auto save
This commit is contained in:
parent
5a4d944bb8
commit
5793dbca83
|
@ -0,0 +1 @@
|
|||
20 Laha nahita gne finoandreo, da hoy Jesosy hoe: «Eh! Ralelah, voavela gn’helokao». 21 Nanomboky nagnontany gne mpanoratry lalàgna sy gne Fariseo hoe: «Ia me izà mizaka ratsy zà? Ia gne afaky mamela gne fahota afa tsy gne Andriamanitry raiky evao?» 22 Fa i Jesosy, nahafatatry gne noeritreretindreo, da namaly ary nizaka tamindreo hoe: «nagnino enareo è magnontany en’izà agnatine trokinareo? 23 ino gne mora rohony kokoa: «voavela gn’helokao» sa gne mizaka hoe «mitsangana ary mandiana»? 24 kanefa mba hahafantaranareo fa gne zanak’Olo da manam-pahefa hamela heloky eto ambony tany, da rohoniko aminao, mitsangana, indeso e fandrianao ary mandiana andragnonareo agny». 25 Teo no ho eo da nitsanga tagnatrehandreo teo izy ary nangala gne fandria natoriany. Avy teo da nody izy ary nagnome voninahatry gn’Andriamanitry. 26 Gaga aby e be sy ny maro ary nagnome voninahatry gn’Andriamanitry indreo. Feno tahatry indreo, nizaka hoe: «nahita raha nahagaga itsika tandroany». 27 Tafaran’izà tranga zà da niala teo i Jesosy ka nifankahazo tame mpandagno hetra raiky atao hoe Levy, nidoboky tame tragnone mpamory hetra. Nizaka taminazy Izy hoe: «Magnaraha anah». 28 Da nitsanga i Levy ka nagnaraky enazy, sady nagnapetraky gne raha naniny aby. 29 Da nagnano fagnasà zakabe tandragnony tao ho an’i Jesosy i Levy. Maro gne mpandagno hetra sy gn’olo hafa niray nidoboky ary nindray nihina taminazy. 30 Kanefa gne Fariseo sy gne mpanoratry lalàgna da nitaraigny tame mpianatriny, ka nizaka hoe: «Nahoa enao gne miray mihina sy misotro ame mpandagno hetra sy ame gn’olo mpanota?» Novalian’i Jesosy indreo hoe : «Tsy mitadia dokotera gn’olo salama ; fa gne marary evao. 32 Tsy avy hangaiky gn’olo marigny ho ame fibebaha ià, fa hangaiky gne mpanota ho ame fibebaha». 33 Da hoy indreo taminazy se : «gne mpianatr’i Jaona da matetiky mifady hany sady mivavaky, ary gne mpiantry gne Fariseo da magnano akoiza koa. Kanefa gne mpianatrinao da mihina sady misotro». 34 I Jesosy nizaka andreo hoe: «Izy mesa kô misy olo mahavita mampifady hany gne havane mpampakatry laha ambola andragno ao gne mpampakatry ? 35 fa ho avy gn’andro izay hangala gne mpampakatry amindreo, ary amzà andro zà, da hifady hany indreo». 36 Da nandray ohatry ho andreo i Jesosy : «tsy misy olo mandrivatry tapadamba avy ame lamba vao ary hagnanoa takobarabo gne lamba kotra. Laha magnano enzà izy, da hamilavila gne lamba vao, ary gne tapadamba avy tame lamba vao da tsy hitovy ame lamba kotra. 37 Tsy misy olo magnisy divay vaovao agnatine siny hoditry tonta. Raha magnano enzà izy, da handrivatry gne hoditry gne divay vaovao, ary da ho very gne divay, ary da ho samba gne siny hoditry. 38 fa gne divay vaovao da tsy maintsy hahisy agnatine siny hoditry vaovao. 39 tsy misy olo avy nisotro gne divay taloha ka hagniry gne vaovao, fa hoy se: «gne taloha gne tsara»».
|
Loading…
Reference in New Issue