\v 3 Nahoana no ataonao mahita heloka aho ary mahita ny fanaovan-dratsy? Fandravana sy herisetra no eo anoloako; misy fifandirana, ary fanangana fifanjevona.
\v 4 Noho izany dia tsy nanankery ny lalàna, ary tsy naharitra tamin'ny fotoana rehetra ny rariny. Fa niodidina ny fahamarinana ny ratsy fanahy; koa dia mivoaka ny rariny diso.” Mamaly an'i Habakoka Yaveh
\f + \ft Fanamarihana: ny lahatsoratra Hebreo voadika eto hoe: “mandeha tahaka ny rivotra any an'efitra ny vahoaka maron'izy ireo" dia tena sarotra; maro ireo dikan-teny taty aoriana no manana ny fandikana hafa. \f*
\v 11 Dia ho avy ny rivotra; handalo izany—olo-meloka, ireo izay heriny no andriamanitr'izy ireo.” Mametraka fanontaniana hafa amin'i Yaveh i Habakoka.
\v 13 Madio loatra ny masonao raha handinika ny ratsy, ary tsy afaka ny hijery amin-tsitraka ny fanaovan-dratsy Ianao; koa nahoana ary no nanao fijery tsara ireo izay mamadika Ianao? Nahoana no mangina Ianao raha mitelina ireo marina kokoa noho izy ireo ny ratsy fanahy?
\v 16 Noho izany dia nanao sorona ho an'ireo haraton-trondrony izy ireo ary nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo haratony, fa bibi-dia matavy no anjaran'izy ireo, ary hena matavy no sakafony.
\v 1 Hitsangana eo amin'ny fiambenako aho ary hampijanona ny tenako eo amin'ny tilikambo fiambenana, ary hijery tsara aho mba hahita izay holazainy amiko sy ny fomba hialako amin'ny fitarainako.
\v 3 Fa ho avy amin'ny fotoana ny fahitana ary hitranga ihany amin'ny farany fa tsy ho foana. Na dia tara aza izany, dia andraso. Fa tsy maintsy ho tonga izany ary tsy hitaredretra.
\v 5 Fa ny divay dia mpamadika ny zatovolahy mpiavonavona mba tsy hitoerany, fa hanitatra ny faniriany toy ny fasana, ary toy ny maty, izay tsy mety afa-po mihintsy. Angoniny ho azy ny firenena rehetra ary hangoniny ho azy ny vahoaka rehetra.
\v 9 “Loza ho an'izay fatra-pila harena amin'ny fanaovan-dratsy ho tombony ho an'ny ankohonany, mba hahafahany manorina ny akaniny amin'ny ambony mba hiarovany ny tenany eny ampelantanan'ny ratsy.”
\v 15 “Loza ho an'izay mampisotro ny mpiara-monina aminy, ianao izay manisy ny poizinao mandra-pahamamonao azy ireo mba ahafahanao mijery ny fitanjahan'izy ireo.”
\v 16 Ho feno fahamenarana ianao fa tsy voninahitra. Hisotro amin'izany ihany koa, ary hampiseho ny fitanjahanao. Hiverina hitodika aminao ny kapoakan'Yaveh eo an-tanany ankavanana, ary hanarona ny voninahitrao ny fahafaham-baraka.
\v 18 Inona no tombontsoanao amin'ny sary sokitra? Fa izay nisokitra izany, na izay manao sarin-javatra an'idina amin'ny vy, dia mpampianatra lainga; fa matoky ny asa-tanany ihany izy rehefa manamboatra ireo andriamanitra moana ireo.
\v 2 Ry Yaveh, efa reko ny tatitrao, ary raiki-tahotra aho. Ry Yaveh, velomy eo afovoan'ireo fotoana ireo ny asanao; hampahafantaro eo afovoan'ireo fotoana ireo izany; tadidio ny hanana famindram-po amin'ny fahaviniranao.
\v 3 Tonga avy any Temana Andriamanitra, ary Ilay Masina avy any an-Tendrombohitr'i Parana. Sela. Manarona ny lanitra ny voninahiny, ary ny tany feno ny fiderany.
\v 6 Nitsangana Izy ka nandrefy ny tany; nijery Izy ka nanozongozona ireo firenena. Na dia ireo tendrombohitra maharitra mandrakizay aza torotoro, ary nietry ny havoana tsy manam-pahataperana. Tsy manam-pahataperana ny lalany.
\v 8 Tezitra tamin'ireo ony ve Yaveh? Moa ny fahaviniranao ve tamin'ireo ony, na ny fahatezeranao tamin'ireo ranomasina, rehefa nitaingina ireo soavalinao ianao sy ireo kalesim-pandresenao?
\v 13 Nivoaka ho amin'ny famonjena ny vahoakanao ianao, ho amin'ny famonjena ilay voahositrao. Manorotoro ny lohan'ny ankohonan'ny ratsy fanahy mba hampiharihary ny fototry ny hatony. Sela
\v 14 Notrobaranao tamin'ny zana-tsipìkany ihany ny lohan'ireo mpiadiny raha avy toy ny tafiotra hanely anay izy ireo, ny fifalian'izy ireo dia toy ny an'izay mandevona ny mahantra any amin'ny toerana miafina.
\v 16 Nandre aho, ary nihorohoro ny tao anatiko! Nipararetra tamin'ny feo ny molotro. Tonga tamin'ny taolako ny fahalovana, ary nangovitra ny tenako raha niandry amim-pahanginana ny androm-pahoriana hiavian'ireo olona izay handroba anay.
\v 17 Na dia tsy mamontsina aza ny hazon'aviavy ary tsy misy vokatra ny tahom-boaloboka; ary na dia mandiso fanantenana aza ny hazo oliva ary tsy mamokatra hanina ireo saha; ary na dia haringana aza ny ondry ao am-bala ary tsy misy biby fiompy ao am-pihinanana, dia izao no hataoko.