auto save
This commit is contained in:
parent
99cbbe0933
commit
e04f6d3083
|
@ -0,0 +1 @@
|
|||
29 Fa gne mpampianatry, nagniry hagnamarigny gne zakany, da nizaka tam’i Jesosy hoe: «ià gne namako? » 30 Namaly enazy i Jesosy ka nizaka hoe: «nisy lelah raiky nidy avy lahatagny Jerosalema hoagny Jeriko. Izy da azone mpandroba, izay nangala gne fanagnany aby taminazy, sy namango enazy, sy namela anazy efa ho faty. 31 Ary nisy kisendrasendra mpisorogny nandalo tamiza lalana za, ary laha nahita anazy izy, da nandeha tagnilany tegny. 32 Akoiza koa gne Levita raiky, laha nandalo tame toera ka nihita anazy, da nandeha tagnilany tegny. 33 Fa nisy Samaritana raiky, laha nandeha tame nandihanany izy, da avy teo ame nisy enazy. Laha nahita anazy izy, da nitsetra anazy. 34 Da nagnato enazy izy ka nifehy gne ratriny, ary nandraraky menaky sy divay tamin’izà. Nampifampitihine bibiny izy, ka nizaka tagny ame tragnombahiny, ary nokarikarainy. 35 Gnomarain’ío da nangala denaria roy izy, ary nanolotry iza tame tompotragno, ary gnanao hoe: «karikaray izy, ary na otrino na otrino laninao amboniny, rehefa miverigny ià, da ho efaiko». 36 Da ia amindreo telo io, araky gn’eritreritrao, gne naman’igne azone mpandroba? » 37 Namaly iza mpampianatry za hoe: Gne raiky izay nagnaboda gne fiantra taminazy». I Jesosy nizaka taminazy hoe: « mandihana ary magnamboara akoiza koa». 38 Ary raha niray nandeha indreo, da niditry tao ame Tanà raiky Izy, ary nisy viavy raiky atao hoe Marta nampandroso Enazy tandragnony. 39 Nana rahavavy atao hoe Maria izy, izay nidoboky teo ame tombon’ny Tompo ary naharè gne zakany. 40 Fa i Marta sahira be tam’gne fikarikara gne sakafo ho aroso. Nagnato en’i Jesosy izy, da nagnano hoe: «Tompo, tsy mampagnino Enao ve gne namelane rahavaviko ena hanompo raiky? Ba zakay izy hagnampy enah». 41 Fa namaly gne Tompo ka nagnano taminazy hoe: «Marta, Marta, magna ame raha marobe enao, 42 kanefa raha raiky evao gne tena ilay. I Maria da efa nifidy gne tsara indrindra, izy tso-alà aminazy».
|
Loading…
Reference in New Issue