\v 5 “Talohan'ny nanaovako anao tao am-bohoka, dia efa nifidy anao Aho; talohan'ny nivoahanao tao am-bohoka dia efa natokako ianao; dia efa nanao anao ho mpaminany amin'ireo firenena Aho.”
\v 10 Anio Aho dia manendry anao eo amin'ireo firenena sy eo amin'ireo fanjakana, mba hanongotra sy handrodana, mba handringana sy handrava, mba hanorina ary hamboly.
\v 15 Ambaran'i Yaveh, fa hiantso ny foko rehetra avy any avaratran'ny fanjakana Aho. Ho tonga izy ireo, ary ny rehetra dia hametraka ny seza fiandrianany eo amin'ny vavahady fidirana ao Jerosalema, hanohitra ireo manda rehetra manodidina izany, ary hanohitra ireo tanàn'i Joda rehetra.
\v 3 Israely dia natokana ho an'i Yaveh, ireo voaloham-bokatry ny vokany! Izay rehetra mihinana amin'ireo voaloham-bokatra dia nomelohina; tonga tamin'izy ireo ny loza—izany no fanambaran'i Yaveh.”’
\v 6 Izy ireo dia tsy niteny hoe: ‘Aiza i Yaveh, izay nitondra anay niakatra avy tao amin'ny tany Egypta? Aiza i Yaveh, izay nitarika anay tany an'efitra, tao amin'ny tanin'i Arabaha sy ny lavaka, tao amin'ny tany hay sy ny aizim-pito, tany iray izay tsy misy na iza na iza mandalo ary tsy misy mitoetra?’
\v 7 Fa nitondra anareo tany amin'ny tany Karmela Aho, mba hihinana ny voany sy ireo zavatra tsara hafa! Fa rehefa tonga ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, nataonareo fahavetavetana ny lovako!
\v 10 Fa miampità eny amin'ny sisin'i Kitima ka jereo. Mandefasa mpitondra hafatra ho any Kedara ka tadiavo ary jereo raha mbola nisy zavatra tahaka ity taloha.
\v 11 Nifanakalo andriamanitra ve ny firenena, na dia tsy andriamanitra akory aza ireo? Kanefa ny oloko dia nanakalo ny voninahitr'izy ireo tamin'ny zavatra izay tsy afaka manampy azy ireo.
\v 18 Koa ankehitriny, nahoana no mandeha amin'ny lalana ho any Egypta sy misotro ny ranon'i Sihora? Nahoana no mandeha amin'ny lalan'i Asyria ary misotro ny ranon'ny Onin'i Eofrata?
\v 21 Tahaka ny voaloboka nosafidiana no namboleko anao, avy amin'ny voa tsara tokoa. Tamin'ny fomba ahoana no nanovànao ny tenanao ho ratsy, ho voaloboka ratsy?
\v 22 Fa na manadio ny tenanao amin'ny ony na manasa ny tenanao amin'ny savony mahery aza ianao, dia loto eo anatrehako ny helokao—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo.
\v 24 ampondradia zatra tany efitra, izay manimbolo hifoka rivotra! Iza no afaka hanakana ny faniriany? Amin'ny fotoana fahatairana dia tsy misy lahy mila manaraka azy; fa hahita azy ho azy izy ireo.
\v 27 Ireo no miteny amin'ny hazo hoe: ‘Ianao no raiko', ary amin'ny vato hoe: ‘Ianao no niteraka ahy.’ Fa ny lamosin'izy ireo no manatrika ahy fa tsy ny tavan'izy ireo. Na dia izany aza, dia miteny izy ireo amin'ny fotoan'ny olana hoe: ‘Mitsangana ary vonjeo izahay!’
\v 28 Aiza ireo andriamanitra nataonareo ho an'ny tenanareo? Aoka izy ireo hiarina raha maniry ny hamonjy anareo amin'ny fotoan'ny olanareo, fa ny isan'ny tanànanareo dia mitovy amin'ny isan'ny sampinareo, ry Joda!
\v 30 Zava-poana ny namaizako ny vahoakanao. Tsy hanaiky ny fepetra izy ireo. Ny sabatrareo dia nandrapaka ireo mpaminaninareo tahaka ny liona mpandrava!
\v 31 Ianareo izay an'ity taranaka ity! Tandremo tsara ny teniko, dia ny tenin'i Yaveh! Efa tany efitra tamin'Israely ve aho? Na tanin'ny haizimpito lalina? Nahoana ny vahoakako no milaza hoe: ‘Ndeha isika hirenireny, tsy handeha eo aminao intsony izahay'?
\v 2 Ampiakaro any amin'ireo momba ny masonao ary jereo! Misy toerana mbola tsy niraisanao ara-nofo antsokosoko ve? Teo amoron-dalana ianao no nipetraka niandry ireo sakaizanao, toy ny Araba any an'efitra. Efa nolotoinao tamin'ny fijangajanganao sy ny faharatsianao ny tany.
\v 3 Ka notohanana ny loharano ary tsy tonga ny fara-orana. Fa ny tavanao miavonavona, toy ny tarehim-behivavy mahatsiravina. Nolavinao ny hatsapa henatra.
\v 5 Dia ho tezitra amiko foana ve izy? Dia ho tazominy hatramin'ny farany ve ny hatezerany?’ Indro! Izany no efa nolazainao, nefa ataonao ny ratsy rehetra afaka ataonao!”
\v 14 Miverena, ry vahoaka manam-pinoana! —izao no fanambaran'i Yaveh—Izaho no vadinareo! Halaiko ianareo, ny iray avy amin'ny tanàna ary ny roa avy amin'ny fianakaviana, ary ho entiko any amin'ny Ziona ianareo!
\v 16 Ary izao no hitranga, hitombo ianao ary hitondra voankazo any amin'ny tany amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary dia hiteny foana izy ireo hoe: “Ny fiaran'ny faneken'i Yaveh!” Izany zavatra izany dia ho avy ao am-pon'izy ireo foana na ho tsaroana; tsy ho banga izany, ary ny iray hafa tsy ho vita.’
\v 18 Amin'izany andro izany ny ankohonan'ny Joda dia handeha ao amin'ny ankohonan'ny Israely. Dia hiara tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ireo mankany amin'ny tany izay nomeko ny razambenareo ho lova.
\v 21 Re teny amin'ireo tany lemaka ny feo, ny tomany sy ny fiangavian'ny vahokan'Israely! Fa nanova ireo fombany izy ireo, efa hadinon'izy ireo Yaveh Andriamanitr'izy ireo.
\v 25 Avelao izahay handry eo amin'ny fahamenarana. Andrakotra anay anie ny henatray, fa efa nanota tamin'i Yaveh Andriamanitray izahay! Izahay tenanay sy ny razambe anay, tamin'ny fotoan'ny fahatanoranay ka hatramin'izao andro izao, dia mbola tsy naheno ny feon'i Yaveh Andriamanitray!”
\v 1 “Raha miverina ianao, ry Israely— izao no fanambaran'i Yaveh—dia Amiko no tokony hiverenanao. Raha hesorinao tsy ho eo anoloako ireo zavatra maharikorikonao ary tsy hiala eo amiko indray ianao,
\v 2 dia aoka ianao ho feno fahamarinana, hahitsy, ary ho marina rehefa mianiana hoe: ‘Raha mbola velona koa Yaveh.’ Dia ho sambatra ao aminy ireo firenena, ary ao aminy no hanomezan'izy ireo voninahitra.”
\v 4 Forao ho an'i Yaveh ny tenanareo ary esory ny hoditra manarona ny fonareo, ry lehilahin'i Joda sy mponin'i Jerosalema, raha tsy izany dia hivoaka toy ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy misy hamono azy, nohon'ny faharatsian'ny asanareo.
\v 5 Tantero any Joda ary aoka izany ho re ao Jerosalema. Lazao hoe: “Tsofy eo amin'ny tany ny trompetra.” Torio hoe: “Miangòna. Andeha isika hankany amin'ireo tanàna voaaro.”
\v 13 Indro, mamely tahaka ny rahona izy, ary tahaka ny tafiotra ny kalesiny. Haingan-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika, fa ho rava isika!
\v 14 Diovy hiala amin'ny faharatsiana ny fonao ry Jerosalema mba ho avotra ianao. Ho Mandra-pahoviana ny fihevitrao lalina indrindra no ho amin'ny fahotana?
\v 18 ary ny fitondran-tenanareo sy ny asanareo dia nahatonga ireo zavatra ireo taminareo. Izany no ho famaizana anareo. Hatsiravina tokoa izany! Handona ny fonareo mihitsy izany.
\v 19 Ry foko! Ry foko! Mitaintaina ny ao am-poko. Mangorohoro ato anatiko ny foko. Tsy afa-mangina aho satria reko ny feon'anjomara, fanairana ho amin'ny ady.
\v 28 Noho izany antony izany, dia hisaona ny tany, ary ny lanitra any ambony dia hihamaizina. Fa efa nambarako ny fikasako; tsy hihemotra Aho; tsy hivadika amin'ny fanatanterahana azy ireo Aho.
\v 29 Handositra amin'ny kotaban'i mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka miaraka amin'ny zana-tsipika ny tanàna rehetra; hihazakazaka ho any an'ala izy ireo. Ny tanàna rehetra dia hianika eny amin'ny toerana feno vatovato; ho foana ireo tanàna, satria tsy hisy olona honina ao amin'ireny.
\v 31 Koa reko ny feon'ny fangirifiriana, fahoriana tahaka ny amin'ny fahaterahan'ny zaza voalohan-teraka, dia ny feon'ny zanaka vavin'i Ziona. Misefosefo izy. Mamelatra ny tanany izy hoe: ‘Loza ho ahy! Ketrak'ireo mpamono olona ireo aho.”’
\v 1 “Mihazakazaha maneran'ireo lalan'i Jerosalema; mitadiava ihany koa eny an-kianjan'ny tanànany. Ary diniho sy eritrereto ny momba izao: raha mahita olona na iza na iza manao ny marina ary miezaka mandeha am-pahatokiana, dia hamela an'i Jerosalema aho.
\v 6 Noho izany dia hisy liona avy ao anaty kirihitrala hanafika azy ireo. Hisy amboadia avy any Arabaha handrava azy ireo. Hisy leoparda miafina ho avy hanohitra ny tanànan'izy ireo. Izay mandeha any ivelan'ny tanànany dia ho ravàna. Fa mitombo ny fandikan-dalàn'izy ireo. Tsy misy fetra ny asa fivadihan'izy ireo.
\v 14 Noho izany Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro dia milaza izao: “Satria nilaza izany ianao, dia indro, hapetrako ao am-bavanaro ny teniko. Ho tahaka ny afo izany, ary ity vahoaka ity ho tahaka ny hazo! Satria handevona azy ireo izany.
\v 17 Noho izany dia ho levona ny vokatrareo, ny zanakareo lahy sy vavy ihany koa, ary ny sakafonareo. Hihinana ireo ondry aman'osy sy biby fiompinareo izy ireo; hihinana ny vokatra avy amin'ny voaloboka sy hazon'aviavinareo izy ireo. Handrava amin'ny sabatra ny tanàna mimandanareo izay itokianareo izy ireo.
\v 22 Tsy matahotra Ahy ve ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh—na mangovitra manoloana ny tavako? Nametraka tora-pasika nanohitra ny ranomasina Aho, lalàna efa mihatra izay tsy afaka dikaina izany— na dia manonjanonja aza ny ranomasina, dia tsy mbola mahadika azy izany. Na dia manonja mierona aza izany, dia tsy hihoatra an'izany.
\v 28 Niha natavy izy ireo; namirapiratra amin'ny fahamandinana. Niampita ny faharatsiana rehetra izy ireo. Tsy mitaraina amin'ny raharahan'ny olona izy ireo, na ny raharahan'ny kamboty. Ambinina izy ireo na dia tsy nanome rariny ny olona mila fanampiana aza.
\v 3 Ireo mpiandry ondry sy ny ondry aman'osin'izy ireo dia handeha ho any amin'izy ireo; hametraka lay ny manodidina azy rehetra izy ireo; ny lehilahy tsirairay avy dia hiambina amin'ny tanany manokana.
\v 4 Manolora tena amin'ireo andriamanitra ho amin'ny ady. Mitsangàna, handeha isika hanafika amin'ny mitatao vovonana. Ratsy loatra raha toa ka tolaka ny andro, raha toa ka milatsaka ny aloky ny hariva.
\v 7 Toy ny loharano mampiboiboika rano, dia manohy mamokatra faharatsiana io tanàna io. Herisetra sy korontana no re ao aminy; aretina sy ratra mandrakariva no eo anatrehan'ny tavako.
\v 9 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: “Azo antoka fa hitsipona ireo izay tavela ao Israely toy ny tanim-boaloboka izy ireo. Ahinjiro indray ny tananao mba hioty ireo voaloboka eny amin'ny hazom-boaloboka.
\v 11 Fa izaho dia feno ny hatezeran'i Yaveh. Reraky ny mihazona izany aho. Hoy Izy tamiko hoe: “Arotsaho amin'ireo ankizy eny an-dalana sy ireo antokon-jatovo izany. Fa ny lehilahy rehetra dia ho esorina amin'ny vadiny; ary ny zokiolona rehetra efa nahazo taona.
\v 12 Ny tranon'izy ireo dia ho tolorana an'ireo hafa, miaraka amin'ireo tany sy ny vadin'izy ireo. Fa ho tafiako amin'ny tanako ny mponina ao amin'ilay tany—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 16 Izao no lazain'i Yaveh: “Mijoroa eo amin'ny sampanan-dalana ary jereo; anontanio ny lalana taloha. ‘Aiza izany lalana tsara izany?’ Avy eo dia mandehana amin'izany ary mitadiava toerana fialan-tsasatra ho anareo. Fa hoy ny vahoaka hoe: ‘Tsy handeha izahay.’
\v 19 Henoy, ry tany! Indro, hitondra loza eo amin'ity vahoaka ity Aho—ny vokatry ny eritreritr'izy ireo. Tsy niraharaha ny teniko na ny didiko izy ireo, fa nandà izany kosa.”
\v 20 Midika inona ho Ahy ny fiakaran'ny ditin-kazo manitra avy any Seba? Na ireo fofona malefaka avy any amin'ny tany lavitra? Tsy azoko ekena ny fanatitra doranareo, na ireo soronareo.
\v 21 Ka nilaza izao Yaveh hoe: ‘Indro, hametraka sakana amin'ity vahoaka ity Aho. Ho tafintohina eo amin'izany izy ireo—miaraka ao ireo ray sy ireo zanaka lahy. Ho ringana ihany koa ireo mponina sy ireo mpiara-belona.’
\v 22 Izao no lazain'i Yaveh hoe: ‘Indro, hisy vahoaka ho tonga avy any amin'ny tany avaratra. Fa misy firenena lehibe efa namporisihina ho tonga avy any amin'ny tany lavitra.
\v 24 Efa nandre ny vaovao momba azy ireo izahay. Ny tananay dia lasa malemin'ny fahoriana. Voasambotry ny fanaitainana toy ny vehivavy mitondra vohoka izahay.
\v 26 Ry zanaka vavin'ny oloko, misikina lamba fisaonana ary mihosena eo amin'ny vovoky ny fandevenana ho an'ny zaza tokana. Ataovy mangidy ho an'ny tenanareo ny fandevenana, satria ho avy tampoka eo amintsika ny mpandrava.
\v 29 Ireo fitsofana dia main'ny afo izay mandoro azy ireo; ny firaka dia levona anaty afo. Nitohy ny fanefena teo amin'izy ireo, fa tsy misy dikany izany, satria tsy mbola niala ny ratsy.
\v 3 Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: amboary ny lalanareo ary manaova ny tsara, dia hanohy ny hiaina ao amin'ity toerana ity Aho.
\v 5 Fa raha manamboatra ny lalanareo tokoa ianareo sady manao ny tsara; raha tena manatanteraka feno ny rariny eo amin'ny olona sy ny mpiara-belona aminy tokoa ianareo—
\v 6 raha tsy manararaotra ilay mijanona eo amin'ilay tany, ireo kamboty, na ireo mpitondratena ianareo ary aza mandatsa-dràn'olona tsy manan-tsiny eo amin'izany toerana izany, ary aza manaraka ireo andriamanin-kafa ampahory ny tenanareo ihany—
\v 7 dia hamela anareo hitoetra eo amin'ity toerana ity Aho, any amin'ny tany izay nomeko an'ireo razanareo tamin'ny andro fahiny ary ho mandrakizay.
\v 16 Raha ny aminao, ry Jeremia, aza mivavaka ho an'ity vahoaka ity, ary aza manandratra ny fidradradradrana fitomaniana na manonona vavaka amin'ny anaran'izy ireo, aza mangataka amiko, fa tsy hihaino anao Aho.
\v 17 Moa ve tsy hitanao ny ataon'izy ireo ao amin'ireo tanànan'i Joda sy eny amin'ireo lalan'i Jerosalema?
\v 18 Manangona hazo ireo ankizy ary ireo ray mandrehatra afo! Ireo vehivavy mitoto koba hanaovana mofo mamy ho an'ny mpanjaka vavin'ny lanitra sy mandraraka fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa mba hiantsian'izy ireo Ahy.
\v 19 Tena mihantsy Ahy tokoa ve izy ireo? —izao ny fanambaran'i Yaveh—moa ve tsy ny tenan'izy ireo ihany no hihantsian'izy ireo, koa ao amin'izy ireo ihany izany fahamenarana izany?
\v 20 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: ‘Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako dia ho avy amin'ity toerana ity, amin'ny olona sy ny bibidia, amin'ny hazo eny amin'ireo saha sy ny voa eo amin'ny tany. Hirehitra izany ary tsy ho faty mihitsy.’
\v 22 Fa rehefa nitondra ny razanareo hiala avy tao amin'ny tany Egypta Aho, dia tsy nitaky na inona na inona tamin'izy ireo. Tsy nanome didy azy ireo momba ny raharahan'ny fanatitra dorana sy ny sorona Aho.
\v 29 Tapaho ny volonao dia arato ny tenanao, ary ario ny volonao. Mihirà hira fisaonana eny ankalamanjana. Fa Yaveh dia efa nandà sy nahafoy ity taranaka ity tamin'ny fahatezerany.
\v 30 Fa nanao ratsy teo imasoko ny zanak'i Joda—izany no fanamabaran'i Yaveh—nandefa ny zava-maharikorikon'izy ireo tao amin'ny trano izay antsoina amin'ny anarako izy ireo, mba handoto izany.
\v 31 Avy eo dia nanorina ny toerana avon'ny Tofeta izay any amin'ny lohasahan'i Ben-Hinema izy ireo. Nanao izany izy ireo handorana ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo amin'ny afo—zavatra izay tsy nandidiko, na niditra tao amin'ny saiko akory.
\v 32 Koa indro, ho avy ireo andro—izany no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho antsoina ho Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinema intsony izany. Ho lohasahan'ny famonoana izany; handevina ny faty ao Tofeta izy ireo mandra-paha tsy misy toerana intsony.
\v 33 Ny fatin'ity vahoaka ity dia ho sakafon'ny voron'ny lanitra sy ho an'ireo bibin'ny tany, ary tsy misy na iza na iza hampatahotra azy ireo intsony.
\v 34 Ho faranako ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema, ny feon'ny fifaliana sy ny feo ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, fa ho lao ny tany.”
\v 7 Na ny vano eny amin'ny lanitra aza mahalala ny fotoana mety; sy ireo domoina, sidintsidina, ary ny vanobe. Mandeha amin'ny fifindra-moniny izy ireo amin'ny fotoana mety, fa ny oloko dia tsy mahalala ny didin'i Yaveh.
\v 8 Ahoana no hilazanareo hoe: “Hendry isika, fa ny lalàn'Yaveh dia momba antsika"? Eny tokoa, indro! Ny penina mpamitakin'ny mpanora-dalàna dia efa namorona fitaka.
\v 10 Ka hanome ny vadin'izy ireo ho an'ny hafa Aho, ary ireo tanimbolin'izy ireo ho an'izay manana ireo ho fananana, satria manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, izy rehetra dia tia vola azo avy amin'ny tsy rariny. Hatramin'ny mpaminany ka hatramin'ny mpisorona, izy rehetra dia manao fitaka.
\v 16 Re avy any Dana ny feonfiefon'ireo soavaly lahiny. Mihozongozona ny tany manontolo noho ny feon'ny fieron'ireo soavaly matanjaka. Fa ho avy izy ireo ary hamotika ny tany sy ny hareny, ny tanàna sy ireo izay mipetraka ao.
\v 19 Indro! Ny feo mihiakan'ny zanakavavin'ny vahoakako avy any an-tany lavitra! Tsy ao Ziona ve Yaveh? Na tsy ao ve ny mpanjakany? Nahoana izany izy ireo no manafintohina ahy amin'ireo endrik'asa voasokiny sy ireo sampy vahiny tsy misy dikany?
\v 1 Raha mba afaka mamokatra rano mantsy ny lohako, ary ny masoko ho loharanon-dranomaso! Fa maniry ny hitomany andro aman'alina aho ho an'ireo zanaka vavin'ny oloko izay novonoina.
\v 2 Raha mba misy olona afaka manome ny toerana ho an'ireo mpivahiny ho ahy honenana any an'efitra mantsy, izay ahafahako mandao ny oloko. Raha mba afaka mandao azy ireo mantsy ah, satria izy rehetra dia mpijangajanga sy andiana mpamadika!
\v 5 Ny olona tsirairay dia maniratsira ny namany ary tsy milaza ny marina. Ny lelan'izy ireo dia mampianatra zavatra fitaka. Reraka amin'ny fanaovan-dratsy izy ireo.
\v 8 Ny lelan'izy ireo dia zana-tsipika maranitra; miresaka zavatra tsy mahatoky izy ireo. Amin'ny vavany no hanambarany fiadanana amin'ireo namany, fa amin'ny fony no hanaovany otrika ho azy ireo.
\v 12 Iza no olon-kendry mahatakatra an'izany? Ho an'iza no niresahan'ny vavan'i Yaveh, ka hanambara izany izy? Fa inona no nahasimba ilay tany sy nandravana azy tahaka ny efitra izay tsy ahafahan'iza n'iza mandalo?
\v 18 Aoka izy ireo ho avy faingana ka hihira hira fisaonana eto amintsika, ka ho feno ranomaso anie ny masontsika ary ho tobakin'ny rano ny hodi-masontsika.
\v 19 Fa ny feon'ny fidradradradrana dia heno any Ziona, ‘Endrey ny faharavantsika. Menatra tanteraka isika, satria nandao ny tany isika hatramin'ny nandravany ny tranontsika.’
\v 21 Fa ny fahafatesana dia tonga avy eo amin'ny varavarankelintsika; niditra ao amin'ireo lapantsika izany. Mandringana ireo ankizy avy any ivelany izany, sy ireo tovolahy eny an-kianjan'ny tanàna.
\v 22 Ambarao izao, “Izany no fanambaran' i Yaveh—ny fatin'ireo lehilahy dia hiraraka toy ny zezika eny an-tsaha, ary ho toy ny amboaram-bary ao aorian'ireo mpinjinja, ary tsy hisy olona hanangona an'izany.”’
\v 23 Izao no lazain'Yaveh: “Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, na ny lehilahy mpiady amin'ny heriny. Aoka ny mpanankarena tsy hirehareha amin'ny harenany.
\v 24 Fa raha misy olona mirehareha amin-javatra, dia avelao amin'izao izany, fa manfatatra Ahy sy ny ao anatiko izy. Fa Izaho no Yaveh, izay miasa amin'ny fanekena tsy mivadika, ny rariny sy ny hitsiny eo an-tany. Fa amin'izany no ahazoako fafinaretana —izany no fanambaran'i Yaveh.”
\v 26 Hanafay an' i Egypta sy Joda, Edoma, ny vahoakan'ny Amona, Moaba, ary ny olona rehetra izay manapaka ny volon-dohany ho tena fohy Aho. Fa ireo firenena rehetra ireo dia tsy voafora, ary ny ankohonan'Israely rehetra dia manana fo tsy voafora.”
\v 7 Iza no tsy matahotra Anao, ry Mpanjakan'ireo firenena? Fa izany no mendrika Anao, satria tsy misy tahaka Anao eo amin'ireo lehilahy hendry rehetran'ireo firenena na ireo fanjakan'ny mpanjaka rehetra.
\v 9 Izy ireo dia mitondra tantanana volafotsy avy any Tarsisy, sy volamena avy any Ofaza nataon'ireo mpanao asa-tanana, dia ny tananan'ireo mpandrendrika. Ny ankanjon'izy ireo dia lamba manga sy voloparasy. Ireo lehilahy mahain'izy ireo no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
\v 11 Hiresaka amin'izy ireo tahaka izao ianao: “Ireo andriamanitra izay tsy nanao ny lanitra sy ny tany dia ho faty amin'ny tany sy ny amban'io lanitra io.”
\v 12 Fa Izy no nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriny, sy nametraka izao tontolo izao tamin'ny fahendreny, ary tamin'ny alalan'ny fahazavan-tsainy no namelarany ny lanitra.
\v 13 Ny feony no mampiraondraona ny rano eny amin'ny lanitra, ary Izy no mampiakatra ireo zavona avy any amin'ny faran'ny tany. Manao ny tselatra ho an'ny orana Izy ary mandefa ny rivotra avy amin'ny trano fitehirizana.
\v 16 Nefa Andriamanitra, ilay ampahan'i Jakoba, dia tsy tahaka ireny, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely dia fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany.
\v 20 Rava ny laiko, ary ireo tadin'ny laiko rehetra dia nizara roa. Efa nanala ireo zanako tamiko izy ireo, ka tsy nisy intsony izy ireo. Tsy misy olona hamelatra ny laiko na hanangana ny lamban-daiko intsony.
\v 22 Efa tonga ny tatitry ny vaovao: “Indro, tonga, tonga avy any avaratra ny horohoron-tany lehibe. Mba hamotika ireo tanànan'i Joda, fiafenana ho an'ny ambodia.”
\v 25 Arotsaho eo amin'ireo firenena izay tsy mahalala Anao sy ireo fianakaviana izay tsy miantso ny Anaranao ny fahatezeranao. Fa efa nandrapaka an'i Jakoba sy nitelina azy mba handrava azy tanteraka sy handrodana ny fonenany izy ireo.
\v 7 Fa efa nanome didy manetriketrika ho an'ireo razambenareo aho nanomboka tamin'ny andro nitondrako azy amin'ny tany Egypta ka mandraka-ankehitriny, nampitandrina azy ireo amim-pikirizana ka nanao hoe: “Henoy ny feoko.”’
\v 8 Fa tsy nihaino na nihevitra ahy akory izy ireo. Samy nandeha araka ny hamafisan'ny fo ratsiny ny olona tsirairay. Ka nitondra ireo voaozona tao amin'ny fanekena izay nandidiako aho mba ho avy hanohitra azy ireo. Fa mbola tsy nankatò ihany ny vahoaka.”
\v 12 Dia hiantso Ahy izy ireo, fa tsy hihaino azy ireo Aho. Handeha sy hiantso ireo andriamanitra izay notoloran'izy ireo fanatitra ny tanànan'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, nefa azo antoka fa tsy hahavonjy azy ireo amin'ny andron'ny loza izy ireo.
\v 13 Ho anao ry Joda, dia nitombo ho tahaka ny isan'ireo tanànanao ny isan'ireo andriamanitrao. Ianao no nanao ny isan'ireo alitara mahamenatra tao Jerosalema, alitaran'ny ditin-kazo manitra ho an'i Bala, hitovy isa amin'ireo lalany.
\v 20 Fa Yaveh Tompon'ny maro no mpitsara marina izay mandinika ny fo sy saina. Ho vavolombelon'ny famalianao hanohitra azy ireo aho, fa nampiseho ny momba ahy taminao aho.
\v 1 Marina ianao, ry Yaveh, isaky ny mifanditra Aminao aho. Tokony hilaza Aminao tokoa ny antony hitarainako aho: Nahoana ny lalan'ny ratsy fanahy no mahomby? Ny olona tsy manam-pinoana rehetra dia mahomby.
\v 3 Fa Ianao, ry Yaveh, mahalala ahy. Mahita ahy ianao ary mizaha toetra ny foko aminao. Ento toy ny ondry ho vonoina izy ireo, ary hatokany ho amin'ny andro famonoana!
\v 4 Mandra-pahoviana ny tany no hihamaina hatrany, ary ny zava-maniry eny amin'ny saha rehetra halazo noho ny amin'ny faharatsian'ireo mponina ao aminy? Ireo biby sy vorona dia efa noesorina. Fa kosa, hoy ny vahoaka hoe: “Tsy fantatr'Andriamanitra izay hanjo antsika.”
\v 6 Fa na dia ireo rahalahinao sy ireo fianakavian'ny rainao aza dia efa namadika anao ary efa niampanga mafy anao. Aza matoky azy ireo, na dia milaza zavatra mahafinaritra aminao aza izy ireo.
\v 9 Tsy toy ny vorona mpihaza ve ny loka fananako, no hanohitra azy ireo vorona mpihaza hafa rehetra manodidina? Mandehana ary vorio ny biby rehetra ary ento handrapaka azy izy ireo.
\v 10 Mpiandry ondry maro no efa nanimba ny tanim-boaloboko. Efa nohitsakitsahiny ny anjara taniko rehetra; nataony tany efitra sy lao ny anjara taniko mahafinaritra.
\v 16 Raha mianatra tsara ny fomban'ny oloko ireo firenena ireo, ka mianiana amin'ny anarako ‘Raha velona koa Yaveh' tahaka ny efa nampianaran'izy ireo ny oloko mba hianiana amin'i Bala, dia haorina eo afovoan'ny oloko izy ireo.
\v 17 Fa raha misy tsy mihaino dia ho fongorako izany firenena izany. Izany dia ho fongorana tokoa ary horavana—izany no fanambaran'i Yaveh.”
\v 6 Afaka andro maromaro, dia niteny tamiko i Yaveh hoe: “Mitsangana ka mandehana miverina any amin'ireo Eofrata. Alaivo any ilay atin'akanjo izay nolazaiko hafeninao.”
\v 10 Io vahoaka ratsy izay mandà ny hihaino ny teniko io, izay mandeha amin'ny fahamafisan'ny fon'izy ireo, izay manaraka andriamanin-kafa mba hanompo ireny sy hiankohoka amin'ireny—ho tahaka izany atin'akanjo izany izy ireo izay tsara fa tsy misy dikany.
\v 11 Fa tahaka ny atin'akanjo iray mifikitra amin'ny taolan-tehezan'olona, dia toy izany koa no efa nanaovako ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda hifikitra Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh—mba ho vahoakako, mba hitondra laza, dera, ary voninahitra ho Ahy. Saingy tsy nihaino ahy izy ireo.
\v 12 Koa tokony hiteny izao teny izao ho azy ireo ianao hoe: ‘Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely dia milaza izao: Ny tavoara rehetra dia ho feno divay.’ Hiteny aminao izy ireo hoe: ‘Moa tsy fantatray tokoa ve fa ho feno divay ny tavoara rehetra?’
\v 13 Ka dia lazao izy ireo hoe: ‘Hoy Yaveh hoe: Indro, ho fenoiko fahamamoana ny mponina rehetra an'ity tany ity, ireo mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ireo mpisorona, mpaminany, ary ireo mponin'i Jerosalema rehetra.
\v 16 Manomeza voninahitra ho an'i Yaveh Andriamanitrareo mialohan'ny hitondrany aizina, ary mialohan'ny hanafintohinany ny tongotrareo ao an-tendrombohitra amin'ny maizimaizina. Fa manantena hazavana ianao, saingy hamadika ny toerana ho aizina lalina Izy, ho rahona mainty.
\v 18 Lazao ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy reniny hoe: ‘Manetre tena ianareo ka mipetraha, fa ireo satro-boninahitra eo amin'ny lohanareo, ny fireharehana sy voninahitrareo, dia efa nianjera.’
\v 20 Asandrato ny masonao ka jereo ireo tonga avy any avaratra. Aiza ny andian'ondry izay nomeny anao, ny andian'ondry izay tena tsara tarehy taminao?
\v 21 Inona no ho lazainao rehefa apetrak'Andriamanitra eo aminao ireo izay efa nampianarinao mba ho sakaizanao? Tsy ireo ve ny fiantombohan'ireo fanaintainana izay hahazo anao tahaka ny vehivavy miteraka?
\v 23 Moa afaka ny hanova ny volon-kodiny ve ny Kosy, na ny leoparda hanova ny pentiny? Raha izany, dia ianao tenanao, na dia zatra ny faharatsiana aza, dia afaka manao ny tsara.
\v 27 Efa nahita ny fanitsakitsaham-bady sy ny fihikanao Aho, ny faharatsian'ny fivarotan-tenanao teny amin'ireo havoana sy teny amin'ireo saha, ary efa nahita ireny zavatra maharikoriko ireny Aho! Loza ho anao, ry Jerosalema! Hafiriana izany vao ho madio indray ianao?”
\v 2 “Aoka hisaona i Joda, aoka hitanondrika ny vavahadiny. Midradradradra ny amin'ny tany izy ireo; miakatra ny fitarainan'izy ireo ho an'i Jerosalema.
\v 6 Ny boriky dia mijanona any amin'ny tani-hay ary misefosefo amin'ny rivotra tahaka ny amboadia. Jambena ny mason'izy ireo, satria tsy misy zava-maniry.”
\v 7 Ry Yaveh, na dia niampanga anay aza ny helokay, dia miasà noho ny amin'ny anaranao. Fa ny asanay tsy am-pinoana dia mitombo; efa nanota taminao izahay.
\v 9 Nahoana no tahaka ny olona very hevitra Ianao, ho tahaka ny mpiady izay tsy afaka mamonjy na iza na iza? Fa Ianao dia eo anivonay, ry Yaveh! Efa nambara teo aminay ny anaranao. Aza mandao anay.
\v 12 Fa raha mifady hanina izy ireo, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho, ary raha manao fanatitra dorana sy fanatitra ho hanina izy ireo, dia tsy hankasitraka ireo Aho. Fa handringana azy ireo amin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana Aho.”
\v 18 Raha mivoaka ho any an-tsaha Aho, dia indreo ireo izay matin'ny sabatra! Raha tonga ao amina tanàna Aho, dia indreo ny aretina izay vokatry ny mosary. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia hirenireny eo amin'ny tany avokoa, ary tsy hahalala izy ireo.’”
\v 21 Aza lavina izahay! Fa noho ny amin'ny anaranao, dia aza manala baraka ny seza fiandriananao be voninahitra. Tsarovy ary aza manafoana ny fanekenao taminay.
\v 1 Dia hoy Yaveh tamiko hoe: “Na dia Mosesy na Samoela aza no nijoro teo anoloako, dia tsy mbola hankasitraka ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eo anoloako izy ireo, mba handehanan'izy ireo.
\v 2 Ary dia hilaza aminao izy ireo hoe: ‘Aiza no tokony ho alehanay?’ Dia tsy maintsy hiteny amin'izy ireo ianao hoe: ‘Izao no lazain'i Yaveh: Ireo voalahatra ho faty dia ho faty; ireo voalahatra ho an'ny sabatra dia ho faty amin-tsabatra. Ireo voalahatra ho an'ny mosary dia ho fatin'ny mosary; ary ireo voalahatra ho amin'ny fahababoana dia ho babo.’
\v 3 Fa ho tendreko ho antoko efatra izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ny sabatra dia hamono ny sasany, ireo amboa hitaritarika ny sasany, ireo voron'ny lanitra sy ireo bibidian'ny tany handevona ary hamotika ny sasany.
\v 9 Ny reny izay niteraka zaza fito dia hihaosa. Hiala aina izy. Ny masoandrony dia hilentika raha mbola andro iny. Ho afa-baraka sy menatra izy, fa homeko eo anatrehan'ireo fahavalony ireo izay sisa velona tamin'ny sabatra—izany no fanambaran'i Yaveh.”
\v 13 Homeko ireo fahavalonao ho babo maimaim-poana ny harena sy zava-tsarobidinao. Ho ataoko izany nohon'ny fahotana rehetra nataonao tao anatin'ny faritaninao rehetra.
\v 18 Nahoana no mitohy ny fanaintainako ary tsy misy fanafany ny ratrako, mandà ny ho sitranina? Ho tahaka ny rano mamitaka amiko ve Ianao, rano izay ritra?
\v 19 Koa izao no lazain'i Yaveh: “Raha mibebaka ianao, ry Jeremia, dia ho averiko indray, ary hijoro eo anoloako ianao ka hanompo Ahy. Fa raha manasaraka ny zavatra adaladala amin'ireo zavatra sarobidy ianao, dia ho tahaka ny vavako ianao. Hiverina aminao ny vahoaka, nefa ianao dia tsy hiverina amin'izy ireo.
\v 20 Ho ataoko toy ny manda varahina tsy azo idirana ho an'ity vahoaka ity ianao, ary hanangana ady aminao izy ireo. Nefa tsy handresy anao izy ireo, satria momba anao Aho mba hamonjy sy hanavotra anao—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 4 ‘Ho faty amin'ny aretim-pahafatesana izy ireo. Tsy hitomaniana izy ireo na ho alevina. Ho lasa toy ny zezika amin'ny tany izy ireo. Fa amin'ny alalan'ny sabatra sy ny mosary no hiafaran'izy ireo, ary ny fatin'izy ireo dia ho lasa sakafo ho an'ireo voron'ny lanitra sy ireo bibin'ny tany.’
\v 5 Fa tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: “Aza miditra amin'ny trano izay misy fitomaniana. Aza mandeha mba hitomany na ampiseho fangorahana ho azy ireo, fa efa nesoriko teo amin'izany vahoaka izany ny fiadanako, ny fitiavako tsy miova sy ny famindram-poko—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 6 Ny lehibe sy ny kely dia samy ho faty eto amin'ity tany ity. Tsy ho alevina izy ireo, ary tsy hisy na iray aza hitomany azy ireo na hanapaka ny tenan'izy ireo na hanaratra ny lohany ho azy ireo.
\v 7 Aoka tsy hisy na iza na iza hizara sakafo amin'ny fisaonana mba hampiononana azy ireo noho ireo fahafatesana, ary aoka tsy hisy hanome kapoaka fampiononana ho an'ny rainy na ho an'ny reniny mba hampiononana azy ireo.
\v 8 Aoka ianao tsy ho any amin'ny trano fanasana mba hipetraka hiaraka amin'izy ireo mba hihinana na hisotro.’
\v 9 Fa Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, nanao hoe: ‘Indro, eto anatrehan'ny masonareo, andronareo ary amin'ity toerana ity, hampitsahatra ny feon'ny fifaliana sy ny feon'ny firavoravoana aho, ny feon'ny mpampiakatra sy ny feon'ny ampakarina.’
\v 13 Koa ho esoriko eto amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay tsy mbola fantatrareo na ireo razambenareo, ary hanompo ireo andriamani-kafa andro aman'alina any ianareo, fa tsy hanome fankasitrahana ho anareo Aho.’
\v 15 “Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nitondra ny vahoakan'Israely avy any amin'ny tanin'i Egypta.’ Fa hoe: ‘Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nitondra ireo vahoakan'Israely avy any amin'ny tany avaratra sy avy any amin'ireo tany izay efa nampielezana azy ireo.’ Fa ho averiko any amin'ny tany izay nomeko ny razambeny izy ireo.
\v 16 Indro! Handefa mpanarato maro aho—izao no fanambaran'i Yaveh—ka hanarato ireo olona izy ireo. Aorian'izany dia handefa mpihaza maro aho mba hihaza ho azy ireo eny amin'ny tendrombohitra sy havoana rehetra, ary eny an-tsefatsefaky ny haram-bato izy ireo.
\v 17 Fa ny masoko dia ho eny amin'ny lalan'izy ireo rehetra; tsy afaka ny hiafina eo anoloako izy ireo. Tsy afaka ny hiafina eo anoloan'ny masoko ny helok'izy ireo.
\v 18 Hanonotra avo roa heny ny heloka sy ny otan'izy ireo ho an'ny fandotoan'izy ireo ny taniko tamin'ny sampy vetavetan'izy ireo aloha Aho, sy ny famenoan'izy ireo sampy maharikoriko ny lovako.”
\v 21 Noho izany indro! Ho ampahafantariko azy ireo amin'izany fotoana izany, ho ataoko fantatr'izy ireo ny tanako sy ny heriko, ka ho fantatr'izy ireo fa Yaveh no anarako.
\v 1 “Voasoratra tamin'ny penina vy manana tendro diamondra ny fahotan'i Joda. Voasokitra eo amin'ny takelaky ny fon'izy ireo sy eo amin'ny tandrok'ireo alitaranao izany.
\v 2 Na dia ny zanak'izy ireo aza dia mahatsiaro ireo alitarany sy ireo baon'Aserahany izay teo akaikin'ny hazo misandrahaka sy tambonin'ny havoana avo.
\v 3 Teo an-tendrombohitro tao amin'ny tanàna malalaka ny baon'Aseraha. Ny harenanareo sy ireo zava-tsarobidinareo rehetra dia homeko toy ny babo, miaraka amin'ny fitoerana avonareo, noho ireo fahotana nataonareo teo amin'ny faritaninareo rehetra.
\v 4 Ho very ny lova izay nomeko anareo. Ho ataoko andevon'ireo fahavalonareo ao amin'ny tany izay tsy fantatrareo ianareo, fa ianareo dia efa nandrehitra afo amin'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.”
\v 6 Fa ho tahaka ny kirihitra kely ao Araba izy ary tsy hahita zava-tsoa ho avy. Hijanona any amin'ny toeram-batolampy any an-efitra izy, tany karakaina tsy misy mponina.
\v 11 Mikotrika ny atody izay tsy nalatsany ny tsipohy. Mety ho tonga mpanankarena tsy ara-drariny ny olona, nefa rehefa misasaka ny andro iainany, dia handao azy ireo mpanakarena ireo, ary any am-parany dia ho lasa adala izy.”
\v 23 Tsy nihaino na nitandrina izy ireo, fa nanamafy ny hatony mba tsy handrenesany ahy na hanaiky famaizana.
\v 24 Hiseho izao raha mihaino ahy tokoa ianareo—izao no fanambaran'i Yaveh—ary aza mitondra entana mankeo amin'ireo vavahadin'ny tanàna amin'ny Andro Sabata fa kosa atokano ho an'i Yaveh ny Andro Sabata ary aza manao asa na inona na inona amin'izany,
\v 25 ary ireo mpanjaka, andriana, sy ireo izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hankeo amin'ireo vavahadin'ity tanàna ity amin'ny kalesy miaraka amin'ny soavaly, izy ireo sy ireo mpitarika azy ireo, ny lehilahin'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay.
\v 26 Izy ireo dia ho avy any amin'ny tanànan'i Joda sy avy amin'ny manodidina an'i Jerosalema, avy amin'ny tanin'i Benjamina sy ireo faritra iva, avy any amin'ireo tendrombohitra, ary avy any Negeva, hitondra ireo fanatitra dorana sy ireo sorona, fanatitra voa sy ditin-kazo manitra, fanati-pisaorana ao an-tranon'i Yaveh.
\v 27 Nefa raha tsy mihaino Ahy ianareo—ny amin'ny fanokanana ny Andro Sabata sy ny tsy fitondrana enta-mavesatra ary ny tsy fidirana amin'ireo vavahadin'i Jerosalema amin'ny Andro Sabata—dia handrehetako afo eo amin'ireo vavahadiny, ka handevona ny mandan'i Jerosalema izany, ary tsy ho vonoina izany.”
\v 6 “Tsy afaka manao tahaka ny ataon'io mpanefy io aminareo ve Aho, ry ankohonan'Israely? —izao no fanambaran'i Yaveh. Indro! Tahaka ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy—dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry ankohonan'Israely.
\v 7 Amin'ny fotoana iray, dia mety hanonona zavatra ho an'ny firenena na fanjakana iray Aho, mba hamoahako, handrodanako, na hamotehako izany.
\v 8 Fa raha miala amin'ny haratsiany ny firenena izay nanaovako izany fanambarana izany, dia hihazona ny loza izay nomaniko ho entiko eo amin'izany Aho.
\v 9 Amin'ny fotoana hafa, dia mety hanambara zavatra momba ny firenena na fanjakana iray Aho, fa hanangana na hamboly izany Aho.
\v 10 Fa raha manao ratsy eo imasoko izy amin'ny tsy fihainoana ny feoko, dia hajanoko ny soa izay nolaizaiko fa ho ataoko amin'izy ireo.
\v 14 Moa ve ny oram-panala any Libanona efa nandao ny havoanam-bato eo anilany? Moa ve ny rian-tendrombohitra avy lavitra efa rava, ireo riana mamanala?
\v 16 Ho tonga horohoro ny tanin'izy ireo, ho anton'ny siotsioka mandrakizay. Izay rehetra mandalo eo aminy dia hangovitra sy hanifikifi-doha. Hanaparitaka azy ireo eo anoloan'ny fahavalony tahaka ny rivotra atsinana Aho.
\v 20 Moa ve ny loza avy amin'izy ireo tokoa no valisoako tamin'ny hatsaram-panahiko tamin'izy ireo? Fa nihady lavaka ho ahy izy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anoloanao mba hiresaka ny fifanampian'izy ireo, mba hampiala ny fahatezeranao amin'izy ireo.
\v 21 Noho izany dia ataovy tonga amin'ireo zanany ny mosary, ary atolory eo an-tanan'ireo izay mampiasa sabatra izy ireo. Koa avelao ny vehivavin'izy ireo hidonam-pahoriana sy ho mpitondratena, ary ny lehilahiny ho voavono, ary ireo tovolahiny ho fatin'ny sabatra sabatra any an'ady.
\v 22 Aoka ho re avy ao amin'ny tranon'izy ireo ny hiakiam-pahoriana, tahaka ny hitondranao mpanafika hanohitra azy ireo tampoka. Fa efa nihady lavaka hisamborana ahy izy ireo ary nanafina fandrika ho an'ny tongotro.
\v 4 Hanao izany aho satria nafoin'izy ireo Aho ary nozimbazimbainy ity toerana ity. Eto amin'ity toerana ity no anoloran'izy ireo sorona ho an'ireo andriamanin-kafa izay tsy fantany. Izy ireo, ireo razambeny, ary ny mpanjakan'ny Joda ihany koa dia efa nameno ràn'ny tsy manan-tsiny teo amin'ity toerana ity.
\v 5 Nanorina ireo toerana avon'i Bala izy ireo handorana amin'ny afo ny zanakalahin'izy ireo ho fanatitra dorana ho azy izy—zavatra izay tsy nodidiako na notononiko, na koa niditra tao an-tsaiko.
\v 6 Koa, indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho antsoina intsony hoe Tofeta ity toerana ity, ilay Lohasahan'i Ben-Hinoma, fa ho lasa Lohasahan'ny Famonoana izany.
\v 7 Eto amin'ity toerana ity no hanaovako ireo fikasan'i Joda sy Jerosalema ho tsy misy ilàna azy. Ho ataoko ho lavon'ny sabatra eo anoloan'ireo fahavalony izy ireo ary ny tanan'ireo izay mifofo ny ainy izy ireo. Dia homeko ho sakafon'ny vorona eny amin'ny lanitra sy ny biby eny amin'ny tany ny fatin'izy ireo.
\v 8 Dia hataoko ho faharavana sy zavatra fihisitrisitr'ity tanàna ity, ka izay rehetra mandalo eo amin'izany dia hangovitra sy hisioka momban'ny areti-mandringana rehetra.
\v 9 Hampihinanako ny nofon'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy izy ireo; ny olona tsirairay dia hihinana ny nofon'ny mpiara-belona aminy eo amin'ny fahirano ary amin'ny fangirifiriana no hitondrana azy ireo amin'ny fahavalony sy ireo mitady ny ainy.’”
\v 3 Ary navoakan'i Pasora tao amin'ny hazo fanagadrana i Jeremia ny andro manaraka. Dia hoy Jeremia taminy: “Tsy niantso ny anaranao hoe Pasora i Yaveh, fa Magora-misabiba ianao.
\v 4 Fa izao no lazain'i Yaveh: ‘Indro, ho ataoko zavatra mampatahotra ianao, dia ianao sy ireo olon-tianao rehetra, fa ho lavon'ny sabatr'ireo fahavalony izy ireo ary hahita izany ny masonao. Ho atolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ny Joda rehetra. Ho ataony babo any Babylona izy ireo na ho tafihany amin'ny tsabatra.
\v 5 Homeko azy ny haren'ity tanàna ity rehetra sy ny fananany rehetra, ny zava-tsarobidin'izany rehetra sy ny haren'ny mpanjakan'ny Joda rehetra. Ho apetrako eny an-tanan'ireo fahavalonao ireo zavatra ireo, ka ho lasan'izy ireo izany. Haka ireny izy ireo ka hitondra ireo any Babylona.
\v 6 Nefa ianao, ry Pasora, sy ireo mipetraka ao an-tranonao rehetra dia ho lasan-ko babo. Handeha any Babylona ianao ka ho faty any. Ianao sy ireo olon-tianao rehetra izay naminanianao zavatra fitaka dia ho alevina any.’”
\v 8 Fa isaky ny niteny aho, dia niantso mafy aho ary nanambara hoe: ‘Herisetra sy fandravana.’ Ary lasa latsa sy fanesoana ho ahy isan'andro ny tenin'i Yaveh.
\v 12 Nefa ianao, ry Yaveh Tompon'ny maro, Ianao izay mandinika ny fahamarinana sy izay mahita ny saina sy ny fo. Avelao aho hahita ny valifatinao amin'izy ireo satria efa naneho ny trangako taminao aho.
\v 16 Aoka izany lehilahy izany ho tahaka ireo tanàna izay noravain'i Yaveh ka tsy nananany antra. Aoka izy handre ny antso vonjy amin'ny mangiran-dratsy, sy ny tomanin'ny ady amin'ny atoandro,
\v 2 “Mangataha hevitra amin'i Yaveh ho anay, fa manangana ady aminay i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hanao ireo fahagagana ho anay angamba Yaveh, toy ny tamin'ny andro taloha, ka hampiala azy eo aminay.”
\v 7 Aorian'izany—izao no fanambaran'i Yaveh—Zedekia mpanjakan'i Joda, ireo mpanompony, ny vahoaka, sy ireo izay mijanona eto amin'ity tanàna ity aorian'ny areti-mandringana, ny sabatra, ary ny mosary, dia homeko ho eo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona izy rehetra, sy eo an-tanan'ireo fahavalony, ary eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ain'izy ireo. Dia hamono azy ireo amin'ny lelan-tsabatra izy. Tsy hiantra azy ireo izy, tsy hamindra fo azy ireo, na hanana fangoraham-po.’
\v 8 Ary aoka ho lazainao amin'io vahoaka io hoe: ‘Izao no lazain'i Yaveh: “Indro, ho apetrako manoloana anareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana.
\v 9 Izay mijanona amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra, mosary ary ny areti-mandringana; fa izay mivoaka ka mianjera eo amin'ny lohaliny eo anoloan'ireo Kaldeana izay nanao fahirano anao dia ho velona. Handositra hiaraka amin'ny ainy izy.
\v 10 Fa efa nanandrina ny tavako hanohitra ity tanàna ity aho mba hitondra loza fa tsy hitondra soa—izany no fanambaran'i Yaveh. Efa natolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ary ho dorany izany.’
\v 12 Ry taranak'i Davida, hoy i Yaveh: “tanteraho ny rariny amin'ny maraina. Vonjeo eny an-tanan'ny mpampahory ilay voaroba, fandrao hivoaka toy ny afo ny hatezerako ka handoro, ary tsy hisy na iray aza ka afaka hamono izany, noho ireo asa ratsinao.
\v 13 Indro, ry mponin'ny loasaha! Manohitra anao Aho, ry vaton'ny lemaka—izao no fanambaran'i Yaveh— Izaho dia manohitra ireo izay rehetra manao hoe: “Iza no hidina hanafika anay?” na hoe: “Iza no hiditra ao an-tranonay?”
\v 4 Fa raha manao ireo zavatra ireo tokoa ianao, dia hiditra eo amin'ireo vavahadin'ity trano ity hitaingina kalesy sy soavaly ireo mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, izy, ireo mpanompony, ary ny vahoakany!
\v 6 Fa izao no lazain'Yaveh mahakasika ny tranon'ny mpanjakan'i Joda: ‘Ianao dia tahaka an'i Gileada, na tahaka ny tendron'i Libanona amiko. Na izany aza ho avadiko tany efitra ianao, ho tanàna tsy misy mponina.
\v 8 Ary firenena maro no handalo amin'ity tanàna ity. Hifampilaza amin'ny eo akaikiny ny tsirairay hoe: ‘Nahoana no nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity Yaveh?”
\v 9 Ary hamaly ny hafa hoe: “Satria nahafoy ny faneken'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, ary niankohoka tamin'ireo andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo.”
\v 15 Mahatonga anao ho mpanjaka tsara ve ny fanirianaono hanana takelaka sedera? Moa ve tsy nihinana sy nisotro ihany koa ny rainao, fa kosa nanao ny rariny sy fahamarinana? Ary nandeha tsara ny zava-drehetra ho azy.
\v 17 Fa tsy misy na inona na inona ankoatran'ny tahotra eo amin'ny masonao sy ny fonao noho ny amin'ny tombony tsy ara-drariny sy ny amin'ny fandatsahan-dràn'ny tsy manan-tsiny, ny fampahoriana sy fanorotorona ny hafa.
\v 18 Noho izany dia hoy i Yaveh mahakasika an'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda: Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: ‘loza, ry rahalahiko!’ na ‘loza, ry rahavaviko!’ Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: ‘loza, ry tompo!’ na ‘loza, ry be voninahitra!’
\v 20 Miakara any an-tendrombohitr'i Libanona ka miantsoa mafy. Asandrato ao Basana ny feonao. Miantsoa mafy avy eny amin'ireo tendrombohitr'i Abarima, fa ho ringana ireo namanao rehetra.
\v 22 Hiandry ireo mpiandry ondrinao rehetra ny rivotra, ary ireo namanao dia ho lasan-ko babo. Ary dia ho menatra sy hangahiahy tokoa ianao nohon'ny asa ratsinao rehetra.
\v 25 Fa efa nomeko ho eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainao ianao ary ho eo an-tanan'ireo izay atahoranao, na ho eny an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo Kaldeana koa aza.
\v 26 Hanary anao sy ny reninanao niteraka anao any amin'ny tany hafa Aho, tanàna izay tsy nahaterahanao, ary ao ianao no ho faty.
\v 27 Raha ny momba ity tany izay hirian'izy ireo hiveranana ity, dia tsy hiverina aty izy ireo.
\v 28 Moa ve tsy fanaka notsinontsinoavina sy notorotoroina izany? Moa ve tsy vilany izay tsy nahafaly an'iza na iza izany lehilahy Jekonia izany? Nahoana izy sy ny taranany no narian'izy ireo, ka natsipiny tany amin'ny tany izay tsy fantatr'izy ireo?
\v 3 Izaho tenako no hanangona ny sisa amin'ireo ondriko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ireo, ary hamerina azy ireo amin'ny toerana misy ahitra, izay hamokaran'izy ireo sy hitomboan'izy ireo Aho.
\v 4 Avy eo Aho hanangana mpiandry ondry eo amin'izy ireo izay hiandry azy ireo mba tsy hatahotra na torotoro intsony izy ireo. Tsy hisy ho very izy ireo— izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 5 Indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hanangana rantsana marina ho an'i Davida Aho. Hanjaka toy ny mpanjaka izy; hiasa am-pahendrena izy ary hampisy rariny sy fahamarinana eo amin'ilay tany.
\v 9 Raha ny momban'ireo mpaminany, dia maratra ny foko, ary mangovitra ny taolako rehetra. Lasa toy ny olona mamo aho, toy ny olona izay resin'ny divainy, noho Yaveh sy ireo teniny masina.
\v 10 Fa ilay tany dia feno mpijangajanga. Noho ireo dia maina ny tany. Maina ireo tanin'ahitra any an'efitra. Ratsy ireo lalan'ny mpaminany ireo; tsy miasa amin'ny tokony ho izy ny fahefan'izy ireo.
\v 11 “Fa ireo mpaminany sy ireo mpisorona dia samy maloto. Efa nahita ny faharatsian'izy ireo tao an-tranoko mihitsy Aho! — izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 12 noho izany dia ho toy ny toerana malama ao anaty aizina ny lalan'izy ireo. Ho atosika hidina izy ireo. Hianjera eo amin'izany izy ireo. Fa handefa loza eo amin'zy ireo amin'ny taonan'ny fanasazina azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 17 Milaza foana amin'ireo izay manala baraka Ahy izy ireo hoe: ‘Yaveh dia manambara fa hisy fiadanana ho anareo.’ Fa ny olona rehetra izay mandeha amin'ny ditran'ny fony dia manao hoe: ‘Tsy ho avy aminareo ny loza.’
\v 18 Nefa iza no nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionan'i Yaveh? Iza no mahita sy mandre ny teniny? Iza no nanongila-tsofina tamin'ny teniny ary nihaino?
\v 20 Tsy hiverina ny hatezeran' Andriamanitra mandra-pahatanterahany sy mandra-pitondrany ny fikasan'ny fony. Amin'ny andro farany, dia ho azonareo izany.
\v 22 Fa raha nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionako izy ireo, dia ahatonga ny oloko handre ny teniko izy ireo; nampivily azy ireo tamin'ireo teny ratsiny sy fanaovan'izy ireo kolikoly.
\v 24 Misy olona afaka miafina any amin'ny toerana miafina ve ka tsy hitako? —izany no fanambaran'i Yaveh—ary moa tsy mameno ny lanitra sy ny tany Aho? —izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 33 Rehefa manontany anao ireo olona ireo, na ny mpaminany, na ny mpisorona hoe: ‘Inona no entan-mavesatr'i Yaveh?’ dia hilaza amin'izy ireo ianao hoe: ‘Ianareo no entan-mavesatra, ary handroaka anareo Aho'—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 34 Raha ny amin'ireo mpaminany, mpisorona, sy olona izay miteny hoe: ‘Ity ny vesatr'i Yaveh' dia hanasazy izany olona izany sy ny ankohonany Aho.
\v 35 Tsy mitsahatra milaza ianareo, ny olona tsirairay amin'ny mpiara-belona aminy ary ny olona tsirairay amin'ny rahalahiny hoe: ‘Inona no navalin'i Yaveh?’ sy hoe: ‘Inona no nambaran'i Yaveh?’
\v 36 Kanefa tsy tokony hiresaka momban'ny ‘vesatr'i Yaveh' intsony ianareo, satria ilay vesatra dia ny tenin'ny olona tsirairay manokana, ary ianareo dia nametaveta ny tenin'ilay Andriamanitra velona, ilay Yaveh tompon'ny maro, Andriamanintsika.
\v 37 Izao no ho lazainareo amin'ilay mpaminany hoe: ‘Inona no valin-teny nomen'i Yaveh anareo? na hoe: ‘Inona no nolazain'i Yaveh’
\v 38 Fa raha miteny ianareo hoe: ‘Ilay vesatr'i Yaveh,’ dia izao no ambaran'i Yaveh: ‘Satria niteny ireo teny ireo ianareo hoe: ‘Vesatr'i Yaveh,’ rehefa naniraka anareo Aho, niteny hoe: ‘Aza miteny hoe: “Vesatr'i Yaveh,”’
\v 2 Ilay harona iray dia nisy aviavy tsara tokoa, tahaka ny voalohan'aviavy masaka, fa ilay harona iray kosa dia nisy aviavy tena ratsy ka tsy afaka hohanina ireo.
\v 6 Ho tsofiko rano izy ireo ary ho averiko eo amin'io tany io indray. Ho antsangako indray izy ireo, fa tsy ho simbaiko. Ho amboleko izy ireo, ary tsy ho fongorako.
\v 7 Ary homeko fo mba ahafantatra Ahy, fa Izaho no Yaveh. Ho oloko izy ireo ary Izaho ho Andriamaniny, ka hitodika Amiko amin'ny fony manontolo izy ireo.
\v 5 Ireo mpaminany niteny hoe: ‘Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny sy ny kolikoly fanaony ary hiverena any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh ny razambenareo tamin'ny andro fahiny sy ho anareo, ho fanomezana maharitra.
\v 6 Ka aza manaraka amin'ireo andriamanitra hafa mba hanompo na hiankohoka amin'izy ireo, ary aza miantsy Azy amin'ireo asan'ny tananareo mba tsy hanisiany ratsy anareo.’
\v 9 indro, handefa didy hanangonana ny olona rehetra avy any avaratra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—miaraka amin'i Nebokadnezara mpanompoko, mpanjakan'i Babylona, ary hitondra azy ireo hanohitra izao tany izao sy ireo mponiny Aho, ary hanohitra ireo firenena rehetra manodidina anareo. Fa ho atokako izy ireo amin'ny fandringanana. Ho avadiko ho horohoro, sy zavatra mampisiotsioka, ary faharavana tsy misy fahataperana izy ireo.
\v 10 Hatsahatro ny feon'ny fifaliana ary ny feon'ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra ary ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.
\v 11 Dia ho tonga faharavana sy horohoro ity tany rehetra ity, ary ireo firenena ireo hanompo ny mpanjakan'i Babylona mandritra ny fitopolo taona.
\v 12 Ary rehefa feno ny fitopolo taona, dia ho faiziko ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany, dia ny tanin'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—noho ny helok'izy ireo ary ho ataoko ho faharavana tsy misy fahataperana izany.
\v 13 Koa ho tanterahiko amin'izany tany izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko, ary ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ity boky izay naminanian'i Jeremia hanoherana ireo firenena rehetra ity.
\v 14 Fa hamoaka ireo andevo ao amin'ireo firenena ireo koa ny firenena maro hafa sy ireo mpanjaka lehibe maro hafa. Ho valiako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tanany avy izy ireo.
\v 17 Koa dia noraisiko avy teo an-tanan'i Yaveh ny kapaoka, ary nampisotroiko izany ny firenena rehetra izay nalefan'i Yaveh ahy:
\v 18 dia i Jerosalema, ireo tanàn-dehiben'i Joda sy ny mpanjakany ary ireo manam-pahefana—mba hamadika azy ireo ho faharavana sy zavatra mampatahotra, sy zavatra mampisiotsioka sy fanozonana, tahaka azy ireo amin'izao andro izao.
\v 19 Tsy maintsy nisotro izany koa Ireo firenena hafa: Farao mpanjakan'i Egypta sy ireo mpanompony; ireo manam-pahefany sy ny vahokany;
\v 20 ny olona rehetra samy hafa fiaviana sy ireo mpanjaka rehetra avy amin'ny tanin'i Oza; ireo mpanjaka avy amin'ny tanin'ny Filistia rehetra—Askelona, Gaza, Ekron, ary ny sisa any Asdoda;
\v 24 Ireto olona ireto dia tsy maintsy nisotro izany ihany koa: ny mpanjakan'i Arabia rehetra ary ny mpanjakan'ny vahoaka samy hafa fiaviana rehetra izay monina any an'efitra;
\v 25 ny mpanjakan'i Zimry rehetra, ny mpanjakan'i Elama rehetra, ary ny mpanjakan'i Media rehetra;
\v 26 ny mpanjakan'ny avaratra rehetra, na ny akaiky ary na ny lavitra—ny olona tsirairay miaraka amin'ny rahalahiny ary ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao izay eo ambonin'ny tany. Tao aorian'izy rehetra ireo dia ny mpanjakan'i Babylona no hisotro farany.
\v 29 Fa indro, hitondra loza eo amin'ilay tanàna izay nantsoina tamin'ny anarako Aho, dia tokony ho afaka amin'ny famaizana ve ianareo? Tsy ho afaka ianareo, satria hiantso ny sabatra hanohitra ny mponina rehetra amin'ilay tany Aho! —izany no fanambaran' i Yaveh Tompon'ny maro.’
\v 33 Ary ireo izay novonoin'i Yaveh amin'izany andro izany dia hihitatra hatrany amin'ny fiafaran'ny tany iray ka hatramin'ny ilany hafa; tsy hisaonana izy ireo, na hoangonina, na ho alevina. Ho tahaka ny zezika eo ambonin'ny tany izy ireo.
\v 34 Midradradradrà, ry mpiandry ondry, ary miantsoa vonjy! Mihodikodina eo amin'ny vovoka, ianareo ry mpitarika ny ondry, fa efa tonga ny andro famonoana anareo; hiparitaka toy ny vilany manify ianareo rehefa mianjera.
\v 38 Tahaka ny liona tanora, nandao ny zohiny izy, satria ny tanin'izy ireo dia ho tonga horohoro noho ny fahatezeran'ny mpampahory, noho ny firehetan'ny fahatezerany.”
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: “Fahatezeran'ny mpampahory", ny dikan-teny taloha sy taty aoriana manao hoe: “Sabatrin'ny mpampahory.” \f*
\v 3 Angamba mba hihaino izy ireo, ka hiala amin'ireo lalan-dratsiny ny olona tsirairay, ka hihazona ny loza izay efa nokasaiko ho entina eo amin'izy ireo nohon'ny faharatsian'ny fomba fanaon'izy ireo Aho.
\v 8 Ary raha vao nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra izay nandidin'i Yaveh azy ho lazainy tamin'ny olona rehetra, dia nisambotra azy ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra ka nanao hoe: “tena ho faty ianao!
\v 9 Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Yaveh ary nilaza fa ity trano ity dia ho tonga tahaka an'i Silo ary ity tanàna ity dia ho lao, ary tsy hisy mponina? Fa ny vahoaka rehetra nitangorona nanohitra an'i Jeremia tao an-tranon'i Yaveh.
\v 12 Koa niresaka tamin'ireo manam-pahefana rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia ka nilaza hoe: “Yaveh no nandefa ahy haminany hanohitra ity trano sy tanàna ity, mba hilaza ny teny rehetra izay efa renareo.
\v 13 Koa ankehitriny, hatsarao ny lalanareo sy ny fanaonareo, ary mihainoa ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanenenany ny mahakasika ny loza izay nambarany hanoherana anareo.
\v 14 Izaho mihintsy no eo an-tananareo_jereo aho! Ataovy amiko izay tsara sy marina eo imasonareo.
\v 15 Fa tokony ho fantatrareo tokoa fa raha mamono ahy ianareo, dia hitondra rà marina ho an'ny tenanareo sy ho an'ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, fa Yaveh tokoa no nandefa ahy teo aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo.
\v 18 Hoy izy ireo hoe: “Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'ny Joda. Niresaka tamin'ny vahoakan'i Joda rehetra izy ka nanao hoe: ‘Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: ho hasaina tahaka ny saha i Ziona, ho tonga korontam-bato iJerosalema, ary ny tendrombohitrin'ny tempoly dia ho tonga havoana rakotra kirihitrala.’
\v 19 Namono azy ve i Hezekia mpanjakan'ny Joda sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Yaveh ve izy ka nampitony ny tavan'i Yaveh mba hanajanonan'i Yaveh ny loza izay efa nambarany azy ireo? Koa hanao zava-dratsy lehibe amin'ny aintsika ihany ve isika?”
\v 20 Teo anilan'izany ihany koa dia nisy lehilahy hafa izay naminany tamin'ny anaran'i Yaveh—Oria zanaka lahin'i Semaia avy amin'i Kiriata Jearima—izy koa dia naminany hanohitra ity tanàna sy tany ity, nifanaraka tamin'ny tenin'i Jeremia rehetra.
\v 21 Fa rehefa ren'i Joiakima mpanjaka sy ny miaramilany rehetra sy ny manam-pahefany ny teniny, dia niezaka ny hamono azy ny mpanjaka, saingy nandre izany i Oria ka natahotra, dia nandositra ary lasa nankany Egypta.
\v 22 Ary nandefa lehilahy ho any Egypta ny mpanjaka Joiakima—Elnatana zanaka lahin'i Akbora sy lehilahy handeha ho any Egypta hanaraka an'i Oria.
\v 23 Nalain'izy ireo hivoaka avy tao Egypta i Oria ary nentina teo amin'i Joiakima mpanjaka izy. Ary dia novonoin'i Joiakima tamin'ny sabatra izy ary nalefany tany amin'ireo fasan'ny olon-tsotra ny fatiny.
\v 24 Fa ny tanan'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia niaraka tamin'i Jeremia, ka tsy natolotra teo ampelan-tanan'ny vahoaka mba ho vonoina izy.
\f + \ft Na dia manao hoe “Joiakima” aza ny ankamaroan'ireo dika-teny Hebreo, ny ankamaroan'ireo dikan-teny amin'izao fotoana dia manao hoe “Zedekia", satria ireo tranga ao amin'ity toko ity dia niseho nandritry ny fanjakany \f*
\v 4 Omeo baiko izy ireo ho an'ireo tompon'izy ireo ary lazao hoe: “Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nanambara izao: ‘Izao no tsy maintsy ho lazainareo amin'ireo tomponareo:
\v 5 “Izaho tenako dia nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriko lehibe sy ny sandriko nitsangana. Izaho ihany koa no nanao ny olona sy ireo biby eo ambonin'ny tany, ary nomeko an'izay marina teo imasoko izany.
\v 11 Fa ireo firenena izay mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ka manompo azy, dia ho avelako hijanona eo amin'ny taniny izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamboly eo amin'izany izy ireo ary hanorina ny tranon'izy ireo eo amin'izany.”’”
\v 13 Nahoana ianareo no ho faty—ianao sy ny vahoakanao—amin'ny alalan'ny sabatra, mosary, sy ny aretin-mandringana, tahaka ny efa nambarako momban'ny firenena izay mandà ny hanompo ny mpanjakan'i Babylona?
\v 17 Aza mihaino azy ireo. Tokony hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo ary ho velona. Nahoana no tokony ho rava ity tanàna ity?
\v 18 Raha mpaminany izy ireo, ary raha tonga tamin'izy ireo marina ny tenin'i Yaveh, dia aoka izy ireo hitalao amin'i Yaveh tompon'ny maro mba tsy handefa amin'i Babylona ireo zavatra izay tavela ao an-tranony, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema.
\v 19 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao momban'ireo andry, ny tavin-drano lehibe, sy ny fitoeran'ny tavin-drano, ary ny ambin'ireo zavatra izay tavela ao amin'io tanàna io—
\v 20 ireo zavatra izay tsy noraisin'i Nebokadnezara rehefa nilanja an'i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ho babo avy any Jerosalema ho any Babylona niaraka tamin'ireo manan-kajan'i Joda sy Jerosalema.
\v 21 Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao momban'ireo zavatra izay tavela ao amin'ny tranon'i Yaveh, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema hoe:
\v 11 Avy eo dia niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra i Hanania ka nanao hoe: “izao no tenin'Yaveh: Tahaka izany koa, ao anatin'ny roa taona dia ho vakiako avokoa ireo zioga izay napetrak'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona teo an-tendan'ny firenena rehetra.” Dia nizotra tamin'ny lalany i Jeremia mpaminany.
\v 15 Taorian'izany i Jeremia mpaminany dia niteny tamin'i Hanania mpaminany hoe: “Mihainoa ry Hanania! Tsy naniraka anao i Yaveh, fa ianao tenanao no nahatonga ireo vahoaka hino lainga.
\v 16 Koa izao no lazain'i Yaveh: Indro, hanala anao eto an-tany Aho. Ho faty amin'ity taona ity ianao, satria nanambara fikomiana an'i Yaveh ianao.”
\v 1 Ireto ny teny tao amin'ilay horonan-taratasy izay nalefan'i Jeremia mpaminany avy any Jerosalema ho an'ireo loholona sisa tavela tamin'ireo babo sy tamin'ireo mpisorona, ireo mpaminany, ary ireo vahoaka izay nataon'i Nebokadnezara sesitany avy any Jerosalema nankany Babylona.
\v 2 Izany dia taorian'ny nandefasana an'i Jekonia mpanjaka, sy ny reny mpanjaka vavy, sy ireo manam-pahefana ambony, ny mpitarika an'i Joda sy Jerosalema, ary ireo mpanao asa-tanana tany Jerosalema.
\v 7 Katsaho ny fiadanan'ny tanàna izay nanaovako anareo ho sesitany, ary mivavaha amiko ho an'izany satria hisy fiadanana ho anao ao raha ao ny fiadanana.’
\v 10 Fa izao no nolazain'Yaveh: ‘Rehefa nanapaka anareo nandritry ny fitopolo taona i Babylona, dia hanampy anareo Aho ary hanatanteraka ny teny soako ho anareo mba hamerenana anareo amin'ity toerana ity.
\v 11 Fa Izaho tenako no mahafantatra ny fikasako ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fikasana fiadanana fa tsy loza, mba hanome ho avy sy ny fanantenana ho anareo.
\v 12 Dia hiantso Ahy ianareo, ary andeha ka hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
\v 13 Fa hitady Ahy ianareo ka hahita Ahy, satria hitady Ahy amin'ny fonareo manontolo.
\v 14 Ary ho hitanareo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho averiko ny harenareo; ho angoniko avy any amin'ny firenena sy toerana rehetra nampielezako anareo ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamerina anareo any amin'ilay toerana izay nanaovako sesitany anareo Aho.’
\v 17 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: ‘Indro, handefa sabatra, mosary, sy aretina eo amin'izy ireo Aho. Fa ho ataoko toy ny aviavy lo izay tena ratsy raha hohanina izy ireo.
\v 22 Dia hisy ozona ho lazain'ireo babon'i Joda rehetra any Babylona momba ireo olona ireo. Ilay ozona dia hilaza hoe: Ho ataon'i Yaveh tahaka an'i Zedekia sy Ahaba anie ianareo, izay natonon'ny mpanjakan'ny Babylona tamin'ny afo.
\v 26 “Yaveh nanao anareo ho mpisorona fa tsy Joiada mpisorona, mba hiandraiketanareo ny tranon'i Yaveh. Ianao no mifehy ny olona rehetra izay very saina sy manao ny tenan'izy ireo ho mpaminany. Tokony ho gadraina sy fatorana amin'ny rojo vy izy ireo.
\v 2 “Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: ‘Soraty anaty horonan-taratasy ho anao ny teny rehetra izay nambarako taminao tao amin'ny horonan-taratasy.
\v 3 Fa indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hamerenako ny haren'ny oloko, dia Israely sy Joda. Izaho, Yaveh, no nilaza izany. Fa ho entiko miverina any amin'ny tany izay nomeko ny razany izy ireo, ary ho fananan'izy ireo izany.”’
\v 6 Manontania ary jereo raha misy lehilahy mitondra vohoka. Nahoana Aho no mahita ny tovolahy rehetra mametraka ny tanany eo am-balahany tahaka ny vehivavy mitondra vohoka? Nahoana no mihafotsy hatsatra avokoa ny tarehin'izy ireo?
\v 8 Fa amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—no hanapahako ny zioga hiala amin'ny vozonareo, ary hanorotoroko ny rojo vy anareo, ka tsy hanandevo anareo intsony ny vahiny.
\v 11 Fa miaraka aminao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—mba hamonjy anao. Dia ho taperiko tanteraka ny amin'ireo firenena rehetra izay nampielezako anao. Fa tsy hanapitra anao tokoa Aho, na dia manafay anao amin'ny rariny aza Aho ka tsy hamela anao ho afa-maina.’
\v 16 Koa izay rehetra mamotika anao dia ho potehina, ary izay mpifanandrina aminao rehetra dia ho lasan-ko babo. Fa ireo izay manbabo anao dia ho baboina, ary horobaiko izay mandroba anao.
\v 20 Dia ho toy ny teo aloha ny olon'izy ireo, ary ny fiangonan'izy ireo dia hiorina eo anatrehako rehefa manafay ireo rehetra izay mampahory azy ireo amin'izao Aho.
\v 21 Hivoaka avy ao amin'izy ireo ny mpitarik'izy ireo. Avy eo afovoanin'izy ireo no hipoirany rehefa ampanakaikeziko ary rehefa manatona Ahy izy. Raha tsy manao izany Aho, dia iza no sahy hanakaiky Ahy? —izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 6 Fa ho avy ny andro hanambaran'ireo mpiambina eo amin'ireo tendrombohitr'i Efraima hoe: ‘Mitsangàna, andeha isika hiakatra any Ziona any amin'i Yaveh Andriamanitsika.’
\v 7 Fa izao no lazain'i Yaveh: “Mihikà am-pifaliana ho an'i Jakoba! Mihikà am-piravoravoana ho an'ireo lehiben'ny vahoakan'ireo firenena! Aoka ho re ny fiderana. Lazao hoe: ‘Efa namonjy ny vahoakany Yaveh, ny ireo sisa tavela tamin'ny Israely.’
\v 9 Ho tonga am-pitomaniana izy ireo; hitarika azy ireo araka izay fangatahany Aho. Hampandehaniko any amin'ny rian-drano any amin'ny lalana mahitsy izy ireo. Tsy ho tafintohina eo amin'izany izy ireo, fa ho rain'ny Israely Aho, ary ho lahimatoako i Efraima.”
\v 12 Ary ho avy izy ireo ka hifaly eo an-tampon'i Ziona. Hamiratra noho ny fahatsaran'i Yaveh ny tavan'izy ireo, amin'ny tandroka sy divay vaovao, amin'ny menaka sy ny zanakin'ny ondry aman'osy ary ireo omby. Fa ho tonga tahaka ny zaridaina voatondraka ny fianan'izy ireo, ary tsy hahatsapa alahelo intsony izy ireo.
\v 13 Dia hifaly amin'ny dihy ireo virijiny, ary hiaraka ny zatovo sy ny lahy antitra. Fa ho avadiko ho fankalazana ny fisaonan'izy ireo. Hangoraka azy ireo Aho ka hampifaly azy ireo fa tsy ampalahelo.
\v 18 Efa reko nalahelo tokoa i Efraima hoe: ‘Nanasazy ahy Ianao, ary efa nosaziana tahaka ny zanak'omby tsy nozarina aho. Ento miverina aho dia ho tafaverina, fa Ianao no Yaveh Andriamanitro.
\v 19 Fa tao aorian'ny niverenako taminao, dia nanenina aho; tao aorian'ny nanazarana ahy, dia namelaka ny feko aho. Afa-baraka sy menatra aho, fa efa niteraka ny heloky ny fahatanorako.’
\v 20 Moa tsy menakin'ny aiko ve i Efraima? Moa ve tsy malalako izy, zanaka tiako? Fa na oviana na oviana hiresahako azy, dia mbola hahatsiaro am-pitiavana azy tokoa Aho. Izany no alahelovan'ny foko azy. Hangoraka azy tokoa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.”
\v 21 Mametraha famantaran-dalana ho anareo. Mametraha takela-by tari-dalana ho an'ny tenanareo. Saino ny lala-marina, dia ny lalana izay tokony alehanao. Miverena, ry Israely virijiny! Miverena any amin'ireo tanànanao ireo.
\v 28 Tany aloha, dia narahako maso izy ireo mba hanongotana azy ireo sy hanimbana azy ireo, mba handravana, hamotehana, ary hanasiana ratsy azy ireo. Fa amin'ny andro ho avy, dia hiambina azy ireo Aho, mba hanangana azy ireo sy hamboly azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 29 Amin'ireo andro ireo dia tsy hisy na iza na iza hiteny intsony hoe: “Nihinana voaloboka marikivy ireo ray aman-dreny, kanefa ny nifin'ireo zaza no nadilo.’
\v 30 Fa ny olona tsirairay dia ho fatin'ny helony ihany; ny olon-drehetra izay mihinana voaloboka marikivy, dia hadilo ny nifiny.
\v 31 Indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanorenako fanekena vaovao amin'ny ankohonan'i Israely sy ny ankohonan'i Joda.
\v 32 Tsy ho tahaka ny fanekena izay naoriko tamin'ireo rain'izy ireo tamin'ny andro izay nitantanako azy ireo mba hamoahana azy ireo tao amin'ny tany Egypta. Ireo no andro izay nandravan'izy ireo ny fanekeko, na dia vady tamin'izy ireo aza Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 33 Fa izao no fanekena izay haoriko miaraka amin'ny ankohonan'ny Israely aorian'ireo andro ireo—izany no fanambaran'i Yaveh: Hametraka ny lalàko ao anatin'izy ireo Aho ary hanoratra izany ao am-pon'izy ireo, fa ho Andriamaniny Aho, ary ho vahoakako izy ireo.
\v 34 Dia tsy hampianatra ny mpiara-monina aminy intsony ny lehilahy tsirairay, na hampianatra ny rahalahiny ny lehilahy iray ka hiteny hoe: ‘Fantaro Yaveh!’ Fa izy rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra amin'izy ireo ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia hahafantatra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamela ny helok'izy ireo Aho ary tsy hahatsiaro ny fahotan'izy ireo intsony.”
\v 35 Izao no lazain'i Yaveh—Yaveh, no Ilay mampibaliaka ny masoandro amin'ny andro ary mandamina ny volana sy ireo kintana hamiratra ny alina. Izy Ilay mampihetsika ny ranomasina mba hierona ny onjan'izany. Yaveh Tompon'ny maro no anarany. Izao no lazainy:
\v 36 “Raha mba manjavona eto imasoko ireo zavatra maharitra ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hitsahatra mandrakizay tsy ho firenena eo anatrehako ny taranak'Israely.”
\v 37 Izao no lazain'i Yaveh: “Raha mba azo refesina ny lanitra avo indrindra, ary raha mba hita ny fanambanin'ny tany, dia hanary ireo taranak'Israely rehetra noho izay rehetra nataony Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.”
\v 38 “Indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanamboarana indray ny tanàna ho Ahy, manomboka ao amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatrany amin'ny Vavahady An-jorony.
\v 40 Ny lohasahan'ireo faty sy lavenona manontolo, ary ny faritry ny saha rehetra mivoaka mankany amin'ny Lohasahan'i Kidrona ka hatrany lavitra any amin'ireo zoron'ny Vavahadin-tsoavaly any atsinanana, dia ho atokana ho an'i Yaveh. Tsy hongotana ny tanàna na ho ravàna indray, mandrakizay.”
\v 1 Tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'i Yaveh tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekiah mpanjakan'i Joda, ny faha valo ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara.
\v 2 Tamin'izany fotoana izany, dia nanao fahirano an'i Jerosalema ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary i Jeremia mpaminany dia nogadraina tao amin'ny kianjan'ny fiambenana tao an-tranon'ny mpanjakan'i Joda.
\v 4 Tsy handositra ny tanan'ireo Kaldeana i Zedekia mpanjakan'i Joda, ary azo antoka fa homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona izy. Ny vavany dia hiteny amin'ny vavan'ny mpanjaka, ireo masony hahita ny mason'ny mpanjaka.
\v 5 Haka an'i Zedekia ho any Babylona izy, ary hijanona any izy ambara-piraharahako aminy—Izany no fanambaran'i Yaveh. Na hiady hanohitra ireo Kaldeana aza ianareo, dia tsy hahomby ianareo.”
\v 8 Ary, araka ny nambaran'i Yaveh, Hanamela, zanaka lahin'ny dadatoako, nanatona ahy tao amin'ny kianjan'ny fiambenana, araka ny nolazainy tamiko hoe: “Vidio ny sahako izay any Anatota ao amin'ny tanin'i Benjamina, fa anao ny zo handova izany, ary ny zo hividy dia anao. Vidio ho an'ny tenanao izany. ‘Ary fantatro fa tenin'i Yaveh izany.
\v 9 Ka novidiko ny saha tao Anatota avy amin'i Hanamela, zanaka lahin'ny dadatoako, nolanjaiko ho azy ny volafotsy, fito ambin'ny folo sekely no lanjany.
\v 10 Dia nanoratra horonan-taratasy ary nanisy tombo-kase izany aho, ary nanana vavolombelona nijoro vavolombelona ny amin'izany aho. Ary nandanja ny volafotsy amin'ny fandanjana aho.
\v 11 Dia naka ny raharaham-barotra voatombo-kase aho, manaraka ny didy sy ireo lalàna, mbamin'ny raharaha tsy voatombo-kase.
\v 12 Nanome ny horonan-taratasy voatombo-kase an'i Baroka zanaka lahin'i Neria zanaka lahin'i Mahaseia teo anoloan'i Hanamela aho, zanaka lahin'ny dadatoako, sy ireo vavolombelona izay nanoratra ny horonan-taratasy voatombokase, ary teo anoloan'ireo Jiosy izay nipetraka tao an-kianjan'ny fiambenana.
\v 17 “Loza, ry Tompo Yaveh! Indro! Ianao irery no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny alalan'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nisandratra. Tsy misy zavatra izay teneninao ka sarotra taminao koa ny nanao azy.
\v 18 Nampiseho fanekena mahatoky tamin'ny arivony Ianao ary mamaly ny fahadison'ireo olona tamin'ireo zanany taorian'izy ireo. Ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery; Yaveh Tompon'ny maro no anaranao.
\v 19 Lehibe amin'ny fahendrena Ianao ary mahery amin'ireo asa. Fa misokatra amin'ny lalanan'ny vahoaka rehetra ny masonao, mba hanome ny olona tsirairay izay mendrikan'ny fitondran-tenany sy ny asany.
\v 20 Nanao famantarana sy fahagagana maro tao amin'ny tanin'ny Egypta Ianao. Amin'izao fotoana izao ao Israely ary eo amin'ny olombelona rehetra, dia nampalaza ny anaranao Ianao.
\v 21 Fa nitondra ny Israely vahoakanao hivoaka ny tany Egypta Ianao miaraka amin'ireo famantarana sy fahagagana, miaraka amin'ny tana-mahery, sy miaraka sandry mitsangana, ary miaraka amin'ny fampitahorana lehibe.
\v 22 Dia nomenao azy ireo ity tany ity—Izay nianianao tamin'ireo razambeny fa homena azy ireo—dia tany tondran-dronono sy tantely.
\v 23 Ka niditra izy ireo ary naka izany ho fananana. Fa tsy nihaino ny feonao izy ireo na niaina tao anatin'ny fankatoavana ny lalànao. Tsy nanao na inona na inona amin'izay nandidinao azy ireo ho atao izy ireo, noho izany dia nitondra loza teo amin'izy ireo Ianao.
\v 24 Indro! Ireo tovon-tany dia tafiakatra teny amin'ny tanàna hisambotra izany. Fa nohon'ny sabatra, mosary, ary ny areti-mandringana, dia natolotra ho eo an-tanan'ny Kaldeana izay miady aminy ny tanàna. Fa izay noteneninao hitranga dia mitranga, ary indro, mijery ianao.
\v 25 Ary dia hoy ianao tamiko: “Mividiana saha ho an'ny tenanao amin'ny volafotsy ary manàna vavolombelona hijoro vavolombelona ny amin'izany, na dia handeha homena ho eo an-tanan'ireo Kaldeana aza ity tanàna ity.
\v 30 Fa ny vahoakan'Israely sy ny Joda dia vahoaka izay nanao ratsy teo imasoko tokoa hatramin'ny fahatanorany. Fa efa nanafintohina Ahy tamin'ny alalan'ny fanaon'ireo tanany tokoa ny vahoakan'Israely—Izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 31 Nambaran'i Yaveh fa ity tanàna ity hatramin'ny andro nanorenan'izy ireo azy dia fihantsiana ny fahatezerany sy ny fahavinirany. Dia izany ihany izy mandrak'ankehitriny. Noho izany dia hoesoriko tsy ho eo anoloan'ny tavako izany
\v 32 noho ireo haratsian'ny vahoakan'Israely sy Joda, ireo zavatra nataon'izy ireo hiantsiana Ahy—izy ireo, ireo mpanjakany, andriany, mpisorony, mpaminaniny, sy ireo olona rehetra ao Joda ary ny mponin'i Jerosalema.
\v 33 Manome lamosina Ahy izy ireo fa tsy mba ny tavany, na dia nampianatra azy ireo tamim-tsitram-po aza Aho. Niezaka nampianatra azy ireo Aho, fa tsy nisy na iray amin'izy ireo aza ka nihaino mba handray fanintsiana.
\v 34 Nametraka ireo sampy mahatsiravina tao an-tranoko izay nantsoina tamin'ny anarako izy ireo, mba handoto izany.
\v 35 Nanorina toerana avo ho an'i Bala tao amin'ny loasahan'i Bena Hinoma izy ireo mba handorana ireo zanany lahy sy zanany vavy ho an'i Molesa. Tsy nandidy azy ireo Aho. Tsy tao an-tsaiko mihintsy hoe hanao izany zavatra maharikoriko izany izy ireo ary dia nampanota an'i Joda.
\v 42 Fa Yaveh miteny izao: “Tahaka ny nitondrako izao loza rehetra izao eo amin'ireto vahoaka ireto, dia toy izany koa no hitondrako ny zava-tsoa rehetra amin'izy ireo izay nolazaiko fa ho ataoko amin'izy ireo.
\v 43 Ary hisy saha hovidiana amin'ity tany ity, izay lazainareo hoe: “Tany simba ity, izay tsy misy na olona na biby. Efa nomena teo an-tanan'ireo Kaldeana ity.”
\v 44 Hividy saha amin'ny volafotsy izy ireo ary hanoratra amin'ny horonan-taratasy voatombo-kase. Hamory vavolombelona ao amin'ny tanin'i Benjamina izy ireo, ny manodidina an'i Jerosalema rehetra sy ireo tanànan'i Joda, any amin'ireo tanàna any amin'ny tany havoana sy ireo tany lemaka amorony, ary ao an-tanan'i Negeva. Fa hamerina ireo harenany Aho—Izany no fanambaran'i Yaveh.”’
\v 4 Fa Yaveh, Andriamanitry ny Israely, milaza izao mahakasika ny trano eto amin'ity tanàna ity sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda izay noravana nohon'ny fiakaran'ny fahirano sy ny sabatra,
\v 9 Fa ity tanàna ity dia ho tonga zavatra mahafaly ahy, hira fiderana sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra eto amin'ny tany izay haheno ny zavatra tsara rehetra izay ho ataoko ho an'izany. Dia hatahotra sy hangovitra izy ireo noho ny zavatra tsara rehetra sy fiadanana izay homeko izany.’
\v 10 Izao no lazain'i Yaveh, ‘Eto amin'ity toerana ity izay lazainao ankehitriny hoe: “Lao izany, toerana izay tsy misy na olona na biby,” eny amin'ireo tanànan'i Joda, ary eo amin'ireo lalan'i Jerosalema izay lao tsy misy olona na biby, dia ho re indray
\v 11 ny feon'ny fifaliana sy ny feon'ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ireo izay milaza, rehefa mitondra fanatitra fisaorana ao an-tranon'i Yaveh,” Misaora an'i Yaveh Tompon'ny maro, fa tsara i Yaveh, ary ny fitiavany tsy mety levona haharitra mandrakizay!” Fa Izaho hamerina ny harenan'ilay tany toy ny teo aloha,’ hoy Yaveh
\v 15 Amin'izany andro sy fotoana izany dia hampaniry rantsana marina ho an'i Davida Aho, ary hanatanteraka ny rariny sy fahamarinana eo amin'ilay tany izy.
\v 16 Amin'izany andro izany dia ho vonjena i Joda, ary i Jerosalema hiaina am-pilaminana, fa izany no hiantsoana azy, “Yaveh no fahamarinantsika.”
\v 17 Fa izao no nolazain'i Yaveh: ‘Ny olona avy amin'ny taranak'i Davida dia tsy ho ory zanaka lahy na ovina na ovina hipetraka eo amin'y seza fiadrianan'ny ankohonan'ny Israely,
\v 18 na olona avy amin'ny Levita mpisorona dia tsy ho tsy ampy eo anatrehako mba hanangana fanatitra dorana, handoro fanatitra hohanina, ary hanatanteraka fanatitra vary amin'ny fotoana rehetra.”’
\v 24 “Tsy nosaininao ve izay nambaran'io vahoaka io rehefa niteny izy ireo hoe: ‘Ireo fianakaviana roa izay nofidian'i Yaveh ireo ankehitriny dia nolaviny izy ireny?’ Amin'izany no anaovan'izy ireo tsinotsinona ny oloko, lazain'izy ireo fa tsy firenena eo imasony intsony izy ireo.
\v 25 Izaho, Yaveh, no milaza izao, ‘Raha tsy nanorina ny fanekena mahatoky amin'ny andro sy amin'ny alina Aho, ary raha tsy nametraka lalàna ho an'ny lanitra sy ny tany,
\v 26 dia nandà ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko Aho, ary tsy nitondra ho azy ireo olona hanapaka manerana ny taranak'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Fa hamerina ireo hareny ary haneho famindram-po amin'izy ireo Aho.’”
\v 2 ‘Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: Mandehana ary miresaha amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ary lazao aminy hoe: “Yaveh dia milaza izao: Indro, hanome ity tanàna ity ho eo ampelan-tanan'ny mpanjakan'i Babylona Aho. Ho dorany izany.
\v 3 Tsy ho afaka eo an-tanany ianao, satria ho voasambotra tokoa ianao ary hatolotra eo an-tanany. Hijery ny mason'ny mpanjakan'i Babylona ny masonao; hiresaka mivantana aminao izy raha mankany Babylona ianao.’
\v 4 Henoy ny tenin'i Yaveh, ry Zedekia mpanjakan'i Joda! Yaveh dia milaza izao mahakasika anao: ‘Tsy ho faty amin'ny sabatra ianao.
\v 5 Ho faty am-piadanana ianao. Toy ny fandoroana tamin'ny fandevenana an'ireo razambenao, ireo mpanjaka talohanao, dia ho doran'izy ireo ny vatanao. Hiteny izy ireo hoe: “Loza, ry tompoko!” Hisaona anao izy ireo. Ankehitriny efa niteny Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.”
\v 7 Niady tamin'i Jerosalema sy ireo tanàna sisan'i Joda ny tafiky ny mpanjakan'i Babylona: Lakisy sy Azeka. Ireo tanànan'i Joda ireo dia nitoetra ho tanàna mimanda.
\v 8 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh taorian'ny nanaovan'i Zedekia mpanjaka fanekena tamin'ny olona rehetra tao Jerosalema, mba hanambara fahafahana amin'izy ireo
\v 9 fa ny olona tsirairay dia tsy maintsy manafaka ireo andevony Hebreo, na lahy na vavy, mba tsy hisy hanandevo ny Jiosy, izay rahalahiny.
\v 10 Noho izany ireo mpitarika rehetra sy ny olona dia niditra tamin'ilay fanekana fa ny olona tsirairay avy dia hanafaka ny andevony lahy sy ny andevony vavy mba tsy ho handevozina intsony izy ireo. Nankatoa izy ireo ary nanafaka azy ireo.
\v 11 Fa taorian'ity dia niova ny eritreritr'izy ireo. Naverin'izy ireo ny andevo izay nafahan'izy ireo. Noteren'izy ireo ho lasa andevo indray izy ireo
\v 13 “Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: ‘Izaho dia nanao fanekena tamin'ireo razambenareo tamin'ny andro izay nitondrako azy ireo hivoaka ny tany Egypta, hivoaka ny tranon'ny fanandevozana. Izany dia tamin'Izaho niteny hoe:
\v 14 “Isakin'ny faran'ny fito taona ny olona tsirairay, dia tsy maintsy mandefa ny rahalahiny, ny Hebreo namany izay nivarotra ny tenany taminao sy nanompo anao nandritry ny enin-taona. Avelao andeha an-kalalahana izy.” Fa ireo razambenareo dia tsy nihaino Ahy na nanongilan-tsofina tamiko.
\v 18 Avy eo dia hifampiraharaha amin'ny olona izay nandrava ny fanekeko Aho, izay tsy nitandrina ireo tenin'ny fanekena izay napetraka teo anoloako rehefa nizara ombilahy ho roa izy ireo ary nandeha teo anelanelan'izany,
\v 19 ary avy eo ireo mpitarikan'i Joda sy Jerosalema, ireo tandapa sy mpisorona, ary ny olona rehetra tao amin'ilay tany dia nandeha teo anelanelan'ilay ombilahy efa voatetika.
\v 20 Ho atolotro eo an-tanan'ireo fahavalony izy ireo sy ho eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ain'izy ireo. Ho sakafo ho an'ny voron'ny habakabaka sy ireo bibidian'ny tany ny vatan'izy ireo.
\v 21 Noho izany dia ho atolotro eo an-tanan'ireo fahavalony sy eo en-tanan'ireo izay nikatsaka ny ain'izy ireo, sy eo an-tanan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona izay nitsangana hanohitra anareo i Zedekia mpanjakan'i Joda sy ireo mpitariny.
\v 6 Saingy hoy izy ireo hoe: “Tsy hisotro divay izahay, satria ny razambenay, i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, no nandidy anay hoe: “Aza misotro divay mandrakizay, na ianareo na ny taranakareo.
\v 7 Aza manangana trano, mamafy voa, na mamboly tanim-boaloboka ihany koa; tsy ho anareo izany. Fa ianareo dia tsy maintsy hipetraka anaty lay mandritry ny andronareo rehetra, mba hipetrahanareo ela eo amin'ilay tany izay itoeranareo toy ny vahiny.’
\v 11 Saingy rehefa nanafika ilay tany i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia hoy izahay hoe: ‘Avia, tsy maintsy ho any Jerosalema isika mba handositra ireo tafiky ny Kaldeana sy Syriana.’ Koa nipetraka tao Jerosalema izahay.”
\v 2 “Mangalà horonan-taratasy iray ho anao ary soraty ao amin'izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko anao mahakasika an'Israely sy Joda, ary ny firenena rehetra. Ataovy izany ho an'ny zava-drehetra efa nolazaiko nanomboka tamin'ny andron'i Josia ka hatramin'ity andro ity.
\v 3 Angamba hihaino ny loza rehetra izay kasaiko entina eo amin'izy ireo ny mponin'i Joda. Angamba hivily amin'ny lalan-dratsiny ihany ny olona rehetra, ka dia afaka hamela ny helony sy ny fahotan'izy ireo Aho.”
\v 7 Angamba ho tonga eo anatrehan'i Yaveh ihany ny fitalahoan'izy ireo famindram-po. Angamba hiala amin'ny lalan-dratsiny ihany ny olona tsirairay, satria mafy ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay efa nambaran'i Yaveh tamin'ireo vahoakany ireo.”
\v 21 Ary nirahin'ny mpanjaka haka ny horonan-taratasy i Jehody. Nalain'i Jehody tao amin'ny efitr'i Eliasama mpitan-tsoratra izany. Avy eo dia novakiany teo an-tsofin'ny mpanjaka sy ireo manam-pahefana rehetra izay nitsangana teo anilany izany.
\v 22 Nipetraka tao amin'ny tranon-dririnina ny mpanjaka tamin'ny volana faha sivy, ary nisy fatana nirehitra teo anoloany.
\v 23 Ary rehefa namaky tsanganana telo na efatra i Jehody, dia notapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsy izany ka natsipiny tao anaty afo tao am-patana mandra-pahalevon'ny horonan-taratasy rehetra.
\v 24 Nefa tsy nampitahotra na ny mpanjaka na ireo mpanompony izay nandre ireo teny rehetra ireo, na nandrovitra ny ankanjony izy ireo.
\v 25 Nandrara ny mpanjaka mba tsy handoro ny horonan-taratasy i Elnatana, Delaia, ary Gemaria, fa tsy nihaino azy ireo izy.
\v 26 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremela havany, Seraia zanaka lahin'i Azriela, ary Selemia zanaka lahin'i Abdela mba hisambotra an'i Baroka mpanora-dalàna, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin'i Yaveh izy ireo.
\v 28 “Miverena, mangalà horonan-taratasy iray hafa ho anao, ary soraty ao amin'izany ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy voalohany, dia ilay efa nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda.
\v 29 Ary tsy maintsy lazainao amin'i Joiakima mpanjakan'i Joda izao: “Nodoranao ity taratasy ity, izay milaza hoe: ‘Nahoana ianao no nanoratra teo amin'izany, ‘Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity, fa haringany na ny olona na ny biby ao amin'izany'?”’”
\v 30 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh ny mahakasika anao, ry Joiakima mpanjakan'i Joda: “Tsy hisy intsony amin'ireo taranakao hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida. Raha ny aminao, ny fatinao dia hariana eny amin'ny hain'andro sy eny amin'ny fanalan'ny alina.
\v 31 Fa ho faiziko ianao, ny taranakao, ary ireo mpanomponao nohon'ny helokareo rehetra. Ho entiko eo aminao, eo amin'ny mponin'i Jerosalema rehetra, ary eo amin'ny olon'i Joda rehetra ny loza rehetra izay efa nandrahonako anareo, nefa tsy notandremanareo akory.”
\v 1 Ary i Zedekia zanaka lahin'i Josia dia nanjaka tamin'ny toeran'i Jekonia zanak'i Joiakima. Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona no nanao an'i Zedekia ho mpanjaka teo amin'ny tanin'i Joda.
\v 2 Fa i Zedekia, ireo mpanompony, sy ny vahoakan'ny tany dia tsy nihaino ireo tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeremia mpaminany.
\v 5 Tonga avy tany Egypta ny tafik'i Farao, ary ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema dia nahare ny vaovao momba azy ireo ka niala tao Jerosalema.
\v 10 Na dia efa naharesy ireo tafiky ny Kaldeana manontolo izay niady taminareo aza ianareo mba ho ireo lehilahiny maratra ihany no havela ao amin'ireo lainy, fa hiarina izy ireo ary handoro ity tanàna ity.”
\v 11 Ka tamin'ny nandaozan'ny tafikin'ny Kaldeana an'i Jerosalema no nahatongavan'ny tafik'i Farao,
\v 12 dia nivoaka tao Jerosalema i Jeremia mba ho any amin'ny tanin'i Benjamina. Fa nikasa ny haka ny ampahany amin'ilay tany teo amin'ny vahoakany tao izy.
\v 18 Dia hoy i Jeremia tamin'i Zedekia Mpanjaka: “Ahoana no nanotako taminao, ireo mpanomponao, na ity vahoaka ity ka dia nametrahanao ahy tany an-tranomaizina?
\v 20 Fa ankehitriny mihainoa, ry mpanjaka tompoko! Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitalahoako. Aza averina any an-tranon'i Jonatana mpanora-dalàna aho, fa ho faty any aho.”
\v 2 “Yaveh nilaza izao: Izay rehetra mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana. Fa izay rehetra mandeha mankany amin'ireo Kaldeana dia ho velona. Hanavotra ny ainy izy, ary ho velona.
\v 3 Izao no lazain'Yaveh: Ity tanàna ity dia ho atolotra eo an-tanan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary hisambotra izany izy.”
\v 6 Ary nalain'izy ireo i Jeremia ka natsipiny tao amin'ny famorian-dranon'i Malkia, zanaky lahin'ny mpanjaka. Tao ankianjan'ny mpiambina ilay famorian-drano. Nampidinin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin'ny famorian-drano, fa namotaka izany, ka niletika tao amin'ny fotaka izy.
\v 7 Ary Ebeda-Meleka Kosita dia iray tamin'ireo tandapa tao amin'ny tranon'ny mpanjaka. Henony fa nataon'izy ireo tao anaty famorian-drano i Jeremia. Ary nipetraka teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina ny mpanjaka.
\v 8 Koa nandeha avy tao amin'ny tranon'ny mpanjaka i Ebeda-Meleka ary niresaka taminy. Hoy izy:
\v 12 Hoy i Ebeda-Meleka Kosita tamin'i Jeremia: “Ataovy eo ambanin'ny sandrinao sy eo amin'ny lohan'ny tady ny lamba rovitra sy ny vordamba.” Ka nataon'i Jeremia izany.
\v 13 Dia nosintomin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Izany no fomba namoahan'izy ireo azy tao amin'ny famorian-drano. Ka nijanona teo teo amin'ny tokotanin'ny mpiambina i Jeremia.
\v 17 Ka hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: “Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely nilaza izao: “Raha miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao dia ho velona, ary tsy ho may ity tanàna ity. Ho velona ianao sy ny ankohonanao.
\v 18 Fa raha tsy miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, dia ho atolotra eo an-tanan'ireo Kaldeana ity tanàna ity. Ho doran'izy ireo izany, ary tsy ho afa-mandositra eo an-tanan'izy ireo ianao.”
\v 20 Hoy i Jeremia: “Izy ireo dia tsy hanolotra anao eo amin'izy ireo. Ankatoavy ny hafatr'i Yaveh izay lazaiko anao, mba handeha tsara ny zava-drehetra ho anao, ary mba ho velona ianao.
\v 23 Fa ho entina hiala eo amin'ireo Kaldeana ny vady aman-janakao rehetra, ary ny tenanao dia tsy ho afaka hitsoaka eny an-tanan'izy ireo. Ho voasambotry ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, ary ity tanàna ity dia ho may.”
\v 16 “Miresaha amin'i Ebeda-Meleka Kosita ary ataovy hoe: ‘Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: Indro, efa hanatanteraka ny teniko nanohitra ity tanàna ity ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Fa ho tanteraka eo anoloanareo avokoa ireo amin'izany andro izany.
\v 4 Fa indro ankehitriny, manafaka anao amin'ny rojo izay eny an-tananao aho anio. Raha sitrakao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia andao, ary hikarakara anao aho. Fa raha tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia aza atao izany. Jereo ny tany rehetra manoloana anao. Ka mandehana amin'izay tsara izay mety eo imasona.”
\v 5 Rehefa tsy namaly Jeremia, dia hoy Nebozaradana hoe: “Mandehana any amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana, izay nampiandraiketin'ny mpanjakan'i Babylona ny tanànan'i Joda. Miaraha mipetraka aminy eo amin'ireo vahoaka na mandehana any amin'izay sitrakao andehanana.” Nanome sakafo sy fanomezana ho azy ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, ary avy eo dia nandefa azy.
\v 9 Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia nanao fianianana tamin'izy ireo sy ny olony ary nanao tamin'izy ireo hoe: “Aza matahotra ny hanompo ny manam-pahefan'ny Kaldeana. Mitoera eo amin'ilay tany ka tompoy ny mpanjakan'i Babylona, ary hahita soa ianareo.
\v 10 Indro, honina any Mizpa aho mba hihaona amin'ireo Kaldeana izay tonga teto amintsika. Koa mamokara divay, voka-pahavaratra, sy diloilo ary tehirizo ao amin'ny fitehirizanareo ireo. Mitoera amin'ny tanàna izay efa nisy anareo.”
\v 11 Ary ny Jiodeana rehetra tany Moaba, teo amin'ireo vahoakan'i Amona, sy ny tao Edoma, ary izay tao amin'ny tany rehetra dia nandre fa namela ny Joda sisa tavela hijanona ny mpanjakan'i Babylona, izay nanendreny an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana teo amin'izy ireo.
\v 12 Koa dia niverina avy tany amin'ny toerana izay nanaparitahany avy ny Jodeana rehetra, ho any Gedalia tany Mizpa. Namokatra divay sy voka-pahavaratra maro dia maro izy ireo.
\v 5 Ny sasany tamin'ireo olona dia tonga avy any Sekema, avy any Silo, ary avy any Samaria—olona valopolo izay nanarata ny volombavany, nandriatra ny ankajony, ary nandidy ny tenany—niaraka tamin'ny fanatitra hoanina sy emboka manitra teny an-tanan'izy ireo mba handehanana ao amin'ny tranon'i Yaveh.
\v 1 Dia nanatona an'i Jeremia mpaminany ny mpifehy tafika rehetra sy i Johanana zanaka lahin'i Karea, Jazania zanaka lahin'i Hosaia, sy ny vahoaka rehetra nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.
\v 5 Hoy izy ireo tamin'i Jeremia hoe: “Yaveh anie ho vavolombelona marina sy tsy mivadika ho antsika raha tsy manao izay rehetra lazain'i Yaveh Andriamanitrao ho ataonay izahay.”
\v 6 Na ho tsara na ho ratsy izany, dia hankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray izahay, izay hanirahanay anao, mba hahasoa anay rehefa mankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray izahay.”
\v 9 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely—izay nanirahanareo ahy mba ahafahako mametraka ny talahonareo eo anatrehany—manao hoe:
\v 10 “Raha miverina sy mitoetra eto amin'ity tany ity ianareo, dia hanarina anareo Aho fa tsy hamotika anareo; hamboly anareo Aho fa tsy hanongotra anareo, fa hanala ny loza izay efa nentiko teo aminareo Aho.
\v 16 dia hanenjika anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo. Hanaraka anareo any ny mosary izay ahianareo, ka ho faty any ianareo.
\v 17 Ary ny lehilahy rehetra izay niainga ho any Egypta mba hitoetra any dia ho fatin'ny sabatra, mosary, na areti-mandringana. Tsy hisy sisa velona izy ireo, tsy hisy ho afa-mandositra ny fahavoazana izay entiko izy ireo.
\v 18 Fa milaza izao Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, hoe: “Toy ny firotsaky ny fahatezerako sy ny fahavinirako teo amin'ny mponin'i Jerosalema, dia tahaka izany koa ny fomba hirotsahan'ny fahatezerako aminareo raha mandeha any Egypta ianareo. Ho tonga zava-panozonana sy horohoro ianareo, zavatra hitenenana ozona, ary zavatra tsy mendrika, ka tsy ho hitanareo intsony izao toerana izao.’”
\v 19 Dia hoy i Jeremia hoe: “Yaveh dia efa niteny mahakasika anareo—ianareo izay sisan'i Joda. Aza mandeha any Egypta! Fantatrareo tokoa fa efa vavolombelonareo Aho androany.
\v 20 Fa namitaka mafy ny tenanareo ianareo rehefa nandefa ahy ho any amin'i Yaveh Andriamanitrareo ka niteny hoe: ‘Mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitsika ho anay. Izay rehetra lazain'Andriamanitra, dia ambarao anay, ary dia ho tanterahinay izany.’
\v 21 Fa efa notateriko taminareo androany, nefa ianareo tsy mba nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo na tamin'ny zavatra momba izay nanirahany ahy ho aminareo.
\v 2 Azaria zanaka lahin'i Hosaia, Johanana zanaka lahin'i Karea, ary ny olona miavonavona rehetra dia niteny tamin'i Jeremia hoe: “Milaza lainga ianao. Yaveh Andriamanitray dia tsy naniraka anao hilaza hoe: ‘Aza mandeha mitoetra any Egypta.’
\v 3 Fa i Baroka zanaka lahin'i Neria dia niantsy anao hanohitra anay mba hanafaka anay eo an-tanan'ireo Kaldeana, satria ianao no mahatonga ny fahafatesanay ary manao anay ho babo any Babylona.”
\v 11 Fa ho avy izy ary hanafika ny tanin'i Egypta. Izay voatendry ho faty dia ho atolotra ho vonoina. Izay voatendry ho babo dia hotratra babo. Izay voatendry ho amin'ny sabatra dia homena ny sabatra.
\v 6 Koa niraraka ny fahavinirako sy ny fahatezerako ary nandrehitra afo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Koa nanjary faharavana sy fahapotehana, tahaka ny amin'izao andro anio izao ireo.”
\v 8 Tamin'ny faharatsianareo no nanafintohinanareo Ahy noho ireo asan'nny tananareo, tamin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa tany amin'ny tany Egypta, izay nandehananareo hitoerana. Nandeha tany ianareo mba ho potehina, mba hanozonana sy hanalana baraka anareo eo amin'ireo firenen'ny tany rehetra.
\v 9 Moa ve adinonareo ny faharatsiana nataon'ireo razambenareo sy ny faharatsiana nataon'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo vadiny? Moa ve adinonareo ny ratsy nataonareo sy ny vadinareo tany amin'ny tanin'ny Joda sy ireo lalamben'i Jerosalema?
\v 10 Mandrak'androany, dia tsy mbola nanetry tena izy ireo. Tsy manaja ny lalàko na ireo didiko izay napetrako teo anoloan'izy ireo sy ny razambeny izy ireo, na mandeha amin'ireny.”
\v 12 Fa halaiko ny tavela amin'ny Joda izay navoaka handeha ho any amin'ny tany Egypta mba hitoetra any. Hataoko izany mba hahafatesan'izy rehetra any amin'ny tany Egypta. Ho lavon'ny sabatra sy mosary izy ireo. Manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra dia ho fatin-tsabatra sy mosary. Ho faty izy ireo ary ho tonga zavatra fianianana, fanozonana, fandatsana, ary zavatra mampihorohoro.
\v 13 Fa hanafay ny olona monina ao amin'ny tany Egypta tahaka ny nanafaizako an'i Jerosalema tamin'ny tsabatra, mosary, ary aretin-mandringana Aho.
\v 14 Tsy hisy ho tafatsoaka na ho velona ireo sisan'ny Joda izay andeha mba hitoetra any ao amin'ny tany Egypta no ho tafaverina ao amin'ny tanin'i Joda, na dia te hiverina sy hitoetra any aza izy ireo. Tsy misy ho tafaverina izy ireo, afa-tsy izay vitsy handositra hiala eto.”
\v 15 Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa ny vadin'izy ireo, sy ny vehivavy rehetra izay tao amin'ny fiangonana lehibe, ary ny olona rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta tany Patrosa dia namaly an'i Jeremia.
\v 17 Fa ho ataonay avokoa ny zavatra rehetra izay nolazainay fa ho ataonay—dia handoro ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary handraraka fanatitra sotroina ho azy tahaka ny nataonay, ireo razambenay, ireo mpanjakanay, ary ireo mpitarikay tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Dia ho voky sakafo izahay ka ho ambinina, no sady tsy hiharan-doza.
\v 21 “Moa ve tsy tsaroan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra izay nodoranareo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema—ianareo sy ireo razambenareo, ireo mpanjakanareo sy ireo mpitarika, ary ny mponin'ny tany rehetra? Fa efa nahatsiaro izany Yaveh; tonga tao an'eritreriny izany.
\v 27 Indro, miambina azy ireo ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Ny olon'i Joda rehetra ao amin'ny tany Egypta dia ho fatin-tsabatra sy mosary mandra-pahatapitra azy rehetra.
\v 28 Ary ireo tsy matin-tsabatra dia hiverina avy ao amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ny vitsy an'isa amin'izy ireo ihany. Koa ny tavela tamin'ny Joda rehetra izay nandeha tany amin'ny tany Egypta mba honina any dia hahafantatra hoe ny tenin'iza no ho tanteraka: ny ahy sa ny azy ireo.
\v 29 Izao no ho famantarana ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hanohitra anareo ao amin'izany toerana izany Aho, mba ahafantaranareo fa hamely anareo amin'ny loza tokoa ny teniko.’
\v 30 Izao no lazain'i Yaveh: ‘Indro, efa hanolotra an'i Farao-Hofra mpanjakan'i Egypta eo an-tanan'ireo fahavalony sy eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy Aho. Izany dia ho tahaka izay nanolorako an'i Zedekia mpanjakan'ny Joda teo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ilay fahavalony izay nifofo ny ainy.”
\v 4 Izao no tsy maintsy lazainao aminy: ‘Yaveh dia milaza izao: Indro ho simbaiko izay nahoriko. Hongotako izay namboleko—ho ataoko manerana ny tany rehetra izany.
\v 5 Fa moa ve ianao manantena zavatra lehibe ho an'ny tenanao? Aza manantena an'izany. Fa indro, loza no ho avy amin'ny olombelona rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa homeko anao ho toy ireo halatrao eny amin'izay rehetra ho alehanao eny ny fiainanao.’”
\v 4 Apetraho eo ambonin'ny soavaly ireo fiadiana; miakara eo ambonin'ny soavaly ary raiso ny tsangananao miaraka amin'ny aro-loha eo amboniny; ranito ny lefonao ary apetraho eo amin'ny akanjo fiarovanao.
\v 12 Nandre ny fahafaham-barakanao ireo firenena. Feno ny fitomanianao ny tany, fa nifandona tamin'ny miaramila iray ny miaramila iray; niara-lavo izy roa ireo.”
\v 14 “Ambarao ao Egypta, ary ambarao ao Migdola, Memfisa, ary Tapanesa izany. ‘Raiso ny toeranao ary homano ny tenanao, fa handrapaka ireo manodidina anao ny sabatra.’
\v 18 Raha mbola velona koa Aho—nanambara ny Mpanjaka, izay ny anarany dia i Yaveh tompon'ny maro—dia hisy olona iray izay ho tonga tahaka ny Tendrombohitra Tabara sy Tendrombohitra Karmela amoron'ny ranomasina.
\v 19 Omano ny entana ho entinareo any an-tsesitany, ianareo izay mipetraka any Egypta. Fa ho foana i Memfisa, handry amin'ny faharavana izy ary tsy hisy na iza na iza hipetraka any.
\v 23 Hanapaka ny ala izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—na dia mikitroka tokoa aza izany. Fa ho maro noho ireo valala ireo fahavalo, tsy tambo isaina.
\v 26 Ho atolotra eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy izy ireo, ary eo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo mpanompony. Aorian'izany dia tsy ho azo hipetrahana tahaka ny tamin'ny andro taloha i Egypta—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 27 Fa ianao, ry Jakoba mpanompoko, dia aza matahotra. Aza raiki-tahotra, ry Israely, fa indro, hamerina anao avy lavitra Aho, ary ny zanakao avy any amin'ny tany naha-babo azy ireo. Dia hiverina i Jakoba avy eo, hahita fiadanana, ary ho voaaro, ka tsy hisy na iza na iza hampihorohoro azy.
\v 2 Yaveh dia milaza izao: “Indro, miakatra ny tondra-drano any avaratra. Ho toy ny renirano manafotra izany! Ary hanafotra ilay tany sy ny zavatra rehetra ao amin'izany izy ireo, ireo tanànany sy ireo mponiny izany! Noho izany ny olona rehetra dia hihiaka fanampiana, ary hitomany ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany.
\v 4 Fa avy ny andro izay handravana an'ireo Filistina rehetra, mba handringanana ao Tyro sy Sidona ny sisa velona rehetra izay te-hanampy an'izy ireo. Fa Yaveh dia mandrava an'ireo Filistina, ireo izay sisa avy amin'ny nosy Kaftora.
\v 5 Ho avy amin'i Gaza ny fahasolana. Raha ny amin'i Askelona, dia ho hampanginina ny olona izay tavela ao amin'ny lohasahany. Mandra-pahoviana no handidinareo ny tenanareo amin'ny fisaonana?
\v 7 Ahoana no ahafahanao mangina, fa Yaveh no efa nandidy anao. Niantso anao hanafika an'i Askelona sy hanohitra ireo sisin-tany manaraka ny ranomasina Izy.”
\v 1 Ho an'i Moaba, Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely dia milaza izao: “Loza ho an'i Nebo, fa efa rava izany. Nosamborina i Kiriataima ary nalaim-baraka. Potika sy afa-baraka ny fiarovany mafy.
\v 7 Fa noho ny fahatokianao ireo fombanao sy ny harenao, no hisamborana anao koa. Ary i Kemosy dia handeha ho amin'ny fahababoana, miaraka amin'ireo mpisorony sy ireo mpitariny.
\v 8 Fa ho avy eny amin'ny tanàna rehetra ny mpandrava; tsy misy tanàna ho afa-mandositra. Ka ho levona ny lohasaha ary ho rava ny lemaka, araka ny nolazain'i Yaveh.
\v 15 Ho rava i Moaba ary hotafihana ireo tanànany. Fa ireo tovolahiny tsara indrindra dia efa nampidinina any amin'ny toeran'ny famonoana. Izany ny fanambaran'ny mpanjaka! Yaveh Tompon'ny maro no anarany.
\v 27 Fa tsy Israely ve no lasa antom-piomehezana ho anao? Tsy hita teo amin'ireo mpangalatra ve izy, ka nanozongozonanao ny lohanao taminy tahaka ny nitenenanao ny momba azy matetika?
\v 32 Hitomany ho anao mihoatra noho izay nataoko ho an'i Jazera Aho, ry voalobok'i Sibma! Manavatsava ny Ranomasina Masira ny rantsanao ary mahatratra hatrany Jazera. Nanafika ny voan'ny fahavaratrao sy ny divainao ireo mpandrava.
\v 33 Ka dia nesorina lavitry ny hazo fihinam-boa sy ny tanin'i Moaba ny fankalazana sy ny hafaliana. Nanatsahatra ny famoloan-divain'izy ireo Aho. Tsy hanitsaka ny hiakiam-pifaliana izy ireo. Ny hiakiaka rehetra dia tsy ho hiakiam-pifaliana.
\v 34 Avy any Hesbona ka hatrany Elale ireo hiakiaka, re any Jahaza ny feon'izy ireo, hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Elgata-selisia, fa na hatramin'ny ranon'i Nimrima aza dia maina.
\v 35 Fa hamarana ireo izay manao sorona eo amin'ny toerana avo sy mandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamaniny ao Moaba Aho_izany ny fanambaran'i Yaveh.
\v 36 Ka mitomany an'i Moaba tahaka ny sodina ny foko. Mitomany tahaka ny sodina ho an'ny olona ao Kira-haresa ny foko. Lasa ireo harena izay azon'izy ireo.
\v 37 Fa sola ny loha rehetra ary niharatra ny volom-bava rehetra. Amin'ny tanana rehetra ireo ratra, ary manodidina ireo valahan'izy ireo ny lamba fisaonana.
\v 38 Misy fisaonana na aiza na aiza, dia eny amin'ny tapela-tafotrano sy eny amin'ireo toerana malalak'i Moaba. Fa nopotehako tahaka ny vilany izay tsy misy mpitia i Moaba—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 39 Endrey ny nanorotoroana izany! Endrey midradradradra amin'ny tomaniny izy ireo! Mampiodina ny lamosiny ho amin'ny henatra i Moaba! Ka ho tonga antom-pihomehezana sy fampihorohoroana ho an'ireo rehetra izay manodidina azy i Moaba.”
\v 41 Voasamboatra i Keriota, ary babo ireo fiarovany mafy. Fa amin'izany fotoana izany dia ho tonga tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza ny fon'ireo miaramilan'i Moaba.
\v 44 Izay mandositra noho ny fampihorohoroana dia hilatsaka ao anaty lavaka, ary ireo izay mihanika ny lavaka dia ho tratran'ny fandrika, fa hitondra izany eo amin'izy ireo Aho amin'ny taonan'ny valifatiko amin'izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 45 Izay mandositra dia hijoro tsy manan-kery eo amin'ny alok'i Hesbona, fa hivoaka avy ao Hesbona ny afo, ny lelan'afo avy eo afovoan'i Sihona. Handevona ny handrin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny olona mpirehareha izany.
\v 1 Raha ny momban'ny vahoakan'i Amona, izao no ambaran'i Yaveh: “tsy manan-janaka ve ny Israely? Moa tsy misy olona iray handova na inona na inona any Israely ve? Nahoana Malkana no hibodo an'i Gada, ary ny vahoakany honina any amin'ny tanànany?
\f + \ft Fanamarihana: raha toa ka “Malkana", ny dikan-teny vaovao sasany manao hoe “ny mpanjakany" \f*
\v 2 Koa indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hampaneno ny feo famantarana ho an'ny ady hanohitra an'i Raba eo amin'ny vahoakan'i Amona Aho, koa ho tonga atontan-paharavana izany ary ny zana-bohitrany dia ho dorana amin'ny afo. Fa Israely hanana ireo izay tsy nananany,” Hoy Yaveh.
\v 3 “Midradradradrà amin'ny fitarainana, ry Hesbona, fa ho rava i Ay! Mihikià, ry zanaka vavin'i Raba! Manaova lamba fisaonana. Manaova fitarainana ary mihazakazaha fahatany, fa i Malkana dia ho lasan-ko babo, miaraka amin'ireo mpisorony sy mpitarikany rehetra.
\v 4 Nahoana ianao no mirehareha amin'ireo lohasahanao, ireo lohasahanao izay tena mahavokatra be, ry zanaka vavy tsy manam-pinoana? Ianao izay mitoky amin'ny harenao ka manao hoe, ‘Iza no ho avy hanohitra ahy?’
\v 7 Ny amin'i Edoma, izao no ambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: “tsy misy fahendrena intsony ve hita ao Temana? Nisy toro-hevitra tsara ve avy amin'ireo izay nanana fahazavan-tsaina? Niha-simba ve ny fahendren'izy ireo?
\v 8 Mandosira! miverena! mitoera any an-davaky ny tany, ry mponin'i Dedana. Fa mitondra ny lozan'i Esao eo aminy Aho amin'ny fotoana izay hamaizako azy.
\v 12 Fa izao no fanambaran'i Yaveh: “Indro, ireo izay tsy mendrika izany dia tokony hisotro amin'ny kapoaka tokoa. Mieritreritra ve ny tenanao fa handeha tsy ho saziana ianao? tsia, satria hisotro tokoa ianao.
\v 13 Fa efa nianiana tamin'ny tenako Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Bozra dia ho lasa horohoro, ho fahafaham-baraka, hampalahelo be, ary ho zavatra fanozonana. Ny tanàna rehetra ho tonga faharavana mandrakizay.
\v 16 Raha ny fahatahorana anao, dia namitaka anao ny avonavon'ny fonao, ry mponina eny amin'ny toeran'ny hantsana, ianao izay nibahana ny havoana ambony indrindra mba hanaovanao ny akaninao ho ambony toy ny an'ny voromahery. Ho ampidiniko avy eny ianao—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 17 Ho horohoro ho an'izay mandalo eny amin'izany i Edoma. Ny olona rehetra toy izany dia hangovitra ary hisiotsioka noho ny amin'ireo loza rehetra ireo.
\v 19 Indro, hiakatra toy ny liona avy any amin'ny alan'i Jordana izy ho any amin'ireo tanin'ahi-maitso. Fa ho ampandosiriko haingana amin'izany i Edoma, ary hametraka olona izay handray an-tanana izany aho. Fa iza no toa ahy, ary iza no hiantso ahy? Mpiandry ondry iza no afaka hanohitra ahy?”
\v 22 Indro, misy olona hanafika toy ny voromahery, ka hidina ary hamelatra ny elany eo amin'i Bozra. Ary amin'izany andro izany, ny fon'ireo miaramilan'i Edoma dia ho tonga toy ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.”
\v 23 Ny amin'i Damaskosy: “Ho menatra i Hamata sy Arpada, fa nahare ny vaovao momba ny loza izy ireo. Ketraka izy ireo! hangovitra noho ny ranomasina izy ireo, izay tsy mety tony.
\v 26 Noho izany dia ho lavo eo amin'ny toerany ireo tovolahy, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia ho faty amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro.”
\v 3 Hitsangana hamely azy ny firenena avy any avaratra, mba hahatonga ny taniny ho faharavana. Tsy misy, na olona na biby, hiaina ao amin'izany. Handositra izy ireo.
\v 9 Fa indro, efa an-dalam-pametrahana ny hetsika sy hanangana ny vondron'ireo firenena lehibe avy any avaratra hamely an'i Babylona Aho. Hifandamina hanohitra azy izy ireo. Ho samborina avy any i Babylona. Ho tahaka ny mpiady mahay izay tsy miverina tanam-polo ny zana-tsipìkan'izy ireo.
\v 12 Ka ho afa-baraka tokoa ny reninareo; izay niteraka anareo dia ho menatra. Indro, ho kely indrindra amin'ireo firenena izy, ho tany efitra, tany maina, ary tany hay.
\v 13 Nohon'ny fahatezeran'i Yaveh, dia tsy honenana intsony, fa ho faharavana tanteraka i Babylona. Ny olona rehetra izay mandalo dia hangovitra noho i Babylona ary hisiotsioka nohon'ny feriny rehetra.
\v 16 Aringano ny mpamboly izay mamafy ny voa sy izay mampiasa ny antsy fijinjana amin'ny fotoam-pijinjana ao Babylona. Aoka hiverina avy any amin'ny sabatry ny mpampahory ho any amin'ny vahoakany ny olona tsirairay; aoka izy ireo hiverina any amin'ny taniny.
\v 18 Noho izany izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely: “Indro, efa manafay ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny Aho, tahaka ny namaizako ny mpanjakan'i Asyria.
\v 20 Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy i Yaveh, ho tadiavina ao Israely ny heloka, nefa tsy hahita. Hanontany ny momban'ny fahotan'i Joda Aho, nefa tsy hahita, fa hamela heloka ny sisa tavela izay namindrako fo Aho.”
\v 25 Efa nanokatra ny fitoeran'ny fitaovam-piadiany i Yaveh ary nentiny mivoaka ireo fitaovam-piadiana ho fanehoany ny fahatezerany. Misy asa ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tanin'ny Kaldeana.
\v 27 Vonoy ny ombilahiny rehetra. Ampidino any amin'ny toerana famonoana ireo. Loza ho azy ireo, fa efa tonga ny androny—dia ny fotoana famaizana azy ireo.
\v 28 Injany ny feon'ny fandosiran'izy ireo, dia ireo sisa tsy maty, avy tany amin'ny tany Babylona. Izy ireo no hitatitra ny valifatin'i Yaveh Andriamanitsika ho an'i Ziona, sy valifaty ho an'ny tempoliny.”
\v 30 Ka dia ho lavo eny amin'ny zoron-tanàna ireo tovolahiny, ary ho ringana ireo lehilahy mpiadiny rehetra amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh.”
\v 31 “Indro, mamely anao Aho, ry mpirehareha—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—fa efa tonga ny andronao, ry mpirehareha, dia ny fotoana izay hamaizako anao.
\v 32 Ka ho tafintohina sy ho lavo ireo mpirehareha. Tsy hisy hanangana azy ireo. Handrehitra afo eo amin'ireo tanànan'izy ireo Aho; handevona ny zava-drehetra manodidina azy izany.
\v 36 Tonga hamely ireo izay manao tenin-tsikidy ny sabatra, mba hitonon-tena ho toy ny adala izy ireo. Tonga hamely ireo miaramilany ny sabatra, ka dia ho feno tahotra izy ireo.
\v 37 Tonga hamely ireo soavaliny, ireo kalesiny ary ireo olona rehetra izay ao afovoan'i Babylona ny sabatra ka dia ho tonga tahaka ny vehivavy izy ireo. Tonga hamely ireo trano fitehirizany ny sabatra, ka ho voaroba izy ireo.
\v 38 Ho tonga eo amin'ireo ranony ny hain-tany, ka dia ho maina ireo. Fa tanin'ireo sampy tsy misy ilàna azy izy, ary miasa tahaka ny olona noverezin-tsain'ireo sampiny mahatsiravina izy ireo.
\v 39 Ka ireo bibin'ny tany efitra miaraka amin'ireo ambodia no honina any, ary ny aostrisy tanora no hitoetra ao aminy. Fa amin'ny fotoana rehetra, dia tsy honenana intsony izy. Hatramin'ny taranaka fara mandimby, dia tsy honenana ao aminy.
\v 44 Indro! Miakatra tahaka ny liona avy any ambonin'ny Jordana ho any amin'ny fitoeram-bilona maharitra izy. Fa ho ataoko mandositra faingana ao amin'izany izy ireo, ary hametraka olona voafidy hiandraikitra izany Aho. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hiantso Ahy? Mpiandry ondry tahaka ny ahoana no ahatohitra Ahy?
\v 5 Fa Israely sy Joda dia tsy nafoin'ny Andriamaniny, Yaveh Tompon'ny maro, na dia feno ireo fandikan-dalàna manohitra ny Masin'Israely aza ny taniny.
\v 6 Mandosira amin'ny afovoan'i Babylona. Aoka ny olona tsirairay samy hanavotra ny tenany. Aoka tsy ho ringana ao anatin'ny helony. Fa izao no fotoana hanaovan'Yaveh valifaty. Honerany ho azy ny rehetra amin'izany.
\v 9 ‘Naniry ny hahasitrana an'i Babylona izahay, fa tsy sitrana izy. Aoka isika rehetra handao azy sy handeha lavitr, ho any amin'ny tanintsika. Fa mahatakatra lanitra ny helony; misavovona hatreny amin'ireo rahona izany.
\v 16 Rehefa mitrerona Izy, dia misy rano mierona any an-danitra, Fa mitondra ny zavona avy any am-paran'ny tany izy. Manao tselatra ho an'ny orana Izy ary mamoaka ireo tafio-drivotra ao amin'ireo trano fitehirizany.
\v 19 Fa Andriamanitra, ilay anjaran'i Jakoba, dia tsy mba tahaka izany, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely no fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany.
\v 22 Ianao no hanorotoroko ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay avy; Ianao no hanorotoroko ny antitra sy ny tanora. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo zatovo lahy sy ireo virjiny vavy.
\v 23 Miaraka aminao no hanorotoroko ireo mpiandry ondry sy ireo ondry aman'osiny. Miaraka aminao no hanorotoroko ny mpiasa tany sy ireo tariny. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo governora sy ireo manam-pahefana.
\v 24 Fa eo imasonao no hamaliko an'i Babylona sy ireo mponin'i Kaldea nohon'ny amin'ireo haratsiana rehetra izay nataon'izy ireo tao Ziona—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 29 Fa hihorohoro sy ho ao anaty hirifiry ny tany, satria nitohy ny fikasan'i Yaveh hanohitra an'i Babylona, mba hahatonga ny tanin'i Babylona ho tany ngazana izay tsy misy mponina.
\v 31 Ny mpitondra hafatra mihazakazaka mba hanambara hafatra any amin'ny mpitondra hafatra iray hafa, ary ny mpihazakazaka iray miteny amin'ny mpihazakazaka iray hafa mba hitatitra any amin'ny mpanjakan'i Babylona fa ity tanàna ity dia efa voasambotra hatrany farany.
\v 33 Fa Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, no miteny izao: tahaka ny famoloana ny zanaka vavin'ny Babylona. Fotoana hanosena azy izao. Ho avy aminy anaty fotoana fohy ny fotoam-pijinjana.
\v 35 Izay monina ao Ziona hiteny hoe: “Aoka ny herisetra natao ahy sy tamin'ny nofoko ho amin'i Babylona.” Ary hoy Jerosalema hoe: “Aoka ny rako ho amin'ireo mponin'i Kaldea.”
\v 36 Koa izao no lazain'i Yaveh: “Handeha hisolo vava anao Aho ary hitondra valifaty ho anao. Fa ho ritiko ny ranon'i Babylona ary hanamaina ny loharanony Aho.
\v 39 fihinanambe ho azy ireo Aho, hamamoiko izy ireo ka ho faly ary dia hatory anaty torimaso tsy mety tapitra ka tsy hifoha intsony—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 44 Ka ho faiziko ao Babylona i Bela; ho entiko hivoaka ny vavany izay nateliny ary ireo firenena dia tsy hikoriana aminy miaraka amin'ireo fanatitr'izy ireo. Hirodana ny mandan'i Babylona.
\v 46 Aza avela ho menatra ny fonareo na hatahotra ny vaovao izay heno ao amin'ilay tany, fa ho avy amin'ny taona iray ireo vaovao. Aorian'izany amin'ny taona manaraka ihany koa dia hisy vaovao, ary ny herisetra dia ho ao amin'ny tany. Mpanapaka hanohitra mpanapaka.
\v 48 Ary ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra ao amin'izy ireo dia hifaly amin'ny Babylona. Fa ho avy aminy avy any avaratra ny mpandringana—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 51 Menatra izahay, fa naheno ireo teny maloto; nandrakotra ny tavanay ny fanamelohana, fa niditra tao amin'ireo fitoerana Masin'ny tranon'i Yaveh ireo vahiny.
\v 53 Fa na dia miakatra eny amin'ny lanitra aza i Babylona na manamafy ireo fiarovany mafy avo indrindra aza izy, dia ho avy aminy ireo mpandringana avy amiko—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 61 Niteny tamin'i Seraia i Jeremia hoe: “Rehefa mankany Babylona ianao, dia hahita sy hamaky mafy ireo teny ireo.
\v 62 Dia hiteny ianao hoe: “Yaveh, Ianao mihintsy no nanambara fa ho ravainao ity toerana ity, ary tsy hisy olona na biby hiaina ao aminy, ary ho rava mandrakizay izy.
\v 1 Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka; nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Hamotala no anaran-dreniny; izy dia zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna.
\v 6 Tamin'ny volana fahefatra, tamin'ny andro fahasivy tamin'izany taona izany, dia nirongatra tao an-tanàna ny mosary fa tsy nisy sakafo ho an'ny mponin'ny tany.
\v 7 Ary dia rava ny tanàna, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia nirifatra nandositra sy nivoaka ny tanàna ny alina teo amin'ny vavahady izay teo anelanelan'ny rindrina anankiroa, teo akaikin'ny zaridain'ny mpanjaka, na dia nanodidina ny tanàna aza ny Kaldeana. Dia nizotra nankany Araba izy ireo.
\v 12 Ary tamin'ny volana fahadimy, tamin'ny andro fahafolon'ny volana, izay fahasivy ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara mpanjaka, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana. Izy no mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka ary mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona.
\v 13 Nandoro ny tranon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ireo tranon'i Jerosalema rehetra izy; ary nodorany ihany koa ny trano lehibe manan-danja rehetra.
\v 14 Raha ny amin'ireo manda manodidina an'i Jerosalema, dia efa namotika azy ireo ny tafiky ny Babyloniana rehetra izay niaraka tamin'ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka.
\v 15 Raha ny amin'ireo olona mahantra indrindra, ireo olona sisa tavela tao an-tanàna, ireo izay efa nandositra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo sisa tamin'ireo mpanao asa tanana_dia nataon'i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka ho babo ny sasany tamin'izy ireo.
\v 16 Fa i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, namela ny sasany tamin'ireo mahantra indrindra an'ilay tany mba hiasa ireo tanim-boaloboka sy ireo saha.
\v 21 Ireo andry dia samy valo ambin'ny folo hakiho avokoa ny haavony, ary ny tsipika manodidina azy ireo dia nirefy roa ambin'ny folo hakiho. Samy fanondro efatra ny hateviny ary samy poakat.
\v 22 Kapitaly varahina no teo an-tendron'izany. Dimy hakiho no haavon'ilay kapitaly, miaraka amin'ny harato sy ampongabendanitra manodidina azy. Vita tamin'ny varahina daholo izany. Ilay andry iray hafa sy ny ampongabendaniny dia mitovy amin'ilay iray voalohany ihany.
\v 23 Koa dia ampongabendanitra enina amby sivi-folo noho izany no teo ankilan'ilay kapitaly, ary ampongabendanitra zato no teo ambonin'ilay harato manodidina.
\v 24 Ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka dia nisambotra an'i Seraia, ilay mpisoronabe, niaraka tamin'i Zefania, ilay mpisorona faharoa, ary ireo mpiandry vavahady telo.
\v 25 Tao an-tanàna no nisamborany manam-pahefana iray izay nisahana ireo miaramila, sy lehilahy fito tamin'ireo izay nanolo-tsaina ny mpanjaka, izay mbola tao an-tanàna. Nisambotra ny manamboninahitry ny tafiky ny mpanjaka izay mpandrafitra ny tafika, miaraka tamin'ireo olona manan-kaja enimpolo avy amin'ny tany izay tao an-tanàna ihany koa izy.
\v 26 Ary dia nalain'i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka izy ireo ary nentiny tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla.
\v 27 Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla tany amin'ny tanin'i Hamata izy ireo. Tamin'izany fomba izany, no nitondrana ny Joda ho babo niala tao amin'ny taniny.