\v 7 Tohizo indray ny dianareo, ary mandehana any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita sy any amin'ireo toerana rehetra eny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny Reniranon'i Jordana, eny amin'ny tendrombohitra, eny amin'ny faritra iva, ao Negreva, sy eny amorontsiraka—eny amin'ny tany Kananita, sy any Lebanona hatrany amin'ny loharano lehibe, dia Eofrata.
\v 15 Koa dia nalaiko ireo lohany eo amin'ny fokonareo, dia ireo lehilahy hendry, sy lehilahy manan-daza tsara, ka hanao azy ireo ho lohanareo, mpifehy ny arivo, mpifehy ny zato, mpifehy ny dimam-polo, mpifehy ny folo, ary manamboninahitra, isaky ny foko.
\v 16 Nandidy ireo mpitsara anareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: ‘Henoy ny fifamaliana eo amin'ireo rahalahinareo, ary mitsarà am-pahamarinana manoloana ny olona sy ny rahalahiny, ary ireo vahiny izay miaraka aminy.
\v 17 Tsy hampiseho fitanilànana na amin'iza na iza anaty fifandirana ianareo; hihaino ireo madinika ary hihaino ireo lehibe ihany koa ianareo. Tsy hatahotra ny endriky ny olona ianareo, satria an'Andriamanitra ny fitsarana. Ny fifandirana izay sarotra ho anareo, dia ho entinareo eto amiko, ka ho renesiko izany.’
\v 19 Niala avy any Horeba isika ary nandeha nanerana ny efitra lehibe sy mampitahotra izay hitanareo, teny amin'ny lalanareo ho any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita, araky ny nandidian'i Yaveh Andriamanitsika antsika; ka tonga tao Kadesi-Barnea isika.
\v 39 Fanampin'izany, ireo zafikelinao, ireo izay nolazainao fa ho babo, izay tsy manana fahalalana ny amin'ny tsara sy ratsy ankehitriny—dia ho any izy ireo. Omeko azy ireo izany, ary ho lovainy izany.
\v 1 Ary niverina ka nanohy ny dianay nankany an'efitra mankany amin'ny Ranomasina Mena izahay, araka ny nolazain'i Yaveh tamiko; dia nandeha nihodidina ny tendrombohitra Seira nandritry ny andro maro izahay.
\v 8 Koa dia nandalo tany amin'ny tanin'ireo rahalahintsika isika, dia ny taranak'i Esao izay monina any Seira, lavitry ny lalan'i Araba, avy any Elata sy avy any Ezion-Gebera. Avy eo niverina isika ka nandalo teo amin'ny lalana mankany amin'ny tany efitr'i Moaba.
\v 18 ‘Ankehitriny ianao dia handalo an'i Ara, moron'i Moaba.
\v 19 Rehefa manakaiky ny tanin'i Amona ianao, dia aza manakorontana na mila ady amin'izy ireo; fa tsy hanome anareo ny tanin'ny vahoakan'i Amona ho fananana aho; satria efa nomeko an'ireo taranak'i Lota ho fananana izany.’”
\v 30 Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, dia tsy hamela antsika handalo eo aminy; satria Yaveh Andriamanitrao dia nanamafy ny sainy sy nanamafy ny fony, mba hahafahany mandresy azy amin'ny herinao, izay efa nataony ankehitriny.
\v 6 Noravanay tanteraka izy ireo, toy ny nataonay tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, noravaina tanteraka ireo tanàna rehetra—ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza.
\v 7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tao amin'ireo tanàna ireo kosa, dia nalainay mba ho fanananay.
\v 12 Ny tany izay nalainay ho fananana tamin'izany fotoana izany-tamin'i Aroera, izay teo amoron'ny Lohasahan'i Arnona, ny antsasaky ny havoan'ny tanànan'i Gileada, sy ireo tanànany- dia efa nomeko an'ireo Rebonita sy ireo Gedita.
\v 13 Ny Gileada sisa tavela sy Basana rehetra, ilay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny fokon'i Manase: ireo faritr'i Argoba rehetra, sy Basana rehetra. (Izany faritany izany ihany no antsoina hoe tanin'i Refaita.)
\v 14 Jaira, taranak'i Manase, dia naka ny faritr'i Argoba rehetra hatramin'i Gesorita sy Makatita. Ny faritra rehetra, eny fa na dia i Basana aza, dia nantsoiny tamin'ny anarany manokana hoe: Havota-jaira, mandraka androany.)
\v 24 “O ry Tompo Yaveh, nanomboka nampiseho ny halebiazanao sy ny tananao mahery tamin'ny mpanomponao Ianao; fa aiza any an-danitra na ety an-tany no misy andriamanitra afaka manao ireo asa toy ny efa natanao, sy ireo asa mahery tahaka izany?
\v 25 Avelao aho hita, mitalaho aminao aho, ka hahita ny tany tsara izay any an-dafin'i Jordana, ny havoana tsaran'ny tanàna, ary Lebanona ihany koa.”
\v 27 miakara any an-tampon'i Pisga ary ampijereo any andrefana, any avaratra, any atsimo, ary any antsinanana ny masonao; jereo amin'ny masonao, satria tsy hita an'i Jordana ianao.
\v 28 Fa kosa, ampianaro i Josoa ary ampaherezo sy hatanjaho izy, satria izy no handeha manoloana ny olony, ary izy no hahatonga azy ireo handova ny tany izay ho hitanao.”
\v 1 Ankehitriny, ry Israely, mihainoa ny lalàna sy ny didy izay ho ampianariko anareo, ho ataonareo; mba hahavelomanareo sy hidiranareo ka hakanareo ny tany izay homen'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razanareo anareo.
\v 2 Aoka ianareo tsy hanampy ny teny izay handidiako anareo, na hanala amin'izany, mba hitandremanareo ireo lalàn'i Yaveh Andriamanitrareo izay handidiako anareo.
\v 9 Fa mitandrema ary ambeno tsara ny tenanao, mba tsy hanadinoinao ny zavatra izay hitan'ny masonao, ary mba tsy handao ny fonao amin'ny androm-piainanao manontolo izany. Fa kosa, ampahafantaro amin'ny zanakao sy ny zafinao izany.
\v 11 Dia nanakaiky ianareo ary nijoro teo am-pototry ny tendrombohitra. Nirehitra afo nanakatra ny halalin'ny lanitra ny tendrombohitra, niaraka tamin'ny aizina, rahona, ary aizim-pito matevina.
\v 12 Niteny taminareo avy tao afovoan'ny afo Yaveh; nandre ny feo niaraka tamin'ny teny ianareo, saingy tsy nahita endrika; nandre feo fotsiny ihany ianareo.
\v 13 Nanambara taminareo ny fanekena izay nodidiany hampiharinareo Izy, dia ny Didy Folo. Nosoratany tamin'ny vato fisaka roa izany.
\v 14 Nandidy ahy hampianatra anareo ny didy sy baiko Yaveh tamin'izany fotoana izany, mba hanaovanareo izany any amin'ny tany izay hiampitanareo ka halainareo ho fananana.
\v 16 mba tsy hanimba tena ianareo ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay mety ho voahary rehetra, dia endrik'olona lahy na vavy,
\v 17 na mitovy endrika amin'izay mety ho biby rehetra eto an-tany, na mitovy endrika amin'izay mety ho biby manan'elatra ary manidina eny amin'ny habakabaka,
\v 18 na mitovy endrika amin'ny zavatra rehetra izay mandady amin'ny tany, na mitovy endrika amin'ny trondro any anaty rano ambany tany.
\v 19 Aoka ny masonao tsy hiandrandra ny lanitra ary hijery ny masoandro, ny volana, na ny kintana— ny zavatra rehetra eny amin'ny lanitra—ka ho voataona hivavaka amin'ireny sy hanompo an'ireny—ireo zavatra izay nanomezan'i Yaveh Andriamanitrao anjara ho an'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
\v 20 Fa Yaveh naka anareo ka nitondra anareo niala avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by, dia avy tany Egypta, mba ho vahoaka izay lovany manokana, tahaka anareo ankehitriny.
\v 21 Tezitra tamiko Yaveh nohon'ny aminareo; nianiana Izy fa tsy hiampita an'i Jordana aho, ary tsy hiditra ao amin'izany tany soa izany, dia ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao.
\v 22 Fa kosa, tsy maintsy ho faty eto amin'ity tany ity aho; tsy mahazo miampita an'i Jordana aho; fa ianareo kosa dia hiampita ary hahazo izany tany soa izany.
\v 23 Tandremo tsara ny tenanareo, mba tsy hanadino ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nataony taminareo, ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay rehetra nandraran'i Yaveh Andriamanitrao tsy ho ataonao.
\v 24 Fa afo mandevona Yaveh Andriamanitrao, ary Andriamanitra saro-piaro.
\v 25 Rehefa manan-janaka aman-jafy ianao, ary rehefa nitoetra ela tao amin'ny tany, ary raha manimba ny tenanao ka manao sary sokitra araka ny endrik'izay mety ho zavatra rehetra, ary manao izay ratsy eo imason'i Yaveh Andriamanitrao, mba hampihetsika ny fahatezerany—
\v 26 dia miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa ho ringana hiala eo amin'ny tany izay hitànareo an'i Jordana ho fanananareo tokoa ianareo; tsy ho lava andro ao ianareo, fa ho ringana tanteraka.
\v 27 Ho aparitak'i Yaveh eo amin'ny vahoaka ianareo, ka ho avela vitsy an'isa eo amin'ireo firenena, izay hitondran'i Yaveh anareo ianareo.
\v 28 Any ianareo no hanompo andriamanitra hafa, izay asan'ny tanan'olombelona, vita amin'ny hazo sy vato, izay sady tsy mahita, no tsy mandre, no tsy mihinana, na manimbolo.
\v 29 Fa avy any ianareo no hitady an'i Yaveh Andriamanitrareo, ka hahita Azy, rehefa mitady Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo.
\v 30 Rehefa ory ianareo, ary rehefa tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia hiverina amin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo ka hihaino ny feony any aoriana any.
\v 31 Fa Andriamanitra mpamindra fo Yaveh Andriamanitrareo; tsy handao na handringana anareo Izy, na hanadino ny faneken'ny razanareo izay nianianany tamin'izy ireo.
\v 35 Ianao no nampisehoana ireny zavatra ireny, mba hahafantaranao fa Yaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy.
\v 36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony, mba hahafahany mampianatra anao; teto an-tany no nampisehoany anao ny afony lehibe; nandre ny feony avy teo afovoan'ny afo ianao.
\v 37 Satria tia an'ireo razambenao Izy, dia nifidy ny taranaka izay nandimby azy ireo, ka nitondra anao nivoaka an'i Egypta teo amin'ny fanatrehany, tamin'ny heriny lehibe;
\v 38 mba handroahana ny firenena lehibe sy matanjaka noho ianao hiala eo anoloanao, ka hampiditra anao ao, mba hanomezana anao ny tanin'izy ireo ho lova, tahaka ny androany.
\v 39 Koa fantaro ary anio, ary ataovy ao am-ponao izao, fa Yaveh no Andriamanitra any an-danitra any ambony sy ety an-tany ety ambany; ary tsy misy hafa.
\v 40 Hitandrina ny didiny sy ny lalàny izay handidiako anao anio ianao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao, ary mba hahalava ny andro hiainanao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh anao mandrakizay.”
\v 47 Nalain'izy ireo ho fananany ny taniny, sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana—ireo no mpanjakan'ny Amorita anankiroa, izay tany an-dafin'i Jordana niantsinanana.
\v 1 Dia niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka nanao tamin'izy ireo hoe: “Ry Israely, henoy, ireo lalàna sy didy izay ho lazaiko ao an-tsofinareo anio, mba hahafahanareo hianatra sy hitandrina izany.
\v 2 Yaveh Andriamanitsika nanao fifanekena tamintsika tao Horeba.
\v 3 Tsy nanao izany fanekena izany tamin'ireo razambetsika Yaveh, fa tamintsika, dia isika rehetra velona eto anio.
\v 4 Niresaka mivantana taminareo teo amin'ny tendrombohitra avy tao afovoan'ny afo i Yaveh
\v 5 (Nitsangana teo anelanelanareo sy Yaveh aho tamin'izany fotoana izany, mba hanambara aminareo ny teniny; fa natahotra ianareo nohon'ny afo, ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra ianareo). Dia hoy Yaveh hoe:
\v 11 Tsy ho hampiasanao amin'ny tsy antony ny anaran'i Yaveh Adriamanitrao, fa i Yaveh dia handray azy ho meloka amin'ny fampiasana fahatany ny anarany.
\v 12 Tandremo ny andro sabata mba hanamasinana azy, arak'izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao.
\v 13 fa enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra;
\v 14 fa ny andro fahafito kosa dia Sabata ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Amin'izany dia tsy hiasa ianao—na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompo lahinao, na ny mpanompo vavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay anatin'ny vavahadinao. Natao izany mba hitsaharan'ny mpanomponao lahy sy ny mpanomponao vavy tahaka anao.
\v 15 Dia ho tsaroanao fa mpanompo tany amin'ny tany Egypta ianao, ary Yaveh Andriamanitrao no namoaka anao tany tamin'ny alalan'ny tanana mahery sy faninjirana ny sandry. Noho izany no nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao mba hitandrina ny andro Sabata.
\v 16 Manajà ny rainao sy reninao, araka izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao ho hataonao, dia ho ela velona any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao ho anao ianao, ka dia hahasambatra anao anie izany.
\v 21 Aza mitsiriritra ny vadin'ny mpiara-belona aminareo, aza mitsiriritra ny tranon'ny mpiara-belona aminareo, ny sahany, na ny mpanompo lahiny, na ny mpanompo vaviny, ny ombiny, na ny borikiny, na izay rehetra an'ny mpiara-belona aminareo.’
\v 23 Dia nitranga izao, rehefa nandre ny feo avy ao afovoan'ny aizina ianareo, raha mbola nirehitra ny tendrombohitra, dia nanakaiky ahy ianareo—ireo loholonareo rehetra sy ireo mpitarika ny fokonareo.
\v 24 Hoy ianareo hoe: ‘Indro, Yaveh Andriamanitsika efa naneho tamintsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany, ary efa rentsika ny feony avy eo afovoan'ny afo; hitantsika androany fa rehefa miteny amin'ny olona i Yaveh, dia afaka ny ho velona izy ireo.
\v 25 Fa nahoana isika no tokony ho faty? Satria handevona antsika izany afo lehibe izany; fa raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony isika, dia ho faty.
\v 26 Fa iza ankoatra antsika no eo amin'ny nofo rehetra izay efa nandre ny feon'ilay Andriamanitra velona niteny avy teo afovoan'ny afo ka velona, tahaka izay efa nataontsika?
\v 29 Endrey, raha mba misy fo tokoa izy ireo, dia hanaja Ahy sy hitandrina mandrakariva ny didiko rehetra, dia hahasoa azy ireo sy ireo taranany mandrakizay izany!
\v 30 Ndeha lazao amin'izy ireo hoe: “Miverena any an-dainareo.”
\v 31 Fa raha ny aminao, mitsangàna eto anatrehako, dia hambarako aminao ny didy rehetra, ny lalàna, sy ireo fitsipika izay ho ampianarinao azy ireo, mba hitandreman'izy ireo izany any amin'ny tany izay homeko azy ireo ho fananana.’
\v 32 Ho tandremanao, noho izany, izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao; mba tsy hivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia ianao.
\v 33 Handeha amin'ny lalana rehetra izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, mba ho velona ianao, ka hahasoa anao izany, ary mba hahalava ny andro iainanao any amin'ny tany izay ho fanananao.
\v 17 Ianao dia hitandrina tsara ireo baikon'i Yaveh Andriamanitrao, ireo didiny, sy ireo lalàny, izay nandidiny anao.
\v 18 Hanao izay marina sy tsara eo imason'i Yaveh ianao, mba hahasoa anao izany, ary mba hahafahanao miditra sy manana ny tany tsara izay efa nianianan'i Yaveh tamin'ireo razanao,
\v 19 mba hanalana ireo fahavalonao rehetra tsy ho eo anoloanao, araka ny efa nolazain'i Yaveh.
\v 3 Na koa hikarakara fanambadiana amin'izy ireo ianao. Tsy hanome ny zanakao vavy ho an'ny zanak'izy ireo lahy ianao, ary tsy haka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakao lahy ianao.
\v 4 Satria izy ireo dia hampivily lalana ny zanakao ny amin'ny fanarahana Ahy, mba hahafahan'izy ireo manompo andriamanitra hafa. Noho izany dia hirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh, ary handringana anareo faingana Izy.
\v 5 Izao no tokony hifanarahanao amin'izy ireo: hamotika ny alitaran'izy ireo ianareo, hamotika ny tsangam-baton'izy ireo ianareo, hanapaka ny baon'Aserahan'izy ireo, ary handoro ireo sampy voasokitr'izy ireo.
\v 6 Satria ianao dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Dia nifidy anao mba ho vahoakany, mihoatra noho ireo vahoaka hafa rehetra eran'izao tontolo izao Izy.
\v 7 Tsy nametraka ny fitiavany teo aminareo na nisafidy anareo nohon'ny hamaroan'isanareo noho ny vahoaka hafa i Yaveh—satria ianareo no vitsy indrindra tamin'ireo vahoaka rehetra—
\v 8 fa satria tiany anareo, ary naniry ny hitàna ny fianianana izay nampanantenainy tamin'ireo razanareo Izy. Izany no nahatonga an'i Yaveh nitondra anareo nivoaka tamin'ny tanana mahery ary nanafaka anareo tao amin'ny trano fanandevozana, teo an-tanan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.
\v 9 Noho izany dia fantaro fa Yaveh Andriamanitrao—Izy no Andriamanitra, ilay Andriamanitra mahatoky, izay mitàna ireo fanekena sy fahatokiana ho an'ny taranaka an'arivony miaraka amin'ireo izay tia azy sy mitandrina ireo didiny,
\v 10 fa sazio eny amin'ny tavany ireo izay mankahala Azy, mba hanimbana azy ireo; tsy handefitra amin'ireo izay mankahala Azy Izy; hamaly azy eo anatrehany izy.
\v 11 Noho izany ianao dia hitandrina ireo baiko, ireo lalàna, ary ireo didy izay nodidiko ho ataonao anio, ka hampiatra ireo ianao
\v 12 Raha mihaino ireo lalàna ianao, ary mitandrina sy manao izany, dia hitandro ny fanekena sy ny fahatokiana izay nampanantenainy tamin'ny razanao Yaveh Andriamanitrao.
\v 13 Hitia anareo Izy, hitahy anareo, ary hampitombo isa anareo; hitahy ny vokatry ny vatanareo sy ny vokatry ny taninareo, ny varinareo, ny divay vaovaonareo, sy ny menakareo, ny fitombon'ireo biby fiompinareo sy ireo zanak'ondry aman'osinareo, ao amin'ny tany izay nampanantenainy tamin'ireo razanareo fa homeny anareo.
\v 14 Ho voatahy kokoa noho ireo olona hafa rehetra ianao; tsy hisy lehilahy momba na vehivavy momba eo aminareo na eo amin'ny biby fiompinareo.
\v 15 Hanala ny aretina rehetra aminao i Yaveh; tsy hataony mahazo anao ireo aretin-dratsin'i Egypta fantatrao, fa ho ataony amin'ireo rehetra izay mankahala anao izany.
\v 16 Handringana ny vondron'olona rehetra izay hanomezan'i Yaveh Andriamanitrao fandresena anao ianao, ary tsy hiantra azy ireo ny masonao. Tsy hanompo ny andriamanitr'izy ireo ianao, satria ho fandrika ho anao izany.
\v 19 ireo fijaliana be izay hitan'ny masonao, ireo famantarana, ireo fahagagana, ny tanana mahery, sy sandry mitsotra izay nitondran'i Yaveh anao nivoaka. Yaveh Andriamanitrao dia hanao toy izany koa amin'ireo vahoaka rehetra izay hatahoranao.
\v 20 Fanampin'izany, Yaveh Andriamanitrao dia handefa ny fanenitra eo amin'izy ireo, mandra-paharingan'ireo sisa tavela sy izay manafina ny tenany aminao amin'ny fanatrehanao.
\v 21 Tsy hatahotra azy ireo ianao, satria Yaveh Andriamanitrao dia eo aminao, Andriamanitra lehibe sy hatahorana.
\v 23 Fa Yaveh Andriamanitrao dia hanome fandresena ho anao amin'izy ireo rehefa hiady amin'izy ireo ianao; hampivarahontsana azy ireo Izy mandra-paharingan'izy ireo.
\v 24 Ho ataony eo ambany fahefanao ireo mpanjakan'izy ireo, ka hahafoana ny anaran'izy ireo amin'ny ambany lanitra ianao. Tsy hisy afaka hitsangana manoloana anao, mandra-paharinganao azy ireo.
\v 25 Handoro ireo sary sokitr'ireo andriamanitr'izy ireo ianareo—aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay mandrakotra azy ireo ka maka izany ho an'ny tenanareo, satria raha manao izany ianareo, dia ho voafandrik'izany—satria fanevatevana an'i Yaveh Andriamanitrareo izany.
\v 26 Tsy hitondra fahavetavetana ao an-tranonao ianao ka hanomboka hanompo izany. Hankahala izany tokoa ianao, satria efa voatokana ho an'ny faharavàna izany.
\v 1 Aoka ho tananareo ireo didy rehetra izay omeko anareo androany, mba ho velona sy hihamaro ianareo, ary handeha ka hahazo ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo.
\v 2 Aoka ho tsaroanao ny lalana rehetra izay nitarihan'i Yaveh Andriamanitrao anao tamin'ny efapolo taona tany an'efitra, mba hampietreny anao, mba hitsapany anao hahafantarana izay ao am-ponao, raha hitàna ireo didiny ianao na tsia.
\v 3 Nampietry anao Izy, sy nampanoana anao, ary namoky mana anao, izay tsy fantatrao ary tsy fantatr'ireo razanao. Nataony izany mba hahafantaranao fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona; fa kosa, ny zavatra rehetra izay aloakan'ny vavan'i Yaveh dia iveloman'ny olona.
\v 4 Tsy rovitra ary tsy niala taminao ny akanjonao, ary tsy nivonto ny tongotrao nandritr'ireny efapolo taona ireny.
\v 5 Aoka ianao hihevitra ao am-ponao, ny fomba hifehezan'ny ny olona ny zanany, dia tahaka izany no hifehezan'i Yaveh Andriamanitrao anao.
\v 12 raha tsy izany, rehefa mihinana ianao ary voky, ary rehefa manorina trano tsara tarehy ary mipetraka ao amin'izany, dia hirehareha ny fonao.
\v 13 Tandremo rehefa mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao ary mitombo ny volafotsy sy ny varahinao, ary mitombo izay rehetra hanananao,
\v 14 dia hirehareha ny fonao ary adinonao i Yaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, avy tao amin'ny trano fanandevozana.
\v 15 Aza manadino Azy izay nitarika anao tany amin'ny tany efitra lehibe sy mampatahotra, miaraka amin'ny menarana misy poizina sy maingoka ary tany ngazana izay tsy nisy rano, izay namoaka rano ho anao avy tao amin'ny vatolampy afovato.
\v 16 Namoky mana anao tany an'efitra Izy izay tsy mba fantatr'ireo razambenao, mba hahafahany mampietry anao sy mitsapa anao, mba hanasoa anao amin'ny farany,
\v 4 Aza milaza ny ao am-ponao, rehefa voaroakan'i Yaveh Andriamanitrao tsy ho eo anoloanao izy ireo hoe: ‘Nohon'ny fahamarinako no nitondran'i Yaveh ahy ho tompon'ny ity tany ity,’ satria nohon'ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no nahatonga an'i Yaveh handroaka azy tsy ho eo anoloanao.
\v 5 Tsy nohon'ny fahamarinanao na ny fahitsim-ponao no hahatonga anao ho tompon'ny tanin'izy ireo, fa nohon'ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no mahatonga ny Andriamanitrao handroaka azy ireo tsy ho eo anoloanao, ary mba hahafahany manatanteraka ny fahamarinan'ny teny izay nianianany tamin'ireo razambenao, dia tamin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba.
\v 6 Koa aoka ho fantatrao, fa tsy nohon'ny fahamarinanao no hanomezan'i Yaveh Andriamanitrao io tany tsara io ho lasanao, fa olona mafy loha ianao.
\v 14 Avelao irery aho, mba hahafahako mandringana azy ireo sy mamafa ny anarany tsy ho eo ambanin'ny lanitra, ary hataoko ho firenena mahery sy lehibe noho izy ireo ianao.’
\v 18 Niankohoka efapolo andro sy efapolo alina teo anatrehan'i Yaveh indray aho; tsy nihinana mofo aho na nisotro rano, nohon'ny amin'ireo fahotanareo rehetra izay nataonareo, tamin'ny nanaovanareo izay ratsy teo imason'i Yaveh, mba hanetsehana ny fahatezerany.
\v 19 Fa natahotra ny fahatezerana sy ny firehetan'ny tsy fankasitrahana izay tena nahatezitra an'i Yaveh taminareo ka saika handringana anareo aho. Fa nihaino ahy ihany koa Yaveh tamin'izany fotoana izany.
\v 20 Tezitra mafy tamin'i Arona Yaveh ka saika handringana azy; tamin'io dia nivavaka ho an'i Arona ihany koa aho.
\v 21 Nalaiko ny fahotanareo, ny zanak'omby izay namboarinareo, ka nodorako izany, nokapohiko, ary notorotoroiko ho tena bitika, mandra-pahatonga azy ho madinika tahaka ny vovoka. Nariako tany amin'ny renirano izay mikoriana avy any an-tendrombohitra ny vovony.
\v 1 Hoy Yaveh tamiko tamin'izany fotoana izany hoe: ‘Manamboara vato fisaka roa tahaka ilay voalohany, dia miakara aty amiko aty an-tendrombohitra, ary manaova fiara vita amin'ny hazo.
\v 2 Hosoratako ao anatin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tao anatin'ireo vato fisaka voalohany izay nopotehinao, ka hapetrakao ao anatin'ilay fiara ireo.’
\v 5 Dia nihodina aho ary nidina ny tendrombohitra, ka nametraka ireo vato fisaka tao anatin'ilay fiara izay namboariko; dia tao izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh ahy.”
\v 6 (Niainga niala tao Berota Bene-Jakana ho any Mosera ny vahoakan'Israely. Tao no maty i Arona, ary tao izy no nalevina; Eleazara, zanany lahy, no lasa mpisorona nandimby ny toerany.
\v 7 Nizotra nankany Godgoda izy ireo rehefa niala tao, ary avy tao Godgoda nankany Jotbata, tany iray be ony.
\v 8 Tamin'izany fotoana izany Yaveh nisafidy ny fokon'i Levy mba hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, hijoro eo anoloan' i Yaveh mba hanompo Azy, sy hitso-drano ny olona amin'ny anarany, tahaka ny ankehitriny.
\v 9 Noho izany no tsy hananan'i Levy anjara na lova amin'ny tany miaraka amin'ireo rahalahiny; fa Yaveh no lovany, araka izay nolazain'i Yaveh Andriamanitrao taminy.)
\v 16 Koa forao ny fonareo, ary meteza tsy ho mafy hatoka intsony.
\v 17 Fa Yaveh Andriamanitrao, no Andriamanitr'ireo andriamanitra ary Tompon'ireo tompo, ilay Andriamanitra lehibe, ilay mahery sy mampahatahotra, izay tsy mizaha tavan'olona ary tsy mandray kolikoly.
\v 18 Manome rariny ny kamboty sy ny mananotena Izy, ary maneho fitiavana ny vahiny amin'ny alalan'ny fanomezana sakafo sy akanjo ho azy Izy.
\v 19 Tiavo ny vahiny noho izany; satria ianareo dia efa vahiny tany amin'ny tany Egypta.
\v 20 Yaveh Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no ho tompoinao. Aminy ianao no tsy maintsy hifikitra; ary amin'ny anarany no hianiananao.
\v 21 Izy no fideranao, ary Izy no Andriamanitrao, izay efa nanao ireo zava-dehibe sy ireo zavatra mampahatahotra ho anao, izay efa hitan'ny masonao.
\v 22 Fitopolo olona ireo razanao no nidina tany Egypta; fa ankehitriny efa nataon'i Yaveh Andriamanitrao ho maro isa tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
\c 11
\p
\v 1 Noho izany dia aoka hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo ary hitandrina mandrakariva ireo fampianarany, ny lalàny, ny fitsipiny, ary ireo didiny.
\v 2 Mariho fa tsy miteny amin'ireo zanakareo Aho, izay tsy nahafantatra akory na nahita ny fanasazian'i Yaveh Andriamanitrareo, ny fahalehibeazany, ny tanany mahery, na ny tanany mitsotra,
\v 4 Na nahita ny nataony tamin'ny tafik'i Egypta, tamin'ireo soavaliny, na tamin'ny kalesin'izy ireo, ny fomba nanaovany ny Ranomasina Mena handifotra azy ireo raha nanenjika anareo izy ireo, ary ny fomba nandringanan'i Yaveh azy ireo mandrak'androany,
\v 5 na izay nataony ho anareo tany an'efitra mandra-pahatonganareo tamin'ity toerana ity.
\v 8 Noho izany tandremo ireo didy rehetra izay handidiako anareo anio, mba hahatonga anareo hatanjaka, ka hiditra sy haka ny tany izay hitànareo mba ho fananana,
\v 9 ary mba ho lava andro ianareo any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razanareo fa homena azy ireo sy ny taranak'izy ireo, izay tany tondra-dronono sy tantely.
\v 10 Fa ny tany, izay hidiranareo mba hahazoana izany, dia tsy tahaka ny tanin'i Egypta, izay niavianareo, izay namafazanareo ny voanareo sy nanondrahanareo rano izany tamin'ny tongotrareo, tahaka ny sahana hanitra maitso;
\v 11 fa ny tany, izay halehanao mba ho fananana, dia tanin-kavoana sy lohasaha, ary misotro rano avy amin'ny ranon'oran-danitra,
\v 12 ny tany izay karakarain'i Yaveh Andriamanitrareo; ny mason'i Yaveh Andriamanitrareo no mitsinjo izany mandrakariva, hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafaran'ny taona.
\v 13 Izany dia hitranga, raha hihaino tsara ireo didiko izay handidiako anareo anio ianareo, dia ny hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo,
\v 14 mba hanomezako ranon'orana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany, dia ny voaloha-orana sy ny fara-orana, mba hahafahanareo manangona ny varinareo, ny divainareo vaovao, ary ny diloilonareo.
\v 15 Hanisy ahitra amin'ny taninareo Aho ho an'ireo biby fiompinareo, ary hihinana ianareo ka ho voky.
\v 16 Tandremo ny tenanareo mba tsy ho voafitaka ny fonareo, ka hivily sy hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka amin'izy ireo ianareo;
\v 17 mba tsy hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Yaveh; ary mba tsy hampikatona ny lanitra Izy mba tsy hisian'ny ranon'orana, ary ny tany tsy hamoa ny voany, ary mba tsy haharingana anareo faingana amin'ny tany soa izay omen'i Yaveh anareo.
\v 18 Noho izany raketo ao am-po sy fanahinareo ireo teniko ireo, fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izany, ary avelao izany ho fehiloha eo anelanelan'ireo masonareo.
\v 20 Ho soratanareo eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonareo sy eo amin'ny vavahadin'ny tanànanareo izany,
\v 21 mba hihamaro ny andronareo sy ny andron'ireo zanakareo any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo omena azy ireo raha mbola ambonin'ny tany koa ny lanitra.
\v 22 Fa raha mitandrina tsara ny didy rehetra izay handidiako anareo ianareo, ka manao izany, hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo, handeha amin'ny lalany rehetra, ary hifikitra Aminy,
\v 23 dia handroaka ireo firenena rehetra ireo hiala eo anatrehanareo i Yaveh, ary ianareo dia handroaka firenena lehibe sy mahery noho ianareo.
\v 24 Izay toerana hitsahin'ny faladian-tongotrareo dia ho anareo; hatrany an'efitra ka hatrany Libanona, hatrany amin'ny renirano, ny renirano Eofrata, ka hatrany amin'ny ranomasina andrefana dia ho faritaninareo.
\v 25 Tsy hisy olona hahajoro eo anoloanareo. Yaveh Andriamanitrareo no hametraka ny tahotra anareo sy ny horohoro anareo amin'ny tany rehetra izay hitsahinareo, araka izay efa nolazainy taminareo.
\v 26 Indro, apetrako eo anoloanareo anio ny fitahiana sy ny ozona:
\v 27 ny fitahiana, raha mankatò ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo izay handidiko anareo anio ianareo,
\v 28 ary ny ozona, raha tsy mankatò ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, fa hivily amin'ny lalana izay handidiko anareo anio, ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy mbola fantatrareo.
\v 29 Izany dia hitranga, rehefa hitondra anareo any amin'ny tany izay halehanareo mba ho fananana i Yaveh Andriamanitrareo, dia hametraka ny fitahiana any an-tendrombohitra Gerizima ianareo, ary ny ozona any an-tendrombohitra Ebala.
\v 30 Tsy any andafin'i Jordana ve ireo, andrefan'ny lalana andrefana, any amin'ny tanin'ny Kananita izay monina any Araba, tandrifin'i Gilgala, akaikin'ny hazo terebintan'i More?
\v 31 Satria hiampita an'i Jordana ianareo hiditra haka ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo, ary ho fanananareo izany ka honina ao ianareo.
\v 32 Ho tandremanareo ny didy aman-dalàna rehetra izay apetrako eo anoloanareo anio.
\v 4 Aoka ho tapatapahanao ny sary sokitr'ireo andriamaniny ary haringanao hiala amin'izany toerana izany ny anaran'izy ireo. Aoka tsy hanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tahaka izany ianao.
\v 5 Fa ao amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ireo fokonao mba hametrahana ny Anarany, dia izany no ho toerana honenany, ary any no halehanao.
\v 6 Any no hitondranao ny fanatitra doranao, ny soronao, ny ampahafolon-karenanao, ary ireo rakitra hatolotry ny tananao, ny raki-boadinao, ny fanati-tsitraponao, ary ny voalohan-teraky ny omby sy ny ondry aman'osinao.
\v 7 Any no hihinanao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao sy hiravoravoanao amin'ny zava-drehetra izay nametrahanao ny tananao, dia ianao sy ny ankohonanao, any amin'izay nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao.
\v 11 dia ho amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao mba hahavelona ny Anarany, any ianao no hitondra izay rehetra handidiako anao: dia ny fanatitra doranao, ny soronao, ny ampahafolon-karenanao, ary ny rakitra atolotry ny tananao, sy ireo raki-boady rehetra izay safidianao hivoadiana amin'i Yaveh.
\v 12 Hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao—ianao, ny zanaka lahinao, ny zanaka vavinao, ny mpanompo lahinao, ny mpanompo vavinao ary ireo Levita izay ao amin'ny vavahadinao, satria tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
\v 13 Tandremo tsara ny tenanao mba tsy hanolotra ny fanatitra doranao eny amin'ny toerana rehetra izay hitanao;
\v 14 fa eo amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh eo amin'ny iray amin'ny fokonao no hanoloranao ny fanatitra doranao, ary any no halehanao mba hanao izay rehetra handidiko anao.
\v 15 Kanefa, afaka mamono na mihinana biby ao anatin'ny vavahadinao rehetra ianao, araka izay tianao, amin'ny fandraisana ny fitahian'i Yaveh Andriamanitrao noho izay rehetra nomeny anao; samy afaka mihinana amin'izany ny olona maloto sy ny olona madio, dia ny biby tahaka ny gazela sy ny diera.
\v 16 Fa aoka tsy hihinana ny ràny ianao; ho ararakao amin'ny tany tahaka ny rano izany.
\v 17 Tsy mahazo mihinana amin'ny ampahafolon'ny voanao, ny divay vaovaonao, ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny omby na ny ondry aman'osinao ao anatin'ny vavahadinao ianao; ary tsy mahazo mihinana amin'ny hena nataonao sorona miaraka amin'izay mety ho voady ataonao, na ireo fanati-tsitraponao, na ny fanatitra izay atolotry ny tananao ianao.
\v 18 Fa kosa, hohaninao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ao amin'ny toerana izay fidin'i Yaveh Andriamanitrao izany—ianao, ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompo lahinao, ny mpanompo vavinao, ary ny Levita izay ao amin'ny vavahadinao; hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ny amin'ny zavatra rehetra izay nametrahanao ny tananao ianao.
\v 19 Tandremo tsara ny tenanao mba tsy hahafoy ny Levita raha mbola miaina eo amin'ny taninao koa ianao.
\v 21 Raha lavitra anao loatra ny toerana izay nofidian'i Yaveh Andriamanitrao hametrahana ny anarany, dia aoka ianao hamono ny sasany amin'ny omby sy ny ondry aman'osinao izay nomen'i Yaveh anao, araka izay nandidiako anao; afaka mihinana ao amin'ny vavahadianao ianao, araka izay irian'ny fanahinao.
\v 22 Tahaka ny hihinanana ny gazela sy ny diera, dia toy izany no hihinananao amin'izany; afaka mihinan-kena amin'izany tahaka izany ny olona maloto sy madio.
\v 23 Tandremo fotsiny mba tsy hihinana ny rà ianao, fa aina ny rà; ary aoka tsy hihinana ny aina miaraka amin'ny hena ianao.
\v 24 Tsy hihinana an'izany ianao; ararakao eo amin'ny tany tahaka ny rano izany.
\v 25 Tsy hihinana izany ianao, mba ho lavorary ny aminao, sy ny taranaka mandimby anao, rehefa manao izay marina eo imason'i Yaveh ianao.
\v 26 Fa ireo zavatra izay an'i Yaveh izay hanananao sy ireo raki-boadinao—aoka ianao haka izany ka handeha any amin'ny toerana izay safidian'i Yaveh.
\v 27 Any no hanoloranao ny fanatitra doranao, dia ny hena sy ny rà, eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao; hararaka eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao ny ràn'ny soronao, ary hohaninao ny nofon'izany.
\v 28 Tandremo ary henoy ny teny rehetra izay handidiko anao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao mandrakizay, rehefa manao izay tsara sy marina eo imason'i Yaveh Andriamanitrao ianao.
\v 30 dia tandremo ny tenanao mba tsy ho voafandrika hanaraka azy ireo, rehefa voaringana hiala eo anatrehanao izy ireo—ho voafandrika hizaha ny andriamanitr'izy ireo, hanontany hoe: ‘Ahoana no fanompoan'ireo firenena ireo ny andriamaniny? Mba hanao tahaka izany koa aho.’
\v 3 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany izany, na izany mpanonofy izany; satria Yaveh Andriamanitrareo dia mitsapa anareo raha tia an'i Yaveh Andriamanitrareo amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo.
\v 4 Hanara-dia an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, hanome voninahitra Azy, hitandrina ireo didiny, sy hankato ny teniny, ary hidera Azy sy hifikitra aminy.
\v 6 Raiso hoe ny rahalahinareo, ny zanaky ny reninareo, na ny zanakareo lahy, na ny zanakareo vavy, na ny vady famihinareo, na ny namanareo izay tianareo tahaka ny tenanareo, no hitaona mangina anareo ary hiteny hoe: ‘Aoka isika andeha ary hanompo ireo andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo, na ianareo na ireo razambenareo—
\v 7 dia ireo andriamanitr'ireo olona izay manodidina anareo, akaikinareo, na lavitra anareo, avy amin'izao tontolo rehetra izao.’
\v 15 Azo antoka fa hanafika ireo mponina ao amin'izany tanàna izany amin'ny lelan-tsabatra ianareo, hamotika tanteraka izany sy ny olona rehetra ao aminy, miaraka amin'ireo biby fiompy, amin'ny alalan'ny lelan-tsabatra.
\v 16 Hanangona ireo entana rehetra voababo amin'izany ho eo afovoan'ny lalana ianareo ary handoro ilay tanàna, sy ireo entana voababo rehetra—ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Ho tanàna haolo mandrakizay ilay tanàna, ka tsy ho hatsangana intsony izany.
\v 17 Tsy tokony hisy hiraikitra eo am-pelatananareo ireo zavatra izay natokana ho ravaina. Izany no tsy maintsy atao, mba hitsahatra amin'ny fahatezerany i Yaveh, hampiseho famindram-po aminareo, sy hiantra anareo, ary hampitombo isa anareo, araka ny nianianany tamin'ireo razambenareo.
\v 18 Hanao izany Izy satria ianareo mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo, mba hitandremana ireo didiny rehetra izay handidiko anareo anio, sy mba hanaovana izay marina eo imason'i Yaveh Andriamanitrareo.
\v 1 Ianareo no vahoakan'i Yaveh Andriamanitrareo. Aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny faritry ny tarehinareo ho an'ny maty.
\v 2 Fa ianareo dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo, ary Yaveh nifidy anareo ho vahoaka ho fananany manokana, mihoatra ireo vahoaka rehetra izay eo ambonin'ny tany.
\v 22 Aloavy ny ampahafolon'ny vokatry ny voanao rehetra, izay mivoaka avy ao amin'ny saha isan-taona isan-taona.
\v 23 Misakafoana eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo, ao amin'ny toerana izay hofidiany ho fitoerany masina, ny ampahafolon'ny varinao, ny divainao vaovao, sy ny menakao, ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao; mba hahafahanao mianatra hanompo lalandava an'i Yaveh Andriamanitrao.
\v 24 Raha lava loatra aminareo ny dia ary tsy zakanareo izany, satria lavitra loatra anao ny toerana izay hofidian'i Yaveh Andriamanitrao ho fitoerany masina, dia, rehefa mitahy anao Yaveh Andriamanitra,
\v 25 hanova ny fanatitra ho vola ianao, hamatotra ny vola eny an-tananao, ary handeha any amin'ny toerana izay hofidian'i Yaveh Andriamanitrao.
\v 26 Ao no handanianao ny vola amin'izay rehetra irinao: amin'ny omby, na amin'ny ondry, na amin'ny divay, na amin'ny zava-pisotro mahery, na amin'izay rehetra irinao; dia any ianao no hihinana eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao, ary hifaly ianao, ianao sy ny ankohonanao.
\v 27 Ny Levita izay ao anatin'ireo vavahadinao—aza mahafoy azy, fa tsy manana anjara na lova aminao izy.
\v 28 Amin'ny faran'ny isan-telo taona dia hanolotra ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany ianao, ary hitahiry izany ao anatin'ny vavahadinao ianao;
\v 29 ary ny Levita, satria izy tsy manana anjara na lova aminao, sy ny vahiny, sy ny kamboty, ary ny mpitondratena izay ao anatin'ny vavahadinao, dia ho avy sy hihinana ary ho afa-po. Ataovy izany mba hahafahan'i Yaveh Andriamanitrao mitahy anao amin'ny asan'ny tananao rehetra izay ataonao.
\v 2 Izany no fomban'ny fanafahana: Ny mpampindram-bola rehetra izay nampindrana dia tokony hamoy izay nampindraminy amin'ny mpiara-belona aminy; tsy hangataka izany amin'ireo mpiara-belona aminy izy na ny rahalahiny satria ny fanafoanan'I Yaveh ny trosa dia efa voambara.
\v 3 Vahiny iray no azonao hangatahina izany; fa na inona na inona anao eo ampelan-tanan'ny rahalahinao dia tokony hafoinao.
\v 7 Raha misy lehilahy mahantra eo aminao, iray amin'ireo rahalahinao, izay ao amin'ny vavahadinao rehetra eo amin'ny tany izay nomen'Yaveh Andriamanitrao anao, aza manamafy ny fonao na manidy ny tananao amin'ny rahalahinao mahantra;
\v 8 fa sokafy tsara aminy ny tananao ary ampindramo izay ilainy izy.
\v 9 Mitandrema mba tsy hanana sain-dratsy ao am-pona, manao hoe: “Ny taona fahafito, ilay taonan'ny fanafahana, dia efa akaiky, mba tsy ho kahihitra eo imason'ireo rahalahinao ianao ary tsy hanome azy ireo na inona na inona; ary hitaraina amin'i Yaveh momba anao izy, ka fahotana ho anao izany.
\v 11 Satria ny mahantra dia tsy hitsahatra hisy eto amin'ny tany; noho izany no handidiko anao sy hilazako hoe: ‘Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, ho an'izay mila ny fanampinao, ary amin'ireo mahantranao ao amin'ny taninao.’
\v 12 Raha amidy aminao sy manompo anao mandritry ny enin-taona ny rahalahinao, lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, dia tsy maintsy hamela azy malalaka ianao amin'ny taona fahafito.
\v 13 Rehefa avelanao handeha malalaka eo aminao izy, dia aza avela handeha tanam-polo.
\v 14 Vatsio ondry aman'osinao, ny famoloan'ny varinao, sy ny famiazam-boalobokao amim-pahalalahana izy. Araka izay efa nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao, tsy maintsy homenao izy.
\v 17 Ary alaivo ny haolo ka teveo amin'ny sofiny eo am-baravaranana, dia ho mpanomponareo mandrakizay izy. Tsy maintsy ataonareo izany koa ny mpanompovavinareo
\v 19 Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo rehetra dia tsy maintsy hatokanareo ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Tsy hanao asa miaraka amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo ianareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinareo.
\v 20 Hano eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo isan-taona isan-taona ny voalohan-teraka eo amin'ny toerana izay hofidianan'i Yaveh, anareo sy ny ankohonanareo.
\v 21 Raha misy kilema izany— ohatra, raha mandringa na jamba, na inona na inona kilema hafa—aza atao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo izany.
\v 22 Hihinana izany ao amin'ireo vavahadinareo ianareo; ireo olona maloto sy ny olona madio dia tsy maintsy mihinana izany, tahaka ny hihinananareo gazela na diera.
\v 23 Fa kosa tsy tokony mihinana ny ràn'izany ianareo; fa ararao eo amin'ny tany tahaka ny rano ny ràny.
\v 1 Tandrovy ny volan'i Abiba, ary tandromy ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny Paska, satria tamin'ny volan'i Abiba no namoahan'i Yaveh Andriamanitrareo anareo tao Egypta nandritry ny alina.
\v 2 Mandritry ny Paska dia ho ataonareo sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny sasany amin'ireo ondry aman'osy ary ny omby ao amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh ho fitoerany masina.
\v 3 Haninareo miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira izany; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira miaraka amin'izany, ny mofom-pahoriana; satria tampoka no nivoahanareo tao Egypta. Ataovy izany mandritry ny androm-piainanareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nivoahanareo tao amin'ny tany Egypta.
\v 4 Mandritry ny fito andro dia tsy tokony hahitana lalivay eo amin'ny faritra rehetra misy anareo; na hahitana iray amin'ireo hena izay natao sorona ny hariva ho tehirizana mandra-maraina.
\v 5 Mandritry ny Paska dia tsy hanao sorona biby ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanareo izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ianareo.
\v 6 Fa kosa, manaova sorona eny amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina. Eo no hanaovanareo sorona ho an'ny Paska ny hariva mileti-masoandro, amin'ilay andro iray anatin'ny taona izay nivoahanareo tao Egypta.
\v 7 Hatonoy izany ary hano eny amin'ny toerana izay ho safidian'Yaveh Andriamanitrareo; ny maraina ianareo dia hitodika ary hiverina ao amin'ireo lainareo.
\v 8 Hihinana mofo tsy misy masirasira ianareo mandritry ny enina andro; amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana manetriketrika ho an'i Yaveh Andriamanitrareo; amin'io andro io dia tsy mahazo miasa ianareo.
\v 9 Dia manisà fito herinandro; manomboka amin'ny fotoana hijinjanareo voalohany ny vary amin'ny antsy finjinjana no hanisànareo ireo herinandro fito.
\v 10 Hazony ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny Herinandro Firavoravoana miaraka amin'ny fandraisana anjara amin'ny fanati-tsitrapo avy eny an-tananareo izay ho homenareo, araka ny nitahian'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\v 11 Hifaly eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo—ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita izay ao amin'ny vavahadin'ny tanànanareo, sy ireo mpivahiny, ireo kamboty ray, ary ny mpitondratena eo aminareo, eo amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina.
\v 13 Tandrovy ny Fetin'ny Fialofana mandritry ny fito andro aorian'ny fanangonanareo ny vokatra avy amin'ny famoloana sy ny famiazanareo.
\v 14 Hifaly ianareo mandritry ny firavoravoanareo—ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita, sy ireo mpivahiny, ary ireo kamboty, sy ny mpitondratena izay ao anatin'ny vavahadinareo.
\v 15 Mandritry ny fito andro ianareo dia hitandrina ny firavoravoana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo eny amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh, satria i Yaveh Andriamanitrareo dia hitahy anareo amin'ny vokatra sy ny asan'ny tananareo rehetra, ary dia hifaly tokoa ianareo.
\v 16 Ireo lehilahinareo dia hiseho in-telo isan-taona eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo eny amin'ny toerana izay ho safidiany: any amin'ny Firavoravoana ny Mofo tsy misy masirasira, any amin'ny Herinandro Firavoravoana, sy any amin'ny Fetin'ny Tabernakely; ary tsy hiseho tanam-polo eo anoloan'i Yaveh izy ireo;
\v 17 fa kosa, hanome araka izay tratrany ny lehilahy rehetra, mba hahafantaranareo ny fitahiana izay efa nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\v 2 Ary raha misy eo aminareo, ao amin'ireo vavahadin'ny tanànareo izay nomen'Andriamanitra anareo, lehilahy na vehivavy hita manao izay ratsy eo imason'i Yaveh Andriamanitrareo ary mivadika amin'ny fanekeny,
\v 3 na iza na iza nandeha sy nanompo andriamani-kafa ary miankohoka amin'izy ireo, na masoandro, na volana, na izay zavatra rehetra eny amin'ny lanitra—izay tsy nandidiko anareo—
\v 4 ary raha lazaina ny amin'izany ianareo, na efa renareo izany, dia aoka ianareo hanao fanadihadiana tsara. Raha marina ary azo antoka fa nisy fametavetana tahaka izany natao tao Israely, dia izao no tokony ataonareo.
\v 5 Aoka ho entinareo eo amin'ny vavahadin'ny tanàna, ny lehilahy na vehivavy, izay nanao izany zava-dratsy izany, aoka ho torahanareo amin'ny vato ho faty izany olona izany.
\v 6 Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa, na vavolombelona telo, dia aoka ho vonoina ho faty izy; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia aoka tsy ho vonoina ho faty izy.
\v 7 Tsy maintsy ny tanan'ireo vavolombelona no voalohany mamono azy ho faty, ary aorian'izany dia ny tanan'ireo vahoaka rehetra; ary ho esorinao tsy ho eo aminareo ny ratsy.
\v 8 Raha misy raharaha mitranga izay sarotra loatra aminareo ny mitsara azy—mety hoe resaka vono olona na fahafatesana tsinahy, teo amin'ny zon'olona sy zon'olona iray hafa, na karazana fandratrana natao, na karazana raharaha hafa, raharaha mampiady hevitra eo amin'ireo vavahadin'ny tanànanareo—dia aoka ianareo hiakatra any amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina.
\v 9 Aoka ianareo handeha any amin'ireo mpisorona, ireo taranak'i Levy, ary any amin'ireo mpitsara izay tompon'anjara amin'izany fotoana izany; hitady ny hevitr'izy ireo ianareo, ary homen'izy ireo anareo ny didim-pitsaràna.
\v 10 Aoka arahinareo ny lalàna nomena anareo ao amin'ny toerana ho safidian'i Yaveh ho fitoerany masina. Hitandrina hanao ny zava-drehetra izay hanoron'izy ireo lalana hataonareo ianareo.
\v 11 Araho ny lalàna izay ampianarin'izy ireo anareo, ary ataovy araka ireo fanapahan-kevitra omen'izy ireo anareo. Aza mivily amin'izay nolazain'izy ireo anareo, ho any ankavanana na ho any ankavia.
\v 12 Na iza na iza miavonavona, amin'ny tsy fihainoana ny mpisorona izay mitsangana hanompo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo, na amin'ny tsy fihainoana ny mpitsara—izany olona izany dia ho faty; hanala ny ratsy amin'Israely ianareo.
\v 18 Rehefa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, dia tsy maintsy soratany ho an'ny tenany amin'ny horonan-taratasy ny lalàna, avy amin'ny lalàna izay eo anoloan'ireo mpisorona, izay Levita.
\v 19 Tsy maintsy miaraka aminy ny horonan-taratasy, ary tsy maintsy vakiany izany amin'ny andro rehetra hiainany, mba hahafahany mianatra manaja an'i Yaveh Andriamanitrareo, mba hitànany ireo teny rehetran'ireto didy aman-dalàna ireto, mba hitandremana azy ireo.
\v 20 Tsy maintsy ataony izany mba tsy hireharehan'ny fony amin'ireo rahalahiny, ary mba tsy hiviliany amin'ireo didy, ho any an-kavanana na ho any an-kavia; mba hahalava ireo androny sy ireo zanany ao amin'ny fanjakany, eo amin'Israely.
\v 1 Ireo mpisorona, izay Levitika, ary ny fokon'i Levy rehetra, dia tsy hahazo anjara na lova miaraka amin'Israely; tsy maintsy mihinana ireo fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo toy ny lovany izy ireo.
\v 2 Tsy tokony mahazo lova eo amin'ireo rahalahiny izy ireo; Yaveh no lovan'izy ireo, araka ny efa nolazainy tamin'izy ireo.
\v 3 Izao no anjaran'ny mpisorona avy any amin'ny vahoaka, sy avy any amin'ireo nanao sorona na ireo omby na ireo ondry: tokony homen'izy ireo ho an'ny mpisorona ny soroka, ny takolany roa, sy ireo atiny.
\v 4 Ireo voaloham-bokatry ny varinao, ny divainao vaovao, sy ny diloilonao, ary ny volon'ondrinao voalohany, dia tokony homenao azy izany.
\v 5 Fa Yaveh Andriamanitrareo no nifidy azy teo amin'ny fokonareo rehetra mba hijoro sy hanompo amin'ny anaran'i Yaveh, izy sy ny zanany lahy mandrakizay.
\v 9 Rehefa tafiditra ao amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, dia aza mianatra mandinika ny fahavetavetan'ireo firenena ireo.
\v 10 Tsy tokony hahitana olona mametraka ny zanany lahy na ny zanany vavy anaty afo eo aminareo, na iza na iza mampiasa sikidy, na misikidy, mampiasa ody, na manao ody,
\v 12 Fa na iza na iza manao ireo zavatra ireo dia fahavetavetana amin'i Yaveh izany; satria noho ireo fahavetavetana ireo no handroahan'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo tsy ho eo anoloanareo.
\v 13 Aoka tsy hanan-tsiny eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo.
\v 14 Fa ireo firenena izay ho alainareo ireo dia mihaino ireo mpanao ody sy sikidy; fa ianareo kosa, Yaveh Andriamanitrareo dia tsy namela anareo nanao izany.
\v 1 Rehefa manapaka ireo firenena Yaveh Andriamanitrareo, ireo tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo, ary rehefa maka ny tanin'izy ireo ary monina tao amin'ny tanànan'izy ireo sy ny tranon'izy ireo ianareo,
\v 2 dia misafidiana tanàna telo ho an'ny tenanareo eo afovoan'ny taninareo izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ho fananana.
\v 3 Manamboara lalana ary zarao ho telo ny faritaninareo, ny tany izay navelan'i Yaveh Andriamanitrareo ho lovainareo, mba handositra any izay rehetra mamono olon-kafa.
\v 4 Izao no lalàna ho an'ny olona izay mamono olon-kafa ary mandositra hipetraka any: na iza na iza mamono tsinahy ny mpiara-belona aminy, ary tsy nankahala azy teo aloha—
\v 5 toy ny rehefa mankany an'ala miaraka amin'ny mpiara-belona aminy mba hanapaka hazo, ary mikapa ny hazo amin'ny famaky izy, ary miala eny amin'ny tahony ny lohan'ilay famaky ka mahavoakapoka ilay mpiara-belona aminy ka maty izy—dia tsy maintsy mandositra any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo ary mipetraka any izany lehilahy izany.
\v 6 Raha tsy izany dia mety ho arahin'ny mpamaly rà ilay iray izay hanala ny aina, ary ny firehetan-katezerany no handresy, raha lehibe loatra ny halavirana, kapohy izy ary vonoy izy, na dia tsy mendrika ny ho faty aza izany lehilahy izany, satria tsy nankahala ny mpiara-belona aminy izy tany aloha.
\v 7 Noho izany mandidy anao aho hifidy tanàna telo ho anao.
\v 8 Raha manitatra ny faritaninareo i Yaveh Andriamanitrareo, araka ny efa nianianany tamin'ireo razambenareo fa ho ataony, ary ny tany rehetra izay nampanantenainy fa homena ny razambe anareo;
\v 9 raha tandrovinareo ireo didy rehetra ireo, izay handidiko anareo anio— ireo didy mba hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo sy handeha amin'ny lalany mandrakariva, dia tokony hanampy tanàna telo lehibe ho an'ny tenanareo ianareo, ankoatra ireo telo.
\v 10 Ataovy izany mba tsy hisy ràn'olona tsy manan-tsiny hiraraka eo amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ho lova, mba tsy ho meloka amin'ny rà ianareo.
\v 11 Saingy raha misy olona mankahala ny mpiara-belona aminy, manomana tetika hamonoana azy, mitsangana hanohitra azy, ary mandratra azy mba ho faty, ary raha mandositra any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo izy—
\v 12 dia tsy maintsy maniraka sy maka azy hiverina avy any ireo loholona ao amin'ny tanànany, ary manolotra azy eo an-tanan'ny mpamaly faty, mba ho faty izy.
\v 13 Aoka ny masonareo tsy ampiseho famindram-po aminy; fa kosa, foano tsy ho eo amin'Israely ny famonoana olona tsy manan-tsiny, mba hahasoa anareo.
\v 16 Raha atao hoe misy vavolombelona tsy marina iray mitsangana manohitra olona mba hijoro vavolombelona hiampanga azy amin'ny fanaovan-dratsy.
\v 17 Ary ireo lehilahy roa, izay misy tsy fiombonan-kevitra, dia tsy maintsy mijoro eo anatrehan'i Yaveh, eo anatrehan'ireo mpisorona sy mpitsara izay mpanompo tamin'izany andro izany.
\v 18 Ireo mpitsara dia tokony hanao fanadihadiana lalina; jereo, raha sandoka ny vavolombelona ary raha mijoro vavolombelona tsy marina amin'ny rahalahiny,
\v 19 dia ataovy aminy izay niriany hatao amin'ny rahalahiny; ary hanala ny ratsy eo aminareo ianareo.
\v 20 Ary ireo izay tavela dia handre sy hatahotra, ary tsy hanao zava-dratsy toy izany eo aminareo intsony manomboka eo.
\v 21 Tsy tokony hampiseho famindram-po ny masonareo; ny aina no ho solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.
\v 5 Dia tsy maintsy hiteny amin'ny vahoaka ireo manam-boninahitra ka hanao hoe: “Misy lehilahy ve ao izay nanao trano vaovao ka mbola tsy nitokana izany? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony, mba tsy ho faty an'ady izy ka ho lehilahy hafa indray no hitokana izany.
\v 6 Misy lehilahy ve namboly tanim-boaloboka ka mbola tsy nisitraka ny vokatr'izany? Aoka izy hody, mba tsy ho faty an'ady izy ka olon-kafa indray no hisitraka ny vokatr'izany.
\v 7 Misy lehilahy ve ao nifamofo tamim-behivavy nefa tsy mbola nanam-bady azy? Aoka izy hody mba tsy ho faty an'ady ka ho lehilahy hafa indray no hanambady azy.”
\v 8 Dia mbola hiteny amin'ny vahoaka hatrany ireo manam-boninahitra hanao hoe: “Misy lehilahy ve ao izay matahotra na reraka am-po? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony, mba tsy ho ketraka toy ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.”
\v 10 Rehefa mandeha mba hanafika tanàna ianareo, dia manaova tolo-pihavanana amin'ireo vahoaka ireo.
\v 11 Raha manaiky ny tolotrareo sy manokatra ny vavahadiny ho anareo izy ireo, dia ho tonga andevonareo sy hanompo anareo ny olona rehetra izay hita ao.
\v 12 Fa raha tsy manao tolo-pihavanana aminareo izany, fa hamaky ady aminareo kosa, dia tsy maintsy ataonareo fahirano izany,
\v 13 ary rehefa manome fandresena anareo Yaveh Andriamanitrareo ka mametraka azy ireo eo ambany fifehezanareo, dia tsy maintsy vonoinareo ny lehilahy rehetra ao amin'ilay tanàna
\v 14 Fa ny vehivavy kosa, ireo zaza madinika, ny biby fiompy, sy izay rehetra ao amin'ilay tanàna, ary ny hareny rehetra, dia ho alainareo ho babo ho anareo izany. Dia hihinana ny babon'ireo fahavalonareo ianareo, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\v 15 Izany no fomba tsy maintsy ataonareo amin'ireo tanàna rehetra izay tena lavitra anareo, dia ireo tanàna tsy avy amin'ireto tanàn'ireto firenena manaraka ireto.
\v 16 Ao amin'ny tanànan'ireo olona izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ho lovaina ireo, dia tsy azonareo asiana velona izay mety ho manam-pofon'aina.
\v 17 Fa kosa, tsy maintsy ravànareo tanteraka izy ireo: ny Hetita, sy ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita, araka izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\v 18 Ataovy izany mba tsy hampianaran'izy ireo anareo hanao ireo fomba fahavetavetany, araka izay nataon'izy ireo tamin'ireo andriamaniny. Raha manao izany ianareo, dia hanota amin'i Yaveh Andriamanitrareo.
\v 19 Rehefa ela no hanaovanareo fahirano tanàna iray, raha miady aminy ianareo mba hahazoana azy, dia tsy azonareo kapaina amin'ny famaky ireo hazony. Satria afaka mihinana avy amin'ireo ianareo, izany no tsy hahazoanareo manjera azy ireo. Fa olona ve ny hazo ao an-tsaha no tokony ataonareo fahirano?
\v 20 Ireo hazo izay fantatrareo fa tsy hazo fihinana ihany, no azonareo simbaina sy azera; hanangana fahirano manohitra an'ilay tanàna izay miady aminareo ianareo, mandra-paharavan'izany.
\v 10 Rehefa mandeha mivoaka hiady hanohitra ireo fahavalonao ianao ary Yaveh Andriamanitrao manome fandresena anao sy manao azy ireo ho eo ambany fahefanao, ary mihazona azy ireo ho babo ianao,
\v 11 raha mahita vehivavy tsara tarehy eo amin'izy ireo ianao, ary manam-paniriana aminy ka maniry ny haka azy ho vadinao,
\v 12 dia ho entinao any an-tranonao izy; hanaratra ny lohany izy ary hanapaka ny hohony.
\v 13 Ary hanala ny akanjo izay nanaovany tamin'izy babo izy ka hijanona ao amin'ny tranonao ary hisaona ny rainy sy ny reniny mandritry ny iray volana. Rehefa avy miara-mandry aminy ianao ary lasa vadiny, dia ho vadinao izy.
\v 14 Fa raha tsy mahazo fahafinaretana aminy ianao, dia hamela azy handeha any amin'izay iriany aleha. Fa tsy azonao atao ny mivarotra azy ho fahazoam-bola, ary tsy azonao atao ny mitondra azy tahaka ny andevo, satria efa nanala baraka azy ianao.
\v 15 Raha manana vady roa ny lehilahy iray ary ny iray dia tiana fa ny iray ankahalaina, ka samy niteraka zaza ho azy avokoa ireo roa ireo—ilay vady tiana sy ilay vady ankahalaina—raha avy amin'ilay ankahalaina ny lahimatoa,
\v 18 Raha misy lehilahy iray manana zanaka mafy loha sy mpikomy izay tsy hankato ny feon'ny rainy na ny feon'ny reniny, ary izay, na dia ahitsin'izy ireo aza izy, dia tsy hihaino azy ireo;
\v 19 dia tsy maintsy manery azy sy mitondra azy mivoaka mankany amin'ireo loholon'ny tanànany sy any am-bavahadin'ny tanànany ny rainy sy ny reniny.
\v 21 Dia tsy maintsy mitora-bato azy ho faty avokoa ny olon-drehetran'ny tanànany; ary ianao dia hanala ny ratsy eo aminao. Ny Israely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
\v 22 Raha nanao fahotana mendrika fahafatesana ny olona iray ary vonoina izy, ka haraviravinao eny amin'ny hazo,
\v 23 dia tsy azo ajanona eo amin'ny hazo mandritry ny alina tontolo mihitsy ny fatiny. Fa kosa, tsy maintsy alevinao amin'io andro io ihany izy; satria na iza na iza naraviravy dia voahozon'Andriamanitra. Ankatoavy ny didiny mba tsy handoto ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao ho lova ianao.
\v 5 Tsy tokony hitafy fitafian-dehilahy ireo vehivavy, ary tsy tokony manao fitafiam-behivavy ireo lehilahy; fa na iza na iza manao ireo zavatra ireo dia fanevatevana an'i Yaveh Andriamanitrareo izany.
\v 6 Raha misy akanim-borona miseho eo anoloanao eny an-dalana, eny amin'ny hazo rehetra na eny amin'ny tany, miaraka amin'ny zanany na atody ao aminy, ary ilay reniny mipetraka eo amin'ny zanany na eo amin'ireo atody, dia tsy tokony haka ilay reny miaraka amin'ilay zanany ianao.
\v 7 Tokony hamela ilay reny handeha ianao, fa ilay zanany dia afaka alainao ho anao. Mankatoava izany baiko izany mba ho lavorary aminao izany, ary mba hahalava ny andronao.
\v 8 Rehefa manorina trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tafonao mba tsy hitondranao rà ao an-tranonao raha misy olona mianjera avy eo amin'izany.
\v 9 Tsy tokony hamboly ny tanim-boalobokao miaraka amin'ny karazana voa roa ianao, mba tsy ho alain'ny toerana masina ny vokatra rehetra, ireo voa izay nafafinao ary ny vokatry ny tanim-boaloboka.
\v 16 Ny rain'ilay vehivavy dia tsy maintsy milaza amin'ireo loholona hoe: ‘Nanome ny zanako vavy ho vadin'izany lehilahy izany aho, ka nankahala azy izy.
\v 17 Indro, nanendrikendrika azy tamin'ny zava-mahamenatra izy, ary nilaza hoe: “Tsy hitako tao amin'ny zanakareo vavy ny porofon'ny maha virjiny azy.” Kanefa ity ny porofo amin'ny maha virijiny ny zanako vavy.’ Avy eo izy ireo dia hamelatra ny fitafiany eo anatrehan'ireo loholon'ny tanàna.
\v 20 Fa raha marina izany zavatra izany, fa ilay porofo maha-virijiny dia tsy hita tao amin'ilay vehivavy,
\v 21 dia tsy maintsy hitondra an'ilay vehivavy any amin'ny varavaran'ny tranon'ilay ray izy ireo, ary ireo lehilahy any amin'ny tanàna dia tsy maintsy hitora-bato azy ho faty, satria nanao zavatra maharikoriko tany Israely izy, tamin'ny fanaovana fihetsika toy ny vehivavy janga tao an-tranon-drainy; ary hanala ny ratsy eo aminareo ianareo.
\v 23 Raha misy vehivavy virijiny iray, mivady amin'ny lehilahy iray, ary lehilahy iray hafa mahatratra azy ao amin'ny tanàna ka miara mandry aminy,
\v 24 dia alaivo ho any amin'ny vavahadin'ny tanàna izy roa, ka torahy vato ho faty. Tsy maintsy mitoraka ilay vehivavy ianao, satria tsy nitomany izy, na dia tao amin'ny tanàna aza. Tsy maintsy mitoraka ilay lehilahy ianao, satria nandika ny vadin'ny mpiara-belona aminy izy; ary hanala ny ratsy eo aminao ianao.
\v 25 Fa raha tratran-dralehilahy eny an-tsaha ilay vehivavy efa fofombadin'olona, ka raha azoniny izy ary miara-mandry aminy, dia ilay lehilahy izay miara-mandry aminy ihany no tsy maintsy ho faty.
\v 26 Fa ilay vehivavy tsy hanaovanao na inona na inona; tsy misy heloka mendrika fahafatesana ao amin'ilay vehivavy. Fa izany tranga izany dia toy ny lehilahy iray manafika ny mpiara-belona aminy sy mamono azy.
\v 28 Raha misy lehilahy mahatratra vehivavy virijiny iray nefa tsy mbola fofombadin'olona, ary raha hazoniny sy miara-mandry aminy izy, ka raha tratra izy ireo,
\v 3 Ny Amonita sy Moabita dia tsy ho isan'ny fiangonan'i Yaveh; ka hatrany amin'ny taranaka fara-mandimbiny fahafolo, tsy hisy ho isan'ny fiangonan'i Yaveh izy ireo.
\v 4 Izany dia satria tsy nitsena anareo tamin'ny mofo sy rano teny amin'ny lalana nivoahanareo avy tany Egypta izy ireo, ary satria nanakarama an'i Balama zanaka lahin'i Beora avy any Petora any Arama Naharaima hanoherana anao izy ireo, mba hanozona anao.
\v 5 Fa Yaveh Andriamanitrao dia tsy hihaino an'i Balama; fa kosa, navadik'i Yaveh ho fitahiana ho anao ilay ozona, satria tian'i Yaveh Andriamanitrao ianao.
\v 6 Tsy tokony hitady ny fiadanana na fanambinan'izy ireo mihitsy ianao, mandritry ny androm-piainanao rehetra.
\v 13 ary hanana zavatra ao amin'ny fitaovam-piasanao ianao mba handavahana; rehefa mitingitingina manao maloto ianao, dia tokony handavaka amin'izany ary avy eo mamerina ny tany ka manototra izay nivoaka avy tao aminao.
\v 14 Satria i Yaveh Andriamanitrao dia mandeha eny afovoan'ny tobinao mba hanome fandresena ho anao sy hanolotra ireo fahavalonao aminao. Noho izany dia tokony ho masina ny tobinao, mba tsy hahitany zavatra tsy madio eo aminao ka hivadika aminao.
\v 1 Raha misy lehilahy maka vady ka manambady azy, ary raha tsy mahita sitraka eo imasony ravehivavy satria nahita zavatra tsy nety taminy izy, dia tsy maintsy manoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana aminy izy, apetrao eo am-pelatanany izany ary roahy ao an-tranony izy.
\v 2 Rehefa niala tao amin'ny tranony izy, dia afaka mandeha sy ho vadin'ny lehilahy hafa.
\v 3 Raha mankahala azy ilay vadiny faharoa ka hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana, dia apetraho eo am-pelatanany izany, ary roahy ao an-tranony izy; na raha maty ilay vadiny faharoa, ilay lehilahy izay naka azy ho vady—
\v 4 dia afaka tsy maka vady azy intsony ilay vadiny teo aloha, izay voalohany nandroaka azy, rehefa voaloto izy; satria ho fahavetavetana amin'i Yaveh izany. Aza manao izay mahatonga ny tany ho meloka ianao, dia ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lova.
\v 5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy tokony handeha an'ady miaraka amin'ny tafika izy, na baikoina handeha hanao asa an-terivozona; ho afaka hipetraka ao ao an-tranony mandritry ny herin-taona ary hampifaly ny vadiny izay nampakariny izy.
\v 7 Raha misy lehilahy tratra maka an-keriny ny iray amin'ireo rahalahiny izay eo amin'ny vahoakan' Israely, sy manao azy ho toy ny andevo ary hivarotra azy, dia tsy maintsy ho faty izany mpangalatra izany; ary hanafaka ny ratsy eo aminao ianao.
\v 8 Mitandrema amin'ny areti-mandringan'ny habokana, mba hahafahanao manara-maso tsara sy manaraka ny toromarika rehetra izay nomena anareo sy izay nampianarin'ireo mpisorona, ireo Levita anareo; araka ny nandidiako azy ireo, ka ho arahinareo.
\v 10 Rehefa mampisambo-javatra ny mpiara-belona aminao ianao, dia aza miditra ao an-tranony mba haka ny antokany.
\v 11 Hijoro ao ivelany ianao, ary ilay lehilahy izay nampindraminao dia hitondra ilay antoka hivoaka eo aminao.
\v 12 Raha lehilahy mahantra izy, aza entina matory ho fanananao ny antokany.
\v 13 Fa tsy maintsy averinao any aminy ilay antoka amin'ny fotoana hilentehan'ny masoandro, mba hahafahany matory ao anaty lambany ary hitahiany anao; ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao izany.
\v 14 Aza mampahory ny mpanompo nokaramaina izay mahantra sy ao anatin'ny tsy fahampiana, na zanak'ireo Israelita namanao, na ireo vahiny izay ao amin'ny tany izay ao am-bavahadin'ny tanànanao;
\v 15 omeo azy isan'andro ny karamany; aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany, satria mahantra izy ary miandrandra izany. Ataovy izany mba tsy hitarainany any amin'i Yaveh ny aminao, ary mba tsy ho fahotana ho anao izany.
\v 16 Ny ray aman-dreny dia tsy tokony ho vonoina noho ireo zanany, na ny zanaka ho vonoina noho ireo ray aman-dreniny. Fa kosa, ny tsirairay avy dia tsy maintsy vonoina nohon'ny fahotany manokana.
\v 19 Raha mijinja ny vokatrao any amin'ny sahanao ianao, ary raha nanadino amboara iray tany an-tsaha, dia aza miverina maka izany; avelao ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty ary ho an'ny mpitondratena izany, mba hitahian'i Yaveh Andiamanitrao anao amn'ny asan'ny tananao rehetra.
\v 20 Rehefa manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza mamerina mitsimpona ireo eny amin'ny sampany intsony; ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena izany.
\v 21 Rehefa manangona ny voaloboka eny amin'ny tanim-boalobokao ianao, dia aza mitsimpona izany intsony. Fa izay sisa tavela dia ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena.
\v 1 Raha misy fifamaliana eo amin'ireo lehilahy ka mankany amin'ny fitsarana izy ireo, ary tsarain'ireo mpitsara izy ireo, dia ho afahan'izy ireo madiodio ilay marina ary ho melohina ilay ratsy fanahy.
\v 2 Raha mendrika ny ho kapohina ilay meloka, dia ho ampandrian'ilay mpitsara izy ary ho kapohina eo anatrehany miaraka amin'ny isan'ny kapoka voatondro, araka ny helony.
\v 3 Mety hanome kapoka efa-polo azy ny mpitsara, saingy tsy afaka mihoatra an'io isa io izy; satria raha manome mihoatra io isa io izy ka mikapoka azy bebe kokoa, dia ho afa-baraka eo imasonareo ireo Israelita namanareo.
\v 5 Raha misy mpirahalahy miara-mipetraka ary maty ny iray amin'izy ireo, ka tsy nanan-janaka lahy, dia tsy mahazo manambady olona ivelan'ny fianakaviana ny vadin'ilay lehilahy maty. Fa kosa, tsy maintsy miara-mandry aminy ny zaodahiny ka maka vady azy, ary manao ny adidy amin'ny maha-zaodahy azy.
\v 6 Izany dia mba hahombiazan'ilay teraka voalohany izay nentiny tao an-kibony amin'ny anaran'ilay rahalahin'io lehilahy io izay maty, mba tsy ho levona ao Israely ny anarany.
\v 7 Fa raha tsy manam-paniriana ny haka ny vadin'ny rahalahiny ho azy ilay lehilahy, dia tsy maintsy mankany amin'ny vavahady any amin'ireo loholona ny vadin'ny rahalahiny ary miteny hoe: ‘Ny zaodahiko dia mandà ny hanome anarana ho an'ny rahalahiny eto Israely; tsy hanao ny adidin'ny zaodahy amiko izy.’
\v 8 Avy eo ireo loholona eo an-tanànany tsy maintsy miantso azy ary hiresaka aminy. Fa raha atao hoe mihizingizina izy ary miteny hoe: ‘Tsy manam-paniriana haka azy aho.’
\v 9 Avy eo ny zaodahiny tsy maintsy manatona azy eo anatrehan'ireo loholona, manala ny kapa eny an-tongony, ary mandrora eny amin'ny tarehiny. Tsy maintsy mamaly azy izy ary miteny hoe: ‘Toy izany no atao amin'ny lehilahy izay tsy manorina ny tranon'ny rahalahiny.’
\v 10 Ny anarany dia ho antsoina ao Israely hoe: ‘Ny tranon'ilay nesorina ny kapany.’
\v 11 Raha miady ireo lehilahy, ary tonga ny vadin'ny iray mba hanavotra ny vadiny eny an-tanan'izay namely azy, ary raha maninjitra ny tanany ka mandray azy any amin'ny filahiny izy,
\v 12 dia tsy maintsy tapahinao ny tanany; tsy tokony hanana famindram-po ny masonao.
\v 13 Tsy tokony hanana vatomizana samihafa ianao ao anaty kitaponao, ilay kely sy lehibe.
\v 14 Tsy tokony hanana fandrefesana samihafa ianao ao an-tranonao, ilay kely sy lehibe.
\v 15 Vatomizana tonga lafatra sy marina no tokony hanananao; fandrefesana tonga lafatra sy marina no tokony hanananao, mba ho lava ny andronao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao.
\v 16 Fa ireo rehetra izay manao zavatra toy izany, ny rehetra izay manao fihetsika tsy am-pahamarinana, dia fahavetavetana eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao.
\v 18 ny fomba nihaonany taminao teny an-dalana sy ny nanafihany ny sasany taminao avy tao aoriana, ireo rehetra izay osa taorianao, rehefa reraka sy sasatra ianao; tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy.
\v 19 Noho izany, rehefa nomen'i Yaveh Andriamanitrao fitsaharana tamin'ireo fahavalo nanodidina anao ianao, tao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao mba ho lova, dia tsy tokony hadinoinao fa tsy maintsy mamono ny fahatsiarovana an'ireo Amelekita eo ambany lanitra ianao.
\v 12 Rehefa avy manolotra ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra tamin'ny taona fahatelo ianao, izay, taonan'ny ampahafolon-karena, dia tsy maintsy homenao ho an'ny Levita izany, ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, sy ho an'ny mpitondratena, mba hahafahan'izy ireo mihinana ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanao ka ho voky.
\v 14 Tsy nihinana tamin'izany aho nandritry ny fisaonako, na nataoko teny ho eny tamin'ny andron'ny fahalotoko, na nomeko ho fahan-kanina hanajana ny maty. Nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitro aho; nankatoaviko avokoa izay rehetra nandidianao ahy mba hataoko.
\v 19 ‘Ho voaozona anie ny lehilahy izay mampiasa hery mba hahazoana ny rariny izay tokony ho an'ny vahiny, ny kamboty, na ny mpitondratena.’ Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: ‘Amena.’
\v 22 ‘Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny anabaviny, ny zanaka vavin'ny rainy, na ny zanaka vavin'ny reniny.’ Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: ‘Amena.’
\v 4 Ho tahiana izay naterakao, sy ny vokatry ny taninao, ary ny zanak'ireo bibinao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao.
\v 12 Hanokatra ho anao ny trano fitehirizany any an-danitra mba hanome orana ho an'ny taninao amin'ny fotoany, sy mba hitahy ny asan'ny tananao rehetra i Yaveh; hampisambotra ny firenena maro ianao, fa tsy hisambotra.
\v 13 Hanao anao ho lohany, ary tsy ho rambony i Yaveh; ho ambony ihany ianao, fa tsy ho ambany mihitsy, raha mihaino ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao izay handidiako anareo androany, ary mitandrina sy manao ireo,
\v 29 Hitsapatsapa amin'ny atoandro toy ny jamba mitsapatsapa anaty aizina ianao, ary tsy hambinina amin'ireo lalanao ianao; hampahoriana sy ho robaina foana ianao, ary tsy hisy na iza na iza hamonjy anao.
\v 31 Ho vonoina eo anoloan'ny masonao ny ombinao, nefa tsy hihinana ny henan'izany ianao; halaina an-keriny eo anoloan'ny masonao ny borikinao ary tsy haverina aminao. Homena ireo fahavalonao ny ondrinao, ary tsy hanana na iza na iza hanampy anao ianao.
\v 36 Yaveh hitondra anao sy ny mpanjaka izay hapetrakao ho an'ny tenanao ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao; hanompo ireo andriamanin-kafa hazo sy vato ao ianao.
\v 51 Hihinana ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharingana anao izy ireo. Tsy hamela voa ho anare, divay vaovao, na diloilo, ny zanaky ny biby fiompinao na ny an'ny ondry aman'osinao izy ireo, mandra-pahafatiny anao.
\v 52 Hanao fahirano anao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy ireo, mandra-pianjeran'ireo rindrinao avo sy mafy rehetra ao an-tanànanao, ireo rindrina izay nitokisanao. Hanao fahirano anao ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao rehetra manerana ny tany rehetra izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao izy ireo.
\v 53 Hihinana ny vokatry ny vatanao ihany, ny nofon'ireo zanakao lahy sy ny an'ireo zanakao vavy, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, eo amin'ny fahirano sy eo amin'ny fahoriana izay ho ataon'ireo fahavalonao eo aminao.
\v 54 Ny lehilahy izay marefo sy tena malefaka eo aminareo—dia hialona ny rahalahiny sy ny vady malalany, ary ireo zanaka rehetra nilaozany izy.
\v 55 Ka tsy hanome na amin'ny iray amin'izy ireo ny nofon'ny zanany izay ho haniny izy, satria tsy hanana na inona na inona tavela ho an'ny tenany amin'ny fahirano sy amin'ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy.
\v 56 Ny vehivavy marefo sy malefaka eo aminao, izay tsy sahy mametraka ny faladian-tongony amin'ny tany nohon'ny faharefoana sy fahalefahana— dia hialona ny vady malalany ihany izy, ny zanany lahy, sy ny zanany vavy,
\v 57 ary ny zanany vao teraka izay mivoaka avy ao anelanelan'ny tongony, sy ireo zanaka izay haterany. Hihinana azy ireo mangingina izy nohon'ny tsy fisian-javatra hafa, mandritra ny fahirano sy ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao.
\v 58 Raha tsy mitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izay voasoratra ao amin'ity boky ity izao ianao, ary tsy manaja ity anarana be voninahitra sy mampahatahotra ity, Yaveh Andriamanitrao,
\v 59 dia ho ataon'i Yaveh mahatsiravina ny areti-mandringanao, sy ny an'ireo taranakao; ho areti-mandoza ireo, izay maharitra ela, ary aretina mahery, maharitra ela.
\v 61 Ny aretina sy ny areti-mandringana rehetra izay tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ity lalàna ity ihany koa, ireo ihany koa dia ho entin'i Yaveh aminao mandra-paharingana anao.
\v 62 Avela ho kely an'isa ianareo, na dia tahaka ireo kintan'ny lanitra aza ny isanareo, satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo.
\v 63 Tahaka ny nifalian'i Yaveh taminareo tany taloha tamin'ny fanaovana ny tsara ho anareo, sy tamin'ny fampitomboana anareo, no hifaliany aminareo amin'ny famonoana anareo sy amin'ny fandringanana anareo. Hongotana amin'ny tany izay andehananao mba hatao fananana ianareo.
\v 64 Yaveh dia hampiely anao eo amin'ireo vahoaka rehetra eny amin'ny faran'ny tany iray ka hatrany amin'ny farany hafan'ny tany; any ianao dia hanompo ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao, ireo andriamanitra hazo sy vato.
\v 65 Any amin'ireo firenena ireo dia tsy hahita fitoniana ianao, ary tsy hisy fitsaharana ho an'ireo faladian-tongotrao; fa kosa, homen'i Yaveh fo tora-kovitra, maso mitanondrika, ary fanahy izay malahelo ianao any.
\v 66 Hihantona amin'ny ahiahy eo anatrehanao ny fiainanao; hatahotra isan-kalina sy isan'andro ianao ary tsy hahazo antoka ny fiainanao akory.
\v 67 Amin'ny maraina dia hiteny ianao hoe: ‘Iriko mba ho hariva izao!’ ary amin'ny hariva dia hiteny ianao hoe: ‘Iriko mba ho maraina izao!’ nohon'ny tahotra ao am-ponao sy ireo zavatra izay ho hitan'ireo masonao.
\v 68 Yaveh hitondra anao indray any Egypta amin'ny sambo, amin'ny lalana izay nolazaiko taminao hoe: ‘Tsy hahita an'i Egypta intsony ianao.’ Hanolotra ny tenanareo ho varotra any amin'ireo fahavalonareo toy ny mpanompo lahy sy vavy ianareo, nefa tsy hisy na iza na iza hividy anareo.”
\v 7 Raha tonga tamin'ity toerana ity ianareo, dia nivoaka mba hiady amintsika, i Sihona, ilay mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, ilay mpanjakan'i Basana, dia lavontsika izy ireo.
\v 8 Nalaintsika ireo taniny ary nomentsika ho lovan'ireo Robenita, sy Gadita, ary ho an'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase izany.
\v 11 ireo zaza madinikareo, ireo vadinareo, ary ny vahiny izay ao aminao ao amin'ny tobinao, na izay manapaka ny hazonao hatramin'izay mantsaka ny ranonao.
\v 12 Tonga eto ianao mba hiditra amin'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrao sy amin'ny fianianana izay hataon'i Yaveh Andriamanitrao aminao ani,
\v 13 ka hahatonga anao ho vahoakany Izy, ary Izy ho Andriamanitrao, arak'izay nolazainy taminao, sy arak'izay nianianany tamin'ny razanao, tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba.
\v 14 Fa tsy aminareo ihany no hanaovako izao fanekena sy fianianana izao—
\v 15 dia amin'izay rehetra mitsangana eo anoloan'i Yaveh Andriamanitsika miaraka amintsika eto anio—fa amin'ireo izay tsy miaraka amitsika eto anio ihany ko.
\v 16 Fantatrareo ny fomba niainantsika tany amin'ny tany Egypta, ary ny fomba namakivakisantsika ireo firenena izay nolalovanareo.
\v 17 Efa hitananareo ireo zava-maharikorikon'izy ireo: dia ireo sampy hazo sy ireo sampy vatony, volafotsy sy volamena, izay teo amin'izy ireo.
\v 18 Aoka tsy hisy eo aminareo na lehilahy, na vehivavy, na fianakaviana, na foko izay mivily miala amin'i Yaveh Andriamanitsika ny fony anio, ka handeha hanompo ny andriamanitr'ireo firenena ireo. Aoka tsy hisy faka mamokatra zava-mangidy sy zava-mahafaty eo aminareo.
\v 19 Koa raha ren'izany olona izany ireo tenin'ity fanozonana ity, dia hitso-drano ny tenany ao am-pony izy ka hanao hoe: ‘Hanam-piadanana aho, na dia mandeha araka ny ditran'ny foko aza.’ Izany dia haharingana ny lena miaraka amin'ny maina.
\v 20 Ary tsy hamela azy Yaveh, fa kosa, hirehitra amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony, ary ho tonga aminy ny ozona rehetra izay voasoratra anatin'ity boky ity, ary ho fafan'i Yaveh tsy ho eo ambany lanitra ny anarany.
\v 22 Ny taranaka ho avy, dia ireo zanaka izay handimby anareo, ary ny vahiny izay avy amin'ny tany lavitra, dia hiteny rehefa hitan'izy ireo ny areti-mandringana amin'ity tany ity sy ireo aretina izay nampahararian'i Yaveh izany—
\v 23 Ary rehefa hitan'izy ireo fa tonga solifara sy sira mirehitra ny tany manontolo, izay tsy namafazana na inona na inona na namoha voa, izay tsy misy zava-maniry, tahaka ny naharava an'i Sodoma sy Gomoro, Adma sy Jeboima, izay noravan'i Yaveh tamin'ny fahavinirany sy fahatezerany—
\v 29 Ireo zava-miafina dia an'i Yaveh Andriamanitsika irery ihany; fa ny zavatra ambara kosa dia natao ho antsika sy ireo taranatsika mandrakizay, mba hahafahantsika manatanteraka ny teny rehetran'ity lalàna ity.
\v 1 Rehefa tonga eo aminao izao zavatra rehetra izao, ireo fitahiana sy ireo ozona izay napetrako teo anolonao, ary rehefa mahatsiaro azy ireo ianao eo amin'ireo firenena hafa rehetra izay nitondran'i Yaveh Andriamanitrao anao,
\v 2 ary rehefa miverina amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao ka makanto ny feony, manaraka izay rehetra handidiako anao izao— ianao sy ireo zanakao— amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo,
\v 3 dia hanova ny fahababonao sy hanana famindram-po aminao i Yaveh Andriamanitrao; hiverina izy ary hanangona anao amin'ireo olona rehetra izay naparitak'i Yaveh Andriamanitrao.
\v 4 Raha misy iray amin'ireo olonao natao sesitany any amin'ireo toerana lavitra indrindra ambanin'ny lanitra, any amin'izany no hanangonan'i Yaveh Andriamanitrao anao, ary any amin'izany no hitondrany anao.
\v 5 Yaveh Andriamanitrao hitondra anao amin'ny tany izay nananan'ny razambenao, ka ho lasa fanananao indray izany; hanao soa anao izy ary hampitombo anao mihoatra noho ny nataony tamin'ireo razambenao.
\v 6 Ho forain'i Yaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ireo taranakao, ka ho tiavinao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo i Yaveh Andriamanitrao, mba ho velona ianao.
\v 7 Yaveh Andriamanitrao dia hametraka ireo ozona rehetra ireo eo amin'ireo fahavalonao sy eo amin'ireo mankahala anao, ireo izay nanenjika anao.
\v 8 Hiverina sy hankato ny feon'i Yaveh ianao, ary hanao ireo didiny rehetra izay handidiako anao izao.
\v 9 Hampahomby anao i Yaveh Andriamanitrao amin'ny asan'ny tananao rehetra, amin'ny vokatry ny tenanao, sy amin'ny vokatry ny biby fiompinao, ary amin'ny vokatry ny taninao, ho fandrosoana; fa i Yaveh hifaly aminao indray nohon'ny fandrosoana, toy ny nifaliany tamin'ireo rainao.
\v 10 Hanao izany izy raha hankato ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, mba hitandrina ireo didiny sy ireo fitsipika izay voasoratra tao amin'izany bokin'ny lalàna izany, raha miverina amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao amin'ny fon sy fanahinao manontolo.
\v 12 Tsy any an-danitra izany, ka tokony hiteny ianao hoe: ‘Iza no hiakatra any an-danitra ho antsika sy hitondra izany midina aty amintsika ary manome fahafahana antsika handre izany, mba hanaovantsika izany?’
\v 13 Tsy any ampitan-dranomasina izany, ka tokony hiteny ianao hoe: ‘Iza no hiampita ny ranomasina ho antsika sy hitondra izany amintsika ary mampandre izany antsika, mba hanaovantsika izany?’
\v 17 Fa raha mivily lalana ny fonao, ary tsy mihaino ianao fa kosa voasarika lavitra sy miankohoka amin'ireo andriamanitra hafa ary manompo azy ireo,
\v 18 dia ambarako anao ankehitriny fa ho faty ianao; tsy hanalava ireo andronareo ianareo any amin'ny tany izay hitànao an'i Jordana mba hidirana sy ho fananana.
\v 19 Miantso ny lanitra sy tany aho mba ho vavolombelona manohitra anao ankehitriny izay efa napetrako teo anoloanao dia ny fiainana sy ny fahafatesana, ireo fitahiana sy ireo ozona; noho izany fidio ny fiainana mba ho velona, ianao sy ireo taranakao.
\v 20 Ataovy izany mba ho fitiavana an'i Yaveh Andriamanitrao, mba hankatoavana ny feony, ary hifikirana aminy. Satria Izy no fiainanao sy halavan'ireo andronao; ataovy izany mba hiainanao any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenao, tamin'i Abrahama, Isaka, sy i Jakoba mba homena azy ireo.”
\v 11 rehefa tonga hiseho eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny toerana izay safidiany ho fitoerany masina ny Israely rehetra, dia hamaky io lalàna io manoloana an'Israely rehetra eo an-tsofin'izy ireo ianao.
\v 12 Vorio ny olona, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, ary ny vahininao izay ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao, mba ho afaka handre sy hianatra izy ireo, ary mba ho afaka hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo sy hitandrina ny teny rehetra amin'io lalàna io izy ireo.
\v 13 Ataovy izany mba ho afaka handre sy hianatra hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, ny zanak'izy ireo, izay tsy mahafantatra, raha mbola mipetraka ao amin'ny tany izay hitànareo ho any Jordana ho fanananareo ianareo.
\v 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Indro, ho avy ny andro izay tsy maintsy hahafatesanao; antsoy Josoa ary manolora tena ao amin'ny lay fihaonana, mba hahafahako manome baiko azy.” Dia nandeha Mosesy sy Josoa ary nanolotra ny tenan'izy ireo tao amin'ny lay fihaonana.
\v 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: “Indro, hiara-handry amin'ireo razanao ianao; io vahoaka io dia hitsangana ka hanao tahaka ny mpijangajanga manaraka andriamanitra hafa izay eo amin'izy ireo ao amin'ny tany izay handehanan'izy ireo. Hahafoy Ahy izy ireo ary handrava ny fanekeko izay nataoko tamin'izy ireo.
\v 17 Ary, amin'io andro io, dia hirehitra amin'izy ireo ny hatezerako ary handao azy ireo Aho. Hanafina ny tavako amin'izy ireo Aho ka ho levona izy ireo. Aretina maro sy korontana no ho hitan'izy ireo mba hiteny toy izao izy ireo amin'io andro io hoe: ‘Tsy tonga eto anivontsika ve ireo aretina ireo satria tsy eto afovoantsika ny Andriamanitsika?’
\v 19 Ankehitriny ary dia soraty ho an'ny tenanareo ity hira ity ary ampianaro ny vahoakan'Israely izany. Ataovy ao am-bavan'izy ireo izany, ka mety ho fijoroana vavolombelona ho Ahy amin'ireo vahoakan'Israely izany hira izany.
\v 20 Satria rehefa hitondra azy ireo any amin'ny tany izay nampanantenaiko homena ireo razamben'izy ireo Aho, tany izay tondra-dronono sy tantely, ary rehefa avy nihinana ka voky sy afa-po izy ireo, dia hitodika any amin'ireo andriamani-kafa sy hanompo azy ireo ary hanao tsinontsinona Ahy sy handrava ny fanekeko.
\v 21 Rehefa tonga eo anivon'io vahoaka io ny ratsy sy ny korontana maro, dia ho vavolombelona eo anatrehan'izy ireo io hira io (satria tsy ho adino eo ambavan'ireo taranak'izy ireo izany). Satria fantatro ny tetikasa izay foronin'izy ireo ankehitriny, na dia nentiko tany amin'ny tany izay nampanantenaiko azy ireo aza izy ireo.”
\v 26 “Raiso ity bokin'ny lalàna ity ary apetraho eo ankilan'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, mba ho eo tahaka ny vavolombelona manohitra anao izany.
\v 27 Satria fantatro ny fikomianareo sy ny fahamafisan-dohanareo; indro, raha mbola velona miaraka aminareo aho androany, dia mpikomy manohitra an'i Yaveh ianareo; mainka fa rehefa maty aho?
\v 28 Vorio eto amiko ireo loholon'ny fokonareo rehetra, sy ireo manam-boninahitra, mba hahafahako miteny ireo teny ireo eo an-tsofin'izy ireo sy miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona manohitra azy ireo.
\v 2 Aoka ny fampianarako hilatsaka toy ny ranon'orana, aoka ny teny halahatro hiraraka toy ny ando, ho toy orana manify amin'ny ahi-maitso, sy ho toy ny oram-be amin'ny zava-maniry.
\v 7 Avereno ao an-tsainao ireo andron'ny fotoana fahiny, saino ny taona maro efa lasa. Anontanio ny rainao ary dia hasehony anao, ireo loholonao ary dia ho lazain'izy ireo aminao.
\v 8 Tamin'ny nanomezan'Ilay Avo Indrindra an'ireo firenena ny lovan'izy ireo—tamin'ny nizarany ny olombelona rehetra, ary ny nametrahany ny faritanin'ny vahoaka, ary ny namerany ny isan'ireo andriamaniny ihany koa.
\v 11 Toy ny voromahery izay miambina ny ankaniny sy manidintsidina eo ambonin'ireo zanany, namelatra ny elany Yaveh ary naka azy ireo, ary nentiny teny ambonin'ny elany izy ireo.
\v 22 Fa nirehitra ny afo nohon'ny fahatezerako ary mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsy-hita ambany indrindra; mandevona ny tany sy ny vokatra ao aminy izany; mampirehitra ireo fototry ny tendrombohitra izany.
\v 25 Hampahory any ivelany ny sabatra, ary hanao tahaka izany koa ny fampihorohoroana ao amin'ny efitra fatoriana. Handringana ny tovolahy sy ny virijiny izany, ny zaza minono, ary ny lehilahy fotsy volo.
\v 27 Raha tsy nohon'ny fahatahorako ny fiantsian'ny fahavalo, sy ny tsy hitsaran'ireo fahavalony azy ireo diso, ka hitenenan'izy ireo hoe: ‘Misandratra ny tananay,’ dia nataoko avokoa ireo rehetra ireo.
\v 30 Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo, na ny roa hampandositra iray alina, raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, ary Yaveh no efa nahafoy azy ireo?
\v 35 Ahy ny famaliana, sy ny fampanodiavana, amin'ny fotoana hahasolafaka ny tongotr'izy ireo; fa antomotra ny andro hahitan'izy ireo loza, ary hitranga faingana ireo zavatra voatendry ho azy ireo”
\v 36 Satria Yaveh dia hanome rariny ny olony, ary hamindra fo amin'ireo mpanompony Izy. Ho hitany fa tsy manan-kery izy ireo, ary tsy nisy tafajanona, na ireo andevo na ny olon'afaka.
\v 39 Jereo ankehitriny fa Izaho, dia Izaho, ihany no Andriamanitra, ary tsy misy andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no mahafaty, ary Izaho no mahavelona; Izaho no mandratra, ary Izaho no manasitrana, ary tsy misy hafa afaka hamonjy anao amin'ny heriko.
\v 43 Miravoravoa, ianareo ry firenena, miaraka amin'ny vahoakan'Andriamanitra, fa hamaly ny ràn'ny mpanompony Izy; hamaly faty ireo fahavalony Izy, fa hanao fanavotana ho an'ny taniny Izy, dia ho an'ny olony.
\v 46 Ary hoy Izy tamin'izy ireo: ‘Hafantohy ao an-tsainareo ireo teny rehetra izay nijoroako vavolombelona taminareo androany, mba handidianareo ny zanakareo hitandrina an'izany, ny teny rehetra an'ity lalana ity.
\v 47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, satria fiainanareo, fa amin'izany zavatra izany no hahalava ny andronao amin'ilay tany izay hiampitanao an'i Jordana ho fanananao.”
\v 50 Ho faty eo amin'ny tendrombohitra izay hiakaranao ianao, ary ho voahangona eo amin'ireo vahoakanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona Israelita namanao tany an-tendrombohitra Hora ka nahangona teo amin'ireo vahoakany.
\v 3 Eny, tia an'ireo vahoaka Izy, ireo anjeliny masina rehetra dia eo an-tananao avokoa, ary miankohoka eo an-tongotrao izy ireo; nandray ny teninao izy ireo.
\v 7 Izao no tso-drano ho an'i Joda. Hoy Mosesy hoe: Henoy, ry Yaveh, ny feon'i Joda, ka ento eo amin'ny olony indray izy. Miadià ho azy; meteza ho fanampiana manohitra an'ireo fahavalony.
\v 8 Momba an'i Levy kosa, dia hoy Mosesy hoe: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia an'ny olonao tsy mivadika, dia izay nizahanao toetra tao Masa, izay nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba.
\v 9 Ilay lehilahy izay nilaza momba ny rainy sy ny reniny hoe: “Tsy nahita azy ireo aho.” Tsy nekeny na dia ireo rahalahiny aza, ary tsy noheveriny ireo zanany. Fa nitandrina ny teninao izy, ka nitàna ny fanekenao.
\v 10 Nampianatra an'i Jakoba ny didinao Izy ary Israely ny lalànao. Hametraka dinti-kazo manitra eo anoloanao izy sy ny fanatitra dorana rehetra eo ambonin'ny alitaranao.
\v 11 Tahio, ry Yaveh, ireo fananany, ary ekeo ny asan'ny tanany. Torotoroy ny valahan'izay mitsangana hanohitra azy, sy ny an'ireo olona izay mankahala azy, mba tsy ho tafatsangana indray izy ireo.
\v 12 Ny amin'i Benjamina, dia hoy Mosesy hoe: Ilay malalan'i Yaveh dia mandry fahizay eo anilany; Yaveh no miaro azy mandrakariva, ary monina eo anelanelan'ny sandrin'i Yaveh izy.
\v 13 Ny amin'i Josefa, dia hoy Mosesy hoe: Ho tahin'i Yaveh anie amin'ireo zava-tsoan'ny lanitra anie ny taniny, dia amin'ny ando, ary amin'ny rano lalina izay mamitsaka ambany.
\v 16 Ho tahiana amin'ireo zava-tsoan'ny tany sy izay hareny anie ny taniny, ary amin'ny sitrapo tsaran'Izy izay tao amin'ilay voaroy. Aoka ny fitahiana ho eo an-dohan'i Josefa, ary ho eo an-tampon-dohan'ilay andriana teo amin'ireo rahalahiny.
\v 17 Ny voalohan-teraky ny omby, dia be voninahitra izy, ary ireo tandrony dia tandrok'ombimanga. Amin'izany no hanotoany ny olona, izy rehetra, hatrany am-paran'ny tany. Ireo no an'alinalin'i Efraima; ireo no an'arivorivon'i Manase.
\v 19 Hiantso ireo vahoaka ho any an-tendrombohitra izy ireo. Any no hanateran'izy ireo fanati-pahamarinana. Fa izy ireo no hitroka ireo haren-dranomasina, sy avy amin'ny fasika eo amoron-dranomasina.
\v 20 Ny amin'i Gada dia hoy Mosesy hoe: Ho tahiana izay manitatra an'i Gada, honina any tahaka ny liona vavy izy, dia hamiravira sandry na loha eny izy.
\v 23 Ny amin'i Naftaly, dia hoy Mosesy hoe: i Naftaly, voky fankasitrahana, sady feno ny fitahian'i Yaveh, mandovà ny tany hatrany andrefana sy atsimo.
\v 24 Ny amin'i Asera, dia hoy Yaveh hoe: Ho tahiana mihoatra noho ny zanaka lahy hafa rehetra anie Asera; aoka ho hankasitrahan'ireo rahalahiny izy, ary aoka izy hanatsoboka ny tongony anaty menaka oliva.
\v 27 Ilay Andriamanitra mandrakizay dia fialofana, ary ireo sandry mandrakizay no eo ambany. Mandroaka ny fahavalo tsy ho eo anoloanao Izy, ka manao hoe: “Aringano!”
\v 29 Maro ireo fitahianao, ry Israely! Iza no tahaka anao, dia firenena voavonjin'i Yaveh, ilay ampingan'ny famonjenao, ary sabatry ny voninahitrao? Ho tonga hangovitra eo anoloanao ireo fahavalonao; dia hitsahinao ireo fitoerany avo.
\v 1 Dia niakatra avy any amin'ny tany lemak'i Moaba nankany amin'ny Tendrombohitra Nebo, nankany an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko i Mosesy. Tany Yaveh no nampiseho taminy ny tanin'i Gileada rehetra ka hatrany Dana,
\v 2 sy Naftaly rehetra, ary ny tanin'i Efraima sy Manase, sy ny tanin'i Joda rehetra, mankany amin'ny ranomasina andrefana,
\v 3 sy any Negeva, ary ny tany lemaky ny lohasahan'i Jeriko, ny Tanànan'ny Rofia, ka hatrany Zoara.
\v 11 Tsy mbola nisy mpaminany toa azy tamin'ireo famantarana sy fahagagana rehetra izay nanirahan'i Yaveh azy mba hatao any amin'ny tany Egypta, any amin'i Farao, sy ireo mpanompony rehetra, ary any amin'ny taniny rehetra.