\v 3 Mahari-po sy lehibe amin'ny heriny Yaveh; tsy hanambara ireo fahavalony ho tsy manan-tsiny velively Izy. Hanao ny lalany ao amin'ny tafio-drivotra Yaveh, ary ny rahona no vovoky ny tongony.
\v 6 Iza no hahajoro eo anatrehan'ny fahatezerany? Iza no hahatohitra ny firehetan'ny hatezerany? Miraraka tahaka ny afo ny fahatezerany, novakivakiany ireo vatolampy.
\v 12 Izao no lazain'i Yaveh: “Na dia ao amin'ny tanjany tanteraka ary maro isa aza izy ireo, dia ho ringana izy ireo; tsy hisy olony intsony. Fa ianao, ry Joda: Na dia nampahory anao aza Aho, dia tsy hampahory anao intsony Aho.
\v 1 Miakatra hanohitra anao ilay hanorotoro anao ho singa maromaro. Mametraha mpiambina eo amin'ny mandan'ny tanàna, ambeno ireo lalana, atanjaho ny tenanareo, angony ireo tafikareo.
\v 2 Fa efa mamerina amin'ny laoniny ny voninahitr'i Jakoba tahaka ny voninahitr'Israely i Yaveh, na dia noravan'ny mpandroba aza izy ireo ary nopotehina ireo sampam-boalobony.
\v 3 Ny ampingan'ireo lehilahy mahery dia mena, ary ireo lehilahy be herim-po miakanjo jaky; manjelatra ny metalin'ireo kalesy amin'ny andro ary efa natao ho vonona izany, ary ny lefona kypreso dia mihevaheva eny amin'ny rivotra.
\v 8 Tahaka ny ranom-parihy mitete i Ninive, ary mandositra toy ny rano mikoriana ny vahoakany. Ny hafa mihiaka hoe: “Mijanòna, mijanòna,” nefa tsy misy mitodika.
\v 10 Foana sy ravarava i Ninive. Ory ny fon'ny olona rehetra, niara-valaketraka ny lohaliky ny olona rehetra, ao amin'ny olona rehetra ny fahoriam-be; hatsatra avokoa ny endrik'izy ireo.
\v 7 Ary ny olona rehetra izay mijery anao dia handositra anao ary hiteny hoe: “Rava i Ninive; iza no mba hitomany azy?” aiza no ahitako olona hankahery anao?”
\v 8 Ry Ninive, moa ve ianao tsara noho i Teba, izay naorina eo amin'ny Renirano Neily, izay nisy rano manodidina azy, ka ranomasimbe no arony, ny ranomasina ihany no mandany?
\v 12 Ireo fiarovanao mafy dia ho tahaka ireo hazon'aviavy miaraka amin'ny aviavy masaka alohan'ny fotoana: raha ahozongozona izy ireo, dia hihintsana ao am-bavan'ny mpihinana.
\v 13 Indro, ny vahoaka ao aminao dia vehivavy; ireo vavahadin'ny taninao dia nosokafana midanadana ho an'ireo fahavalonao; nandevona ny hidiny ny afo.
\v 15 Handevona anao any ny afo, ary handringana anao ny sabatra. Handevona anao tahaka ny fandevonan'ny valala ny zava-drehetra izany. Ataovy maro an'isa tahaka ireo valala vao ny tenanareo, dia ho maro tahaka ireo valala.
\v 16 Nampitombo ireo mpandrantonao mihoatra ny kintana eny amin'ny lanitra ianao; nefa tahaka ny valala vao izy ireny: mandroba ny tany izy ireo ka avy eo dia lasa manidina.
\v 17 Maro tahaka ireo valala ny andriandahinao, ary ny jeneralinao dia tahaka ny andian'izy ireo izay mitoby ao amin'ireo manda amin'ny andro mangatsiaka. Fa rehefa miposaka ny masoandro dia manidina any amin'ny toerana tsy fantatr'olona ireo.
\v 18 Ry Mpanjakan'i Asyria, resin-tory ireo mpiandry ondrinao; mandry amin'ny fitsaharany ireo mpanapakao. Niely eny an-tendrombohitra ny olonao, ary tsy misy na iza na iza hanangona azy ireo.
\v 19 Tsy hisy fanasitranana azo atao ho an'ireo ratranao. Mafy loatra ireo ratranao. Izay rehetra maheno ny vaovao mahakasika anao dia hiteha-pifaliana eo aminao. Iza no afa-nandositra ny faharatsianao mitandavana?