\v 6 “Toy ny zanaka lahy manome voninahitra ny rainy, sy ny mpanompo manome voninahitra ny tompony. Raha ray Aho, aiza ny voninahitro? Raha tompo Aho, aiza ny fanehoana fanajana Ahy?” hoy Yaveh Tompon'ny maro tamin'ireo mpisorona, izay nanao tsinontsinona ny anarako. “Saingy hoy ianareo hoe: ‘Ahoana no nanaovanay tsinontsinona ny anaranao?’
\v 8 Rehefa manolotra biby jamba ho atao sorona ianareo, moa tsy ratsy ve izany? Rehefa manolotra ny kilemaina sy marary ianareo, moa tsy ratsy ve izany?” Asehoy any amin'ny governoranareo izany! Handray anareo ve izy na hampitraka ny tavanareo?” hoy Yaveh Tompon'ny maro.
\v 9 Ankehitriny ianareo dia mbola manontany ny endrik'Andriamanitra, mba hamindrany fo antsika. Fa Yaveh Tompon'ny maro nilaza fa amin'ny fanatitra toy izany eny an-tananareo, moa hampitraka ny tarehinareo ve Izy?
\v 10 “Raha mba nisy iray taminareo mantsy nanakatona ny vavahadin'ny tempoly, mba tsy ho zava-poana ny andrehetanareo afo eo amin'ny alitarako! Tsy mankasitraka anareo Aho,” hoy Yaveh Tompon'ny maro: “ary tsy handray fanatitra avy amin'ny tananareo Aho.
\v 11 Fa ny anarako dia ho lehibe eo amin'ireo firenena ary isaky ny toerana rehetra manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro mandra-piletiny ary ditin-kazo manitra sy fanatitra madio no hatolotra amin'ny anarako. Fa ny anarako dia lehibe eo amin'ireo firenena.” hoy Yaveh Tompon'ny maro.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho: “hiteny mafy ny taranakareo Aho" izay ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, dia misy amin'ireo dikan-teny taloha sy vaovao manao hoe “Hanapaka ny sorokareo" (na “sandry"). Ny sasany amin'ireo dikan-teny amin'izao fotoana manao hoe “Hamotika ny taranakareo.” \f*
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: “hanaisotra anareo hiaraka amin'izany Izy", izay ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, dia misy amin'ireo dikan-teny taloha sy vaovao manao hoe: “Hanaisotra anareo tsy ho eo anilako Aho", izany hoe: “eo amin'ny fanatrehako.” \f*
\v 7 Fa ny molotry ny mpisorona dia tokony hanam-pahalalana ary ny vahoaka dia tokony hitady fampianarana avy any am-bavany, satria mpitondra hafatr'i Yaveh Tompon'ny maro izy.
\v 8 Fa ianareo dia niala tamin'ny lalana marina. Nahatonga ny maro ho tafintohina amin'ny fanajana ny lalàna ianareo. Nandika ny fanekem-pihavanan'i Levy ianareo,” hoy Yaveh Tompon'ny maro.
\v 9 “Noho izany Izaho ihany koa, dia efa nanao anareo ho tsinontsinona sy ratsy teo anoloan'ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, fa kosa nampiseho fanavakavahana tamin'ny fampianarana.”
\v 10 Tsy ray tokana ihany ve no antsika rehetra? Tsy Andriamanitra tokana ihany ve no nahary antsika? Nahoana isika olona tsirairay avy no kely finoana amin'ny rahalahiny, maniratsira ny faneken'ireo razambentsika?
\v 11 Joda dia kely finoana. Zavatra maharikoriko no nisy tao Israely sy tao Jerosalema. Fa naniratsira ny fitoerana masin'i Yaveh izay tiany i Joda, ka nanambady ny zanaka vavin'andriamani-kafa.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: “ilay nifoha, sy ilay namaly", dia misy amin'ireo dikan-teny sasany manana fomba fiteny toy ny hoe: “Ny tompo sy ilay nianatra.” \f*
\v 14 Fa hoy ianareo hoe: “Nahoana Izy no tsy manao an'izany?” Satria Yaveh dia vavolombelona teo aminareo sy ny vady tamin'ny fahatanoranareo, tamin'izay naha kely finoana anareo, na dia mpiara-dia aminareo sy vadinareo tamin'ny alalan'ny fifanekena aza izy.
\v 15 Tsy natambany ho iray ve izy ireo, miaraka amin'ny silaky ny fanahiny? Koa nahoana ianareo no nataony ho iray? Satria izy dia nitady taranaka avy amin'Andriamanitra. Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo, ary aza tsy mahatoky ny vadin'ny fahatanoranareo.
\v 1 “Indro, efa mby handefa ny irako Aho, ary izy dia hanomana ny lalana eo anoloako. Ka dia ho avy tampoka ao amin'ny tempoliny ny Tompo izay tadiavinareo. Ilay iraky ny fanekena izay hankasitrahanareo, indro, ho avy izy,” hoy Yaveh Tompon'ny maro.
\v 2 Fa iza moa no hahavita hiaritra ny andro hahatongavany? Iza no hahavita hijoro rehefa hiseho Izy? Fa Izy dia ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy savony fanasam-damba.
\v 3 Hipetraka toy ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy Izy, ary hanadio ireo zanaka lahin'i Levy. Handrendrika azy ireo toy ny volamena sy volafotsy Izy, ary hitondra fanatitry ny fahamarinana ho an'i Yaveh izy ireo.
\v 4 Ary ny fanatitr'i Joda sy Jerosalema dia ho hankasitrahan'i Yaveh, tahaka ny andro fahiny, sy tahaka ny taona taloha.
\v 10 Ento ao amin'ny trano fitehirizana ny ampahafolon-karena feno, mba hisy sakafo ao amin'ny tranoko, ary tsapao amin'izao Aho,” hoy Yaveh Tompon'ny maro, “raha tsy manokatra ny varavaran'ny lanitra aminareo Aho ary mandraraka fahasoavana eo aminareo, mandra-paha tsy misy efitra ho amin'izany rehetra izany intsony.
\v 11 Hiteny manohitra izay manimba ny masom-bolinareo Aho, mba tsy hanimban'izy ireo ny vokatry ny taninareo. Ireo voalobokareo eny an-tsaha dia ho vanona,” hoy Yaveh Tompon'ny maro.
\v 12 “Ny firenena rehetra dia hiantso anareo hoe sambatra, satria ho tany mahafinaritra ianareo,” hoy Yaveh Tompon'ny maro.
\v 1 Fa indro, ho avy ny andro, mandoro toy ny fatana, rehefa lasa mololo ireo mpirehareha sy mpanao ratsy rehetra. Ho avy ny andro handoro azy ireo, “hoy Yaveh Tompon'ny maro, “ka hamela izany ho tsy hisy faka sy rantsany izany.
\v 2 Fa ho anareo izay matahotra ny anarako, ny masoandron'ny fahamarinana dia hiposaka miaraka amin'ny fanasitranana eny amin'ireo elany. Hivoaka ianareo, ary hitsambikina toy ny zanak'omby avy ao amin'ny fihinanam-bilona.
\v 6 Hamerina ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka Izy, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ireo rainy, mba tsy hiaviko ka hamelezako ny tany amin'ny faharavana tanteraka.”