\v 6 Rehefa tafavory niaraka izy ireo dia nanontany Azy izy ireo hoe: “Tompo, Izao ve no fotoana hamerenanao ny fanjakana ho an'Israely?”
\v 7 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Tsy ianareo no hahafantatra ny fotoana na ireo vanin'andro izay notendren' ny Ray tamin'ny fahefany manokana.
\v 8 Fa rehefa tonga kosa ny Fanahy Masina dia hahazo hery ianareo, ka ho lasa vavolombeloko eran' ny Jerosalema sy Jodia iray manontolo ary Samaria, sy hatrany am-paran-tany.”
\v 11 Niteny izy ireo hoe: “Ry lehilahy avy any Galilia, maninona ianareo no mitsangana eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nalaina taminareo izay nampiakarina any an-danitra iny, dia hiverina tahaka ny nahitanareo azy niakatra any an-danitra teo iny.
\v 16 “Ry rahalahy, tena nilaina ny fahatanterahan'ny Soratra Masina, izay nambaran' ny Fanahy Masina mialoha tamin' ny vavan'i Davida momba an' i Jodasy, izay nitondra ireo olona nisambotra an' i Jesosy.”
\v 17 Fa anisan'ny iray amintsika izy ary nahazo ny anjarany tamin'izao fanompoana izao.”
\v 18 (Ankehitriny io lehilahy io dia nividy saha tamin' ny vola azony tamin' ny faharatsiana izy, ary lavo nihohoka teo izy, ka nisokatra sy nipoaka ny vatany, ary nivoaka avokoa ny tsinainy.
\v 20 Fa efa voasoratra ao amin' ny Bokin'ny Salamo hoe: “Avelao ho lao ny sahany, ary aza avela na dia olona iray aza hipetraka ao'; ‘Avelao ho raisin'ny olon-kafa ny andraikiny.”
\v 21 Noho izany, dia ilaina, ny iray amin'ireo lehilahy niaraka tamintsika nandritran'ny fotoana rehetra nidiran' i Jesosy Tompo sy ny nivoahany teto amintsika,
\v 25 mba haka ny toerana ato amin' izao fanompoana izao sy ny maha Apostoly nohon' ny fandikan-dalàna izay nataon' i Jodasy handeha ho any amin' ny toerany manokana.
\v 26 Izy ireo dia niloka ho azy ireo, ary nilatsaka tamin'i Matia ny filokana, ary voaisa ho Apostoly iraika ambin' ny folo izy.
\v 17 ‘Amin'ny andro farany,’ Andriamanitra miteny hoe: ‘Halatsako amin'ny olona rehetra ny Fanahiko. Ireo zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy dia haminany, ny zatovonareo dia hahita fahitana, ary ny anti-dahinareo hanofy nofy.
\v 29 Ry rahalahy, afaka miresaka aminareo am-pitokiana momba an'i Davida Patriarika aho: efa maty izy no nalevina, ary ny fasany dia eto amintsika mandrak'androany.
\v 30 Noho izany, mpaminany izy ary fantany fa efa nianiana taminy Andriamanitra, fa ny taranany no ho eo amin'ny seza fiandrianany.
\v 32 Io Jesosy io-Andriamanitra no nanangana Azy, ka vavolombelon'izany izahay rehetra.
\v 33 Noho izany rehefa nasandratry ny tanan'ankavanan'Andriamanitra Izy dia nandray ny Fanahy Masina nampanantenaina avy tamin'ny Ray, efa narotsany izany, izay hitanareo sy renareo.
\v 36 Noho izany, aoka ho fantatry ny rehetra indrindra ny tranon' Israely fa Andriamanitra no nanao Azy ho Tompo sy Kristy, ilay Jesosy izay nombohanareo.”
\v 38 Avy eo Petera niteny tamin'izy ireo hoe: “Mibebaha manaova batisa, ianareo tsirairay avy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ho famelana ny fahotanareo, sy handraisanareo ny fanomezan'ny Fanahy Masina.
\v 39 Fa ny fampanantenana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ireo rehetra izay lavitra, ka ho betsaka ireo olona izay ho antsoin' ny Tompo Andriamanintsika.”
\v 40 Niaraka tamin'ny teny maro hafa no nijoroany ho vavolombelona sy nandrisihany azy ireo; nilaza izy hoe, “Vonjeo ny tenanao amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.”
\v 45 ary izy ireo dia nivarotra ny taniny sy ny fananany ka nizara izany tamin'izy rehetra, arak'izay nilainy avy.
\v 46 Ary isan'andro isan'andro dia nitohy nanompo tamin'ny fomba fijery mitovy tao an-tempoly izy ireo, sy nanapaka ny mofo tao an-trano, ary nizara sakafo tamim-pifaliana sy fo feno fanetren-tena;
\v 47 Nidera an'Andriamanitra ary nahazo fankasitrahana tamin'ny olona rehetra. Isan'andro ny Tompo dia nanampy ny isan'ireo izay voavonjy.
\v 12 Rehefa nahita izany i Petera dia namaly ny olona hoe: “Ianareo ry vahoakan'Israely, nahoana no talanjona ianareo? Nahoana ny masonareo no mandinika anay, ohatran'ny hoe herinay na fahamasinanay manokana no nampandeha azy?
\v 25 Ianareo no zanak'ireo mpaminany sy ny fanekena izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo razambe, araka ny nolazainy tamin'i Abrahama hoe: ‘Ao amin'ny taranakao dia ho tahiana ireo fianakaviana rehetra eran-tany.’
\v 26 Taorian'ny nananganan'Andriamanitra ny mpanompony, dia nandefa azy ho anareo aloha izy, mba hitahy anareo amin'ny fialanareo amin'ny faharatsianareo.”
\v 10 Dia aoka ho fantatrareo rehetra ary ny vahoakan'Israely rehetra, fa tamin'ny anaran'ny Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohombohanareo, ilay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty_tamin'ny alalany no ijoroan'ity lehilahy ity salama eto imasonareo.”
\v 13 Ary rehefa nahita ny fahasahian'i Petera sy Jaona izy ireo, ary nahatsapa fa olon-tsotra, olona tsy nandia fianarana, dia talanjona izy ireo, nahafantatra fa niaraka tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona.
\v 19 Kanefa namaly azy ireo kosa i Petera sy Jaona niteny hoe: “Raha marina eo imason'Andriamanitra ny manaiky anareo mihoatra Azy, dia ianareo no mitsara.
\v 20 Tsy afaka ny hijanona tsy hiteny momba ireo zavatra hitanay sy renay izahay.”
\v 24 Rehefa henon'izy ireo izany, dia niara-nanandratra ny feon'izy ireo ho an'Andriamanitra izy ireo ka niteny hoe: “Tompo, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina, ary izay rehetra ao aminy.
\v 25 Niteny tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny raintsika Davida Ianao hoe: ‘Nahoana no tezitra ireo firenena Jentilisa, sy ireo olona mieritreritra zavatra tsy misy ilana azy?’
\v 27 Fa efa i Heroda sy Pontsy Pilaty, izay niaraka tamin'ireo jentilisa sy ireo vahoakan'i Israely, no niara-niangona tao an-tanàna hanohitra an'i Jesosy mpanomponareo, izay nosoranareo.
\v 28 Niara-nivory izy ireo mba hanao izay rehetra nataon'ny tananareo sy ireo drafitrareo izay efa notapahin'izy ireo ho atao mialoha.
\v 32 Ny ankabeazan'ireo izay nino dia fo sy fanahy iray. Tsy nisy niteny fa ny zavatra izay azony dia azy manokana, fa zavatra niarahan'izy ireo nanana.
\v 33 Niaraka tamin'ny hery lehibe no nanambaran'ny apostoly ny fijoroan'izy ireo vavolombelona momba ny fitsanganan'i Jesosy Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana lehibe no teo amin'ny izy rehetra.
\v 34 Tsy nisy olona nanan-java maha-ory teo amin'izy ireo, fa izay rehetra nanana tany na trano dia namidy ary nitondra ny volan'ny zavatra rehetra izay lafo.
\v 3 Fa Petera niteny hoe: “Ananiasy, nahoana no nofenoin'i Satana lainga ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina, sy hitazona ny ampahany tamin'ilay vidin-tany?
\v 4 Raha mbola tsy lafo izany, tsy nijanona ho fanananao manokana ve izany, ary rehefa lafo izany, tsy teo amin'ny fahefanao ve izany? Ahoana no nieritreretanao izany zavatra izany tao amin'ny fonao? Tsy nandainga tamin'ny olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.”
\v 8 Petera niteny taminy hoe: “Lazao ahy raha izany no namarotanareo ilay tany.” dia hoy izy: “Eny, noho izany.”
\v 9 Avy eo i Petera niteny azy hoe: “Nahoana ianareo no nanaiky hiara-hitsapa ny Fanahin'ny Tompo? Indro, ireo tongotr'ireo olona izay nandevina ny vadinao dia eo am-baravarana, ary hamoaka anao izy ireo.
\v 13 Fa tsy nisy olona hafa nanana fahasahiana hiaraka amin'izy ireo; kanefa, ny vahoaka dia nanandratra fankasitrahana avo azy ireo.
\v 14 Ary vao maika nihamaro ireo mpino izay nanampy isa ny Tompo, andian-dehilahy sy vehivavy,
\v 15 ka nentin'izy ireo teny an-dalana hatramin'ny ny marary ary nampandrin'izy ireo teo ambony fandriana sy farafara, ka mba rehefa mandalo i Petera, dia mety mba hanaloka ny sasany amin'izy ireo ny alokany.
\v 16 Teo ihany koa dia maro ny vahoaka no niara-tonga avy ao amin'ireo tanàna manodidina an'ny Jerosalema, nitondra ny marary sy ireo izay nampahorian'ny fanahy maloto, ary dia sitrana izy rehetra.
\v 21 Rehefa nandre izany izy ireo, dia niditra tao amin'ny tempoly izy ireo raha vao maraina ny andro ka nampianatra. Fa tonga ny mpisoronabe, sy ireo izay niaraka taminy, ary niantso ny filan-kevitra rehetra, ireo loholona rehetran'ny vahoakan'Israely, ary nalefa tany am-ponja mba hamoaka ireo apostoly.
\v 22 Fa nony tonga ilay mpiandry raharaha dia tsy nahita azy ireo tao am-ponja, ka niverina izy ireo ary nitatitra hoe:
\v 24 Ary rehefa naheno izany ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ireo mpisorona be, dia very hevitra tanteraka izy ireo nahakasika ny zavatra mety hitranga.
\v 39 Fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, dia tsy ho azonareo foanana ireo; mety ho hitanareo aza fa miady amin'Andriamanitra ianareo.” Dia resy lahatra izy ireo.
\v 41 Izy ireo dia nandao ny filan-kevitra tam-pifaliana satria mendrika ny hitondra fahafam-baraka ho an'Ilay Anarana.
\v 42 Tao aorian'izay isan'andro, tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an' i Jesosy ho Kristy izy ireo, teo an-kianjan'ny tempoly sy tamin'ny trano maro.
\v 2 Ny roa ambin'ny folo dia niantso ireo mpianatra rehetra ho any amin'izy ireo sady niteny hoe: “Tsy mety ho antsika raha mandao ny tenin'Andriamanitra mba hikarakara ireo latabatra.
\v 3 Noho izany ianareo dia tokony mifidy, ry rahalahy, fito aminareo, lehilahy tsara laza, feno ny Fanahy sy fahendrena, mba ho tendrenay hikarakara izany raharaha izany.
\v 5 Nahafinaritra ny olona rehetra ny teny nataon'izy ireo. Ka nifidy an'i Stefana izy ireo, lehilahy feno finoana sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, proselyta avy any Antiokia.
\v 6 Ireo mpino dia nitondra ireo lehilahy teo anatrehan'ny Apostoly, izay nivavaka sy nametraka ny tanany tamin'izy ireo.
\v 7 Ka niparitaka hatrany ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema dia nihanitombo be, ary mpisorona maro be kosa no lasa mpankatoa ny finoana.
\v 8 Ary i Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.
\v 9 Fa nisy vahoaka sasany nitsangana izay an'ny synagoga izay atao hoe ny Synagogan'ny Libertina, sy an'ny Kyreniana sy Aleksandriana, ary ny sasany avy any Kilikia sy Azia. Ireo olona ireo dia niady hevitra tamin'i Stefana
\v 10 Izy ireo dia tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany i Stefana.
\v 12 Nanaitra ny olona izy ireo, ny loholona, sy ny mpanora-dalàna, dia nankeo amin'i Stefana izy ireo ary nisambotra azy sy nitondra azy teo anatrehan'ireo mpanolotsaina.
\v 13 Ary izy ireo dia nitondra fijoroana vavolombelona diso, dia niteny hoe: “Ito lehilahy ito dia tsy mitsahatra miteny ratsy ity toerana masina ity sy ny lalàna.
\v 14 Fa izahay dia nandre azy niteny fa io Jesosy avy any Nazareta io dia handrava ity toerana ity sy hanova ireo fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.”
\v 5 Tsy nomeny ho lova teo izy, tsia, tsy ampy hametrahana tongotra akory. Fa nanome toky izy_na dia mbola tsy nanan-janaka aza i Abrahama fa_izy dia hanome ny tany azy ho fananany sy ho an'ireo taranany any aoriany.
\v 6 Andriamanitra dia niresaka taminy tahaka izao, fa ireo taranany dia hipetraka maharitra any amin'ny tanin'ny firenen-kafa, ary ireo mponina ao dia hitondra azy ireo amin'ny fanandevozana sy fampahoriana mandritry ny efa-jato taona.
\v 7 ‘Nefa ho tsaraiko ny firenena izay tompoin'izy ireo,’ hoy Andriamanitra, ‘ary aorian'izany dia hanantona sy hidera Ahy eo amin'io toerana io izy ireo.
\v 17 Rehefa nanakaiky ny fotoanan'ilay fampanantenana, ilay fampanantenana izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nihamaro sy nitombo ny olona tao Egypta,
\v 18 mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka izay tsy nahafantatra ny momba an'i Josefa.
\v 19 Io mpanjaka io ihany no namitaka ny vahoakantsika sy nampahory ireo razantsika, izy ireo dia nanery ny razantsika handao ireo zanany ambava loza mba tsy ho velona.
\v 26 Ny andro manaraka dia tonga tao amin'ireo Israelita sasany izy raha izy ireo nifanditra; nanandrana ny nampitony ny tsirairay avy izy, niteny hoe: “Ry lehilahy, ianareo dia mpirahalahy, maninona ianareo no mifandratra?”
\v 27 Fa ny iray izay nanao tsy nety tamin'ny namany nanosika azy, ary niteny hoe: “Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay?
\v 28 Tianao ve ny hamono ahy, tahaka ny namononao ireo Egyptianina omaly?”
\v 36 Nitarika azy ireo hiala tao Egypta i Mosesy, rehefa avy nanao fahagagana sy famantarana tao Egypta sy teny amin'ny ranomasina mena, ary teny an'efitra nandritry ny efapolo taona.
\v 42 nitodika Andriamanitra ary namela azy ireo mba ho fiderana ireo kintana eny an-danitra, araka ny voasoratra tao amin'ny bokin'ny mpaminany: “Ianareo ve nanolotra ahy biby maty sy fanatitra nandritrin'ny efapolo taona tao an'efitra, tranon'ny Israely?
\v 43 Nekenareo ny tabernakelin'i Moloka sy ny kintan' andriamanitra Refana, sy ireo sary izay ataonareo hiderana azy, ary izaho hitondra anareo any ankotran' Babylona.”
\v 49 “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano toy inona no afaka hamboarinao ho ahy? hoy ny Tompo, na toerana toy ny inona no hitsaharako?
\v 51 Ireo olona mafy hatoka sy tsy voafora ao am-po sy sofina, ianareo dia manohitra foana ny Fanahy Masina; ianareo dia manao tahaka izay nataon'ny razanareo.
\v 52 Iza tamin'ireo razanareo no tsy nanenjika mpaminany? Novonoin'izy ireo ny mpaminany izay niseho talohan'ny fiavin'ilay Fahamarinana, ary ankehitriny ianareo dia lasa mpamadika sy mpamono azy koa,
\v 1 Nanaiky ny fahafatesany i Saoly. Ka nanomboka tamin'io andro io ny fanenjeana lehibe hanoherana ny fiangonana izay tao Jerosalema; ary ireo mpino rehetra dia niparitaka nanerana ireo faritry Jodia sy Samaria, ankoatra ireo apostoly.
\v 2 Ireo lehilahy matahotra anÁndriamanitra dia nandevina an'i Stefana ary nanao hira fisaonana azy.
\v 3 Fa Saoly dia nanimba tanteraka ny fiangonana; nitety trano izy ary naka ireo lehilahy sy ireo vehivavy, ary nandefa azy ireo tany an-trano maizina.
\v 11 Izy ireo dia nihaino azy, satria izy dia nampitolagaga azy ireo efa nandritry ny fotoana ela tamin'ireo odiny.
\v 12 Fa rehefa nino an'i Filipo izy ireo noho izy nitory ny filazantsara momba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy, dia natao batisa izy ireo, na ireo lehilahy na ireo vehivavy.
\v 13 Na i Simona aza dia nino, ary taorian'ny nanaovana batisa azy dia nijanona niaraka tamin'i Filipo foana izy. Rehefa nahita ireo famantarana sy asa lehibe izay niseho izy, dia gaga.
\v 14 Ary rehefa henon'ireo apostoly ao Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra Samaria, dia nalefan'izy ireo tany amin'izy ireo i Petera sy Jaona.
\v 15 Rehefa nidina izy ireo, dia nivavaka ho azy ireo izy ireo, mba mety handraisan'izy ireo ny Fanahy Masina.
\v 16 Fa nandrapahatongan'izany fotoana izany, dia mbola tsy nisy nilatsahan'ny Fanahy Masina mihitsy izy ireo; fa vita batisa tamin'ny anaran'i Tompo Jesosy fotsiny ihany.
\v 17 Avy eo i Petera sy Jaona dia nametraka ny tanany teo amin'izy ireo, ary dia nandray ny Fanahy Masina izy ireo.
\v 18 Ary rehefa hitan'i Simona fa ny Fanahy Masina dia natolotra teo an-tanan'ireo apostoly tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanana, dia nomeny vola izy ireo.
\v 20 Fa hoy i Petera taminy hoe: “Ho levona miaraka aminao anie ny volafotsinao, satria ianao nieritreritra ny hahazo ny fanomezan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vola.
\v 25 Rehefa nijoro vavolombelona sy nanambara ny tenin'ny Tompo izy ireo, dia niverina tany Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filazantsara tamin'ireo tanàna maro ao Samaritana.
\v 32 Ary ny andalan-tsoratra masina izay novakian'ilay Etiopiana dia nanao hoe: “Noentina ho vonoina tahaka ny ondry izy, ary tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy, noho izany dia tsy niloa-bava izy.
\v 33 Fa tamin'ny fanalam-baraka azy dia nesorina taminy ny rariny. Iza no afaka hamaritra tanteraka ireo taranany? Nohon'ny ainy nesorina teto an-tany.”
\v 34 Noho izany dia nanontany an'ilay tandapa i Filipo, nanao hoe: “Mitalaho aminao aho, iza no resahan'io mpaminany io, ny tenany ihany ve, sa olon-kafa?”
\v 40 Fa i Filipo dia niseho tany Azota ary nitety io faritra io izy, nitory ny filazantsara eraky ny tanan-dehibe rehetra mandrapahatongany tany Kaisaria.
\v 1 Fa i Saoly, dia mbola niteny fandrahonana foana eny fa na hatramin'ny famonoana manohitra ireo mpianatry ny Tompo aza, nandeha tany amin'ny mpisoronabe
\v 2 ary nanontany azy ireo taratasy ho an'ireo synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita na iza na iza eo amin'ny Lalany izy, na lehilahy na vehivavy, dia entiny hifatotra any Jerosalema izy ireo.
\v 15 Fa ny Tompo niteny taminy hoe: “Mandehana, fa izy dia fitaovana nofidiko, mba hitondra ny anarako eo anoloan'ny Jentilisa sy ireo mpanjaka ary ny zanak'Israely;
\v 16 fa ho asehoko azy hoe ahoana ny fijaliany noho ny amin'ny anarako.”
\v 17 Ka lasa i Ananiasy, ary niditra tao amin'ny trano. Nametraka ny tanany teo aminy, dia niteny izy hoe: “Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesosy, izay niseho taminao teny an-dalana rehefa nakaty ianao, no nandefa ahy taty mba mety hahiratanao ary ho feno ny Fanahy Masina.”
\v 18 Teo no ho eo dia zavatra toy ny kiran-trondro no niendaka avy hatrany teo amin'ny mason'i Saoly, ary nahiratra izy; nitsangana izy ary natao batisa;
\v 19 ary nihinana izy ka nahazo hery. Nipetraka niaraka tamin'ireo mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.
\v 4 Kornelio nibanjina ilay anjely ary tena raiki-tahotra ka niteny hoe: “Fa inona ity, tompoko?” Ilay anjely niteny taminy hoe: “Ireo vavakao sy ireo fanomezanao ho an'ny mahantra dia tafakatra ho fanati-pahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.
\v 9 Ary ny ampitso nanodidina ny ora faha-enina teo, raha mbola teny an-dalana izy ireo ka nanatona ny tanàna, dia niakatra teny ambony tafon-trano i Petera mba hivavaka.
\v 10 Nanomboka niha-noana izy avy eo ka nitady zavatra ho hanina, kanefa raha mbola teo am-pandrahoana sakafo ny olona, dia nahita fahitana izy,
\v 11 ary nahita ny lanitra nisokatra izy sy fitahirizana iray nidina, toy ny lamba be midina ety an-tany, ampidinina amin'ny zorony efatra.
\v 12 Tao no nisy karazam-biby manan-tongotra efatra sy zavatra izay mandady rehetra eto an-tany, ary ny voron'ny lanitra.
\v 23 Dia nanasa azy ireo hiditra sy hijanona hiaraka aminy Petera. Ny ampitso marainan'iny dia nitsangana izy ka niaraka tamin'izy ireo, ary ny sasany tamin'ireo rahalahy avy any Jopa dia nanaraka azy.
\v 30 Kornelio niteny hoe: “Efatra andro mialohan'izao ora izao indrindra, dia nivavaka tao an-tranoko aho tamin'ny ora fahasivy; ary nahita, lehilahy iray nitsangana teo anoloako nanao akanjo namirapiratra.
\v 31 Hoy izy hoe: ‘Ry Kornelio, efa ren'Andriamanitra ny vavakao, ary ireo fanomezanao ho an'ireo mahantra dia mampatsiahy an'Andriamanitra ny momba anao.
\v 32 Noho izany dia maniraha olona ho any Jopa, ary antsoy mankany aminao ilay lehilahy atao hoe Simona izay antsoina hoe Petera. Mipetraka ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra antsoina hoe: Simona izy, izay eny amoron-dranomasina.’
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia manampy hoe: “Rehefa tonga Izy, dia hiresaka aminao.” \f*
\v 33 Ary avy hatrany dia nalefako ho anao. Tsara ny fahatongavanao. Ary ankehitriny, isika rehetra tonga eto imason'Andriamanitra, mba hihaino ireo rehetra izay nolazain'ny Tompo anareo no tenenina.”
\f + \ft Fanamarihana: “Raha tokony ho: “nolazain'ny Tompo no tenenina" no eo, dia ny dikan-teny taloha dia hoe: “nolazain'Andriamanitra no tenenina.” \f*
\v 44 Raha mbola niteny izany zavatra izany i Petera, dia nilatsaka tamin'ireo rehetra izay nihaino ny hafany ny Fanahy Masina.
\v 45 Ireo olona tao anatin'ny vondron'ny mpino voafora- ireo rehetra izay niaraka tamin'i Petera- dia gaga, satria ny fanomezan'ny Fanahy Masina dia narotsaka ho an'ny Jentilisa ihany koa.
\v 46 Fa ren'izy ireo ireo Jentilisa izay miteny amin'ireo fiteny hafa sy mankalaza an'Andriamanitra. Dia namaly Petera hoe:
\v 47 Moa ve misy olona afaka mitazona rano mba tsy hanaovana batisa azy ireo, ireo olona izay nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?
\v 48 Dia nandidy azy ireo mba ho atao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangataka azy izy ireo mba hitoetra hiaraka amin'izy ireo mandritry ny andro vitsivitsy.
\c 11
\p
\v 1 Ary ireo apostoly sy ireo rahalahy izay tany Jodia nahare fa ireo Jentilisa ihany koa dia nandray ny Tenin'Andriamanitra.
\v 2 Rehefa niakatra tany Jerosalema i Petera, ireo izay tao amin'ny antokon'ireo voafora dia nanakiana azy;
\v 16 Tsaroako ny tenin'ny Tompo, ny nitenenany hoe: “Jaona nanao batisa tamin'ny rano tokoa; fa ianareo dia mila hatao batisa ao amin'ny Fanahy Masina.”
\v 17 Koa raha Andriamanitra nanome azy ireo ny fanomezana mitovy amin'izay nomeny antsika tamin'isika nino an'ny Tompo Jesosy Kristy, iza aho, no ho afaka hanohitra an'Andriamanitra?”
\v 19 Ary ireo izay naparitaka noho ny fanenjehana izay niatomboka tamin'ny fahafatesan'i Stefana dia niely lavitra tany Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fa izy ireo dia nilaza ny hafatra momba an'i Jesosy tamin'ireo Jiosy irery ihany.
\v 20 Fa ny sasany tamin'izy ireo, ireo lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena, dia nandeha tany Antioka ary niresaka tamin'ireo Grika ihany koa, nilaza tamin'izy ireo ny filazantsara momba ny Tompo Jesosy.
\v 21 Ny tanan'ny Tompo dia niaraka tamin'izy ireo; maro isa no nino ary nitodika tamin'ny Tompo.
\v 2 Raha mbola nidera ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, ny Fanahy Masina niteny hoe: “Atokany ho ahy Barnabasy sy i Saoly, mba hanao ny asa izay niantsoko azy ireo.”
\v 4 Ka nankato ny Fanahy Masina i Barnabasy sy i Saoly ka nandeha nidina nankany Selosia; avy teny izy ireo dia niantsambo ho any amin'ny nosin'ny Sipra.
\v 5 Rehefa tao amin'ilay tanànan'ny Salamina izy ireo, dia nitory ny tenin'Andriamanitra tao amin'ny Synagogan'ireo Jiosy izy ireo. Ary nanana an'i Jaona Marka koa izy ireo mba ho mpanampy azy ireo.
\v 10 Ary niteny hoe: “Ianao ry zanaky ny Devoly, ianao dia feno ny karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra. Fahavalon'izay rehetra marina ianao. Tsy hijanona ny hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo mihitsy ianao, sa tsy izany?
\v 11 Fa indro ankehitriny, ny tanan'ny Tompo eo aminao, ka ho tonga jamba ianao. Ary tsy hahita ny masoandro aloha ianao. “Teo no ho eo dia nilatsaka tao amin'i Elimasy ny fahanjavozavonana sy fahamaizinana; nanomboka nivezivezy ary nangataka tamin'ny olona izy mba hitantana azy amin' ny tanana.
\v 15 Taorian'ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, dia nandefa hafatra tany amin'izy ireo ny mpitariky ny Synagoga niteny hoe: “Ry rahalahy, raha manana hafatra fampaherezana ho an'ny olona eto ianareo, dia teneno izany.”
\v 17 Ny Andriamanitry ny olon'Israely dia nisafidy ny raintsika ary nampitombo isa ny olona rehefa nipetraka tao amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny fanandratana ny sandriny no nitarihany azy ireo hivoaka tao.
\v 25 Satria Jaona efa nahavita ny asany, dia hoy izy: “Iza no hieritretanareo ahy? Tsy izaho ilay izy. Fa henoy, hisy iray ho avy aorinako, ary ny kiraron'ny tongony dia tsy hahamendrika ahy ny hamaha azy.
\v 26 Ry rahalahy, zanaka avy amin'ny taranak'i Abrahama, ary izay midera an'Andriamanitra rehetra eo aminareo, ho antsika no nandefasana izany hafatra momban'ny famonjena izany.
\v 27 Fa ireo izay mipetraka any Jerosalema, sy ny mpitondran' izy ireo, dia tsy nahafantatra azy, ka tanterak'izy ireo ny voalazan'ny mpaminany izay vakiana isan-tsabata ny amin'ny fanamelohana azy.
\v 28 Na dia tsy mahita antony tsara hamonoana azy aza izy ireo, dia nangataka tamin'i Pilaty ihany mba hamono azy.
\v 29 Rehefa tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra izay voasoratra momba azy, dia nampidin'izy ireo teny amin'ny hazo Izy ary nampandriany tao am-pasana.
\v 30 Fa Andriamanitra kosa nampitsangana azy tamin'ny maty.
\v 31 Ary hitan'ireo izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia mankany Jerosalema izy nandritry ny andro maromaro. Ary ankehitriny dia ireo olona ireo no vavolombelony ho an'ny olona.
\v 32 Noho izany izahay miteny aminareo ny filazantsara izay nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny raintsika izay efa tanterany ho antsika,
\v 34 Ny antony nananganana azy tamin'ny maty dia ny mba tsy hahasimba mandrakizay ny vatany, Andriamanitra niteny toy izao: ‘Homeko anareo ny fitahiana masina sy azo antoka nampanantenaina an'i Davida.’
\v 35 Izany koa no nahatonga azy niteny tao amin'ny salamo hafa hoe: “Tsy hamela ilay Masina hahita ny lo ianao.”
\v 41 “Indro, ianareo ry mpanao tsinontsinona, dia ho gaga ary ho levona. Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Asa izay tsy ninoanareo mihitsy, na dia misy olona manambara izany aminareo aza.”
\v 42 Rehefa lasa i Barnabasy sy i Paoly, dia niangavy azy ireo ny olona mba hitorian'izy ireo ireo teny ireo ihany amin'ny Sabata manaraka.
\v 43 Rehefa tapitra ny fivoriana tao amin'ny Synagoga, dia maro tamin'ireo Jiosy sy ireo proselita mahafatra-po no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niresaka tamin'izy ireo sy nampirisika azy mba hanohy ao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
\v 46 Fa Paoly sy Barnabasy niteny am-pasahiana ary nilaza hoe: “Ilaina ho voalaza aminareo mialoha ny tenin'Andriamanitra. Fa rehefa manosika izany ianareo ary mihevitra ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro, hiverina any amin'ny Jentilisa izahay.
\v 47 Araka izay efa nandidian'ny Tompo anay, manao hoe: “Napetrako mba ho fahazavan'ny Jentilisa ianareo, izany no tokony hitondranareo famonjena ho an'ireo izay any amin'ny fara-vazan-tany.”
\v 48 Rehefa nandre izany ny Jentilisa, dia faly sy nidera ny tenin'ny Tompo. Ary maro ireo izay voatendry ho amin'ny finoana ny fiainana mandrakizay no nino.
\v 49 Ary ny tenin'ny Tompo dia niely eraky ny faritra manontolo.
\v 50 Fa ny Jiosy kosa dia namporisika ireo vehivavy mahafatra-po sy manan-danja, sy ireo lehilahy mpitarika tao an-tanàna. Niteraka fanenjehana ho an'i Paoly sy Barnabasy izany ary nanipy azy ireo ho any ivelan'ny sisin-tanin'ny tanàna.
\v 51 Fa Paoly sy Barnabasy nanintsana ny vovoka tamin'ny tongotr'izy ireo mba hanoherana azy ireo. Ary avy eo izy ireo dia nankany amin'ny tanànan'i Ikoniama.
\v 52 Ary ny mpianatra dia feno hafaliana sy ny Fanahy Masina.
\v 1 Ary tamin'izany tao Ikonioma Paoly sy Barnabasy niara-niditra tao amin'ny Synagogan'ny jiosy ka niresaka tam-pahavitrihana ary ny vahoaka maro be Jiosy sy Grika dia nino.
\v 2 Fa ny jiosy izay tsy nankato kosa dia nanakorontana ny fisainan'ny jentilisa ka nahatonga azy ireo hanohitra ireo rahalahy.
\v 3 Ka nitoetra ela teo izy ireo, niteny am-pasahiana niaraka tamin'ny herin'ny Tompo, tamin'ny nanomezany porofo mahakasika ny hafatra ny amin'ny fahasoavany. Izy nanao izany tamin'ny alalan'ny famantarana sy fahagagana izay natao tamin'ny alalan'ny tanan'i Paoly sy Barnabasy.
\v 13 Ny mpisoron'i Jopitera, izay ny tempoly dia teo ivelan'ny tanàna, dia nitondra omby sy fehiloha vy teo am-bavahady; izy sy ny vahoaka maro be nikasa hanome sorona.
\v 14 Fa ny apostoly, Barnabasy sy Paoly, rehefa nandre izany dia nandrovitra ny fitafiany izy ireo ka nandeha haingana ho ao anaty vahoaka, nitaraina sy niteny hoe:
\v 15 “Ry lehilahy, nahoana ianareo no manao izao zavatra izao? Izahay ihany koa dia olombelona mitovy fahatsapana aminareo ihany. Izahay mitondra ny filazantsara ho anareo, mba hitodihanareo hiala amin'izao zava-poana izao ho any amin'Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra, ny tany, ary ny ranomasina sy ny zava-drehetra izay ao aminy.
\v 17 Kanefa, Izy dia tsy namela ny tenany tsy hisy vavolombelona, tao amin'izany dia nanao ny tsara Izy ary nanome anareo ranon'orana avy any an-danitra sy vanim-potona mahavokatra, ka hameno ny fonareo amin'ny sakafo sy firavoravoana.”
\v 19 Fa ny Jiosy sasany avy ao Antiokia sy Ikonioma dia tonga ary nandresy lahatra ny vahoaka. Izy ireo nitora-bato an'i Paoly sy nitarika azy hivoaka ny tanàna, ary nieritreritra fa maty izy.
\v 20 Ary raha mbola nijoro nanodidina azy teo ireo mpianatra, dia nitsangana izy ary niditra ny tanàna. Ny ampitso, dia nandeha nankany Derbe niaraka tamin'i Barnabasy izy.
\v 21 Avy eo izy ireo nanambara ny filazantsara tao amin'izany tanàna izany ka nahazo mpianatra maro, niverina tao Lystra izy ireo, tany Ikonioma, sy tany Antiokia.
\v 22 Izy ireo dia nanohy nampahery ny fanahin'ireo mpianatra ary namporisika azy mba hanohy ao amin'ny finoana, no sady nilaza fa: “Tsy maintsy amin'ny fahoriana maro be no hidirantsika ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.”
\v 24 Dia nandalo tamin'ny Pisidia izy ireo ka tonga tao Panfilia.
\v 25 Rehefa nanambara ny teny tao Perga izy ireo, dia nandeha nidina tany Atalia.
\v 26 Avy tany izy ireo no niantsambo nidina ho any Antiokia, izay nahazoan'izy ireo ny fahasoavan' Andriamanitra ho an'ny asa izay vitan'izy ireo ankehitriny.
\v 27 Rehefa tonga tao Antioka izy ireo ary nanangona niaraka ny fiangonana, dia nitatitra ny zavatra rehetra izay vitan'Andriamanitra tamin'izy ireo, sy hoe ahoana no namoahany varavaran'ny finoana ho an'ireo Jentilisa.
\v 28 Dia nijanona fotoana ela niaraka tamin'ireo mpianatra izy ireo
\v 1 Ny olona sasany dia nidina avy tany Jodia hatrany Antiokia ary nampianatra ireo rahalahy, ka niteny hoe: “Raha tsy vita famorana araka ny fomba fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy ho voavonjy ianareo.”
\v 2 Izany dia nitondra an'i Paoly sy Barnabasy tao anaty fifandirana sy ady hevitra tamin'izy ireo. Noho izany i Paoly sy i Barnabasy dia voatendry niaraka tamin'ny sasany hafa tamin'izy ireo hiakatra any Jerosalema mba hihaona amin'ireo apostoly sy ireo loholona momba izany fanontaniana izany.
\v 5 Nefa ny olona sasany izay nino, izay tao amin'ny tarik'ireo Fariseo, dia nitsangana sy niteny hoe: “Ilaina ny manao ny famorana azy ireo sy ny mibaiko azy ireo hitandrina ny lalàn'i Mosesy.”
\v 7 Taorian'ny ady hevitra be, nitsangana i Petera ka niteny tamin'izy ireo hoe: “Ry rahalahy, fantatrareo fa efa taloha ela be Andriamanitra no nanao safidy teo aminareo, mba ho amin'ny alalan'ny vavako dia tokony handre ny tenin'ny filazantsara ireo Jentilisa, ary hino.
\v 14 I Simeona dia efa nanambara ny fomba nanampian'Andriamanitra tam-pahasoavana voalohany ireo Jentilisa mba haka amin'izy ireo olona ho an'ny anarany.
\v 15 Ireo tenin'ireo mpaminany dia momba izany, araka ny voasoratra hoe:
\v 22 Dia toa tsara tamin'ireo apostoly sy ireo loholona, niaraka tamin'ny fiangonana manontolo, ny hifidy an'i Joda izay antsoina hoe Barsabasy, sy i Silasy, izay mpitarika ny fiangonana, sy ny handefa azy ireo any Antokia miaraka amin'i Paoly sy Barnabasy.
\v 24 Isika dia efa nandre fa ireo olona sasany dia niala tamintsika, tsy nisy baiko avy amintsika, ary nanelingelina anareo tamin'ireo fampianarana izay nampikorontana ny fanahinareo.
\v 25 Izao no izy, izahay rehetra dia efa nanaiky ny hifidy ireo lehilahy sy handefa azy ireo any aminareo miaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
\v 26 lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho an'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 27 Noho izany izahay dia maniraka an'i Joda sy i Silasy, izay hilaza aminareo io zavatra io ihany amin'ny tenin'izy ireo manokana.
\v 28 Fa toa tsara amin'ny Fanahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra anareo entana lehibe noho ireo zavatra tena ilaina ireo:
\v 35 Fa i Paoly sy Barnabasy dia nijanona tany Antiokia niaraka tamin'ireo maro hafa, izay nampianaran'izy ireo sy nanambaran'izy ireo ny tenin'ny Tompo.
\v 4 Raha nandeha namakivaky ireo tanàna maro izy ireo, dia nanolotra toromarika ho an'ireo mpino mba hankato ny fampianarana, izay nosoratan'ny Apostoly sy ny loholona tao Jerosalema.
\v 6 Nandeha namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny namany, satria noraran' ny Fanahy Masina izy ireo hanambara ny teny any amin'ny faritr'i Asia.
\v 7 Rehefa niditra nanakaiky an' i Mysia, dia te-handeha ho any Bitynia izy ireo, nefa nosakanan' ny Fanahin'i Jesosy izy ireo.
\v 8 Ka nandalo tamin'i Mysia, dia nandeha nidina tany amin'ny tanàna an'i Troasy izy ireo.
\v 10 Rehefa avy nahita ny fahitana i Paoly, dia niainga hihazo an' i Makedonia avy hatrany izahay, nahatsapa fa Andriamanitra no niantso anay mba hitory ny filazantsara amin' izy ireo.
\v 15 Rehefa vita batisa izy sy ny ankohonany, dia namporisika anay izy, niteny hoe: “Raha nitsara ahy ho mahatoky amin'ny Tompo ianareo, dia midira ary mitoera ao an-trano.” Ary nandresy lahatra anay izy.
\v 18 Nanao izany nandritry ny andro maro izy. Fa i Paoly dia nanomboka sosotra taminy ka nitodika ary niteny tamin' ny fanahy hoe: “Mandidy anao amin' ny anaran'i Jesosy Kristy aho mba hivoaka ao aminy.” Ary nivoaka avy hatrany izany.
\v 19 Rehefa hitan'ireo tompony fa lasa ilay fanantenana ny amin'ny tombony ho azy ireo, dia nosamborin' izy ireo i Paoly sy Silasy ary notaritiny izy ireo ho any an-tsena teo anoloan'ireo manam-pahefana.
\v 22 Dia nitsangana ny vahoaka nanohitra an' i Paoly sy Silasy; nanala ny lamban'izy ireo ny mpitsara ary nandidy azy ireo mba ho kapohina amin'ny hazo.
\v 23 Rehefa nokapohin'ireo mafy izy ireo, dia nalefan'izy ireo any an-tranomaizina ary nandidy ny mpiandry tranomaizina mba hiambina mafy azy ireo.
\v 24 Rehefa naharay izany didy izany ny mpiambina, dia nalefany tany amin'ny farany lalina indrindra amin'ny fonja izy ireo ary nofatorany teo amin'ny hazo ny tongotr'izy ireo.
\v 25 Nanodidina ny misasak'alina dia nivavaka i Paoly sy Silasy ary nihira fiderana an'Andriamanitra, ary ireo gadra hafa dia nihaino azy ireo.
\v 26 Tampoka teo dia nisy horohorontany lehibe, ka nampihozongozona ny fototry ny fonja; ary nisokatra avy hatrany ny varavarana rehetra, ary nivaha ny fatoran'ny olona rehetra.
\v 27 Taitra tamin'ny torimaso ny mpiandry ny tranomaizina ary nahita ireo varavaran'ny fonja nivoha; namoaka ny sabany izy ka saika hamono ny tenany, satria noeritreretiny fa nandositra ireo gadra.
\v 32 Nitory ny tenin'ny Tompo taminy izy ireo, niaraka tamin'ny olona rehetra tao an-tranony.
\v 33 Avy eo dia nandray azy ireo tamin'ny alina tamin'iny ora iny ihany ilay mpiandry fonja, ary nanasa ny ferin'izy ireo, ary izy sy ireo rehetra tao amin'ny tranony iray manontolo dia natao batisa teo no ho eo.
\v 34 Avy eo dia nentiny niakatra tao an-tranony i Paoly sy Silasy ary nandroso sakafo teo anoloan'izy ireo izy, dia nifaly tokoa izy niaraka tamin'ireo izay tao an-tranony, fa efa nino an'Andriamanitra izy.
\v 37 Fa niteny tamin' izy ireo Paoly hoe: “Nikapoka anay ampahibemaso tsy nisy fitsarana izy ireo, na dia mizàka ny zom-pirenena Romanina aza izahay_ ary nalefan'izy ireo tao am-pigadrana. Ankehitriny dia tian'izy ireo ho alefa an-tsokotsoko ve izahay? Tsia! Aoka ny tenan'izy ireo no ho tonga eto sy hitarika anay hivoaka.”
\v 38 Nitatitra izany teny izany tamin'ny mpitsara ny mpiambina, ary raha vao nandre izy ireo fa romanina i Paoly sy Silasy, dia natahotra izy ireo.
\v 39 Tonga sy nialatsiny tamin'izy ireo ny mpitsara ary nitondra azy ireo nivoaka, nangataka azy ireo mba hiala ao an-tanàna.
\v 40 Ka niala tao an-tranomaizina i Paoly sy Silasy ary nankao an-tranon'i Lydia. Rehefa nahita ireo rahalahy i Paoly sy Silasy, dia nampahery azy ireo ary avy eo dia niala tao an-tanàna izy ireo.
\v 3 Nosokafany ny Soratra Masina ary nazavainy fa nilain' i Kristy ny nijaly sy hitsangana indray amin'ny maty. Hoy izy hoe: “Io Jesosy izay ambarako aminareo io no Kristy.”
\v 5 Fa ireo Jiosy tsy mpino nenti-pialonana dia naka ireo olona ratsy fanahy avy any an-tsena, nanangona niaraka ny vahoaka, ary nampitabataba ny tanàna. Nanafika ny tranon'i Jasona, te hitondra an'i Paoly sy Silasy hiala ny vahoaka izy ireo.
\v 6 Fa rehefa tsy hitany izy ireo, dia notarihan'izy ireo i Jasona sy ny rahalahy hafa sasany ho eo anoloan'ny manam-pahefanan'ny tanàna, nitomany, “Ireto lehilahy izay nampitsimbadika izao tontolo izao ireto dia tonga eto ihany koa.
\v 7 Ireto lehilahy izay nampandrosoan'i Jasona ireto dia manohitra ny didin'i Kaisara; miteny izy ireo fa misy mpanjaka hafa-dia i Jesosy.”
\v 8 Voaelingelina ny vahoaka sy ny manam-pahefana teo amin'ny tanàna rehefa nahare izany zavatra izany.
\v 9 Fa rehefa avy eo ny manam-pahefana nampanao sy nampandoa vola an'i Jasona sy ny ambiny mba ho antoka, avy eo izy ireo namela azy ireo handeha izy ireo.
\v 10 Nalefan'ireo rahalahy tany Beria ny alin'iny i Paoly sy Silasy. Rehefa tonga tany izy ireo, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
\v 11 Ary ireo olona ireo dia mihaja kokoa noho ireo any Tesalonika, fa nandray ny teny tamim-pahavononan'ny saina rehetra izy ireo, nandinika ny Soratra Masina isan'andro mba hahita raha tena izany tokoa ireny zavatra ireny.
\v 12 Noho izany dia maro tamin'izy ireo no nino, tao anatin'izany ny vehivavy Grika manan-kaja sasany sy lehilahy maro.
\v 13 Fa ireo Jiosin'ny Tesalonika rehefa nahare fa i Paoly dia nanambara ny tenin'Andriamanitra tao Beria ihany koa, dia nandeha teny izy ireo ary nampitabataba sy nampikorontana ireo vahoaka.
\v 14 Ary avy hatrany, ireo rahalahy nandefa an'i Paoly ho any an-dranomasina, fa i Silasy sy i Timoty nijanona teo.
\v 15 Ireo izay nitarika an'i Paoly nitondra azy hatrany amin'ny tanànan'i Atena. Raha namela an'i Paoly teo izy ireo, dia nandray torolàlana avy aminy ho an'ny Silasy sy Timoty mba hankany aminy haingana araka izay azo atao.
\v 16 Ary raha niandry azy ireo tany Atena i paoly, dia tonga tezitra tao anatiny ny fanahiny raha vao nahita ny tanàna feno sampy.
\v 17 Ka niady hevitra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'ireo Jiosy sy ireo hafa izay nanompo an'Andriamanitra izy, tahaka izany koa ny tao amin'ny toeran'ny raharaham-barotra niaraka tamin'ireo izay teo.
\v 18 Fa ny sasany tamin'ireo filozofa Epikoreana sy Stoika ihany koa nifanena taminy. Ny sasany nilaza hoe: “Inona no tian'io be resaka io ho lazaina?” Ny hafa nilaza hoe: “Toa ohatran' ilay iray izay miantso ny olona hanaraka ireo andriamanitra hafahafa izy,” satria nitory an'i Jesosy sy ny fitsanganana amin'ny maty izy.
\v 21 (Ary ny Atenina rehetra sy ny vahiny nipetraka dia nandany ny fotoanany tamin'ny tsy nisy fa ihany koa tamin'ny filazana na fihainoana momban'ny zava-baovao.)
\v 24 Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra eo aminy, satria Tompon'ny lanitra sy ny tany Izy, tsy mipetraka ao anaty tempoly voaorina tamin'ny tanana.
\v 25 Na izy tsy notompoina tamin'ny tanan'olona, toy ny nila zavatra izy, satria izy tenany no manome fiainana ny olona sy ny fofon'aina ary ny zavatra hafa rehetra.
\v 26 Avy amin'ny olona iray no nanaovany ny firenena rehetra ho an'ny olona mba hiaina eo ambonin'ny tany, namaritra ny vanim-potoan'izy ireo sy nanendry ny toera-ponenana ary ny andro iainan'ireo,
\v 27 ka mba tokony hitady an'Andriamanitra izy ireo, raha toa ka mety hahatratra sy hahita Azy izy ireo. Kanefa mbola tsy lavitra antsika tsirairay avy Izy.
\v 29 Noho izany, satria zanak'Andriamanitra isika, isika dia tsy tokony hieritreritra fa ny hatsaran'ny fombany dia mitovy amin'ny volamena, na volafotsy, na sary-vongana izay noforonina avy amin'ny asa tànana sy aingam-panahin'olombelona.
\v 30 Noho izany dia nohadinon'Andriamanitra ny fotoan'ny tsy fahalalana, fa ankehitriny mandidy ny olona rehetra eny rehetra eny mba hibebaka izy.
\v 6 Rehefa nanohitra sy nanesoeso azy ireo Jiosy, dia nanofaofa ny lambany tany amin'izy ireo i Paoly ka nanao hoe: “Ho eo amin'ny lohanareo anie ny rànareo; tsy manan-tsiny aho. Fa manomboka izao dia ho any amin'ny Jentilisa aho.”
\v 14 Ary raha handeha hiteny Paoly, dia niteny tamin'ny Jiosy i Galio hoe: “Ianareo Jiosy, raha toa ka resaka zava-dratsy na heloka izany, dia mbola azo eritreretina ny fifampiraharahana aminareo.”
\v 15 Fa hatrizay nisian'ireo fanontaniana momba ireo teny sy anarana ary lalànareo manokana ireo, alaminonareo izany. Izaho tsy maniry ny ho mpitsara izany raharaha izany.”
\v 18 Paoly, rehefa avy nipetraka tao nandritry ny andro maromaro kokoa, dia namela ireo rahalahy ka niondrana an-tsambo ho any Syria niaraka tamin'i Prisila sy Akolia. Talohan'ny niaingany teo amin'ny seranan-tsambo dia nohetezany tao Kenkrea ny volony noho ilay voady izay nataony.
\v 19 Rehefa tonga tany Efesosy izy ireo, dia navelan'i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa izy tenany niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ireo Jiosy.
\v 20 Rehefa nangataka an'i Paoly mba hijanona elaela izy ireo, dia nandà izy.
\v 21 Fa nandao azy ireo izy, niteny hoe: “Mbola hiverina aty aho raha sitrapon'Andriamanitra izany.” Dia niondrana an-tsambo niala tao Efesosy izy avy eo.
\v 24 Ary nisy Jiosy anankiray nantsoina hoe Apolosy, teraka tany Aleksandria, tonga tao Efesosy. Izy dia nahay nandaha-teny sady nahalala tsara ny Soratra Masina.
\v 25 Apolosy dia nampianarina tamin'ny fampianaran'ny Tompo. Mahafatra-po amin'ny fanahy, izy niteny sy nampianatra marina ireo zavatra mahakasika an'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany.
\v 26 Apolosy nanomboka niteny am-pasahiana tao amin'ny synagoga. Fa rehefa naheno azy i Prisila sy Akoila, dia naka azy ho eny amin'ny sisiny ary nanazava taminy marina kokoa ny lalan'Andriamanitra.
\v 5 Rehefa naheno izany ny olona, dia natao batisa tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy izy ireo.
\v 6 Avy eo rehefa nametraka ny tanany tamin'izy ireo i Paoly, dia nilatsaka tamin'izy ireo ny Fanahy Masina ary niteny tamin'ny fiteny hafa sy naminany izy ireo.
\v 7 Teo amin'ny roa ambin'ny folo teo ho eo izy rehetra.
\v 8 Niditra tao amin'ny sinagoga i Paoly ary niteny am-pahasahiana nandritry ny telo volana, nandresy lahatra sy nampanaiky azy ireo ny momba ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 9 Fa rehefa mafy fo sy tsy nankàto ireo Jiosy sasany, dia nanomboka niteny ratsy ny Lalana teo anoloan'ny vahoaka izy ireo. Ka nilaozan'i Paoly izy ireo ary nentiny ireo mpianatra, nandresy lahatra azy ireo isan'andro tao amin'ny efitrano fampianaran'ny Tiraniana.
\v 10 Nitohy nandritry ny roa taona izany, ka izay rehetra nipetraka tao Asia dia nandre ny tenin'ny Tompo, ary ireo Jiosy sy ireo Grika.
\v 12 ka na dia ireo mosoara sy aron'akanjo izay nikasika azy aza dia natao tamin'ny marary ka sitrana ny aretin'izy ireo ary nivoaka avy tao amin'izy ireo ireo fanahy ratsy.
\v 16 Ny fanahy ratsy tao amin'ilay lehilahy dia niantsampy tamin'ireo mpanala devoly ary nitsoaka tao amin'ilay trano nitanjaka sy naratra.
\v 17 Lasa fantatry ny rehetra izany, sy ireo Jiosy sy ireo Jentilisa, izay nipetraka tany Efesosy. Lasa natahotra mafy izy ireo, ka ny anaran'ny Tompo Jesosy dia nomem-boninahitra.
\v 21 Ary rehefa nahavita ny asa fanompoany tany Efesiosy i Paoly, dia nanapa-kevitra tamin'ny fanahy izy mba handalo an'i Makedonia sy Akaia teny an-dalany mankany Jerosalema, hoy izy: “Rehefa avy any aho, dia tsy maintsy mankany Roma ihany koa.”
\v 23 Tamin'izany fotoana izany tany Efesosy dia nisy fanelingelenana lehibe mikasika ny Làlana.
\v 24 Fa nisy mpanefy volafotsy iray antsoina hoe Demetrio, izay nanao ny sary sikotra volafotsin'i Diana, nampiditra vola be ho an'ireo mpanao asa-tànana.
\v 27 Fa ny loza dia tsy hoe ny varotsika ihany no tsy ho ilaina intsony, fa ny tempolin'ny andriamanim-bavy lehibe Diana ihany koa dia azo heverina ho tsy misy dikany. Dia mety ho very voninahitra izy avy eo, izy izay tompoin'ny Asia rehetra sy izao tontolo izao.”
\v 32 Olona sasan-tsasany no nihiaka zavatra iray, ary ny an'ny sasany hafa, satria tao anaty fifanjevoana ny vahoaka. Ny ankamaroan'izy ireo aza tsy mahafantatra akory hoe nahoana izy ireo no niara-tonga.
\v 33 Ny sasany tamin'ireo vahoaka no nampahafantatra an'i Aleksandra, izay natosik'ireo vahoaka ho eny aloha, ka nanao fihetsika tamin'ny tanany i Aleksandra, te hanome fanazavana ho an'ireo izay nivory.
\v 34 Fa rehefa nahafantatra izy ireo fa Jiosy izy, dia nihiaka mafy tamin'ny feo iray izy rehetra teo ho eo amin'ny ora roa, nanao hoe: “Lehibe ny Artemisin'ny Efesiana.”
\v 35 Rehefa nampangiana ny vahoaka ny lehiben'ny tanàna, dia niteny izy hoe: “Ianao olon'ny Efesiosy, olona iza no teo ka tsy nahafantatra fa ny tanànan'ny Efesiana dia mpiambina ny tempolin'ny Diana lehibe sy ny sary izay nilatsaka avy any an-danitra?
\v 3 Rehefa avy nijanona telo volana tao izy, nisy teti-dratsy noforonin'ireo Jiosy hanoherana azy raha izy handeha hiantsambo ho any Syria iny, ka nanapa-kevitra ny hiverina ho any Makedonia izy.
\v 4 Nanaraka azy hatrany Asia lavitra any i Sopatera zanaka lahin'i Pyro avy any Beria; Aristarko sy Sekondo, samy avy amin'ireo mpino Tesalonika; Gayo avy any Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
\v 7 Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, rehefa niangona niaraka mba hanapaka ny mofo izahay, dia niresaka tamin'ireo mpino i Paoly. Izy dia nikasa handeha ny ampitson'iny, ka tsy nanohy niresaka hatramin'ny sasakalina izy.
\v 11 Dia niakatra indray izy avy eo ary nanapaka ny mofo sy nihinana. Rehefa avy niresaka ela tamin'izy ireo hatramin'ny mangiran-dratsy izy, dia nandeha.
\v 12 Nitondra ilay tovolahy efa velona niverina izy ireo ary tena faly dia faly.
\v 13 Isika mihitsy no nandeha nialohan'i Paoly tamin'ny sambo ary niantsambo ho any Aso, fa any no kasainay handraisana an'i Paoly. Izany no faniriany izy tenany ho atao, satria naniry handeha an-tanety izy.
\v 14 Rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia nentinay tamin'ny sambo izy ka nankany Mitylena.
\v 15 Avy eo niantsambo avy teo izahay ary tonga tao amin'ny tandrifin'ny nosin'i Kio ny ampitso. Ny andro manaraka dia niantsona tao amin'ny nosin'ny Samo izahay, ary ny ampitson'iny dia tonga tao amin'ny tanànan'i Mileto.
\v 16 Fa Paoly nanapa-kevitra ny hiantsambo handalo an'i Efesosy, mba tsy handany fotoana ela any Asia izy; satria izy dia maika ny ho any Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, raha azony atao ny manao izany.
\v 19 Izaho dia nanompo hatrany ny Tompo tamin'ny fanetre-tena rehetra sy ranomaso, ary tao anaty fijaliana no nitranga tamiko izany nohon'ny teti-dratsin'ireo Jiosy.
\v 20 Ianareo dia mahafantatra fa tsy nitazona fahanginana tamin'ny fanambarana taminareo ireo rehetra izay nilaina aho, sy ny fomba nampianarako anareo teo imason'olona ary tamin'ny isan-trano,
\v 21 nijoroako vavolombelona teo amin'ireo Jiosy sy ireo Jentilisa momba ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana ao amin'ny Jesosy Tompontsika.
\v 22 Indro ankehitriny, ho any Jerosalema aho, noteren'ny Fanahy Masina ka tsy mahalala izay hahazo ahy any,
\v 23 afa-tsy izay hampitandreman'ny Fanahy Masina ahy isaky ny tanàn-dehibe amin'ireo famatorana sy fijaliana izay miandry ahy.
\v 24 Fa izaho dia tsy mihevitra ny fiainako hoe sarobidy amin'ny tenako, raha tsy hoe hahavita ny hazakazako sy ny asa fanompoko izay noraisiko avy amin'Jesosy Tompo aho, hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan' Andriamanitra.
\v 25 Ary indro ankehitriny, fantatro fa ianareo rehetra, izay nanambarako ny fanjakana, no tsy hahita ny tarehiko intsony.
\v 26 Noho izany ambarako aminareo amin'ity andro ity, fa izaho dia tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ny olona.
\v 27 Fa tsy nafeniko taminareo ny fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra rehetra.
\f + \ft Fanamarihana: raha toa ka “Tamin'ny ràny manokana" ny amin'ny antonta-taratasy fahiny dia mivaky hoe: “Tamin'ny ràn'ny zanaka lahiny manokana.” \f*
\v 4 Raha vao nahita an'ireo mpianatra izahay, dia nijanona tany nandritra ny fito andro. Tamin'ny alalan'ny Fanahy dia nandresy lahatra an'i Paoly hatrany izy ireo mba tsy handeha ho any Jerosalema.
\v 5 Rehefa tapitra ny andronay teny, dia niala tao izahay ka nandeha tamin'ny làlanay, ary izy rehetra, niaraka tamin'ireo vady aman-janany, nanaraka nivoaka tao amin'ny tanàna. Ary nandohalika teny amorn-dranomasina dia nivavaka
\v 6 ary nifanao veloma. Dia niditra tao an-tsambo izahay, ary izy ireo niverina tany an-tranony.
\v 11 Nanatona anay ary naka ny fehikibon'i Paoly izy. Tamin'iny no namatorany ny tongony sy ny tanany ary niteny hoe: “Hoy ny Fanahy Masina, ‘dia ho toy izao no hamatoran' ireo Jiosy any Jerosalema ny lehilahy izay tompon'ity fehin-kibo ity, ary hanolotra azy eo an-tanan'ireo Jentilisa.’”
\v 12 Rehefa naheno izany zavatra izany izahay, dia izahay sy ireo olona monina tao amin'io toerana io dia niangavy tamin'i Paoly tsy hiakatra ho any Jerosalema.
\v 13 Ary namaly i Paoly nanao hoe: “Inona no ataonareo, mitomany sy mandratra ny foko? Izaho efa vonona, tsy hoe hofatorana fotsiny ihany, fa ho faty any Jerosalema ihany koa amin'ny anaran'i Tompo Jesosy.”
\v 24 Ento ireo lehilahy ireo ary diovy miaraka amin'izy ireo ny tenanareo, ary haloavy ireo fandanian'izy ireo, mba hanaratra ny lohany izy ireo. Ka ho fantatry ny olona rehetra fa ireo zavatra izay nolazaina momba anareo dia diso. Ho fantatr'izy ireo fa ianao dia manaraka lalàna ihany koa.
\v 25 Fa mikasika ireo Jentilisa izay nino, izahay dia nanoratra sy nanome torolalana fa tokony hitandrina ny tenany amin'ny zavatra vita sorona ho an'ny sampy izy ireo, avy amin'ny rà, avy amin'izay nokendaina, sy avy amin'ny fijangajangana.
\v 26 Avy eo dia nalain'i Paoly ireo lehilahy, ary ny ampitso, izy nanadio ny tenany niaraka tamin'izy ireo, niditra tao an-tempoly, nanambara ny vanim-potoanan'ny andron'ny fanadiovana, mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny olona tsirairay tamin'izy ireo.
\v 30 Nifanaritaka ny tanàna rehetra, ary niaraka nihazakazaka sy nisambotra an'i Paoly ny olona. Nisintona azy hivoaka ao amin'ny tempoly izy ireo, dia nakatona teo noho eo ny varavarana.
\v 33 Dia nanatona ilay kapiteny ary nisambotra an'i Paoly, ary nasainy nofatorana tamin'ny rojo vy roa izy. Dia nanontany izy hoe iza izy ary inona no nataony.
\v 34 Ny sasany tamin'ireo vahoaka nitabataba zavatra iray ary ireo hafa zavatra hafa. Satria tsy afaka niteny na inona na inona ny kapiteny noho ny tabataba rehetra, dia nasainy nentina ho any amin'ny rova i Paoly.
\v 35 Rehefa tonga teo amin'ny tohatra izy, dia nentin'ireo miaramila izy noho ny herisetran'ny vahoaka.
\v 37 Raha iny ho entina tao an-drova iny i Paoly, dia hoy izy tamin'ny kapiteny: “Afaka miteny zavatra aminao ve aho?” Hoy ilay kapiteny hoe: “Miteny Grika ve ianao?
\v 39 I Paoly dia niteny hoe: “Izaho dia Jiosy, avy any amin'ny tanàn'i Tarsosy any Kiliaka. Izaho dia olom-pirenen'ny tanàna manan-danja. Mangataka aminao aho, avelao aho hiteny amin'ny olona.”
\v 10 Hoy aho hoe: ‘Inona no tokony ataoko, Tompoko?’ Ny Tompo niteny tamiko hoe: ‘Mitsangàna ary midira any Damaskosy; any no hanambarana anao ny zava-drehetra izay tokony hataonao.’
\v 14 Ary niteny izy hoe: ‘Ny Andriamanitr'ireo razantsika dia nifidy anao mba hahalala ny sitrapony, mba hahita ny Iray Marina, ary handre ny feo aloaky ny vavany.
\v 19 Hoy aho: ‘Tompo, izy ireo tenany dia mahafantatra fa izaho nanagadra sy nikapoka ireo izay nino Anao tao amin'ny synagoga rehetra.
\v 20 Rehefa nalatsaka ny ràn'i Stefana vavolombelonao, izaho koa dia mba nitsangana teo sy nanaiky, ary niambina ny fitafian'ireo izay namono azy aho.’
\v 23 Raha nitabataba izy ireo, nanipy ny akanjony, ary nanipy vovoka tamin'ny rivotra,
\v 24 ny lehiben'ny kapiteny dia nandidy an'i Paoly mba ho entina any amin'ny lapa. Izy nandidy fa tokony hadinina miaraka amin'ny kapoka izy, ka mba izy tenany dia hahalala hoe nahoana izy ireo no nihikiaka nanohitra azy toy izany.
\v 3 Avy eo i Paoly niteny azy hoe: “Andriamanitra dia hikapoka anao, ianao ry rindrina voalalotra fotsy. Ianao ve dia mipetraka hitsara ahy amin'ny lalàna, nefa mandidy ahy mba ho kapohina, tsy araka ny lalàna?
\v 6 Rehefa hitan'i Paoly fa ny sasany tamin'ny filan-kevitra dia Sadoseo ary ny hafa Fariseo, dia niteny mafy tao amin'ny filan-kevitra izy hoe: “Ry rahalahy, Izaho dia Fariseo, zanaka lahin'ireo Fariseo. Izany no izy satria izaho dia manantena tsara ny fitsanganan'ny maty izay hitsarana ahy.”
\v 9 Noho izany dia nisy fitabatabana mafy niseho, ary ny sasany tamin'ireo mpanora-dalànan'ireo Fariseo dia nitsangana ary niady hevitra, niteny hoe: “Izahay dia tsy mahita zavatra diso amin'io lehilahy io. Ahoana raha ny fanahy na ny anjely no niresaka taminy?”
\v 10 Nony nisy fifandirana mafy teo, ny kapiteny mpitarika dia natahotra sao dia hifandrotehan'izy ireo i Paoly, noho izany izy dia nandidy ireo miaramila mba hidina sy haka azy an-keriny any amin'ireo mpikambana ao amin'ny filan-kevitra, ary hitondra azy any an-dapa.
\v 11 Ny alina manaraka ny Tompo dia nijoro teo anilany ary niteny hoe: “Aza matahotra, fa toy ny nijoroanao vavolombelona momba ahy tany Jerosalema, no tsy maintsy hijoroanao vavolombelona any Roma ihany koa.”
\v 12 Rehefa maraina ny andro, ny Jiosy sasany dia namorona tetika ary nanozona ny tenan'izy ireo miaraka amin'ny fianianana mba tsy hihinana na hisotro na inona na inona ambara-pamonoan'izy ireo an'i Paoly.
\v 14 Izy ireo dia nandeha tany amin'ireo mpisorombe sy ireo loholona ka niteny hoe: “Izahay dia efa nanao fanozonana lehibe tamin'ny tenanay, mba tsy hihinana na inona na inona ambara-pamonoanay an'i Paoly.
\v 15 Ankehitriny, noho izany, avelao ny filan-kevitra hiteny amin'ny kapiteny mpitarika mba hitondra azy hidina eto aminareo, ary ianareo toy ny hoe hanapa-kevitra amin'ny zava-misy momba azy marina kokoa. Fa ho anay, izahay dia vonona ny hamono azy alohan'ny fahatongavany eto.”
\v 16 Nefa ny zanaka lahin'ny anabavin'i Paoly dia naheno fa teo am-piandrasana ny hamonoana azy izy ireo, noho izany izy dia nandeha ary niditra ny lapa ka niteny tamin'i Paoly.
\v 17 I Paoly dia niantso ny iray tamin'ireo kapiteny ka niteny hoe: “Ento any amin'ny kapiteny mpitarika ity tovolahy ity, fa manana zavatra lazaina aminy izy.”
\v 18 Noho izany ilay kapiteny dia nandray ilay tovolahy ary nitondra azy tany amin'ny kapiteny mpitarika ka niteny hoe: “I Paoly ilay gadra no niantso ahy ho any aminy, ary nangataka ahy mba hitondra ity tovolahy ity ho eto aminao. Manana zavatra ho lazaina aminao izy.”
\v 19 Ny kapiteny mpitarika dia naka azy tamin'ny tanana ho any amin'ny toerana mitokana ary nanontany azy hoe: “Inona izany tokony ho lazainao amiko izany?”
\v 20 Ilay tovolahy niteny hoe: “Ireo jiosy dia efa nanaiky ny hangataka aminao mba hitondra an'i Paoly hidina any amin'ny filan-kevitra rahampitso, toy ny hoe izy ireo dia handeha hanontany ny momba azy marina kokoa.
\v 21 Nefa aza manaiky azy ireo, satria nisy olona mihoatra ny efapolo izay efa vonona ny hamono azy. Niantso ozona ho an'ny tenany izy ireo, mba tsy hihinana na hisotro ambara-pamonoan'izy ireo azy. Fa na dia izao aza dia efa vonona izy ireo, miandry fanekena avy any aminao.”
\v 22 Ka navelan'ilay kapiteny mpifehy handeha ilay tovolahy, taorian'ny nanoroany azy hoe: “Aza miteny na amin'iza na amin'iza hoe niteny ireo zavatra ireo tamiko ianao.”
\p
\v 23 Avy eo izy dia niantso ho eo aminy ny roa tamin'ireo kapiteny ka niteny hoe: “Alaivo ny miaramila roanjato izay vonona ny andeha any Kaisaria, sy mpitaingin-tsoavaly fitopolo ihany koa, ary mpitondra lefona roanjato. Handeha ianao amin'ny ora fahatelon'ny alina.”
\v 30 Avy eo dia nampafantarina ahy fa nisy tetika hanoherana ilay lehilahy, noho izany dia nandefa azy teo noho eo tany aminao aho, ary nanafatra ireo mpiampanga azy ihany koa mba hitondra ny fanamelohan'izy ireo azy eo anatrehanao. Veloma.”
\v 35 dia niteny hoe: “Izaho dia haheno tanteraka anao rehefa tonga eto ireo mpiampanga anao.” Dia nasainy notazomina tao ao amin'ireo foiben'ny fanjakan'i Heroda izy.
\v 2 Rehefa nitsangana teo anoloan'ny governora i Paoly, dia nanomboka niampanga azy i Tertylo ka niteny tamin'ny governora hoe: “Noho ianao dia manana fiadanana lehibe izahay, ary ny fahitanao dia mitondra fanovana tsara eo amin'ny firenenay;
\v 3 koa am-pankasitrahana tanteraka no handraisanay ny zavatra rehetra izay ataonao, ry Feliksa tsara indrindra.
\v 4 Mba tsy hitazomako anareo ela loatra, dia mangataka fotoana fohy aminareo aho mba hihaino ahy am-pahatoniana.
\v 5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa mpanakorontana ary iray izay nitarika ny Jiosy rehetra manerana izao tontolo izao hikomy. Izy no mpitarika ny sekta Nazareana.
\v 10 Fa rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny i Paoly, dia namaly Paoly hoe: “Fantatro fa ianao dia efa mpitsara teto amin'ity firenena ity nandritry ny taona maro, ka dia faly ny tenako manazava aminao.
\v 11 Ho fantatrao fa tsy mbola nihoatra ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako nidera tany Jerosalema.
\v 12 Rehefa hitan'izy ireo tao an-tempoly aho, dia tsy niady hevitra na tamin'iza na tamin'iza aho, ary tsy namporisika ny vahoaka, na tao amin'ireo synagoga, na tao an-tanàna.
\v 14 Saingy izaho manaiky izao aminao, araka ny Fampianarana izay antsoin'izy ireo hoe sekta, dia toy izany koa no hanompoko ny Andriamanitry ny razambentsika. Izaho dia mahatoky amin'ny rehetra izay ao amin'ny lalàna sy ireo voasoratr'ireo mpaminany.
\v 15 Manana ny fahatokisana an'Andriamanitra toy ireo olona ireo aho, fa hisy ny fitsanganan'ny marina sy ny ratsy fanahy amin'ny maty.
\v 16 Noho izany aho dia miezaka mandrakariva mba hanana fisainana madio eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olombelona.
\v 17 Ary taorian'ny taona maro dia tonga aho hitondra fanampiana ho an'ny fireneko sy fanomezana ara-bola.
\v 18 Rehefa vitako izany, nisy Jiosy vitsivitsy avy any Asia nahita ahy tany amin'ny fetin'ny fanadiovana tao amin'ny tempoly, tsy niaraka tamin'ny vahoaka na tabataba.
\v 19 Ireo olona ireo dia tokony ho eo anatrehanareo ankehitriny ka hiteny izay hiampangan' izy ireo ahy, raha manana zavatra izy ireo.
\v 20 Na koa, ireo olona ireo ihany no tsy tokony hiteny izay hitan'izy ireo tsy mety aty amiko rehefa nitsangana teo anoloan'ny filan-kevitry ny Jiosy aho,
\v 23 Avy eo izy nandidy ilay kapiteny fa i Paoly dia tokony hambenana, fa mba hisy fahafahana dia tsy hisy amin'ireo namany ho sakanana amin'ny fanampiana izay zavatra ilainy.
\v 25 Fa rehefa niady hevitra niaraka taminy i Paoly momba ny fahamarinana, fahononan-tena, sy ny fitsarana ho avy, dia lasa raiki-tahotra i Feliksa ka niteny hoe: “Mandehana manomboka izao. Fa rehefa manana fahafahana aho aoriana ao, dia handefa ho anao.”
\v 27 Fa rehefa afaka roa taona, dia lasa governora nandimby an'i Feliksa i Porsio Festosy, saingy Feliksa te hahazo sitraka tamin'ireo Jiosy, dia navelany ho hambenana ihany i Paoly.
\v 1 Ankehitriny, Festony niditra tao amin'ny faritany, ary telo andro taty aoriana, dia niakatra avy tao Kaisaria izy ho any Jerosalema.
\v 2 Ny lohan'ny mpisorona sy ireo Jiosy manan-kaja dia nitondra fanamelohana hiampangana an'i Paoly, ka namporisika azy
\v 3 sy nangataka taminy izy ireo mba hampidi-doza an'i Paoly_ ka mety hampiantso an'i Paoly ho any Jerosalema Festosy mba afahan'izy ireo mamono azy eny an-dalana.
\v 4 Kanefa Festosy namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, ary izy tenany dia hiverina any tsy ho ela.
\v 6 Festosy dia tsy nijanona nihoatry ny valo na folo andro ary avy eo nidina nankany Kaisaria, ary ny andro manaraka dia nipetraka teo amin'ny toeran'ny fitsarana izy ary nandidy an'i Paoly mba ho entina any aminy.
\v 9 Saingy nitady izay ahazoana ny fankasitrakan'ireo Jiosy i Festosy, ary noho izany dia namaly an'i Paoly izy ka niteny hoe: “Te-hiakatra ho any Jerosalema ve ianao ary ho tsaraiko momba ireny zavatra tany ireny?
\v 10 Hoy Paoly hoe: “Mitsangana eto anoloan'ny seza fitsaran'i Kaisara aho izay tsy maintsy hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy ny Jiosy aho, araka ny efa fantatrao tsara.
\v 11 Kanefa raha nanao ratsy aho ary raha nanao izay mendrika ny fahafatesana, dia tsy mandà ny ho faty. Fa raha tsy misy ireo fiampangan'izy ireo, dia tsy misy olona afaka mitondra ahy ho any amin'izy ireo. Mangataka an'i Kaisara aho.”
\v 14 Taorian'ny naha tao azy nandritry ny andro maro, dia natolotr'i Festosy teo amin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly; niteny izy hoe: “Nisy lehilahy iray navelan'i Felix aty toy ny gadra.
\v 15 Rehefa tany Jerosalema aho, dia nitondra fiampangana ity lehilahy ity taty amiko ireo lohan'ny mpisorona sy ireo loholon'ny Jiosy, ary nangataka teny fanamelohana ho azy izy ireo.
\v 16 Namaly azy ireo aho fa tsy fomban'ireo Romana ny manolotra olona mialohan'ny hiatrehany ireo mpiampanga azy sy hananany fahafahana hiaro-tena amin'ireo fiampangana.
\v 17 Noho izany, rehefa niara-tonga teto izy ireo, dia tsy niandry aho, fa ny andro manaraka dia nipetraka teo amin'ny sezan'ny fitsarana aho ary nibaiko ny ampidirana ilay lehilahy.
\v 18 Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ka nanameloka azy, dia noheveriko fa tsy nisy goavana ny fampiangana nentin'izy ireo ho azy.
\v 19 Fa kosa, nifamaly izy ireo mahakasika ny fivavahan'izy ireo manokana sy momba izany Jesosy izay maty izany, izay nambaran'i Paoly fa velona.
\v 20 Tsy azoko antoka ny fomba hanadihadiana ity tranga ity, ary noho izany dia nanontaniako izy raha vonona ny ho any Jerosalema mba ho tsaraina any momba ireo fiampangana ireo.
\v 21 Fa rehefa nangataka ny hijanonana ao am-ponja mba hiandry ny fanapahan-kevitry ny Amperora i Paoly, dia nandidy azy aho mba ho tazomina ao am-ponja izy mandra-pandefasako azy any amin'i Kaisara.”
\v 25 Fantatro fa tsy nanao na inona na inona mendrika ny fahafatesana izy; fa satria nangataka ny Amperora izy, dia nanapa-kevitra aho ny handefa azy.
\v 26 Saingy tsy misy zavatra manan-danja ho soratako any amin'ny Amperora. Noho izany antony izany, dia nentiko teo aminareo izy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba afahako manana zavatra ho sorotana bebe kokoa momba ilay raharaha.
\v 27 Satria toa tsy mety amiko ny mandefa gadra sy tsy milaza izay hiampangana azy koa.
\v 1 Noho izany Agripa niteny tamin'i Paoly hoe: “Afaka miteny ho an'ny tenanao ianao.” Dia naninjitra ny tanany Paoly ary nanao ny fiarovan-tenany.
\v 2 “Maneho ny tenako toy ny faly aho, ry Agripa mpanjaka, mba hitondra ny zavatra mahazo ahy eto anoloanao androany manohitra ireo fiampangan'ireo Jiosy rehetra;
\v 6 Ary mijoro eto aho mba ho tsaraina satria mitady ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo razantsika aho.
\v 7 Fa ity no fampanantenana nantenain'ny fokontsika roambinifolo ho raisina raha nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina tokoa izy ireo. Ho an'izany fanantenana izany, ry Agripa mpanjaka, no hiampangan'ireo Jiosy ahy.
\v 8 Nahoana ianareo no mihevitra fa tsy azo inoana fa manangana ny maty Andriamanitra?
\v 23 fa tsy maintsy hijaly Kristy, ary Izy no ho voalohany hitsangana amin'ireo maty mba hitsangana sy hitory fahazavana ho an'ireo vahoaka Jiosy sy ireo Jentilisa.”
\v 24 Raha vitan'i Paoly ny fiarovan-tenany, dia niteny tamin'ny feo mafy Festosy hoe: “Paoly, very saina ianao; ny fianaranao be loatra no nahatonga anao ho very saina.”
\v 25 Fa hoy Paoly hoe: “Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra; fa amin'ny fahasahiana aho miteny tenin'ny fahamarinana sy fahamatorana.
\v 29 Hoy Paoly hoe: “Mivavaka amin'Andriamanitra aho, mba na ho ao anatin'ny fotoana fohy na fotoana lava, tsy ianao ihany, fa ireo rehetra izay mandre ahy androany ihany koa, dia hitovy amiko, fa tsy miaraka an'ireny rojo ireny.”
\v 1 Rehefa tapaka fa tokony hiantsambo ho any Italia izahay, dia napetrak'izy ireo i Paoly sy ireo gadra hafa ho eo ambanin'ny fiahian'ny kapiteny iray antsoina hoe Jolio izay an'ny rezimantan'ny Amperora.
\v 2 Niditra tanaty sambo iray avy any Adramytena izahay, izay hiondrana manaraka ny sisin-tanin'ny Asia. Ka dia nandeha an-dranomasina izahay. Aristarko avy any Tesalonika any Makedonia dia nandeha niaraka taminay.
\v 3 Ny andro manaraka dia tonga tao amin'ny tanànan'ny Sidona izahay, izay nitondran'i Jolio an'i Paoly tamin'ny hatsaram-panahy ary namela azy handeha ho any amin'ireo namany handray ny fikarakaran'izy ireo.
\v 4 Avy tany izahay no nandeha an-dranomasina ary niantsambo nanaraka ny moron'ny Kyprosy, nanakaiky ny nosy, satria nanohitra anay ny rivotra.
\v 5 Avy eo niantsambo namakivaky ny ranomasina izahay ary nanakaiky ny sisin-tanin'ny Kilikia sy Pamfilia, tonga tao Myra izahay, tananàn'ny Lykia.
\v 6 Tany, ny kapiteny dia nahita sambo iray avy any Aleksandria izay hiantsambo ho any Italia. Napetrany tao amin'izany izahay.
\v 7 Rehefa niantsambo niadana nandritry ny andro maro izahay ary ny farany dia tonga tam-pahasahiranana teo akaikin'ny Kinidio, dia tsy namela anay andeha tamin'izany lalana izany intsony ny rivotra, ka dia niantsambo nanaraka ny ilany takon-drivotry ny Kreta izahay, mifanandrify amin'ny Salmona.
\v 10 ary niteny hoe: “Ry lehilahy, hitako fa ity dia izay ho ataontsika ity dia hisy faharatrana sy fatiantoka maro, tsy ho an'ny entana sy ny sambo ihany, fa ho an'ny aintsika koa.”
\v 11 Fa ny kapiteny nanome lanja kokoa ny mpitondra sy ny tompon'ny sambo noho ireo zavatra izay voalazan'i Paoly.
\v 12 Satria ao amin'ny seranana dia tsy mora raha hijanonana mandritry ny ririnina, dia maro tamin'ireo mpiantsambo no nanoro hevitra ny hiondrana hiala teo, fa ndrao mba afaka hihazo ny tanànan'ny Foiniksa amin'ny fomba rehetra izahay, mba hitoetra any mandritry ny ririnina. Foiniksa dia seranana any Kreta, ary manatrika ny mianavaratra-andrefana sy ny mianatsimo-andrefana izany.
\v 13 Rehefa nanomboka nitsoka malefaka ny rivotra avy any atsimo, dia nihevitra ireo tantsambo fa nanana izay nilain'izy ireo. Ka dia nampakatra ny vatofantsika ary niondrana nanaraka an'i Kreta izy ireo, nanakaiky ny moron-dranomasina.
\v 14 Fa afaka fotoana fohy dia nisy tafio-drivotra mahery, nantsoina hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy any amin'ny nosy.
\v 15 Rehefa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanohitra ny rivotra intsony, dia tsy maintsy nanome lalana ny tafiotra izahay ary nentin'ny rivotra teny rehetra teny.
\v 16 Niantsambo nanaraka ny moron'ny nosy kely iray antsoina hoe Kaoda izahay, ary tamim-pahasahiranana no nahafahanay niaro ny lakana famonjena aina.
\v 17 Rehefa nampiakarin'izy ireo ny lakana famonjena aina, dia nampiasain'izy ireo ny tadin'izany mba hamatorana ny vatan'ny sambo. Natahotra izy ireo fa tokony handeha ambonin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso, ka dia nalatsak'izy ireo ny vatofantsiky ny ranomasina ary nandeha ho azy teny.
\v 18 Tratran'ny famelezana mahery vaikan'ny tafiotra izahay hany ka ny andro manaraka io dia nanomboka nanary ireo entana tany ivelan'ny sambo izy ireo.
\v 19 Tamin'ny andro fahatelo ireo tantsambo dia nanipy ny entan'ny sambo tany ivelan'ny sambo tamin'ny tanan'izy ireo manokana.
\v 20 Rehefa tsy namiratra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintana, ary mbola namely anay ilay tafiotra lehibe, dia very avokoa ny fanantenana ny hahavoavonjy anay.
\v 27 Rehefa tonga ny alina faha-efatra ambin'ny folo, raha natoptopa tetsy sy teroa tao amin'ny ranomasin'ny Adrea izahay, tokony ho tamin'ny sasak'alina dia nihevitra ireo tantsambo fa nanakaiky tany izy ireo.
\v 28 Dia naka refin-drano izy ireo ary nahita fa efapolo metatra ny halaliny; taoriana kelin'izany, dia mbola naka refin-drano ihany izy ireo ary nahita fa telopolo metatra ny halaliny.
\v 29 Natahotra izy ireo sao hidona amin'ireo vato izahay, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra avy ao aoriana izy ireo ary nivavaka mba hiavian'ny maraina tsy ho ela.
\v 30 Ireo tantsambo dia nitady fomba handaozana ny sambo ary nandatsaka ny lakana famonjena aina tany an-dranomasina, ary nody nandatsaka ny vatofantsika avy teo an-doha-tsambo izy ireo.
\v 33 Rehefa nanomboka nihanazava ny andro, dia namporisika azy rehetra Paoly mba haka sakafo maromaro. Hoy izy hoe: “Ity andro ity no andro faha-efatra ambiny folo izay hiandrasanareo ary tsy hinananareo; tsy nihinana na inona na inona ianareo.
\v 34 Noho izany dia mamporisika anareo aho mba hizara sakafo, fa ilaina izany mba hahavelona anareo. Fa tsy hisy na iray aminareo izay ho very na dia ny singam-bolon-dohany aza.”
\v 39 Rehefa tonga ny andro, dia tsy fantatr'izy ireo ilay tany, fa nahita helon-drano anankiray nisy tora-pasika izy ireo, ary nifandinika izy ireo raha afaka hitondra ny sambo teny.
\v 40 Ka dia notapahin'izy ireo ireo vatofantsika ary navelan'izy ireo tany an-dranomasina. Niaraka tamin'izay dia nalatsak'izy ireo ny tady teo amin'ny familiana ary natsangany ny lay ho eo amin'ny rivotra; ary dia niroso nankeo amin'ny tora-pasika izy ireo.
\v 41 Fa tonga teo amin'ny toerana iray izay nisy ranomasina nifanapaka izy ireo, ka nidona tamin'ny tany ny sambo. Ary ny loha-sambo dia niraikitra teo ary nijanona tsy afa-nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa nanomboka vaky nohon'ny hahery vaikan'ny onja.
\v 42 Ny tetik'ireo miaramila dia ny hamono ireo gadra mba tsy hisy amin'izy ireo ho afaka andeha hilomano ka hitsoaka.
\v 43 Fa ilay kapiteny te-hamonjy an'i Paoly, ka dia najanony ny tetik'izy ireo; ary nomeny baiko ireo mahay milomano mba hilatsaka ivelan'ny sambo aloha ary ho eny an-tanety.
\v 44 Avy eo tokony hanaraka ny ambin'ireo lehilahy, ny sasany ambony hazo fisaka, ary ny sasany ambony zavatra hafa avy tao amin'ny sambo. Toy izany no nitranga ka ny rehetra taminay dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety.
\v 5 Fa avy eo nanozongozona ilay biby ho anaty afo izy nefa tsy naratra akory.
\v 6 Niandry azy mba ho voan'ny tazo na ho faty tampoka izy ireo. Fa rehefa avy nijery azy maharitra izy ireo ary nahita fa tsy nisy zavatra tsy mahazatra nanjo azy, dia niova hevitra izy ireo ary nilaza fa izy dia andriamanitra.
\v 8 Ny rain'i Poplio dia nararin'ny tazo sy fivalanan-drà. Rehefa nankany aminy Paoly, dia nivavaka izy, nametraka ny tanany teo aminy, ary nanasitrana azy.
\v 9 Taorian'ny nitrangan'izany, dia nanatona azy avokoa ny ambin'ny vahoaka rehetra izay narary teo amin'ilay nosy ary sitrana.
\v 10 Ny vahoaka ihany koa dia nanome voninahitra anay tamin'ny voninahitra maro. Ary rehefa niomana andeha hiantsambo izahay, dia nanome anay izay nilainay izy ireo.
\v 18 Rehefa avy nanadihady ahy izy ireo, dia naniry ny hanafaka ahy, satria tsy nisy antony tokony hanamelohana ahy ho faty.
\v 19 Fa rehefa nanohitra ny fanirian'izy ireo ny Jiosy, dia voatery aho nampiantso an'i Kaisara, na dia tsy toy ny hoe nitondra fiampangana hanohitra ny fireneko aza.
\v 26 Hoy izy hoe: ‘Mandehana any amin'ireo vahoaka ireo ary lazao hoe: “Amin'ny fihainoana no handrenesanareo, fa tsy hahatakatra; ary amin'ny fahitana no hahitanareo, fa tsy hahita.
\v 27 Fa nihadonto ny fon'ireo olona ireo, ary sarotra amin'ny sofin'izy ireo ny handre, ary nanakipy ny masony izy ireo. Fa raha tsy izany dia mety afaka hahita amin'ny masony izy ireo, ary handre amin'ny sofiny, sy hahatakatra amin'ny fony ka hiverina indray, dia hanasitrana azy ireo aho.”’