Nandaon'iary zareo tagny amin'ny mpisoronabe Jesôsy. Niaraka nivorovoro tamin'azy teo aby ny mpisorona marobe, sy ny loholona, de iregny mpanora-dalàna. De Petera nagnaraka an'Azy tegny alavidavitra tegny, ka hatramin'ny tokotanin'ny mpisoronabe. Nipetraka tegny amin'ny mpiambina izy, zay namindro takekiny afo.