\v 9 Hoy izy tamin'ireo vahoakany hoe: “Indro, ireo Israelita dia maro an'isa sy matanjaka kokoa noho isika.
\v 10 Manatona, aoka isika ifampiraharaha am-pahendrena amin'izy ireo, raha tsy izany dia hitombo isa hatrany izy ireo, ary raha vaky ny ady, dia hamonjy ireo fahavalontsika izy ireo, hiady amintsika, ary handao ny tany.”
\v 16 Hoy izy hoe: “Rehefa manatrika ireo vehivavy Hebreo eo amin'ny seza fiterahana ianareo, dia araho maso izy ireo rehefa miteraka. Raha zaza lahy izany, dia tsy maintsy hovonoinareo izy; fa raha zaza vavy kosa, dia afaka avela ho velona.”
\v 3 Fa rehefa tsy afaka nanafina azy intsony izy, dia naka sobika norariana tamin'ny ahitra ary noraiketiny tamin'ny ditin-tany sy dity izany. Avy eo dia nampidiriny tao ilay zazakely ka napetrany teny amoron'ny volotara manaraka ny moron'ny ony izany.
\v 5 Nidina nandro teny amin'ny ony ny zanakavavin'i Farao raha nandehandeha nanaraka ny moron'ny ony ireo mpanompony. Nahita ny sobika teo amin'ny volotara izy ka naniraka ny mpanompony haka izany.
\v 13 Nivoaka izy ny ampitso, ary, indro, nisy Hebreo roa lahy niady. Hoy izy tamin'ilay iray izay diso hoe: “Nahoana ianao no mikapoka ny namanao?”
\v 14 Fa hoy ilay lehilahy hoe: “Iza no nametraka anao ho mpitarika ka hitsara anay? Mitetika ny hamono ahy tahaka ny namonoanao ilay Egyptiana ve ianao?” Avy eo dia niha-natahotra i Mosesy ka nanao hoe: “Lasa fantatr'ireo hafa tokoa ny zavatra nataoko.”
\v 4 Koa rehefa hitan'i Yaveh fa nanatona akaiky izy mba hizaha, dia niantso azy avy eo amin'ilay voaroy Andriamanitra ka nanao hoe: “Mosesy, Mosesy.” Dia hoy Mosesy hoe: “Inty aho.”
\v 5 Dia hoy Andriamanitra hoe: “Aza manakaiky loatra! Esory eny an-tongotrao ny kiraronao, fa ny toerana izay ijoroanao dia tany efa voatokana ho Ahy.”
\v 6 Nampiany hoe: “Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba.” Dia nanarona ny tavany iMosesy, satria natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy.
\v 11 Saingy hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra hoe: “Iza moa aho, no handeha any amin'i Farao ka hitondra ireo Israelita hiala ao Egypta?”
\v 12 Dia namaly Andriamanitra hoe: “Homba anao tokoa Aho. Izao no famantarana ho anao fa efa naniraka anao Aho. Rehefa tafavoakanao avy ao Egypta ny vahoaka, dia hanompo Ahy eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.”
\v 13 Dia hoy Mosesy tamin'Andriamanitra hoe: “Raha ho any amin'ireo Israelita aho ka hilaza amin'izy ireo hoe: ‘Ny Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho aty aminareo,’ ka raha hoy izy ireo amiko hoe: ‘Iza no anarany?’ Dia inona no ho lazaiko amin'izy ireo?”
\v 14 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: “IZAHO NO IZAHO.” Dia hoy Andriamanitra hoe: “Tsy maintsy hilazanao ireo Israelita hoe: ‘IZAHO no naniraka ahy ho aty aminareo.’”
\v 22 Ny vehivavy rehetra dia hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ireo Egyptiana mpiara-monina aminy sy izay vehivavy rehetra mitoetra ao an-tranon'ireo mpiara-monina aminy. Hampitondranareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany. Izany no fomba handrobanareo ny Egyptiana.”
\v 5 “Izany dia mba hahafahan'izy ireo mino fa Yaveh, ilay Andriamanitry ny razan'izy ireo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa niseho taminao.”
\v 6 Hoy ihany Yaveh taminy hoe: “Izao dia atsofohy ao anaty akanjonao ny tananao.” Dia natsofok'i Mosesy tao anaty akanjony ny tanany. Rehefa namoaka izany izy, indro, boka ny tanany, fotsy tahaka ny oram-panala.
\v 7 Hoy Yaveh: “Atsofohy ao anaty akanjonao indray ny tananao.” Dia natsofok'i Mosesy tao anaty akanjony ny tanany, ary rehefa navoakany izany, dia hitany fa sitrana indray izany, toy ny ambin'ny nofony rehetra.
\v 8 Hoy Yaveh hoe: “Raha tsy mino anao izy ireo—raha tsy miraharaha ny famantarana voalohany ny heriko na tsy mino izany izy ireo, dia hino ny famantarana faharoa.
\v 9 Raha tsy mino na dia ireo famantarana ny heriko roa ireo aza izy ireo, na tsy mihaino anao, dia manovoza rano any amin'ny renirano ary hararaho amin'ny tany maina izany. Ny rano izay ho alainao dia hivadika rà eo amin'ny tany maina.”
\v 10 Dia hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: “Ry Tompo, tsy mahay mandaha-teny aho, na tamin'ny lasa na hatramin'ny niresahanao tamin'ny mpanomponao. Miadam-piteny sy miraiki-dela aho.”
\v 11 Hoy Yaveh taminy hoe: “Iza ilay nanamboatra ny vavan'ny olona? Izay nanao ny olona ho moana na marenina na mahiratra na jamba? Moa tsy Izaho, Yaveh?
\v 21 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Rehefa miverina any Egypta ianao, aoka ho ataonao eo anatrehan'i Farao ireo fahagagana rehetra izay efa napetrako teo amin'ny fahefanao. Saingy hanamafy ny fony Aho, ary tsy hamela ireo vahoaka handeha izy.
\v 22 Tsy maintsy hiteny an'i Farao ianao hoe: ‘Izao no nolazain'i Yaveh: Israely dia zanako lahy, lahimatoako,
\v 23 ary milaza aminao Aho: “Avelao handeha ny zanako, mba hahafahany manompo Ahy.” Fa satria nandà ny hamela azy andeha ianao, dia hovonoiko tokoa ny zanakao lahy, dia ny lahimatoanao.’”
\v 1 Taorian'ny nitrangan'ireo zavatra ireo, dia nandeha tany amin'i Farao i Mosesy sy Arona ary niteny hoe: “Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, hoe: ‘Avelao ny oloko andeha, mba hanaovan'izy ireo firavoravona ho Ahy any an'efitra.’”
\v 10 Koa dia nandeha nampahafantatra ny vahoaka ny olon'ny mpampiasa sy ireo mpiambina. Hoy izy ireo hoe: “Izao no lazain'i Farao hoe: ‘Tsy hanome mololo ho anareo intsony aho.
\v 11 Aoka ianareo ihany no handeha ka haka mololo na aiza na aiza ahitanareo izany, saingy tsy hihena ny asanareo’”
\v 22 Nandeha niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ary niteny hoe: “Ry Tompo, nahoana Ianao no nampidi-doza ireo olona ireo? Nahoana aho no nalefanao voalohany?
\v 23 Isaky ny nanatona an'i Farao hitondra ny hafatrao aho, dia nitondra fikorontanana ho an'ireo olona izy, ary tsy nanafaka ny olonao mihitsy Ianao.”
\v 7 Ho alaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. Ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo teo ambanin'ny fanandevozan'ny ireo Egyptiana.
\v 8 Ho entiko any amin'ny tany izay efa nampanantenaiko tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba ianareo. Dia homeko ho fanananareo izany. Izaho no Yaveh.’”
\v 13 Dia niteny tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Nanome baiko azy ireo ho an'ireo Israelita sy ho an'i Farao, mpanjakan'i Egypta Izy, mba hitondra ireo Israelita hiala ny tany Egypta.
\v 2 Ianao no hilaza ny zavatra rehetra izay handidiako anao ho teneninao. Hiresaka amin'i Farao i Arona rahalahinao mba hamelany ny vahoakan'Israely hiala amin'ny taniny.
\v 3 Fa hanamafy ny fon'i Farao aho, ary izaho haneho famantarana ny heriko maro, sy fahagagana maro, any amin'ny tany Egypta.
\v 4 Nefa tsy hihaino anao i Farao, noho izany dia hametraka ny tanako ao Egypta aho ary hamoaka ireo vondrona lehilahy mpiady, ny vahoakako, sy ireo zanak'i Israely, hiala ny tany Egypta amin'ny famaizana lehibe.
\v 5 Dia ho fantatry ny Egyptiana fa izaho no Yaveh rehefa hanatsotra ny tanako amin'ny Egypta sy hanafaka ireo Israelita tsy ho eo amin'izy ireo Aho.”
\v 16 Lazao izy hoe: ‘Yaveh, Andriamanitr'ireo Hebreo, no efa nandefa ahy aty aminareo hiteny hoe: “Avelao ny oloko handeha, mba hanompoan'izy ireo ahy any an-tany efitra. Efa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.”
\v 17 Izao no lazain'i Yaveh: “Amin'izao no hahalalanao fa izaho no Yaveh. Hikapoka ny reniranon'i Neily amin'ny tehina izay ety an-tanako aho, ka hivadika rà ny renirano.
\v 18 Ny trondro izay ao anatin'ny renirano dia ho faty, ary dia hamofona maimbo ny renirano. Tsy ho afaka ny hisotro ny rano avy amin'ny renirano ireo Egyptiana.’”’
\v 19 Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Teneno i Arona hoe: ‘Raiso ny tehinao ary ahinjiro miaraka amin'ny tananao eo amin'ny ranon'ny Egypta, ary eo amin'ireo reniranon'izy ireo, ireo rano mandeha, ny farihy, sy ny dobo izy ireo rehetra, mba hivadika rà ireo rano ireo. Ataovy izany mba hisy rà manerana ny tany Egypta rehetra, na ao amin'ny fitoeran-kazo sy vato aza.’”
\v 2 Raha tsy mamela azy ireo handeha ianao, dia hampahory ny firenenao manontolo amin'ny sahona Aho.
\v 3 Ho feno sahona ny renirano. Hiakatra ireo ary hiditra ao an-tranonao, ny efitrano fatorianao, sy ny fandrianao. Ho any amin'ny tranon'ireo mpanomponao ireo. Ho any amin'ny olonao, ny lafaoronao, ary ireo lovia jobo fanaovanao mofo.
\v 5 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Lazao i Arona hoe: ‘Ahinjiro eo ambonin'ny renirano, ny lakan-drano, sy ireo dobo ny tananao sy ny tehinao, ary ento hanenika ny tany Egypta ny sahona.”’
\v 8 Ary niantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ka nilaza hoe: “Mivavaha amin'i Yaveh mba hanaisotra ny sahona eto amiko sy amin'ireo vahoakako. Dia hamela ny olona handeha aho, mba hahafahan'izy ireo manao sorona ho Azy.”
\v 9 Hoy Mosesy tamin'i Farao hoe: “Ianao dia manana fahafahana hilaza amiko hoe rahoviana aho no tokony hivavaka ho anao, ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao aho, mba hanesorana ireo sahona eo aminao sy ny ankohonanao ka hijanona any an-drenirano ihany.”
\v 10 Farao nilaza hoe: “Rahampitso.” Ary Mosesy nilaza hoe: “Aoka hatao araka ny teninao izany, mba hahalalanao fa tsy misy tahaka an'i Yaveh, ilay Andriamanitray.
\v 16 Yaveh nilaza tamin'i Mosesy hoe: “Lazao i Aarona hoe: ‘Ahinjiro ny tehinao ary kapohy ny vovoka eo amin'ny tany, mba ho tonga moka manerana ny tany Egypta rehetra.”’
\v 17 Nanao toy izao izy ireo: Nahinjitr'i Arona ny tanany sy ny tehiny. Nokapohiny ny vovoka teo amin'ny tany. Ary tonga teo amin'ny olona ny moka sy ny biby. Tonga moka avokoa ny vovoka rehetra nanerana ny tany Egypta.
\v 18 Ireo ombiasy dia niezaka ny hampisy moka tamin'ny odin'izy ireo, fa tsy afaka izy ireo. Nisy moka teo amin'ny olona sy ny biby.
\v 19 Dia hoy ireo ombiasy tamin'i Farao hoe: “Tanan'Andriamanitra izao.” Fa nihamafy kosa ny fon'i Farao, ka nandà ny hihaino azy ireo izy. Izany dia tahaka ny efa nolazain'i Yaveh fa hataon'i Farao.
\v 21 Fa raha tsy avelanao handeha ny oloko, dia handefa andian-dalitra eo aminao, ireo mpanomponao, sy ireo olonao, ary ireo izay ao an-tranonao Aho. Ny tranon'ireo Egyptiana dia ho feno andian-dalitra, ary na ny tany izay hitsanganan'izy ireo aza dia ho feno lalitra.
\v 22 Fa amin'izany andro izany dia hitondra ny tanin'i Gosena amin'ny fomba hafa aho, ilay tany izay onenan'ny oloko, mba tsy hisy andian-dalitra any. Izany dia hiseho mba hahalalanao fa Izaho no Yaveh eo afovoan'ity tany ity.
\v 24 Nanao izany i Yaveh, ka tonga tao an-tranon'i Farao sy ireo manompony ireo andian-dalitra matevina. Nanerana ny tany Egypta rehetra, simba ny tany noho ireo andian-dalitra.
\v 25 Nampiantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ka nilaza hoe: “Mandehana, manaova sorona ho an'Andriamanitrareo ao amin'ny taninareo manokana.”
\v 26 Hoy i Mosesy hoe: “Tsy mety aminay ny manao izany, fa ireo sorona izay ataonay ho an'i Yaveh Andriamanitray dia maharikoriko ho an'ireo Egyptiana. Raha manao sorona marina eo imason'izy ireo izahy izay maharikoriko an'ireo Egyptiana, tsy ho torahan'izy ireo vato va izahay?
\v 27 Tsia, ny mandeha hateloana makany an-efitra no tsy maintsy hataonay, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitray, araka ny nandidiany anay.”
\v 28 Hoy i Farao hoe: “Hamela anareo handeha sy hanao sorona ho an'i Yaveh andriamanitrareo any an-efitra aho. Fa aoka kosa tsy handeha lavitra loatra ianareo. Mivavaha ho ahy.”
\v 29 Hoy i Mosesy hoe: “Vantany vao mivoaka avy ato aminao aho, dia hivavaka amin'i Yaveh mba hialan'ny andian-dalitra eo aminao, ry Farao, sy ireo mpanomponao ary ny vahoakanao rahampitso. Fa aoka ianao tsy hamitaka intsony amin'ny tsy famelana ny olonay handeha hanao sorona ho an'i Yaveh.”
\v 2 Fa raha mandà ny hamela azy ireo handeha ianao, raha mbola mitazona azy ireo ianao,
\v 3 dia ho eo amin'ny biby fiompinao eny an-tsaha ary ho eo amin'ireo soavaly, ampondra, rameva, omby, ary ireo ondry aman'osy ny tanan'i Yaveh, ary hiteraka areti-mandoza izany.
\v 4 Samy hafa no hitondran'i Yaveh ny biby fiompin'i Israely sy ny biby fiompin'i Egypta: tsy hisy ho faty ny biby izay an'ireo Israelita.
\v 10 Koa dia naka lavenona avy tao amin'ny lafaoro i Mosesy sy Arona ary nijoro teo anoloan'i Farao. Dia natsipin'i Mosesy teny amin'ny rivotra ny lavenona. Nahatonga vay sy fery nipoitra tamin'ireo olona sy ireo biby ilay lavenona.
\v 11 Tsy nahatohitra an'i Mosesy ireo ombiasy noho ireo vay, satria namely azy ireo sy ireo Egyptiana hafa rehetra ny vay.
\v 12 Nanamafy ny fon'i Farao i Yaveh, ka tsy nihaino an'i Mosesy sy Arona i Farao. Izany dia araka ny nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao.
\v 33 Rehefa nandao an'i Farao sy ny tanàna i Mosesy, dia nasandrany ho amin'i Yaveh ny tanany; nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana.
\v 34 Rehefa hitan'i Farao fa nitsahatra ny orana, ny havandra, ary ny kotroka, dia nanota indray izy ary nanamafy ny fony, niaraka tamin'ireo mpanompony.
\v 35 Nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy namela ny vahoakan'Israely nandeha izy. Izany dia araka ny nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao.
\v 1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Mandehana any amin'i Farao, fa efa nohamafisiko ny fony sy ny fon'ireo mpanompony. Nataoko izany mba hanehoana ireo famantarana ny heriko eo amin'izy ireo.
\v 2 Nataoko ihany koa izany mba hanambaranao amin'ireo zanakao sy zafikelinao izay zavatra vitako, ny hamafin'ny fomba nitondrako an'i Egypta, sy ny fomba nanomezako famantarana ny heriko isan-karazany teo amin'izy ireo. Amin'izany fomba izany no hahafantaranao fa Izaho no Yaveh.”
\v 3 Koa dia nankany amin'i Farao i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: “Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo Hebreo, dia nilaza izao: ‘Hafiriana no handavanao tsy hanetry ny tenanao eo anatrehako? Avelao andeha ny oloko mba hanompoan'izy ireo Ahy.
\v 6 Hameno ireo tranonao, sy ny tranon'ireo mpanomponao, ary ny an'ireo Egyptiana rehetra ireo—zavatra tsy mbola fahitan'ny rainao na ny raibenao, tsy mbola fahita hatramin'ny andro naha-teto ambonin'ny tany azy ireo ka hatramin'izao.’” Avy eo dia lasa Mosesy ka niala teo amin'i Farao.
\v 10 Hoy i Farao tamin'izy ireo hoe: “Homba anareo tokoa anie i Yaveh, raha handefa anareo sy ny zanakareo aho. Indro, manana sainan--dratsy ianareo.
\v 11 Tsia! Mandehana, ny lehilahy eo aminareo ihany, ka manompoa an'i Yaveh, satria izay no tadiavinareo.” Dia nentina nivoaka teo anatrehan'i Farao i Mosesy sy i Arona.
\v 12 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Ahinjiro amin'ny tanin'i Egypta ny tananao ho an'ireo valala, mba hanafihan'ireo ny tanin'i Egypta ka hihinana ny zava-maniry ao amin'izany, ny zavatra rehetra izay sisa tsy potiky ny havandra.”
\v 13 Dia naninjitra ny tehiny tamin'ny tanin'i Egypta i Mosesy, ka nitondra rivotra avy any atsinanana tamin'ny tany Egypta i Yaveh nandritra ny andro sy alina iny. Nony maraina, dia nentin'ny rivotra avy any atsinanana ireo valala.
\v 14 Nandeha nanerana ny tany Egypta iray manontolo ireo valala ka nanenika ny faritra rehetra tao amin'izany. Tsy mbola nisy andiam-balala tahaka izany tao amin'ilay tany taloha, ary tsy hisy zavatra tahaka ity ho tonga aorian'ity.
\v 15 Nandrakotra ny tany iray manontolo ireo ka maizina ny tany. Nohanin'ireo avokoa ny zava-maniry tao amin'ilay tany sy ny voankazo rehetra teny amin'ny hazo izay sisa navelan'ny havandra. Nanerana ny tany Egypta manontolo, dia tsy nisy tafajanona na zava-maitso, na hazo na zava-maniry teny an-tsaha.
\v 18 Koa nivoaka avy tao amin'i Farao i Mosesy ary nivavaka tamin'i Yaveh.
\v 19 Nitondra rivotra mahery vaika avy any andrefana i Yaveh izay nitondra ireo valala ka namarina ireo ho any amin'ny Ranomasina Mena; tsy nisy na dia valala iray aza tavela tao amin'ny fari-tanin'i Egypta rehetra.
\v 24 Nampiantso an'i Mosesy i Farao ka nanao hoe: “Mandehana manompo an'i Yaveh. Afaka mandeha miaraka aminao na ny fianakavianao aza, fa ireo ondry aman'osinao sy ireo omby kosa dia tsy maintsy hajanona.”
\v 25 Fa hoy Mosesy hoe: “Tsy maintsy homenao biby atao sorona sy fanatitra dorana ihany koa izahay mba hanaovanay sorona azy ireo ho an'i Yaveh Andriamanitray.
\v 28 Hoy Farao tamin'i Mosesy hoe: “Mialà amiko! Fa mitandrema amin'ny zavatra iray, dia ny tsy hahitanao ahy intsony, satria amin'ny andro hahitanao ny tavako, dia ho faty ianao.”
\v 2 Toroy lalana ny vahoaka fa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny mpiray vodi-rindrina aminy.
\v 3 Ary nataon'i Yaveh nila fitia tamin'ireo Israelita ny Egyptiana. Ary koa, Mosesy dia ilay lehilahy tena nahavariana teo imason'ireo mpanompon'i Farao sy ireo vahoakan'i Egypta.
\v 7 Fa na dia ny aliaka aza dia tsy hivovo na amin'iza na amin'iza amin'ny vahoakan'Israely, na amin'ny olona na amin'ny biby. Amin'izany fomba izany no hahafantaranao fa samy hafa ny fitondrako ny Egyptiana sy ny Israelita.’
\v 8 Ireo mpanomponao rehetra, ry Farao, dia hidina aty amiko ary hiankohoka eto amiko. Hiteny izy ireo hoe: “Mandehana, ianao sy ireo vahoaka izay manaraka anao!’ Aorian'izay dia hivoaka aho.” Dia nivoaka tao amin'i Farao tamim-pahatezerana mafy izy.
\v 10 Nataon'i Mosesy sy Arona teo anoloan'i Farao ireo fahagagana rehetra ireo. Fa i Yaveh nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy namela ny vahoakan'i Israely nivoaka ny taniny i Farao.
\v 4 Raha vitsy loatra ka tsy hahalany zanak'ondry iray ny fianakaviana iray, ny lehilahy sy ny mpiray vody rindrina aminy dia tokony haka ny henan-janak'ondry na zanak'osy izay ampy hohanin'ny isam-batan'olona. Tokony ho ampy hohanin'ny rehetra izany, noho izany izy ireo dia tsy maintsy maka hena sahaza hamokisana azy rehetra.
\v 5 Tsy tokony hisy kilema mihitsy ny zanak'ondry na ny zanak'osinareo, lahy herintaona. Afaka maka iray amin'ireo ondry na osy ianareo.
\v 7 Tsy maintsy maka sasany amin'ny rà ianareo ary mametraka izany amin'ny tolàm-baravarana anankiroa sy eo amin'ny tataom-baravaran'ny trano ao amin'izay hihinananareo ny hena.
\v 9 Aza hohanina manta na ampangotrahana amin'ny rano izany. Fa kosa, atonoy amin'ny afo miaraka amin'ny lohany, ny tongony ary ny ao anatiny.
\v 10 Tsy tokony havelanareo ho tratra maraina ny ambin'izany. Tsy maintsy doranareo izay sisa tavela amin'ny maraina.
\v 11 Izao no fomba tsy maintsy hihinanareo izany: mifatotra ny fehi-kibonareo, ny kapanareo eny amin'ny tongotrareo, ary ny tehina eny an-tananareo. Tsy maintsy mihinana haingana izany ianareo. Izany no Paskan' i Yaveh.
\v 12 Izao no lazain'i Yaveh: Handeha hamakivaky ny tany Egypta Aho amin'ity alina ity ka handringana ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby rehetra ao amin'ny tany Egypta. Hitondra famaizana ho an'ireo andriamanitr'i Egypta rehetra Aho. Izaho no Yaveh.
\v 13 Ny rà no ho famantarana eo amin'ny tranonareo ny amin'ny fahatongavako ao aminareo. Rehefa mahita ny rà Aho, dia handalo eo aminareo fotsiny rehefa handringana ny tany Egypta. Tsy ho ao aminareo ka handringana anareo ny loza.
\v 14 Ho andro fahatsiarovana ho anareo io andro io, izay tsy maintsy hotandremanareo ho firavoravoana ho an'i Yaveh. Ho lalàna ho anareo mandrakariva, amin'ny taranaky ny vahoakanareo, fa tsy maintsy mitandrina izany andro izany ianareo.
\v 15 Hihinana mofo tsy misy masirasira ianareo mandritra ny fito andro. Amin'ny andro voalohany ianareo dia hanala ny lalivay ao an-tranonareo. Na iza na iza mihinana mofo tsy misy masirasira amin'ny andro voalohany mandra-pahatonga ny andro fahafito, izany olona izany dia tsy maintsy halàna ao Israely.
\v 16 Amin'ny andro voalohany dia hisy vondrona izay atokana ho Ahy, ary amin'ny andro fahafito dia hisy fanangonana hafa toy izany. Tsy misy asa ho atao amin'izany andro izany, afa-tsy ny mahandro sakafo hohanin'ny rehetra. Izany ihany no asa azonareo atao.
\v 21 Ary niantso ny loholon'Israely rehetra i Mosesy ka niteny tamin'izy ireo hoe: “Mandehana ary misafidiana ondry na zanak'ondry izay ampy hamahanana ny fianakavianareo ka vonoy ny zanak'ondrin'ny Paska.
\v 22 Avy eo dia makà rantsana hysopa ary atsobohy ao anatin'ny rà izay ao anaty koveta izany. Hosory amin'ny tolàm-baravarana roa sy tataom-baravarana ny rà izay tao anaty koveta. Tsy misy na iza na iza mahazo mivoaka ny tranony mandra-piavin'ny maraina.
\v 23 Satria Yaveh dia handalo mba handringana ireo Egyptiana. Rehefa mahita ny rà amin'ny tataom-baravarana sy ny tolàm-baravarana roa Izy, dia handalo fotsiny amin'ny varavaranareo ary tsy hamela ny mpandringana hiditra ao an-tranonareo mba hamely anareo.
\v 24 Tsy maintsy tandremanareo izany fotoana izany. Ho lalàna mandrakariva ho anareo sy ny taranakareo izany.
\v 25 Rehefa hiditra ny tany izay homen'i Yaveh anareo ianareo, araka izay efa nampanantenainy ho ataony, dia tsy maintsy hitandrina izany fomba fivavahana izany ianareo.
\v 9 Izany dia ho fampatsiahivana ho anareo eo amin'ny tananareo, ary fampatsiahivana eo amin'ny handrinareo. Izany dia mba ho eo am-bavanareo ny lalàn'i Yaveh, fa tamin'ny tanana maherin'i Yaveh no nitondrana anareo nivoaka avy tao Egypta.
\v 11 Rehefa mitondra anareo ao amin'ny tanin'ireo Kananita Yaveh, araka ny nianianany taminareo sy ireo razanareo fa ho ataony, ary rehefa manome ny tany ho anareo Izy,
\v 12 dia tsy maintsy hanokana ho Azy ny zaza voalohan-teraka rehetra sy ny voalohan-terak'ireo bibinareo. Ary ho an'i Yaveh ireo lahy.
\v 13 Ireo voalohan-teraky ny boriky rehetra dia tsy maintsy hamidy zanak'ondry. Raha tsy mamerina mividy izany ianao, dia tsy maintsy manapaka ny vozony. Fa ireo lahimatoa rehetra eo aminareo—dia tsy maintsy averinareo vidiana.
\v 14 Raha manontany anao ny zanakao lahy any aoriana hoe: “Inona no dikan'izao?” dia ho lazainao azy hoe: “Tamin'ny tana-maherin'i Yaveh no nitondrany anay nivoaka avy tao Egypta, tao amin'ny trano fanandevozana.
\v 15 Rehefa nandà mafy ny hamela anay handeha i Farao, dia novonoin'i Yaveh ny voalohan-teraka tao amin'ny tany Egypta, ny voalohan-teraky ireo vahoaka sy ny voalohan-terak'ireo biby. Izany no antony anaovako sorona ho an'i Yaveh ny lahy voalohan-teraky amin'ny biby rehetra, ary ny antony hamerenako ny vidin'ny lahimatoa amin'ireo zanako.’
\v 16 Ho zary fampatsiahivana eo amin'ny tananao, sy fampatsiahivana eo amin'ny handrinao izany, fa tamin'ny tana-mahery no namoahan'i Yaveh antsika avy tao Egypta.”
\v 18 Fa nentin'Andriamananitra nanodidina ny efitry ny Ranomasina Mena ireo vahoaka. Niakatra avy tao amin'ny tany Egypta ireo Israelita ary nivonona ho amin'ny ady.
\v 21 Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo tao amin'ny andri-rahona tamin'ny atoandro mba hitarika azy ireo eny an-dalana. Ary ny alina Izy dia nandeha toy ny andri-afo mba hanome azy fahazavana. Tamin'izany fomba izany no nahafahan'izy ireo nandeha ny andro sy ny alina.
\v 22 Tsy nanaisotra ny andri-rahona ny atoandro na ny andri-afo ny alina nanoloana ireo vahoaka Yaveh.
\v 2 “Ambarao amin'ireo Israelita fa tokony hiverina ary hitoby eo alohan'i Pi-Hahirota, eo anelanelan'i Migdola sy ny ranomasina, eo alohan'i Bahala-Zefona izy ireo. Tokony hitoby eo akaikin'ny ranomasina mifanandrify amin'i Pi-Hahirota ianareo.
\v 3 Fa hilaza ny amin'ireo Israelita i Farao hoe: ‘Mirenireny voan'ny tamberintany ireo Israelita. Tampina tamin'izy ireo ny efitra.’
\v 4 Hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika azy ireo izy. Hahazo voninahitra Aho nohon'ny amin'i Farao sy ny tafiny rehetra. Ka dia ho fantatry ireo Egyptiana fa Izaho no Yaveh.” Koa dia nitoby araka izay natoro azy ireo ny Israelita.
\v 11 Hoy izy ireo tamin'i Mosesy hoe: “Satria ve tsy misy fasana any Egypta, no dia nentinao ho faty aty an-tany efitra aty izahay? Nahoana no nataonao tahaka izao izahay, ka nentinao niala tany Egypta?
\v 12 Tsy izao ve no efa nolazainay taminao tany Egypta? Hoy izahay taminao hoe: ‘Avelao izahay amin'izao, mba hahafahanay miasa ho an'ny Egyptiana.’ Tsara ho anay kokoa ny niasa ho an'ny Egytiana toy izay maty aty an'efitra aty.”
\v 16 Asandrato ny tehinao, ahinjiro eo amin'ny ranomasina ny tananao ka zarao roa izany, mba hahafahan'ny vahoakan'Israely mamakivaky ny ranomasina amin'ny tany maina.
\v 17 Tsarovy fa hanamafy ny fon'ny Egyptiana Aho ka hanenjika azy ireo izy. Hahazo voninahitra aho nohon'ny amin'i Farao sy ireo miaramilany, ny kalesiny, ary ireo mpitaingin-tsoavaliny rehetra.
\v 19 Ny anjelin'Andriamanitra, izay nandeha teo alohan'ireo Israelita, dia nifindra ary nankao an-damosin'izy ireo. Nifindra avy teo anoloan'izy ireo ry nankao aorian'izy ireo ny andry rahona.
\v 20 Nankeo anelanelan'ny tobin'ny Egypta sy ny tobin'Israely ilay andry rahona. Rahona mainty ho an'ireo Egyptiana izany, saingy nanazava ny alina ho an'ireo Israelita, ka tsy nisy andaniny nankany amin'ny iray hafa nandritry ny alina.
\v 21 Naninjitra ny tanany teo amin'ny ranomasina i Mosesy. Nampihemotra ny ranomasina tamin'ny rivo-mahery avy tany atsinanana Yaveh tamin'io alina io ka namadika ny ranomasina ho tany maina. Tamin'izany no nizara roa ny rano.
\v 26 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: “Ahinjiro eo amin'ny ranomasina ny tananao mba hiverina hidoboka eo amin'ireo Egyptiana, ny kalesin'izy ireo ary ireo mpitaingin-tsoavaliny ny rano.”
\v 31 Rehefa nahita ny hery lehibe nampiasain'i Yaveh hanoherana ny Egyptiana ny Israely, dia nanome voninahitra an'i Yaveh ny vahoaka, ary nino an'i Yaveh sy Mosesy mpanompony izy ireo.
\v 1 Dia nihira izao hira izao ho an'i Yaveh i Mosesy sy ny vahoakan'Israely. Nihira izy ireo hoe: “Hihira ho an'i Yaveh aho, fa efa nandresy tamim-boninahitra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina izany dia natsipiny tao anaty ranomasina.
\v 4 Nanipy ny kalesin'i Farao sy ny tafika tao anaty ranomasina Izy. Ireo manam-boninahitra voafidin'i Farao dia nilentika tao anatin'ny Ranomasina Mena.
\v 9 Hoy ny fahavalo: ‘Hanenjika aho, hisambotra aho, hizara izay babo aho; ny faniriako dia ho tanteraka amin'izy ireo; hamoaka ny sabatro aho; hamotika azy ireo ny tanako.’
\v 11 Iza no tahaka Anao, ry Yaveh, eo amin'ireo andriamanitra? Iza no tahaka Anao, manam-boninahitra amin'ny fahamasinana, omem-boninahitra amin'ny dera, manao fahagagana?
\v 13 Tao amin'ny fanekenao tsy mivadika no nitarihinao ny vahoaka izay navotanao. Tamin'ny tanjakao no nitarihinao azy ireo tany amin'ny toerana masina izay nitoeranao.
\v 16 Ny horohoro sy ny tahotra dia hianjera amin'izy ireo. Noho ny herin'ny sandrinao, dia ho hanjary hijanona tahaka ny vato mandra-pandalon'ny vahoakanao izy ireo, ry Yaveh— mandra-pandalon'ireo vahoaka navotanao.
\v 21 Nihira tamin'izy ireo Miriama hoe: “Mihirà ho an'i Yaveh, fa nandresy am-boninahitra Izy. Ny soavaly sy ny mpitaingina izany dia natsipiny tao anaty ranomasina.”
\v 4 Avy eo i Yaveh niteny tamin'ny Mosesy hoe: “Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka ireo olona ary hanangona ny sahaza hohaniny isan'andro mba hahafahako mitsapa azy ireo, hahitàko raha handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.
\v 5 Ary amin'ny andro fahenina, izy ireo dia hanangona indroa mihoatra amin'izay efa nangonin'izy ireo isan'andro teo aloha, ka hahandro izay ho entin'izy ireo.”
\v 6 Avy eo dia niteny tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy sy Arona hoe: “Anio hariva dia ho fantatrareo fa Yaveh no namoaka anareo avy any amin'ny tany Egypta.
\v 7 Ny maraina dia hahita ny voninahitr'i Yaveh ianareo, fa Izy mandre ny fitarainanareo nohon'ny Aminy. Iza moa izahay no dia mampitaraina anareo?”
\v 8 Hoy koa Mosesy hoe: “Ho fantatrareo izany rehefa homen'i Yaveh hena ianareo ny hariva ary sakafo ny maraina mba ho voky— satria reny ny taraina izay ambaranareo nohon'ny Aminy. Mba iza moa izaho sy Aarona? Tsy manohitra anay ny fitarainanareo; fa manohitra an'i Yaveh.”
\v 12 “Efa reko ny fitarainan'ireo vahoakan'Israely. Ary miresaha amin'izy ireo ka lazao hoe: ‘Hihinan-kena ianareo ny hariva, ary ho vokisana mofo ianareo ny maraina. Dia ho fantatrareo fa izaho ilay Yaveh Andriamanitrareo.”’
\v 17 Ary nataon'ireo vahoakan'Israely izany. Ny sasany nanangona maro, ary ny sasany nanangona vitsy.
\v 18 Raha nafatran'izy ireo tamin'ny gomara famarana izany, ireo izay nanangona betsaka dia tsy nisy ambiny, ary izay nanangona kely dia nanana ny ampy. Ny olona tsirairay dia nanangona izay ampy ho an'ny filany.
\v 21 Dia nanjary tezitra tamin'izy ireo Mosesy. Dia nangonin'izy ireo isa-maraina izany. Samy nanangona ny sahaza azy ny olona tsirairay mba hohanina tamin'io andro io. Rehefa nahamay ny masoandro, dia levona izany.
\v 25 Hoy Mosesy: “Hano anio ireto sakafo ireto, fa anio dia andro voatokana ho Sabata mba hanajana an'i Yaveh. Ary anio dia tsy hahita izany any an-tsaha ianareo.
\v 31 “Mana” no niantsoan'ireo vahoakan'Israely izany sakafo izany. Fotsy toy ny voan-drafy ireo, ary manana tsiro toy ny koriandra manify misy tantely.
\v 32 Hoy Mosesy: “Izao no didin'i Yaveh: ‘Aoka hisy mana iray gomara ho voatahiry mandritra ny taranaky ny vahoakanao, mba hahita ireo mofo namahanako anareo tany an'efitra ny taranakareo, taorian'ny nitondrako anareo nivoaka avy tany Egypta.”’
\v 33 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: “Mangalà vilany ary asio mana iray gomara ao. Ataovy eo alohan'Yaveh izany mba ho voatahiry mandritra ny taranaky ny vahoaka.”
\v 4 Dia niantso mafy an'i Yaveh i Mosesy hoe: “Inona no tokony ataoko amin'ity vahoaka ity? Efa saika vonona hitora-bato ahy izy ireo.”
\v 5 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: “Mandehana eo alohan'ireo vahoaka, ary ento miaraka aminao ireo loholon'i Israely sasany. Ento miaraka aminao ny tehina izay nikapohanao ny renirano, ary mandehana.
\v 6 Hijoro eo alohanao any eo amin'ny vatolampy ao Horeba Aho, ary hikapoka ny vatolampy ianao. Hisy rano hivoaka amin'izany mba hosotroin'ny vahoaka.” Dia nanao izany teo imason'ireo loholon'Israely i Mosesy.
\v 7 Niantso izany toerana izany hoe Masa sy Meriba noho ny fitarainan'ireo Israelita izy, ary satria efa naka fanahy ny Tompo izy ireo tamin'ny nitenenany hoe: “Eto aminay ve Yaveh sa tsia?”
\v 10 Dia niady tamin'ny Amalekita araka ny nandidian'i Mosesy azy Josoa, raha niakatra tao an-tampon'ny havoana kosa Mosesy, Arona, ary Hora.
\v 11 Rehefa nanangana ny tanany ho ambony Mosesy, dia nandresy Israely; rehefa namela ny tanany haka aina izy, dia nanomboka nandresy ny Amalekita.
\v 12 Rehefa nihanavesatra ny tanan'i Mosesy, dia naka vato i Arona sy Hora ary nametraka izany tao ambaniny mba hipetrahany. Tamin'io fotoana io ihany, dia nihazona ny tanany ho ambony i Arona sy Hora, ny olona iray teo andaniny, ary ny olona iray hafa teo amin'ny ankilany. Ary dia voatazona mafy ireo tanan'i Mosesy mandra-pilentiky ny masoandro.
\v 13 Dia nandresy ny vahoakan'ny Amalekita tamin'ny sabatra i Josoa.
\v 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: “Soraty amin'ny boky izao ka vakio eo an-tsofin'i Josoa, satria hamono tanteraka ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eto ambany lanitra Aho.”
\v 15 Dia nanorina alitara i Mosesy ary niantso izany hoe: “Yaveh no fanevako.”
\v 16 Hoy izy: “Fa ny tanana dia nasandratra ambony ho amin'ny seza fiandrianan'i Yaveh—fa Yaveh hiady amin'ny Amalekita amin'ireo taranaka fara mandimby rehetra.”
\v 1 Nahare ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra tamin'i Mosesy sy ny Israely vahoakany i Jetro, mpisoron'ny Midiana, rafozan-dahin'i Mosesy. Reny fa Yaveh nitondra ny Israely nivoaka an'i Egypta.
\v 10 Hoy Jetro hoe: “Ho deraina anie Yaveh, satria Izy nanavotra anao teo an-tanan'ny Egyptiana sy teo an-tanan'i Farao, ary nanafaka ny olona teo am-pelatanan'ireo Egyptiana.
\v 11 Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra Yaveh, satria fony nitondra ny Israelita tamim-piavonavonana ny Egyptiana, dia navotan'Andriamanitra ny olony.”
\v 14 Rehefa nahita ireo rehetra nataon'i Mosesy tamin'ny vahoaka ny rafozan-dahiny, dia hoy izy hoe: “Fa inona izato ataonao miaraka amin'ny olona? Nahoana no ianao irery no mipetraka ary ny olon-drehetra mitsangana manodidina anao nanomboka maraina hatramin'ny hariva?”
\v 15 Dia hoy Mosesy tamin'ny rafozan-dahiny hoe: “Manatona ahy ny olona mba hanontany ny tari-dalan'Andriamanitra.
\v 16 Rehefa misy disadisa eo amin'izy ireo, dia izaho no hanatonany. Izaho no manapa-kevitra eo amin'ny roa tonta, ka mampianatra azy ireo ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny.”
\v 17 Hoy ny rafozan-dahin'i Mosesy taminy hoe: “Tsy dia mety loatra ny zavatra ataonao.
\v 18 Ho reraka tokoa ianareo, dia ianao sy ireo olona izay miaraka aminao. Mavesatra loatra ho anao izao zioga izao. Tsy vitanao irery io.
\v 19 Henoy aho. Hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra homba anao, satria ianao no solotenan'ny olona eo anatrehan'Andriamanitra, sy mitondra ny adin'izy ireo eo aminy.
\v 20 Tsy maintsy hampianarinao azy ireo ny didiny sy lalàny. Tsy maintsy hasehonao azy ireo ny lalana tokony haleha sy ny asa tokony hatao.
\v 21 Ary koa, tsy maintsy mifidy lehilahy mahay avy amin'ny olona rehetra ianao, dia lehilahy izay manome voninahitra an'Andriamanitra, lehilahin'ny fahamarinana izay tsy tia kolikoly. Tsy maintsy hapetraka ho mpanapaka ny olona izy ireo, mba ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, ary folo.
\v 22 Izy ireo no hitsara ny olona amin'ny raharaha mahazatra rehetra, fa ny tranga saro-bahana kosa hoentin'izy ireo any aminao. Ny amin'ireo tranga madinika, ny tenan'izy ireo ihany dia ho afaka hitsara izany. Amin'izay dia ho mora aminao kokoa, ary izy ireo hiara-hizaka izay mavesatra aminao.
\v 23 Raha manao izany ianao, ary raha Andriamanitra no mibaiko anao hanao izany, dia hahavita hiaritra ianao, ary ny olon-drehetra afaka hody any an-trano amin'ny fahafaham-po.”
\v 25 Dia nifidy lehilahy tsara laza avy amin'ireo Israely rehetra Mosesy ka nanao azy ireo ho mpitarika ny vahoaka, dia ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, ary folo.
\v 26 Nitsara ny olona tamin'ny tranga tsotra izy ireo. Ireo tranga saro-bahana no nentiny tany amin'i Mosesy, fa ny tenan'izy ireo ihany no nitsara ireo tranga madinika.
\v 3 Dia niakatra tao amin'Andriamanitra Mosesy. Dia niantso azy avy eo amin'ny tendrombohitra Yaveh ka nanao hoe: “Tsy maintsy hilazanao ny ankohonan'i Jakoba, dia ny vahoakan'i Israely hoe:
\v 4 Efa hitanareo izay nataoko tamin'ny Egyptiana, ny fomba nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery sy ny nitaomako anareo ho eto amiko.
\v 5 Koa ankehitriny àry, raha mihaino am-pankatoavana ny feoko ianareo ka mitandrina ny fanekeko, dia ho harena manokana ho Ahy ianareo mihoatra amin'ny olona rehetra, satria Ahy ny tany rehetra.
\v 9 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Ho tonga eo aminao anaty rahona matevina Aho mba hahafahan'ny vahoaka mandre anao raha miteny miaraka aminao Aho ary mba hahafahany hino anao mandrakariva koa.” Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Yaveh ireo tenin'ny vahoaka.
\v 10 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Mandehana any amin'ny vahoaka. Anio sy rahampitso no tsy maintsy hanamasinanao ho Ahy azy ireo, ary ataovy diovin'izy ireo ny fitafiany.
\v 12 Asio fefy ny manodidina ny tendrombohitra ho an'ny vahoaka. Lazao amin'izy ireo hoe: ‘Tandremo mba tsy hiakaranareo ny tendrombohitra na hikasihanareo ny sisin'izany. Na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty tokoa izy.’
\v 13 Tsy hisy tànana hikasika olona tahaka izany. Fa kosa, hotoraham-bato tokoa izy na hotifirina. Na olona izany na biby, dia tsy maintsy vonoina izy. Rehefa lavareny ny feon'ny trompetra, vao afaka mankeo ho eo am-pototry ny tedrombohitra izy ireo.”
\v 16 Tamin'ny andro fahatelo, nony maraina, dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra, ary feon-trompetra mafy faneno. Toran-kovitra ny olona rehetra teo amin'ny toby.
\v 17 Dia nentin'i Mosesy nivoaka ny toby ny olona mba hihaona amin'Andriamanitra, ary nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo.
\v 18 Rakotra setroka tanteraka ny tendrombohitra Sinay satria nidina teo aminy tamin'ny afo sy ny setroka Yaveh. Dia niakatra toy ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihonzongozona mafy ny tendrombohitra iray manontolo.
\v 19 Rehefa nihamafy dia mafy ny feon'ny trompetra, dia niteny Mosesy, ary namaly feo azy Andriamanitra.
\v 20 Dia nidina teo an-tendrombohitra Sinay Yaveh, teo an-tampon-tendrombohitra, ary niantso an'i Mosesy ho ao an-tampony Izy. Dia niakatra Mosesy noho izany.
\v 21 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Midina ka hampitandremo ny olona tsy hisisika ho aty amiko mba hizaha, raha tsy izany dia ho maro amin'izy ireo no ho faty.
\v 22 Aoka ihany koa ireo mpisorona izay manakaiky Ahy mba hanokana ny tenany—hampiomàno izy ireo ny amin'ny fahatongavako—mba tsy hamely azy ireo Aho.”
\v 23 Dia hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: “Tsy afaka hiakatra ny tendrombohitra ny olona, fa nanandidy anay Ianao hoe: ‘Asio fefy manodidina ny tendrombohitra ka hatokano ho an'i Yaveh izany.’”
\v 24 Dia hoy Yaveh taminy hoe: “Mandehana, midina ny tendrombohitra, ka ento miakatra miaraka aminao i Arona, nefa aza avela handrava ny fefy mankaty amiko ireo mpisorona sy ireo vahoaka, fandrao hamely azy ireo Aho.”
\v 4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao na ho endriky ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
\v 5 Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy, fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saropiaro. Ka ny haratsiam-panahin'ny razanao dia valiako any amin'ny taranakao, dia ny zanaka sy ny zafiafin'ireo izay mankahala ahy.
\v 6 Nefa kosa maneho tsy fivadiham-panekena amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ireo didiko Aho.
\v 8 Tsarovy ny andro Sabata, mba hanokanana izany ho Ahy.
\v 9 Aoka hataonao mandritra ny enina andro ny asa aman-draharaha rehetra.
\v 10 Fa ny andro fahafito dia Sabata an'i Yaveh Andriamanitrao. Amin'izany dia tsy tokony hisy asa atao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompo lahinao, na ny mpanompo vavinao, na ny biby fiompinao, na ireo mpivahiny izay miditra anatin'ny vavahadinao.
\v 11 Fa nandritra ny enina andro Yaveh no nanao ny tany sy ny lanitra, ny ranomasina, ary ny zavatra rehetra izay ao anatin'izany, ary nitsahatra tamin'ny andro fahafito. Noho izany Yaveh dia nitahy ny andro Sabata ka nanokana izany.
\v 17 Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, ny mpanompo lahiny, ny mpanompo vaviny, ny ombiny, ny borikiny, na izay rehetra hananan'ny namanao.
\v 18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotrok'orana sy ny tselatra, ary nandre ny feon'ny trompetra, ary nahita ny trendrombohitra nanetroka. Rehefa nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ireo ary nijoro avy lavitra.
\v 20 Hoy Mosesy tamin'ny olona hoe: “Aza matahotra, fa Andriamanitra dia tonga hitsapa anareo mba ho aminareo ny voninahiny, ary mba tsy hanotanareo.”
\v 25 Raha hanao alitara vato ho ahy hianareo, dia aoka tsy ho vato voapaika no hanaovanareo azy, satria raha hampiasa ny fitaovanareo aminy ianareo, dia handoto izany.
\v 3 Raha izy tenany no tonga, dia tsy maintsy mandeha an-kalalahana ny tenany; raha manambady izy, ny vadiny dia tsy maintsy mandeha an-kalalahana miaraka aminy.
\v 4 Raha nanome vady ho azy ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy, dia ny vadiny sy ireo zanany dia ho an'ny tompony, ary tsy maintsy mandeha an-kalalahana ny tenany.
\v 6 dia aoka hitondra azy ho eo amin'Andriamanitra ny tompony. Tsy maintsy hitondra azy eo am-baravarana na tolam-baravarana ilay tompo, ka tsy maintsy tevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny. Ary dia hanompo azy mandra-pahatapitry ny ainy ilay manompo.
\v 12 Na iza na iza mamono olona ka mahafaty azy, dia aoka ho vonoina tokoa izany olona izany.
\v 13 Fa raha tsy nanomana mialoha izany ilay lehilahy, fa tsy fanahiniana kosa, dia hanondro toerana hahafahany mandositra aho.
\v 14 Raha manafika an-tsitrapo ny mpiara-belona aminy ny olona iray ka mamono azy amin'ny hevi-petsy, dia tsy aoka halainao izy mba ho faty, na dia any amin'ny alitara an'Andriamanitra aza izy.
\v 16 Na iza na iza maka an-keriny olona iray ka mivarotra azy, na tratra teny an-tanany ilay olona, dia aoka ho vonoina tokoa izany mpaka an-keriny izany.
\v 20 Raha misy olona mikapoka ny mpanompony lahy na ny mpanompo vaviny amin'ny tehina, ka raha maty nohon'ny ny ratra ilay mpanompo, dia tsy maintsy ho faizina tokoa izany olona izany.
\v 21 Kanefa, raha miaina mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompo, dia tsy tokony ho sazina ilay tompony, satria hijaly amin'ilay fahaverezan'ny mpanompony izy.
\v 22 Raha miady sy mandratra vehivavy bevohoka ireo lehilahy, ka afa-jaza izy, nefa tsy misy ratra hafa eny aminy, dia ilay lehilahy meloka dia tsy maintsy manantanteraka izay sitrapony vadin'ilay vehivavy avy aminy, ary tsy maintsy manonitra izay araka ny famaritan'ny mpitsara izy.
\v 23 Fa raha misy ratra lehibe kosa,
\v 24 dia tsy maintsy manome aina ho solon'ny aina, maso ho solon'ny maso, nify ho solon'ny nify, tanana ho solon'ny tanana, tongotra ho solon'ny tongotra,
\v 25 may ho soloin'ny may, ratra ho solon'ny ratra, na mangana ho solon'ny mangana izy.
\v 26 Raha misy olona mamely ny mason'ny mpanompo lahiny na ny mpanompo vaviny ka manimba izany, dia tsy maintsy hamela ilay mpanompo handeha an-kahalalahana ho fanonerana ny masony izy.
\v 27 Ary raha manala ny nifin'ny mpanompo lahiny na mpanompo vaviny izy, dia tsy maintsy hamela ilay mpanompo handeha an-kahalalahana ho fanonerana ny nify.
\v 28 Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka nahafaty azy, dia tsy maintsy ho toraham-bato ilay omby, ary ny nofony dia tsy azo hohanina; dia tsy ho meloka tompon'ilay omby.
\v 29 Fa raha nanam-pahazarana nanoto ilay omby taloha, ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy nihaino izany, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany omby izany, ary tsy maintsy hovonoina koa ny tompony.
\v 30 Raha ilaina ny fandoavana vola ho solon'ny ainy, dia tsy maintsy handoa izay takiany izy.
\v 31 Raha misy omby nanoto zazalahy na zazavavy, dia tsy maintsy manao izay takian'ny didy ho atao ilay tompon'ny omby.
\v 32 Raha manoto mpanompo lahy na mpanompo vavy ilay omby, dia tsy maintsy mandoa sekely vola fotsy telopolo ny tompon'ilay omby, ary tsy maintsy ho toraham-bato ilay omby.
\v 33 Raha misy olona manokatra lavaka iray, na misy olona mihady lavaka nefa tsy manarona izany, ka misy omby na boriky latsaka ao amin'izany,
\v 34 dia tsy maintsy mamerina ny fatiantoka ny tompon'ilay lavaka. Tsy maintsy manome vola ho an'ny tompon'ny biby maty izy, ary ireo biby maty dia ho lasany.
\v 35 Raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny hafa ka mahafaty azy, dia tsy maintsy hamidin'izy ireo ny omby velona ka hozaraina ny vidiny, ary tsy maintsy zarainy izy ireo ihany koa ny omby maty.
\v 36 Fa raha fantatra fa efa zatra nanoto ilay omby teo aloha, ka tsy nitandrina izany ny tompony, dia tsy maintsy hanonitra omby ho solon'ny omby izy, ary ilay biby maty dia ho lasany.
\v 1 Raha misy olona mangalatra omby na ondry ka mamono izany na mivarotra izany, dia tsy maintsy manonitra omby dimy ho an'ny omby iray izy, ary ondry efatra ho an'ny ondry iray.
\v 2 Raha misy mpangalatra tratra mamaky trano, ary raha vonoina izy ka maty, dia tsy misy fanamelohana nohon'ny vono-olona hamatotra na iza na iza nohon'ny aminy amin'izany tranga izany.
\v 3 Fa raha niposaka ny masoandro talohan'ny namakiany ny trano, dia hamatotra ilay olona izay namono azy ny fanamelohana amin'ny vono-olona. Tsy maintsy manonitra ny nangalariny ny mpangalatra. Raha tsy manana na inona na inona izy, dia tsy maintsy amidy nohon'ny fangalarany.
\v 4 Raha hita velona eny an-tanany ilay biby nangalariny, na omby izany, na apondra, na ondry, dia tsy maintsy hanonitra avo roa heny izany izy.
\v 6 Raha misy afo mirehitra ka mihitatra amin'ny tsilo ary mahazo ny voam-bary, na vary voajinja, na saha, dia azo antoka fa tsy maintsy hanonitra ilay iray izay nampirehitra ny afo.
\v 7 Raha misy olona manome vola na harena amin'ny namany aminy mba hiarovana izany, ary raha nangalarina tao an-tranon'ilay olona izany, ka hita ilay mpangalatra, dia tsy maintsy hanonitra avo roa heny ilay mpangalatra.
\v 8 Fa raha tsy hita ilay mpangalatra, dia tsy maintsy tonga alohan'ireo mpitsara ilay tompon-trano mba hijery raha ny tanany ihany no nangalatra ny fananan'ilay namany aminy.
\v 9 Fa ny fifandirana rehetra momba ny zavatra iray, na omby izany, na apondra, na ondry, na fitafy, na ireo zavatra hafa tsy ampy momba izay lazain'iray hoe: “Ahy ity,” dia tsy maintsy tonga eo anoloan'ireo mpitsara ny fitarainan'ireo antoko roa. Ilay olona izay nomelohan'ny mpitsara dia tokony hanonitra avo roa heny amin'ny namany.
\v 10 Raha misy olona manome apondra, na omby, na ondry na biby hafa ho tehirizin'ny mpiara-belona aminy, ka raha maty izany na maratra na nisy nitondra ka tsy nisy nahita,
\v 11 dia tsy maintsy mianiana amin'i Yaveh ireo roa ireo, raha nisy olona iray na tsia nangalatra ny fananan'ny mpiara-belona aminy. Tsy maintsy manaiky izany ny tompony, ary tsy hanohitra ilay iray hafa.
\v 12 Fa raha nangalarina taminy izany, dia tsy maintsy manonitra izany amin'ilay tompony ny hafa.
\v 13 Raha nisy biby noviraviraina, dia aoka ilay olona hafa hitondra ilay biby ho porofo. Ary tsy hanonitra izay efa noviraviraina izy.
\v 25 Raha mampindrana vola ho an'ny oloko izay mahantra eo aminao ianao, dia aoka tsy ho toy ny mpampindram-bola aminy ianao na manjanam-bola azy.
\v 26 Raha maka ny fitafian'ny namanao ho antoka ianao, dia aoka haverinao aminy izany alohan'ny hilentehan'ny masoandro,
\v 27 fa izany ihany no fisaronana ho azy; izany no fitafiany ho an'ny vatany. Inona ihany koa no afaka handriany? Rehefa miantso Ahy izy, dia handrea azy Aho, satria be fangorahana Aho.
\v 10 Hamafy voa amin'ny tany ary hanangona ny vokatra avy aminy ianao mandritra ny enin-taona.
\v 11 Fa amin'ny taona fahafito dia havelanao tsy hovolena sy hajanonao eo izany, mba hahafahan'ireo mahantra amin'ny vahoakanao hihinana. Ny sisan'izy ireo, dia hohanin'ireo bibidia. Hanao tahaka izany amin'ireo tanim-boalobokao sy ireo tanin'olivanao ianao.
\v 12 Mandritry ny enina andro dia hanao ny asanao ianao, fa amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra ianao. Ataovy izany mba hahafahan'ny ombinao sy ny borikinao mitsahatra, ary mba hahafahan'ny zanaka lahin'ny andevo vavinao sy ny vahiny mitsahatra sy maka aina.
\v 20 Izaho handeha haniraka anjely eo alohanao mba hiaro anao eny an-dalana, ary mba hitondra anao any amin'ny toerana izay nomaniko.
\v 21 Mihainoa azy ary ankatoavy izy. Aza mihantsy azy, fa tsy hamela ireo fahotanao izy. Ny anarako no ao aminy.
\v 22 Raha mankatoa ny feony tokoa ianao ary manao ny zavatra rehetra izay lazaiko aminao, dia ho fahavalon'ireo fahavalonao Aho ary ho mpifanandrina amin'ireo mpifanandrina aminao.
\v 23 Handeha eo alohanao ny anjeliko ary hitondra anao any amin'ireo Amorita, Hetita, Perisita, Kananita, Hivita, ary ireo Jebosita. Handringana azy ireo Aho.
\v 33 Tsy mahazo mipetraka eo amin'ny taninao izy ireo, raha tsy izany izy ireo dia hampanota anao amiko. Raha manompo ireo andriamanitr'izy ireo ianao, dia hivadika ho fandrika ho anao tokoa izany.’”
\v 14 Niteny tamin'ireo loholona Mosesy hoe: “Mijanòna eto ary miandrasa anay mandra-piverinay eto aminareo. Arona sy Hora dia miaraka aminareo. Raha misy olona manana fifandirana, avelao izy handeha any amin'izy ireo.”
\v 15 Dia nandeha niakatra an-tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona nanarona izany.
\v 16 Ny voninahitr'i Yaveh nitoetra tamin'ny tendrombohitra Sinay, ary nanarona izany henemana ny rahona. Tamin'ny andro fahafito dia niantso an'i Mosesy avy tao anaty rahona Izy.
\v 17 Ny fahitana ny voninahitr'i Yaveh dia toy ny afo mandevona ny tampon'ny tendrombohitra teo imason'ireo Israelita.
\v 18 Niditra tao anatin'ny rahona i Mosesy ka niakatra tany an-tendrombohitra. Teny an-tendrombohitra nanditry ny efa-polo andro sy efa-polo alina izy.
\v 10 Asaivo manao fiara vita amin'ny hazo akasia izy ireo. Tsy mainsty roa hakiho sy tapany ny halavany; iray hakiho sy tapany ny sakany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavony.
\v 11 Tsy maintsy saronanareo amin'ny volamena tsara ny ao anatiny sy ny ivelany, ary asio sisim-bolamena manodidina ny tampony.
\v 17 Manaova sarom-panavotana vita amin'ny volamena madio. Roa hakiho sy tapany ny halavany, ary iray hakiho sy tapany ny sakany.
\v 18 Manaova kerobima volamena voatefy roa ho eo amin'ny sakan'ilay sarom-panavoatana.
\v 19 Manaova kerobima iray ho eo amin'ny sakan'ilay sarom-panavotana, ary kerobima iray hafa ho an'ny sakany iray hafa. Ataovy iray ihany amin'ilay sarom-panavotana ireo.
\v 20 Ireo kerobima dia tsy maintsy mamelatra ny elatr'izy ireo miakatra ka manaloka ny sarom-panavotana amin'ireo. Tsy maintsy mifanatrika ireo kerombima ary mijery mankany afovoan'ilay sarom-panavotana.
\v 21 Ataovy eo an-tampon'ilay fiara ny sarom-panavotana ary apetaho eo amin'ilay fiara ireo lalàn'ny fanekena izay omeko anao.
\v 22 Ao amin'ilay fiara no hihaonako aminao. Eo ambonin'ilay sarom-panavotana no toerana hiresahako aminao. Eo anelanelan'ireo kerobima roa eo ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona no hiresahako aminao mahakasika ireo didy rehetra izay homeko anao ho an'ireo Israelita.
\v 31 Manaova fitoeran-jiro vita amin'ny volamena voatefy sy tsy mifangaro. Asio ny fototra sy ny tahony ilay fitoeran-jiro. Ataovy mitambatra ho iray ireo kapoakany, ireo kiboriny, ary ireo voninkazony.
\v 1 Aoka hataonao amin'ny lamba folo vita amin'ny rongony fotsy madinika sy manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky miaraka amin'ireo soratry ny kerobima ny tabernakely. Izany dia ho asan'ny mpanao asa tanana tena mahay.
\v 2 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy roa ambin'ny folo hakiho, ny sakany efatra hakiho. Ny lamba rehetra dia tsy maintsy mitovy habe.
\v 3 Tsy maintsy havitrana ny lamba dimy, ary ny lamba dimy hafa ihany koa dia tsy maintsy avitrana.
\v 4 Manaova tadivavarana manga manaraka ny sisiny ivelan'ny rambon'ny lamba navitrana iray ianao. Toy izany koa, no tsy maintsy anaovanao mitovy manaraka ny sisiny ivelan'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa.
\v 5 Aoka hanao tadivavarana dimampolo eo amin'ny lamba voalohany ianao, ary manaova tadivavarana dimampolo eo amin'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa. Ataovy izany mba hifanatrika ireo tadivavarana.
\v 6 Manaova farango volamena dimampolo ianao ary akambano ireo lamba miaraka amin'ireo mba ho lasa iray ny tabernakely.
\v 11 Manaova farango varahina dimampolo ianao ary apetrahonao anatin'ny tadivavarana ireo. Dia anakambana ny lay miaraka ianao mba ho iray ihany izany.
\v 12 Ny ambin'ny antsasaky ny lamba, izany hoe, ny ambin'ny ampahiny mihoatra amin'ireo lamban'ny lay, dia tsy maintsy ahantona ao an-damosin'ny tabernakely.
\v 13 Tsy maintsy misy iray hakiho amin'ny lamba eo amin'ny andaniny, ary iray hakiho amin'ny lamba eo amin'ny ankilany—izay ambin'ny halavan'ny lain'ny lamba dia tsy maintsy ahantona amin'ireo lafin'ny tabernakely amin'ny andaniny sy amin'ny ankilany, mba handrakotra izany.
\v 14 Manaova fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondrilahy nolokoina mena ho an'ny tabernakely, ary fandrakofana iray hafa vita amin'ny hoditra tsara mba ho eo ambonin'izany.
\v 18 Rehefa manao ireo zana-kazo ho an'ny tabernakely ianao, dia manaova zana-kazo roapolo ho an'ny lafiny atsimo.
\v 19 Manaova faladiany volafotsy efapolo ao ambanin'ireo zanakazo roapolo ianao. Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany mba ho faladia roan'izany, ary faladiany roa ihany koa ambanin'ireo zanakazo hafa tsirairay avy ho faladia roan'ireo.
\v 20 Ho an'ny lafiny faharoan'ny tabernakely, ao amin'ny lafiny avaratra, manaova zana-kazo roapolo
\v 21 sy ny faladia volafotsin'ireo efapolo ianao. Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo manaraka, ary dia toy izany hatrany.
\v 22 Ho an'ny lafiny ambadiky ny tabernakely ao amin'ny lafiny andrefana, manaova zana-kazo enina ianao.
\v 23 Manaova zana-kazo roa ho an'ny zoro an-damosin'ny tabernakely.
\v 24 Ireo zana-kazo ireo dia tsy maintsy sarahina any amin'ny ambany, fa akambana any amin'ny tampony eo amin'ny mason-drojo iray ihany. Tsy maintsy toy izany ho an'ireo zoro roa ao an-damosina.
\v 26 Manaova bara hazo Akasia ianao—dimy ho an'ireo zana-kazo amin'ny andanin'ny tabernakely,
\v 27 bara dimy ho an'ireo zanakazo amin'ny ankilan'ny tabernakely, ary bara dimy ho an'ireo zana-kazo amin'ny lafiny an-damosin'ny tabernakely eo andrefana.
\v 28 Ny bara eo afovoan'ireo zana-kazo, izay, antenantenany ambony, dia tsy maintsy mahatratra ny farany avy.
\v 29 Rakofanao amin'ny volamena ireo zana-kazo. Ataonao ho volamena ny mason-drojon'ireo, mba hampiasaina ho fihazonana ny bara ireo, ary rakofanao amin'ny volamena ireo bara.
\v 30 Manangana ny tabernakely amin'ny fanarahana ny drafitra naseho anao teny an-tendrombohitra.
\v 32 Ahantony eo amin'ireo andry hazo akasia efatra voarakotra volamena izany. Ireo andry ireo dia tsy maintsy manana fihantonana volamena voapetaka eo amin'ireo faladiany volafotsy efatra.
\v 33 Ahantony ambanin'ny farango ny lamba, ary ampidironao ao ny fiaran'ny vavolombelona. Ny lamba dia natao hanasaraka ny toerana masina amin'ny toerana masina indrindra.
\v 34 Apetrahonao eo amin'ny fiaran'ny vavolombelona ny sarom-panavotana, izay ao amin'ny toerana masina indrindra.
\v 35 Apetrahonao ivelan'ny lamba ny latabatra. Apetrahonao tandrifin'ny latabatra eo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely ny fanaovan-jiro. Ny latabatra dia tsy maintsy ao amin'ny lafiny avaratra.
\v 36 Manaova fefy lamba ho fidirana amin'ny lay ianao. Ataonao amin'ny manga, volomparasy, sy mena ary rongony fotsy madinika voatenona izany, izay asan'ny mpanao peta-kofehy.
\v 37 Ho an'ny fefy lamba, manaova andry akasia dimy ary mandrakofa ireo amin'ny volamena. Ny farangon'ireo dia tsy maintsy volamena, mandrendreha faladiany varahina dimy ho an'ireo ianao.
\v 11 Ho tahaka izany koa amin'ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba mirefy zato hakiho misy andry roapolo, faladia varahina roapolo, farango apetaka eo amin'ireo andry, ary fihantonana volafotsy.
\v 12 Amin'ny lafiny andrefana amin'ny kianja dia hisy lamba mirefy dimampolo hakiho ny halavany. Dia manaova andry folo, ary faladia folo.
\v 13 Ataovy dimam-polo hakiho ihany koa ny halavan'ny kianja any amin'ny lafiny atsinanana.
\v 14 Ny fefy lamba amin'ny lafiny iray amin'ny fidirana dia tsy maintsy atao dimy ambin'ny folo hakiho ny halavany. Tsy maintsy miaraka amin'ny andry telo sy faladia telo ireo.
\v 15 Eo amin'ny lafiny iray koa dia hisy fefy lamba mirefy dimy ambiny folo hakiho ny halavany. Tsy maintsy miaraka amin'ireo andriny telo sy faladiany telo ireo.
\v 16 Lamba mirefy roapolo hakiho no atao vavahadin'ny kianja. Fitaovana manga, volomparasy, ary mena sy rongony fotsy madinika voatenona, asan'ny mpanao peta-kofehy no hanaovana ny lamba. Tsy maintsy miaraka amin'ny andry efatra sy faladia efatra izany.
\v 17 Ny andrin'ny kianja rehetra dia tsy maintsy hasiana fihantonana volafotsy, farango volafotsy, ary faladia varahina.
\v 18 Ho zato hakiho ny halavan'ny kianja, dimam-polo hakiho ny sakany, ary ho dimy hakiho kosa ny haavony miaraka amin'ny fefy lamba rongony fotsy madinika, ary faladia varahina.
\v 19 Ny fitaovana rehetra izay hampiasaina ao amin'ny tabernakely, sy ny fihantonan-day rehetra amin'ny tabernakely sy ny kianja dia tsy maintsy atao amin'ny varahina.
\v 20 Aoka ianao handidy ny vahoakan'i Israely mba hitondra menaka oliva, madio sady nofihazina, ho an'ny jiro mba hirehetan'ireo mandrakariva.
\v 21 Ao an-trano lay fihaonana, eo ivelan'ny lamba izay manoloana ny tabernakely izay misy ny fiaran'ny vavolombelona, no handrehetan'i Arona sy ireo zanany lahy jiro eo anatrehan'i Yaveh, manomboka ny hariva mandra-maraina. Izany fepetra izany dia ho lalàna maharitra manerana ny taranaky ny vahoakan'i Israely.
\v 1 Antsoy ho eo aminao i Arona rahalahinao sy ireo zanany—dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara—hiala eo amin'ireo Israelita mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy ho mpisorona.
\v 2 Tsy maintsy manamboatra akanjo voatokana ho Ahy, ho an'i Arona rahalahinao ianao. Ho voninahiny sy ho famirapiratana ho azy ireo akanjo ireo.
\v 3 Tsy maintsy miteny amin'ireo olona izay hendry am-po, dia ireo izay nofenoiko ny Fanahin'ny fahendrena ianao, mba hahafahan'izy ireo manamboatra ny akanjon'i Arona hanokanana azy hanompo Ahy ho mpisoroko.
\v 4 Ny akanjo izay tsy maintsy amboarin'izy ireo dia saron-tratra, efoda, akanjo lava, akanjo tenom-boaroy, hamama, ary fehin-kibo. Tsy maintsy manamboatrra ireo akanjo izay hanokanana azy ho Ahy izy ireo. Atao ho an'i Arona rahalahinao sy ireo zanany izany mba hanompoany Ahy ho mpisorona.
\v 8 Ny fehin-kibo tenona madinika dia tsy maintsy hatao tahaka ilay efoda; tsy maintsy atao amin'ny ampahan-damba avy amin'ilay efoda, vita amin'ny rongony fotsy madinika izay volamena, manga, volomparasy ary jaky mena izany.
\v 9 Aoka haka vato beryla roa ianao ka handrakitra ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'izany.
\v 10 Ny enina amin'ny anaran'izy ireo dia tsy maintsy hatao eo amin'ny vato iray, ary ny enina hafa kosa dia eo amin'ny vato iray hafa, samy araka ny filaharan'ny nahaterahany avy.
\v 11 Amin'ny asan'ny mpisokitra vato, tahaka ny sari-sokitra amin'ny tombokase, no tsy maintsy handraketanao ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'ireo vato anankiroa. Aoka hakambanao amin'ny randram-bolamena ireo vato ireo.
\v 12 Aoka ho ataonao eo amin'ireo saron-tsoroka efoda ireo vato anankiroa, mba ho vato fampatsiahivana an'i Yaveh ny amin'ireo zanak'Israely. Arona no hitondra ny anaran'izy ireo eo an-tsorony eo anatrehan'i Yaveh ho fampatsiahivana Azy.
\v 13 Manaova fitoerana vita amin'ny volamena
\v 14 sy rojo volamena tsy mifangaro roa narandrana tahaka ny tady, ary hafatory eo amin'ireo fitoerana ireo rojo.
\v 25 Hapetao eo amin'ireo fametraham-bato roa ny horin'ny rojo voarandrana. Avy eo apetaho eo amin'ireo saron-tsoroky ny efoda eo alohany izany.
\v 26 Manamboara mason-drojo volamena roa, ary apetaho eo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa hafa izany, eo amin'ny sisiny akaikin'ny zorony anatiny.
\v 27 Manamboara mason-drojo volamena roa hafa ianao, hapetaho eo amin'ny farany ambanin'ireo saron-tsoroka roa eo alohan'ny efoda, manakaiky ny zaitra fikambanany eo ambonin'ny fehin-kibo voatenon'ny efoda izany.
\v 28 Afatory eo amin'ny mason-drojony amin'ny mason-drojon'ny efoda, amin'ny alalan'ny kofehy manga ny saron-tratra, mba hiraiketan'izany eo ambonin'ny fehikibo vaotenon'ny efoda. Natao izany mba tsy hiongotra amin'ny efoda ny saron-tratra.
\v 29 Rehefa mankao amin'ny fitoerana masina i Arona, dia tsy maintsy mitondra ny anaran'ireo vahoakan'Israely eo amin'ny fony ao amin'ny saron-tratra fanapahan-kevitra, mba ho fahatsiarovana maharitra eo anatrehan'i Yaveh.
\v 30 Aoka apetrakao ao amin'ny saron-tratra fanapahan-kevitra ny Orima sy ny Tomima, mba ho eo amin'ny fon'i Arona izany rehefa miditra eo anatrehan'i Yaveh izy. Amin'izany i Arona dia hitondra ny fomba entina manapa-kevitra ho an'ny vahoakan'Israely eo am-pony lalandava eo anatrehan'i Yaveh.
\v 31 Ataovy amin'ny lamba volomparasy tanteraka ny akanjo lavan'i efoda. Tsy maintsy misy fitsofohan'ny loha eo afovoan'izany.
\v 32 Aoka hisy morony voatenona manodidina ny vozon'izany mba tsy hitriatra. Tsy maintsy anjaran'ny mpanenona izany asa izany.
\v 33 Eo amin'ny moron-tongony, dia aoka asianao sarin'apongaben-danitra manga, volomparasy, ary jaky mena manodidina azy. Ireo lakolosin'Andriamanitra dia tsy maintsy mielanelana manodidina izany.
\v 34 Tsy maintsy misy lakolosy volamena dia apongaben-danitra, lakolosy volamena dia apongamben-danitra—ary toy izany hatrany—manodidina ny moron-tongotry ny akanjo lava.
\v 35 Tokony hanaovan'i Arona ilay akanjo lava rehefa manompo izy, mba ho re ny feon'izany rehefa miditra ao amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Yaveh sy mivoaka izy. Natao izany mba tsy ho faty izy.
\v 37 Apetaho amin'ny kofehy manga eo anoloan'ny hamama io takela-bolamena io.
\v 38 Aoka ho eo amin'ny tampon-kandrin'i Arona izany; tsy maintsy mitondra izay fahamelohana rehetra mety hiaraka amin'ny fanatitry ny fanomezana masina izay hatokan'ny Israelita ho an'i Yaveh hatrany izy. Aoka ho eo amin'ny tampon-kandriny lalandava ny hamama mba haneken'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo.
\v 40 Ho an'ireo zanak'i Arona kosa dia tsy maintsy manamboatra fitafiana, fehin-kibo, ary fehiloha ianao ho voninahitra sy famirapiratan'izy ireo.
\v 41 Aoka ampitafianao i Arona rahalahinao, mbamin'ireo zanany. Tsy maintsy manosotra azy ireo, manamasina azy ireo, ary manokana azy ireo ho Ahy ianao, mba hanompoan'izy ireo Ahy ho mpisorona.
\v 42 Manamboara atin'akanjo vita amin'ny rongony ho azy ireo mba hanaronana ny nofo mitanjak'izy ireo, ary hanarona azy ireo manomboka avy eo amin'ny valahana ka hatreo amin'ny fe.
\v 43 Tsy maintsy manao ireo akanjo ireo i Arona sy ireo zanany rehefa miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ao amin'ny fitoerana masina. Tsy maintsy manao izany izy ireo mba tsy ho meloka, raha tsy izany izy ireo dia ho faty. Lalàna maharitra ho an'i Arona sy ireo taranaka mandimby azy izany.
\v 1 Ary izao no tsy maintsy ataonareo mba hanokananareo azy ireo ho ahy mba hanompoan'izy ireo Ahy ho mpisorona. Mangalà vantotr'ombilahy sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
\v 10 Tsy maintsy hitondra ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'ny lay fihaonana ianareo rehetra, ary i Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo amin'ny lohan'izany.
\v 11 Tsy maintsy mamono ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana amin'ny lay fihaonana ianareo.
\v 12 Tsy maintsy maka ampahany amin'ny ràn'ny vantotr'ombilahy ianareo ary mametraka izany amin'ny rantsan-tananareo amin'ireo tandroky ny alitara, ary tsy maintsy mandraraka ny ambin'ny rà eo amin'ny fototry ny alitara.
\v 13 Tsy maintsy esorinareo ny sabora rehetra izay mandrakotra ny ao anatiny, esory ihany koa ny sabora izay mandrakotra ny aty sy ireo voa roa; dory eo amin'ny alitara izany rehetra izany.
\v 14 Fa ny nofon'ny vantotr'ombilahy kosa, ny hodiny sy ny tain-drorohany, dia tsy maintsy doranareo any ivelan'ny toby. Ho sorona nohon'ny fahotana izany.
\v 15 Tsy maintsy maka ny ondry lahy ihany koa ianareo, ary i Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'izany.
\v 16 Tsy maintsy vonoinareo ny ondry lahy, ary maka ny ràny sy mamafy izany amin'ny sisin'ny alitara rehetra.
\v 17 Tsy maintsy tetehinareo ilay ondrilahy ary sasainareo ny ao anatiny sy ny tongony, ary tsy maintsy apetrakareo, miaraka amin'ireo efa voatetika sy ny lohany, eo amin'ny alitarany tao anatiny.
\v 18 Avy eo dory manontolo ilay ondry. Ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh izany, hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.
\v 19 Tsy maintsy maka ilay ondrilahy hafa ianareo avy eo, ary Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'izany.
\v 20 Ary tsy maintsy mamono ilay ondrilahy sy maka ampahany amin'ny ràny ianareo. Ataovy eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona izany, ary eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ireo zanany, eo amin'ny ankihiben'ny tanana ankavanan'izy ireo, sy eo amin'ny ankihiben-tongotra ankavanan'izy ireo. Avy eo dia tsy maintsy mamafy ny rà amin'ny sisin'ny alitara rehetra ianareo.
\v 21 Tsy maintsy maka ampahany amin'ny rà izay eo amin'ny alitara sy ampahany amin'ny menaka fanosorana ianareo, ary mamafy izany rehetra izany amin'i Arona sy ny akanjony, amin'ireo zanany sy ny akanjon'izy ireo ihany koa. Dia ho voatokana ho Ahy i Arona, mbamin'ireo fitafiany, ireo zanany sy ireo fitafian'izy ireo.
\v 22 Tsy maintsy esorinareo ny saboran'ilay ondrilahy, ny saboran'ny rambony, ny sabora izay mandrakotra ny ao anatiny, ny saboran'ny aty, ireo voa roa sy ny saboran'izany, ary ny fe ankavanana-satria io ondrilahy io dia ho an'ny mpisorona izay nohamasinina ho Ahy.
\v 24 Tsy maintsy apetrakareo eo amin'ny tanan'i Arona sy ny tanan'ireo zanany izany ary ataovy mihevaheva eto anatrehako ireo mba ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh.
\v 25 Tsy maintsy maka ny sakafo avy eo amin'ny tanan'izy ireo ianareo avy eo ary mandoro izany miaraka amin'ny fanatitra dorana eo amin'ny alitara. Hamoaka hanitra mamerovero izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany.
\v 26 Tsy maintsy maka ny tratran'ny ondrilahin'ny fanokanana an'i Arona ianareo ary manevaheva izany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh, ka ho anjaranareo izany.
\v 27 Tsy maintsy atokanareo ho Ahy ny tratran'ny fanatitra izay nahevaheva, ary ny fe izay anjaran'ireo mpisorona—ny tratra izay nahevaheva sy ny fe izay anjaran'i Arona sy ireo zanany.
\v 28 Ho didy mandrakizay ho an'i Arona sy ireo zanany izany. Ho fandraisana anjaran'ireo olon'Israely ny manome amin'ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh.
\v 29 Ireo fitafiana masin'i Arona dia tsy maintsy voatokana ho an'ireo zanany mandimby azy. Izy ireo dia ho voahosotra ao amin'izy ireo ary voatokana ho Ahy ao amin'izy ireo.
\v 30 Ny mpisorona izay mandimby azy eo amin'ireo zanany, izay tonga ao amin'ny lay fihaonana mba hanompo Ahy ao amin'ny toerana masina, dia tokony hanao ireo fitafiana ireo mandritra ny fito andro.
\v 31 Tsy maintsy maka ny ondrilahy ho an'ny fametrahana ny mpisorona ho Ahy sy mahandro ny henan'izany ao amina toerana masina ianareo.
\v 32 Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mihinana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay tao anatin'ny harona teo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana.
\v 33 Izy ireo dia tsy maintsy mihinana ny hena sy ny mofo izay nomena mba hanonerana azy ireo sy hanokanana azy ireo, mba ho voatokana ho Ahy. Tsy misy olon-kafa tokony hihinana ny sakafo, satria izy ireo dia tsy maintsy manao izany tahaka ny hoe nohamasinina ho Ahy, natokana ho Ahy.
\v 34 Raha misy ambiny amin'ny maraina ireo henan'ny fanatitra fanokanana, na izay mofo rehetra, dia tsy maintsy doranareo izany. Tsy azo hohanina intsony izany satria efa natokana ho Ahy.
\v 35 Amin'izany fomba izany, amin'ny alalan'ny fanarahana izay rehetra nodidiako ho ataonareo, no tsy maintsy hitondranareo an'i Arona sy ireo zanany. Mandritra ny fito andro ireo no tsy maintsy homaninareo.
\v 36 Isan'andro ianareo dia tsy maintsy manolotra ombilahy ho fanatitra nohon'ny fahotanareo mba ho fanavotana. Tsy maintsy manadio ny alitara amin'ny alalan'ny fanaovana fanavotana eo amin'izany ianareo, ary ianareo dia tsy maintsy manosotra izany mba hanokanana izany ho Ahy.
\v 37 Mandritra ny fito andro dia tsy maintsy manao fanavotana eo amin'ny alitara sy manokana izany ho an'i Yaveh ianareo. Ka ho voatokana manontolo ho Ahy ny alitara. Izay rehetra mikasika ny alitara dia ho voatokana ho an'i Yaveh.
\v 38 Tsy maintsy hatolotrareo eo amin'ny alitara isan'andro tsy tapaka ny zanak'ondry herintaona ro.
\v 39 Ny zanak'ondry iray dia tsy maintsy atolotra amin'ny maraina, ary ny zanak'ondry iray hafa dia tsy maintsy atolotra eo ho eo amin'ny filentehan'ny masoandro.
\v 40 Amin'ilay zanak'ondry voalohany, dia manolora koba manify impolon'ny efaha nafangaro tamin'ny diloilo ampahefatry ny hina avy amin'ny oliva nofihazina, ary divay ampahefatry ny hina mba ho zava-pisotro fanatitra.
\v 41 Tsy maintsy manolotra ny zanak'ondry faharoa ianareo eo ho eo amin'ny fiposahan'ny masoandro. Ianareo dia tsy maintsy manolotra fanatitra hohanina tahaka tamin'ny maraina, sy zava-pisotro fanatitra. Hiteraka hanitra mamerovero ho Ahy ireo; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany.
\v 42 Tsy maintsy fanatitra dorana tsy tapaka amin'ny taranakareo ireo, eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana eo anatrehan'i Yaveh, izay hihaonako aminao sy hiresahako aminao.
\v 43 Any no hihaonako amin'ireo Israelita, ny lay dia ho atokana ho Ahy amin'ny alalan'ny voninahitro.
\v 44 Hanokana ny lay fihaonana sy ny alitara ho an'ireo izay Ahy manokana aho. Hanokana an'i Arona sy ireo zanany mba hanompo Ahy ho ny mpisorona ihany koa Aho.
\v 45 Hiaina eo amin'ireo Israelita Aho ary ho Andriamanitr'izy ireo.
\v 46 Ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta mba hahafahako miaina eo amin'izy ireo. Izaho no Yaveh, Andriamanitr'izy ireo.
\v 2 Tokony iray hakio ny halavany, ary iray hakio ny sakany. Tokony ho efa-joro izany, ary ny hahavony dia tokony ho roa hakio. Ary tokony hatao iray aminy ny tandrony.
\v 6 Tokony apetrakao eo alohan'ny lamba izay akaiky ny fiaran'ny vavolombelona ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. Izany ho eo alohan'ny saronam-panavotana izay eo amin'ny fiaran'ny vavolombelona, izay hihaonako aminareo.
\v 7 Aoka handoro ditin-kazo manitra isa-maraina i Arona. Aoka rehefa mitazona ireo jiro no handoro izany izy,
\v 8 ary handrehitra ny jiro indray i Arona amin'ny hariva mba hirehitra tsy tapaka eo anatrehan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra, hatramin'ireo taranakao.
\v 9 Fa aoka tsy hanolotra ditin-kazo manitra hafa eo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra ianao, na koa fanatitra dorana na fanatitra vary. Aza mandraraka fanatitra fisotro eo amin'izany ianao.
\v 10 Aoka hanao fanavotana indray mandeha isan-taona eo amin'ireo tandroka ireo i Arona. Amin'ny alalan'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny ota no hanaovany fanavotana indray mandeha isan-taona ho an'izany ho amin'ny taranakao fara-mandimby. Izany dia voatokana tanteraka ho an'i Yaveh.”
\v 12 “Raha maka ny fanisana an'ireo Israelita ianao, dia tokony manome vidim-panavotana ny ainy ho an'i Yaveh avy ny olona tsirairay. Ataonao izany rehefa avy manisa azy ireo ianao, mba tsy hisian'ny areti-mandringana eo amin'izy ireo rehefa manisa azy ireo ianao.
\v 13 Ireo olona rehetra izay voaisa ao amin'ny fanisam-bahoaka dia handoa antsasaky ny sekely volafotsy, araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina (ny sekely dia mitovy amin'ny gera roa-polo). Io antsasaka sekely io dia hatao ho fanatitra ho an'i Yaveh.
\v 14 Ireo olona rehetra izay voaisa, hatramin'ny roa-polo taona miakatra, no tsy maintsy mandoa io fanatitra io ho Ahy.
\v 15 Rehefa hanome izany fanatitra izany ho Ahy ny olona hanaovana fanavotana ny ain'izy ireo, dia tsy tokony handoa mihoatra ny antsasaka sekely ny manan-karena, ary ny mahantra tsy handoa latsaka.
\v 19 Ary Arona sy ireo zanany lahy dia tokony hanasa ny tanany sy ny tongotr'izy ireo amin'ny rano ao anatiny izany.
\v 20 Rehefa handeha ho ao amin'ny trano lay fihaonana izy ireo na rehefa handeha hanakaiky ny alitara mba hanompo Ahy amin'ny alalan'ny fandorana fanatitra, dia tsy maintsy misasa amin'ny rano izy ireo mba tsy ho faty.
\v 21 Tsy maintsy manasa ny tanany sy ny tongony izy ireo mba tsy ho faty. Aoka ho lalàna maharitra ho an'ny Arona sy ireo taranany ary hatramin'ireo taranaka fara-mandimbin'izy ireo izany.
\v 33 Na iza na iza manao ditin-kazo manitra toy izany, na na iza na iza manisy izany eo amin'ny olona, dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny izany olona izany.’”
\v 35 Ataovy ho toy ny ditin-kazo manitra izany, nafangaron'ny mpanao zava-manitra, miaraka amin'ny sira, madio ary voatokana.
\v 36 Hotorotoroinao hifangaro tsara izany. Apetraho eo alohan'ny fiaran'ny vavolombelona izany, izay ao amin'ny trano lay fihaonana, izay hihaonako aminao. Ary ianareo dia handray izany ho toy ny masina indrindra ho Ahy.
\v 37 Ny amin'ity ditin-kazo manitra izay hataonao ity, dia tsy tokony hanao raikipohy mitovy ho an'ny tenanao ianao. Tokony ho masina indrindra ho anao izany.
\v 3 Nofenoiko tamin'ny fanahiko i Bezalela, mba hanomezako azy fahendrena, fahazavan-tsaina, ary fahalalana, ho an'ny karazana asa tanana rehetra,
\v 4 mba ho famolavolàna ny kanto ary hiasana amin'ny volamena, volafotsy, ary varahana;
\v 5 mba hanapaka sy hametra-bato ary hisokitra hazo ihany koa—mba hanao ireo karazana asa tanana rehetra.
\v 6 Fanampin'izany ho azy, notendreko i Oliaba zanaka lahin' i Ahisamatsa, avy any amin'ny fokon'ny Dana. Nasiako fahaiza-manao ny tao am-pon'ny rehetra izay hendry mba hahafahan'izy ireo manao izay rehetra nandidiako anao.
\v 7 Tafiditra amin'izany ny trano lay fihaonana, ny fiaran'ny fijoroana vavolombelona, ny sarim-panavotana teo ambony fiara, ary ny fanaky ny lay rehetra—
\v 8 ny latabatra rehetra sy ireo fanaka, ny fanaovan-jiro madio miaraka amin'ireo fitaovany, ny alitaran'ny didin-kazo manitra,
\v 9 ny alitaran'ny fanatitra dorana sy ny fitaovany rehetra, ary ny koveta lehibe mbamin'ny vodiny.
\v 10 Voakasik'izany ihany koa ny akanjo voatenona manify—ireo akanjo masina ho an'i Arona mpisorona sy ny an'ireo zanany, voatokana ho Ahy mba hahafahan'izy ireo manompo ho mpisorona.
\v 11 Voakasik'izany ihany koa ny menaka fanosorana sy didin-kazo manitra ho an'ny toerana masina. Ireo lehilahy mpanao asa tanana rehetra dia tsy maintsy hanao izany araka izay nandidiako anao.
\v 13 “Lazao ireo Israelita hoe: ‘Tsy maintsy hajainareo tokoa ny andro Sabatan'i Yaveh, fa izany no famatarana eo aminy sy ianareo manerana ireo taranaky ny vahoakanareo, amin'izay mba ho fantatrareo fa Izy ilay Yaveh, izay nanokana anareo ho Azy.
\v 14 Noho izany dia tsy maintsy manaja ny Sabata ianareo, amin'izay dia tsy maintsy raisinareo ho masina izany, ary voatokana ho Azy izany. Ary izay mandoto izany dia tsy maintsy ho vonoina ho faty tokoa.
\v 15 Na iza na iza miasa amin'ny andro Sabata, dia tsy maintsy ho esorina amin'ny vahokany tokoa izany olona izany. Hatao mandritra ny enina andro ny asa, fa amin'ny andro faha fito dia andro Sabata izay fitsaharana tanteraka, masina, natokana ho fanajana an'i Yaveh. Na iza na iza miasa amin'ny andro Sabata dia ho vonoina tokoa.
\v 16 Noho izany ireo Israelita dia tsy maintsy manaja ny Sabata. Tsy maintsy mitandrina izany ho lalàna maharitra izy ireo manerana ny taranaky ny vahoakany.
\v 17 Ny Sabata dia ho famantarana eo amn'i Yaveh sy ireo Israelita hatrany, nandritra ny enina andro no nanaovan'i Yaveh ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ary naka aina.”’
\v 1 Rehefa hitan'ny vahoaka fa nitaredretra ny hidina avy any an-tendrombohitra i Mosesy, dia nitangorona nanodidina an'i Arona izy ireo ka nanao taminy hoe: “Avia, manaova sampy ho anay mba hialoha lalana antsika. Fa raha ny amin'iny Mosesy iny, ilay lehilahy izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.”
\v 2 Dia hoy Arona tamin'izy ireo hoe: “Esory ireo kavina volamena izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo, sy eny amin'ny sofin'ny zanakareo lahy sy vavy, dia ento ety amiko izany.”
\v 6 Nifoha maraina ny vahoaka ny ampitson'io ka nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Avy eo dia nipetraka mba hihinana sy hisotro izy ireo, ary nitsangana nanao fomba fankalazana vetaveta.
\v 15 Avy eo dia nitodika i Mosesy ary nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ireo vato fisaka roa misy ireo lalàn'ny fanekena. Samy voasoratra ny andaniny roa amin'ilay vato, ny ao aloha sy ao aoriana.
\v 16 Asan'Andriamanitra manokana ireo vato, ary sora-tanan'Andriamanitra manokana ny soratra voasokitra eo amin'ireo vato fisaka.
\v 21 Dia hoy i Mosesy tamin'i Arona hoe: “Inona no nataon'ity vahoaka ity taminao, no dia nitondranao fahotana lehibe tahaka izao izy ireo?”
\v 22 Fa hoy Arona hoe: “Aza avela hirehitra ny hatezeranao, ry tompoko. Fantatrao ireo vahoaka ireo, ny faharisihan'izy ireo hanao ratsy.
\v 23 Hoy izy ireo tamiko hoe: ‘Hanamboary andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin'iny Mosesy iny, ilay lehilahy izay nitondra anay niakatra avy any amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.’
\v 24 Ka hoy aho tamin'izy ireo hoe: ‘Na iza na iza manana volamena, dia aoka izy hanala izany.’ Nomen'izy ireo ahy ny volamena dia natsipiko tao anaty afo izany, ary avy amin'izany no nahazoana ity ombikely ity.”
\v 26 Avy eo Mosesy nijoro teo amin'ny fidirana mankao amin'ny toby ka nanao hoe: “Na iza na iza miaraka amin'i Yaveh, dia mankanesa ety amiko.” Nitangorona nanodidina azy ireo Levita rehetra.
\v 27 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: ‘Aoka ny olona tsirairay hanao ny sabatrany ho eo am-balahany ary hivezivezy eo amin'ny isam-baravarana manerana ny toby, ka hamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny namany aminy.’”
\v 29 Hoy Mosesy tamin'ireo Levita hoe: “Anio dia natao ho mpanompon'i Yaveh ianareo, satria namono ny zanany lahy sy ny rahalahiny ny tsirairay aminareo, mba hanomezan'i Yaveh fitahiana ho anareo anio.”
\v 30 Ny ampitson'iny dia hoy Mosesy tamin'ireo vahoaka hoe: “Nanao fahotana lehibe tokoa ianareo. Ankehitriny dia hiakatra ho any amin'i Yaveh aho. Angamba mety afaka mitondra fanavotana amin'ny fahotanareo aho.”
\v 31 Dia niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ka nanao hoe: “Indrisy! Nanao fahotana lehibe ireto vahoaka ireto ary nanamboatra sampy vita tamin'ny volamena ho an'ny tenan'izy ireo.
\v 32 Nefa ankehitriny, avelao re ny fahotan'izy ireo; fa raha tsy izany, dia esory ao amin'ny boky izay nosoratanao ny anarako.”
\v 33 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: “Na iza na iza nanota tamiko, dia ho esoriko ao anatin'ny boky ny anaran'izany olona izany.
\v 34 Koa mandehana ankehitriny, tariho ho any amin'ny toerana izay efa nolazaiko anao ny vahoaka. Indro, hialoha anao ny anjeliko. Fa amin'ny andro hamaizako azy ireo, dia ho faiziko nohon'ny fahotany izy ireo.”
\v 7 Nandray lay i Mosesy ary nanorina izany ivelan'ny toby, lavidavitra kely ny toby. Nantsoiny hoe ny trano lay fihaonana izany. Ireo rehetra izay nangataka zavatra tamin'i Yaveh no mivoaka ka mankao amin'ny trano lay fihaonana, ivelan'ny toby.
\v 8 Rehefa hivoaka avy ao amin'ny lay Mosesy, dia nijoro teo amin'ny fidirana ao amin'ny lainy avy ireo vahoaka ary nitazana an'i Mosesy mandra-pidirany ao anatiny.
\v 9 Isaky ny niditra ny lay i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ary nitsangana teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay, dia niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh.
\v 10 Isaky ny mahita izany andry rahona izany eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay ny vahoaka, dia niarina ary nanompo, ny olona rehetra isaky ny fidirana ao amin'ny lainy avy.
\v 11 Yaveh dia niresaka nifanatri-tava tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Dia niverina tany an-toby i Mosesy, fa i Josoa mpanompony zanak'i Nona, izay zatovo, dia nijanona tao amin'ny lay.
\v 15 Hoy Mosesy taminy: “Raha tsy miaraka aminay Ianao, dia aza esorinao eto izahay.
\v 16 Fa raha tsy izany, ahoana moa no hahafantarana fa nahita fitia teo imasonao aho, izaho sy ireo vahoakanao? Moa ve tsy ny handehananao miaraka aminay ihany no mampiavaka ahy sy ireo vahoakanao amin'ny firenena rehetra izay eto ambonin'ny tany?”
\v 6 Dia nandalo teo anoloany Yaveh ka nanambara hoe: “Yaveh, Yaveh, Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra, mahari-po, sy feno fahatokiam-panekena sy fahamendreham-pitokisana,
\v 7 mitazona ny tsy fivadiham-panekena hatramin'ny taranaka arivo mifandimby, mamela heloka, fahadisoana, ary fahotana Izy. Kanefa hanadio izay meloka Izy. Hamaly ny helok'ireo ray amin'ireo zanaka Izy sy amin'ireo zanak'ireo zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra.”
\v 9 Ka hoy izy hoe: “Ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao aho, Tompoko, mba mandehana eo afovoanay, fa mafy hatoka ireo olona ireo. Mamelà ny helokay sy ny fahotanay, ary raiso ho lovanao izahay.”
\v 10 Dia hoy Yaveh hoe: “Indro, hanao fanekena Aho. Ka eo anatrehan'ny olonao rehetra, dia hanao zava-mahagaga izay tsy mbola natao tamin'ny tany rehetra na firenena Aho. Hahita ireo asako ny olon-drehetra ao aminao, fa zavatra mampatahotra no hataoko miaraka aminao.
\v 21 Mety hiasa mandritry ny enina andro ianao, fa amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra ianao. Eny na dia amin'ny taom-pamafazana sy taom-pijinjana aza, dia tsy maintsy mitsahatra ianao.
\v 23 Tsy maintsy hiseho intelo isan-taona eo anatrehan'ny Tompo Yaveh ny lehilahinao rehetra, dia ny Andriamanitry ny Israely.
\v 24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ary hanitatra ny sisin-taninao. Tsy hisy haniry ny hanana ny taninao ho azy rehefa miakatra miseho eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrao intelo isan-taona ianao.
\v 33 Rehefa vita ny resak'i Mosesy tamin'izy ireo, dia nasiany voaly ny tavany.
\v 34 Na oviana na oviana no handehanan'i Mosesy eo anoloan'i Yaveh mba hiresaka aminy, dia nanala ny voaliny izy, mandra-pivoahany. Ary rehefa nivoaka izy, dia nilaza tamin'ireo Israelita izay nandidiana azy ho lazainy.
\v 35 Rehefa hitan'ny Israelita ny famirapiratan'ny tavan'i Mosesy, dia nasarony ny tavany indray ny voaly madra-piveriny ao mba hiresaka amin'i Yaveh.
\v 2 Andro enina no afaka anaovana ny asa, fa ho anareo, ny andro fahafito dia ho andro masina, andro Sabatan'ny fitsaharana feno, sy masina ho an'i Yaveh. Na iza na iza miasa amin'izany andro izany dia hovonoina ho faty.
\v 10 Ny lehilahy rehetra izay manana fahaizana eo aminareo dia ho avy ka hanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh—
\v 11 ny tabernakely mbamin'ny lainy, ny sarony, ny varangony, ny rafitrany, ny barany, ny tsangatsangany, ary ny faladiany;
\v 12 ary koa ny fiara mbamin'ny baony, ny sarom-panavoatana ary ny lamba hanafenana azy.
\v 13 Nentin'izy ireo ilay latabatra mbamin'ny baony, ny fanaka rehetra ao aminy, ary ny mofon'ny fanatrehana;
\v 14 ny fanaovan-jiro ho an'ireo hazavana, mbamin'ny fitaovana amin'izany, ireo jirony, ary ny solika ho an'ireo jiro;
\v 15 ny alitara fandoroana miaraka amin'ireo baony, ny menaka fanosorana sy ny ditin-kazo manitra; ny fefy lamba ho an'ny fidiran'ny tabernakely;
\v 16 ny alitara ho an'ireo fanatitra dorana mbamin'ny makarakara varahin'izany sy ireo baony ary ireo fanaka; ary ny kovetabe sy ny faladiany.
\v 17 Nentin'izy ireo ny fefy lamba ho an'ny kianja mbamin'ny tsangatsangany sy ny faladiany, sy ny lamba ho an'ny fidirana ao an-kianja;
\v 18 ary ny fihantonan'ny lay ho an'ny tabernakely sy ny kianja, niaraka tamin'ireo tadiny.
\v 19 Nitondra ireo akanjo voatenona madinika hanompoana teo amin'ny toerana masina izy ireo, ny akanjo masina ho an'i Arona mpisorona sy ireo zanany lahy, mba hanompoan'izy ireo ho mpisorona.
\v 20 Avy eo dia nandao ary niala teo anatrehan'i Mosesy avokoa ireo fokon'ny Israely.
\v 21 Dia tonga ireo olona rehetra izay voatariky ny fony sy ireo izay notarihin'ny fanahiny hanam-piniavana ary nitondra fanatitra ho an'i Yaveh ho an'ny fanamboarana ny tabernakely, ho amin'izay zavatra rehetra mety ampiasaina amin'izany, sy ho an'ireo akanjo masina.
\v 22 Tonga izy ireo, na ny lehihahy na ny vehivavy, izay rehetra tsara sitrapo. Nitondra ireo fisisika, kavina, peratra, ireo firavaka, sy ireo karazana firavaka volamena rehetra izy ireo. Nanolotra fanatitra volamena ho fanatitra ahevaheva ho an'i Yaveh izy rehetra.
\v 23 Ny olona rehetra izay nanana manga, volomparasy, na volon'ondry jaky, rongony fotsy madinika, volon'osy, hoditr'ondry lahy miloko mena, sy hodi-dogaona dia nitondra ireo.
\v 24 Ny olona rehetra nanao fanatitra volafotsy na varahina dia nitondra izany ho fanatitra ho an'i Yaveh, ary ny olona rehetra izay nanana hazo akasia mety ampiasaina amin'ny asa dia nitondra izany.
\v 25 Ireo vehivavy rehetra nanana fahaiza-manao dia namoly volon'ondry tamin'ny tanany ary nitondra izay voavoliny—manga, volomparasy, na volon'ondry jaky na rongony fotsy madinika.
\v 26 Ireo vehivavy rehetra nentanin'ny fony sy ireo izay nanana fahaizana dia namoly volon'osy.
\v 27 Ireo mpitarika dia nitondra vato beryla sy vatosoa hafa koa mba hatao ao amin'ny efoda sy ireo saron-tratra;
\v 28 nitondra zava-manitra sy menaka ho amin'ny fanaovan-jiro, ho an'ny menaka fanosorana, ary ho an'ny ditin-kazo manitra izy ireo.
\v 29 Dia nitondra fanati-tsitrapo ho an'i Yaveh ireo Israelita; ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay notarihin'ny fony dia nitondra fitaovana ho amin'ny asa rehetra izay nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy mba hatao.
\v 1 I Bezalila sy Oholiaba ary ireo olona manan-talenta rehetra izay efa nomen'i Yaveh fahaiza-manao sy fahakingana mba ahafantatra ny fomba fiasa amin'ny fanamboarana ny toerana masina dia nanao ny asa arak'izay rehetra nadidin'i Yaveh.
\v 18 Nahavita farango varahina dimampolo i Bezalila mba hanakambanana ny lay ho iray.
\v 19 Nanamboatra fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondry lahy miloko mena ho an'ny tabernakely, sy fandrakofana hafa vita amin'ny hoditra mba ho eo ambonin'izany izy.
\v 20 Ary nanamboatra rafitra mitsangana vita amin'ny hazon'ny akasia i Bezalila ho amin'ny tabernakely.
\v 21 Ny halavan'ireo zana-kazo tsirairay dia folo hakiho, ary ny sakan'ireo zana-kazo dia iray sy sasany hakiho.
\v 22 Ny rafitra tsirairay avy dia misy zana-kazo roa mba hampikambana azy ireo miaraka. Nataony toy izany avokoa ireo rafitry ny tabernakely.
\v 23 Dia nataony tahaka izao ireo rafitra rehetra ho an'ny tabernakely: rafitra roapolo ho an'ny ilany atsimo.
\v 24 Nanao tongony volafotsy efapolo i Bezalila mba atao eo ambanin'ireo rafitra roapolo. Nisy faladiany roa tao ambanin'ny rafitra iray mba hampitambatra an'ireo rafitra rehetra, ary faladiany roa ihany koa ambanin'ireo rafitra tsirairay hafa mba hikambanan'ireo.
\v 25 Ary ny ilany faharoan'ny tabernakely, teo amin'ny ilany avaratra, dia nasiany rafitra roapolo
\v 26 sy faladiany volafotsy efapolo. Misy faladiany roa ambanin'ilay rafitra voalohany, faladiany roa no ambanin' ilay hazo fisaka manaraka, dia toy izay hatrany.
\v 27 Nanamboatra rafitra enina i Bezalila ho an'ny lamosin'ny tabernakely andrefana.
\v 1 Bezalila nanao ilay fiara tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho sy sasany ny halavany; iray hakiho sy sasany ny velarany; ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
\v 2 Nanarona izany tao anatiny sy tao ivelany izy niaraka tamin'ny volamena tsy miharo ary nanao izany ho sisim-bolamena manodidina ny tampony.
\v 8 Ny kerobima iray dia ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana iray, ary ny kerobima iray hafa dia ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana iray hafa. Natao ho ampahany iray ihany ireo miaraka amin'ny saronam-panavotana.
\v 9 Namelatra ireo elany ilay kerobima ary nanaloka ny saronam-panavotana niaraka tamin'ireo. Mifanatrika sy mitodika any afovoan'ny saronam-panavotana ireo kerobima.
\v 10 Bezalila nanao ny latabatra vita tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray akiho sy sasany ny hahavony.
\v 14 Voafatotra tamin'ny ireo zorony efatra ireo mason-drojo, mba hanomezana toerana ho an'ireo bao, mba hilanjana ilay latabatra.
\v 15 Nanao ireo bao tamin'ny hazo akasia izy ary nanarona ireo tamin'ny volamena, mba hilanjana ilay latabatra.
\v 16 Nanao ireo fanaka izay hapetraka eo ambonin'ny latabatra izy—ireo lovia, sotro, lovia jobo, sy ireo fitoeran-divay mba hampiasaina handrarahana ireo fanatitra. Nataony tamin'ny volamena tsy miharo ireo.
\v 17 Nataony tamin'ny volamena tsy miharo ilay fitoeran-jiro. Nataony niaraka tamin'ny faladiany sy ny tahony ny fitoeran-jiro. Ny kapoakany, ny kiboriny, ary ny voninkazony dia natao ampahany iray miaraka aminy.
\v 18 Nisy sampana enina nivoaka avy tamin'ireo sisiny—sampana telo nivoaka tamin'ny sisiny iray, ary sampana telo hafa no nivoaka amin'ireo sisiny amin'ny fitoeran-jiro. Ny sampany voalohany dia nanana kapoaka telo vita tahaka ny felan'ny amandia mamelana, miaraka amin'ny kibory iray sy voninkazo iray.
\v 19 Ary kapoaka telo natao toy ny amandia mamelana tamin'ny sampany iray hafa, miaraka amin'ny kibory iray, sy voninkazo iray. Dia toy izany avokoa ho an'ireo sampana enina nivoaka avy amin'ny fitoeran-jiro.
\v 20 Eo amin'ny fitoeran-jiro, teo amin'ny tahony afovoany, dia nisy kapoaka efatra natao toy ny amandia mamelana, niaraka tamin'ny kiborin'izy ireo sy ireo voninkaz.
\v 21 Nisy kibory iray tao ambanin'ny sampana roa voalohany—izay natao iray aminy, ary kibory iray tao ambanin'ny sampana roa faharoa—natao iray aminy ihany koa izany. Tamin'ny fomba mitovy dia nisy kibory iray tao ambanin'ny sampana roa fahatelo, natao iray aminy. Ary toy izany koa ireo sampana enina nivoaka tao amin'ny fitoeran-jiro.
\v 22 Ny kibory sy ny sampan'izy ireo dia iray aminy, sombin'asam-bolamena tsy miharo iray.
\v 23 Bezalila nanao ny fitoeran-jiro sy ny jiro fiton'ireo, ny hetin-jiro sy fitoeran-davenona volamena tsy miharon'ireo.
\v 24 Nanao ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovana miaraka tamin'ny talenta volamena iray tsy miharo izy.
\v 27 Nanao mason-drojo volamena roa izy mba hamatorana izany ao ambanin'ny sisiny eo amin'ny sisiny roa mifanandrify aminy. Ireo mason-drojo dia natao hitazona ireo bao mba hilanjana ny alitara.
\v 1 Bezalila nanao ny alitara ho an'ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia. Izany dia dimy hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny halalany—efa-joro—ary telo hakiho ny haavony.
\v 2 Ary nanitatra ireo zorony efatra hiendrika toy ny tandrok'omby izy. Ny tandroka dia natambatra iray tamin'ny alitara, ary nandrakotra izany tamin'ny varahina izy.
\v 3 Nanao ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara izy—vilany ho an'ny lavenona, angady, kovetabe, sotro rovitra, ary vilany fitondrana afo. Nanao ireo fitaovana rehetra ireo tamin'ny varahina izy.
\v 4 Nanao makarakara ho an'ny alitara izy, tohi-vakana varahina mba hapetraka ao ambanin'ny rindrina, teo amin'ny fisasahany ka hatrany amin'ny farany ambany.
\v 5 Nandrendrika mason-drojo efatra ho an'ireo zoro efatry ny makarakara varahina izy, ho fihazonana ireo bao.
\v 6 Nanao bao tamin'ny hazo akasia ary nandrakotra ireo tamin'ny varahina i Bezalila.
\v 7 Nametaka ireo bao tamin'ny mason-drojo teo amin'ireo lafin'ny alitara izy, mba hilanjana izany. Nanao ny alitara poak'aty izy, tamin'ny hazo fisaka.
\v 11 Toy izany koa nanaraka ny lafiny avaratra, dia nisy fefy lamba zato hakiho ny halavany miaraka amin'ny tsangatsangany roapolo, faladiany varahina roapolo, farango naraikitra tamin'ireo tsangatsangany, ary fitohizana volafotsy.
\v 12 Ireo fefy lamban'ny lafiny atsinanana dia dimampolo hakiho ny halavany, miaraka amin'ny tsangatsangany sy faladiany folo. Ireo farango sy fitohizan'ireo tsangatsangany dia volafotsy.
\v 13 Ny kianja ihany koa dia dimampolo hakiho ny halavany ao amin'ny lafiny atsinanana.
\v 14 Ireo fefy lamba ho an'ny ankilan'ny fidirana dia dimy ambin'ny folo hakiho ny halavany. Misy tsangatsangany telo miaraka amin'ny faladiany telo ireo.
\v 15 Teo amin'ny andanin'ny fidiran'ny kianja ihany koa dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ny halavany, miaraka amin'ny tsangatsangany telo sy faladiany telo.
\v 16 Ireo fefy lamba rehetra manodidina ny kianja dia natao tamin'ny rongony fotsy madinika.
\v 17 Ny faladian'ireo tsangantsangany dia natao tamin'ny varahina. Ireo farango sy ireo fitohizana ho an'ireo tsangatsangany dia natao tamin'ny volafotsy, ary ny fandrakofana ho an'ireo tendron'ny tsangatsangany ihany koa dia natao tamin'ny volafotsy. Ireo tsangatsangan'ny kianja rehetra dia norakofana tamin'ny volafotsy.
\v 18 Ny lamba teo amin'ny vavahadin'ny kianja dia roapolo hakiho ny halavany. Ny lamba dia natao tamin'ny manga, volomparasy, sy rongony jaky, rongony fotsy madinika voatenona, ary roapolo hakiho ny halavany. Izany dia roapolo hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakany, tahaka ireo lamban'ny kianja.
\v 19 Nisy faladiany varahina efatra sy farango volafotsy izany. Ny fandrakofana ho an'ireo tendrony sy ny fitohizan'izany dia natao tamin'ny volafotsy.
\v 20 Ny fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely sy ny kianja dia natao tamin'ny varahina.
\v 21 Izao no lisitry ny momba ny tabernakely, ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena, nalaina araka ireo toromarik'i Mosesy izany. Izany dia asan'ireo Levita teo ambany fitarihan'i Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona.
\v 22 Bezalila zanaka lahin'i Ory zanaka lahin'i Hora, avy ao amin'ny fokon'i Joda, dia nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\v 23 Oholiaba zanaka lahin'i Ahisamaka, avy ao amin'ny fokon'i Dana, dia niasa niaraka tamin'i Bezalila ho mpanao sokitra, ho mpiasa tena mahay, ary ho mpanao tenona amin'ny manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika.
\v 25 Ny volafotsy nomen'ny fiangonana dia nilanja talenta zato ary sekely 1.775, araka ny sekely masina,
\v 26 na beka iray isan'olona, izay antsasaky ny sekely, voarefy tamin'ny sekely masina. Ireo tarehimarika ireo dia nahakasika ny fototry ny olona tsirairay izay voaisa tamin'ny fanisam-bahoaka, ireo roapolo taona no ho miakatra—dia lehilahy 603.350 ny fitambarany.
\v 27 Talenta volafotsy zato no narendrika ho an'ireo faladian'ny toerana masina sy ireo faladian'ny lamba: faladiany zato, ary talenta iray isaky ny faladiany tsirairay avy.
\v 28 Tamin'ny ambin'ny sekely volafotsy 1.775, dia nanao farango ho an'ireo tsangatsangany i Bezalila, nandrakotra ny tendron'ireo tsangatsangany, ary nanao fitohizana ho an'ireo.
\v 29 Ny varahina avy amin'ny fanatitra ahevaheva dia nilanja talenta 70 ary sekely 2.400.
\v 30 Tamin'izany no nanaovany ireo faladiany ho an'ny fidirana mankany amin'ny lay fihaonana, ny alitara varahina, ny makarakara varahin'izany, ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara,
\v 31 ireo faladiany ho an'ny kianja, ireo faladiany ho an'ny fidiran'ny kianja, ireo fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely, ary ireo fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny kianja.
\v 26 lakolosy dia apongaben-danitra, lakolosy dia apongaben-danitra—teo amin'ny sisin'ny akanjo ho an'i Aarona mba hanompoany ao. Izany dia araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\v 27 Namboarin'izy ireo ho an'i Aarona sy ireo zanany ilay akanjo rongony fotsy madinika.
\v 28 Nanao ny hamama rongony fotsy madinika, ny fehy loha rongony fotsy madinika, ny atin'akanjo rongony fotsy madinika, sy ny satroka vita amin'ny rongony fotsy madinika
\v 29 ary kofehy manga, volomparasy, ary jaky mena, ho asan'ny mpanao peta-kofehy izy ireo. Izany dia araka ny ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\v 30 Dia nanamboatra ny takela-bolamena tsy mifangaron'ny satro-boninahitra masina izy ireo; dia nosoratan'izy ireo tamin'izany toy ny soratra eo amin'ny fitombokase hoe: “Masina ho an'i Yaveh.”
\v 32 Koa dia vita ny asa fanaovana tabernakely, ilay trano lay fihaonana. Nataon'ny vahoakan'Israely ny zava-drehetra. Narahin'izy ireo ny torolalana rehetra izay nomen'i Yaveh an'i Mosesy.
\v 33 Nentin'izy ireo tamin'i Mosesy ilay tabernakely—ny lay sy ireo fitaovany rehetra, ny jiangrafiny, ny rafiny, ny barany, ny tsangatsangany, ny faladiany,
\v 34 ny fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondry lahy miloko mena, ny fandrakofana vita ami'ny hoditra lambodriaka, ary ny lamba anafenana
\v 35 ny fiaran'ny vavolombelona, ary koa ny bao sy ny saronam-pamonjena.
\v 36 Nentin'izy ireo ny latabatra, ny fanaka rehetra, sy ny mofon'ny fanatrehana;
\v 37 ny fanaovan-jiro volamena tsy miharo ary ireo jiro tao amin'ny toerany, miaraka amin'ireo fitaovany sy ireo solika fanao amin'ny jiro;
\v 38 ny alitara volamena, ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manim-pofona, ny fefy lamban'ny fidirana ao amin'ny tabernakely;
\v 39 ny alitara varahina miaraka amin'ny varahina makarakarany sy ny baony ary ny fanaka sy ny koveta lehibe miaraka amin'ny faladiany.
\v 40 Nentin'izy ireo ny fefy lamba ho an'ny kianja miaraka amin'ny tsangatsangany sy ny faladiany; ary ny lamba ho an'ny fidirana eo an-kianja; ireo tady sy ny fihantonan'ny lay; ary ny fitaovam-piasana rehetra entina hanompoana ny tabernakely, ny trano lay fihaonana.
\v 41 Nentin'izy ireo ny akanjo voatenona mba hanompoana ao amin'ny toerana masina, ny akanjo masina ho an'i Arona mpisorona, sy ireo zanany lahy, mba hanompoan'izy ireo ho mpisorona.
\v 42 Noho izany dia nataon'ireo vahoakan'Israely avokoa ny asa rehetra araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\v 43 Nandinika ireo asa rehetra i Mosesy, ary indro, vitan'izy ireo izany. Araka izay nandidian'i Yaveh, dia toy izany ny fomba nanaovan'izy ireo izany. Ary dia nitso-drano azy ireo Mosesy.
\v 3 Apetraho ao amin'izany ny fiaran'ny vavolombelona, ary aoka harovanao amin'ny lamba ny fiara.
\v 4 Ento eo amin'ny latabatra ary alaharo ireo zavatra izay tokony ho amin'izany. Dia ento ny fanaovan-jiro ary apetraho ireo jiro.
\v 5 Apetraho manoloana ny fiaran'ny vavolombelona ny alitara volamena izay misy ny ditin-kazo manitra, ary apetraho ny lamba eo amin'ny fidiran'ny tabernakely.
\v 6 Apetraho eo anoloan'ny fidirana mankao amin'ny tabernakely, ilay lay fihaonana, ny alitaran'ny fanatitra dorana.
\v 7 Apetraho eo anelanelan'ny lay fihaonana sy ny alitara ny koveta lehibe ary asio rano ao anatiny.
\v 8 Atsangano manodidina izany ny kianja, ary ahantony eo amin'ny fidiran'ny kianja ny lamba.
\v 9 Ka alaivo ny diloilo fanosorana ary hosory ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao anatiny. Atokano ho Ahy izany sy ny fanaka rehetra, ka dia ho masina izany.
\v 10 Hosory ny alitaran'ny fanatitra dorana sy fanak'izany rehetra. Atokano ho Ahy ny alitara ary tena ho masina ho Ahy izany.
\v 11 Hosory ny kovetabe varahina sy faladian'izany ary atokano ho Ahy.
\v 12 Ho entinao i Arona sy ireo zanany lahy ho eo amin'ny fidiran'ny lay fihaonana ary sasao amin'ny rano izy ireo.
\v 13 Ho tafinao amin'ireo ankajony izay natokana ho Ahy i Arona, hosory izy ary atokano mba hanompo ho mpisoroko.
\v 15 Hosory tahaka nanosoranao ny rainy izy ireo mba hanompo Ahy ho mpisorona. Ny fanosorana azy ireo dia hahatonga azy ireo ho fisoronana maharitra hatramin'ireo taranany fara mandimby.”
\v 17 Ary dia voatsangana tamin'ny andro voalohany volana voalohany tamin'ny taona faharoa ny tabernakely.
\v 18 Nananganana ny tabernakely i Mosesy, nametraka ny faladian'izany tamin'ny toerany, nanangana ny rafitr'izany, nampikambana ny barany, ary nanangana ireo andry sy ireo tsagantsangan'izany.
\v 19 Naeliny manerana ny tabernakely ny fandrakofana ary napetrany manerana izany ny lay, araka ny efa nadidian'i Yaveh azy.
\v 20 Nalainy ny didin'ny fanekena ary napetrany tao anatin'ny fiara ireo. Nametraka bao teo amin'ny fiara ihany koa izy, ary dia nametraka ny sarom-panavotana teo amin'izany.
\v 21 Nanangana lamba ho an'izany izy mba hiaro ny fiaran'ny vavolombelona, araka ny nandidian'i Yaveh azy.
\v 22 Napetrany tao anatin'ilay lay fihaonana ny latabatra, dia teo amin'ny ilany avatr'ilay tabernakely, ivelan'ny lamba.
\v 23 Nalahany teo ambony latabatra teo anoloan'i Yaveh ny mofo, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy.
\v 24 Napetrany tao anaty lay fihaonana ny fanaovan-jiro, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely.
\v 25 Nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Yaveh izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy.
\v 26 Napetrany tao amin'ny lay fihaonana manoloana ny lamba ny alitara volamena misy ditin-kazo manitra.
\v 29 Napetrany teo amin'ny fidirana ny tabernakely, ilay lay fihaonana, ny alitaran'ny fanatitra dorana. Nanolotra fanatitra dorana sy vary ho fanatitra teo amin'izany izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy.
\v 30 Napetrany teo anelanelan'ny lay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ary nasiany rano tao anatin'izany mba hisasana.
\v 31 Mosesy, Arona sy ireo zanany lahy nanasa ny tanany sy ny tongontr'izy ireo tao amin'ny kovetabe
\v 32 na oviana na oviana handehanan'izy ireo ao amin'ilay lay fihaonana, ary na oviana na oviana hiakaran'izy reo eo amin'ny alitara. Nanasa ny tenany izy ireo, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\v 33 Nanangana ny kianja nanodidina ny tabernakely sy ny alitara i Mosesy. Nanangana ny lamba teo amin'ny fidiran'ny kianja izy. Izany ny fomba nahavitan'i Mosesy ny asa.
\v 34 Dia ny rahona nandrakotra ny lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Yaveh nanenika ny tabernakely.
\v 35 Tsy afaka nitsofoka tao amin'ilay lay fihaonana i Mosesy satria ny rahona efa nitoetra tao amin'izany, ary satria ny voninahitr'i Yaveh nanenika ny tabernakely.
\v 36 Na oviana na oviana no niakaran'ny rahona avy ao amin'ny tabernakely, ny vahoakan'Israely dia nianga tamin'ny dian'izy ireo.
\v 37 Fa raha tsy niakatra avy ao amin'ny tabernakely ny rahona, dia tsy nandeha ny vahoaka. Nijanona teo izy ireo hatramin'ny andro izay nisandratan'izany.
\v 38 Fa ny rahon'i Yaveh dia teo ambonin'ny tabernakely ny andro, ary ny afony teo amin'izany nony ny alina, teo imason'ny vahoakan'Israely rehetra nandritra ny dian'izy ireo.