\v 2 Nanana vady anankiroa izy, ny voalohany dia i Hana, ary ny anaran'ilay faharoa dia i Penina. Nanan-janaka i Penina, fa i Hana kosa tsy mba nanana.
\v 3 Io lehilahy io dia isan-taona no niala avy any amin'ny tanànany mba hanompo sy hanao sorona ho an'i Yaveh tompon'ny maro ao Silo. Tao ireo zanaka roa lahin'i Ely, Ofnia sy Finehasa, mpisoron'i Yaveh.
\v 4 Rehefa tonga ny anjara andro hanaovan'i Elkana sorona isan-taona, dia nanome ampahana hena an'i Penina vadiny lalandava izy, ary ho an'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy rehetra.
\v 5 Fa ho an'i Hana kosa dia ampahany roa foana no nomeny azy, satria tiany i Hana, na dia efa nataon'i Yaveh momba aza izy.
\v 6 Nihantsy azy fatratra ny rafivaviny mba haharangitra azy, satria Yaveh nahamomba azy.
\v 7 Koa isan-taona, rehefa niakatra tany an-tranon'i Yaveh izy mbamin'ny fianakaviany, dia nihantsy azy hatrany ny rafivaviny. Noho izany dia nitomany sy tsy nihinana na inona na inona izy.
\v 8 Fa i Elkana vadiny niteny taminy mandrakariva hoe: “Hana, nahoana ianao no mitomany? Nahoana ianao no tsy misakafo? Nahoana ny fonao no malahelo? Tsy tsara aminao noho ny zanaka lahy folo ve aho?
\v 15 Hana namaly hoe: “Tsia tompoko, vehivavy ory am-panahy aho. Tsy nisotro aho na divay na zava-mahamamo, fa mamboraka ny ato anatiko eto anatrehan'i Yaveh aho.
\v 16 Aza heverina ho vehivavy tsy misy henatra ny mpanomponao; niteny tamin'ny haben'ny fahoriako sy ny fihantsiana ahy aho.”
\v 18 Hoy ilay vehivavy: “Aoka hahita sitraka eo imasonao ny mpanomponao.” Dia nandeha tamin'ny lalany ravehivavy ka nihinana; tsy nalahelo intsony ny endriny.
\v 20 Rehefa tonga ny fotoana, dia nitoe-jaza i Hana ary niteraka zaza lahy. Niantso ny anarany hoe: Samoela izy, nanao hoe: “Satria avy tamin'i Yaveh no nangatahako azy.”
\v 22 Fa i Hana kosa tsy nandeha; efa niteny tamin'ny vadiny izy hoe: “Tsy handeha aho mandra-pisara-nono ny zazakely; ary ho entiko izy, mba hahafahany miseho eo anatrehan'i Yaveh ary hitoetra any mandrakizay.”
\v 3 Aza mirehareha loatra intsony; aoka tsy ho aloaky ny vavanao ny fiavonavonana. Fa Yaveh no Andriamanitry ny fahalalana; amin'ny alalany no handanjana ny asa.
\v 5 Ireo izay voky dia nikarama mofo; ireo izay noana dia nitsahatra tamin'ny hanoanana. Na ny momba aza miteraka fito, fa ny vehivavy manan-janaka maro kosa dia mivalaketraka.
\v 9 Ho ambenany ny tongotry ny olony mahatoky, fa ny ratsy fanahy kosa dia hampanginina any amin'ny aizim-pito, satria tsy misy handresy amin'ny hery.
\v 10 Ireo izay manohitra an'i Yaveh dia ho potipotika; hampikotrok'orana avy any an-danitra hanohitra azy ireo Izy. Yaveh no hitsara ny ny faran'ny tany rehetra; hanome hery ny mpanjakany Izy ary hanandratra ny tandrok'ilay voahosony.”
\v 13 Ny fanaon'ny mpisorona miaraka amin'ireo vahoaka rehefa nisy lehilahy nanolotra sorona, dia manatona ny mpanompon'ny mpisorona ka mitondra fitrebika telo rantsana eny an-tanany, raha mbola mangotraka ny hena.
\v 14 Hatsindrony ao anaty lasitra izany, na fandrahoana hena, na vilany, na vilanibe. Ireo rehetra azon'ny fitrebika ao dia alain'ny mpisorona ho azy. Nataon'izy ireo tao Silo niaraka tamin'ireo Israelita rehetra izay tonga tao izany.
\v 15 Ratsy lavitra aza, mialohan'ny nandoran'izy ireo ny jabora, dia tamy ny mpanompon'ny mpisorona, ary niteny tamin'ilay lehilahy izay nanao ny sorona hoe: “Omeo hena ho atsatsika ny mpisorona, fa tsy hanaiky hena nandrahoina avy aminao izy, fa ny manta ihany.”
\v 16 Raha miteny aminy ilay lehilahy hoe, “Tsy maintsy doran'izy ireo aloha ny jabora, ary avy eo dia afaka maka betsaka araka izay tinao ianao.” Dia valiany hoe: “Tsia, fa omenao izao ankehitriny izao ihany izany; fa raha tsy izany, dia ho alaiko an-keriny izany.”
\v 21 Nanampy an'i Hana indray i Yaveh, ka nitoe-jaza indray izy. Niteraka telo lahy sy roa vavy izy. Nandritra izany fotoana izany, dia nitombo teo anatrehan'i Yaveh i Samoela zaza.
\v 28 Nofidiko tanatin'ireo fokon'Israely rehetra izy mba ho mpisoroko, mba hiakatra eny amin'ny alitarako, ary mba handoro ny ditin-kazo manitra, mba hiakanjo efoda manoloana Ahy. Nomeko ho an'ny taranaky ny razambenao ireo fanatitra rehetra nataon'ny vahoakan'ny Israely tamin'ny afo.
\v 30 Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, miteny hoe: ‘Nampanantena Aho fa ny taranakao, sy ny ankohonan'ny razambenao, dia handeha eo anatrehako mandrakizay.’ Nefa ankehitriny kosa dia hoy Yaveh: ‘Sanatria Amiko ny hanao izany, izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, fa izay manao tsinontsinona Ahy kosa no ho tsinontsinoaviko.
\v 31 Indro, ho avy ny andro izay hanapahako ny herinao sy ny herin'ny ankohonan'ny razambenao, ka tsy hisy lehilahy ho tratra antitra intsony amin'ny taranakao.
\v 32 Hahita fahoriana eny amin'izay toerana honenako ianao. Na dia omena soa aza ny Israely, dia tsy hisy lehilahy ho tratra antitra intsony amin'ny taranakao.
\v 33 Ny sasany aminareo izay tsy ho esoriko amin'ny alitarako, dia ho ataoko pahina ny masonareo, ary ahatonga alahelo ny amin'ny fiainanareo Aho. Ireo lehilahy rehetra izay teraka ao amin'ny fianakavianareo dia ho faty.
\v 34 Izao no famantarana ho anao izay hanjo ireo zanakao roa lahy, amin'i Hofinia sy Finehasa: Samy ho faty amin'ny andro iray izy miralahy ireo.
\v 35 Hanangana mpisorona mahatoky ho an'ny tenako izay hanatanteraka ny ao am-poko sy ny ao amin'ny fanahiko Aho. Hanorina trano azo antoka ho azy Aho; ary handeha eo anoloan'ny mpanjaka izay voahosotro mandrakizay izy.
\v 2 Tamin'izany fotoana izany, Ely, izay efa nanomboka pahina masony ka tsy mahita tsara, dia nandry teo am-pandriany.
\v 3 Mbola tsy maty ny fanilon'Andriamanitra, ary nandry mba hatory tao amin'ny tempolin'i Yaveh i Samoela, tao amin'izay nisy ny fiaran'Andriamanitra.
\v 8 Niantso an'i Samoela fanintelony indray i Yaveh. Nitsangana indray i Samoela ary nankany amin'i Ely sy niteny hoe: “Inty aho, fa niantso ahy ianao.” Dia fantatr'i Ely fa i Yaveh no niantso ilay zazalahy.
\v 9 Dia hoy i Ely tamin'i Samoela: “Mandehana ary miverena mandry; raha mbola miantso anao indray Izy, dia tsy maintsy milaza ianao hoe: “Mitenena, ry Yaveh, fa mihaino ny mpanomponao.”’ Ka nandeha i Samoela ary nandry tamin'ny toerany indray.
\v 10 Tonga i Yaveh ka nitsangana; niantso tahaka ny tamin'ireo fotoana hafa hoe: “Samoela, Samoela.” Dia hoy i Samoela hoe: “Mitenena, ry Yaveh, fa mihaino ny mpanomponao.”
\v 14 Noho izany dia nianiana tamin'ny ankohonan'i Ely Aho fa ireo fahotan'io ankohonana io dia tsy ho voahonitra amin'ny sorona na fanatitra mihitsy.”
\v 15 Nandry mandra-maraina i Samoela; dia nanokatra ny varavaran'ny tranon'i Yaveh izy. Fa natahotra ny hilaza tamin'i Ely momba ny fahitana i Samoela.
\v 18 Dia nolazain'i Samoela taminy ny zava-drehetra; tsy nanafina na inona na inona taminy izy. Hoy i Ely: “Izy no Yaveh. Avelao Izy hanao izay mety hoe tsara Aminy.”
\v 3 Rehefa niditra tao an-toby ny vahoaka, dia hoy ireo loholon'Israely hoe: “Nahoana Yaveh no naharesy antsika teo anatrehan'ireo Filistina androany? Andeha ho entintsika avy any Siloha hankaty ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, mba hiaraka amintsika aty izany, ka hiaro antsika amin'ny tanan'ireo fahavalontsika.”
\v 4 Koa dia naniraka lehilahy nankany Siloha ny vahoaka; avy any no nitondran'izy ireo ny fiaran'ny faneken'i Yaveh tompon'ny maro, izay mipetraka ambonin'ny kerobima. Teo niaraka tamin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra ireo zanak'i Ely roa lahy, dia i Hofinia sy Finehasa.
\v 6 Rehefa ren'ireo Filistina ny kotaban'ny hiakiaka, dia hoy izy ireo hoe: “Fa inona no dikan'izay tabataba mafy ao an-tobin'ny Hebreo izany?” Avy eo dia azon'izy ireo an-tsaina fa tonga tao an-toby ny fiaran'i Yaveh.
\v 10 Dia niady ireo Filistina, ary resy ny Israely. Nandositra tany an-tranony avokoa ny lehilahy rehetra, ary henjana tokoa ny famonoana; fa miaramila mijoro telo alina avy amin'ny Israely no lavo.
\v 11 Lasa ny fiaran'i Yaveh, ary maty i Hofinia sy Finehasa, zanak'i Ely roa lahy.
\v 13 Rehefa tonga izy, dia nipetraka teo amin'ny sezany teo amoron-dalana nitazana i Ely satria nangorohoro ny amin'ny fiaran'Andriamanitra ny fony. Rehefa niditra ny tanàna ilay lehilahy ary nilaza ny vaovao, dia nihiaka mafy ny tanàna iray manontolo.
\v 19 Ary ny vinantovaviny, vadin'i Finehasa, dia nitoe-jaza ary efa ho teraka. Rehefa nandre ny vaovao izy fa lasa ny fiaran'Andriamanitra ary maty ny rafozan-dahiny sy ny vadiny, dia nandohalika izy ary teraka, saingy nandavo azy ny fanaintainan'ny fiterahany.
\v 21 Nantsoiny hoe Ikaboda ny anaran'ilay zaza, fa hoy izy hoe: “Afa-boninahitra Israely!” fa lasa ny fiaran'Andriamanitra, ary nohon'ny rafozan-dahiny sy ny vadiny koa.
\v 1 Ary lasan'ireo Filistina ny fiaran'Andriamanitra, ka nientin'izy ireo avy tany Ebenezera ho any Asdoda izany.
\v 2 Nalain'ireo filistina ny fiaran'Andriamanitra, nentiny tao an-tranon'i Dagona izany, ary napetrany teo anilan'i Dagona.
\v 3 Rehefa nifoha maraina ireo vahoakan'i Asdoda ny ampitso, dia indro, nianjera niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavan'i Dagona. Koa dia nalain'izy ireo i Dagona ary nampiakariny teo amin'ny toerany indray.
\v 4 Fa rehefa nifoha maraina izy ireo ny ampitso, dia indro, nianjera niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavan'i Dagona. Ny lohan'i Dagona sy ny tanany roa dia tapaka teo amin'ny varavarana. Ny vatan'i Dagona ihany sisa no nitoetra.
\v 5 Noho izany, no antony tsy handinganan'ireo Mpisoron'i Dagona sy izay olona miditra ao an-tranon'i Dagona ny varavaran'i Dagona ao Asdoda, na mandrak'ankehitriny aza.
\v 6 Ny tanan'i Yaveh dia navesatra teo amin'ireo vahoakan'i Asdoda. Noringaniny sy nampahoriany tamin'ny fivontosana izy ireo, i Asdoda sy ireo faritaniny.
\v 7 Rehefa tsapan'ny olon'i Asdoda izay nitranga, dia hoy izy ireo: “Aoka tsy hijanona eto aminay ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, satria ny tanany dia manohitra mafy anay sy i Dagona andriamanitray.”
\v 8 Koa dia nampiantso izy ireo ary nanangona ireo mpanapaka ny Filisitina rehetra; hoy izy ireo taminy: “Inona no tokony hataonay amin'ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely?” Namaly izy ireo hoe: “Aoka ho entina hiodidina an'i Gata ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely.” Koa nentin'izy ireo tany ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely.
\v 9 Fa rehefa avy nentin'izy ireo niodidina izany, dia nanohitra ny tanàna ny tanan'i Yaveh, ka nahatonga fifanjevona lehibe. Nampahory ireo olon'ny tanàna Izy, na kely na lehibe; ka nipoitra tamin'izy ireo ny fivontosana.
\v 10 Noho izany dia nalefan'izy ireo tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Fa vantany vao tonga tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, dia nihiaka mafy ireo Ekronita, nanao hoe: “Nitondra ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely ho antsika mba hamonoana antsika sy ireo olontsika izy ireo.”
\v 11 Ka nampiantso izy ireo ary nanangona ireo mpanapaky ny Filistina rehetra; hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Hampodio ilay fiaran'ny Andriamanitr'Israely, ary avereno amin'ny toerany ihany, mba tsy hamonon'izany antsika sy ireo olontsika.” Fa nisy fisavorovoroana lehibe nanerana ny tanàna; tena navesatra teo ny tanan'Andriamanitra.
\v 4 Dia hoy izy ireo hoe: “Tokony ho inona ilay fanatitra nohon'ny heloka izay averinay aminy?” Namaly izy ireo hoe: “Fivontosana volamena dimy sy totozy volamena dimy, ny dimy dia isa mitovy amin'ny isan'ireo mpanapaky ny Filistina. Fa loza mitovy no mampahory anareo sy ireo mpanapakareo.
\v 6 Nahoana no tokony hanamafy ny fonareo ianareo, tahaka ny nanamafisan'ireo Egyptiana sy Farao ny fon'izy ireo? Izany dia tamin'ny namelezan'ilay Andriamanitr'Israely mafy azy ireo; moa tsy nalefan'ireo Egyptiana ve ny vahoaka, ary lasa izy ireo?
\v 8 Avy eo raiso ny fiaran'i Yaveh ary ataovy ao anatin'ilay sarety izany. Apetraho anaty vata eo anilan'izany ny sarin-javatra volamena izay averinareo aminy mba ho fanatitra nohon'ny heloka. Dia alefaso izany ary avelao handeha amin'ny lalany.
\v 9 Avy eo jereo; raha miakatra any amin'ny lalana mankany amin'ny taniny manokana any Beti-semesy izany, dia Yaveh no nanao izany loza lehibe izany. Fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no nampahory antsika; fa kosa, ho fantatsika fa nitranga tsy nahy tamintsika izany.”
\v 13 Ary nijinja ny varin'izy ireo teny an-dohasaha ny vahoakan'i Beti-semesy. Rehefa nanandratra ny masony izy ireo ka nahita ilay fiara, dia niravoravo.
\v 14 Tonga tany amin'ny sahan'i Josoa avy any amin'ny tanànan'i Beti-semesy ilay sarety ary nijanona tao. Nisy vato lehibe teo, ka namaky ny hazo tamin'ilay sarety izy ireo, ary nanolotra ireo omby vavy mba ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh.
\v 15 Nampidinin'ireo Levita ny fiaran'i Yaveh sy ilay vata izay niaraka tamin'izany, izay nisy ireo sary volamena, ary napetrany teo amin'ilay vato lehibe ireo. Nanolotra fanatitra dorana sy nanao sorona ho an'i Yaveh ny androtr'io ihany ireo mponin'i Beti-semesy.
\v 16 Rehefa hitan'ireo mpanapaka dimin'ireo Filistina izany, dia niverina tany Ekrona ny androtr'io ihany izy ireo.
\v 2 Nanomboka tamin'ny andro izay nitoeran'ny fiara tao Kiriata Jearima, dia taona maro no lasa, roapolo taona. Ny ankohonan'Israely rehetra dia nalahelo an'i Yaveh ka naniry hiverina amin'i Yaveh.
\v 7 Ary rehefa ren'ireo Filistina fa niangona tao Mizpa ny vahoakan'Israely, dia nanafika ny Israely ireo mpanapaky ny Filistina. Raha nahare izany ny vahoakan'Israely, dia natahotra ireo Filistina izy ireo.
\v 9 Dia naka zanak'ondry mbola minono i Samoela ary nanome izany manontolo mba ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh. Ary niantso mafy an'i Yaveh ho an'ny Israely Samoela, ka namaly azy Yaveh.
\v 12 Avy eo dia naka vato i Samoela ary nametraka izany teo anelanelan'i Mizpa sy Sena. Nataony hoe Ebenezera ny anaran'izany, manao hoe: “Hatramin'izao no namonjen'i Yaveh antsika.”
\v 11 Hoy izy: “Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka eo aminareo. Haka ireo zanakareo lahy izy ka hanendry azy ireo ho an'ny kalesiny sy ho lasa mpitaingin-tsoavaliny, ary hiazakazaka eo alohan'ireo kalesiny.
\v 12 Hanendry kapitenin'ny miaramila an'arivony, ary kapitenin'ny miaramila dimampolo ho azy izy. Hataony miasa ny taniny ny sasany, mijinja ny vokany ny sasany, ary hanao ny fitaovam-piadiany sy ny fitaovana ho an'ireo kalesiny ny sasany.
\v 4 Koa dia namakivaky ny tany havoan'i Efraima i Saoly ary nandeha tamin'ny tanin'ny Salisa, fa tsy hitan'izy ireo izany. Ary namakivaky ny tanin'i Salima izy ireo, nefa tsy tany ireo. Avy eo dia namakivaky ny tanin'ireo Benjamita izy ireo, fa tsy nahita ireo.
\v 7 Dia hoy i Saoly tamin'ny mpanompony hoe: “Fa raha mandeha isika, inona no afaka entintsika ho an'ilay lehilahy? Ny mofo anaty kitapontsika efa lany, ary tsy misy fanomezana mba ho entintsika ho an'ilay lehilahin'Andriamanitra. Inona no hananantsika?”
\v 8 Ilay mpanompo namaly an'i Saoly ka nanao hoe: “Indro, izaho manana ampahefatry ny sekely volafotsy izay homeko an'ilay lehilahin'Andriamanitra, mba hitenenana amintsika izay lalana tokony halehantsika.”
\v 9 (Taloha tany Israely, rehefa misy lehilahy mandeha mitady ny fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra, dia miteny izy hoe: “Andao, andeha isika ho any amin'ny mpahita.” Fa mpahita no fiantsoana taloha izay antsointsika hoe mpaminany ankehitriny.)
\v 10 Avy eo dia niteny tamin'ny mpanompony i Saoly hoe: “Tsara ny voalazanao. Andao, andeha isika handeha.” Dia lasa izy ireo nankany amin'ny tanàna izay nisy ny lehilahin'Andriamanitra.
\v 11 Ary rehefa niakatra ny havoana tao an-tanàna izy ireo, dia nahita ireo tovovavy nivoaka hitaona rano; dia hoy i Saoly sy ny mpanompony tamin'izy ireo hoe: “Eto ve ilay mpahita?”
\v 12 Namaly izy ireo, ka nanao hoe: “Eto izy; indro, ao aloha kelinareo ao fotsiny izy. Faingàna, fa ho tonga ao an-tanàna izy androany, satria hanao sorona eo amin'ny toerana avo ny vahoaka androany.
\v 13 Raha vantany vao miditra ny tanàna ianareo dia hahita azy, alohan'ny hiakarany amin'ny toerana avo hihinanany. Tsy hihinana ny vahoaka mandram-piaviny, satria izy no hitso-drano ny sorona; aorian'izay dia hihinana ireo izay nasaina. Koa miakara izao, fa hahita azy avy hatrany ianareo.”
\v 14 Dia niakatra ho any amin'ny tanàna izy ireo. Ary raha vao niditra ny tanàna izy ireo, dia nahita an'i Samoela niseho taminy, mba handeha hiakatra any amin'ny toerana avo.
\v 16 “Rahampitso amin'izao ora izao dia handefa lehilahy iray avy amin'ny tanin'ny Benjamina aminao Aho, ary hanosotra azy ho andriana eo amin'ny Israely vahoakako ianao. Hamonjy ny vahoakako amin'ny tanan'ireo Filistina izy. Fa efa nijery ny vahoakako tamin'ny fangorahana aho satria ny antso vonjin'izy ireo dia tonga taty Amiko.”
\v 19 Namaly an'i Saoly i Samoela ka nanao hoe: “Izaho ilay mpahita. Miakara ho amin'ny toerana avo mialoha ahy, fa androany dia hiara-mihinana amiko ianao. Avelako handeha ianao amin'ny maraina, ary holazaiko anao izay rehetra ao an-tsainao.
\v 20 Raha ny amin'ireo ampondranao izay very telo andro lasa izay, dia aza manahy ny amin'izany, fa efa hita izany. Ary napetraka tamin'iza ireo fanirian'Israely rehetra? Tsy ho aminao sy ho amin'ny ankohonan-drainao rehetra ve?”
\v 21 Namaly i Saoly ka niteny hoe: “Fa tsy Benjamita ve aho, avy amin'ny foko kely indrindran'Israely? Tsy ny fianakaviambeko ve no farany indrindra amin'ireo fianakaviambe rehetra ao amin'ny fokon'ny Benjamina? Koa nahoana no izany fomba izany no niresahanao tamiko?”
\v 22 Ary noraisin'i Samoela i Saoly sy ny mpanompony, ka nentiny tany an'efitrano, ary napetrany teo amin'ny fitoerana voalohany ho an'izay voaasa izy ireo, izay tokony ho olona telopolo eo ho eo.
\v 26 Ary vao mangiran-dratsy, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela ka niteny hoe: “Miarena, mba hahafahako mandefa anao any amin'ny lalanao.” Dia nifoha i Saoly, ary samy nandeha nivoaka ho eny an-dalana izy sy i Samoela.
\v 27 Ary rehefa nandeha manodidina ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin'i Saoly: “Lazao ny mpanompo mba handeha hialoha antsika"—dia nandeha teo aloha izy—"fa tsy maintsy mijanona eto fotoana vitsy ianao, mba hilazako aminao ny hafatr'Andriamanitra.”
\v 1 Dia naka ny tavoara misy ny diloilo i Samoela, nandraraka izany teo ambony lohan'i Saoly, ary nanoroka azy. Hoy izy hoe: “Moa ve Yaveh tsy efa nanosotra anao ho mpanapaka ny lovany?
\v 2 Rehefa handao ahy ianao anio, dia hahita lehilahy anankiroa eo akaikin'ny fasan-dRahely, ao amin'ny faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hiteny aminao izy ireo hoe: ‘Ireo boriky izay notadiavinao dia efa hita. Ankehitriny ny razambenao dia nitsahatra tsy niahiahy ny amin'ireo boriky ary dia manahy ny momba anao, miteny hoe: “Inona no tokony hataoko mahakasika ny zanako lahy?”’
\v 3 Dia handeha lavidavitra kokoa avy any ianao, ary ho tonga eo amin'ny hazo terebintan'i Tabara. Hihaona amin'ny lehilahy telo mandeha ho any amin'Andriamanitra any Betela ianao, ny iray mitondra zanak'osy telo, ny hafa mitondra mofo telo, ary ny hafa mitondra sinin-divay hoditra.
\v 8 Midìna eo mialoha ahy ho any Gilgala. Dia hidina any aminao aho hanolotra ireo fanatitra dorana ary hanao sorona fanati-pihavanana. Miandrasa fito andro mandra-pandehanako ho eo aminao ary hampisehoako aminao izay tokony hataonao.”
\v 12 Nisy lehilahy nipetraka teo amin'io toerana io namaly hoe: “Dia iza no rain'izy ireo?” Noho izany, dia lasa fiteny ny hoe: “Anisan'ireo mpaminany ihany koa ve i Saoly?”
\v 14 Dia hoy ny dadatoan'i Saoly taminy sy ny mpanompony hoe: “Taiza no nalehanareo?” Namaly izy hoe: “Nitady ireo boriky. Rehefa hitanay fa tsy nety hitanay ireo, dia nankany amin'i Samoela izahay.”
\v 20 Dia nanakaiky an'i Samoela ireo fokon'Israely rehetra, ary ny fokon'i Benjamina no voafidy.
\v 21 Avy eo dia nentiny nanakaiky ny vondron'izy ireo ny fokon'i Benjamina; ary ny fokon'ny Matrita no voafidy, ary Saoly zanaka lahin'i Kisy dia voafidy. Fa rehefa nandeha nitady azy izy ireo, dia tsy nety hita izy.
\v 22 Ary ny olona dia te-hametra-panontaniana bebe kokoa tamin'Andriamanitra hoe: “Mbola misy lehilahy hafa ho avy ve?” Yaveh namaly hoe: “Nanafina ny tenany eo amin'ireo entana izy.”
\v 25 Dia nilaza tamin'ny vahoaka ireo fomba sy ireo fitsipiky ny fanjakana i Samoela, nanoratra ireo tao anaty boky, ary nametraka izany teo anatrehan'i Yaveh. Avy eo dia nalefan'i Samoela ny vahoaka rehetra, ho any amin'ny tranony avy.
\v 2 Dia namaly i Nahasy Amonita hoe: “Amin'izao fepetra izao no hanaovako fifanekena aminareo, dia ny hipotsirako ny maso ankavananareo rehetra, ary izany no fomba hitondrana fahafaham-baraka eo amin'Israely rehetra.”
\v 7 Naka ziogan'omby iray izy, ka nokapakapainy, ary nalefany nanerana ny Israely rehetra niaraka tamin'ireo iraka ireo. Hoy izy: “Izay rehetra tsy hivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia toy ireny no hanaovana ny ombiny.” Ary nilatsaka tamin'ny vahoaka ny horohoron'i Yaveh, ka niara-nivoaka toy ny olona iray izy ireo.
\v 11 Ny ampitso dia napetrak'i Saoly tao anaty vondrona telo ny vahoaka. Dia nankeo afovoan'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ireo, ary nanafika izy ireo ka naharesy ireo Amonita mandra-pahamay ny andro. Ireo izay mbola velona dia naely, mba tsy hisian'ny roa hiara-tavela.
\v 12 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: “Iza ilay niteny hoe: ‘Hanjaka eto amintsika ve i Saoly?’ Ento ireo olona, mba hahafahantsika mamono azy ireo.”
\v 3 Inty aho; mijoroa vavolombelona hanohitra ahy eo anatrehan'i Yaveh sy eo anatrehan'ilay voahosony. Ombin'iza no efa nalaiko? Ampondran'iza no efa nalaiko? Iza no efa nambakaiko? Iza no efa nampijaliako? Avy tamin'ny tanan'iza no efa nandraisako kolikoly mba hahatampina ny masoko? Mijoroa vavolombelona hanohitra ahy, fa haveriko aminareo izany.”
\v 5 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Yaveh no vavolombelona aminareo, ary ilay voahosony no vavolombelona androany, fa tsy nahita na inona na inona teo an-tanako ianareo.” Izy ireo namaly hoe: “Yaveh no vavolombelona.”
\v 7 Koa ankehitriny, atolory ny tenanareo, mba hahafahako mifandahatra aminareo eo anatrehan'i Yaveh mahakasika ireo asa marin'i Yaveh, izay nataony ho anareo sy ny razambenareo.
\v 12 Rehefa hitanareo fa avy hanohitra anareo i Nahasa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, dia hoy ianareo tamiko hoe: ‘Tsia! Fa aoka, ho mpanjaka kosa no hanjaka eto aminay'—kanefa Yaveh Andriamanitrareo, no mpanjakanareo.
\v 13 Indro ankehitriny ny mpanjaka izay nosafidinareo, izay nangatahinareo, ary izay notendren'i Yaveh ho mpanjaka eo aminareo anio.
\v 14 Raha matahotra an'i Yaveh ianareo, dia manompoa Azy, ankatoavy ny feony, ary aza mikomy hanohitra ny didin'i Yaveh, ary samy ho mpanaraka an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka eo aminareo.
\v 15 Fa raha tsy mankatò ny feon'i Yaveh ianareo, fa mikomy manohitra ireo didin'i Yaveh, dia hamely anareo ny tanan'i Yaveh, tahaka ny namelezana ireo razambenareo.
\v 17 Moa ve tsy fotoam-pijinjana vary tritrika izao? Hiantso an'i Yaveh aho, mba handefasany kotroka sy orana. Dia ho fantatrareo sy ho hitanareo fa lehibe ny haratsiam-panahinareo, izay nataonareo teo imason'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny fangatahanareo mpanjaka.”
\v 18 Koa dia niantso an'i Yaveh i Samoela; ary tamin'izany andro izany ihany dia nandefa oram-baratra i Yaveh. Ary dia natahotra mafy an'i Yaveh sy i Samoela ny vahoaka rehetra.
\v 21 Aza mivily manaraka ireo zava-poana izay tsy mahasoa na mahavonjy anareo, satria dia tsy misy ilàna azy ireo.
\v 22 Fa nohon'ny anarany lehibe, dia tsy handà ny olony i Yaveh, satria mahafaly an'i Yaveh ny hanao anareo ho vahoakany.
\v 23 Raha ny amiko, dia sanatriaviko ny hanota amin'i Yaveh amin'ny fitsaharana ny hivavaka ho anareo. Fa kosa hampianatra anareo ny lalana izay tsara sy marina aho.
\v 2 dia nifantina lehilahy telo arivo teo amin'Israely. Roa arivo no niaraka taminy tany Mikmasy sy tany amin'ny havoan'ny tanànan'i Betela, raha ny arivo kosa niaraka tamin'i Jonatana tany Gibean'i Benjamina. Ireo miaramila sisa tavela dia nalefany nody, ny lehilahy tsirairay samy ho any an-dainy avy.
\v 4 Ren'ny Israely rehetra fa i Saoly dia nandresy ny miaramilan'ny Filistina, ary ny Israely ihany koa dia tonga fofona lo ho an'ireo Filistina. Ary ireo miaramila dia nampiantsoina hivondrona hanaraka an'i Saoly any Gilgala.
\v 5 Niara-nivondrona ireo Filistina mba hiady hanohitra ny Israely: kalesy telo arivo, lehilahy enina arivo hitondra ireo kalesy, ary antoko maro an'isa toy ny fasika eny amoron-dranomasina. Niakatra izy ireo ary nitoby tany Mikmasy, atsinanan'i Betavena.
\v 6 Rehefa hitan'ireo lehilahin'Israely fa nisavoritaka izy ireo—fa ory ny vahoaka, dia niafina tao amin'ireo zohy, tao amin'ny kirihitr'ala, tao amin'ireo haram-bato, tao amin'ny famorian-drano, ary tao anaty lavaka ny vahoaka.
\v 7 Ny sasany tamin'ireo Hebreo niampita an'i Jordana ho any amin'ny tanin'i Gada sy Gileada. Fa i Saoly kosa mbola tany Gilgala, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy tamim-pangovitana.
\v 8 Niandry nandritra ny fito andro izy, ny fotoana izay nomen'i Samoela. Fa Samoela tsy tonga tany Gilgala, ary ny vahoaka dia niparitaka niala teo amin'i Saoly.
\v 15 Avy eo dia nanainga i Samoela ka niakatra avy any Gilgala ho any Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nanisa ny vahoaka izay tonga niaraka taminy teo, teo ho eo amin'ny enin-jato lahy teo.
\v 16 Saoly, Jonatana zanany lahy, ary ny vahoaka izay tonga niaraka tamin'izy ireo, dia nitoetra tao Gibean'ny Benjamina. Fa ireo Filistina kosa nitoby tany Mikmasy.
\v 17 Nivoaka avy tao amin'ny tobin'ireo Filistina tamin'ny vondrona telo ireo mpanafika. Ny vondrona iray nankany Ofra, any amin'ny tanin'i Soala.
\v 18 Ny vondrona iray hafa nankany Beti-horona, ary ny vondrona iray hafa nankany amin'ny sisin-tany izay hahatazanana ny Lohasahan'i Zeboima manatrika ny tany efitra.
\v 20 Fa ireo lehilahin'Israely rehetra dia efa zatra nidina nankany amin'ireo Filistina, ny tsirairay mba handranitra ny tendron'angadiny, ny fihadian-taniny, ny famakiny, ary ny antsim-bilony.
\v 21 Ny sarany dia roa ampahatelon'ny sekely ny tendron'angady, sy ny fihadian-tany, ary iray ampahatelon'ny sekely ny fandranitana ny famaky sy ny fanitsiana ny fanindronana.
\v 22 Koa tamin'ny andron'ny ady, dia tsy nahitana sabatra na lefona teo an-tanan'ireo miaramila izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana; i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nanana an'izany.
\v 2 Nipetraka teo amin'ny manodidina an'i Gibea ambanin'ny hazon'ampongamben-danitra izay tao Migrona i Saoly. Teo ho eo amin'ny lehilahy eninjato teo no niaraka taminy,
\v 3 anisan'izany Ahia, zanak'i Ahitoba (rahalahin'i Ikaboda) zanak'i Finehasa zanak'i Ely, ilay mpisoron'i Yaveh tao Silo, izay niakanjo efoda. Tsy fantatry ny vahoaka hoe lasa i Jonatana.
\v 7 Namaly ny mpitondra ny fiadiany hoe: “Ataovy ny zavatra rehetra izay ao am-ponao. Mandrosoa, indro, miaraka aminao aho, mba hankatoa ireo baikonao rehetra.”
\v 8 Dia hoy Jonatana hoe: “Hiampita ho eny amin'ireo lehilahy isika, ary hiseho eo amin'izy ireo.
\v 9 Raha miteny amintsika izy ireo hoe: “Miandrasa eny mandra-pahatonganay eny aminareo'—dia hijanona eo amin'ny toerantsika isika ka tsy hiampita eny amin'izy ireo.
\v 10 Kanefa raha mamaly izy ireo hoe: ‘Mankanesa aty aminay', dia hiampita isika; satria efa natolotr'i Yaveh ho eo an-tanantsika izy ireo. Izany no ho famantarana ho antsika.”
\v 12 Dia niantso an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany ireo lehilahin'ny miaramila, ka nanao hoe: “Miakàra aty aminay, dia hampisehoanay zavatra ianareo.” Hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: “Manaraha ahy avy ao aoriana, satria efa natolotr'i Yaveh eo an-tanan'ny Israely izy ireo.”
\v 13 Nihanika tamin'ny tanany sy tongony i Jonatana, ary nanaraka tao aoriany ny mpitondra ny fiadiany. Novonoina teo anoloan'i Jonatana ireo Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono ny sasany tao aoriany.
\v 14 Izany fanafihana voalohany izay nataon'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany izany, dia nahafaty tokony ho lehilahy roapolo tao amin'ny faritry ny atsasa-hektara.
\v 15 Nisy savoritaka lehibe tao an-toby, tany an-tsaha, sy teo amin'ireo vahoaka. Na dia ny miaramila sy ireo mpanafika aza dia natahotra. Nihovitrovitra ny tany, ary nisy tahotra lehibe.
\v 17 Dia hoy Saoly tamin'ny vahoaka izay niaraka taminy: “Isao ary jereo izay tsy eto ny avy amintsika.” Rehefa nanisa izy ireo, dia i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
\v 18 Hoy Saoly tamin'i Ahia: “Ento aty ny fiaran'Andriamanitra,” fa tany amin'ny vahoakan'ny Israely izany tamin'izany fotoana izany.
\v 19 Raha mbola niresaka tamin'ny mpisorona i Saoly, dia nitohy sy nitombo ny tabataba tao an-tobin'ny Filistina. Dia hoy Saoly tamin'ny mpisorona: “Ahemory ny tananao.”
\v 20 Nivondrona ary nandeha tany an'ady i Saoly sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy. Ny sabatry ny Filistina tsirairay dia namely ny mpiray tanàna taminy, ary nisy fifanjevoana lehibe tokoa.
\v 21 Ary ireo Hebreo izay niaraka tamin'ireo Filistina taloha ireo, sy izay nandeha niaraka tamin'izy ireo tany an-toby aza dia mba nikambana tamin'ireo Israelita izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana.
\v 25 Ary niditra tao an'ala ny vahoaka rehetra ary nisy tantely teo amin'ny tany.
\v 26 Rehefa niditra tao an'ala ny vahoaka, dia nikoriana ny tantely, nefa tsy nisy olona nanao ny tanany tao am-bavany satria natahotra ny fianianana ny vahoaka.
\v 27 Nefa tsy ren'i Jonatana fa namatotra ny vahoaka tamin'ny fianianana ny rainy. Dia nanandratra ny tendron'ny tehiny izay teny an-tanany izy ary nanatsoboka izany tao amin'ny tohon-tantely. Nampiakatra ny tanany teo am-bavany izy, ka nazava ny masony.
\v 38 Dia hoy i Saoly: “Avia eto, ianareo mpitarika ny vahoaka rehetra; fantaro ary jereo ny fomba nitrangan'izao fahotana izao androany.
\v 39 Fa, raha mbola velona koa Yaveh, izay manavotra ny Israely, na dia ao amin'i Jonatana zanako aza izany, dia ho faty tokoa izy.” Nefa tsy nisy tamin'ireo olona teo amin'ny vahoaka rehetra namaly azy.
\v 40 Dia hoy izy tamin'ny Israely rehetra: “Mitsangàna eo amin'ny ankilany, ary izaho sy Jonatana zanako dia ho eo amin'ny andaniny.” Hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: “Ataovy izay mety ho tsara aminao.”
\v 41 Ka dia hoy Saoly tamin'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely: “Asehoy ny Tomima.” Jonatana sy Saoly no azo taminy filokana, fa tafiala tsy voafidy kosa ny vahoaka.
\v 42 Dia hoy Saoly: “Manaova filokana amiko sy Jonatana zanako.” Dia i Jonatana no voafidy tamin'ny filokana.
\v 45 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: “Tokony ho faty ve i Jonatana, izay nahatanteraka izao fandresena lehibe ho an'ny Israely izao? Sanatria anie izany! Raha mbola velona koa i Yaveh, dia tsy hisy singany iray amin'ny volon-dohany hilatsaka amin'ny tany, fa niasa niaraka tamin'Andriamanitra izy androany.” Ka nanavotra an'i Jonatana ny vahoaka hany ka tsy maty izy.
\v 3 Ankehitriny mandehana ka tafiho i Amaleka ary poteho tanteraka izay rehetra hananan'izy ireo. Aza miaro azy ireo, fa samy vonoy na ny lahy na ny vavy, ny ankizy sy ny zaza, ny omby sy ny ondry, ary ny rameva sy ny boriky.”’
\v 16 Dia hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: “Andraso, dia ho lazaiko anao izay nambaran'i Yaveh tamiko tamin'ny alina.” Dia hoy i Saoly taminy hoe: “Mitenena!”
\v 17 Hoy i Samoela hoe: “Na dia kely eo imasonao ihany aza ianao, moa tsy natao ho lohan'ireo fokon'Israely ve ianao? Ary Yaveh nanosotra anao ho mpanjaka eo amin'Israely,
\v 20 Dia hoy i Saoly tamin'i Samoela: “Nankatoa ny feon'i Yaveh tokoa aho, ary efa nandeha tamin'ny lalana izay nanirahan'i Yaveh ahy. Efa nosamboriko i Agaga, mpanjakan'ny Amaleka, ary efa naringako tanteraka ireo Amalekita.
\v 21 Saingy naka ny sasany tamin'ireo babo—ondry sy omby, ny zavatra tsara indrindra natokana ho an'ny fandravana, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrao any Gilgala ny olona.”
\v 22 Namaly i Samoela hoe: “Mankasitraka ny fanatitra dorana sy ny sorona tokoa ve Andriamanitra, tahaka ny amin'ny fankatoavana ny feon'i Yaveh? Tsara noho ny sorona ny fankatoavana, ary ny mihaino no tsara mihoatra ny tavin'ny ondry lahy.
\v 23 Fa ny fikomiana dia tahaka ny fahotan'ny sikidy, ary ny fahamafisan-doha dia tahaka ny faharatsiana sy heloka. Satria efa nolavinao ny tenin'i Yaveh, dia nandà anao tsy ho mpanjaka ihany koa Izy.”
\v 24 Dia hoy i Saoly tamin'i Samoela hoe: “Efa nanota aho; satria nandika ny didin'i Yaveh sy ireo teninao, satria natahotra ny olona aho ary nankatoa ny feon'izy ireo.
\v 25 Ankehitriny, mba mamelà re ny heloko, ary miverena miaraka amiko mba hanompoako an'i Yaveh.”
\v 30 Dia hoy i Saoly hoe: “Efa nanota aho. Saingy mba omeo voninahitra eo anatrehan'ireo loholon'ny vahoakako sy eo anatrehan'ny Israely re aho ankehitriny. Miaraha miverina amiko indray, mba hanompoako an'i Yaveh Andriamanitrao.”
\v 32 Dia hoy i Samoela hoe: “Ento aty amiko etoana i Agaga mpanjakan'ireo Amalekita.” Dia nankany aminy i Agaga mifatotra amin'ny gadra-vy ary nanao hoe: “Efa lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana.”
\v 33 Namaly i Samoela hoe: “Araka ny nanaovan'ny sabatrao ireo vehivavy ho momba, dia ho momba toy izany koa ny reninao eo amin'ireo vehivavy.” Dia nokapakapain'i Samoela teo anatrehan'i Yaveh tany Gilgala i Agaga.
\v 12 Nandeha i Jese ary nitondra azy niditra. Ary io tovolahy io dia mena volo sy baribary maso ary tsara endrika ivelany. Hoy Yaveh hoe: “Mitsangàna, hosory izy; fa io no izy.”
\v 23 Isaky ny teo amin'i Saoly ilay fanahy ratsy avy tamin'Andriamanitra, dia naka ny lokanga i Davida ary nitendry izany. Ka velombelona sy tony i Saoly, ary niala teo aminy ilay fanahy ratsy.
\v 1 Ary ireo Filistina namory ireo tafik'izy ireo hiady. Niangona tao Soko, izay an'i Joda izy ireo. Nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, tao Efesa-damima izy ireo.
\v 2 I Saoly sy ireo lehilahin'Israely dia niangona ary nitoby tao amin'ny Lohasahan'i Elaha, ary nandamina ny filaharan'izy ireo amin'ny ady mba hifanehitra amin'ireo Filistina.
\v 9 Raha mahay miady amiko ary mahavono ahy izy, dia ho mpanomponareo izahay. Fa raha mandresy azy ary mahavono azy aho, dia ho mpanomponay ianareo ary hiasa ho anay.”
\v 10 Dia hoy indray ilay Filistina hoe: “Manao fanamby amin'ireo filaharan'Israely aho androany. Omeo lehilahy iray aho mba ho afaka hiara-hiady izahay.”
\v 12 Ary i Davida dia zanaka lahin'ilay Efratita avy any Betlehema ao Joda, i Jese no anarany. Nanan-janaka lahy valo izy. Jese dia efa lehilahy antitra tamin'ny andron'i Saoly, tena antitra tokoa teo amin'ireo lehilahy.
\v 13 Ireo zokiny telo amin'ireo zanaka lahin'i Jese dia nanaraka an'i Saoly tany amin'ny ady. Ny anaran'ireo zanaka lahiny telo izay nankany amin'ny ady ireo dia i Eliaba no lahimatoa, faharoa manaraka azy i Abinadaba, ary i Sama no fahatelo.
\v 14 Davida no zandriny indrindra. Ireo telo zokiny indrindra no nanaraka an'i Saoly.
\v 15 Ary i Davida dia nandroso sy niverina teo amin'ny tafik'i Saoly sy ireo ondrin'ny rainy tao Betlehema, mba hamahana azy ireo.
\v 25 Ireo lehilahin'Israely niteny hoe: “Hitanareo ve iny lehilahy miakatra iny? Tonga mba hihantsy ny Israely izy. Hanome harena be an'izay mamono azy ny mpanjaka, ary hanome azy ny zanany vavy ho vadiny izy, ary hanafaka ny ankohonan-drainy amin'ny fandoavan-ketra ao Israely.”
\v 26 Hoy i Davida tamin'ireo lehilahy izay nitsangana teo akaikiny: “Inona no hatao ho an'ilay lehilahy izay mamono ity Filistina ity sy hanala ny fahafaham-baraka amin'Israely? Iza ity Filistina tsy voafora ity no mihantsy an'ireo tafiky ny Andriamanitra velona?”
\v 28 Nandre azy niresaka tamin'ireo lehilahy i Eliaba zokiny lahimatoa. Dia nirehitra tamin'i Davida ny hatezeran'i Eliaba, ka hoy izy: “Nahoana ianao no midina ety?” Iza no namelànao an'ireo ondry vitsy any an-tany efitra? Fantatro ny avonavona sy ny sompatra ao anatin'ny fonao; fa tonga nidina tety ianao mba hahita ny ady.”
\v 32 Avy eo dia hoy Davida tamin'i Saoly: “Aoka tsy hisy lehilahy ho ketraka noho io Filistina io ny fony; ny mpanomponao dia handeha ka hiady amin'io Filistina io.”
\v 34 Fa hoy i Davida tamin'i Saoly: “Efa zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy ny mpanomponao. Rehefa tonga sy maka zanak'ondry amin'ny andian'ondry ny liona na bera,
\v 36 Nahavono liona sy bera ny mpanomponao. Ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny iray amin'ireo, satria nihantsy ireo tafiky ny Andriamanitra velona izy.”
\v 37 Hoy i Davida: “Nanavotra ahy tamin'ny tongotry ny liona sy ny tongotry ny bera i Yaveh. Hanavotra ahy amin'ny tanan'io Filistina io Izy.” Dia hoy i Saoly tamin'i Davida: “Mandehana, ka homba anao anie i Yaveh.”
\v 43 Dia hoy ilay Filistina tamin'i Davida: “Alika ve aho, no tonga miaraka amin'ny hazo eto amiko ianao?,” ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina.
\v 44 Hoy ilay Filistina tamin'i Davida: “Mankanesa eto amiko, dia homeko ho an'ireo vorona eny an-danitra sy ho an'ireo bibidia any an-tsaha ny nofonao.”
\v 46 Anio dia hanome ahy ny fandresena anao i Yaveh, ka hamono anao aho ary hanala ny lohanao amin'ny vatanao. Anio dia hanome ny fatin'ny tafik'ilay Filistina ho an'ireo vorona eny an-danitra sy ho an'ireo bibidia ety an-tany aho, mba hahafantaran'ny tany rehetra fa misy Andriamanitra ao Israely,
\v 47 ary hahafantaran'ireo vory rehetra ireo fa i Yaveh dia tsy manome fandresena amin'ny sabatra na lefona. Fa an'i Yaveh ny ady, ka hanolotra anareo eo an-tananay Izy.”
\v 51 Avy eo dia nihazakazaka i Davida ka nitsangana teo ambonin'ilay Filistina sy naka ny sabany, namoaka izany avy tao amin'ny tranony, namono azy, ary nanapaka ny lohany tamin'izany. Rehefa hitan'ireo Filistina fa maty ilay lehilahy matanjak'izy ireo, dia nandositra izy ireo.
\v 52 Avy eo dia nitsangana sady nihiaka ireo lehilahin'Israely sy Joda, ary nanenjika ireo Filistina hatrany amin'ny lohasaha sy ireo vavahadin'i Ekrona. Ireo Filistina maty dia nandry teo amin'ny lalana mankany Saraima, sy ny lalana rehetra mankany Gata ary Ekrona.
\v 53 Niverina avy tamin'ny fanenjehana ireo Filistina ny olon'Israely, ary nandroba ny tobin'izy ireo.
\v 54 Nalain'i Davida ny lohan'ilay Filistina ary nentiny tany Jerosalema izany, fa ny akanjo fiadiany dia napetrany tao amin'ny lainy.
\v 10 Ny andro manaraka dia nisy fanahy mampidi-doza avy amin'Andriamanitra nidina teo amin'i Saoly ary nirediredy tao an-trano izy. Noho izany dia nilalao ny zava-manenony tahaka ny ataony isan'andro i Davida. Ary nanana lefona teny an-tanany i Saoly.
\v 17 Ary hoy i Saoly tamin'i Davida hoe: “Inty i Meraba zanako vavy zokiny indrindra. Homeko anao ho vady izy. Fa manàna herim-po ho ahy ary miadia ny adin'i Yaveh.” Fa nieritreritra Saoly hoe: “Aza avela eo aminy tanako, fa aoka ny tanan'ireo Filistina no ho eo aminy.”
\v 18 Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: “Iza moa aho, ary iza moa ireo havako, na ny fianakavian'ny raiko any Israely, no tokony ho vinanto lahin'ny mpanjaka aho?”
\v 21 Avy eo i Saoly nieritreritra hoe: “Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ary mba hanohitra azy ny tanan'ireo Filistina.” Ka niteny fanindroany an'i Davida indray i Saoly hoe: “Ho vinanto lahiko ianao.”
\v 17 Dia hoy i Saoly tamin'i Mikala: “Nahoana no namitaka ahy ianao ka namela ny fahavaloko handeha, ka dia afa-nandositra izy?” Mikala namaly an'i Saoly hoe: “Hoy izy tamiko, ‘Avelao aho handeha. Nahoana aho no hamono anao?’”
\v 18 Ary nitsoaka sy afa-nandositra i Davida, dia nankany amin'i Samoela tany Rama ka nilaza taminy ny zavatra rehetra izay nataon'i Saoly taminy. Dia nandeha izy sy Samoela ka nitoetra tany Naiota.
\v 20 Dia nandefa iraka hisambotra an'i Davida i Saoly. Raha nahita ny naman'ny mpaminany naminany izy ireo, ary Samoela nijoro ho lehiben'izy ireo, ny fanahin'Andriamanitra tonga tamin'ny irak'i Saoly, dia naminany koa izy ireo.
\v 21 Rehefa nilazana izany i Saoly, dia nandefa iraka hafa izy, ary naminany ihany koa izy ireo. Ary nandefa iraka fanintelony indray i Saoly, ka naminany ihany koa ireo.
\v 23 Nankany Naiota any Rama i Saoly. Dia tonga tao aminy koa ny fanahin'i Yaveh, ka naminany teny am-pandehanana mandra-pahatongany tany Naiota tany Rama izy.
\v 24 Nanala ny fitafiany izy ary naminany teo anatrehan'i Samoela. Nitanjaka nandritra ny andro sy ny alina rehetra izy. Izany no antony nanontanian'izy ireo hoe: “Isan'ireo mpaminany koa ve i Saoly?”
\v 3 Ary nivoady indray Davida ka nanao hoe: “Fantatry ny rainao tsara fa nahita sitraka teo imasonao aho. Efa nilaza izy hoe: ‘Aza avela ho fantatr'i Jonatana izao, raha tsy izany dia halahelo izy.’ Nefa raha velona marina Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia kely fotsiny ny elanelana eo amiko sy ny fahafatesana.”
\v 5 Hoy i Davida tamin'i Jonatana: “Rahampitso ny voaloham-bolana, ka tokony hipetraka hiara-hihinana amin'ny mpanjaka aho. Nefa avelao aho andeha, mba hiafina any an-tsaha hatramin'ny harivan'ny andro fahatelo.
\v 6 Raha mahatsiaro ahy ny rainao, dia ataovy hoe: ‘Nanao fierana fatratra tamiko i Davida mba hamonjy an'i Betlehema tanànany; satria efa ankatoky ny sorona isan-taona ho an'ny fianakaviana manontolo any.’
\v 7 Raha hoy izy hoe: ‘Tsara izany,’ dia hanam-piadanana ny mpanomponao. Fa raha tezitra mafy izy, dia fantaro fa nanapa-kevitra hanao ratsy izy.
\v 8 Noho izany dia mifanaraha tsara amin'ny mpanomponao. Fa efa nitondra ny mpanomponao ho amin'ny faneken'i Yaveh niaraka taminao ianao. Nefa raha misy fahotana amiko, dia ianao no hamono ahy; koa nahoana aho no entinao any amin'ny rainao?”
\v 12 Hoy i Jonatana tamin'i Davida: “Yaveh, Andriamanitr'Israely anie no ho vavolombelona. Rehefa avy manontany an-draiko aho rahampitso amin'izao ora izao, na amin'ny andro fahatelo, jereo, raha misy zava-tsoa ho an'i Davida, moa tsy haniraka ho any aminao sy hampahafantatra anao ve aho?
\v 13 Raha mahafaly an-draiko ny hanao ratsy anao, Yaveh anie hanao izany amin'i Jonatana ary mihoatra aza raha tsy mampahafantatra izany aminao sy mandefa anao aho, mba handehananao am-piadanana. Homba anao anie Yaveh, tahaka ny efa nombàny ny raiko.
\v 14 Fa raha mbola velona koa aho, moa tsy hampiseho ahy ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh ve ianao, mba tsy ho faty aho?
\v 21 Ary haniraka ny zatovolahiko aho ka hiteny aminy hoe: ‘Andeha tadiavo ireo zana-tsipìka.’ Raha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe: ‘Indro, itsy ankilanao itsy ireo zana-tsipìka; alaivo ireo,” dia tongava; fa hisy fiarovana ary tsy hisy ratsy ho anao, raha mbola velona koa Yaveh.
\v 22 “Nefa raha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe: ‘Indro, ao aorianao ireo zana-tsipìka,’ dia mandehana amin'ny lalanao, fa efa nandefa anao i Yaveh.
\v 23 Raha ny amin'ny fifanarahana izay nifampiresahantsika, indro, eo afovoantsika mandrakizay i Yaveh.’”
\v 26 Tsy mbola niteny na inona na inona i Saoly tamin'io andro io, satria nieritreritra izy hoe: “Nisy zavatra nahazo azy. Tsy madio izy; azo antoka fa tsy madio izy.”
\v 27 Fa tamin'ny andro faharoa kosa, ny ampitson'ny voaloham-bolana, dia foana ny sezan'i Davida. Hoy i Saoly tamin'i Jonatana zanany lahy: “Nahoana no tsy tonga amin'ny fisakafoana ny zanaka lahin'i Jese na omaly na androany?”
\v 28 Jonatana namaly an'i Saoly hoe: “Nangataka alalana fatratra tamiko mba handeha any Betlehema i Davida.
\v 29 Hoy izy: ‘Avelao re aho mba handeha. Fa ny fianakavianay manana sorona ao an-tanàna, ary ny rahalahiko nandidy ahy ho any. Ankehitriny, raha efa nahita sitraka teo imasonao aho, dia avelao re aho handeha ary hijery ireo rahalahiko.’ Izany no antony tsy nahatongavany teo an-databatry ny mpanjaka.”
\v 30 Koa nirehitra tamin'i Jonatana ny hatezeran'i Saoly, ary hoy izy taminy: “Ianao ry zanaka lahin'ny mpamadika, vehivavy mpikomy! Moa ve aho tsy mahafantatra fa efa nisafidy ny zanaka lahin'i Jese ho fahamenarana ho anao, sy ho fahamenaran'ny fitanjahan'ny reninao ianao?
\v 31 Fa raha mbola miaina eto an-tany ny zanaka lahin'i Jese, dia tsy ho tafapetraka na ianao na ny fanjakanao. Koa ankehitriny, alefaso ary ento aty amiko izy, fa tsy maintsy ho faty tokoa izy.”
\f + \ft Fanamarihana: Mivaky toy izao ny lahatsoratra Hebreo: “Nivoaka avy any antsimo i Davida.” Ny dikan-teny vaovao mandika io an-dalana io amin'ny fomba samy hafa satria sarotra takarina ny teny Hebreo. \f*
\v 1 Dia tonga tao Noba i Davida mba hijery an'i Ahimeleka mpisorona. Tonga mba hitsena an'i Davida tam-pangovitana i Ahimeleka ary niteny taminy hoe: “Nahoana ianao no irery ary tsy misy miaraka aminao?”
\v 8 Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka hoe: “Tsy misy lefona na sabatra azo ampiasaina ve eo an-tananao? Fa tsy nahatondra akory aho na ny sabatro na ireo fitaovam-piadiako taty amiko, satria tena maika tokoa ny raharahan'ny mpanjaka.”
\v 14 Avy eo dia hoy i Akisa tamin'ireo mpanompony hoe: “Indro, hitanareo fa very saina ilay lehilahy. Nahoana no nentinareo eto amiko izy?
\v 15 Tsy ampy olona adala angaha aho, no dia nentinareo eto amiko io mba hanao fihetsika tahaka izao eto anatrehako? Hiditra ao an-tranoko tokoa ve io namana io?”
\v 1 Ary niala tany Davida ka nandositra tao an-dava-baton'i Adolama. Raha nahare izany ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra, dia nidina tany aminy izy ireo.
\v 2 Ny olona rehetra izay tao anaty fahoriana, ny olona rehetra izay tao anaty trosa, ary ny olona rehetra izay tsy faly— izy rehetra dia niangona tao aminy. Lasa kapitenin'ny mpiambina teo amin'izy ireo i Davida. Nisy teo amin'ny efa-jato lahy teo no niaraka taminy.
\v 3 Ary niala teo ho any Mizpa ao Moaba i Davida. Hoy izy tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: “Mba miangavy re aoka ny raiko sy ny reniko hivoaka hiaraka aminao mandram-pahafantarako izay hataon'Andriamanitra ho ahy.”
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha misy hoe: “Mba miangavy re aoka ny raiko sy ny reniko mba hitoetra hiaraka aminao,” ary ny dikan-teny sasany taty aoriana dia vakiana amin'io fomba io. \f*
\v 5 Ary Gada mpaminany niteny tamin'i Davida hoe: “Aza mijanona ao amin'ny fiarovanao mafy. Miaingà ary mandehana any amin'ny tanin'i Joda.” Ka dia niala tao Davida ary nandeha tao amin'ny alan'i Hareta.
\v 7 Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompo nitsangana manodidina azy: “Henoy izao, ry vahoakan'i Benjamina, moa ve hanome saha sy tanim-boaloboka ho an'ny tsirairay avy aminareo ny zanaka lahin'i Jese? Moa ve hanao anareo rehetra ho kapitenin'ny tafika an'arivony sy an-jatony izy,
\v 8 ho takalon'ny tetikareo rehetra hanohitra ahy? Tsy nisy taminareo nampahafantatra ahy rehefa nanao fanekena tamin'ny zanaka lahin'i Jese ny zanako lahy. Tsy nisy taminareo nangoraka ahy. Tsy nisy taminareo nampahafantatra ahy fa ny zanako lahy dia namporisika an'i Davida mpanompoko hanohitra ahy. Anio dia miafina sy miandry ahy izy ary mety hanafika ahy.”
\v 12 Hoy i Saoly: “Henoy ary, ry zanaka lahin'i Ahitoba.” Dia namaly izy hoe: “Inty aho, tompoko.”
\v 13 Ary hoy i Saoly taminy: “Nahoana ianao no nitetika hanohitra ahy, ianao sy ny zanaka lahin'i Jese, tamin'ny nanomezanao azy mofo, sy sabatra, ary nivavaka tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy, mba hitsanganany hanohitra ahy, mba hiafina any amin'ny takona, toy izao ataony androany izao?”
\v 14 Ary i Ahimeleka namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: “Iza tamin'ireo mpanomponao rehetra moa no mahatoky fatratra tahaka an'i Davida, izay vinanto lahin'ny mpanjaka no sady mpiambina anao ihany koa, ary omem-boninahitra ao an-tranonao?
\v 15 Androany angaha no fotoana voalohany nivavahako tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy? Sanatria amiko anie izany! Aza mamela ny mpanjaka hanisy na inona na inona amin'ny mpanompony na amin'ny ankohonan-draiko rehetra. Fa ny mpanomponao dia tsy mahalala na inona na inona ny amin'izao raharaha rehetra izao.”
\v 22 Hoy i Davida tamin'i Abiatara: “Fantatro tamin'iny andro iny, fa raha tao i Doega ilay Edomita, dia tsy maintsy niteny tamin'i Saoly izy. Izaho no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesana rehetra tamin'ny fianakavian-drainao!
\v 23 Mijanòna miaraka amiko ary aza matahotra. Fa ny olona izay mifofo ny ainao dia mifofo ny ahy ihany koa. Ho voaaro ianao miaraka amiko.”
\v 1 Ary hoy izy ireo tamin'i Davida: “Indro, miady amin'i Keila ny Filistina ary mandroba ireo famoloana.”
\v 2 Koa nivavaka tamin'i Yaveh Davida mba hanampy azy ka nanontany Azy hoe: “Tokony handeha hanafika an'ireo Filistina ireo ve aho?” Ary hoy Yaveh tamin'i Davida: “Mandehana ary tafiho ireo Filistina ka vonjeo i Keila.”
\v 3 Ary hoy ireo lehilahin'i Davida taminy: “Indro, matahotra isika eto Joda. Koa mainka fa handeha ho any Keila ka hiady amin'ireo tafiky ny Filistina?”
\v 7 Ary nambara tamin'i Saoly fa nankany Keila i Davida. Hoy i Saoly: “Efa nomen'Andriamanitra ahy ho eo am-pelatanako izy. Ka voahidy ao izy satria niditra tao amin'ny tanàna misy vavahady sy fefy.”
\v 9 Ary fantatr'i Davida fa manao teti-dratsy hanoherana azy i Saoly. Ary hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona hoe: “Ento aty ny efoda.”
\v 10 Dia hoy i Davida: “Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa i Saoly dia mitady hankany Keila, mba handringana ny tanàna nohon'ny amiko.
\v 11 Hanolotra ahy ho eo an-tanany ve ny olon'ny Keila? Hidina ve i Saoly, araka ny ren'ny mpanomponao? Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, mitalaho aminao aho, miangavy re mba teneno ny mpanomponao.” Ary hoy Yaveh hoe: “Hidina izy.”
\v 12 Dia hoy i Davida hoe: “Ho atolotry ny olon'i Keila ho eo an-tanan'i Saoly ve izaho sy ireo lehilahiko? Dia hoy Yaveh hoe: “Hanolotra anao izy ireo.”
\v 13 Dia niainga i Davida sy ireo lehilahiny, izay tokony ho teo amin'ny eninjato, ka niala avy tao Keila, ary nandeha nifindrafindra toerana. Nambara tamin'i Saoly fa nandositra avy ao Keila izy, ary najanony ny fanenjehana.
\v 17 Hoy izy taminy hoe: “Aza matahotra. Fa tsy ho hitan'ny tanan'i Saoly raiko ianao. Ianao no ho mpanjaka eo amin'ny Israely, ary izaho dia ho eo anilanao. Fantatr'i Saoly raiko izany.”
\v 19 Ary nanatona an'i Saoly tao Gibea ireo Zifita ka niteny hoe: “Tsy i Davida ve no miafina any aminay ao anatin'ny batery fiarovana mafy any Horesa, any amin'ny havoana Hakila, izay any atsimon'i Jesimona?
\v 20 Ankehitriny midìna, ry mpanjaka! Araka ny sitrakao, midìna! Hanolotra azy ho eo am-pelatananan'ny mpanjaka no anjaranay.”
\v 23 Ka jereo, ary fantaro ireo toerana rehetra izay hanafenany ny tenany. Dia miverena indray aty amiko hilaza marimarina kokoa, dia hiaraka aminareo hiverina aho. Raha any amin'ny tany izy, dia hokarohiko amin'ireo Joda an'arivony rehetra.”
\v 24 Avy eo nitsangana izy ireo ka nankany Zifa mialohan'i Saoly. Ary tany amin'ny efitry ny Maona i Davida sy ireo lehilahiny, tany Araba atsimon'i Jesimona.
\v 25 Nandeha nitady azy Saoly sy ny lehilahiny. Fa nambara tamin'i Davida izany, ka nidina tany amin'ny tany havoana be vato izy ary nonina tany an'efitry Maona. Rehefa nandre izany i Saoly, dia nanenjika an'i Davida tany an-tany efitr'i Maona izy.
\v 26 Ary i Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, Davida sy ireo lehilahiny kosa tamin'ny ilany iray hafa. Nandeha faingana i Davida mba hanalavitra an'i Saoly. Raha efa nanodidina an'i Davida sy ny lehilahiny i Saoly sy ny lehilahiny mba haka azy ireo,
\v 3 Nankeo amin'ny valan'ondry teny an-dalana izy, izay nisy zohy iray. Niditra tao mba hanao maloto i Saoly. Ary Davida sy ireo lehilahiny dia nipetraka lavitra tao aoriany tao amin'ny zohy.
\v 6 Hoy izy tamin'ireo lehilahiny hoe: “Yaveh anie handrara ny hanaovako izao zavatra izao amin'ny tompoko, ilay voahosotr'i Yaveh, dia ny haninjirako ny tanako aminy, raha mahita fa voahosotr'i Yaveh izy.”
\v 11 Indro, ry raiko, jereo ny moron-tongotr'akanjo lavanao eo am-pelatanako. Fa ny antony nanapahako ny moron-tongotr'akanjo lavanao sy tsy namonoako anao, dia mba ho fantatrao sy hitanao fa tsy misy ratsy na fivadihana eto am-pelatanako, ary tsy nanota taminao aho, na dia mihaza ny aiko mba hahafaty ahy aza ianao.
\v 12 Yaveh anie hitsara ahy sy ianao, ary Yaveh anie hamaly faty ahy aminao, fa ny tanako dia tsy tokony hanohitra anao.
\v 16 Rehefa avy niresaka ireo teny ireo tamin'i Saoly i Davida, dia hoy i Saoly hoe: “Feonao ve izany, ry Davida zanako?” Nanandratra ny feony i Saoly ary nitomany.
\v 22 Noho izany dia nanao fianianana tamin'i Saoly i Davida. Avy eo dia nandeha nody i Saoly, fa i Davida sy ireo lehilahiny kosa nandeha niakatra tany amin'ny fiarovana mafy.
\v 5 Koa dia nandefa tovolahy folo izy. Dia hoy Davida tamin'ireo lehilahy: “Miakara any Karmela, mandehana any amin'i Nabala, ary miarahabà azy amin'ny anarako.
\v 6 Lazaonareo aminy hoe: ‘Miveloma anaty fanambinana. Fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an'ny ankohonanao, ary fiadanana anie ho an'izay rehetra hanananao.
\v 8 Anontanio ny zatovo lahinao, dia ho lazain'izy ireo aminao. Ary avelao ireo zatovo lahiko hahita sitraka eo imasonao, fa tsy maintsy tonga izahay amin'ny andro fety. Mba omeo re na inona na inona hanananao eo an-tananao ho an'ireo mpanomponao ary ho an'i Davida zanaka lahinao.”’
\v 9 Rehefa tonga ny zatovolahin'i Davida, dia nolazain'izy ireo tamin'i Nabala ho an'i Davida avokoa izany rehetra izany, avy eo dia niandry izy ireo.
\v 11 Tokony haka ny mofoko sy ny ranoko ary ny henako izay efa novonoiko ho an'ny mpanetiko ve aho, ary hanome izany ho an'ny olona izay tsy fantatro akory hoe avy aiza?”
\v 13 Dia hoy Davida tamin'ireo olony: “Apetaho ny sabatry ny olona tsirairay.” Ka dia nametaka ny sabany ny olona tsirairay. Dia nametaka ny sabany ihany koa i Davida. Lehilahy teo amin'ny efajato teo no nanaraka an'i Davida, ary roanjato no nijanona teo akaikin'ny entana.
\v 14 Fa niresaka tamin'i Abigaila, vadin'i Nabala, ny iray tamin'ireo olona, nanao hoe: “Nandefa iraka maro avy any an'efitra mba hiarahaba ny tomponay i Davida, ary notsiratsirainy izy ireo.
\v 17 Noho izany fantaro izany ary hevero izay ho ataonareo, fa misy ratsy kasaina hatao amin'ny tomponay, sy ny ankohonany. Dia ny ratsy fanahy tokoa izy hany ka tsy misy iray afaka miteny azy.”
\v 21 Ary niteny Davida hoe: “Tena zava-poana no niambenako izay rehetra nananan'io lehilahy io tany an'efitra, fa tsy nisy na inona na inona very izay rehetra azy, dia novaliany ratsy ny soa nataoko azy.
\v 22 Hanao toy izany amiko anie Andriamanitra, ry Davida, ary mihoatra aza, raha mamela na dia lehilahy iray amin'ireo izay azy aho mandra-maraina.”
\v 25 Aoka tsy hijery an'io Nabala, lehilahy ratsy fanahy io ny tompoko, fa araka ny anarany, dia toy izany ihany izy. Nabala no anarany, ary miaraka aminy ny hadalana. Fa izaho mpanomponao dia tsy nahita ireo zatovolahin'ny tompoko, izay nalefanao.
\v 26 Ankehitriny ary, ry tompoko, raha mbola velona koa i Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, satria narovan'i Yaveh tamin'ny fandatsahan-drà, sy tamin'ny famalian'ny tenanao tamin'ny tananao ihany ianao, dia aoka ireo fahavalonao, sy ireo izay mitady hanao ratsy amin'ny tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
\v 27 Ary aoka ity fanomezana izay efa nentin'ny mpanomponao tamin'ny tompoko ity mba hatolotra ho an'ireo zatovolahy izay manaraka ny tompoko.
\v 28 Mba avelao re ny fahadisoan'ny mpanomponao, fa hanangana fonenana azo antoka ho an'ny tompoko tokoa i Yaveh, satria miady ny adin'i Yaveh ny tompoko; ary ny ratsy dia tsy ho hita eny aminao raha mbola velona koa ianao.
\v 29 Na dia mitsangana hanenjika mba hanaisotra ny ainao aza ireo lehilahy, dia efa ho fehezin'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fatoran'ny velona ny ain'ny tompoko; ary ho atsipiny ny ain'ireo fahavalonao, eo amin'ny foitran'ny antsamotady.
\v 30 Dia ho ataon'i Yaveh amin'ny tompoko ireo rehetra nampanantenainy anao, araka ny nanendreny anao ho mpitondra eo amin'ny Israely.
\v 31 Tsy ho enta-mavesatra ho anao—ny nandatsahanao rà tsy manan-tsiny, na nohon'ny nanandraman'ny tompoko hanavotra ny tenany. Fa rehefa hanao soa ho an'ny tompoko i Yaveh, dia tsarovy ny mpanomponao.”
\v 33 Ho tahiana ny fahendrenao, ary ho tahiana ianao, satria efa narovanao tamin'ny fandatsahan-drà sy famaliana faty ny tenako tamin'ny tanako ihany aho!
\v 34 Fa raha ny marina, raha mbola velona koa i Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy ilay niaro ahy tsy handratra anao, raha tsy nandeha faingana hihaona amiko ianao, dia tsy ho nisy niangana ho an'i Nabala afa-tsy zaza lahy kely iray ny maraina.”
\v 36 Dia niverina tany amin'i Nabala i Abigaila; indro, nanao fanasana tao an-tranony izy, toy ny fanasan'ny mpanjaka; ary ny fon'ny mpanjaka faly tao anatiny, satria mamo tanteraka izy. Ka tsy niteny na inona na inona izy mandra-parain'ny andro.
\v 37 Nony maraina, rehefa nisava ny divain'i Nabala, dia nolazain'ny vadiny taminy ireo zavatra ireo; dia nilofika tao anatiny ny fony, ary nanjary toy ny vato izy.
\v 38 Ary folo andro taty aoriana dia namely an'i Nabala i Yaveh ka maty izy.
\v 39 Rehefa ren'i Davida fa nodimandry i Nabala, dia hoy izy: “Isaorana anie Yaveh, ilay nanala ny faniratsirana ahy avy amin'ny tanan'i Nabala, sy niaro ny mpanompony tamin'ny ratsy. Nampody ny ratsy nataon'i Nabala teo amin'ny lohany ihany izy.” Avy eo Davida naniraka ary niresaka tamin'i Abigaila, mba haka azy ho vady.
\v 40 Rehefa tonga tany amin'i Abigaila tany Karmela ireo mpanompon'i Davida, dia niresaka taminy izy ireo ary nanao hoe: “Nandefa anay ho aty aminao i Davida mba haka anao ho vadiny.”
\v 41 Dia nitsangana izy, nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany, ary nanao hoe: “Indro, ny mpanompo vavinao dia mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'ny tompoko.”
\v 2 Dia niainga i Saoly ka nidina nankany amin'ny efitr'i Zifa, nitondra lehilahin'Israely voafantina telo arivo niaraka taminy, mba hitady an'i Davida any an-tany efitr'i Zifa.
\v 3 Nitoby teo amin'ny havoan'i Hakila i Saoly, izay nanatrika an'i Jesimona, teo amoron-dalana. Fa nitoetra tany an'efitra i Davida, ary hitany fa tamy hitady azy tany an'efitra i Saoly.
\v 4 Koa naniraka mpitsikilo i Davida ka nahafantatra fa tena tonga tokoa i Saoly.
\v 7 Koa nankany amin'ny tafika i Davida sy Abisay ny alina. Natory tao an-toby niaraka tamin'ny lefony nitsatoka tamin'ny tany teo akaikin'ny lohany i Saoly. Nandry nanodidina azy i Abnera sy ireo miaramilany.
\v 9 Hoy Davida tamin'i Abisay hoe: “Aza mamono azy; fa iza no afaka maninjitra ny tanany hamely ilay voahosotr'i Yaveh ka tsy ho meloka?”
\v 10 Hoy i Davida hoe: “Raha mbola velona koa Yaveh, dia Yaveh no hamono azy, na ho tonga ny andro hahafatesany, na handeha hiady izy ka ho faty.
\v 11 Ho raràn'i Yaveh anie ny haninjirako ny tanako hamely ilay voahosony; fa ankehitriny, miangavy aminao aho, raiso ny lefona izay eo an-dohany sy ny sinin-drano, ary andao andeha.”
\v 14 Nitabataba mafy tamin'ireo vahoaka sy Abnera zanak'i Nera i Davida; hoy izy hoe: “Tsy mamaly ve ianao, ry Abnera?” Dia namaly Abnera ka nanao hoe: “Iza ianao izao miantsoantso ny mpanjaka izao?”
\v 15 Hoy Davida tamin'i Abnera hoe: “Tsy enao ve ilay lehilahy be herim-po? Iza no tahaka anao eto Israely? Nahoana ary ianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy olona niditra hamono ny mpanjaka tomponao.
\v 16 Tsy tsara izao zavatra nataonao izao. Raha mbola velona koa Yaveh, dia mendrika ny ho faty ianao satria tsy niambina ny tomponao, dia ilay voahosotr'i Yaveh. Ankehitriny dia jereo izay misy ny lefon'ny mpanjaka sy ny sinin-drano teo akaikin'ny lohany!”
\v 18 Hoy izy hoe: “Nahoana no manenjika ny mpanompony ny tompoko? Inona re no nataoko? Inona no ratsy eo an-tanako?
\v 19 Ankehitriny ary, miangavy aminao aho, aoka ny tompoko mpanjaka hihaino ny tenin'ny manompony. Raha Yaveh no nampientana anao hanohitra ahy, aoka Izy hanaiky fanatitra iray; fa raha olombelona izany, dia ho voaozona eo imason'i Yaveh anie izy, fa nandroaka ahy izy ireo androany, mba tsy hifikirako amin'ny lovan'i Yaveh; hoy izy ireo tamiko hoe: ‘Mandehana manompo andriamani-kafa.’
\v 20 Ankehitriny ary, aza avela ho very eo amin'ny tany lavitry ny fanatrehan'i Yaveh ny ràko; fa efa nivoaka hitady ilay parasy kely iray tahaka ny hihazan'ny olona tsipoy iray any amin'ireo tendrombohitra ny mpanjakan'Israely.”
\v 22 Namaly i Davida ka nanao hoe: “Indro, ity ny lefonao, ry mpanjaka! Aoka hisy iray amin'ireo tovolahy hiampita ary haka izany ka hitondra izany any aminao.
\v 24 Indro, toy ny naha-sarobidy ny ainao teo imasoko androany, dia enga anie ka homen-danja eo imason'i Yaveh tahaka izany ny aiko, ary hanavotra ahy amin'ny fahoriana rehetra anie Izy.”
\v 5 Hoy i Davida tamin'i Akisy: “Raha nahita fitia teo imasonao aho, aoka izy ireo hanome toerana ao amin'ny tanàna iray eo amin'ny firenena ho ahy, ka hahafahako monina any: fa nahoana ny mpanomponao no hiara-hitoetra ao an-tanànan'ny mpanjaka miaraka aminao?”
\v 9 Nanafika ny tany Davida ary tsy nisy navelany ho velona na lehilahy na vehivavy; nentiny ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, ary ny fitafiana; ary niverina ho any amin'i Akisy indray izy.
\v 10 Dia hoy i Akisy hoe: “Iza no notafihanareo androany?” Dia namaly i Davida hoe: “Ny atsimon'i Joda,” na “Ny atsimon'ireo Jaramelita,” na “Ny atsimon'ireo Kenita.”
\v 11 Tsy nisy navelan'i Davida ho velona mba ho entina any Gata na lehilahy na vehivavy, fa hoy izy hoe: “Mba tsy hahafahan'izy ireo miteny hoe: ‘Manao izao sy izao Davida.” Izany no nataony nandritra ny fotoana rehetra nonenany tany amin'ny firenen'ireo Filistina.
\v 12 Nino an'i Davida i Akisy ka nanao hoe: “Efa nataony izay hankahalan'ny Israely vahoakany azy tanteraka; noho izany dia ho mpanompoko mandrakizay izy.”
\v 1 Ary tamin'ireo andro ireo ny Filistina dia nampivondrona ireo tafiny hiady amin'ny Israely. Hoy i Akisy tamin'i Davida: “Fantaro tsara fa hivoaka hiaraka amiko ho any an-toby, ianao sy ireo lehilahinao.”
\v 3 Ary maty i Samoela, ary ny Israely rehetra nisaona azy ka nandevina azy tao Rama, tao amin'ny tanàny. Nofongoran'i Saoly tsy ho eo amin'ny tany ihany koa ireo izay niresaka tamin'ny maty na tamin'ireo fanahy.
\v 19 Ankoatra izany, i Yaveh dia hanolotra anao sy ny Israely ho eo an-tanan'ireo Filistina. Rahampitso ianao sy ireo zanakao lahy dia hiaraka amiko. Hatolotr'i Yaveh ho eo an-tanan'ireo Filistina ihany koa ny tafik'Israely.”
\v 6 Ary Akisy niantso an'i Davida ka nanao taminy hoe: “Raha mbola velona koa i Yaveh, dia tsara ianao, ary sitrako ny miara-mivoaka sy miaraka aminao ao amin'ny tafika; fa tsy mbola nahita fahadisoana taminao aho hatramin'ny andro nahatongavanao taty amiko ka hatramin'ny androany. Na dia izany aza, dia tsy ankasitrahin'ireo andriana ianao.
\v 9 Namaly i Akisy ka nanao tamin'i Davida hoe: “Fantatro fa tsy manan-tsiny tahaka ny anjelin'Andriamanitra eo imasoko ianao; na dia izany aza, ireo andrian'ny Filistina efa nanao hoe: ‘Tsy mahazo miakatra miaraka amintsika ho any amin'ny ady izy.’
\v 10 Koa ankehitriny mifohaza maraim-be miaraka amin'ireo mpanompon'ny tomponao izay tonga niaraka taminao; vantany vao mifoha ianao ny maraim-be ary mazava ny andro, dia mandehana.”
\v 1 Ary rehefa tonga tany Ziklaga i Davida sy ireo olony tamin'ny andro fahatelo, dia nanafika teo amin'ny Negeva sy teo amin'i Ziklaga ireo Amalekita. Nanafika an'i Ziklaga izy ireo, ary nandoro izany,
\v 2 ary nisambotra ireo vehivavy sy ny olona rehetra izay tao amin'izany, na kely na lehibe. Tsy namono na iza na iza izy ireo, fa nitondra azy ireo raha nandeha tamin'ny lalany.
\v 3 Rehefa nankany amin'ilay tanàna i Davida sy ireo olony, dia efa may izany, ary ireo vadiny, ireo zanany lahy, sy ireo zanany vavy dia nalaina ho babo.
\v 4 Avy eo dia nampiaka-peo i Davida sy ireo olona niaraka taminy ary nitomany mandra-paha-tsy nisian'ny hery hitomaniana intsony.
\v 6 Ory tanteraka i Davida, satria niresaka momba ny hitoraham-bato azy ny vahoaka, satria mangidy ara-panahy ny vahoaka rehetra, ny olona tsirairay noho ny amin'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy; fa Davida nanatanjaka ny tenany tamin'i Yaveh, Andriamaniny.
\v 9 Dia nandeha i Davida, izy sy ireo eninjato lahy izay niaraka taminy; ary tonga tany amin'ny reniranon'i Besora izy ireo, izay nijanon'ireo izay taraiky tany aoriana.
\v 10 Fa nanohy ny fanejehana i Davida, izy sy ireo efajato lahy; fa ny roanjato nijanona tao aoriana, izay tena osa ka tsy afaka ny handeha eo amin'ny lohasahan-driakan'i Besora.
\v 12 ary nomen'izy ireo ampahana mofomamin'aviavy sy sampam-boaloboka roa izy. Rehefa nihinana izy, dia nahazo hery indray, satria tsy nihinana mofo na nisotro rano nandritra ny telo andro sy telo alina izy.
\v 19 Tsy nisy zavatra tsy ampy, na kely na lehibe, na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy, na ireo babo, na ny zavatra rehetra izay nobaboin'ireo mpanafika ho azy ireo. Naverin'i Davida ny zavatra rehetra.
\v 24 Iza no hihaino anao amin'izany tranga izany? Fa ny fizarana dia ho an'izay mandeha amin'ny ady, sy ho an'ny olona izay miandry ny entana ihany koa; fa hizara mitovy izy ireo.”
\v 27 Nandefa ny sasany tany amin'ireo loholona izay any Betela ihany koa izy, ary ho an'ireo izay tany Ramotan'ny atsimo, sy ho an'ireo izay any Jatira,
\v 28 ary ho an'ireo izay any Aroera, sy ho an'ireo izay any Sifmota, ary ho an'ireo izay any Estemoa.
\v 29 Nandefa ny sasany tany amin'ireo loholona izay any Rakala, sy ireo izay any amin'ny tanànan'i Jeramelita, ary ireo izay any amin'ny tanànan'ireo Kenita,
\v 30 ary ho an'ireo izay any Horma, sy ireo izay any Korsana, ary ho an'ireo izay any Ataka,
\v 31 sy ireo izay any Hebrona, ary amin'ireo toerana rehetra izay nandehanan'i Davida sy ireo olony matetika izy.
\v 8 Ary ny ampitson'iny, rehefa tonga hanaisotra ireo faty ireo Filistina, no nahita ireo an'i Saoly sy ireo zanany telo lahy lavo teo amin'ny tendrombohitra Gilboa.
\v 9 Notapahan'izy ireo ny lohany ary nendahiny ny fiadiany, ary nandefa ireo mpitondra hafatra nanerana ireo tanin'ireo Filistina mba hitondra ny vaovao any amin'ny tempolin-tsampin'izy ireo sy any amin'ny vahoaka izy ireo.
\v 10 Napetrak'izy ireo tao amin'ny tempolin'i Astarta ny fiadiany, ary ny vatany nofeheziny teo amin'ny mandan'ny tanànan'i Beti-sana.