\v 7 Andriamanitra nanao ny habakabaka sy nanasaraka ny rano izay tao ambanin'ilay habakabaka tamin'ny rano izay teo ambonin'ilay habakabaka. Dia nisy izany.
\v 12 Namokatra zava-maitso ny tany, ny zava-maniry mamoa voa araka ny karazany avy, ary ny hazo mamokatra voankazo izay ao aminy ny voany, araka ny karazany avy. Dia hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
\v 13 Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahatelo.
\v 14 Hoy Andriamanitra hoe: “Aoka hisy ny mazava eo amin'ny lanitra mba hanasaraka ny andro amin'ny alina ary aoka ireo ho toy ny famantarana, ho an'ny vanim-potoana, sy ho an'ireo andro ary ireo taona.
\v 15 Aoka ireo ho mazava eo amin'ny lanitra mba hanome hazavana eny amin'ny tany.” Dia nisy izany.
\v 28 Nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nilaza tamin'izy ireo hoe: “Miteraha maro, ary mihamaroa. Mamenoa ny tany, ary hanjakao izany. Manàna fanjakana eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny habakabaka, ary eo amin'ireo zava-manan'aina rehetra izay mihetsika eny ambonin'ny tany.”
\v 29 Hoy Andriamanitra hoe: “Indro, efa nomeko anareo ny zava-maitso rehetra mamoa voa izay eto ambonin'ny tany rehetra, ary ny hazo rehetra izay mamokatra voa ao aminy. Ho fihinanareo ireny.
\v 30 Ho an'ny bibi-dian'ny tany, ho an'ireo voron'ny habakabaka, sy ho an'ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany, ary ho an'ireo zava-manan'aina izay manana fofon'aina eto an-tany no nanomezako ny zava-maitso rehetra ho fihinana.” Dia nisy izany.
\v 6 Fa nisy zavona avy tamin'ny tany ka nandena ny velaran'ny tany rehetr.
\v 7 Namolavola ny olona avy tamin'ny vovon-tany i Yaveh Andriamanitr, ary nofofoiny tamin'ny fofon'ain'ny fahavelomana ny vavorony, ka tonga olombelona.
\v 8 Yaveh Andriamanitra nanamboatra saha tao atsinanana, tao Edena, ary napetrany tao ny olona izay novolavolainy.
\v 9 Tambonin'ny tany no nampanirin'i Yaveh Andriamanitra ny hazo rehetra izay hita fa mahafinaritra ny maso sady tsara ho amin'ny sakafo. Anisan'izany ny hazon'aina izay teo afovoan'ny saha, sy ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
\v 16 Nandidy an-dralehilahy Yaveh Andriamanitra, nanao hoe: “Avy amin'ny hazo rehetra any amin'ny saha dia azonao hihinana.
\v 17 Fa avy amin'ilay hazon'ny fahalalana ny tsara sy ratsy kosa no tsy azonao hihinana, fa amin'ny andro hihinananao avy amin'izany, dia ho faty tokoa ianao.”
\v 19 Avy amin'ny tany no nanamboaran'i Yaveh Andriamanitra ny bibin'ny saha rehetra sy ny voron'ny habakabaka rehetra. Ary nentiny teo amin-dralehilahy izy rehetra mba hahitany izay mety hiantsoany azy. Na inona na inona niantsoan-dralehilahy ny zava-manan'aina tsirairay, dia izany no anarany.
\v 20 Nomen-dralehilahy anarana daholo ny biby fiompy, ny voro-manidina rehetra eny amin'ny habakabaka, ary ny bibidian'ny saha. Nefa tsy nahitàna namana sahaza azy ralehilahy.
\v 21 Nampatorian'i Yaveh Andriamanitra lalina ralehilahy, ka dia natory ralehilahy. Naka iray tamin'ny taolan-tehezany i Yaveh Andriamanitra ary nanakatona ny nofo izay nakany ilay taolan-tehezana.
\v 22 Tamin'ilay taolan-tehezana izay nalain'i Yaveh Andriamanitra tamin-dralehilahy, no nanamboarany vehivavy iray sy nitondràna azy teo amin-dralehilahy.
\v 1 Ary ny menarana dia malina kokoa noho ny bibidia rehetra teo amin'ny saha izay namboarin'i Yaveh Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy hoe: “Tena nilaza tokoa ve Andriamanitra hoe: ‘Tsy azonareo hihinanana ny hazo rehetra ao amin'ny saha?’”
\v 2 Dia hoy ravehivavy tamin'ilay menarana hoe: “Azonay hihinanana ny voan'ny hazo ao an-tsaha,
\v 3 fa mahakasika ny hazo izay eo afovoan'ny saha kosa, dia hoy Andriamanitra hoe: ‘Tsy azonareo atao ny mihinana izany, na mikasika izany, fandrao ho faty ianareo.’”
\v 5 Fa fantatr'Andriamanitra fa amin'ny andro hihinananareo izany dia hahiratra ny masonareo, ary hitovy amin'Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy.”
\v 6 Rehefa hitan-dravehivavy fa tsara ho hanina ny hazo, sady nahafinaritra ny maso, ary ilay hazo dia nampitsiriritra fa mampahendry, dia naka ny sasany tamin'ny voany izy ka nihinana izany. Avy eo dia notolorany ihany koa ny vadiny izay niaraka taminy, ka nihinana izy.
\v 7 Nahiratra ny mason'izy ireo, ka dia fantatr'izy ireo fa nitanjaka izy ireo. Nanjaitra ravin'aviavy nakambana izy ireo ary nanamboatra fitafy ho an'ny tenany.
\v 8 Nandre ny feon'i Yaveh Andiamanitra nandehandeha tao amin'ny saha izy ireo raha malomaloka iny ny andro, ka dia niery ny fanatrehan'i Yaveh Andriamanitra teo amin'ireo hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny.
\v 10 Hoy ralehilahy hoe: “Nandre Anao tao an-tsaha aho, ka natahotra aho, satria nitanjaka. Noho izany dia niafina aho.”
\v 11 Hoy Andriamanitra hoe: “Iza no nilaza taminao fa nitanjaka ianao? Moa ve ianao nihinana avy tamin'ilay hazo izay nandidiko anao tsy hihinànana?”
\v 12 Hoy ralehilahy hoe: “Ny vehivavy izay nomenao hiaraka amiko, izy no nanome ahy ny voa avy tamin'ilay hazo, ka nihinana izany aho.”
\v 13 Ary hoy Yaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy hoe: “Inona izao nataonao izao?” Ravehivavy nanao hoe: “Nandainga tamiko ny menarana, ka dia nihinana aho.”
\v 14 Dia hoy Yaveh Andriamanitra tamin'ilay menarana hoe: “Satria nanao izao ianao, dia ianao irery no voaozona amin'ny biby fiompy sy ny bibi-dian'ny saha rehetra. Amin'ny kibonao no handehananao, ary vovoka no ho fihinanao amin'ny andro rehetra hiainanao.
\v 15 Hasiako fifandrafiana eo aminao sy ny vehivavy, ary eo amin'ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.”
\v 16 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy hoe: “Hampitomboiko ny fanaintainanao raha miteraka; amin'ny fanaintainana no hiterahanao ireo zanakao. Ny fanirianao dia ho an'ny vadinao, fa izy kosa hanapaka eo aminao.”
\v 17 Dia hoy Izy tamin'i Adama hoe: “Satria nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ary nihinana tamin'ny hazo, momba izay nandidiko anao, manao hoe: ‘Tsy azonareo hihinanana izany,’ dia voaozona ny tany noho ny aminao; amin'ny alalan'ny asa feno fanaintainana no hihinananao avy amin'izany amin'ny andro rehetra hiainanao.
\v 22 Dia hoy Yaveh Andriamanitra hoe: “Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ralehilahy, mahalala ny tsara sy ny ratsy. Koa ankehitriny dia tsy azony atao ny mampitsotra ny tanany, maka avy eo amin'ny hazon'aina, hihinana izany, ka ho velona mandrakizay.
\v 23 Ka noho izany dia noroahin'i Yaveh Andriamanitra hiala tao amin'ny saha Edena izy, mba hiasa ny tany izay nakana azy.
\v 24 izany dia noroasin'Andriamanitra hiala ny saha ralehilahy, ary nametraka kerobima teo atsinanan'ny saha Edena Izy, ary sabatra mirehitr'afo izay mihodikodina, mba hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
\v 2 Avy eo dia niteraka an'i Abela rahalahiny indray izy. Ary Abela lasa mpiandry ondry, fa i Kaina kosa namboly ny tany.
\v 3 Rehefa nandeha ny fotoana dia nitondra sasany tamin'ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Yaveh i Kaina.
\v 4 Ny an'i Abela, dia ny sasany tamin'ny voalohan-janak'ondry aman'osiny sy ireo efa matavy no nentiny. Nankasitrahan'i Yaveh i Abela sy ny fanatiny,
\v 5 fa i Kaina sy ny fanatiny kosa dia tsy nankasitrahany. Ka dia tezitra mafy i Kaina, ary vinitra izy.
\v 7 Raha manao izay marina ianao, tsy ho hankasitrahana ve? Fa raha tsy manao izay marina ianao, dia hamitsaka eo ambaravarana ny ota ary maniry ny hibaiko anao, kanefa tsy maintsy manapaka eo amin'izany ianao.
\f + \ft Fanamarihana: ireo dika mitovy tsara indrindra taloha dia mivaky toy io. Kanefa, ny fandikan-teny sasany taloha sy ny fandikan-teny sasany taty aoriana dia mivaky toy izao: “Hoy Kaina tamin'i Abela rahalahiny hoe: “Andeha isika ho any an-tsaha.” raha tany an-tsaha iny izy ireo, dia nijoro hanohitra an'i Abela rahalahiny i Kaina ary namono azy.” \f*
\v 12 Raha miasa tany ianao, dia tsy hamokatra ho anao izany manomboka izao. Ho mpanjenjena sy mpirenireny eny amin'ny tany ianao.”
\v 13 Hoy Kaina tamin'i Yaveh hoe: “Mafy mihoatra noho izay tokony ho zakako ny saziko.
\v 14 Noroahinao tamin'ity tany ity tokoa aho androany, ary hiafina amin'ny tavanao aho. Ho lasa mpanjenjena sy mpirenireny amin'izao tontolo izao aho, ary na iza na iza mahita ahy dia hamono ahy.”
\v 15 Hoy Yaveh taminy hoe: “Raha misy mamono an'i Kaina, dia ho valiana im-pito heny aminy izany.” Avy eo nasian'i Yaveh famantarana i Kaina, ka raha misy mahita azy, dia tsy hamely azy izany olona izany.
\v 2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa maha-te ho tia ny zanaka vavin'ny olombelona. Naka vady ho azy izy ireo, na iza na iza nosafidiany tamin'izy ireo.
\v 14 Manaova sambo-fiara vita amin'ny hazo kypreso ho an'ny tenanao. Asio efitra ao anatin'ilay sambo-fiara, ary asio dinty ao anatiny sy ivelan'izany.
\v 15 Izao no fomba hanaovanao izany: telonjato hakiho ny halavan'ny sambo-fiara, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny haavony.
\v 16 Asio tafo ny sambo-fiara, ary vitao amin'ny hakiho iray avy any ambony izany. Asio varavarana ny ilan'ilay sambo-fiara ary asio tokotanin-tsambo ambany, faharoa sy fahatelo.
\v 17 Mihainoa, efa mby hitondra ilay safo-drano eny ambonin'ny tany Aho, mba hamotika ny nofo rehetra izay manana ny fofon'aina ambanin'ny lanitra ao aminy. Ho faty avokoa ny zavatra rehetra eny ambonin'ny tany.
\v 18 Kanefa hanorina ny fanekeko aminao Aho. Ho avy ao amin'ilay sambo-fiara ianareo, ianao, sy ireo zanakao lahy, ary ny vadinao, sy ireo vinantovavinao.
\v 19 Amin'ny zava-manan'aina rehetra amin'ny nofo rehetra, dia tsy maintsy hitondranao roa avy amin'ny karazany rehetra mankao anaty sambo-fiara, mba hihazonana azy ireo ho velona miaraka aminao, na lahy na vavy.
\v 20 Ireo vorona samy araka ny karazany avy, ary ny biby vaventy samy araka ny karazany avy, ny zavatra mikisaka amin'ny tany rehetra samy araka ny karazany avy, dia hanatona anao avokoa ny roa amin'ny karazany rehetra, velomy izy ireo.
\v 1 Ary Yaveh nilaza tamin'i Noa hoe: “Midira ao amin'ilay sambo-fiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao no olona hitako fa marina eo anatrehako amin'ity taranaka ity.
\v 12 Nanomboka nikija nandritrin'ny efapolo andro sy efapolo alina ny orana teto ambonin'ny tany.
\v 13 Tamin'io andro io ihany i Noa sy ireo zanany lahy, Sema, Hama, sy Jafeta, ary ny vadin'i Noa, sy ireo vinanto vaviny telo niaraka amin'izy ireo, dia niditra tao anatin'ilay sambo-fiara.
\v 14 Ary izy ireo niditra niaraka tamin'ireo bibi-dia rehetra samy amin'ny karazany avy, sy ny biby fiompy samy araka ny karazany avy, sy ny zavatra mikisaka amin'ny tany samy araka ny karazany avy, ary ny karazam-borona rehetra samy araka ny karazany avy, sy ireo zava-manan'aina manan'elatra tsirairay araka ny karazany avy.
\v 15 Tonga tsiroaroa teo amin'i Noa ireo biby rehetra manam-pofon'aina isaky ny karazany avy ary niditra tao amin'ilay sambo-fiara.
\v 16 Ireo biby izay niditra tao dia lahy sy ny vavy isakin'ny karazany avy; niditra tao izy ireo araka izay nandidian'Andriamanitra azy. Avy eo Yaveh nanidy ny vavarana rehefa tafiditra izy ireo.
\v 17 Avy eo dia tonga teto an-tany nandritrin'ny efapolo andro ny safo-drano, ary nitombo ny rano ka nanainga ilay sambo-fiara sy nampiakatra izany ho eo ambonin'ny tany.
\v 18 Rakotra rano tanteraka ny tany, ka nitsingevana teny ambony rano ilay sambo-fiara.
\v 19 Nisondrotra be teo amin'ny tany ny rano ka rakotra avokoa ireo tendrombohitra avo rehetra ambanin'ny lanitra.
\v 8 Ary nandefa voromailala izy hizaha raha efa ritra ny rano tambonin'ny tany,
\v 9 fa tsy nahita toerana nametrahany ny tongony ilay voromailala ka niverina tany aminy tao anatin'ilay sambo fiara satria mbola nandrakotra ny tany manontolo ny rano. Ary naninjitra ny tanany izy, ka nandray ilay voromailala ary nampiditra azy tao anaty sambo-fiara niaraka taminy.
\v 10 Ary mbola niandry hafitoana indray izy ka nandefa ilay voromailala avy tao anaty sambo-fiara.
\v 11 Niverina teo aminy ilay voromailala nony hariva. Indro! nisy ravin'oliva maitso vao notangosana teo ambavan'ilay voromailala. Koa dia fantatr'i Noa fa efa nidina ny rano tambonin'ny tany.
\v 18 Dia nivoaka Noa sy ny vady aman-janany, mbamin'ny vinantovaviny niaraka taminy.
\v 19 Ny zava-manan'aina rehetra, ny zavatra mikisaka rehetra, ary ny vorona rehetra, mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany, araka ny karazany avy, dia nandao ny sambo-fiara.
\v 21 Ary ren'i Yaveh ny hanitra ankasitrahana ka niteny tao am-pony hoe: “Tsy hanozona ny tany noho ny olombelona intsony Aho, na dia ratsy hatramin'ny fahazazany aza ny fisainan'ny fon'ny olona. Ary tsy handringana ny zava-manan'aina intsony Aho, tahaka izay nataoko.
\v 22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny ririnina sy ny fahavaratra, ary ny andro sy ny alina.”
\v 2 Ny tahotra sy ny horohoro anao dia ho eo amin'ireo biby izay miaina ambonin'ny tany, ny voron'ny habakabaka, eo amin'ny zava-drehetra izay mandeha any ambanin'ny tany, ary amin'ny hazan-dranomasina rehetra. Atolotra eo an-tananao ireo.
\v 3 Ny zava-drehetra izay miaina dia ho ataonareo sakafo. Ankehitriny Aho dia manolotra anareo ny zava-drehetra tahaka ny nanomezako anareo ireo zava-maniry maitso.
\v 4 Saingy ianareo dia tsy tokony hihinana hena miaraka amin'ny ainy_izany dia ny ràny_ ao anatiny.
\v 5 Fa ho an'ny rànareo, ny aina izay ao anatin'ny rànareo, dia hitaky ny vidiny Aho. Avy amin'ny tanan'ireo biby no hitakiko izany. Avy amin'ny tanan'ny olona izay namono ny rahalahiny no hitakiko ny saran'ny fiainan'izany olona izany.
\v 6 Na iza na iza mandatsaka ain'ny olona iray, dia olona no andatsaka ny ainy, fa tamin'ny endrik'Andriamanitra no nanamboarany ny olona.
\v 12 Hoy Andriamanitra hoe: “Izao no famantarana an'ilay fanekena izay ataoko eo Amiko sy eo aminareo ary ireo zava-manan'aina miaraka aminareo, ho an'ireo taranaka ho avy:
\v 13 efa nametraka avana teny amin'ny rahona Aho, ary izany no ho famantarana ny fanekena eo Amiko sy ny tany.
\v 14 Izany dia hitranga rehefa handrakotra ny tany amin'ny rahona Aho ary ho tazana eny amin'ny rahona ny avana,
\v 15 avy eo dia ho tsaroako ny fanekeko, izay nisy tamiko sy taminareo ary ireo zava-manan'ainan'ny nofo rehetra. Tsy ho tonga safo-drano hanimba ny nofo rehetra intsony ireo rano.
\v 16 Ny avana dia ho eny amin'ireo rahona ary hahita izany Aho, mba hahatsiarovana ny fanekena teo amin'Andriamanitra sy ireo zava-manan'ain'ny nofo rehetra izay eny ambonin'ny tany.”
\v 32 Ireo no fokon'ireo zanak'i Noa, araka ny firazanan'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo. Avy amin'ireo no nampisaraka ireo firenena ka niparitaka nanerana ny tany tao aorian'ny safo-drano.
\v 8 Ka naparitak'i Yaveh avy teo hanerana ny velaran-tany rehetra izy ireo ary natsahatr'izy ireo ny fananganana ny tanàna.
\v 9 Noho izany, dia natao hoe Babela ny anaran'izany, satria tao no nanafangaron'i Yaveh ny fitenin'ny tany iray manontolo ary avy tao no nanaparitahan'i Yaveh azy ireo tany ivelany manerana ny velaran-tany rehetra.
\v 28 Harana dia maty tao amin'ny tany nahaterahany raha mbola velona i Tera rainy, tao Ora tao Kaldeana.
\v 29 Nanambady i Abrama sy Nahora. Saray no anaran'ny vadin'i Abrama, ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia i Milka, zanaka vavin'i Harana, izay rain'i Milka sy Iska.
\v 31 Nentin'i Tera i Abrama zanany lahy, Lota zanaka lahin'i Harana zanany, sy Saray vinantovaviny, vadin'i Abrama zanany lahy, ary niaraka niala tao Ora tao Kaldeana izy ireo, mba ho any amin'ny tany Kanana. Fa nankany Harana izy ireo ary nijanona tao.
\v 32 Niaina 205 taona i Tera ary avy eo dia maty tao Harana.
\v 4 Dia nandeha Abrama, araka izay nolazain'i Yaveh hataony, ary nanaraka azy koa i Lota. Dimy amby fitopolo taona i Abrama raha nandao an'i Harana.
\v 5 Abrama nitondra an'i Saray, vadiny, Lota, zana-drahalahiny, ireo fananana rehetra izay voatahirin'izy ireo, sy ireo vahoaka izay azon'izy ireo tao Harana. Niainga ho any amin'ny tany Kanàna izy ireo, ka tonga tao amin'ny tany Kanàna.
\v 6 Nandalo ny tany lavitr'i Sekema i Abrama, hatrany amin'ny hazo terebintan'i More. Ireo kananita no nipetraka tao amin'ilay tany tamin'izany andro izany.
\v 8 Nifindra nankany amin'ny havoana atsinanan'i Betela izy, izay nanorenany ny lainy, Betela tany andrefana sy Ay tany atsinanany. Teo no nanorenany alitara ho an'i Yaveh sy niantso ny anaran'i Yaveh.
\v 9 Avy eo nanohy ny diany Abrama, nandeha nankany Negeva.
\v 11 Rehefa nadiva hiditra an'i Egypta izy, dia niteny tamin'i Saray vadiny hoe: “Indro, fantatro fa tena vehivavy tsara tarehy ianao.
\v 12 Rehefa hitan'ireo Egyptiana ianao dia hiteny izy ireo hoe: ‘Ity ny vadiny,’ ary dia ho vonoin'izy ireo aho, kanefa ianao ho hazonin'izy ireo ho velona.
\v 13 Teneno hoe anabaviko ianao, mba tsy hampaninona ahy noho ianao, ary mba ho voatsitsy ny aiko noho ianao.”
\v 14 Ary tamin'ny fotoana nidiran'i Abrama tao Egypta, dia hitan'ireo egyptiana fa vehivavy tena tsara tarehy tokoa Saray.
\v 15 Hitan'ireo tandapan'i Farao izy, dia nidera azy tany amin'i Farao, ary dia nalaina ho any an-tokantranon'i Farao ravehivavy.
\v 16 Ary nampiadanin'i Farao i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nanome azy ondry, omby, ampondra lahy, mpanompo lahy, mpanompo vavy, ampondra vavy, ary rameva.
\v 17 Avy eo Yaveh nikapoka an'i Farao sy ny ankohonany tamin'ny loza lehibe noho i Saray, vadin'i Abrama. Nampiantso an'i Abrama i Farao, ka niteny hoe:
\v 8 Ka hoy Abrama tamin'i Lota hoe: “Aoka tsy hisy fifandirana amiko sy eo aminao, ary eo amin'ireo mpiandry ondrinao sy ireo mpiandry ondriko; sady mpianakavy rahateo isika.
\v 9 Tsy eo anoloanao ve ny tany iray manontolo? Mandehana tsy am-pihambahambana ary misaraha amiko. Raha mandeha miankavia ianao, dia handeha miankavanana aho. Na raha mandeha miankavanana ianao, dia handeha miankavia aho.”
\v 10 Dia nijery nanodidina i Lota, ary nahita fa ny lemak'i Jordana rehetra dia voatondraka tsara na taiza na taiza tamin'ny lalana rehetra mankany Zoara, tahaka ny sahan'i Yaveh, tahaka ny tanin'i Egypta. Izany dia talohan'ny nandravan'i Yaveh an'i Sodoma sy Gomora.
\v 11 Noho izany Lota dia nifidy ny lemak'i Jordana rehetra ho azy ary nandeha niatsinanana, ka nisaraka ireo mpihavana.
\v 12 Nipetraka tany amin'ny tany Kanàna i Abrama, ary Lota nipetraka teo amin'ireo tanànan'ny lemaka. Nanorina ny lainy ho lavitra manakaiky an'i Sodoma izy.
\v 13 Ary ireo olon'i Sodoma dia tena mpanota ratsy fanahy manohitra an'i Yaveh.
\v 15 Ireo tany rehetra izay hitanao, dia homeko anao sy ireo taranakao mandrakizay.
\v 16 Hataoko maro toy ny vovoky ny tany ireo taranakao, ka amin'izay raha misy lehilahy iray afaka manisa ny vovoky ny tany, dia afaka isaina ihany koa ireo taranakao.
\v 1 Ary tamin'ny andron'i Amrafela, mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama ary Tidala mpanjakan'i Goima,
\v 2 dia nanao ady izy ireo hanoherana an' i Bera, mpanjakan'i Sodoma sy Birsa mpanjakan'i Gomora sy Sinaba mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara).
\v 3 Ireto mpanjaka dimy farany dia nifampitaona niaraka tao andohasahan'i Sidima (nantsoina ihany koa hoe: ranomasin-tsira).
\v 8 Avy eo ny mpanjakan'i Sodoma, ny mpanjakan'i Gomora, mpanjakan'i Adma, mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara) dia nivoaka ary niomana
\v 10 Ary ny lohasahan'i Sidima dia feno lavaka misy ditin-tany, ary rehefa nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora, dia nilatsaka tao izy ireo. Ary ireo izay tavela dia nandositra tany amin'ireo tendrombohitra.
\v 11 Ka nalain'ny fahavalo ireo haren'i Sodoma sy Gomora rehetra sy ireo tahiry rehetra, ary dia lasa nandeha tamin'ny lalan'izy ireo.
\v 12 Ary rehefa nandeha izy ireo, dia nentiny koa i Lota, zana-drahalahin'i Abrahama, izay nipetraka tao Sodoma, niaraka tamin'ny fananany rehetra.
\v 13 Ilay iray izay afa-nandositra dia tonga ary nilaza tamin'i Abrama ilay Hebreo. Izy dia nonina tao amin'ny hazo terebintan'i Mamre, Amorita, izay rahalahin'i Eskola sy Anera; izy rehetra ireo izay mpiandany amin'i Abrama.
\v 14 Ary rehefa ren'i Abrama fa voasambotr'ireo fahavalo ny havany, dia notarihiny ireo lehilahiny 318 voahofana izay teraka tao an-tranony, ka nanaraka azy ireo hatrany Dana.
\v 15 Nozarainy ny alina ireo lehilahiny hanohitra azy ireo ary nanafika azy ireo, sy nanenjika azy ireo hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.
\v 16 Avy eo dia nampodiny ireo fananana rehetra, ary nampody an'i Lota havany sy ireo zava-tsoany ihany koa, mbamin'ireo vehivavy sy ny vahoaka hafa.
\v 19 Nitso-drano azy izy manao hoe: “Ho tahian'Andriamanitra Avo Indrindra, Mpahary ny lanitra sy ny tany anie Abrama.
\v 20 Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ireo fahavalonao teo an-tananao.” Avy eo dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zava-drehetra.
\v 21 Hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama hoe: “Omeo ahy ny olona, ary ento ho anao ireo fananana.”
\v 22 Hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma hoe: “Izaho dia efa nanangana ny tanako tamin'i Yaveh, Ilay Andriamanitra Avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
\v 23 fa tsy handray singa taretra, fehin-kapa iray, na zavatra hafa izay anao aho, mba tsy hahafahanao milaza hoe: ‘Izaho no nampanankarena an'i Abrama.’
\v 24 Tsy haka na inona na inona afa-tsy izay efa nohanin'ireo zatovo sy ny anjaran'ireo lehilahy izay niaraka tamiko aho. Aoka ho raisin'i Anera sy Eskola ary Mamre ny anjaran'izy ireo.”
\v 1 Tao aorian'ireo zavatra ireo dia tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: “Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao sy valisoa lehibe indrindra ho anao.”
\v 2 Hoy Abrama hoe: “Tompo Yaveh o, inona no homenao ahy, satria tsy mbola manan-janaka ihany aho, ary i Eliziera avy any Damaskosy no mpandova ny tranoko?”
\v 3 Hoy Abrama hoe: “Satria tsy nomenao taranaka aho, dia indro, ny mpitatan-draharaha ny tranoko no mpandova ahy.”
\v 4 Avy eo, dia indro, tonga taminy ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: “Tsy ho mpandova anao izany lehilahy izany; fa izay avy amin'ny nofonao ihany kosa no ho lasa mpandova anao.”
\v 5 Dia nitondra azy nivoaka Izy, ary nanao hoe: “Jereo ny lanitra, ary isao ireo kintana, raha afaka ny hanisa ireo ianao.” Avy eo niteny taminy Izy hoe: “Dia ho toy izany ireo taranakao.”
\v 13 Dia niteny tamin'i Abrama i Yaveh hoe: “Fantaro marina fa ireo taranakao dia ho vahiny amin'ny tany izay tsy azy ireo, ary ho andevozina sy ampahoriana mandritry ny efajato taona.
\v 5 Ary hoy Saray tamin'i Abrama hoe: “Noho ny aminao ihany izao ratsy mihatra amiko izao. Nomeko ho eo an-tratranao ny mpanompo vaviko, ary rehefa hitany fa nitoe-jaza izy, dia namavoina teo imasony aho. Aoka Yaveh no hitsara ahy sy ianao.”
\v 6 Fa hoy Abrama tamin'i Saray hoe: “Indro, eo amin'ny fahefanao ny mpanompo vavinao, ataovy aminy izay heverinao ho mety indrindra.” Koa dia nanao fitondrana mafy taminy i Saray, ka nandositra azy.
\v 7 Haoriko ny fanekeko eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao, amin'ireo taranaka faramandimbin'izy ireo ho fanekena tsy manam-pahataperana, mba ho Andriamanitrao sy ho an'ireo taranaka mandimby anao Aho.
\v 8 Homeko anao, sy ireo taranaka mandimby anao, ny tany nipetrahanao, dia ny tany Kanàna rehetra, ho fananana mandrakizay, ary Izaho ho Andriamanitr'izy ireo.”
\v 9 Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: “Raha ny aminao, dia tsy maintsy mitandrina ny fanekeko, ianao sy ny taranakao aorianao hatramin'ny taranaka faramandimbin'izy ireo.
\v 10 Izao no fanekeko, izay tsy maintsy tandremanao, eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao: Tsy maintsy foraina ny lehilahy rehetra eo aminareo.
\v 11 Tsy maintsy foraina ny nofon'ny loha tsitsinareo, ka izany no famantarana ny fanekena eo Amiko sy aminao.
\v 12 Ny zazalahy valo andro rehetra eo aminao, hatramin'ny taranak'ireo olonao dia tsy maintsy foraina. Anisan'izany izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana vola avy tamin'ny vahiny izay tsy iray amin'ireo taranakao.
\v 13 Tsy maintsy foraina avokoa izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana tamin'ny volanao. Amin'izany ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo mba ho fanekena mandrakizay.
\v 15 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: “Raha ny amin'i Saray vadinao, dia aza antsoina hoe Saray intsony izy. Fa kosa, Saraha no ho anarany.
\v 20 Raha ny amin'Ismaela, dia efa reko ianao. Indro, mitso-drano azy Aho, ary hampamokatra azy, sy hampitombo azy fatratra. Ho rain'ireo mpitarika ny foko roa ambin'ny folo izy, ary hataoko tonga firenena lehibe.
\v 23 Avy eo Abrahama naka an'Ismaela zanany lahy, sy ireo rehetra tao amin'ny ankohonany, ary ireo rehetra novidiany vola, ny lehilahy rehetra tao amin'ny tokantranon'i Abrahama, ka namora ny nofon'izy ireo tamin'io andro io, araka ny nolazain'Andriamanitra taminy.
\v 19 Fa nifidy azy Aho mba hahafahany mampianatra ireo zanany sy ny ankohonany hanaraka azy mba hitandrina ny lalàn'i Yaveh, mba hanao ny fahamarinana sy ny rariny, mba hahafahan'i Yaveh mitondra eo amin'ny i Abrahama izay nolazainy taminy.”
\v 20 Dia niteny Yaveh hoe: “Satria lehibe loatra ny fitarainana ny amin'i Sodoma sy Gomora, ary satria be loatra ny fahotan'izy ireo,
\v 21 dia hidina any Aho izao ary hijery ny fitarainana ny aminy izay tonga tamiko, na nanao izany tokoa izy ireo. Raha tsy izany, dia ho fantatro.”
\v 24 Angamba misy marina dimampolo ao amin'ny tanàna. Handripaka izany ve Ianao ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimampolo marina izay ao?
\v 25 sanatria aminao ny hanao zavatra toy izany, mamono ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy, mba hahafahana mitondra ny marina tahaka ny ratsy fanahy. sanatria aminao izany! Tsy hanao izay marina ve ny Mpitsaran'ny tany rehetra?
\v 3 Fa niangavy fatratra azy ireo izy, ka niaraka taminy izy ireo, ary nandroso tao an-tranony. Nahandro sakafo sy nanendy mofo tsy misy masirasira izy, dia nihinana izy ireo.
\v 4 Kanefa talohan'ny natorian'izy ireo, ny lehilahin'ny tanàna, ny lehilahin'i Sodoma, dia nihodidina ny trano, ny tanora sy ny antitra, ireo lehilahy rehetra avy amin'ny faritry ny tanàna.
\v 12 Dia niteny tamin'i Lota ireo lehilahy hoe: “Mbola misy olon-kafa ve ato aminao? Vinanto lahy, ireo zanaka lahinao sy ireo zanaka vavinao, ary izay hanananao eto amin'ity tanàna ity, dia ento mivoaka eto izy ireo.
\v 13 Fa efa ho ravainay ity toerana ity, satria ny fiampangana izany eo anatrehan'i Yaveh dia tonga mafy loatra ka nirahany handrava izany izahay.”
\v 14 Nandeha Lota ary nampilaza ireo vinanto lahiny, ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy, ary niteny hoe: “Faingàna, mialà amin'ity toerana ity ianareo, fa efa ho ravain'i Yaveh ity tanàna ity.” Fa tamin'ireo vinanto lahiny dia toy ny nivazivazy izy.
\v 15 Vao mangiran-dratsy ny andro, dia nitalaho tamin'i Lota ireo anjely, niteny hoe: “Mandehana, ento ny vadinao sy ireo zanakao roa vavy izay eto, mba tsy ho voaringana koa ianao amin'ny famaizana ny tanàna.”
\v 17 Rehefa tafavoakan'izy ireo teny ivelany izy ireo, dia niteny ny iray tamin'ireo lehilahy hoe: “Mandosira ho amin'ny ainareo! Aza miherika, na mijanona amin'ny tany lemaka. Mandosira any an-tendrombohitra mba tsy ho voaringana ianareo.”
\v 20 Fa indro, iry tanàna iry dia akaiky kokoa azo handosirana tsara, ary kely izy io. Tompoko, aoka re aho handositra ao (tsy kely ve io?), ary dia ho voavonjy ny aiko.”
\v 28 Nitazana an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy. Nijery izy ka indro, niakatra tahaka ny setrokin'ny lafaoro lehibe ny setroka avy tamin'ny tany.
\v 33 Ka dia nampisotroin'izy ireo divay ny rainy tamin'io alina io. Avy eo dia niditra ilay vavimatoa ary nandry niaraka tamin-drainy; kanefa izy dia tsy nahafantatra ny fotoana izay nandriany, na ny nifohazany.
\v 7 Ka noho izany, avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy. Hivavaka ho anao izy, ary ho velona ianao. Fa raha tsy averinao izy, dia fantàro fa tena ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao.”
\v 9 Avy eo Abimekela nampiantso ny an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: “Inona ity nataonao taminay?” Ahoana ny nanotàko taminao, no dia nitondra fahotana lehibe teo amiko sy ny fanjakako ianao? Nataonao tamiko izay tsy tokony natao.”
\v 10 Dia hoy izy tamin'i Abrahama hoe: “Roahy io andevo vavy io sy ny zanany: fa ny zanak'io andevo vavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia Isaka.”
\v 16 Avy eo lasa izy ka nipetraka lavidavitra kely tamin'ilay zaza, sahabo ho halaviran'ny fandefasana tsipìka teo, fa hoy izy hoe: “Aoka aho tsy hijery ny fahafatesan'ny zaza.” Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony ka nitomany.
\v 17 Andriamanitra nahare ny feon'ny zazalahy, ary ny anjelin'Andriamanitra niantso an'i Hagara avy any an-danitra, ka niteny taminy hoe: “Inona ny olanao ry Hagara? Aza matahotra fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zazalahy eo amin'izay hitoerany.
\v 18 Mitsangàna, atsangano ny zaza ka ampaherezo izy, fa Izaho hanao azy ho firenena lehibe.”
\v 22 Ary tamin'izany fotoana izany Abimeleka sy Pikola lehiben'ny tafiny niresaka tamin'i Abrahama ka niteny hoe: “Andriamanitra dia momba anao amin'izay rehetra ataonao.
\v 23 Ankehitriny noho izany mianianà amiko eto anatrehan'Andriamanitra fa tsy hanao ratsy amiko ianao, na ny zanako, na ny taranako ianao. Asehoy ahy sy amin'ity tany izay nitoeranao ity ny fahatokisam-panekena izay nasehoko taminao.”
\v 30 Namaly izy hoe: “Ireto zanak'ondry vavy fito ireto dia ho raisinao avy amin'ny tanako, mba ho vavolombelona amiko, fa izaho no nandavaka ity fantsakana ity.”
\v 3 Ary nifoha maraim-be i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ary naka tovolahy roa hiaraka aminy sy Isaka zanany lahy. Notapahiny ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana, avy eo dia nanomboka ny diany ho any amin'ilay toerana nolazain'Andriamanitra taminy.
\v 5 Hoy Abrahama tamin'ireo mpanompony hoe: “Mijanòna eto miaraka amin'ny boriky fa izaho sy ilay zazalahy handeha ho eny. Hanao fanompoana izahay dia hiverina eto aminareo indray.”
\v 6 Avy eo dia nandray ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana i Abrahama ary nametraka izany teo amin'Isaka zanany. Nentiny teny an-tanany ny afo sy ny antsy; ary dia niara-nandeha izy roa.
\v 7 Niteny tamin'i Abrahama rainy i Isaka hoe: “Ry raiko,” ary hoy izy hoe: “Inty aho ry zanako.” Hoy izy hoe: “Jereo, indreo ny afo sy ny hazo fa aiza ilay ondry ho atao fanatitra dorana?”
\v 8 Hoy Abrahama hoe: “Andriamanitra mihitsy no hamatsy ilay ondry ho atao fanatitra dorana, ry zanako.” Ka dia nandeha niaraka izy roa.
\v 6 “Mihainoa anay, ry tompoko. Andrian-dehibe an'Andriamanitra eto aminay ianao. Aleveno amin'ireo fasanay izay safidinao indrindra ny fatin'ny vadinao. Tsy misy na iza na iza aminay handà izany fasana izany ho anao, mba hafahanao mandevina ny fatin'ny vadinao.”
\v 8 Niteny tamin'izy ireo izy, nanao hoe: “Raha manaiky ianareo fa tokony handevina ny fatin'ny vadiko aho, dia henoy aho ary hiangavio i Efrona zanaka lahin'i Zohara, ho ahy.
\v 9 Angataho izy mba hivarotra amiko ilay lava-baton'i Makpela, izay azy, any amin'ny faran'ny sahany. Amin'ny vidiny feno dia aoka izy hivarotra izany amiko ampahibemaso ho toy ny fananana ho toerana fandevenana.”
\v 11 “Tsia, ry tompoko, henoy aho. Nanome saha anao aho, sy ny lava-bato izay ao amin'izany. Nomeko ho anao teo anatrehan'ireo zanaka lahin'ny oloko izany. Omeko anao izany mba handevenanao ny faty izay anao.”
\v 13 Niteny tamin'i Efrona izy mba ho ren'ny olona teo amin'ilay tanàna, nanao hoe: “Kanefa raha sitrakao, henoy re aho. Ho vidiako ny saha. Raiso ny vola avy amiko, ary handevina ny fatin'ny vadiko eny aho.”
\v 15 “Aoka re, ry tompoko, mihainoa re ahy. Sekely volafotsy efajato no sahaza ny ampahan-tany iray, ho inona amintsika sy ianao izany? Aleveno ny fatin'ny vadinao.”
\v 16 Nohenoin'i Abrahama i Efrona ka nolanjainy ho an'i Efrona ny fatran'ny volafotsy izay noresahiny mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta, sekely volafotsy efajato, araka ny fandanjana mahazatra ny mpivarotra.
\v 17 Noho izany ny tanin'i Efrona, izay tao Makpela, teo akaikin'i Mamre, izany hoe, ilay saha, ilay lava-bato izay ao amin'izany, sy ireo hazo rehetra izay eo amin'ny tany sy manodidina ny sisiny, dia lasan'i
\v 3 ary asaiko mianiana amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany ianao, mba tsy haka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, eo amin'ireo izay hanorenako ny fonenako.
\v 4 Fa handeha ho any amin'ny fireneko ianao, any amin'ireo havako, ka makà vady ho an'Isaka zanako lahy.”
\v 5 Hoy ilay mpanompo taminy hoe: “Ahoana raha tsy vonona ny handeha hanaraka ahy ho aty amin'ity tany ity ilay vehivavy? Tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina any amin'ny tany niavianao ve aho?”
\v 6 Dia hoy Abrahama taminy hoe: “Mahazò antoka ny tsy hitondranao ny zanako lahy hiverina any!
\v 7 Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay naka ahy avy tao an-tranon'ny raiko sy avy tany amin'ny tanin'ny havako, sady nampanantena ahy tamin'ny fianianana manetriketrika nilaza hoe: ‘Omeko ho an'ny taranakao ity tany ity,’ Izy no haniraka ny anjeliny hialoha anao, ary hahita vady ho an'ny zanako any ianao.
\v 8 Saingy raha tsy vonona ny hanaraka anao ilay vehivavy, dia ho afaka amin'ny fianianako ianao. Tsy tokony hitondra ny zanako miverina any fotsiny ianao.”
\v 27 Hoy izy hoe: “Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama tompoko, izay tsy nahafoy ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fahamendreham-pitokisany nanoloana ny tompoko. Raha ny amiko, dia nentin'i Yaveh mivantana tao an-tranon'ny havan'ny tompoko aho.”
\v 40 Fa hoy kosa izy tamiko hoe: ‘Yaveh, izay andehanako eo anoloana, dia haniraka anjely hiaraka aminao ary hanambina ny lalanao izy, mba hahazoanao vady ho an'ny zanako lahy eo amin'ireo havako sy avy amin'ny firazanan'ny raiko.
\v 41 Saingy ho afaka amin'ny fianianako ianao raha mankany amin'ireo havako ka tsy hanome azy ho anao izy ireo. Dia ho afaka amin'ny fianianako ianao.’
\p
\v 42 Koa dia tonga teo amin'ny loharano aho androany, ary niteny hoe: “Yaveh o, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, aoka re, raha tena manao izay hanambinana ny diako tokoa Ianao—
\v 43 indro aho, mijoro eto akaikin'ny loharano—aoka izay tovovavy mivoaka hantsaka rano, izay vehivavy hilazako hoe: “Mba omeo rano kely amin'ny sininao re aho mba ho sotroina,”
\v 44 izay vehivavy milaza amiko hoe: “Misotroa, ary haka rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho,"—aoka ho izy ilay vehivavy izay nosafidianao, ry Yaveh, ho an'ny zanaka lahin'ny tompoko.’
\v 45 Raha mbola tsy nahavita niteny tao am-poko akory aho, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sininy teo an-tsorony i Rebeka ary nandeha nidina ho eo amin'ny loharano izy ka naka rano. Ka hoy aho taminy hoe: ‘Mba omeo rano re aho.’
\v 49 Koa ankehitriny, raha vonona ny hitondra ny tompoko amin'ny fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana ianareo, dia ambarao amiko. Kanefa raha tsy izany, dia lazao ahy, mba hitodiako miankavia na miankavanana.”
\v 50 Avy eo Labana sy Betoela namaly ka nanao hoe: “Avy amin'i Yaveh izany zavatra izany; tsy afaka ny hilaza aminao na ratsy na tsara izahay.
\v 51 Indro, eo anoloanao i Rebeka. Ento izy ary mandehana, mba ho vadin'ny zanaky ny tomponao, araka ny nolazain'i Yaveh.”
\v 52 Rehefa nandre ny tenin'izy ireo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo amin'i Yaveh izy.
\v 53 Nitondra karazan-javatra volafotsy sy karazan-javatra volamena ilay mpanompo, ary fitafiana, ka nomeny ho an'i Rebeka ireo. Nanolotra fanomezana sarobidy ho an'ny anadahiny sy ny reniny ihany koa izy.
\v 54 Avy eo dia nihinana sy nisotro izy sy ireo lehilahy izay niaraka taminy. Nitoetra tao nandritry ny alina izy ireo, ary rehefa nifoha maraina, dia hoy izy hoe: “Alefaso any amin'ny tompoko aho.”
\v 55 Hoy ny anadahiny sy ny reniny hoe: “Avelao mba hitoetra miaraka aminay mandritry ny andro vitsivitsy ny tovovavy, mba folo andro farafahakeliny. Aorian'izany dia afaka mandeha izy.”
\v 56 Fa hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Aza hazonina aho, satria nanambina ny lalako Yaveh. Alefaso amin'ny lalako aho mba hafahako mandeha any amin'ny tompoko.”
\v 6 Fa kosa, fony mbola velona izy, dia nanome fanomezana an'ireo zanaky ny vaditsindranony ary nandefa azy ireo tany amin'ny tany antsinanana, lavitra an'Isaka, zanany.
\v 7 Ary ny andro niainan'i Abrahama dia 175 taona.
\v 8 Niala aina Abrahama ka maty tratra antitra, lehilahy zokiolona voky andro, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy.
\v 9 Isaka sy Ismaela, zanany lahy, no nandevina azy tao amin'ilay lava-baton'i Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona zanak'i Zohara Hetita, izay eo akaikin'ny Mamre.
\v 10 Novidian'i Abrahama tamin'ireo zanaka lahin'i Heta izany saha izany. Nalevina tany niaraka tamin'i Saraha vadiny i Abrahama.
\v 11 Tao aorian'ny nahafatesan'i Abrahama, dia nitahy an'i Isaka zanany lahy Andriamanitra, ary Isaka nonina nanakaiky an'i Bera-lahai-roy.
\v 13 Ireto no anaran'ny zanak'Ismaela, araka ny filaharan'ny fahaterahany: Nabaiota—ilay lahimatoan'Ismaela, Kedara, Adbela,
\v 14 Mibsama, Masmà, Domà, Masa,
\v 15 Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, ary Kedma.
\v 16 Ireo avy no zanaka lahin'Ismaela, ary ireo ny anaran'izy ireo, araka ny tanànany, sy ny toby misy azy ireo; andrian-dahy roa ambin'ny folo araka ny fokon'izy ireo.
\v 17 Ny andro niainan'i Ismaela dia 137 taona: niala aina izy ary maty, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy.
\v 23 Nilaza taminy Yaveh hoe: “Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa no ho sarahana avy ao anatinao. Ny vahoaka iray dia mafimafy kokoa noho ilay hafa, ary ny zokiny dia hanompo ny zandriny.”
\v 24 Rehefa tonga ny fotoana hahaterahany, dia indro, nisy kambana tao an-kibony.
\v 25 Nivoaka ny zaza voalohany ary dia mena tanteraka toy ny lamba voloina. Esao no niantsoan'izy ireo azy.
\v 26 Tao aorian'izany, dia nivoaka ny rahalahiny. Nihazona ny voditongotr'i Esao ny tanany. Jakoba no niantsoana azy. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy ireo ny vadiny.
\v 34 Nomen'i Jakoba mofo sy hanina vita amin'ny voanemba i Esao. Nihinana sy nisotro izy, ary avy eo dia nitsangana ka nandeha. Tamin'izany fomba izany no nanaovan'i Esao tsinontsinona ny fizokiany.
\v 3 Mijanòna amin'io tany io, homba sy hitahy anao Aho; fa ho anao sy ho an'ireo taranakao, no hanomezako ireo tany rehetra ireo, ary ho tanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin'i Abrahama rainao.
\v 4 Ho hampitomboiko toy ireo kintan'ny lanitra ireo taranakao, ary homeko ireo taranakao ireo tany rehetra ireo. Avy amin'ireo taranakao no hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany.
\v 11 Koa nampitandrina ny olona rehetra Abimeleka ary niteny hoe: “Na iza na iza mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia azo antoka fa tena ho vonoina tokoa.”
\v 27 Hoy Isaka tamin'izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no makaty amiko, nefa nankahalana ahy sy nandroaka ahy taminareo ianareo.
\v 28 Avy eo hoy izy ireo hoe: “Hitanay tsara izao fa efa nomba anao Yaveh. Ka dia nanapa-kevitra izahay fa tokony hisy fianianana eo amintsika, eny, eo aminay sy ianao. Aoka izahay hanao fifanekena aminao,
\v 29 fa tsy hanao ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanaovanay ratsy taminao, sy tahaka ny fomba tsara nitondranay anao ary nandefasanay am-pitoniana anao. Voatahin'i Yaveh tokoa ianao.”
\v 11 Niteny tamin'i Rebeka reniny i Jakoba hoe: “Jereo, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho kosa dia lehilahy malama hoditra. Mety hikasika ahy ny raiko, ka ho fantany fa mamitaka azy aho.
\v 12 Hitondra ozona amin'ny tenako aho fa tsy tso-drano.”
\v 13 Hoy ny reniny taminy hoe: “Anaka, aleo ny rainao hanozona ahy. Araho fotsiny ny teniko, dia mandehana, ento aty amiko ireo.”
\v 20 Hoy Isaka tamin'ny zanany lahy hoe: “Ahoana no nataonao nahitana izany tao anaty fotoana fohy anaka?” Hoy izy hoe: “Satria Yaveh Andriamanitrao no nitondra izany tamiko.”
\v 21 Dia hoy Isaka tamin'i Jakoba hoe: “Manatòna eto akaikiko, mba hahafahako mikasika anao, ry zanako, ka hahafantarana raha tena Esao zanako marina ianao na tsia.”
\v 22 Nanatona an'Isaka rainy i Jakoba; ary nikasika azy Isaka ka nanao hoe: “Ilay feo dia ny feon'i Jakoba, fa ireo tanana kosa dia an'i Esao.”
\v 25 Hoy Isaka hoe: “Arosoy eto amiko ny sakafo fa hohaniko ny hazanao, mba hafahako mitso-drano anao.” Nentin'i Jakoba teny aminy ny sakafo. Dia nihinana Isaka, ary nitondran'i Jakoba divay izy, ka nisotro.
\v 26 Avy eo dia hoy Isaka rainy taminy hoe: “Manatòna akaiky ahy izao ary orohy aho, anaka.”
\v 27 Nanatona i Jakoba ka nanoroka azy, ary nifofona ny fofon'ireo akanjony izy ka nitso-drano azy. Hoy izy hoe: “Indro, ny fofon'ny zanako dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahian'i Yaveh.
\v 29 Hanompo anao anie ireo olona ary hiankohoka eo anatrehanao ireo firenena. Ho tompon'ireo rahalahinao ianao, ary hiankohoka eo anatrehanao anie ireo zanakin'ny reninao. Ho voahozona anie ireo rehetra izay nanozona anao; ary ho tahiana anie ireo rehetra mitso-drano anao.”
\v 33 Nangovitra mafy Isaka ka niteny hoe: “Fa iza no nihaza ny osy ary nitondra izany tamiko? Nohaniko daholo izany mialohan'ny natongavanao, ary efa nitso-drano azy aho. Dia ho tahina tokoa izy.”
\v 34 Rehefa nandre ireo tenin'ny rainy i Esao, dia nitomany mafy, ary niteny tamin'ny rainy hoe: “Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko.”
\v 35 Hoy Isaka hoe: “Ny rahalahinao no efa tonga teto namitaka ahy ary naka ny tso-dranonao.”
\v 36 Hoy Esao hoe: “Tsy izy ve ilay antsoina hoe Jakoba? Fa izy dia efa namitaka ahy indroa. Efa nalainy ny maha-lahimatoa ahy, ary izao dia mbola nalainy ihany koa ny tso-drano tokony ho ahy.” Hoy izy avy eo hoe: “Tsy misy tso-drano efa voatokanao ho ahy ve?”
\v 37 Namaly Isaka ary niteny tamin'i Esao hoe: “Indro, efa voahosotro ho tomponareo izy ary efa natolotro ho mpanompony ireo rahalahiny, ary efa nomeko azy ny voa sy divay vaovao. Inona no mbola afaka ataoko ho anao, ry anaka?”
\v 38 Hoy Esao tamin'ny rainy hoe: “Tsy mba manana tso-drano na dia iray ho ahy ary ve ianao, ry raiko? Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko.” Nitomany mafy Esao.
\v 39 Namaly Isaka rainy ary niteny taminy hoe: “Indro, ny toerana izay misy anao dia lavitry ny tany lonaka, lavitry ny andon'ny lanitra ambony.
\v 40 Amin'ny alalan'ny sabatrao no hivelomanao, ary hanompo ny rahalahinao ianao. Fa rehefa mikomy ianao, dia hanala ny tenanao amin'ny fitondrany.”
\p
\v 41 Nankahala an'i Jakoba i Esao nohon'ny tso-drano izay nomen'ny rainy azy. Niteny tao am-pony Esao hoe: “Manakaiky ireo andro fisaonana ny raiko; aorian'izay dia ho vonoiko Jakoba rahalahiko.”
\v 45 mandra-paha-afaka ny hatezeran'ny rahalahinao aminao, ka hanadinoany izay nataonao taminy. Avy eo dia hampaka anao any aho. Ataoko ahona no hamoy anareo roa anatin'ny andro iray?
\v 2 Mitsangàna, ka mandehana any Padana-Arama, ho any amin'ny taranak'i Betoela rain'ny reninao, dia makà vady any, iray amin'ireo zanaka vavin'i Labana, anadahin-dreninao.
\v 3 Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao, hampamokatra anao ary hahamaro anao, mba hahatonga anao ho firenena maro.
\v 4 Homeny anao anie ny tso-dranon'i Abrahama, ho anao, sy ho an'ireo taranaka mandimby anao, mba handovanao ny tany izay efa nonenanao, izay nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.”
\v 13 Indro, Yaveh nitsangana teo ambonin'izany ary niteny hoe: “Izaho no Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama rainao, sy Andriamanitr'Isaka. Ny tany izay handrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao.
\v 14 Ho toy ny vovoka amin'ny tany ny taranakao, ary hiely lavitra hatrany andrefana, ka hatrany atsinanana, hatrany avaratra, ary hatrany atsimo ianao. Amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao no hitahiana ireo fianakaviana eto an-tany rehetra.
\v 1 Dia nanohy ny diany indray Jakoba ka tonga teo amin'ny tanin'ny mponina tatsinanana.
\v 2 Raha nijery izy, dia nahita fantsakana teo amin'ny saha, ary, indro, nisy andian'ondry aman'osy telo nandry teo anilan'izany. Fa teo ivelan'izany fantsakana izany no nampisotron'ireo ny ondry aman'osiny, ary lehibe ny vato teo amin'ny vavan'ilay fantsakana.
\v 3 Koa rehefa tafangona eo ireo ondry aman'osy rehetra, dia hakodin'ny mpiandry ondry ny vato eo amin'ny vavan'ny fantsakana ka hampisotroiny ny ondry, ary avy eo saronana eo amin'ny vavan'ny fantsakana indray ny vato, ho eo amin'ny fitoerany.
\v 9 Raha mbola niresaka tamin'izy ireo Jakoba, dia indro Rahely tamy niaraka tamin'ireo ondrin'ny rainy, satria niandry ireo izy.
\v 10 Rehefa hitan'i Jakoba i Rahely, zanaka vavin'i Labana, anadahin-dreniny, sy ny ondrin'i Labana, anadahin-dreniny, dia nanatona Jakoba, nanakodia ny vato teo amin'ny vavan'ny fantsakana, ka nampisotro rano ny ondry aman'osin'i Labana, anadahin-dreniny.
\v 11 Nanoroka an'i Rahely i Jakoba ary nitomany mafy.
\v 12 Nolazain'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy izy, ary izy no zanaka lahin'i Rebeka. Dia nihazazaka i Rahely ka nilaza tamin-drainy.
\v 25 Nony maraina, dia indro, fa Lea no teo! Hoy Jakoba tamin'i Labana hoe: “Inona izao nataonao tamiko izao? Tsy nanompo anao ve aho mba hahazoako an'i Rahely? Nahoana no dia namitaka ahy ianao?”
\v 26 Hoy Labana hoe: “Tsy fombanay ny manome ny zandriny vavy alohan'ny zokiny.
\v 27 Tanteraho volantantelin'ity zanaka vavy ity, dia homenay anao koa ny anankiray mba hanompoanao ahy fito taona indray.”
\v 32 Dia nitoe-jaza i Lea ary niteraka zaza lahy izy, ka nataony hoe Robena ny anarany. Fa hoy izy hoe: “Satria efa nitsinjo ny fahoriako i Yaveh; dia ho tian'ny vadiko tokoa aho izao.”
\v 33 Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: “Satria efa ren'i Yaveh fa tsy mba tiana aho, dia izany no nanomezany ahy ihany koa ity zaza ity,” ary ny anarany nataony hoe Simeona.
\v 34 Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: “Ankehitriny kosa dia hifikitra amiko ny vadiko, satria efa niteraka zaza lahy telo ho azy aho.” Izany no nanaovany ny anarany hoe Levy.
\v 35 Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: “Ankehitriny dia hidera an'i Yaveh aho.” Izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
\v 24 Nantsoiny hoe Josefa ny anarany, ary nanao hoe: “Nanampy zanaka lahy iray hafa ho ahy Yaveh.”
\p
\v 25 Tao aorian'ny niterahan'i Rahely an'i Josefa, dia niteny tamin'i Labana Jakoba hoe: “Alefao aho, mba hahafahako mandeha mankany amin'ny tranoko sy any amin'ny tanànako.
\v 26 Omeo ahy ireo vadiko sy ireo zanako izay ho azy ireo no nanompoako anao, ary avelao aho andeha, fa ianao mahafantatra ny fanompoana nataoko anao.”
\v 27 Hoy Labana taminy hoe: “Raha mahita fankasitrahana eo imasonao aho ankehitriny, dia andraso, satria fantako tamin'ny fampiasana sikidy fa nitahy ahy noho ianao i Yaveh.
\v 28 Dia hoy izy hoe: “Teneno hoe ohatrinona ny karamanao, dia ho aloako ireo.”
\v 29 Jakoba niteny taminy hoe: “Fantatrao ny fomba nanompoako anao, sy ny fomba nitomboan'ny biby fiompinao niaraka tamiko.
\v 30 Fa kely no nanananao talohan'ny nahatongavako, ary nitombo be lavitra izany. Nitahy anao Yaveh na taiza na taiza niasako. Ary rahoviana aho no mba hihary ho an'ny tokantranoko koa?”
\v 31 Dia hoy Labana hoe: “Inona no ho aloako aminao?” Hoy Jakoba hoe: “Tsy hanome ahy na inona na inona ianao. Raha hanao izao zavatra izao ho ahy ianao, dia ho hamahana indray ny biby fiompinao ary hiambina izany aho.
\v 32 Avelao aho hamakivaky ny biby fiompinao rehetra androany, hanala ny ondry pentipetina sy sada rehetra amin'izany, ary izay mainty rehetra eo amin'ny ondry, ary ny sada sy ny pentipentina eo amin'ireo osy. Izany no ho karamako.
\v 33 Ny tsy fivadihako no ho vavolombelona ho ahy any aoriana, rehefa tonga hijery ireo karamako ianao. Ny rehetra izay tsy pentipentina sy sada eo amin'ireo osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry, raha misy hita aty amiko, dia ho atao toy ny nangalarina.”
\v 40 Nosarahan'i Jakoba ireo zanak'ondry ireo, fa nanao ny ambin'ireo nifanatrika tamin'ireo biby sadika sy ny ondry mainty rehetra tao amin'ny biby fiompin'i Labana. Dia nosarahany ho azy irery ny biby fiompiny ka tsy nakambany niaraka tamin'ireo biby fiompin'i Labana.
\v 41 Na oviana na oviana niterahan'ny ondry matanjaka tao amin'ny biby fiompy, dia nampandrian'i Jakoba teo amin'ny tavy fisotroana teo anoloan'ny mason'ireo biby fiompy ireo tapa-kazo, mba hafahan'izy ireo miteraka eo amin'ireo tapa-kazo.
\v 42 Fa rehefa tonga ireo biby osa tamin'ireo biby fiompy, dia tsy nametraka ireo tapa-kazo teo anoloan'ireo izy. Koa an'i Labana ireo biby osa, ary an'i Jakoba ny mahery.
\v 43 Lasa nanan-karena be ralehilahy. Nanana biby fiompy be izy, mpanompo vavy sy mpanompo lahy, ary rameva sy ampondra.
\v 8 Raha niteny izy hoe: “Ireo biby sada rehetra no ho karamanao,” dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra. Raha nilaza izy hoe: “Ny sadika rehetra no ho karamanao,” dia niteraka sadika avokoa ny ondry aman'osy rehetra.
\v 16 Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay ankehitriny dia anay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, na inona na inona nolazain'Andriamanitra taminao, dia ataovy izany.”
\v 31 Namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: “Satria natahotra aho ary nieritreritra fa ho halainao amiko amin-kery ireo zanakao vavy no nahatonga ahy handositra mangingina.
\v 32 Na iza na iza nangalatra ny andriamanitrao dia ho faty izy. Eo anatrehan'ireo havantsika, dia fantaro izay rehetra ety amiko ka anareo dia alaivo izany.” Satria tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no nangalatra izany.
\v 37 Fa nosavainao avokoa ny fananako rehetra. Ary inona tamin'ireo rehetra zavatsoan'ny ankohonanao no hitanao? Apetraho eto anoloan'ireo havantsika izany, mba hahafahan'izy ireo mitsara eo amintsika roa tonta.
\v 38 Fa niaraka taminao foana aho nandritry ny roapolo taona. Ireo ondry vavinao sy osy vavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondry lahy avy tamin'ireo ondrinao aho.
\v 39 Tsy mba nentiko teo aminao izay voaviraviran'ireo bibidia. Fa kosa, izaho no nizaka ny fahaverezan'izany. Ataonao mandoa ny biby very rehetra foana aho, na ny nangalarina atoandro na ny nangalarina alina.
\v 40 Tany aho; ny atoandro dia namely ahy ny hafanana, ary ny alina dia namely ahy ny fanala; ary tsy mba natory.
\v 41 Nitoetra tao an-tranonao aho nandritr'izay roapolo taona izay. Niasa ho anao nandritry ny efatra ambin'ny folo taona aho mba hahazoako ireo zanakao roa vavy ary enin-taona ho an'ireo ondry aman'osinao. Novainao impolo ny karamako.
\v 42 Raha tsy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko, ilay Andriamanitr'i Abrahama, ary ilay hatahoran'Isaka, dia ho nalefanao nandeha tanam-polo tokoa aho. Hitan'Andriamanitra ny fahoriako sy ny fiasako mafy, ka niteny mafy anao Izy tamin'ny alina.”
\v 50 Raha ampijalianao ireo zanako vavy, na manambady hafa ankoatr'ireo zanako vavy ianao, na dia tsy misy olona hafa aza eto amintsika, dia indro Andriamanitra no vavolombelona eo amiko sy aminao.”
\v 10 tsy mendrika ireo asan'ny fanekena mahatoky sy ny fahamendreham-pitokisana rehetra izay nataonao ho an'ny mpanomponao aho. Fa ny tehiko no hany nentiko nita ity Jordana ity, ary ankehitriny efa lasa antoko anankiroa aho.
\v 11 Mba vonjeo amin'ny tanan'ny rahalahiko, ny tanan'i Esao aho, fa matahotra azy aho, ndrao ho avy izy hanafika ahy sy ny reny mbamin'ny zaza.
\v 16 Natolony ireo mba ho eo an-tanan'ny mpanompony, ny andiany tsirairay avy. Niteny tamin'ny mpanompony izy hoe: “Mandehana eo alohako ary asio elanelana isaky ny andiam-biby.”
\v 17 Nanome toromarika ny mpanompo voalohany izy, niteny hoe: “Rehefa mifanena aminareo Esao rahalahiko ka manontany anareo, manaohoe: ‘Olon'iza ianareo? Ho aiza ianareo? An'iza ireo biby izay eo anoloanareo?’
\v 18 Dia hiteny ianareo hoe: ‘An'i Jakoba mpanomponao ireo. Ireo dia fanomezana nalefa ho an'i Esao tompoko. Indro, tamy ao aorianay ihany koa izy.’”
\v 31 Niposaka ny masoandro raha nandalo an'i Peniela i Jakoba. Nandringa izy nohon'ny foto-peny.
\v 32 Izany no antony tsy nihinanan'ny vahoakan'i Israely ny hozatry ny foto-pe izay eo amin'ny fitohizan'ny fe mandrak'ankehitriny, satria nandratra ireo hozatra ireo ilay lehilahy raha nanapitsoka ny foto-pen'i Jakob.
\v 2 Avy eo dia napetrany teny aloha ireo mpanompo vavy sy ny zanak'izy ireo, narahin'i Lea sy ireo zanany, ary narahin'i Rahely sy Josefa ny farany indrindra.
\v 9 Hoy Esao hoe: “Efa manana ny ampy aho, ry rahalahiko. Hazony ho an'ny tenanao izay anananao.”
\v 10 Hoy Jakoba hoe: “Tsia, miangavy re, raha efa nahita fitia eo imasonao aho, dia ekeo ny fanomezana avy amiko, izay eo an-tanako, eny tokoa, efa nahita ny endrikao aho, ary toy ny mahita ny endrik'Andriamanitra izany, ary dia noraisinao aho.
\v 11 Mba raiso re ny fanomezana izay nentina ho anao, satria efa nanome fahasoavana ahy Andriamanitra, ary satria efa manana ny ampy aho.” Dia toy izany no nandrisihan'i Jakoba azy, ary dia neken'i Esao izany.
\v 13 Hoy Jakoba taminy hoe: “Ny tompoko dia mahafantatra fa mbola kely ireto ankizy, ary mbola mitaiza ny zanany ireo ondry sy omby. Raha entina mafy na dia iray andro monja aza izy ireo, dia ho faty avokoa ireo biby rehetra.
\v 14 Mba avelao re ny tompoko handeha hialoha ny mpanompony. Handeha moramora kokoa aho, araka ny famindran'ireo biby fiompy izay eo alohako, ary araka ny dian'ireto zaza, mandra-pahatongako any amin'ny tompoko any Seira.”
\v 15 Hoy Esao hoe: “Avelao hajanoko aminao ny sasany amin'ireo lehilahy miaraka amiko.” Fa hoy Jakoba hoe: “Nahoana no manao izany? Efa ampy ny hatsaram-panahin'ny tompoko tamiko.”
\v 12 Angataho amiko na dia lafo aza ny sandan'ny vady sy ny fanomezana araka izay sitrakareo, ary homeko anareo na inona na inona teneninareo amiko, fa omeo ho vadiko ilay tovovavy.
\v 22 Amin'ity fepetra tokana ity ihany no haneken'ireo olona hiara-honina amintsika sy ho tonga vahoaka iray: raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo amintsika, toy ny maha-voafora azy ireo.
\v 23 Tsy ho lasantsika avokoa ve ny biby fiompy sy ny fananan'izy ireo—ary ny biby rehetra? Koa aoka hanaiky azy ireo isika, dia honina eo amintsika izy ireo.”
\v 25 Tamin'ny andro fahatelo, raha mbola tao anatin'ny fanaitainana izy ireo, ny roa tamin'ny zanaka lahin'i Jakoba (Simeona sy Levy, anadahin'i Dina), dia samy nandray ny sabatrany ary nanafika ny tanàna izay azo antoka ny fiarovana azy, izy ireo, ka namono ny lehilahy rehetra.
\v 26 Novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatr'izy ireo i Hamora sy Sekema zanany. Nalain'izy ireo tao an-tranon'i Sekema i Dina ary lasa izy ireo.
\v 27 Nankeo amin'ireo faty ireo zanaka lahy hafan'i Jakoba ary nandroba ny tanàna, satria efa nandoto ny anabavin'izy ireo ny olona.
\v 28 Nalain'izy ireo ny ondry aman'osin'izy ireo, ny ombin'izy ireo, ny borikin'izy ireo, ary ny zavatra rehetra tao amin'ny tanàna sy izay nanodidina ny saha
\v 29 niaraka tamin'ny haren'izy ireo rehetra. Ny zanaka sy ny vadin'izy ireo rehetra, dia nosamborin'izy ireo. Nalain'izy ireo hatramin'ny zavatra rehetra izay tao an-trano.
\v 30 Hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy hoe: “Nitondra olana ho ahy ianareo, nahamaimbo ahy teo amin'ireo mponin'ny tany, ireo Kananita sy ireo Perizita. Vitsy an'isa aho. Raha miara-mihoko hanohitra ahy sy hamely ahy izy ireo, dia ho resy aho, izaho sy ny ankohonako.”
\v 31 Fa Simeona sy Levy nanao hoe: “Tokony hitondra ny anabavinay tahaka ny vehivavy janga ve i sekema?”
\v 1 Hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba hoe: “Mitsangàna, mandehana miakatra any Betela ary mipetraha any. Manamboara alitara any ho an' Andriamanitra, izay niseho taminao fony ianao nandositra an'i Esao rahalahinao.”
\v 2 Ary Jakoba niteny tamin'ny ankohonany sy ireo rehetra niaraka taminy hoe: “Avelao ireo andriamanitra hafa izay eo aminareo, diovy ny tenanareo, ary soloy ny fitafianareo.
\v 3 Andao isika hanainga ho any Betela. Hanamboatra alitara any aho ho an'Andriamanitra, izay namonjy ahy tamin'ny andro fahoriko, sy niaraka tamiko foana na taiza na taiza nalehako.”
\v 5 Raha nandeha izy ireo, dia nandatsahan'Andriamanitra horohoro teo amin'ireo tanàna manodidina azy ireo, koa dia tsy nanenjika ireo zanaka lahin'i Jakoba ireo olona ireo.
\v 6 Tonga tao Lozy i Jakoba (izay ao Betela ihany), izay ao amin'ny tany Kanana, izy sy ireo olona rehetra izay niaraka taminy.
\v 7 Nanangana alitara tao izy ary nantsoiny hoe El-betela izany toerana izany, satria tao Andriamanitra no nanambara ny Tenany taminy, raha nandositra ny rahalahiny izy.
\v 10 Hoy Andriamanitra taminy hoe: “Jakoba no anaranao, kanefa tsy antsoina hoe Jakoba intsony ianao. Fa atao hoe Israely.” Dia natsoin'Andriamanitra hoe Israely ny anarany.
\v 11 Hoy Andriamanitra taminy hoe: “Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Miteraha maro ary mihamaroa. Hisy firenena sy ny fikambanam-pirenena hipoitra avy aminao, ary mpanjaka no ho eo amin'ireo taranakao.
\v 17 Raha tao anatin'ny fangirifirian'ny fahasarotam-piterahana izy, dia nilaza taminy ilay mpampivelona hoe: “Aza matahotra, fa izao dia hahazo zazalahy iray hafa ianao.”
\v 21 Nanohy ny diany Israely ary nanangana ny lainy tao ambadiky ny tilikambo fiambenana ireo ondry aman'osy.
\v 22 Raha nipetraka tao amin'izany tany izany Israely, dia niara-nandry tamin'i Bila izay vaditsindranon-drainy i Robena, ka ren'i Israely izany. Ary nanan-janaka lahy roa ambin'ny folo i Jakoba.
\v 23 Ireo zanany lahy avy tamin'i Lea dia Robena, ilay lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona, Levi, Joda, Isakara, ary Zebolona.
\v 24 Ireo zanany lahy avy amin'i Rahely dia Josefa sy Bejamina.
\v 25 Ireo zanany lahy avy amin'i Bila, izay mpanompovavin'i Rahely, dia Dana sy Naftaly.
\v 26 Ireo zanaka lahy avy amin'i Zilpa, mpanompovavin'i Lea, dia Gada sy Asera. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin'i Jakoba izay naterany tany Padana-Arama.
\v 14 Ireto no zanak'i Oholibama, vadin'i Esao, izay zanaka vavin'i Ana sy zafikelin'i Zibona. Izy dia niteraka an'i Jeosy, Jalama, ary Kora tamin'i Esao.
\v 39 Rehefa maty Bala-hanana ilay zanaka lahin'i Akbora, dia nandimby ny toerany i Hadara. Pao no anaran'ilay tanànany. Ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, ilay zanaka vavin'i Matreda, izay zafikelin'i Me-zahaba.
\v 9 Dia mbola nanofy hafa indray izy ka nambarany tamin'ireo rahalahiny. Hoy izy hoe: “Mbola nahazo nofy hafa indray aho: Niankohoka teo anatrehako ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo.”
\v 10 Notantarainy tamin-drainy izany toy ny nataony tamin'ireo rahalahany, ka notenenin-drainy mafy izy. Hoy izy taminy hoe: “Inona izany azonao nofy izany? Dia hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao?”
\v 13 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: “Moa tsy lasa niandry ireo ondry aman'osy any Sekema ve ireo rahalahinao? Avia, fa hirahiko ho any amin'izy ireo ianao.” Hoy Josefa taminy hoe: “Vonona aho.”
\v 14 Hoy izy taminy hoe: “Mandehana, ndeha zahao raha salama ireo rahalahinao sy ireo ondry aman'osy, ary tatero aty amiko.” Ary dia navoakan'i Jakoba nihoatra ny lohasahan'i Hebrona izy, ary Josefa nankany Sekema.
\v 15 Ary nisy lehilahy iray nahita an'i Josefa. Indro, i Josefa nirenireny teny an-tsaha. Nanontany azy ilay lehilahy hoe: “Inona no tadiavinao?”
\v 16 Hoy Josefa hoe: “Mitady ireo rahalahiko aho. Miangavy, mba lazao ahy re, aiza izy ireo no miandry ireo ondry aman'osy.”
\v 17 Hoy ilay lehilahy hoe: “Efa nandao ity toerana ity izy ireo, ary reko izy ireo niteny hoe: ‘Andeha isika ho any Dotana.”’ Nanaraka ny dian'ireo rahalahany i Josefa ka nahita azy ireo tany Dotana.
\v 20 Avia ankehitriny, andeha ho vonointsika izy ka hatsipintsika ao amin'iray amin'ireo lavaka. Ho lazaintsika hoe: ‘Narapakin'ny bibidia izy.’ Dia ho hitantsika eo izay hiafaran'ireo nofiny.”
\v 35 Nitsangana nampionona azy avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra, fa tsy nety nampiononina izy. Hoy izy hoe: “Hidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita tokoa aho hisaona ny zanako lahy.” Nitomany azy ny rainy.
\v 9 Ary fantatr'i Onana fa ny zaza dia tsy ho azy. Ka isaky ny niara-nandry tamin'ny vadin-drahalahiny izy, dia nararany tamin'ny tany ny tsirin'ainy mba tsy hananany zaza ho an'ny rahalahiny.
\v 14 Nesoriny ny akanjo maha-mpitondratena azy dia norakofany ny voaliny ary nosaronany ny tenany. Nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay teo akaikin'ny lalana mankany Timna izy. Satria efa hitany fa efa lehibe i Sela kanefa tsy mba natolotra ho vadiny izy.
\v 15 Rehefa nahita azy i Joda dia nihevitra fa mpivaro-tena izy satria nosaronany ny tarehiny.
\v 1 Nentina nidina tany Egypta i Josefa. Potifara, manam-pahefana an'i Farao izay kapitenin'ny mpiambina sy Egyptiana, no nividy azy tamin'ireo Ismaelita, izay nitondra azy nidina tany.
\v 2 Nomba an'i Josefa i Yaveh ka tonga lehilahy ambinina izy. Nipetraka tao amin'ny tranon'ny Egyptiana tompony izy.
\v 3 Ny tompony dia nahita fa nomba azy Yaveh ary nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony.
\v 4 Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa. Ary nanompo an'i Potifara izy. Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany, dia nataony teo ambany fiahiany.
\v 5 Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nampitantanany azy ny tranony sy izay rehetra nananany, dia notahian'i Yaveh ny tranon'ilay Egyptiana noho i Josefa. Ny fitahian'i Yaveh dia tao amin'ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara tao an-trano sy tany an-tsaha.
\v 6 Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa izay rehetra nananany. Tsy nila nieritreritra na inona na inona afa-tsy ny sakafo ho haniny izy. Ary Josefa dia tsara tarehy sady mahasarika.
\v 14 dia nantsoiny ireo olona tao an-tranony ary nilazany hoe: “Jereo, Potifara nampiditra Hebreo mba hisangy antsika. Niditra tao amiko izy mba hiara-handry amiko, dia nihiakiaka aho.
\v 15 Ary rehefa reny nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy.”
\v 21 Fa Yaveh nomba an'i Josefa ka naneho ny tsy fivadiham-panekena taminy. Nampahita fitia azy teo imason'ny mpiambina ny fonja Izy.
\v 22 Nampandray an-tanana an'i Josefa ny voafonja rehetra izay tao an-tranomaizina ilay mpiambina ny fonja. Na inona na inona nataon'izy ireo tao, dia nandray an-tanana izany Josefa.
\v 23 Ny mpiambina ny fonja dia tsy nanahy ny zavatra rehetra izay teo an-tanany, satria nomba azy Yaveh. Izay rehetra nataony, dia nambinin'i Yaveh.
\v 1 Ary taorian'izany zavatra rehetra izany, dia nanafintohina ny tompon'izy ireo, ilay mpanjakan'i Egypta, ny mpitondra kapoakan'ny mpanjaka sy ny mpanao mofony.
\v 2 Tezitra tamin'ireo manam-pahefany roa lahy i Farao, dia ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
\v 3 Nogadrainy tao an-tranon'ny lehiben'ny mpiambina izy ireo, tao amin'ilay fonja izay nihazonana an'i Josefa ihany.
\v 4 Nanendry an'i Josefa ny lehiben'ny mpiambina mba ho mpanompon'izy ireo. Ary izy ireo nitoetra nandritry ny fotoana maharitra tany am-ponja.
\v 13 Ao anatin'ny hateloana i Farao no hampitraka ny lohanao ary hamerina anao amin'ny asanao. Hametraka ny kapoakan'i Farao eo an-tanany ianao, toy ny tamin'ny naha-pitondra ny kapoakany anao.
\v 14 Fa tsarovy aho rehefa milamina ny aminao, ary mba manehoa hatsaram-panahy amiko. Resaho any amin'i Farao aho ary esory ato amin'ity fonja ity.
\v 1 Ary rehefa afaka roa taona naninjitra dia nanana nofy iray Farao. Raha nitsangana teo amin'i Neily izy.
\v 2 Dia indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, mampitsiriritra sy matavy, ary niraoka vilona teo amin'ny sisiny ireo.
\v 3 Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka avy tao amin'i Neily taorian'ireo, tsy maha te-ho tia sy mahia. Nankeo akaikin'ireo omby vavy hafa teo amoron'ny renirano ireo.
\v 4 Avy eo ireo omby vavy marary sy mahia nihinana ireo omby vavy mampitsiriritra sy matavy fito. Avy eo nifoha i Farao.
\v 13 Ary raha nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy, dia niseho izany. Naverin'i Farao tamin'ny toerana nisy ahy aho, fa ilay iray hafa nahantony.”
\v 28 Izany no zavatra izay nolazaiko tamin'i Farao. Izay ho ataon'Andriamanitra dia nambarany tamin'i Farao.
\v 29 Indro, fito taonan'ny fitobahana no ho tonga manerana ny tanin'i Egypta rehetra.
\v 30 Fito taonan'ny mosary no ho avy manaraka izany, ary ny fitobahana rehetra dia ho adino ao amin'ny tany Egypta, ary handringana ny tany ny mosary.
\v 31 Ho adino ao amin'ilay faritra ny fitobahana nohon'ny mosary izay manaraka izany, dia hasiaka tokoa.
\v 32 Naverimberina tamin'i Farao izany nofy izany satria izany tranga izany dia efa novolavolain'Andriamanitra, ary hanao izany tsy ho ela Andriamanitra.
\v 35 Aoka izy ireo hanangona ny sakafo rehetra amin'io taona tsara izay ho avy io ka hitahiry ny vokatra eo ambany fahefan'i Farao, mba ho sakafo ho an'ireo mponina. Tokony arovan'izy ireo izany.
\v 36 Ny sakafo dia ho famatsiana ho an'ny tany amin'ny fito taonan'ny mosary izay ho ao amin'ny tany Egypta. Amin'izany fomba izany ny tany dia tsy ho ringan'ny mosary.
\v 39 Ka hoy Farao tamin'i Josefa hoe: “Satria Andriamanitra nampiseho anao izany rehetra izany, dia tsy misy hafa misaina lalina sy hendry tahaka anao.
\v 40 Hitantana ny tranoko ianao, ary araka ny teninao no hanapahana ny vahoakako rehetra. Eo amin'ny seza fiandrianana ihany aho no ho ambony noho ianao.
\v 44 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: “Izaho no Farao, ary ankoatra anao, dia tsy misy olona hanandratra ny tanany na ny tongony amin'ny tanin'i Egypta rehetra.
\v 45 Niantso ny anaran'i Josefa hoe: “Zafenata Panea" i Farao. Nomeny ho vadiny i Asenata, ilay zanaka vavin'i Potifera mpisoron'i Ona. Namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra i Josefa.
\v 51 Nantsoin'i Josefa hoe Manase ny lahimatoany, satria hoy izy hoe: “Andriamanitra nampanadino ahy ny olana rehetra sy ny ankohonan'ny raiko rehetra.”
\v 55 Rehefa tao anatin'ny mosary ny tany rehetra tao Egypta, dia niantsoantso sakafo tamin'i Farao ny vahoaka. Hoy Farao tamin'ireo Egyptiana rehetra hoe: “Mankanesa any amin'i Josefa ary ataovy izay lazainy anareo.”
\v 56 Nanerana ny faritriny ny tany iray manontolo ny mosary. Nanokatra ny trano fitehirizana rehetra Josefa ary nivarotra tamin'ireo Egyptiana. Mafy tokoa ny mosary tao amin'ny tanin'i Egypta.
\v 57 Tonga tao Egypta avokoa ireo firenena rehetra mba hividy vary amin'i Josefa, satria efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.
\v 12 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Tsia, tonga mba hizaha ireo faritra mbola tsy voaaro eto amin'ny tany ianareo.”
\v 13 Hoy izy ireo hoe: “Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray any amin'ny tany Kanàna. Indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, ary ny rahalahy iray dia efa maty.”
\v 16 Iraho ny iray aminareo ary aoka izy haka ny rahalahinareo. Ary ianareo hijanona ao am-ponja, mba hahafahana mitsapa ny teninareo, raha misy fahamarinana ao aminareo.”
\v 19 Raha olo-marina ianareo, aoka ny iray amin'ireo rahalahinareo tsy hiala ao amin'ny fonja, fa mandehana ianareo, mivimbìna vary ho amin'ny mosary amin'ny tranonareo.
\v 25 Avy eo nibaiko ny mpanompony i Josefa mba hameno vary ny kitapon'ireo rahalahiny, ary mba hamerina ny volan'ny lehilahy tsirairay tao amin'ny lasakany, ary hanome azy ireo vatsy ho amin'ny dia. Natao ho azy ireo izany.
\v 27 Raha nanokatra ny lasakany ny iray tamin'izy ireo mba hamahana ny ampondrany teo amin'ny toerana nandriany, dia nahita ny volany izy. Indro, teo ambavan'ny lasakany izany.
\v 32 Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay, zanaky ny rainay. Efa maty ny iray, ary ny faralahy dia miaraka amin'ny rainay any amin'ny tany Kanàna ankehitriny.’
\v 33 Ilay lehilahy, tompon'ny tany, niteny taminay hoe: ‘Izao no hahalalako fa olo-marina ianareo. Ajanony eto amiko ny iray amin'ireo rahalahinareo, mitondrà vary ho amin'ny mosary any amin'ny tranonareo, ary zory ny lalanareo.
\v 34 Ento eto amiko ny faralahy aminareo. Dia ho fantatro fa tsy mpitsikilo ianareo, fa lehilahy marina. Dia havotsotro ho anareo ny rahalahinareo, dia hividy eto amin'ny tany ianareo.’”
\v 35 Ary rehefa nanafoana ny tao an-dasakany izy ireo, no indro, ny fonosam-bolafotsin'ny lehilahy tsirairay avy dia tao anatin'ny lasakany. Nony hitan'izy ireo sy ny rain'izy ireo ny fonosam-bolafotsiny, dia natahotra izy ireo.
\v 5 Nefa raha tsy alefanao miaraka aminay izy, dia tsy handeha hidina izahay. Satria ralehilahy niteny taminay hoe: ‘Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka amin'ny rahalahinareo.’”
\v 6 Hoy Israely hoe: “Nahoana ianareo no nampidi-doza ahy tamin'ny filazana ilay lehilahy fa manana rahalahy hafa ianareo?” Hoy izy ireo hoe: “Nanontany ny antsipirihany momba anay sy ny fianakavianay ralehilahy.
\v 7 Hoy izy hoe: “Mbola velona ve rainareo? Mbola manana rahalahy hafa ve ianareo?’ Dia novalianay araka ireo fanontaniany ireo izy. Ahoana no hahafantaranay fa hiteny izy hoe: “Ento midina ny rahalahinareo?’”
\v 8 Hoy Joda tamin'i Israely rainy hoe: “Alefaso miaraka amiko ny zazalahy. Hiainga ka handeha izahay mba ho velona fa tsy ho faty isika, dia izahay sy ianao sy ireo zanakay ihany koa.
\v 9 Ho antoka ho azy aho. Hotazominao ho tompon'andraikitra aho. Raha tsy entiko miverina eo anoloanareo izy, dia aoka ho zakaiko mandrakizay ny tsiny.
\v 11 Hoy Israely rainy tamin'izy ireo hoe: “Raha izany, dia ataovy izao. Ataovy ao amin'ny kitaponao ny sasany amin'ireo vokatry ny tany tsara indrindra. Midina ary mitondrà fanomezana ho an-dralehilahy: balsama sy tantely, zava-manitra sy miora, voanjo sy amandy.
\v 12 Ataovy avo roa heny ny vola eo an-tananareo. Ny vola izay naverina tao amin'ny vavan'ny lasakanareo, dia ento miverina eny an-tananareo indray. Sao mantsy mba hadisoana ihany izany.
\v 13 Ento ihany koa ny rahalahinareo. Mitsangàna ary mandehana indray any amin-dralehilahy.
\v 14 Andriamanitra Tsitoha anie hanome famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hanafahany ilay rahalahinareo hafa sy Benjamina ho aminao. Raha misaona ireo zanako aho, dia misaona.”
\v 23 Hoy ilay mpanompo hoe: “Fiadanana anie ho anareo, aza matahotra. Ny Andriamanitrareo sy ny Andriamanitry ny rainareo no nametraka ny volanareo tao anaty lasakanareo. Efa noraisiko ny volanareo.” Dia nentin'ilay mpanompo teo amin'i Simeona izy ireo.
\v 24 Nampandroson'ilay mpanompo tao an-tranon'i Josefa ireo lehilahy. Nomeny rano izy ireo, ka nanasa ny tongony izy ireo. Ary nomeny sakafo ny ampondran'izy ireo.
\v 25 Dia nanomana ireo fanomezana amin'ny fiavian'i Josefa amin'ny mitatao vovonana izy ireo, satria ren'izy ireo fa hisakafo ao iz.
\v 29 Raha nanopy ny masony izy dia naita an'i Bejamina rahalahiny, izay zanaky ny reniny, ary hoy izy hoe: “Inty ve ilay faralahinareo izay noresahinareo tamiko?” Dia hoy izy hoe: “Andriamanitra anie hitahy anao, ry zanako.”
\v 32 Nomen'ireo mpanompo an'i Josefa ny anjarany sy ny anjaran'ireo rahalahiny. Niara-nihinana taminy ireo Egyptiana tao satria ny Egyptiana tsy mahazo mihinana mofo miaraka amin'ny Hebreo, satria zavatra maharikoriko eo amin'ireo Egyptiana izany.
\v 33 Nipetraka teo anoloany ireo rahalahy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny zandriny indrindra araka ny hatanorany. Talanjona izy ireo lehilahy.
\v 34 Nomen'i Josefa anjara tamin'ny sakafo teo anoloany izy ireo. Nefa ny anjaran'i Benjamina dia indimy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiny. Nisotro izy ireo ary faly niaraka taminy.
\v 10 Ilay mpikarakara niteny hoe: “Aoka ary ho araka ny teninareo izany. Ilay iray izay hahitana ilay kaopy dia ho andevoko, ary ianareo hafa kosa dia ho afaka.”
\v 16 Nilaza Joda hoe: “Inona no afaka lazainay amin'ny tompoko? Inona no azonay lazaina? Ahoana no afahanay manamarina ny tenanay? Hitan'Andriamanitra ny helok'ireo mpanomponao. Indro, andevon'ny tompoko izahay, izahay sy izy dia nahitana ny kapoaka teny an-tanany.”
\v 17 Hoy Josefa hoe: “Sanatria amiko ny tsy maintsy hanao izany. Ilay lehilahy izay nahitana ny kapoaka teny an-tanany, dia ho andevoko, fa ianareo hafa kosa, hiakatra am-piadanana ho any amin'ny rainareo.”
\v 18 Avy eo dia nanatona akaiky azy i Joda ka nilaza hoe: “Ry tompoko, avelao re hiresaka teny iray eo an-tsofin'ny tompoko ny mpanomponao, ary aoka ny fahatezeranao hirehitra amin'ny mpanomponao, fa ianao dia tahaka an'i Farao.
\v 19 Nanontany ireo mpanompony ny tompoko, niteny hoe: ‘Moa ve ianao manana ray na rahalahy iray?’
\v 20 Hoy izahay tamin'ny tomponay hoe: ‘Manana ray izahay, lehilahy antitra, ary zanaka iray tamin'ny fahanterany. Fa ny rahalahiny dia efa maty, ary izy irery no tavela tamin'ny reniny, ary ny rainy tia azy.’
\v 21 Avy eo nilaza tamin'ireo mpanomponao ianao hoe: ‘Ento midina eto amiko izy mba hafahako mahita azy.’
\v 22 Tao aorian'izany, dia nilaza tamin'ny tompoko izahay hoe: “Tsy afaka hamela ny rainy ilay zazalahy. Fa raha mamela ny rainy izy dia ho faty ny rainy.’
\v 23 Ary ianao nilaza tamin'ireo mpanomponao hoe: ‘Raha tsy midina miaraka aminao ny rahalahinao zandriny indrindra, dia tsy hahita ny tavako intsony ianao.’
\v 25 Hoy ny rainay hoe: “Mandehana indray, mividiana sakafo ho antsika.’
\v 26 Avy eo dia nilaza izahay hoe: ‘Tsy afaka midina izahay. Raha miaraka aminay ny rahalahinay zandriny indrindra, dia hidina izahay, satria tsy afaka ny hahita ny tavan'ilay lehilahy izahay raha tsy miaraka amin'ny rahalahinay zandriny indrindra.’
\v 27 Ny mpanomponao ry tompoko no niteny taminay hoe: ‘Fantatrareo fa niteraka roa lahy tamiko ny vadiko.
\v 28 Ny iray tamin'izy ireo dia niala tamiko ary hoy aho hoe: “Azo antoka fa voaviravira izy, ary tsy nahita azy aho hatramin'izao.”
\v 29 Izao raha maka ilay iray aty amiko koa ianareo, ka loza no tonga eo aminy, dia hampihintsana ny volon-dohako amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo.’
\v 31 fa ho tonga izany, rehefa hitany fa tsy miaraka aminay ilay zazalahy, dia ho faty izy. Ireo mpanomponao dia hampihintsana ny volo fotsin'ny raiko mpanomponao miaraka amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita.
\v 34 Fa amin'ny fomba ahoana no hiakarako any amin'ny raiko raha tsy miaraka amiko ilay zazalahy? Matahotra ny hahita ilay ratsy izay ho tonga eo amin'ny raiko aho.”
\v 5 Aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo ny amin'ny namarotanareo ahy taty, satria Andriamanitra no nandefa ahy mialoha anareo mba hiarovana ny ainareo.
\v 6 Satria teto amin'ity tany ity ny mosary nandritr'izay roa taona izay, ary mbola hisy dimy taona izay tsy hisy na fiasana tany na fijinjana.
\v 7 Andriamanitra naniraka ahy hialoha anareo mba hitahiry anareo ho sisa eto an-tany ary hitazona anareo ho velona amin'ny fanafahana lehibe.
\v 8 Ary noho izany tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra, ary izy nanao ahy ho rain'i Farao, tompon'ny tranony rehetra, sy mpanapaka ny tany rehetra manerana an'i Egypta.
\v 9 Faingàna ary miakara any amin'ny raiko ka lazao aminy hoe: ‘Izao no ambaran'i Josefa zanakao: “Nataon'Andriamanitra mpanapaka an'i Egypta iray manontolo aho. Midina aty amiko, ka aza mangatak'andro.
\v 10 Hipetraka amin'ny tanin'i Gosena ianao ary ho eo akaikiko, ianao sy ireo zanakao ary ireo zanaky ny zanakao, sy ireo ondry aman'osy ary ireo omby, sy ny fanananao rehetra.
\v 11 Hamatsy anareo aho, satria mbola haharitra dimy taona ny mosary, ka mba tsy ho tonga aminareo ny fahantrana, aminao, sy ny tokantranonao, ary izay anananao rehetra.”’
\v 13 Ho lazainareo amin'ny raiko ny momban'ny voninahitro aty Egypta sy ny zavatra rehetra izay hitan'ny masonareo. Mandehana faingana ianareo ary ento midina aty ny raiko.”
\v 16 Ary nolazaina tao an-tranon'i Farao ny vaovao hoe: “Tonga ireo rahalahin'i Josefa.” Nahafaly tanteraka an'i Farao sy ireo mpanompony izany.
\v 17 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: “Lazao amin'ireo rahalahinao hoe: ‘Ataovy izao: ataingeno ny entana ho entin'ireo bibinareo ary mandehana any amin'ny tany Kanana.
\v 18 Ento ny rainareo sy ny tokantranonareo ary mankanesa aty amiko. Homeko anareo ny tsara eto amin'ny tanin'i Egypta, ary hihinana ny matavin'ny tany ianareo.’
\v 19 Ary omena didy ianareo hoe: ‘Ataovy izao, makà kalesy amin'ny tany Egypta ho an'ny zanakareo sy ny vadinareo. Ento ny rainareo ka mankanesa aty.
\v 20 Aza miahiahy ny amin'ireo fanananareo, fa anareo izay tsara eto amin'ny tany rehetra manerana an'i Egypta.’”
\v 27 Nolazain'izy ireo taminy ny teny rehetra nambaran'i Josefa azy ireo. Rehefa hitan'i Jakoba ny sarety izay nalefan'i Josefa mba hitondrana azy, dia velona indray ny fanahin'i Jakoba rain'izy ireo.
\v 4 Hiaraka aminao hidina ho any Egypta Aho, ary Izaho hitondra anao hiverina hiakatra tokoa ary ny tanan'i Josefa no hanirina ny masonao amin'ny tanany.
\v 5 Niarina tao Beri-sheba i Jakoba. Nitondra an'i Jakoba rainy, ireo zanany, sy ireo vadiny, tamin'ny kalesy izay nalefan'i Farao mba hitondrana azy ireo ny zanak'Israely.
\v 6 Nentin'izy ireo ny biby fiompiny sy ny fananan'izy ireo izay efa azony tao amin'ny tany Kanana. Niditra tao Egypta izy ireo, niaraka tamin'i Jakoba sy ireo taranany rehetra.
\v 28 Nalefan'i Jakoba hialoha lalana azy mankany amin'i Josefa i Joda mba hanoro lalana azy ho any Gosena, ary dia tonga tany amin'ny tanin'i Gosena izy ireo.
\v 29 Nanomana ny kalesiny Josefa ary lasa niakatra nitsena an'Israely rainy. Nahita azy izy, namihina ny vozony, ary nitomany ela teo amin'ny vozony.
\v 34 dia tokony hiteny ianareo fa: ‘Ireo mpanomponao dia efa mpikarakara biby fiompy hatramin'ny fahazazanay ka hatramin'izao, dia izahay sy ny razanay.’ Ataovy izany mba hafahanareo monina amin'ny tanin'i Gosena, satria fahavetavetana ho an'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.”
\v 1 Dia niditra Josefa ary niteny tamin'i Farao hoe: “Tonga avy any amin'ny tany Kanana ny raiko sy ireo rahalahiko, ireo andian'ondry, ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra izay ananan'izy ireo. Indro, ao amin'ny tanin'i Gosena izy ireo.”
\v 5 Ary niresaka tamin'i Josefa i Farao, nanao hoe: “Tonga teto aminao ny rainao sy ny rahalahinao.
\v 6 Eo anoloanao ny tany Egypta. Ampitoero ao amin'ny faritra tsara indrindra ny rainao sy ireo rahalahinao, dia ny tanin'i Gosena. Raha mahafantatra olona mahay amin'izy ireo ianao, dia ampitantano ny biby fiompiko ireo.”
\v 11 Taorian'izany dia nampitoetra ny rainy sy ireo rahalahiny i Josefa. Nanome fari-tany ho azy ireo tao amin'ny tany Egypta izy, izay tany tsara indrindra, tao amin'ny tanin'i Ramesesa, araka ny nandidian'i Farao.
\v 12 Nanome sakafo ho an-drainy, sy ireo rahalahiny, ary ny ankohonan-drainy rehetra i Josefa, araka ny isan'ny zanany avy.
\v 13 Ary tsy nisy sakafo teo amin'ny tany rehetra; satria namaivay ny mosary. Simba ny tany Egypta sy Kanana nohon'ny mosary.
\v 14 Nangonin'i Josefa tamin'ny alalan'ny fivarotana vary tamin'ireo mponina avokoa ny vola rehetra teo amin'ny tany Egypta sy ny tany Kanana. Avy eo dia nentin'i Josefa tao an-dapan'i Farao ny vola.
\v 15 Rehefa lany avokoa ny volan'ny tany Egypta sy tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa avokoa ny Egyptiana rehetra nanao hoe: “Omeo hanina izahay! Nahoana izahay no dia ho faty eto anatrehanao satria lany ny volanay?”
\v 16 Hoy Josefa hoe: “Raha lany ny volanareo, dia ento aty ny biby fiompinareo ary hanome hanina ho anareo aho ho solon'ny biby fiompinareo.”
\v 17 Koa dia nentin'izy ireo teo amin'i Josefa ny biby fiompin'izy ireo. Nomen'i Josefa hanina izy ireo ho takalon'ny soavaly, ny omby, ny ondry, ary ireo ampondra. Novokisany mofo izy ireo ho takalon'ny biby fiompiny tamin'izay taona izany.
\v 18 Rehefa tapitra izany taona izany, dia tonga teo aminy indray izy ireo ny taona manaraka ary niteny hoe: “Tsy anafina amin'ny tomponay izahay fa lany tanteraka ny volanay, ary ny andian'ny biby fiompinay dia efa an'ny tomponay. Tsy misy na inona na inona tavela eo imason'ny tomponay, afa-tsy ny tenanay sy ny taninay.
\v 19 Nahoana izahay no ho faty eo imasonao, izahay sy amin'ny taninay? Vidio izahay sy ny taninay ho takalon-kanina, ka ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay. Mba omeo voa izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny taninay.”
\v 20 Koa dia novidian'i Josefa ho an'i Farao ny tan'ny Egypta manontolo, satria nivarotra ny taniny avokoa ny Egyptiana rehetra fa namaivay tokoa ny mosary. Tamin'izay dia lasan'i Farao ny tany.
\v 21 Raha ny amin'ny vahoaka, dia nataony andevo tany amin'ny ilan'ny sisin-tanin'i Egypta iray ka hatrany amin'ny ilany hafa izy ireo.
\v 22 Ny tanin'ny mpisorona no hany tsy novidian'i Josefa, satria nomena tombony ireo mpisorona. Nihinana tamin'ny anjara nomen'i Farao azy izy ireo. Noho izany dia tsy nivarotra ny taniny izy ireo.
\v 23 Ary hoy Josefa tamin'ny vahoaka hoe: “Indro, efa novidiako ho an'i Farao ianareo sy ny taninareo anio. Ary ity misy voa ho anareo, dia hamboly eo amin'ny tany ianareo.
\v 24 Amin'ny fijinjana, dia tsy maintsy manome ny ampaha-diminy ho an'i Farao ianareo, ary ny ampahany efatra ho anareo manokana, mba ho masom-boly ho an'ny tany ary mba ho sakafo ho an'ny ankohonanareo sy ny zanakareo.”
\v 25 Ary hoy izy ireo hoe: “Nanavotra ny ainay ianao. Enga anie ka hahita fitia eo imasonao izahay. Ho mpanompon'i Farao izahay.”
\v 26 Koa dia nataon'i Josefa didy nihatra teo amin'ny tany Egypta izany hatramin'izao andro izao, fa ny iray ampaha-diminy dia an'i Farao. Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy lasan'i Farao.
\v 29 Rehefa akaiky ny fotoana hahafatesan'Israely, dia niantso an'i Josefa zanany izy ary nanao taminy hoe: “Raha nahita fitia teo imasonao aho, dia apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao, ary anehoy fahatokiana sy fahamendreham-pitokisana aho. Aza mba halevina eto Egypta re aho.
\v 30 Rehefa mody mandry miaraka amin'ireo razako aho, dia hoentinao mivoaka an'i Egypta ary halevinao any amin'ny fasan'ny razambeko.” Hoy Josefa hoe: “Hanao araka izay nolazainao aho.”
\v 31 Hoy Israely hoe: “Mianiana amiko,” ary nianiana taminy i Josefa. Avy eo dia niankohoka teo an-doham-pandriany Israely.
\v 1 Ary tao aorian'izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa hoe: “Indro, marary rainao.” Dia nentiny niaraka taminy ny zanany mirahalahy, Manase sy Efraima.
\v 2 Rehefa nilazana Jakoba hoe: “Indro, Josefa zanakao lahy tonga mba hijery anao,” dia nanangona hery Israely ka niarina nipetraka teo am-pandriana.
\v 5 Ary ireo zanakao mirahalahy, izay teraka ho anao teto Egypta talohan'ny nanatonako anao ho eto Egypta, dia ahy. Efraima sy Manase dia ho ahy, tahaka ny maha ahy an'i Robena sy Simeona.
\v 6 Ny zaza teraka aorian'izy ireo no ho anao; ho tanisain'izy ireo ny anaran'ireo rahalahiny araka ny lovan'izy ireo.
\v 7 Ary izaho, fony aho avy any Padana-Arama, dia maty teo anatrehako teny an-dalana tany amin'ny tany Kanana i Rahely, raha kely sisa no tsy nahatongavanay tao Efrata. Naleviko teny an-dalana ho any Efrata izy" (izay atao hoe, Betlehema).
\v 10 Ary efa nanjavona ny mason'i Israely nohon'ny fahanterany, ka tsy afaka mahita izy. Dia nampanatonin'i Josefa azy izy ireo noho izany, ka nanoroka sy namihina azy ireo izy.
\v 12 Dia nesorin'i Josefa teo anelanelan'ny lohalik'i Israely izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany izy.
\v 13 Dia nalain'i Josefa izy mirahalahy, Efraima teo an-tanan-kavanany ho eo an-tanan-kavian'i Israely, ary Manase teo an-tanan-kaviany manatrika ny an-tanan-kavanan'i Israely, ka nitondra azy ireo mba hanakaiky azy.
\v 14 Dia natsotran'i Israely ny tanany havanana ka napetrany teo ambonin'ny lohan'i Efraima, ilay zandriny, ary ny tanany havia teo ambonin'ny lohan'i Manase. Nampifamadihany ny tanany, satria Manase no lahimatoa.
\v 15 Dia nitso-drano an'i Josefa i Israely, ka nanao hoe: “Ilay Andriamanitra izay nandeha teo alohan'i Abrahama sy Isaka, ilay Andriamanitra izay niahy ahy mandrak'ankehitriny,
\v 16 ilay anjely izay niaro ahy tamin'ny ratsy rehetra anie, hitahy ireto zaza lahy ireto. Ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako, ary ny anaran'i Abrahama sy Isaka razako. Hihamaro eto an-tany anie izy ireo.”
\v 17 Koa rehefa hitan'i Josefa fa napetraky ny rainy teo amin'ny lohan'i Efraima ny tanany an-kavanana, dia tsy nankasitraka izany izy. Dia nesoriny tsy ho eo amin'ny lohan'i Efraima ny tanan'ny rainy ka nafinfrany teo ambonin'ny lohan'i Manase.
\v 18 Dia hoy Josefa tamin'ny rainy hoe: “Tsy izao no izy, ry raiko; fa ity no lahimatoa. Apetraho eo ambonin'ny lohany ny tananao an-kavanana.”
\v 19 Dia nandà ny rainy ka nanao hoe: “Fantatro, ry zanako, fantatro. Ho tonga firenena, sy ho tonga lehibe ihany koa izy. Ary ny zandriny koa dia ho lehibe noho izy, ary ho tonga firenena maro ny taranany.”
\v 20 Izao teny izao no nitsofan'i Israely rano azy ireo tamin'izany andro izany: “Amin'ny anaranareo no hanononan'ny vahoakan'i Israely fitahiana hanao hoe: ‘Andriamanitra anie hahatonga anareo tahaka an'i Efraima sy Manase.’” Izany no fomba, nametrahan'i Israely an'i Efraima ho eo alohan'i Manase.
\v 5 Simeona sy Levy dia mpirahalahy. Ireo fitaovam-piadian'ny herisetra no sabatr'izy ireo.
\v 6 Ry fanahiko, aza miditra ao amin'ireo filan-kevitr'izy ireo; aza miditra ao amin'ny fivorian'izy ireo, fa ny foko be voninahitra loatra raha ho an'izany. Fa tao anatin'ny hatezeran'izy ireo no namonoany olona. Ho fahafinaretana no nitraingoin'izy ireo omby.
\v 7 Aoka hozonina ny hatezeran'izy ireo, fa nasiaka izany—ary ny faharomotan'izy ireo, fa loza be izany. Hizara azy ireo any amin'i Jakoba aho ary hampiely azy ireo any amin'i Israely.
\v 9 Joda dia zana-diona. Ry zanako lahy, niakatra tamin'ireo fandresenao ianao. Dia niondrika izy, nitampify toy ny liona, toy ny liona vavy. Iza no hahasahy hamoha azy?
\v 10 Ny tehim-panjakana dia tsy hiala eo amin'i Joda, na ireo tehin'ireo mpanapaka eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo. Hankatoa azy ireo firenena.
\v 11 Namatotra ny ampondrany teo amin'ny voaloboka, ary ny zana-birikiny teo amin'ny voaloboka voasafidy, dia nanasa ireo fitafiany tao anatin'ny divay izy, ary ny akanjo lavany tao anatin'ny ràm-boaloboka.
\v 12 Ho mainty toy ny divay ireo masony, ary ho fotsy toy ny ronono ireo nifiny.
\v 14 Isakara dia ampondra matanjaka, mandry anelanelan'ireo valan'ondry.
\v 15 Mahita toerana fialan-tsasatra tsara sy tany mahafinaritra izy. Hanondrika ny sorony ho amin'ny enta-mavesatra izy ary ho lasa mpanompo ho an'ny asa.
\v 16 Hitsara ny vahoakany toy ny iray amin'ireo fokon'i Israely i Dana.
\v 17 Ho bibilava akaikin'ny lalana i Dana, bibilava misy poizina eo amin'ny lalana izay manaikitra ireo ombelahin-tongotry ny soavaly, ka mianjera ny mpitaingina izany.
\v 22 Josefa dia sampam-bokatra, sampam-bokatra akaiky lohataona, izay ny sampany dia mananika mihoatry ny fefy.
\v 23 Ireo mpandefa tsipika dia hanafika azy ary hitifitra azy sy hampijaly azy.
\v 24 Fa ny tsipikany dia hijanona hateza, ary ireo tanany dia hahay hanao noho ny tanan'ilay Maherin'i Jakoba, noho ny anaran'ny Mpiandry ondry, ny Vatolampin'i Israely.
\v 26 Ireo tso-dranon'ny rainao dia lehibe noho ireo fitahian'ireo tendrombohitra taloha na ireo zavatra irian'ireo havoana taloha. Ho eo an-dohan'i Josefa anie ireo, dia eo amin'ny satro-boninahitry ny lohan'ny printsin'ireo rahalahiny mihintsy.
\v 30 ao amin'ny fasana izay ao amin'ny sahan'i Makpela, izay akaikin'i Mamre ao amin'ny tany Kanàna, ny saha izay novidian'i Abrahama ho toerana fandevenana tany amin'i Efrona Hetita.
\v 31 Tao no nandevenan'izy ireo an'i Abrahama sy Saraha vadiny; tao no nandevenan'izy ireo an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao no nandevenako an'i Lea.
\v 32 Ny saha sy ny fasana izay tao anatin'izany dia novidiana tamin'ireo vahoakan'i Heta.
\v 4 Rehefa tapitra ny andro fisaonana, dia niresaka tamin'ny tao an-tranon'i Farao i Josefa niteny hoe: “Raha mba efa nahita sitraka teo imasonareo aho, dia mba lazao re Farao hoe:
\v 5 ‘Efa nampianiana ahy ny raiko, niteny hoe: “Indro, efa ho faty aho. Haleveno ao amin'ny fasana izay efa nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana aho. Any no handevenanao ahy.” Ankehitriny avelao aho hiakatra ary handevina ny raiko, ary hiverina aho avy eo.’”
\v 7 Niakatra handevina ny rainy Josefa. Niaraka nandeha taminy ireo mpanapak'i Farao rehetra— ireo olona ambony tao an-dapany, ary ireo lehiben'ny mpanapaka rehetra tao amin'ny tany Egypta,
\v 8 mbamin'ireo ankohonan'i Josefa sy ireo rahalahiny rehetra, ary ny ankohonan-drainy. Fa ireo zanany, ireo ondry aman'osy, ary ny ombin'izy ireo kosa no navela tao amin'ny tany Gosena.
\v 9 Niaraka taminy ihany koa ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly. Dia vahoaka maro be izany.
\v 14 Rehefa voaleviny ny rainy, dia niverina tany Egypta i Josefa, izy, sy ireo rahalahiny, ary ireo rehetra izay niaraka taminy mba handevina ny rainy.
\v 15 Rehefa hitan'ireo rahalahin'i Josefa fa maty ny rain'izy ireo, dia hoy izy ireo hoe: “Ahoana raha mbola mitàna hatezerana amintsika Josefa ary te-hamaly antsika ny amin'izay ratsy rehetra nataontsika taminy?”
\v 16 Koa dia nandidy ny fanatrehan'i Josefa izy ireo, niteny hoe: “Efa nanome baiko ny rainao talohan'ny nahafatesany, niteny hoe:
\v 17 ‘Lazao amin'i Josefa izao: “Mamelà re ny fandikanan-dalàna sy ny fahotan'ireo rahahalahinao tamin'izay ratsy nataon'izy ireo taminao.’” Ankehitriny dia mamelà re ireo mpanompon'Andriamanitry ny rainao.” Nitomany i Josefa rehefa niresaka taminy izy ireo.
\v 20 Fa ianareo, dia nihevitra ny hanao ratsy ahy, nefa Andriamanitra dia nihevitra izany ho amin'ny tsara, mba hiarovana ny ain'ny vahoaka maro, araka ny itanareo anio.