auto save
This commit is contained in:
parent
3e844f3105
commit
5c98c1f799
|
@ -0,0 +1 @@
|
|||
18 Ary i Jesosy da nizaka hoe: «akoignaia gne fanjakan’Andriamanitry, ary akoignaia gn’afaky agnoharako enzà? » 19 izà da akoigne voatsinampy izay nalay sady nafafine lelah raiky teo ame jaridainy, ka lasa hazo zakabe raiky ary gne vorone lagnitry da nagnano gne tragnony tame sampany». 20 Ambola nizaka avakoa izy hoe: «ino gn’afaky apitovisako gne fanjakan’Andriamanitry? 21 iza da akoigne masirasira izay nalaine viavy raiky ka nafangarony tame koba in-telone kapoky mandrapapivavatry enazy agnatine koba aby». 22 I Jesosy da nandeha nitety gne tanà sy gne vohitry tsikiraikiraiky tame làla ho agny Jerosalema ary nampianatry endreo. 23 Nisy raiky nizaka taminazy hoe: «Tompo, kidy me gn’olo ho vonje? » ary hoy izy tamindreo se: 24 «media gne hiditry ame varangara pitsa enareo, satria, iaho mizaka aminareo, maro gne ta-hiditry, fa tsy afaky gne hiditry. 25 Laha mitsanga gne tompon-tragno ary magnidy gne varangara, da hitsanga eo ambadiky eo enareo ka hipaipaiky gne varangara ary hizaka hoe: «Tompo, Tompo, apidiro iahay». Izy hamaly ka hizaka aminareo hoe: «tsy fatako enareo na gne fevisanareo». 26 Ary hizaka enareo hoe: «nihina sy nisotro takatrefanao teo iahay, ary enao efa nampianatry enay tandàla». 27 Fa izy da hamaly hoe: «mizaka aminareo ià, tsy fatako gne fevianareo. Melà aminah etoa, enareo mpagnano ratsy!» 28 Hisy fitomangia sy fahararizane nify laha vao mahita en’i Abrahama, Isaka, i Jakoba sy gne mpaminany aby ao ame fanjakan’Andriamanitry enareo, kanefa voarohaky agny ivelany enareo. 29 Indreo da ho avy latatsignana, latakandrefa, latavaratry, ary latatsimo ka hidoboky eo ame latabatry gne fanjakan’Andriamanitry. 30 Fantaro izao, gne mevan-danja gne ho voalohany, ary gne mavesan-danja gne ho farany». 31 Tafara kidikidin’izà, da nisy Fariseo sasany avy ary nizaka taminazy hoe: «mandiana elay malaky gnetoa satria i Heroda da ta hamono enao». 32 I Jesosy nizaka hoe: «mandiana ary zakay izà amboahaolo zàhoe: «igny ià mandroky demonia sy magnano fagnasitragna androany sy omaray, ary ame gn’andro fahatelo da ho tratriko gne tanjogniko». 33 N’ino n’ino mitranga, zava-dehibe aminah gne manohy enio androany, omaray, ary ame gn’andro magnaraky, satria tsy azo eke gne famonoa gne mpaminany lavitry en’i Jerosalema. 34 «enareo Jerosalema, enareo Jerosalema, izay mamono gne mpaminany sy mitora-bato endreo izay niraha taminareo tagny. Impiry ià gne nagniry gne handagnogne zanakareo ako gne akoho vavy mandagno gne zanany ambanin’elatriny, kanefa tsy magniry enzà enareo. 35 Igny nelà gne tragnonareo. Ià da miroho aminareo, tsy ho itanareo ià mandra-pizakanareo hoe: «sambatry izay avy am’gn’agnaran’ny Tompo»».
|
Loading…
Reference in New Issue