\v 7 Ireo ony rehetra mikoriana any an-dranomasina, fa ny ranomasina tsy mba mety feno. Any amin'izay toerana handehanan'ireo ony, no handehanan'izany indray.
\v 8 Lasa mandreraka ny zavatra rehetra, ary tsy misy afaka manazava izany. Ny maso tsy afa-po amin'izay hitany, na ny sofina tanteraka amin'izay reny.
\v 17 Koa nampiasa ny foko aho mba hahalala fahendrena sy fahaverezan-tsaina ary hadalana ihany koa. Tonga aho mba hahatakatra fa fikasàna ny hanohitra ny rivotra ihany koa izany.
\v 18 Fa amin'ny fitobahan'ny fahendrena no mampisy fahoriana be, ary izay mampitombo fahalalana dia mampitombo alahelo.
\v 10 Na inona na inona nirian'ny masoko, dia tsy nohazoniko tamin'izy ireo. Tsy nihazona ny foko tamin'ny fahafinaretana rehetra ny aho, satria ny foko dia nifaly tamin'ny asako rehetra ary ny fahafinaretana no valisoako tamin'ny asako rehetra.
\v 11 Dia nijery ireo asa rehetra vitan'ny tanako aho, sy ireo fisasarana izay nataoko, fa ny zava-drehetra dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra indray. Tsy nisy tombon-tsoa tamin'izany tety ambanin'ny masoandro.
\v 12 Avy eo dia nitodika aho mba hihevitra ny fahendrena, ary koa ny fahaverezan-tsaina sy ny fahadalana. Fa inona no azon'ny mpanjaka ho avy handimby ny mpanjaka atao, izay tsy mbola tanteraka?
\v 13 Dia nanomboka nihanazava ny saiko fa ny fahendrena dia ahazoana tombony kokoa noho ny fahadalana, tahaka ny fahazavana tsara kokoa noho ny aizina.
\v 14 Ny olon-kendry dia mampiasa ny masony eo amin'ny lohany mba hijerena ny lalan-kalehany, fa ny adala dia mandeha amin'ny maizina, na dia fantatro aza fa lahatra mitovy ihany no ho an'ny olon-drehetra.
\v 15 Dia hoy aho tao am-poko hoe: “Izay manjo ny adala, dia hanjo ahy ihany koa. Koa inona no maha-samihafa izany raha ho tena hendry aho?” Dia nofeheziko tao am-poko hoe: “Ity koa dia entona fotsiny ihany.”
\v 16 Fa ny olon-kendry, tahaka ny adala, dia tsy ho tsaroina ela akory. Ho avy ny andro izay hanadinoina ny zava-drehetra. Ny olon-kendry dia maty tahaka ny mahafaty ny adala.
\v 17 Ka dia nankahala ny fiainana aho satria ireo asa rehetra izay vita teo ambany masoandro dia ratsy tamiko. Izany dia satria ny zava-drehetra dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra.
\v 18 Halako avokoa ireo fisasarako rehetra izay niasako teny ambany masoandro satria dia tsy maintsy mamela ireny any aoriana ho an'izay lehilahy ho avy manaraka ahy aho.
\v 19 Fa iza no mahalala na ho olo-kendry izy na ho adala? Nefa izy dia ho tompo eran'ny zava-drehetra ambany masoandro izay natsangan'ny fisasarako sy ny fahendreko. Entona ihany koa izany.
\v 21 Fa mety misy ny olona izay misasatra amin'ny fahendrena, amin'ny fahalalana, ary amin'ny fahaiza-manao, fa havelany ho an'ny lehilahy izay tsy nanao na iray tamin'ireo aza ny zava-drehetra hananany. Izany koa dia entona sy loza lehibe.
\v 22 Fa inona no tombon-tsoa azon'ny olona izay miasa mafy sy miezaka manao amin'ny fony ireo asany eo ambany masoandro?
\v 23 Isan'andro dia maharary sady mampiady saina ny asany, ka dia tsy mahita fitsaharana ny fanahiny amin'ny alina. Izany koa dia entona.
\v 24 Tsy misy zavatra tsara amin'ny olona mihoatran'ny hoe mihinana sy misotro fotsiny ary afa-po amin'izay tsara amin'ny asany. Dia nahita aho fa avy amin'ny tanan'Andriamanitra izany marina izany.
\v 25 Fa iza no afaka hihinana na iza no afaka hanana fahafinaretana isan-karazany ankoatry ny avy amin'Andriamanitra?
\v 26 Fa izay mahafaly Azy, dia homen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana ary fifaliana. Kanefa, ny mpanota dia omeny ny asa fanangonana sy fitehirizana mba hahafahany manome izany ho an'ny olona izay mahafaly an'Andriamanitra. Izany koa dia anisan'ny entona sy fikasana hanohitra ny rivotra.
\v 16 Efa nahita ny faharatsiana izay ety ambany masoandro aho, izay tokony hisy ny rariny, ary eo amin'ny toeran'ny fahamarinana, dia ny faharatsiana no tao.
\v 19 Fa amin'izy ireo dia sahala ny manjo ny zanak'olombelona sy ny manjo ny biby. Ny fahafatesan'ny iray dia tahaka ny fahafatesan'ny iray hafa. Mitovy ny fofon'ain'izy rehetra. Tsy misy tombony ho an'ny olombelona eo amin'ny biby. Fa moa ve tsy fofon'aina fotsiny ihany ny zava-drehetra?
\v 20 Ny zava-drehetra dia samy mizotra amin'ny toerana iray. Ny zava-drehetra dia avy amin'ny vovoka, ary ny zava-drehetra dia hody vovoka.
\v 22 Ka dia tsapako indray fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly amin'ny asany, fa izany no asa nanendrena azy. Iza no afaka hitondra azy miverina mba hijery izay mitranga aoriany?
\v 1 Nandinika indray mandeha momban'ny fahoriana rehetra izay vita teo ambany masoandro aho. Ary indro, ny ranomason'ny olona nampahoriana, ary izy ireo dia tsy nanana na iza na iza mba hampionona azy! Teo an-tanan'ny mpampahory azy ireo ny hery, ary tsy nisy na iray aza hampionona azy ireo!
\v 4 Ary itako fa ny asa tsirairay sy ny fahaiza-manao tsirairay dia lasa fitsiriritan'ny mpiara-monina hafa. Izany ihany koa dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra.
\v 8 Misy ny karazan-dehilahy izay mitoetra irery. Tsy manana na iza na iza izy, na zanaka lahy na rahalahy. Tsy misy fiafarana ny asany, ary ny masony tsy mba afa-po amin'ny harena azo. Nanontany tena izy hoe: “Ho amin'iza no hiasako mafy ary handàvan'ny tenako ny fifaliana?” Zava-poana ihany koa izany, toe-javatra ratsy.
\v 10 Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina ny namany ilay iray hafa. Kanefa, ny alahelo dia manaraka ilay iray izay irery rehefa lavo izy ka tsy misy na iray aza manarina azy.
\v 13 Tsara kokoa ny mahantra fa tanora hendry toy izay mpanjaka antitra adala izay tsy mahafantatra intsony ny fomba ihainoana fampitandremana.
\v 14 Marina izany na dia lasa mpanjaka aza ny tovolahy iray avy any am-ponja, na dia mbola nateraka hahantra ao amin'ny fanjakany aza izy.
\v 15 Kanefa, izaho dia nahita ny olona rehetra izay velona sy mandeha ambanin'ny masoandro mandefa ny tenan'izy ireo mankany amin'ny tovolahy hafa izay nitsangana tahaka ny mpanjaka.
\v 16 Tsy misy fiafarana ho an'ny olona rehetra izay maniry ny hankatò ny mpanjaka vaovao, fa aoriana kely dia maro amin'izy ireo no tsy hidera azy intsony. Entona tokoa izany toe-javatra izany ary fikasana hanohitra ny rivotra.
\v 1 Tandremo ny fitondran-tenanao rehefa mankany an-tranon'Andriamanitra ianao. Mandehana any mba hihaino. Ny mihaino dia tsara noho ny adala manolotra sorona nefa tsy mahalala fa ratsy ny ataon'izy ireo eo amin'ny fiainana.
\v 3 Raha be loatra ny zavatra ataonao sy mampiahiahy anao, dia hanofy ratsy tokoa ianao. Ny habetsak'ireo teny lazainao, no habetsaky ny fahadalana mety ho lazainao.
\v 10 Ny olona rehetra izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin'ny volafotsy, ary ny olona rehetra izay tia harena dia mitady mihoatra lalandava. Izany, ihany koa, dia entona.
\v 14 Raha very amin'ny vintan-dratsy ny haren'ny olona mpanan-karena, ny zanany lahy, ilay naterany, dia tavela tsy manana na inona na inona eo an-tanany.
\v 15 Tahaka ny olona teraka nitanjaka avy ao an-kibon-dreniny, dia mitanjaka toy izany ihany koa no hialany amin'ity fiainana ity. Tsy afaka hitondra na inona na inona eny an-tanany avy amin'ny asany izy.
\v 16 Ny ratsy mahory hafa dia tahaka ny olona tonga tokoa, koa toy izany koa no tsy maintsy handehanany. Koa inona ny tombony azon'ny olona amin'ny fiasana ho an'ny rivotra?
\v 18 Indro, izay efa hitako ho tsara sy mety dia ny mihinana sy misotro ary mankafy ny tombony avy amin'ny asantsika rehetra, raha miasa ambanin'ny masoandro mandritry ity androm-piainana izay efa nomen'Andriamanitra antsika ity. Fa izany no anjaran'ny olona.
\v 19 Ny olona izay nomen'Andriamanitra fananana sy harena ary fahaizana mba handray ny anjarany ka hifaly amin'ny asany—fanomezana avy amin'Andriamanitra izany.
\v 3 Raha misy lehilahy manana zanaka an-jatony sy miaina taona maro, mba ho maro ny andron'ireo taonany, fa raha tsy afa-po amin'ny tsara ny fony ary tsy alevina am-boninahitra izy, dia hoy aho hoe ny zaza maty teo am-pahaterahana dia tsara kokoa noho izy.
\v 4 Na dia teraka amin'ny zava-poana aza ny zaza tahaka izany ary maty ao amin'ny haizina, ary mitoetra ho fanafina ny anarany.
\v 5 Na dia tsy mahita ny masoandro aza io zaza io na tsy mahafantatra na inona na inona, dia manana fitsaharana mihoatra noho izany lehilahy izany izy.
\v 6 Na dia tokony hiaina roa arivo taona aza ny olona nefa tsy mianatra mankafy ireo zavatra tsara, dia mandeha any amin'ny toerana mitovy toy ny olona hafa rehetra izy.
\v 8 Eny tokoa, inona no tombon-tsoa ananan'ny olon-kendry amin'ny adala? Inona no tombon-tsoa ananan'ny mahantra na dia mahafantatra ny fomba fihetsika manoloana ny olona hafa aza izy?
\v 10 Izay rehetra nisy dia efa nomena ny anarany, ary efa fantatra hoe toy ny inona ny olombelona. Noho izany dia lasa tsy misy dikany ny mifamaly amin'izay mpitsara maherin'ny rehetra.
\v 12 Fa iza no mahafantatra izay tsara ho an'ny olona eo amin'ny fiainany mandalo, andro voaisa izay hiainany toy ny aloka? Iza no afaka milaza amin'ny olona ny amin'izay ho avy eny ambany masoandro rehefa avy mandalo izy?
\v 2 Tsara kokoa ny mandeha any amin'ny trano fisaonana noho ny any amin'ny trano firavoravoana, satria ny fisaonana dia tonga amin'ny olona rehetra amin'ny faran'ny fiainana, ka tokony raisin'ny olona velona am-po izany.
\v 11 Ny fahendrena dia tsara noho ireo zavatra manan-danja izay nolovaintsika avy tamin'ireo razambetsika. Izany dia mitondra tombon-tsoa ho an'ireo izay mahita ny masoandro.
\v 12 Fa ny fahendrena dia mitondra fiarovana toy ny vola izay afaka mitondra fiarovana, saingy ny tombon-tsoan'ny fahalalana dia ny hoe manome fiainana ho an'izay manana azy ny fahendrena.
\v 14 Rehefa tsara ny andro, dia miainà amim-pifaliana amin'izany hatsarana izany, fa rehefa ratsy ny andro, dia saino ny momba ity: Andriamanitra dia efa namela azy roa hiaraka. Noho izany antony izany, dia tsy misy mahita ny zavatra rehetra izay mitranga aoriany.
\v 15 Efa nahita zavatra maro aho nandritr'ireo andro keliko. Misy ireo olo-marina izay levona na dia eo aza ny fahamarinan'izy ireo, ary misy ireo olona ratsy fanahy izay ela velona na dia eo aza ny haratsian'izy ireo.
\v 25 Nanova ny foko mba hianatra sy handinika ary hitady ny fahendrena sy ireo fanazavana ny zava-misy aho, ary hahatakatra fa adala ny ratsy ary ny hadalana dia fahaverezan-tsaina.
\v 26 Hitako fa mangidy kokoa noho ny fahafatesana ny vehivavy izay feno fandrika sy harato ny fony, ary misy rojo vy ny tanany. Na iza na iza mankasitraka an'Andriamanitra dia ho afaka aminy, fa ireo mpanota kosa ho lasany.
\v 1 Iza no olon-kendry? Iza no mahalala ny dikan'ireo zava-miseho eo amin'ny fiainana? Ny fahendrena eo amin'ny olona dia mahatonga ny tavany ho miramirana, ary miova ny hamafin'ny tavany.
\v 5 Na iza na iza mitandrina ireo didin'ny mpanjaka dia misoroka hatezerana. Ny fon'olon-kendry dia manaiky ny lalana iombonana sy ny fotoanan'ny fihetsehana.
\v 10 Ka hitako ny ratsy fanahy nalevina am-pahibemaso. Nalaina tamin'ny faritra masina izy ireo ka nalevina ary noderain'ireo mponina tao amin'ny tanàna izay nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny. Izany koa dia tsy misy dikany.
\v 11 Raha tsy tanteraka faingana ny didim-pitsarana hanohitra ny heloka bevava ratsy, dia mitaona ireo fon'olombelona hanao ratsy izany.
\v 12 Na dia manao ratsy in-jato aza ny mpanota ary mbola velona mandritry ny fotoana maharitra, dia fantatro fa tsara ho an'ireo izay manaja an'Andriamanitra, izay manome voninahitra ny fanatrehany miaraka amin'izy ireo izany.
\v 13 Fa tsy ho tsara ho an'ny olona ratsy fanahy izany; tsy haharitra ny fiainany. Ireo androny dia toy ny aloka mihelina satria tsy manome voninahitra an'Andriamanitra izy.
\v 16 Raha nanefy ny foko hahalala ny fahendrena aho sy hahafantatra ny asa izay atao eto ambonin'ny tany, dia vita tsy amin-torimaso amin'ny alina na amin'ny atoandro matetika ny asa,
\v 17 dia nandinika ireo asan'Andriamanitra rehetra aho, ary ny olona dia tsy afaka ny hahatakatra ny asa izay vita teto ambanin'ny masoandro. Na ahoana na ahoana ny hamaroan'ny asan'ny olona mba hahita ireo valiny, dia tsy hahita izany izy ireo. Na izany aza ny olon-kendry dia mety hino fa mahalala izy, nefa tsy dia tena mahalala akory.
\v 1 Fa nieritreritra ny momba izany rehetra izany tato an-tsaiko aho mba hahatakarako momban'ny olo-marina sy ny olon-kendry ary ireo asan'izy ireo. Eo am-pelatanan'Andriamanitra avokoa izy rehetra. Tsy misy na iza na iza mahalala na ho fitiavana na ho fankahalana no ho avy amin'ny olona iray.
\f + \ft Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany amin'izao fotoana izao dia mandika ny dikan-teny taloha izay manao hoe “ny tsara sy ny ratsy.” Feno tanteraka ny fehezanteny, amin'izany. Ireo mpandika teny dia mety hanapa-kevitra ny haka tahaka ireo. \f* ny madio sy ny maloto, ary izay manao sorona sy izay tsy manao sorona. Ho faty ny olo-marina, dia ho tahaka izany ihany koa ny mpanota. Ho faty izay mianiana, dia ho tahaka izany ihany koa ny olona izay matahotra manao fianianana.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taty aoriana dia manao hoe: “Fa inona no tsara? Ho an'ny velona rehetra, dia izao no azo antoka: ny amboa velona dia tsara kokoa noho ny liona maty.” \f*
\v 5 Fa ny olombelona dia mahafantatra fa ho faty izy ireo, fa ny maty tsy mahafantatra na inona na inona. Tsy manana valisoa intsony izy ireo, satria efa adino ny fahatsiarovana azy ireo.
\v 10 Na inona na inona hitan'ny tananao atao, dia hiasao amin'ny herinao izany satria tsy misy asa na fanazavana na fahalalana na fahendrena any amin'ny Fiainan-tsy hita, izay handehananao.
\v 11 Efa nahita zavatra sasantsasany mahaliana teo ambany masoandro aho: Ny hazakazaka dia tsy an'ny olona haingam-pandeha. Ny ady dia tsy an'ny olona matanjaka. Ny mofo dia tsy an'ny olon-kendry. Ny harena dia tsy an'ny olon'ny fahazavan-tsaina. Ny sitraka dia tsy an'ny olon'ny fahalalana. Fa kosa, ny fotoana sy ny vintana dia miantraika amin'izy rehetra.
\v 12 Fa tsy misy na iza na iza mahafantatra ny fotoana hahafatesany, tahaka ny hazan-drano izay tratra ao amin'ny haraton'ny fahafatesana, na tahaka ny vorona izay azon'ny fandrika. Tahaka ireo biby, ny olombelona dia gadra ao amin'ny fotoan-dratsy izay tonga tampoka amin'izy ireo.
\v 16 Ka feheziko amin'ny hoe: “Tsara kokoa ny fahendrena noho ny tanjaka, kanefa natao tsinontsinona ny fahendren'ilay olo-mahantra, ary tsy re ireo teniny.”
\v 1 Toy ireo fatin-dalitra izay mahamaimbo ny zava-manitra, dia toy izany koa no ahafahan'ny fahadalana kely mandresy ny fahendrena sy ny fankatoavana.
\v 8 Izay rehetra mihady lavaka dia mety hianjera ao amin'izany, ary na oviana na oviana misy olona mandrodana manda dia mety ho kaikerin'ny bibilava izy.
\v 10 Raha dombo ny lelan'ny vy, ary ny olona tsy mandranitra izany, dia tsy maintsy mampiasa ny heriny bebe kokoa izy, fa ny fahendrena dia manome tombony ho amin'ny fahombiazana.
\v 13 Tahaka ny teny manomboka mikoriana avy eo am-bavan'ny adala, no hivoahan'ny fahadalana, ary amin'ny farany ny vavany dia hikoriana fahaverezan-tsaina ratsy.
\v 17 Fa sambatra ianao, ry tany, raha ny zanaka lahin'ireo mendri-kaja no mpanjakanao, ary mihinana amin'ny fotoany ireo mpitarika anao, ho tanjaka, fa tsy ho amin'ny hamamoana!
\v 20 Aza manozona ny mpanjaka, na dia ao an-tsainao aza, ary aza manozona ny olona manan-karena ao amin'ny efitra fandrianao. Fa ny voron'ny lanitra mety hitondra ireo teninao; izay rehetra manan'elatra dia afaka manaparitaka ny raharaha.
\v 3 Raha feno ranon'orana ireo rahona, dia manafoana izany eny amin'ny tany ireny, ary raha mianjera mankany atsimo ny hazo iray na mankany avaratra, na aiza na aiza hianjeran'izany, dia eo no hitoeran'izany.
\v 6 Amboleo amin'ny maraina ireo voanao; hatramin'ny hariva, miasà amin'ireo tananao araka izay ilaina, fa tsy fantatrao izay mety hanambina, na maraina na hariva, na ity na iry, na samy ho tsara avokoa ny roa tonta.
\v 8 Raha misy olona miaina an-taonany maro, aoka izy ho faly amin'ireny rehetra ireny, nefa aoka izy hisaina ny momban'ireo andron'ny aizina ho avy, fa ho maro ireny. Ny zava-drehetra hitranga dia entona manjavona.
\v 9 Mifalia, ry zatovo, amin'ny fahatanoranao, ary aoka ny fonao ho faly amin'ny andron'ny fahatanoranao. Manaraha ny faniriana tsaran'ny fonao, sy izay rehetra eo amin'ny hitan'ny masonao. Kanefa, fantaro fa Andriamanitra hitondra anao eo amin'ny fitsarana ny amin'ireo zavatra rehetra ireo.
\v 10 Alaviro amin'ny fonao ny hatezerana, ary aza miraharaha akory ny fanaintainana eo amin'ny vatanao, satria ny hatanorana sy ny heriny dia zava-poana.
\v 3 Amin'izany fotoana izany dia mangovitra ny mpiambina ny lapa, sy manjoko ny lehilahy mahery, ary mitsahatra ny vehivavy izay mitoto satria vitsy izy ireo, ary ireo izay mitazana eo am-baravaran-kely dia tsy mahita tsara intsony.
\v 4 Amin'izany fotoana izany dia mirindrina ny varavaram-be eny amin'ny lalana, ary mijanona ny feon'ny fikosoham-bary, ho taitran'ny feom-borona ny lehilahy, ary malazo ny fihiran'ny feon'ny tovovavy.
\v 6 Tsarovy ny Mpahary anao mialohan'ny hahatapahan'ny kofehy volafotsy, na hahavaky ny lovia volamena, na hahatorotoro ny siny amin'ny lohataona, na hahatapaka ny kodian-drano eo amin'ny lava-drano,
\v 11 Ireo tenin'ny olon-kendry dia tahaka ny tsindrona. Tahaka ireo fantsika tsara lentika ireo tenin'ireo tompo ao amin'ny fanangonan' ohabolan'izy ireo, izay nampianarin'ny mpiandry ondry iray.
\v 12 Anaka, mahafantara zavatra bebe kokoa: ny fanamboarana boky maro, izay tsy misy fiafarany ary ny fianarana be dia mitondra faharerahana ho an'ny vatana.
\v 13 Efa re ny fiafaran'ny raharaha aorian'ny zava-drehetra, dia tsy maintsy matahotra an'Andriamanitra ianao ary mitandrina ireo didiny, fa izany no andraikitra manontolon'ny olombelona.