\v 3 Ary amiko ihany koa dia toa mety - rehefa nanadihady tsara ny fandehan'ny zavatra rehetra hatramin'ny voalohany - ny hanoratra tatitra araka ny filaharany ho anao, ry Teofilo mendrika indrindra.
\v 4 Izany dia mba hahalalanao ny marina momba ireo zavatra izay nampianarina anao.
\v 13 Fa hoy ny anjely taminy: “Aza matahotra, ry Zakaria, efa nohenoina ny vavakao. Hitoe-jaza lahy aminao Elizabeta vadinao. Jaona no ho ataonareo anarany.
\v 14 Hanam-pifaliana sy haravoana ianao, ary maro koa no ho faly amin'ny fahaterahany.
\v 15 Satria ho lehibe izy eo imaso'ny Tompo. Tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery mihitsy izy, ary ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny izy.
\v 17 Handeha eo alohan'ny tavan'ny Tompo amin'ny fanahy sy ny herin'Elia izy. Izany no ataony dia ny mba hitodihan'ny fon'ny ray amin'ny zanaka, mba handehanan'ireo izay tsy mankatoa amin'ny lalan'ny fahendren'ny marina - mba hanomanana vahoaka efa vonona ho an'ny Tompo nohomanina ho Azy.”
\v 34 Hoy Maria tamin'ilay anjely: “Ahoana no hisehoan'izany, fa mbola tsy niara-nandry tamina lehilahy aho?”
\v 35 Ny anjely namaly sy niteny taminy hoe: “Hirotsaka aminao ny Fanahy Masina, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy aminao. Ka ilay masina ho teraka dia ho antsoina hoe Zanak'Andriamanitra.
\v 76 Eny, ary ianao, ry zaza, dia ho antsoina hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra, fa handeha hialoha ny tavan'ny Tompo ianao ary hanamboatra ny lalany, mba hanomana ny olona ny amin'ny fiaviany,
\v 78 Izany no hiseho dia nohon'ny famindram-po masin'ny Andriamanitsika, nohon'ny amin'izany no hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo mba ho avy hanampy antsika,
\v 79 hanazava an'ireo izay mipetraka ao anatin'ny haizina sy ireo ao anatin'ny aloky ny fahafatesana. Hataony izany mba hitarihana ny tongotsika amin'ny lalam-piadanana.”
\v 22 Ary rehefa dila ny isan'ny andro notakiana hidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra ho any an-tempoly tao Jerosalema i Maria sy Josefa mba hanolotra Azy eo amin'ny Tompo.
\v 25 Ary indro, nisy lehilahy tany Jerosalema, Simona no anarany, ary izany lehilahy izany dia marina sy mafana fo. Nitady ny fampiononana an'Israely izy, ary tao aminy ny Fanahy Masina.
\v 26 Nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana mialohan'ny ahitany ny Kristin'ny Tompo izy.
\v 27 Notarihin' ny Fanahy, nankany an-tempoly Simona. Rehefa nitondra an'i Jesosy zazakely niditra ny ray aman-dreniny, mba hanao Azy araka ny fomba ao amin'ny lalàna,
\v 28 dia noraisiny ho eny an-tsandriny Izy sady nidera an' Andriamanitra ary nanao hoe:
\v 34 Nitso-drano azy ireo Simona ary niteny tamin' i Maria reniny hoe: “Indro, ity zaza ity dia voatendry ho amin'ny fandavoana sy fanandratana ny olon'Israely maro ary ho famantarana izay nolavina -
\v 35 ary hisy sabatra handoaka ny fanahinao - mba ho voambara ny hevitry ny fo maro.”
\v 37 ary mpitondra tena nandritry ny efatra amby valopolo taona. Tsy nandao ny tempoly mihitsy izy fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy vavaka, andro aman'alina.
\v 38 Tamin' izany ora izany indrindra dia nanatona akaiky azy ireo izy ary nanomboka nanome fisaorana an'Andriamanitra sy nilaza ny momban'ilay zaza tamin'ny olona rehetra izay niandry ny fanavotana an'i Jerosalema.
\v 39 Rehefa nahavita ny zavatra rehetra nasaina nataony araka ny lalàn'ny Tompo izy ireo, dia niverina tany Galilia, any amin'ny tanànan'izy ireo any Nazareta.
\v 48 Rehefa nahita Azy izy ireo, dia talanjona. Ny reniny niteny taminy hoe: “Anaka, nahoana ianao no nanao toa izao anay? Henoy, izaho sy ny rainao nitady anao tamin-tebiteby.”
\v 49 Izy niteny tamin' izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no nitady Ahy? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ao an-tranon'ny Raiko Aho?”
\v 5 Ny lohasaha rehetra ho totofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana hahetry, ary ny lalana miholaka dia amboarina hahitsy, ary ny toerana mikitoantoana dia ho atao lalana,
\v 7 Koa niteny tamin'ireo vaohaka izay tonga ho ataony batisa i Jaona hoe: “Ianareo ry taranaky ny menarana! Iza no nampitandrina anareo mba handositra ny fahatezerana izay ho avy?
\v 8 Noho izany, mamokara voa mendrika ny fibebahana, ary aza manomboka miteny ao anatinareo hoe: ‘Izahay manana an'i Abrahama ho rainay,’ fa miteny anareo aho fa Andriamanitra dia afaka manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
\v 9 Ankehitriny aza ny famaky dia mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo. Koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia voakapa ary hatsipy any amin'ny afo.”
\v 15 Ary raha niandry fatratra ny fahatongavan'i Kristy ny vaohaka, dia nanontany tao am-pony ny mahakasikan'i Jaona ny tsirairay, na mety ho izy na tsy izy no Kristy.
\v 16 Jaona namaly tamin'ny fitenenana azy rehetra hoe: “Raha ny amiko, dia manao batisa anareo amin'ny rano aho, fa misy olona iray ho avy izay mahery mihoatra ahy, ary tsy mendrika aho na dia hamaha ireo fehi-kapany aza. Hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy.
\v 17 Eo an-tanany ny fikororohany mba hanadiovana tsara ny ao am-pomoloany sy hanangonana ny vary ho any amin'ny sompiny. Fa ho dorany amin'ny afo tsy mety vonoina ny akofa.”
\v 16 Nandeha tany Nazareta Izy, ilay tanana nahalehibe azy, ary araka ny fomba fanaony, dia niditra tao amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana mba hamaky teny mafy.
\v 17 Natolotra azy ny horonan-taratasin'Isaia mpaminany. Nosokafany ilay boky ary hitany ny toerana nanoratana azy,
\v 18 “Ny Fanahin'ny Tompo dia ato amiko, satria Izy nanosotra ahy hilaza ny vaovao mahafaly ho an'ny mahantra. Izy no nandefa ahy hanambara fahafahana ho an'ireo babo, ary hamerina ny fahitana ho an'ny jamba, hanafaka ireo izay ampahoriana,
\v 20 Avy eo dia naoriny ny taratasy, naveriny tany amin'ny mpitandrina, ary nipetraka Izy. Ny mason'ireo rehetra tao amin'ny Synagoga dia nibanjina Azy.
\v 22 Ny rehetra tao dia nilaza tsara ny momba Azy ary gaga tamin'ny tenim-pahasoavana izay naloaky ny vavany izy ireo, ary nanontany Izy ireo hoe: “Fa tsy ilay zanak'i Josefa ve ity?”
\v 23 Izy niteny tamin'izy ireo hoe: “Azo antoka fa hilaza ity ohabolana ity amiko ianareo hoe: ‘Dokotera, sitrano ny tenanao. Na inona na inona renay fa nataonao tao Kapernaomy, dia manoava toy izany any amin'ny taninao.”’
\v 25 Kanefa lazaiko marina aminareo fa maro ny vehivavy mpitondra-tena tany Israely tamin'ny andron'i Elia, raha nihidy ny lanitra nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ary nisy mosary lehibe tonga teo amin'ny tany rehetra.
\v 26 Nefa Elia tsy nalefa na tamin'iray tamin'izy ireo aza, fa tao Zerapata any Sidona ihany, tany amin'ny mpitondra tena izay nipetraka tany.
\v 34 “Ah! Inona no ifandraisanay aminao, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga mba hamotika anay ve Ianao? Fantatro hoe iza Ianao - ilay Iray Masin'Andriamanitra!”
\v 36 Nitologaga avokoa ny olona rehetra, ary nanohy nifampiresaka ny momba izany. Niteny izy ireo hoe: “Fa teny toy ny ahoana re izany?” Baikoiny amin'ny fahefana sy hery ny fanahy maloto dia mivoaka.”
\v 38 Dia nandao ny synagoga Jesosy ary niditra tao an-tranon'i Simona. Ary nampijalian'ny tazo mahery ny rafozam-bavin'i Simona, ary niangavy taminy ho azy izy ireo.
\v 39 Ka nijoro teo anoloany Izy ary niteny mafy ny tazo, dia niala taminy izany. Avy hatrany izy dia nitsangana ary nanomboka nanompo azy ireo.
\v 4 Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia niteny tamin'i Simona Izy hoe: “Ento ny ho any amin'ny rano lalina kokoa ny sambokely dia halatsao ny haratonareo mba ahazoanareo hazandrano.”
\v 5 Simona namaly Azy ka niteny hoe: “Tompo o, efa niasa ny alina tontolo izahay, fa tsy nahazo na inona na inona, fa nohon'ny teninao, dia ho halatsako ireo harato.”
\v 6 Rehefa nataon'izy ireo izany, dia nahangona hazandrano maro dia maro izy ireo, ary nitriatra ireo haraton'izy ireo.
\v 7 Koa nanao fihetsika tamin'ireo namany izay tao anatin'ilay sambokely iray hafa izy ireo fa izy ireo fa tokony ho avy ary hanampy azy ireo. Dia tonga izy ireo ka nameno ny sambokely roa, ka dia nanomboka nilentika izy ireo.
\v 13 Ary dia naninjitra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, niteny hoe: “Mety aho. Madiova.” Teo noho eo dia afaka taminy ny habokana.
\v 14 Norarany izy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza, fa nolazainy taminy hoe: “Zory ny lalanao, misehoa amin'ny mpisorona ary manolora sorona ho an'ny fanadiovana anao, araka izay nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo.”
\v 15 Kanefa ny tatitra momba Azy dia niely lavitra kokoa aza, ary vaohaka maro be no niara-tonga mba hihaino Azy nampianatra ary mba ho sitrana amin'ny aretin'izy ireo.
\v 16 Kanefa matetika Izy dia niala nankany any amin'ny tany foana ary nivavaka.
\v 17 Ary tamin'ny andro iray tamin'ireo andro nampianarany, dia nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo izay avy amin'ny tanàna samihafa ao amin'ny faritry Galilia sy Jodia, ary ihany koa avy ao amin'ny tanànan'i Jerosalema. Ny herin'ny Tompo no tao aminy mba hanasitranana.
\v 18 Ary nisy lehilahy sasany tonga, nitondra lehilahy anankiray izay voan'ny paralisisa teo amin'ny fandriana, ary izy ireo dia nitady fomba hitondrana azy ao anatiny mba hametrahana azy ho eo anoloan'i Jesosy.
\v 19 Tsy nahita fomba hampidirana azy tao anatiny izy ireo noho ireo vahoaka, noho izany dia nankany amin'ny tampo-trano izy ireo ary nampidina ny fandrian'ilay lehilahy avy eo an-tafo trano, tamin'ny fandriany, teo afovoan'ny olona, teo anoloan'i Jesosy.
\v 22 Fa Jesosy, nahalala izay noeritreretin'izy ireo, namaly ary niteny azy ireo hoe: “Nahoana ianareo no manontany izany ao am-ponareo?
\v 23 Inona no mora lazaina kokoa: ‘Voavela ny helokao' sa ny miteny hoe: ‘Mitsangana ary mandehana?’
\v 24 Nefa mba hahafantaranareo fa ny Zanak'Olona dia manam-pahefana hamela heloka eto an-tany, dia lazaiko aminao, mitsangàna, ento ny fandrianao ary mandehana any an-tranonao.”
\v 30 Kanefa ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna dia nitaraina tamin'ireo mpianany, niteny hoe: “Nahoana ianao no mihinana sy misotro miaraka amin'ireo mpamory hetra sy ny olona mpanota hafa?”
\v 33 Dia hoy izy ireo taminy hoe: “Ireo mpianatr'i Jaona dia matetika mifady hanina sy mivavaka, ary ireo mpianatr'ireo Fariseo dia manao toy izany koa. Kanefa ny mpianatrao dia mihinana sy misotro.”
\v 34 Jesosy niteny azy ireo hoe: “Moa ve misy olona mahavita mampifady hanina ny havan'ny mpampakatra raha toa ka mbola mitoetra eo amin'izy ireo ny mpampakatra?
\v 35 Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra eo amin'izy ireo, ary amin'izany andro izany dia hifady hanina izy ireo.”
\v 37 Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anatin'ny siny hoditra tonta. Raha manao izany izy, dia hampitriatra ny hoditra ilay divay vaovao, ary dia ho raraka ny divay, ary ho simba ilay siny hoditra.
\v 38 Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy atao ao anatin'ny siny hoditra vaovao.
\v 4 Nandeha nakao an-tranon'Andriamanitra izy, ary nandray ny mofon'ny fanatrehana sy nihinana ny ampahany tamin'izany, ary nomeny apahany koa ny lehilahy izay niaraka taminy mba hihinana, na dia ny mpisorona ihany aza no araka ny lalàna raha mihinana izany.”
\v 5 Avy eo Izy niteny tamin'izy ireo hoe: “Ny Zanak'Olona dia Tompon'ny Sabata.”
\v 9 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: “Manontany anareo aho, ara-dalàna amin'ny Sabata ve ny fanaovana ny tsara sa ny fanaovana ny ratsy, ny manavotra aina sa ny mamotika azy?”
\v 10 Ary nijery ny manodidina azy rehetra Izy ka niteny tamin'ilay lehilahy hoe: “Ahinjiro ny tananao.” Nanao izany izy, ary sitrana ny tanany.
\v 12 Tamin'izany andro izany dia nandeha nankany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka. Notohizany nandritra ny alina tontolo ny fivavahana tamin'Andriamanitra.
\v 13 Rehefa tonga ny andro, niantso ny mpianany ho eo aminy Izy, ary nifidy roa ambin'ny folo tamin'ireo Izy, izay nantsoiny ihany koa hoe Apostoly.
\v 14 Ny anaran'ireo Apostoly ireo dia Simona (izy izay antsoina ihany koa hoe Petera) ary ny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo,
\v 17 Avy eo Jesosy nidina ny tendrombohitra niaraka tamin'izy ireo dia nitsangana tamin'ny tany marina niaraka tamin'ny mpianany maro sy vahoaka maro avy any Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona.
\v 18 Tonga ireo mba hihaino Azy ary mba ho sitranina amin'ny aretin'izy ireo. Sitrana ihany koa ny vahoaka izay korontanin'ny fanahy maloto.
\v 19 Ny olon-drehetra tamin'ireo vahoaka dia niezaka ny hikasika Azy hatrany satria nivoaka avy taminy ny hery manasitrana, ary sitrany avokoa izy rehetra.
\v 24 Fa loza ho anareo izay manan-karena, fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
\v 25 Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa mbola ho noana ianareo any aoriana any. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hisaona sy hitomany ianareo any aoriana any.
\v 26 Loza ho anareo, rehefa milaza tsara momba anareo ny olona rehetra, fa mitovy amin'izany ny nataon'ny razan'izy ireo tamin'ireo mpaminany sandoka.
\v 32 Raha izay olona tia anao ihany no tiavinao, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza mba tia an'izay tia azy koa.
\v 33 Raha amin'izay olona manao soa anao ihany ianao no manao soa, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza dia manao toy izany.
\v 34 Raha tsy mampindrana afa-tsy amin'izay olona handrasana fa hamerina izany aminao ihany ianao, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza mampindrana ny mpanota, mba hahazoana torak'izany koa.
\v 35 Fa tiavo ny fahavalonareo ary manaova ny tsara ho azy ireny. Mampindrama ka aza miandry valiny ary ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, fa Izy tenany dia tsara fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny olona ratsy fanahy.
\v 36 Manàna famindram-po, tahaka ny Rainareo mpamindra fo.
\v 38 Manomeza, dia omena anareo izany. Fahafoizana be _ izay atafotafo, miara-voahontsana ary mitobaka _ no hararaka eo am-pofoanao. Araka ny famaharanareo, no hamaharana anareo toy izany koa.”
\v 39 Avy eo Izy nanao fanoharana tamin'izy ireo koa. “Moa ve ny olona jamba afaka mitarika olona jamba hafa? Raha manao izany izy, dia mety hilatsaka any an-kady izy roa, sa tsia?
\v 42 Ahoana no itenenanao ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, mamelà ahy hanala ny sombin-kazo eo amin'ny masonao eo io,’ rehefa tsy hitanao akory ny vatan-kazo eo amin'ny masonao? Ry mpiatsaravelatsihy! Esory eo amin'ny masonao aloha ny vatan-kazo, avy eo dia hahita tsara ianao ka afaka hanala ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.
\v 43 Fa tsy misy hazo tsara hamokatra voankazo lo, na hoe hazo lo hamokatra voankazo tsara.
\v 44 Fa ny hazo tsirairay dia fantatra amin'ny karazam-boankazo izay vokariny. Fa tsy afaka ny hioty aviavy amin'ny tsilo ny olona, na haka voaloboka amin'ny hazona voaroy.
\v 45 Ny olona tsara mamokatra izay tsara avy amin'ny harena soan'ny fony, ary ny olona ratsy mamokatra izay ratsy avy amin'ny haren-dratsin'ny fony. Fa izay aloaky ny fony no tenenin'ny vavany.
\v 1 Rehefa nahavita niteny ny zavatra rehetra teo anatrehan'ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao Kapernaomy Izy.
\v 2 Ary nisy kapiteny iray nanana mpanompo izay tena najainy, ary narary sy efa akaiky ho faty izy.
\v 3 Rehefa nandre ny momban'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy ho any Aminy izy, hangataka Azy mba ho avy ary hanasitrana ny mpanompony.
\v 6 Koa dia nanohy ny lalany niaraka tamin'izy ireo Jesosy. Fa raha mbola tsy lavitra ny trano Izy, dia nandefa namana ilay kapiteny niteny taminy hoe: “Tompo o, aza manahira-tena Ianao, satria tsy mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.
\v 19 Dia niantso anankiroa tamin'ireo mpianany Jaona ka naniraka azy ireo ho any amin'ny Tompo mba hiteny hoe: “Ianao ve ilay ho avy, sa tokony mbola hijery hafa izahay?”
\v 25 Fa hijery inona no nivohanareo tany? Lehilahy miakanjo soa ve? Jereo, ireo izay mitafy akanjo lafo vidy sy ireo miaina ao amin'ny fiainana soa dia ao amin'ny lapan'ny mpanjaka.
\v 26 Fa hijery inona no nivohanareo tany? Mpaminany ve? Eny, hoy Aho aminareo, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminany.
\v 36 Ary ny iray tamin'ireo Fariseo nanasa an'i Jesosy hisakafo miaraka taminy. Koa rehefa avy niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Jesosy, dia nipetraka hihinana teo amin'ny latabatra.
\v 37 Indro, nisy vehivavy tao an-tanàna izay mpanota. Ary rehefa nahatsikaritra izy fa nipetraka teo amin'ny latabatra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy.
\v 38 Ary raha nitsangana taoriany teo akaikin'ny tongony izy, dia nitomany, ka nanomboka nandena ny tongony tamin'ny ranomasony, ka dia nofafany tamin'ny volon-dohany ireo sady nanoroka ny tongony ary nanosotra ireo tamin'ny menaka manitra.
\v 5 “Nisy mpamboly nivoaka mba hamafy ny voany. Raha izy namafy iny, dia voafafy teny amoron-dalana ny sasany ary dia voahitsakitsaka izany, ary lanin'ny voron'ny lanitra.
\v 10 Hoy Izy hoe: “Ny fahalalana ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra dia nomena anareo, fa ho an'ny hafa dia miresaka amin'ny fanoharana Aho, mba tsy ahita izy ireo na dia mahita aza, ary tsy hahalala na dia mandre aza.”
\v 11 Ary izao no dikan'ilay fanoharana: ny voa dia ny tenin'Andriamanitra.
\v 12 Ireo voafafy teny amin'ny sisin-dalana dia ireo izay mandre, saingy avy eo dia tonga ny devoly ka maka ilay teny tao am-pony, mba tsy hino sy ho voavonjy izy ireo.
\v 13 Ary ireo teo amin'ny vatolampy kosa dia ireo izay, rehefa mandre ny teny, dia mandray izany amin-kafaliana. Nefa tsy misy fakany ireo; vetivety foana ny finoan'izy ireo, ary amin'ny fotoana fitsapana dia lavo izy ireo.
\v 14 Ireo voa voafafy teo amin'ny tsilo dia ireo olona mandre ny teny, fa rehefa mandeha amin'ny lalany izy ireo, dia voagejan'ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao, ka tsy matoy ny voany.
\v 15 Fa ny voa voafafy tamin'ny tany tsara, dia ireo no, mandre ny teny tamin'ny fo marina sy tsara, ary izy ireo mihazona azy tsara ary namokatra am-paharetana.
\v 16 Ary, tsy misy olona, rehefa nandrehitra jiro, dia manarona azy amin'ny sarony na mametraka izany ao ambany fandriana. Fa kosa, mametraka azy eo amin'ny fanaovan-jiro, mba ho hitan'ny olona rehetra izay miditra ny hazavana.
\v 17 Satria tsy misy takona izay tsy ho ampahafantarina, na zavatra miafina izay tsy ho fantatra ary hiseho eo amin'ny hazavana.
\v 24 Avy eo nankeo aminy ka namoha Azy ireo mpianatr'i Jesosy, nanao hoe: “Tompo o! Tompo o! Ho faty isika!” Ary nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny rano manonja, ary nitsahatra ireo, ka nisy fitoniana teo.
\v 29 Fa Jesosy nandidy ny fanahy maloto hiala tao amin'ilay lehilahy. Fa efa nandritry ny fotoana maro no nangeja azy izany, ka na dia nofatorana tamin'ny rojo sy gadra vy ary nambenana aza izy, dia nopotehiny ireo rojony ary nentin'ny demonia tany an'efitra izy.
\v 40 Ary rehefa niverina Jesosy, dia nandray azy ny vahoaka, fa izy ireo dia efa niandry Azy.
\v 41 Indro, nisy lehilahy iray atao hoe Jairo, izay iray tamin'ireo mpitarika tao amin'ny Synagoga, nanatona sy niankohoka teo an-tongotr'i Jesosy, ka niangavy azy mba ho any an-tranony,
\v 42 satria ny zanany vavy tokana, izay zazavavy teo amin'ny roa ambin'ny folo taona teo ho eo, dia eo ambavahoanan'ny fahafatesana. Raha nandeha tamin'ny lalany Jesosy, dia niara-nifaneritery nanodidina Azy ny vahoaka maro be.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo manam-pahaizana dia mizarazara hevitra raha tokony ampidirina eto ny fehezanteny hoe: “Nandany ny volany rehetra (izy) \f* ary tsy nisy nahasitrana azy na iza na iza.
\v 51 Rehefa nankao an-trano Izy, dia tsy namela na dia olona iray aza hiara-hiditra aminy ankoatran'i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy ny rain'ilay zaza ary ny reniny.
\v 5 Na aiza na aiza tsy handraisan'izy ireo anareo, rehefa mandao izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano hiala amin'ny tongotrareo ny vovoka mba ho fijoroana vavolombelona anoherana azy ireo.”
\v 12 Ary rehefa ho ariva ny andro, dia nanatona Azy ireo roa ambin'ny folo ka niteny hoe: “Alefaso andeha ireo vahoaka mba afahan'izy ireo mandeha any amin'ireo tanàna manodidina sy ambanivohitra mba hahita fatoriana sy sakafo, satria aty amin'ny tany foana isika.”
\v 16 Nandray ireo mofo dimy sy hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, nisaotra ireo ary nozarazarainy, ka dia nomeny ireo mpianatra izany mba ho tolorana ireo vahoaka.
\v 24 Na iza na iza te hanavotra ny ainy dia hanary izany, fa na iza na iza manary ny ainy noho ny fitiavana Ahy dia hanavotra izany.
\v 25 Inona no tsara azon'ny olona amin'ny fananana izao tontolo izao, kanefa manary na mamotika ny ainy?
\v 26 Fa na iza na iza menatra ny amiko sy ireo teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak'Olona rehefa tonga amin'ny voninahiny, sy ny voninahitry ny Ray sy ireo anjely masina Izy.
\v 27 Fa lazaiko marina aminareo, fa ny sasany amin'ireo izay mitsangana eto dia tsy hahita fahafatesana mialohan'ny ahitany ny fanjakan' Andriamanitra.”
\v 28 Ary valo andro teo ho eo taorian'ny nilazan'i Jesosy ireo teny ireo, dia nentiny niaraka taminy Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatra ny tendrombohitra hivavaka.
\v 29 Raha nivavaka iny Izy, dia niova ny endriky ny tarehiny, ary nivadika fotsy manjelanjelatra ny akanjony.
\v 31 izay niseho tamim-boninahitra mamirapiratra. Niresaka momba ny fialàny Izy, izay ho entiny ho ho tanterahina any Jerosalema.
\v 32 Ary Petera sy ireo izay niaraka taminy dia navesatrin'ny torimaso, fa rehefa tena taitra tanteraka izy ireo, dia nahita ny voninahiny sy ireo lehilahy roa izay nitsangana niaraka taminy.
\v 48 ary niteny tamin'izy ireo hoe: “Fa na iza mandray ity zaza ity amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na iza na iza mandray Ahy, dia mandray ilay Iray izay naniraka Ahy. Fa izay kely indrindra aminareo rehetra no lehibe.”
\v 54 Rehefa nahita izany Jakoba sy Jaona mpianatra, dia hoy izy ireo hoe: “Tompoko, tianao ve izahay raha handefa afo milatsaka avy any an-danitra mba hamotika azy ireo?”
\v 60 Fa hoy Izy taminy hoe: “Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy. Fa ho anao, mandehana ka mitoria any lavitra any ary hitaro ny fanjakan'Andriamanitra.”
\f + \ft Fanamarihana: Maro amin'ireo fandikana taloha tsara indrindra no mivaky hoe: “Fitopolo", Fa ny sasany mivaky hoe: “roa ambi-fitopolo.” \f* hafa ny Tompo, ary nandefa azy ireny tsiroaroa nialoha Azy tany amin'ny tanàna rehetra sy toerana izay efa halehany.
\v 2 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Be ny vokatra, fa vitsy ny mpiasa. Noho izany hangataho ny Tompon'ny vokatra mba handefa mpiasa mba ho eny amin'ny vokatra.
\v 11 ‘Fa na dia ny vovoky ny tanànanareo izay miraikitra amin'ny tongotray aza dia ho fafanay hanohitra anareo! Fantaro anefa izao: Efa manakaiky ny fanjakan'Andriamanitra.’
\v 13 Loza ho anao, ry Korazina! Loza ho anao, ry Betsaida! Fa raha ny asa lehibe izay natao tao aminao no natao tany Tyro sy Sidona, dia efa ela izy ireo no nibebaka, nipetraka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona.
\v 14 Fa ho azo leferina kokoa ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsarana noho ny aminareo.
\v 15 Ianao, ry Kapernaomy, mieritreritra ve ianao fa ho hasandratra any an-danitra? Tsia, ho entina midina any amin'ny Hadesy ianao.
\v 19 Jereo, fa efa nomeko anareo ny fahefana hanitsaka ny menarana, ny maingoka, ary ambonin'ny hery rehetran'ny fahavalo, ary na inona na inona dia tsy hisy handratra anareo amin'ny fomba rehetra.
\v 21 Tamin'io fotoana io ihany dia nifaly tokoa tao amin'ny Fanahy Masina izy, ary niteny hoe: “Midera Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao ireny zavatra ireny tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina, ary nambara tamin'ireo tsy manam-pahalalana, toy ny zaza madinika. Eny, Raiko, fa izany no ankasitrahana tsara eo imasonao.”
\v 22 Ny zava-drehetra dia nankinin'ny Ray tamiko, ary tsy misy mahalala hoe iza ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahalala hoe iza ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay nosafidian'ny Zanaka haseho Azy.”
\v 25 Indro, nisy mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy iray nitsangana mba hitsapa Azy, ka nilaza hoe: “Mpampianatra o, inona no tsy maintsy hataoko mba handova ny fiainana mandrakizay?”
\v 32 Toy izany koa ny Levita anankiray, rehefa nandalo tamin'ilay toerana ka nahita azy, dia nandeha teny am-pita.
\v 33 Fa nisy Samaritana anankiray, rehefa nandeha tamin'ny nalehany izy, dia tonga teo amin'ny nisy azy. Rehefa nahita azy izy, dia nitsetra azy.
\v 34 Dia nanatona azy izy ka namehy ny ratrany, ary nandraraka menaka sy divay tamin'izany. Nampitaingenany ny bibiny izy, ka nentiny tany amin'ny tranom-bahiny, ary nokarakarainy.
\v 38 Ary raha niara-nandeha izy ireo, dia niditra tao amin'ny tanàna iray Izy, ary nisy vehivavy iray antsoina hoe Marta nampandroso Azy tao an-tranony.
\v 39 Nanana rahavavy atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo an-tongotry ny Tompo ary nandre ny teniny.
\v 40 Fa Marta sahirana be tamin'ny fikarakarana ny sakafo ho aroso. Nankeo amin'i Jesosy izy, dia nanao hoe: “Tompo, tsy mampaninona Anao ve ny namelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Koa teneno izy mba hanampy ahy.”
\v 1 Dia izao no nitranga rehefa nivavaka tao amin' ny toerana iray Jesosy, nisy iray tamin'ireo mpianany niteny taminy hoe: “Tompo, mba hampianaro mivavaka izahay toy ny nampianaran'i Jaona ireo mpianany.”
\v 13 Noho izany, raha ianareo ratsy fanahy aza mahay manome fanomezana tsara ho an'ny zanakareo, dia ohatrin'ny ahoana ny halehiben'ny Fanahy Masina homen'ny rainareo izay any an-danitra ho an'ireo izay mangataka aminy?”
\v 17 Nefa fantatr'i Jesosy izay tao an-tsain'izy ireo ka niteny tamin'izy ireo Izy hoe: “ireo fanjakana rehetra izay mizarazara dia ho rava, ary ny trano izay mizarazara dia hirodana.”
\v 21 Rehefa ampy fitaovana tsara ny lehilahy mahery iray miandry ny tranony, dia voaaro ny hareny,
\v 22 nefa kosa raha mahery noho izy ny lehilahy iray ka mandresy azy, dia alain'ilay lehilahy mahery kokoa amin'ilay lehilahy ny fiadiana, ary ho robainy ny fananan'ilay lehilahy.
\v 23 Izay tsy miaraka amiko dia manohitra Ahy, ary izay tsy miangona miaraka amiko dia misaraka.
\v 26 Avy eo dia lasa izy ary maka fanahy hafa ratsy mihoatra ny tenany miisa fito miaraka aminy izy ary dia miditra mba hitoetra ao izy rehetra. Ka ratsy kokoa noho ilay voalohany ny fiafaran'ny izany olona izany.”
\v 27 Ary raha niteny ireo zavatra ireo Izy, dia nisy vehivavy iray nanandratra ny feony tao anaty vahoaka ary nanao taminy hoe: “Sambatra ny kibo izay niteraka Anao sy ny nono izay ninonoanao.”
\v 28 Fa hoy kosa Izy hoe: “Sambatra, kokoa aza, ireo izay mihaino ny tenin'Andriamanitra sy mihazona izany.”
\v 30 Fa tahaka ny nahatonga an'i Jona ho famantarana tamin'ireo Ninivita, toy izany koa dia ho famantarana ny Zanak'Olona amin'ity taranaka ity.
\v 31 Ny Mpanjaka vavin'ny Atsimo dia hitsangana amin'ny fitsarana miaraka amin'ireo lehilahy amin'ity taranaka ity ka hanameloka azy ireo, fa tonga avy any amin'ny faran'ny tany izy mba hiaino ny fahendren'i Solomona, ary indro, eto ny olona lehibe noho Solomona.
\v 32 Ny lehilahin'i Ninive dia hiara hitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny fitsarana ary hanameloka azy, satria nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona izy ireo, ary indro, misy olona lehibe noho Jona eto.
\v 33 Tsy misy olona iray, raha avy nandrehitra Jiro, dia mametraka izany amin'ny toerana takona na ao ambanin'ny harona, fa atao eo amin'ny fitoeran-jiro, mba ho hitan'izay miditra ny hazavana.
\v 34 Ny masonao no jiron'ny vatana. Rehefa tsara ny masonao, dia rakotra hazavana ny tena rehetra. Fa raha ratsy kosa ny masonao, dia feno haizina ny tenanao.
\v 35 Noho izany, mitandrema ianareo mba tsy ho maizina ny hazavana ao aminareo.
\v 36 Ary, raha feno hazavana ary ny tenanao rehetra, ka tsy misy ampahan'izany ao anaty haizina, dia ho tahaka ny jiro izay mampamiratra ny hazavany eo aminao ny tenanao manontolo.
\v 39 Fa hoy ny Tompo taminy hoe: “Ankehitriny, Ianareo Fariseo, dia manadio ny ivelan'ny kaopy sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo dia feno rombaka sy faharatsiana.”
\v 42 Fa loza ho anareo ry Fariseo, satria mandoa ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hazo hafa eny an-tsaha ianareo, nefa tsy norarahinareo ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaina ny manao ny marina sy mitia an'Andriamanitra, no sady tsy manadino ny manao ireo zavatra hafa ihany koa.
\v 43 Loza ho anareo ry Fariseo, fa tianareo ny toerana voalohany eny amin'ny synagoga sy ny fiarahabana feno fanajana anareo eny an tsena.
\v 44 Loza ho anareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy misy famantarana izay hitsahin'ny olona fa tsy fantany izany.
\v 46 Jesosy niteny hoe: “Loza ho anareo, ry mpampiana-dalàna! Fa mampitondra enta-mavesatra tsy zakan'ny olona ianareo, nefa tsy mikasika izany enta-mavesatra izany akory na dia ny ratsan-tananareo iray aza.
\v 52 Loza ho anareo ry mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; tsy miditra ao ny tenanareo, ary sakananareo ireo izay miditra.”
\v 2 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, ary tsy misy miafina izay tsy ho fantatra.
\v 3 Ka na inona na inona nolazainareo tao amin'ny haizina dia ho re ao amin'ny fahazavana, ary izay nolazainareo teo an-tsofina tao anaty efitrano dia hambara eny an-tampon-trano.
\v 8 Hoy Aho aminareo, izay rehetra manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'Olona ihany koa dia hanaiky azy eo anatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra,
\v 9 fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona dia ho lavina eo anatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra.
\v 10 Izay rehetra miteny manohitra ny Zanak'Olona, dia ho avela aminy izany, fa izay rehetra miteny ratsy manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy ho voavela izany.
\v 11 Rehefa mitondra anareo eo anatrehen'ny synagoga, ireo mpanapaka, sy ireo manam-pahefana izy ireo, dia aza manahy ny amin'izay ho fomba fiteninareo ho fiarovan-tenanareo, na izay ho lazainareo,
\v 16 Avy eo Jesosy nanao fanoharana iray tamin'izy ireo, nanao hoe: “Namokatra be ny sahan'ny lehilahy mpanankarena iray,
\v 17 ary nanontany tena izy, niteny hoe: ‘Inona no ho ataoko, fa tsy manana toerana hitahirizana ireo vokatro aho?’
\v 18 Hoy izy hoe: ‘Izao no ho ataoko. Hazerako ireo trano fitoeram-bokatro dia hanangana lehibe kokoa aho, ary ao amin'ireo no hanangonako ny voako sy ireo vokatra hafa.
\v 19 Dia hiteny amin'ny fanahiko aho hoe: “Ry fanahy, ianao dia manana vokatra betsaka voatahiry ho amin'ny taona maro. Mitsahara tsara, mihinàna, misotroa, mifalia.’”
\v 20 Fa Andriamanitra niteny taminy hoe: ‘Ralehilahy adala, androany alina ny fanahinao no halaina aminao, ka ireo zavatra izay nomaninao, ho an'iza ireo?’
\v 22 Jesosy niteny tamin'ireo mpianany hoe: “Noho izany dia lazaiko aminareo, aza manahy ny amin'ny ainareo- izay ho haninareo, na ny momban'ny tenanareo- izay ho tafinareo.
\v 23 Fa ny aina dia mihoatra noho ny sakafo, ary ny tena dia mihoatra noho ireo fitafiana.
\v 24 Hevero ny goaika, tsy mamafy ireny na mijinja. Tsy manana fitoeram-bokatra ireny na trano fitahirizana, kanefa omen'Andriamanitra hanina ireny. Tahaka ny ahoana ny fihoaranareo lanja mihoatra noho ireo vorona!
\v 25 Iza aminareo no afaka manampy hakiho iray ny andro iainany amin'ny fanahiana?
\v 26 Koa raha izany zavatra kely indrindra izany aza tsy ainareo atao, nahoana ianareo no miahiahy ny amin'ny sisa?
\v 27 Hevero ireo lilia_ manao ahoana ny faniriny. Tsy miasa izy ireny, na mamoly. Kanefa lazaiko aminareo, na Solomona tamin'ny voninahiny manontolo aza tsy nitafy tahaka ny iray tamin'ireny.
\v 28 Raha tafian'Andriamanitra tahaka izany ireo ahitra eny an-tsaha, izay eo androany, ary ny ampitso dia ariana anaty fatana, toy ny ahoana ny hanafiany anareo mihoatra lavitra noho izany, ianareo ry kely finoana o!
\v 29 Aza mitady izay ho haninareo sy izay ho sotroinareo, ary aza miahiahy.
\v 30 Fa ireo firenena rehetra eto amin'izao tontolo izao ireo dia mitady ireny zavatra ireny, ary fantatry ny Rainareo fa mila ireny ianareo.
\v 31 Fa katsaho ny fanjakany, dia homena ho fanampiny ho anareo ireny zavatra ireny.
\v 35 Aoka ny akanjo lavanareo ho hasikinareo ny valahanareo, ary aoka ny jironareo hirehitra hatrany,
\v 36 ary manaova tahaka ireo olona izay miandry ireo tompony hiverina avy any amin'ny lanonam-pampakaram-bady, mba rehefa tonga izy ka mandondona, dia ho afaka hanokatra ny varavarana ho azy avy hatrany izy ireo.
\v 37 Sambatra ireo mpanompo, izay hitan'ny tompony fa niambina rehefa tonga izy. Lazaiko marina aminareo, fa hisikina ny lamba lavany amin'ny valahany izy, ary hampipetraka azy ireo eo an-databatra, ka ho avy izy ary hanompo azy ireo.
\v 38 Raha ho avy amin'ny ora faharoa amin'ny alina ny tompo, na amin'ny ora fahatelo aza, ka mahita azy ireo vonona, dia ho sambatra ireo mpanompo ireo.
\v 39 Ho fanampin'izany dia fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hatongavan'ny mpangalatra, dia tsy namela ny tranony ho vakiana izy.
\v 42 Ny Tompo niteny hoe: “Iza ary no mpitantana mahatoky sy hendry izay ho tendren'ny tompony ho ambonin'ireo mpanompony hafa mba hanome azy ireo ny anjara hanin'izy ireo amin'ny fotoana mety?
\v 45 Fa raha miteny ao am-pony izany mpanompo izany hoe: ‘Nahemotry ny tompoko ny fiverenany,’ ka manomboka mamono ireo mpanompo lahy sy vavy, ary mihinana sy misotro, ka lasa mamo,
\v 46 ny tompon'izany mpanompo izany dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny, ary amin'ny ora tsy fantany, ary hanapatapaka azy ka hanomana toerana ho azy miaraka amin'ireo tsy mahatoky.
\v 47 Izany mpanompo izany, nahafantatra ny sitrapon'ny tompony, kanefa tsy niomana na nanao araka ny sitrapony, dia ho kapohina amin'ny fikapohana maro.
\v 48 Fa izay tsy nahafantatra ary nanao izay mendrika ahazoana kapoka kosa, dia ho kapohina amin'ny fikapohana kely. Fa ireo rehetra izay nomena be, dia ho be kokoa no ho takiana aminy, ary ireo izay nanankinana be, dia ho be lavitra aza no hangatahina aminy.
\v 53 Hisaratsaraka izy ireo, ny ray hanohitra ny zanaka lahy, ary ny zanaka lahy hanohitra ny ray; ny reny hanohitra ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy hanohitra ny reny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinanto vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-bavy.”
\v 56 Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo ny mandika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, fa ahoana no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro ankehitriny izao?
\v 57 Nahoana ianareo no tsy mitsara izay marina ho an'ny tenanareo?
\v 58 Fa rehefa mandeha miaraka amin'ny mpifanandrina aminareo eo anatrehan'ny mpitsara ambony ianareo, eny an-dàlana dia miezaha handamina ny olana miaraka aminy mba tsy handehanany handrirotra anareo eo amin'ny mpitsara, ary mba tsy hanoloran'ny mpitsara anareo any amin'ny mpamatotra, ary mba tsy handefasan'ny mpamatotra anareo any am-ponja.
\v 3 Tsia, Izaho miteny anareo. Fa raha tsy mibebaka ianareo, ianareo rehetra dia ho faty tahaka izany.
\v 4 Na ireny olona valo ambin'ny folo tao Siloama izay nianjeran'ny tilikambo ka nahafaty azy ireo, mieritreritra ve ianareo fa tena mpanota ratsy mihoatra noho ireo lehilahy hafa tao Jerosalema ireny?
\v 8 Namaly ilay mpanao zaridaina ka niteny hoe: ‘Avelao ho eo io aloha amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy sy hanasiako zezika eo aminy.
\v 9 Raha mamoa izy amin'ny taona manaraka, tsara; fa raha tsy izany, dia kapao izy!’”
\v 15 Ny Tompo namaly azy ka niteny hoe: “Ry mpiatsaravelatsihy! Moa ve tsy samy mamaha ny boriky na ny ombiny ao amin'ny valany ianareo ka mitondra izany hisotro rano amin'ny Sabata?
\v 16 Ary toy izany koa ity zanakavavin'i Abrahama, izay voafatotr'i Satana nandritry ny valo ambin'ny folo taona ity, tsy tokony mba ho vahana ve ny fatorany amin'ny andro Sabata?”
\v 18 Ary Jesosy niteny hoe: “Toy ny ahoana ny fanjakan'Andriamanitra, ary toy ny inona no afaka anoharako izany?”
\v 19 Izany dia toy ny voatsinampy izay nalaina sy nafafin'ny lehilahy iray teo an-jaridainany, ka lasa hazo lehibe iray, ary ny voron'ny lanitra dia nanamboatra ny tranony teo amin'ireo rantsany.”
\v 20 Mbola niteny ihany Izy hoe: “Inona no afaka hampitahako ny fanjakan'Andriamanitra?
\v 21 Izany dia toy ny masirasira izay nalain'ny vehivavy iray ka nafangarony tamin'ny koba in-telon'ny famarana mandra-piparitahany ao anatin'ny koba rehetra.”
\v 23 Nisy anankiray niteny taminy hoe: “Tompo, moa ve vitsy ny olona no ho vonjena?” Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe:
\v 24 “Miadia ny hiditra ny varavarana tery ianareo, satria, Izaho miteny aminareo, maro no te-hitsofoka, fa tsy ho afaka ny hiditra.
\v 25 Rehefa injay mitsangana ilay tompon-trano ary manidy ny varavarana, dia hijoro ao ivelany eo ianareo ka handondona ny varavarana ary hiteny hoe: ‘Tompo, Tompo, ampidiro izahay.’ Izy hamaly ka hiteny aminareo hoe: ‘Tsy fantatro ianareo na ny fiavianareo.’
\v 33 Na inona na inona mitranga, zava-dehibe amiko ny manohy anio, rahampitso, sy ny andro manaraka, satria tsy azo ekena ny famonoana ny mpaminany lavitra an'i jerosalema.
\v 34 “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato ireo izay nirahina tany aminareo. Impiry aho no naniry ny hanangona ny zanakareo tahaka ny akoho vavy manangona ny zanany ambany elany, kanefa tsy naniry izany ianareo.
\v 35 Indro, nilaozana ny tranonareo. Izaho dia miteny aminareo, tsy ho hitanareo Aho ambara-pitenenanareo hoe: “Sambatra izay avy amin'ny anaran'ny Tompo.”’
\v 21 Dia tonga ilay mpanompo ary niteny tamin'ny tompony ireo zavatra ireo. Avy eo ilay tompon-trano tezitra ka niteny tamin'ilay mpanompony hoe: “Mandehana faingana eny amin'ireo lalambe sy sakeli-dalana eto an-tanàna dia ento aty ny mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny kilemaina.’
\v 26 “Raha misy aminareo manatona Ahy ary tsy mankahala ny rainy, ny reniny, ny vadiny, ny zanany, ireo rahalahiny sy ireo rahavaviny, ary na ny fiainany aza, dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.
\v 4 “Iza aminareo, raha manana ondry zato izy ary avy eo very ny iray amin'izy ireny, no tsy handao ny sivy amby sivy folo any an-tany efitra, ary handeha hitady ilay iray very mandra-pahitany azy?
\v 8 Na iza no vehivavy izay manana farantsa kely folo, raha very ny farantsa iray, no tsy andrehitra ny jiro, hamafa ny trano, ary hitady amim-pahazotoana mandra-pahitany izany?
\v 24 Satria ny zanako lahy dia maty, ary ankehitriny velona indray. Very Izy, ary ankehitriny dia hita indray.’ Avy eo dia nanomboka nikorana izy ireo.
\v 31 Hoy ilay ray taminy hoe: ‘Anaka, ianao dia miaraka amiko foana, ary izay rehetra ahy dia anao.
\v 32 Kanefa rariny ho antsika ny mikorana sy mifaly, satria ity rahalahinao dia maty, ary ankehitriny dia velona indray; very izy, ary ankehitriny dia hita indray.’”
\v 3 Ary ilay mpitandrim-pananana niteny tany an-tsainy hoe: “Inona re no tokony ataoko, fa manala ahy amin'ny asa tantaniko ny tompoko? Tsy manan-kery hiasana tany aho, ary menatra ny hangataka aho.
\v 4 Fantatro ny ho ataoko, mba rehefa esorina amin'ny asa fitantanako aho, dia hampandroso ahy ao an-tranon'izy ireo ny olona.’
\v 5 Avy eo ilay mpitan-draharaha niantso ny tsirairay tamin'ireo mpitrosan'ny tompony, ary dia nanontany ilay voalohany izy hoe: ‘Ohatrinona no ananan'ny tompoko any aminao?’
\v 8 Avy eo ilay tompo dia nidera ilay mpitantana tsy marina satria niasa tamin-kafetsena izy. Fa fetsy kokoa ny zanak'izao tontolo izao ny amin'ny fifanarahana amin'izy samy olona noho ny zanaky ny fahazavana.
\v 9 Miteny aminareo Aho, mitadiava namana amin'ny alalan'ny vola tsy marina, amin'izay rehefa lany izany, dia mety ho raisin'izy ireo ao amin'ny fonenana mandrakizay ianareo.
\v 10 Izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky amin'ny be koa, ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina amin'ny be koa.
\v 11 Raha tsy mahatoky amin'ny fampiasana vola tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo amin'ny harena marina?
\v 12 Raha tsy mahatoky amin'ny fampiasana ny volan'ny olona hafa ianareo, iza no hanome vola ho anareo manokana?
\v 13 Tsy misy mpanompo afaka manompo tompo roa, fa na izy hankahala ny anankiray dia ho tia ny iray, na koa izy hanolo-tena ho an'ny iray dia hanao tsinontsinona ilay hafa. Tsy afaka manompo an'Andriamanitra sy ny harena ianareo.”
\v 15 Niteny tamin'izy ireo Izy hoe: “Ianareo dia manamarina ny tenanareo eo imason'ny olona, fa Andriamanitra mahalala ny fonareo. Fa izay hasandratra eo amin'ny olona dia hankahalaina eo imason'Andriamanitra.
\v 16 Ny lalàna sy ireo mpaminany dia nisy mandra-piavin'i Jaona. Efa hatramin'izany fotoana izany, no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny tsirairay dia niezaka nanitsy ny lalany ho amin'izany.
\v 17 Fa moramora kokoa ny hahafoana ny lanitra sy ny tany noho ny soratra kely indrindra ao amin'ny lalàna ho tonga tsy manan-kery.
\v 24 Koa nihikiaka mafy izy sy niteny hoe: ‘Abrahama Ray, mamindrà fo amiko ary alefaso Lazarosy, mba handrobohany ny tendron'ny rantsan-tanany ao anaty rano ary hampangatsiatsiaka ny lelako, fa ato anatin'ny fangirifiriana mafy anatin'ity afo ity aho.’
\v 25 Fa Abrahama niteny hoe: ‘Anaka, tsarovy fa tamin'ny androm-piainanao dia nahazo zavatra tsara ianao, ary ny an'i Lazarosy kosa zavatra ratsy. Fa ankehitriny izy aty dia voatambitamby, ary ianao ao amin'ny fangirifiriana.
\v 7 Fa iza aminareo, no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry, ka hiteny aminy rehefa tonga avy any an-tsaha izy hoe: ‘Avia haingana ka mipetraha mba hihinana'?
\v 8 Fa tsy hiteny aminy ve izy hoe: ‘Hikarakarao zavatra hohaniko aho, ka asio fehikibo manodidina ny ankanjonao dia manompoa ahy mandrapahalanin'ny haniko sy fisotroako. Dia avy eo ianao mihinana sy misotro'?
\v 20 Raha nanontanian'ireo Fariseo hoe rahoviana ny fanjakan'Andriamanitra no ho tonga, dia namaly azy ireo Jesosy ka niteny hoe: “Tsy taza-maso ny fiavian'ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 21 Tsy hiteny koa izy ireo hoe: ‘Jereo, Inty ilay izy!’ na hoe: ‘Iry ilay izy!’ Fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.”
\v 24 fa tahaka ny tselatra mamiratra mazava rehefa mitaratra avy any amin'ny ilany ny lanitra ka hatrany any amin'ny ilany iray, dia toy izany ny Zanak'Olona amin'ny androny.
\v 25 Fa vaolohany dia tsy maintsy hijaly amin'ny zavatra maro Izy ary ho lavin'ity taranaka ity.
\f + \ft Fanamarihana: ireo fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny andininy faha 36 hoe: “Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela.” \f*
\v 4 Fa efa hatry ny ela izy no tsy vonona ny hanampy azy, fa taoriana kelin'izany dia niteny tamin'ny tenany izy hoe: ‘Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho na tsy manaja olona,
\v 5 fa koa satria manahirana ahy ity mpitondra-tena ity, dia hanampy azy aho mba hahazoany rariny, mba tsy handreraka ahy nohon'ny fivezivezeny lava aty intsony izy.’”
\v 6 Avy eo niteny ny Tompo hoe: “Henoy izay ambaran'ilay mpitsara tsy marina.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo manam-pahaizana dia misara-kevitra raha tokony ho ampidirina eto ny teny hoe: [Izy] dia nanjary nalahelo mafy. Ampitahao ny And 23 \f* ary niteny hoe: “Manao ahoana ny fahasarotan'ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'ireo izay mpanan-karena!
\v 25 Fa moramora kokoa ho an'ny rameva ny hiditra amin'ny vodim-panjaitra, nohon'ny hidiran'ny olona mpanan-karena iray ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.”
\v 29 Ary Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: “Lazaiko marina aminareo, fa tsy misy olona izay nahafohy trano, na vady, na rahalahy, na ray aman-dreny, na zanaka, nohon'ny fanjakan'Andriamanitra,
\v 30 izay tsy hahazo bebe kokoa amin'ity izao tontolo izao ity, ary amin'ny andro ho avy, dia fiainana mandrakizay.”
\v 8 Nitsangana Zakaiosy ka niteny tamin'ny Tompo hoe: “Jereo, ry Tompo, ny atsasaky ny fananako dia omeko ho an'ny mahantra, ary raha toa ka nisy zavatra nanambakako olona, dia honerako avo efatra heny.”
\v 47 Koa dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly Jesosy. Ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ary ireo mpitarika ny vahoaka dia nitady hamono azy,
\v 48 fa tsy nahita fomba hanaovana izany izy ireo, satria nazoto nihaino Azy avokoa ny vahoaka rehetra.
\v 1 Ary indray andro, raha nampianatra ny vahoaka tao amin'ny tempoly Jesosy ary nitory ny filazantsara, dia nanatona Azy ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna niaraka tamin'ireo loholona.
\v 6 Fa raha miteny isika hoe: ‘Avy amin'ny olombelona,’ dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria izy ireo dia resy lahatra fa Jaona dia mpaminany.”
\v 13 Noho izany dia niteny ny tompon'ilay tanim-boaloboka hoe: ‘Inona no ho ataoko? Halefako any ny zanaka lahy malalako. Mety mba ho hajain'izy ireo izy.”
\v 14 Fa rehefa tazan'ireo mpamboly voaloboka izy, dia nifampiresaka izy ireo, niteny hoe: ‘Io ilay mpandova. Ndeha ho vonointsika izy, mba ho lasantsika ny lova.’
\v 19 Koa nitady hisambotra Azy tamin'io ora io ireo mpanora-dalàna sy ireo mpisorona, fa fantatr'izy ireo fa nolazainy io fanoharana io hanohitra azy ireo. Kanefa natahotra ny vahoaka izy ireo.
\v 20 Teo am-pandinihina Azy tsara, dia nandefa mpitsikilo mody ho marina izy ireo, mba afahan'izy ireo mahita tsiny amin'ny teneniny, ka hanolotra Azy eo amin'ny fanapahana sy ny fahefan'ny governora.
\v 21 Nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: “Mpampianatra ô, fantatray Ianao fa miteny sy mampianatra am-pahamarinana, ary tsy voasariky ny hevitr'iza na iza, fa ianao dia mampianatra ny fahamarinana momban'ny lalan'Andriamanitra.
\v 22 Ara-dalàna ho anay ve ny mandoa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?”
\v 35 Fa ireo izay hita amin'izao andro izao fa mendrika ny handray ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy hampaka-bady na hampakarina.
\v 36 Tsy ho faty intsony izy ireo, satria mitovy amin'ireo anjely sy ireo zanak'Andriamanitra, izay zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
\v 37 Fa ny maty dia natsangana, na Mosesy aza dia nampiseho, teo amin'ilay toerana izay nisy ny voaroy, izay niantsoany ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
\v 46 “Mitandrema amin'ny mpanora-dalàna, izay maniry handeha miaraka amin'ny akanjo lava, sy tia fiarahabana manokana eny an-tsena, sy seza voalohany ao anaty synagoga, ary toerana voalohany any amin'ny fanasana.
\v 47 Izy ireo koa dia mandany ny tranon'ireo mpitondra-tena, ary manao vavaka lavareny ho fisehosehoana. Ny lehilahy tahaka izany dia hahazo fanamelohana lehibe kokoa.”
\v 3 Ka hoy Izy hoe: “Lazaiko marina aminareo, ity mpitondra-tena mahantra ity dia nandrotsaka betsaka noho izy rehetra.
\v 4 Ireo rehetra ireo dia nanome fanatitra araky ny haben'ny hareny. Fa ity mpitondra-tena ity, tamin'ny fahantrany, dia nandrotsaka ny fivelomany rehetra.”
\v 8 Jesosy namaly hoe: “Mitandrema mba tsy ho voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy amin'ny anarako, hanao hoe: ‘Izaho no izy,’ ary, ‘Efa akaiky ny fotoana.’ Aza manaraka azy ireo.
\v 9 Rehefa mandre ady sy fikomiana ianareo, dia aza mihorohoro, fa ireo zavatra ireo dia tsy maintsy hitranga aloha, fa ny farany dia tsy hitranga eo noho eo.”
\v 11 Hisy horohoron-tany lehibe, ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny toerana samihafa. Hisy tranga mampatahotra ary famantarana lehibe avy any an-danitra.
\v 12 Fa mialohan'ireo zavatra rehetra ireo, dia hisambotra anareo izy ireo ary hanenjika anareo, hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ny figadrana, hitondra anareo eo anoloan'ireo mpanjaka sy ireo mpanapaka nohon'ny anarako.
\v 13 Izany dia hanome fahafahana ho amin'ny fijoroanareo vavolombelona.
\v 14 Noho izany dia manapaha hevitra ao am-ponareo mba tsy hanomana ny fiarovanareo mialohan'ny fotoana,
\v 15 fa Izaho hanome teny sy fahendrena anareo, izay tsy afaka toherina sy lavin'ireo mpanohitra anareo.
\v 16 Fa ianareo koa dia ho atolotry ny ray aman-dreny, ireo rahalahy, ireo havana sy ireo namana, ary izy ireo dia hamono ho faty ny sasany aminareo.
\v 17 Ho halan'ny tsirairay noho ny anarako Ianareo.
\v 18 Fa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.
\v 19 Amin'ny faharetanareo no hamonjenareo ny fanahinareo.
\v 20 Rehefa hitanareo voadidina miaramila Jerosalema, dia fantaro fa efa akaiky ny faharavany.
\v 21 Dia aoka ireo izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra, ary aoka ireo izay any afovoan'ny tanàna hiala, ary aza avela hiditra ao ireo izay any ambanivohitra.
\v 22 Fa ireo no andron'ny valifaty, mba ho tanteraka ireo zavatra rehetra efa voasoratra.
\v 23 Loza ho an'ireo izay mitondra vohoka sy ho an'ireo mampinono amin'izany andro izany! Fa hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany, ary hatezerana amin'io vahoaka io.
\v 24 Ho lavon'ny sabatra izy ireo ary ho entina ho babo any amin'ny firenena rehetra, ary Jerosalema dia ho voahosihosin'ireo Jentilisa, mandrapa-tanteraky ny andron'ny Jentilisa.
\v 34 Fa mitandrema amin'ny tenanareo, mba tsy ho vesaran'ny vokatry ny fisotroana sy ny fahamamoana ny fonareo, sy ireo ahiahin'ny fiainana, ka avy eo dia hikatona tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
\v 35 Fa izany dia ho tonga amin'ny tsirairay izay miaina maneran-tany.
\v 36 Fa mba mailo amin'ny fotoana rehetra, mivavaha mba ho ampy hery ianareo handosirana ireo zavatra rehetra izay hiseho, ary hitsanganana eo anoloan'ny Zanak'Olona.”
\v 15 Dia niteny tamin'izy ireo Izy hoe: “Naniry mafy ny hihinana ity Paska ity miaraka aminareo Aho mialohan'ny hijaliako.
\v 16 Fa lazaiko aminareo, tsy hihinana ity intsony Aho, mandra-pahatanterak'izany any amin'ny fanjakan' Andriamanitra.”
\v 17 Dia nandray kapoaka Jesosy, ary rehefa nisaotra Izy, dia nanao hoe: “Raiso ity, ary zarao aminareo.
\v 18 Fa lazaiko aminareo, tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.”
\v 19 Dia nandray ny mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia notapahiny izany, ary nomeny azy ireo, dia niteny hoe: “Ity ny vatako izay omena ho anareo. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.”
\v 20 Noraisiny tahaka izany koa ny kapoaka rehefa vita ny sakafo, dia hoy izy hoe: “Ity kapoaka ity dia ilay fanekena vaovao amin'ny ràko, izay narotsaka ho anareo.
\v 26 Fa tsy toy izany mihintsy ny aminareo. Mifanohitra amin'izany, aoka izay lehibe indrindra aminareo ho lasa toy ny kely indrindra, ary aoka izay manan-danja indrindra ho tonga tahaka izay manompo.
\v 27 Fa iza no lehibe kokoa, izay mipetraka amin'ny latabatra, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka eo amin'ny latabatra ve? Kanefa Izaho eto aminareo toy ny iray izay manompo.
\v 28 Fa ianareo no olona izay nanohy niaraka tamiko tao amin'ny fakam-panahy nianjady tamiko.
\v 29 Omeko fanjakana ianareo, tahaka ny Raiko koa izay nanome fanjakana ho Ahy,
\v 30 mba ho afaka hihinana sy hisotro eo an-databatro any amin'ny fanjakako ianareo, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana hitsara ny fokon'ny Israely roa ambin'ny folo ianareo.
\v 36 Dia niteny tamin'izy ireo Izy hoe: “Fa izao, izay manana fitoeram-bola, aoka izy haka izany, na kitapom-batsy ihany koa. Izay tsy manana sabatra dia tokony hivarotra ny lambany ary hividy iray.
\v 37 Fa Izaho miteny aminareo, izay voasoratra momba Ahy dia tsy maintsy tanteraka: ‘Izy dia noraisina toy ny iray amin'ireo tsy manara-dalàna.’ Fa izay nolazaina mialoha momba Ahy dia efa ho tanteraka”
\v 59 Nony afaka adiny iray teo ho eo dia nisy lehilahy hafa nanizingizina sy niteny hoe: “Marina fa niaraka taminy koa ity lehilahy ity, fa izy dia Galiliana.”
\v 66 Raha vao nazava ny andro, dia niara-niangona ireo loholona, ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna. Nentin'izy ireo tany amin'ny Synedriona Izy
\v 28 Fa rehefa nitodika tany amin'izy ireo, dia niteny Jesosy hoe: “Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ho an'ny tenanareo sy ho an'ireo zanakareo.
\v 29 Fa indro, ho avy ny andro izay hitenenan'izy ireo hoe: ‘Sambatra ireo momba sy ireo kibo izay tsy niteraka, ary ny nono izay tsy nampinono zaza.’
\v 39 Ny iray tamin'ireo olon-dratsy izay nihantona teo no namingavinga Azy tamin'ny nitenenany hoe: “Tsy ianao ve no Kristy? Vonjeo ny tenanao sy izahay.”
\v 51 Io lehilahy io dia tsy nanaiky ny fanapahan-kevitry ny Synedriona sy ny asan'izy ireo. Avy any amin'ny tanànan'ny Jodiana tany Armatia izy; ary izy dia nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 52 Io lehilahy io, raha nanatona an'i Pilato, dia nangataka ny vatan'i Jesosy.
\v 55 Ireo vehivavy, izay niaraka tamin'i Jesosy niala tao Galilia, dia nanaraka avy ao aoriana ary nahita ny fasana sy ny fomba nametrahana ny fatiny.
\v 56 Niverina izy ireo, ary nanomana zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny sabata dia nitsahatra izy ireo araka ny didy.
\v 7 nanambara fa ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hatolotra ho eo an-tanan'ny olona mpanota ka hofantsihana eo amin'ny hazo fijaliana, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana indray.”
\v 27 Ary nanomboka tamin'i Mosesy ka hatramin'ireo mpaminany rehetra, dia nadikan'i Jesosy tamin'izy ireo ao amin'ny Soratra Masina ny momba ny Tenany.
\v 29 Fa nanery Azy izy ireo, niteny hoe: “Mijanona eto aminay, fa efa ho hariva izao ary efa hifarana ny andro.” Ka niditra mba hijanona niaraka tamin'izy ireo Jesosy.
\v 32 Izy ireo nifampiteny hoe: “Moa ve ny fontsika tsy niredareda tao anatintsika, raha niteny tamintsika teny an-dalana Izy, raha nanokatra ny Soratra Masina tamintsika Izy?”
\v 38 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no matahotra? Nahoana no misy fanontaniana ao am-ponareo?
\v 39 Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho tenako ity. Kasiho Aho ka jereo. Fa ny fanahy tsy manana nofo sy taolana, araka ny ahitanareo Ahy hoe manana.”