yaveh, aoka hanamaivana ahy ny tenin'ny mpanjaka tompoko, satria toy ny anjelin'Andriamanitra, dia toy izany koa ny mpanjaka tompoko amin'ny fitenenana ny tsara avy amin'ny ratsy.’ Homba anao anie Yaveh Andriamanitrao.”
\v 18 Avy eo dia namaly ny mpanjaka ka niteny tamin-dravehivavy hoe: “Mba miangavy re aza afenina amiko izay rehetra hanontaniako anao.” Dia namaly ravehivavy hoe: “Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko ankehitrin.”
\v 19 Dia hoy ny mpanjaka hoe: “Moa ve tsy miaraka aminao amin'izao rehetra izao ny tanan'i Joaba?” Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe: “Raha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tsy misy afaka mandositra mankany ankavanana na ankavia amin'ny zavatra rehetra izay nolazain'ny mpanjaka tompoko. I Joaba mpanomponao no nandidy ahy sy niteny tamiko mba hilaza ireo zavatra izay notenenin'ny mpanomponao ireo.
\v 20 Efa nanao izany i Joaba mpanomponao mba hampiova ny zava-mitranga. Hendry ny tompoko, toy ny fahendren'ny anjelin'Andriamanitra, ary fantany ny zavatra rehetra izay mitranga eo amin'ny tany.”
\v 22 Noho izany i Joaba dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany ho voninahitra sy fisaorana ny mpanjaka. Hoy i Joaba hoe: “Ankehitriny dia fantatry ny mpanomponao fa nahita sitraka teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny fanatanterahan'ny mpanjaka ny fangatahan'ny mpanompony.”
\v 24 Hoy ny mpanjaka hoe: “Aoka izy hiverina any an-tranony, fa aza atao mahita ny tavako.” Noho izany dia niverina tany an-tranony manokana i Absaloma, fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
\v 28 Nipetraka roa taona feno tao Jerosalema i Absaloma, fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
\v 29 Avy eo i Absaloma dia nandefa teny ho an'i Joaba mba handefa azy any amin'ny mpanjaka, saingy tsy tonga tany aminy i Joaba. Dia nandefa teny fanindroany i Absaloma, kanefa tsy mbola tonga ihany i Joaba.
\v 31 Avy eo dia nitsangana i Joaba ary nankany amin'i Absaloma tany an-tranony, ka nanao taminy hoe: “Nahoana no nodoran'ireo mpanomponao ny tanimbariko?”
\v 32 Dia namaly an'i Joaba i Absaloma hoe: “Indro, nandefa teny taminao aho nanao hoe: ‘Tongava aty mba hahafahako maniraka anao ho any amin'ny mpanjaka mba hilaza hoe: “Nahoana aho no niala tany Gesora? Tsara kokoa ho ahy ny mbola mijanona any. Noho izany ary dia aoka aho hijery ny tavan'ny mpanjaka, ka raha meloka aho, dia aoka izy hamono ahy.”’”
\v 2 Nifoha maraina i Absaloma ary nijoro teo amin'ny lalana mankany amin'ny vavahadin'ny tanàna. Rehefa nisy olona nanana ady ho entina eo amin'ny fitsaràn'ny mpanjaka, dia niantso azy i Absaloma ary niteny hoe: “Avy aiza ny tanàna niavianao?” Dia namaly ilay lehilahy hoe: “Avy amin'ny iray amin'ireo fokon'Israely ny mpanomponao.”
\v 3 Dia niteny taminy i Absaloma hoe: “Indro, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona nomen'ny mpanjaka fahefana hihaino ny raharahanao.”
\v 4 Dia nampian'i Absaloma hoe: “Iriako raha mba natao ho mpitsara teto amin'ny tany aho, mba ho tonga eo amiko ny olona rehetra izay manana ady na raharaha, ary hanome rariny ho azy aho!”
\v 10 Saingy avy eo dia naniraka mpitsikilo eraky ny fokon'Israely rehetra i Absaloma, niteny hoe: “Vantany vao mandre ny feon-trompetra ianareo, dia aoka hiteny hoe: ‘Absaloma no mpanjaka any Hebrona.”’
\v 21 Fa Itahy namaly ny mpanjaka ary niteny hoe: “Raha mbola velona koa Yaveh, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko, any amin'ny toerana rehetra andehanan'ny mpanjaka tokoa, dia any koa no halehan'ny mpanomponao, na midika fahavelomana izany na fahafatesana.”
\v 23 Nitomany tamin'ny feo mafy ny tanàna manontolo raha nandalo ny Lohasahan'i Kidrona ireo vahoaka, ary raha niampita ihany koa ny mpanjaka. Nandeha teny an-dalana nizotra ho any an-tany efitra ny olona rehetra.
\v 24 Na Zadoka niaraka tamin'ireo Levita rehetra, izay nilanja ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra aza dia teo. Nahidin'izy ireo ny fiaran'Andriamanitra, dia nihazo azy ireo i Abiatara. Niandry ambara-pandalon'ny vahoaka avy ao an-tanàna izy ireo.
\v 25 Hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka hoe: “Lanjao miverina any an-tanàna ny fiaran'Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason'i Yaveh aho, dia hitondra ahy hiverina Izy ary hampiseho ny fiara sy ny toerana honenany indray.
\v 26 Fa raha miteny Izy hoe: ‘Tsy mankasitraka anao Aho,’ indro, inty aho, aoka hataony amiko izay rehetra hitany fa mety Aminy.”
\v 31 Nisy olona niteny tamin'i Davida nanao hoe: “Isan'ireo mpikonokonona miaraka amin'i Absaloma i Ahitofela.” Koa nivavaka i Davida hoe: “Yaveh o, avadiho ho fahadalana re ny torohevitr'i Ahitofela.”
\v 33 Hoy i Davida taminy hoe: “Raha mandeha miaraka amiko ianao, dia ho vesatra ho ahy.
\v 34 Fa raha miverina any an-tanàna ianao ka miteny amin'i Absaloma hoe: ‘Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka, tahaka ny naha-mpanompon'ny rainao ahy tamin'ny andro taloha, dia ho mpanomponao ihany koa aho ankehitriny,’ dia hampikorontana ny torohevitr'i Ahitofela ho ahy ianao.
\v 35 Tsy manana an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona hiaraka aminao ve ianao? Koa na inona na inona renao ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, dia aoka ho lazainao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona izany.
\v 36 Ezaho tsara mba hiaraka amin'izy ireo any ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara. Aoka halefanao aty amiko amin'ny tanan'izy ireo ny zavatra rehetra izay renao.”
\v 1 Rehefa niala tsy lavitra ny tampon'ny tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Ziba mpanompon'i Mefiboseta niaraka tamin'ireo ampondra roa misy lasely; izy ireo dia nitondra mofo roanjato, sampam-boaloboka zato sy fehezan'aviavy zato, ary divay iray tavoara.
\v 2 Nilaza tamin'i Ziba ny Mpanjaka hoe: “Nahoana no nitondra ireo zavatra ireo ianao?” Namaly i Ziba hoe: “Ny ampondra dia natao ho taingenan'ny ankohonan'ny mpanjaka, ny mofo sy ny mofo mamy misy aviavy dia natao ho hanin'ireo olonao, ary ny divay dia natao ho sotroin'ireo izay torovana tany an-tany hay.”
\v 3 Hoy ny mpanjaka hoe: “Aiza ary ny zafy lahin'ny tomponao?” Namaly ny mpanjaka i Ziba: “Indro, nijanona tany Jerosalema izy, fa hoy izy hoe: ‘Anio dia ho averin'ny ankohonan'Israely amiko ny fanjakan'ny raiko.’”
\v 4 Dia niteny tamin'i Ziba ny mpanjaka hoe: “Indro, izay an'i Mefiboseta rehetra dia lasanao ankehitriny.” Namaly i Ziba hoe: “Miondrika am-panetre-tena eo anatrehanao aho, ry mpanjaka, tompoko. Aoka hahita sitraka eo imasonao aho.”
\v 6 Notorahany vato i Davida sy ireo manam-pahefan'ny mpanjaka rehetra, na dia teo aza ireo tafika sy ireo mpiambina izay teo an-kavia sy havanan'ny mpanjaka.
\v 9 Dia hoy i Abisay zanaka lahin'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka hoe: “Nahoana io alika maty io no manozona ny mpanjaka tompoko? Avelao re aho handeha ary hanapaka ny lohany.”
\v 10 Fa niteny ny mpanjaka hoe: “Mpifaninona moa izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia? Manozona ahy angamba izy satria nilaza taminy i Yaveh hoe: ‘Ozony i Davida.’ Iza izany no afaka hiteny aminy hoe: ‘Nahoana ianao no manozona ny mpanjaka?’”
\v 11 Ka hoy i Davida tamin'i Abisay sy ny mpanompony rehetra hoe: “Indro, ny zanako lahy, izay naterako, dia te-hifofo ny aiko. Koa maika fa ny fanirian'ity Benjamina ity ny amin'ny faharavako? Avelao izy ary avelao izy hanozona, satria nibaiko azy hanao izany Yaveh.
\v 12 Hijery ny fahoriana mianjady amiko angamba i Yaveh, ary hamaly soa ahy nohon'ny ozona nataony tamiko anio.”
\v 16 Ary rehefa tonga teo amin'i Absaloma, i Hosay ilay Arkita, naman'i Davida, dia nilaza tamin'i Absaloma i Hosay hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!”
\v 18 Hoy i Hosay tamin'i Absaloma hoe: “Tsia! Fa ilay iray izay nofidian'i Yaveh sy ity vahoaka ity ary ny olon'Israely rehetra kosa, no lehilahy izay hombako, ary hitoetra eo aminy aho.
\v 19 Iza ihany koa, no olona tokony ho tompoiko? Tsy tokony hanompo eo amin'ny fanatrehan'ny zanany lahy ve aho? Tahaka ny nanompoko teo amin'ny fanatrehan'ny rainao, dia hanompo eo amin'ny fanatrehanao aho.”
\v 21 Namaly an'i Absaloma i Ahitofela hoe: “Mandehana mandry miaraka amin'ireo vady mpanompon'ny rainao izay navelany hiambina ny lapa, ary ho ren'Israely rehetra fa nanamaimbo tena teo amin'ny rainao ianao. Avy eo dia hatanjaka ny tanan'ireo rehetra miaraka aminao.”
\v 23 Ary ilay torohevitra izay nomen'i Ahitofela tamin'izany andro izany dia toy ny hoe ren'olona avy tamin'ny vavan'Andriamanitra mihitsy. Izany no fahitan'i Davida sy Absaloma ny torohevitr'i Ahitofela rehetra.
\v 2 Ho tonga eo aminy aho raha mbola reraka sy malemy iny izy ary hanapoka azy amin-tahotra aho. Handositra ny vahoaka izay miaraka aminy, ary ny mpanjaka ihany no ho tafihiko.
\v 3 Ho entiko miverina aminao avokoa ny olona rehetra, toy ny vehivavy ampakarina tonga eo amin'ny vadiny, ary ny olona rehetra dia hilamina eo ambany fahefanao.”
\v 7 Dia niteny tamin'i Absaloma i Hosay hoe: “Tsy tsara ny torohevitra izay nomen'i Ahitofela tamin'ity.”
\v 8 Dia nanampy i Hosay hoe: “Fantatrao fa mpiady mahery ny rainao sy ireo lehilahiny, ary masiaka izy ireo, ary toy ny bera very anaka any an-tsaha. Lehilahy mpiady ny rainao; tsy hatory miaraka amin'ny tafika izy anio alina.
\v 9 Indro, mety miafina any an-davaka na any an-toeran-kafa izy izao. Rehefa misy maty eo am-panombohan'ny fanafihana ny lehilahinao sasany, na iza na iza mandre izany dia hiteny hoe: ‘Misy famonoana mitranga eo amin'ireo miaramila izay manaraka an'i Absaloma.’
\v 10 Ka na dia ireo miaramila be herim-po indrindra aza, izay tahaka ny fon'ny liona ny fon'izy ireo, dia hatahotra satria fantatry ny Israely rehetra fa lehilahy mahery ny rainao, ary ireo lehilahy miaraka aminy dia tena matanjaka.
\v 11 Noho izany dia manoro hevitra anao aho fa tokony havory miaraka eto aminao ny Israely rehetra, manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba, izay maro isa toy ny fasika eo amoron-dranomasina, ary ny tenanao mihitsy no andeha hiady.
\v 12 Avy eo dia ho tonga eo aminy izahay na aiza na aiza mety hahitana azy, ary handrakotra azy tahaka ny ando mianjera amin'ny tany izahay. Tsy misy avelanay ho velona na dia iray amin'ireo olony, na izy tenany aza.
\v 13 Raha misintaka any amin'ny tanàna iray izy, dia hitondra tady ho any amin'izany tanàna izany ny Israely rehetra ka ho tarihinay ho any an-drenirano izany, mandra-pahatsisy na dia vato kely iray aza hita ao.”
\v 14 Dia hoy i Absaloma sy ireo lehilahin'Israely hoe: “Ny torohevitr'i Hosay ilay Arkita dia tsara kokoa noho ny an'i Ahitofela.” Yaveh dia nampisy fandavana ny torohevitra tsaran'i Ahitofela mba hitondrana loza eo amin'i Absaloma.
\v 17 Ary i Jonatana sy Ahimaza nitoetra teo amin'ny loharanon'i En-rogela. Nisy mpanompo vavy natao handeha sy hampahalala azy ireo ny amin'izay tokony ho fantatr'izy ireo, fa tsy natahorana ho hita ny fidiran'izy ireo ao an-tanàna. Rehefa tonga ny hafatra, dia nandeha sy niteny an'i Davida Mpanjaka izy ireo.
\v 18 Nefa nisy tovolahy nahita azy ireo tamin'io fotoana io ka niteny tamin'i Absaloma. Dia nivoaka faingana i Jonatana sy Ahimaza ary nankany an-tranon'ny lehilahy iray tao Bahorima, izay nanana lava-drano teo an-tokontaniny, tao no nidinan'izy ireo.
\v 19 Naka fandrakofana ilay lava-drano ny vadin-dralehilahy ary nandrakotra izany tamin'ny vavan'ny lava-drano, ary nanaparitaka vary teo amin'izany, ka dia tsy nisy nahalala fa tao amin'ny lava-drano i Jonatana sy Ahimaza.
\v 20 Tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ireo lehilahin'i Absaloma ary nanao hoe: “Aiza i Ahimaza sy Jonatana?” Hoy ravehivavy tamin'izy ireo hoe: “Efa niampita ny ony izy ireo.” Ka rehefa avy nijery ny manodidina izy ireo ka tsy nahita azy ireo, dia niverina tany Jerosalema.
\v 21 Ary rehefa lasa izy ireo dia niakatra avy tao an-dava-drano i Jonatana sy Ahimaza. Nandeha nitatitra tany amin'i Davida Mpanjaka izy ireo; hoy izy ireo taminy hoe: “Mitsangàna ary miampità faingana ny rano satria Ahitofela efa nanome torohevitra toy izao sy toy izao momba anao.”
\v 24 Avy eo i Davida dia tonga tany Mahanaima. Raha ny amin'i Absaloma, dia niampita an'i Jordana izy, izy sy ireo lehilahin'Israely rehetra niaraka taminy.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo avara-pianarana dia tsy miombon- kevitra fa na ny teny faritana hoe Jitra dia tokony hoe “Ismaelita” toy ny ao amin'ny dikan-teny Grika taloha sasany, na hoe “Israelita” toy ny ao amin'ny lahatsoratra Hebreo taloha. Ireo avara-pianarana sasany dia mino fa fahadisoan'ny mpanao dika soratra amin'ny Hebreo ny hoe “Israelita.” Ny hoe “Ismaelita” dia teny nampiasaina amin'ny andalan-teny mitovy (jereo 1Kor 2: 17), na ao amin'ireo lahatsoratra Hebreo taloha na Grika. \f* izay nandry niaraka tamin'i Abigaila, izay zanaka vavin'i Nahasa ary rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.
\v 27 Ary rehefa tonga tao Mahanaima i Davida, i Soby zanaka lahin'i Nahasa avy ao Raba ao amin'ireo Amonita, sy Makira zanaka lahin'i Amiela avy ao Lo-debara, ary Barzilay ilay Gileadita avy any Rogelima,
\v 28 dia nitondra fandriana sy bodofotsy, lovia sy vilany, sy vary, kobam-bary hordea, lango, tsaramaso, voanemba,
\v 3 Fa hoy ireo lehilahy hoe: “Aoka tsy handeha amin'ny ady ianao, fa raha mandositra amin'ny ady izahay dia tsy hiraharaha izay momba anay izy ireo, na raha maty ny antsasakay dia tsy hiraharaha izy ireo. Fa ianao dia mendrika ny iray alina aminay! Noho izany dia tsara raha vonona hanampy anay avy aty amin'ny tanàna ianao.”
\v 4 Ka namaly azy ireo ny mpanjaka hoe: “Ho ataoko izay mety ho tsara aminareo.” Dia nitsangana teo amin'ny vavahady ny mpanjaka mandra-pivoaka isan-jatony sy isan'arivony ny tafika.
\v 9 Ary nifanehatra tamin'ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida i Absaloma. Nitaingina ny ampondrany izy, ary nandeha tao ambany sampana matevin'ny hazo terebinta lehibe ny ampondrany, ka voahazona tao amin'ny rantsan'ny hazo ny lohany. Tavela nikiraviravy teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra izy raha lasa ny ampondra notaingenany.
\v 12 Namaly an'i Joaba ilay olona hoe: “Na dia nandray sekela volafotsy arivo aza aho, dia mbola tsy haninjitra ny tanako amin'ny zanaky ny mpanjaka, satria renay rehetra fa ny mpanjaka dia nibaiko anao, an'i Abisay, sy an'Itahy, nanao hoe: ‘Aoka tsy hisy na iza na iza hikasika an'ilay tovolahy dia i Absaloma.’
\v 13 Raha nahafoy ny aiko tamin'ny lainga aho (ary tsy misy zavatra miafina amin'ny mpanjaka), dia mety ho nanary ahy ianao.”
\v 14 Dia hoy i Joaba hoe: “Tsy hiandry anao aho.” Ka naka lefona telo teny an-tanany i Joaba ary nandetika ireo tao amin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona sy nihantona teo amin'ny hazo terebinta izy.
\v 16 Avy eo i Joaba nitsoka ny trompetra, ary niverina avy tamin'ny fanenjehana an'Israely ny tafika, satria i Joaba no nifehy ny tafika.
\v 17 Nalain'izy ireo i Absaloma ka natsipin'izy ireo tany anaty lavaka lehibe tao an'ala; nalevin'izy ireo tao ambany antontam-bato lehibe ny vatany, raha toa ka nandositra ny Israely rehetra, ny olon-drehetra ho any an-tranony avy.
\v 18 Ary i Absaloma, raha mbola velona, dia nanangana antontam-bato lehibe tao amin'ny Lohasahan'ny Mpanjaka ho azy, fa hoy izy hoe: “Tsy manan-janaka lahy hitondra ny anarako aho.” Nomeny ny anarany ilay antontam-bato, ka tamin'io andro io ihany dia nantsoina hoe: Tsangam-baton'i Absaloma izany.
\v 29 Ka namaly ny mpanjaka hoe: “Mety tsara ve ny amin'ilay tovolahy Absaloma?” Namaly i Ahimaza hoe: “Rehefa nandefa ahy, mpanompon'ny mpanjaka, hakaty aminao i Joaba, ry mpanjaka, dia nahita korontana lehibe aho, fa tsy fantatro hoe inona izany.”
\v 31 Dia tonga teo no ho eo ilay Kosita ka niteny hoe: “Misy vaovao mahafaly ho anao ry mpanjaka tompoko, fa ankehitriny Yaveh dia namaly faty anao tamin'ireo rehetra izay nitsangana nanohitra anao.”
\v 33 Dia ketraka fatratra ny mpanjaka, ka niakatra tany amin'ny efitrano ambonin'ny vavahady izy ary nitomany. Sady nandeha izy no nitaraina hoe: “Absaloma zanako, ny zanako, Absaloma zanako! Tokony ho izaho no maty fa tsy ianao, ry Absaloma, ny zanako, ny zanako!”
\v 1 Nolazaina tamin'i Joaba hoe: “Indro, mitomany sy misaona ho an'i Absaloma ny mpanjaka.”
\v 2 Ka dia nivadika fisaonana ho an'ny tafika rehetra ilay fandresena tamin'io andro io, fa ny tafika nahare izany tamin'io andro io hoe: “Misaona ho an'ny zanany lahy ny mpanjaka.”
\v 5 Ary niditra tao an-trano tao amin'ny mpanjaka i Joaba ary niteny taminy hoe: “Nanala baraka ireo tavan'ny miaramilanao rehetra anio, izay nanavotra ny ainao androany, ny ain'ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy, sy ny ain'ireo vadinao ary ny ain'ireo vadin'ny andevonao ianao,
\v 6 satria ianao dia tia ireo izay mankahala anao, ary mankahala ireo izay tia anao. Fa androany dia nasehonao fa tsinontsinona aminao ireo mpifehy sy miaramila. Ankehitriny dia mino aho fa raha velona i Absaloma, ary maty daholo isika, dia ho nahafaly anao izany.
\v 8 Koa nitsangana ny mpanjaka ary nipetraka teo am-bavahadin'ny tanàna, ary ny vahoaka rehetra nilazana hoe: “Indro, mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka,” ary nankeo anoloany ny vahoaka rehetra. Dia nitsoaka ny Israely, samy nankany an-tranony avy ny olona rehetra.
\v 9 Ary ny vahoaka rehetra niady hevitra ny amin'ny fokon'Israely rehetra nanao hoe: “Namonjy antsika teo an-tanan'ireo fahavalontsika ny mpanjaka, ary nanavotra antsika teo an-tanan'ireo Filistina izy, fa ankehitriny dia nitsoaka ny tany izy noho i Absaloma.
\v 10 Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka teto amintsika, dia efa maty tany an'ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny na inona na inona ny amin'ny fampodiana ny mpanjaka?”
\v 11 Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona nanao hoe: “Ilazao ireo loholon'i Joda hoe: ‘Nahoana no ianareo indray no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka any amin'ny lapany, nefa ny resaky ny Israely rehetra dia mankasitraka ny mpanjaka, mba hitondra azy hiverina any amin'ny lapany?
\v 12 Rahalahiko ianareo, nofoko sy taolako. Koa nahoana no ianareo indray no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?’
\v 13 Ary ilazao i Amasa hoe: ‘Moa ve ianao tsy nofoko sy taolako? Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy kapitenin'ny tafiko eo amin'ny toeran'i Joaba ianao manomboka izao.”
\v 15 Dia niverina ny mpanjaka ka tonga teo amin'ny Jordana. Ary ny vahoakan'i Joda tonga teo Gilgala mba hitsena ny mpanjaka ary avy eo hitondra ny mpanjaka hiampita ny jordana.
\v 16 Simey zanaka lahin'i Gera, ilay Benjamita, izay avy any Bahorima, dia nidina faingana niaraka tamin'ny vahoakan'i Joda mba hitsena an'i Davida Mpanjaka.
\v 17 Nisy arivo lahy avy any Benjamina niaraka taminy, ary Ziba ilay mpanompon' i Saoly, sy ireo zanany lahy dimy ambin'ny folo ary ireo mpanompony roapolo niaraka taminy. Niampita ny jordana teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
\v 18 Niampita mba hitondra ny fianakavian'ny mpanjaka sy hanao izay rehetra noheveriny fa tsara izy ireo. Niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka i Simey zanaka lahin'i Gera mialohan'ny hiampitany ny Jordana.
\v 19 Hoy i Simey tamin'ny mpanjaka hoe: “Tsia, ry tompoko, aza manameloka ahy na mahatsiaro izay nataon'ny mpanomponao tamim-pahamafisan-doha tamin'ny andro nialan'ny mpanjaka tompoko tao Jerosalema. Miangavy, aoka tsy handray izany am-po anie ny mpanjaka.
\v 20 Fa ireo mpanomponao dia mahalala fa efa nanota aho. Indro, izany no antony nahatongavako voalohany tamin'ireo fianakavian'i Josefa rehetra androany mba hidina hitsena ny mpanjaka tompoko.”
\v 22 Ary i Davida niteny hoe: “Moa mpifaninona izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia, no tokony ho mpanohitra ahy ianareo ankehitriny? Tokony hisy lehilahy ho vonoina ve eto Israely anio? Fa moa tsy fantatro ve fa izaho no mpanjakan'Israely anio?”
\v 23 Koa niteny tamin'i Simey ny mpanjaka hoe: “Tsy ho faty ianao.” Dia nampanantena azy tamim-pianianana ny mpanjaka.
\v 24 Ary Mefiboseta zanaka lahin'i Saoly nidina mba hitsena ny mpanjaka. Tsy nanisy kapa ny tongony izy, na nanala ny volom-bavany, na nanasa ireo lambany nanomboka tamin'ny andro nandehanan'ny mpanjaka ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara tao an-trano.
\v 25 Koa rehefa tonga avy tany Jerosalema izy mba hitsena ny mpanjaka, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: “Nahoana ianao no tsy niaraka tamiko, ry Mefiboseta?”
\v 27 Ziba mpanompoko dia efa nanendrikendrika ahy, mpanomponao, tamin'ny mpanjaka tompoko. Fa ny mpanjaka tompoko dia toy ny anjelin'Andriamanitra. Noho izany, ataovy izay tsara eo imasonao.
\v 31 Ary Barzilay ilay Gileadita dia nidina avy any Rogelima mba hiampita ny Jordana miaraka amin'ny mpanjaka, ary nanatitra ny mpanjaka niampita ny Jordana izy.
\v 32 Barzilay dia lehilahy efa tena antitra, valopolo taona. Efa nanome vatsy ny mpanjaka izy fony izy nipetraka tao Mahanaima, satria lehilahy tena mpanefoefo izy.
\v 35 Valopolo taona aho. Mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ve aho? Mahavita mihinana izay haniko sy sotroiko ve ny mpanomponao? Moa ve aho mahare ny feon'ny mpihira lahy sy mpihira vavy intsony? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho vesatra ho an'ny mpanjaka tompoko?
\v 36 Te-hiampita an'i Jordana miaraka amin'ny mpanjaka fotsiny ny mpanomponao. Koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy tahaka izany?
\v 37 Aoka re ny mpanomponao hody, mba ho faty any amin'ny tanànako eo akaikin'ny fasan'ny raiko sy ny reniko aho. Fa indro, inty i Kimama mpanomponao. Aoka izy hiara-mita amin'ny tompoko mpanjaka, ary ataovy aminy izay heverinao fa tsara aminao.”
\v 38 Dia namaly ny mpanjaka hoe: “Hiara-mita amiko i Kimama, ary hataoko aminy izay heverinao fa tsara, ary na inona na inona irinao aty amiko, dia hataoko izany ho anao.”
\v 39 Ary dia niampita an'i Jordana ny vahoaka rehetra, niampita ny mpanjaka, dia nanoroka an'i Barzilay izy ary nitso-drano azy. Dia nody tany an-tranony i Barzilay.
\v 40 Dia nita an'i Gilgala ny mpanjaka, ary Kimama nita niaraka taminy. Ny tafik'i Joda rehetra dia nitondra ny mpanjaka niampita, ary koa ny antsasa-tafiky ny Israely.
\v 42 Dia namaly ny lehilahin'Israely ny lehilahin'i Joda hoe: “Izany dia satria ny mpanjaka akaiky anay kokoa. Koa nahoana ianareo no tezitra amin'izany? Efa nandany izay novidin'ny mpanjaka ve izahay? Efa nanome fanomezana ho anay ve izy?”
\v 43 Dia namaly ny lehilahin'i Joda ny lehilahin'Israely hoe: “Manana foko folo mifandray amin'ny mpanjaka izahay, noho izany manan-jo kokoa ny amin'i Davida noho ianareo izahay. Koa nahoana ianareo no manao tsinontsinona anay? Moa ve tsy ny tolo-kevitray ny amin'ny hitondrana ny mpanjakanay hiverina no rè voalohany?” Fa ireo tenin'ny lehilahin'i Joda dia mahery kokoa noho ireo tenin'ny lehilahin'Israely.
\v 6 Ka hoy i Davida tamin'i Abisay hoe: “Ankehitriny i Seba zanaka lahin'i Bikry dia hanao ratsy antsika mihoatra noho ny nataon'i Absaloma. Ento ireo mpanompon'ny tomponao, ireo miaramilako, ka enjeho izy, raha tsy izany hahita tanàna mimanda izy ka tsy ho hitantsika.”
\v 9 Ka hoy i Joaba tamin'i Amasa hoe: “Salama tsara ve ianao, ry rahalahiko? Noraisin'i Joaba tamim-pitiavana tamin'ny tanany havanana ny volombavan'i Amasa mba horohany.
\v 12 Nihosona ny ràny teo afovoan'ny lalana i Amasa. Rehefa hitan'ilay lehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalana ho any amin'ny saha i Amasa. Nosaromany lamba teo amboniny satria hitany fa izay olona mandalo eo aminy dia mijanona.
\v 13 Rehefa avy nesorina teo amin'ny lalana i Amasa, dia nanaraka an'i Joaba hanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry ny lehilahy rehetra.
\v 14 Seba dia namakivaky ireo fokon'Israely rehetra tany Abela any Beti-maka, sy nanerana ny tanin'ny Berita rehetra, izay niangona ary nanenjika an'i Seba ihany koa.
\v 15 Tratra izy ka nataon'izy ireo fahirano tany Abela tany Beti-maka. Nanandratra tovo-tany iray manoloana ny manda teo amin'ny tanàna izy ireo. Ny tafika rehetra izay nanaraka an'i Joaba dia nandrava ny manda mba hampianjera izany.
\v 16 Avy eo dia nisy vehivavy hendry iray niantso ny tao an-tanàna hoe: “Henoy, mba henoy re, ry Joaba! Mankanesa eto akaikiko mba ho afaka hiresaka aminao aho.”
\v 17 Ka nanatona azy i Joaba, hoy ilay vehivavy hoe: “Ianao ve no Joaba?” Dia namaly izy hoe: “Izaho no izy.” Ary hoy izy taminy hoe: “Henoy ny tenin'ny mpanomponao.” Dia namaly izy hoe: “Mihaino aho.”
\v 18 Dia hoy izy hoe: “Fitenin'ireo taloha ny hoe: ‘Mitadiava hevitra any amin'i Abela,’ ary izany hevitra izany no hampitsahatra ny olana.
\v 19 Izahay dia tanàna iray amin'ireo izay tena milamina sy mahatoky indrindra eto Israely. Mikasa hamotika tanàna iray izay reny eto Israely ianao. Nahoana ianao no mitady hihinana ny lovan'i Yaveh?”
\v 20 Ka namaly i Joaba ary niteny hoe: “Sanatria, dia sanatria amiko, ny haka na hanimba.
\v 21 Tsy marina izany. Fa misy lehilahy iray avy any amin'ny tany havoan'i Efraima, antsoina hoe Seba zanaka lahin'i Bikry, nanandratra ny tanany hanohitra ny mpanjaka, hanohitra an'i Davida. Izy irery no atolory, dia hiala eto amin'ny tanàna aho.” Hoy ravehivavy tamin'i Joaba hoe: “Ho atsipy eo aminao hihoatra ny manda ny lohany.
\v 22 Ary tamim-pahendreny no nanatonan'ilay vehivavy ny olon-drehetra. Notapahan'izy ireo ny lohan'i Seba zanaka lahin'i Bikry ary natsipin'izy ireo teo amin'i Joaba. Avy eo nitsoka ny trompetra izy ary nandao ny tanàna ireo lehilahin'i Joaba, ny lehilahy rehetra ho any an-tranony avy. Avy eo i Joaba dia niverina tany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
\v 4 Namaly azy ireo Gibeonita hoe: “Tsy resaka volafotsy na volamena eo aminay sy Saoly na ny fianakaviany izany. Tahaka izany koa no tsy hamonoanay olona ao Israely.” Dia namaly i Davida hoe: “Inona no lazainareo fa tokony hataoko ho anareo?”
\v 5 Namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: “Ilay lehilahy izay niezaka hamono anay rehetra, izay nanao tetika hanoherana anay, mba ho potika izahay izao ary tsy hanana toerana ao amin'ireo sisin-tanin'Israely—
\v 6 aoka hisy lehilahy fito avy amin'ny taranany hatolotra anay, ary hanantona azy ireo eo anatrehan'i Yaveh any Gibean'i Saoly, ilay iray nosafidian'i Yaveh izahay.” Dia hoy ny mpanjaka hoe: “Homeko anareo izy ireo.”
\v 15 Avy eo ireo Filistina dia nandeha niady tamin'Israely indray. Noho izany dia nidina niaraka tamin'ny tafiny i Davida ary niady nanohitra an'ireo Filistina. Reraky ny ady i Davida.
\v 19 Dia nisy ady indray tamin'ireo Filistina tao Goba, izay namonoan'i Elanana zanaka lahin'i Jare ilay Betlehemita an'i Goliata ilay Gatita, izay toy ny vodi-tenon'ny mpanenona ny lefony.
\v 3 Andriamanitra no vatolampiko. Mialoka eo aminy aho. Izy no fiarovako, ilay tandroky ny famonjena ahy, fiarovana mafy ho ahy, sy fialofako, ilay Iray izay manavotra ahy amin'ny herisetra.
\v 7 Tamin'ny fahoriako no niantsoako an'i Yaveh; niantso an'Andriamanitro aho; nandre ny feoko avy tao an-tempoliny Izy, ary tonga teo an-tsofiny ny antso vonjiko.
\v 16 Avy eo dia niseho ny fantson-drano; niharihary tamin'ny hiakan'adin'i Yaveh ny fanambanin'izao tontolo izao, tamin'ny fipoahan'ny fofon'ain'ny vavorony.
\v 26 Ho an'ny iray izay mahatoky, mampiseho ny tenanao ho mahatoky Ianao; ho an'ny olona izay tsy manan-tsiny, dia mampiseho ny tenanao ho tsy manan-tsiny Ianao.
\v 51 Andriamanitra manome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany, ary mampiseho ny tsy fivadiham-panekeny amin'ilay voahosony Izy, ho an'i Davida sy ho an'ny taranany mandrakizay.”
\v 5 Eny tokoa, tsy tahaka izany eo anatrehan'Andriamanitra ve ny ankohonako? Tsy efa nanao fanekena mandrakizay, voalahatra sy azo antoka amin'ny fomba rehetra tamiko ve Izy? Moa tsy mampitombo ny famonjena ahy sy manatanteraka ny faniriako rehetra ve Izy?
\v 7 Ny olona izay mikasika azy ireo dia tsy maintsy mampiasa fitaovana vita amin'ny vy na zana-tsipikan-defona. Tsy maintsy dorana eo amin'izay itoerany ireny.’”
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho “Josebala,” dia ny dikan-teny sasany manao hoe “Joseba-basebata,” “Jasobima,” “Isbala,” na “Isboseta.” Ireo rehetra ireo dia mety anarana iray ihany. \f*
\v 15 Nitady rano i Davida ka hoy izy hoe: “Raha mba misy olona manome ahy rano ho sotroina avy amin'ny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano eo akaikin'ny vavahady izao!”
\v 16 Koa dia namakivaky ny tafiky ny Filistina ireo telo lahy mahery ireo ary naka rano avy tao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, ilay lava-drano eo akaikin'ny vavahady. Nalain'izy ireo ny rano ary nentiny tany amin'i Davida, kanefa nandà ny hisotro izany izy. Fa nararany ho an'i Yaveh kosa izany.
\v 17 Avy eo dia hoy izy hoe: “Ry Yaveh, sanatria, raha anao izany aho. Tokony hisotro ny ràn'ireo lehilahy izay nanao sorona ny ainy ve aho?” Ka dia nandà ny hisotro izany izy. Ireo zavatra ireo no nataon'ireo telo lahy mahery.
\v 2 Niteny tamin'i Joaba mpifehy ny tafika, izay niaraka taminy ny mpanjaka hoe: “Mandehana manerana ny fokon'Israely rehetra, manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba, ary isao ny olona rehetra, mba hahafantarako ny fitambaran'ny isan'ireo lehilahy sahaza ho an'ny ady.”
\v 3 Hoy i Joaba tamin'ny mpanjaka hoe: “Afaka mampitombo ny isan'ny vahoaka injato ve Yaveh Andriamanitrao, ary afaka mijery ny fitrangan'izany ve ny mason'ny mpanjaka tompoko. Nefa nahoana no maniry izany ny mpanjaka tompoko?”
\v 4 Na dia izany aza, ny tenin'ny mpanjaka dia nanohitra an'i Joaba sy nanohitra ireo mpifehy ny tafika ny farany. Ka nivoaka teo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka i Joaba sy ireo mpifehy mba hanisa ny vahoakan'Israely.
\v 5 Niampita an'i Jordana ary nitoby tao akaikin'i Aroera, atsimon'ny tanàna any an-dohasaha izy ireo. Dia nandroso hatrany Gada ka hatrany Jazera izy ireo.
\v 6 Tonga tany Gileada sy tany amin'ny tanin'i Tatima-hodsy izy ireo, avy eo dia tany Danajana ary nanodidina hatrany Sidona.
\v 7 Tonga tany amin'ny fiarovana mafin'i Tyro sy ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra izy ireo. Avy eo dia nivoaka nankany Negeva any Joda ao Beri-sheba izy ireo.
\v 9 Dia nitatitra ny fitambaran'isan'ireo lehilahy mpiady tany amin'ny mpanjaka i Joaba. Nisy lehilahy be herim-po 800.000 izay nanatsoaka sabatra tao amin'Israely, ary ireo lehilahin'i Joda dia lehilahy 500.000.
\v 13 Dia nankany amin'i Davida i Gada ka niteny taminy hoe: “Mosary telo taona ve no ho tonga aminao ao amin'ny taninao? Sa handositra telo volana ireo fahavalonao ve ianao raha manenjika anao izy ireo? Sa hisy areti-mandringana telo andro ao amin'ny taninao? Ankehitriny manapaha hevitra ny amin'izay valiny tokony havaliko Azy ilay naniraka ahy.”
\v 14 Dia hoy i Davida tamin'i Gada hoe: “Ao anaty fikorontanana tanteraka aho. Aoka isika ho lavo eo an-tanan'i Yaveh toy izay eo an-tanan'ny olona, satria tena lehibe ny famindram-pony.”
\v 15 Ka nandefa ny areti-mandringana teo amin' Israely nanomboka ny maraina ka hatramin'ny fotoana voatondro i Yaveh, ary olona fito alina no maty nanomboka tao Dana ka hatrany Beri-sheba.
\v 17 Dia niresaka tamin'i Yaveh Davida rehefa nahita ny anjely izay namely ny vahoaka, ary nanao hoe: “Efa nanota aho, ary ratsy fitondran-tena. Nefa ireo ondry ireo, inona no nataony?” Aoka re mba izaho sy ny ankohonan-draiko no ho sazian'ny tananao!”
\v 18 Avy eo dia tonga teo amin'i Davida tamin'io andro io i Gada ary niteny taminy hoe: “Miakara ary manamboara alitara ho an'i Yaveh eo am-pamoloan'i Araona ilay Jebosita.”
\v 21 Dia hoy i Araona hoe: “Nahoana no tonga eto amiko, mpanompony, ny mpanjaka tompoko?” Namaly i Davida hoe: “Hividy ny famoloanao, mba hahafahako manamboatra alitara ho an'i Yaveh, mba hialan'ny areti-mandringana eo amin'ny vahoaka.”
\v 25 Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh tao Davida ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo amin'izany. Dia nitalaho tamin'i Yaveh ho an'ny tany izy ireo, ka nampitsahatra ny areti-mandringana nanerana an'Israely Izy.